logo Moov
Google
 
         
Informatique et Télécom
Aller à la page: 12345Suivante
Page: 1 sur 5
Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: 4G
Date: 12 mai 2010 - 15:46

Mba alefaso ny hevitr'izay efa mampiasa na ireo izay mbola tsia

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: hic!
Date: 12 mai 2010 - 15:56

mbola tsia :

mbola tsy azoko antoka ! Izay ny hevitro

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: R.m
Date: 12 mai 2010 - 17:29

vao saika fa misalasala...

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: he he he
Date: 13 mai 2010 - 08:32

tsy we manan a fa teto vao nahenoko ny 4g, pub any andafy to 3g daol alou

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: speed
Date: 13 mai 2010 - 11:02

Ny 4G d vao nivoaka. Mbola 5 pays au monde no mampiasa azy h@ zao. Madagascar no sixième, tokony ho fier tsika @ zany.
Mampiasa an le 4G za io. Tena impecc. Ny debit à 512kbps. Le phone kou za mampiasa. Nividy puce roa d anay mivady. Gratos ny appel-nay. C super !!

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: redspeed
Date: 13 mai 2010 - 11:54

fa i speed ve mpiasan'i blueline ?
rah tsia dia afaka omenao ve hoe etrinona lay izy dia ahoana ny contrat , ny momba lay izy rehetra dia aiza no misy azy ...

misaotra betsaka

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: WinTV
Date: 13 mai 2010 - 20:01

speed>>>> manana carte de couverture ve ianao? Firy km miala an'i Tanà no mahazo.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: R.m
Date: 14 mai 2010 - 11:35

redspeed>>jereo ato http //forum.moov.mg/read.php?11,2377650,page=2

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: hic!
Date: 14 mai 2010 - 12:38

ny zavatra toa itony anie rehefa mazava tsara, tsy misy manontany eto na iray aza e!

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: hahah
Date: 14 mai 2010 - 19:39

bjr,

Ny zavatra tena ilaina anie de hoe manao ahona marina le qualité le connexion eh! efa fantatra hatramin'ela fa ny FAI eto @ tanana de champion' ny publicité mensongère. Donc mila olona efa mampiasa azy mba milaza ny hoe manao ahona marina le débit par rapport le toerana misy azy (ivato, iahavolo, ambohitrarahaba, analkely, ambatobe...) ary izay no tena ilaina itony forum raha tsy diso aho

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: gonx
Date: 20 mai 2010 - 06:56

Ka vao manomboka moa ve ts ho speed, reny hiarak irona ry kala alika avy eo kenda doly lol

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: Jomaka
Date: 20 mai 2010 - 11:21

Fa lé izy v alou tena lé 4G sa resaka fotsn e, ra mis technicien Gulfsat ao d mba teneno eto oué tena manaraka anlé norme LTE na IBurst v lé izy sa appelation commerciale fotsn ôtranlé oué FreeDSL iny (zvt tsis kory fa t anenjika anlé ADSL oué haut débit r zalà d mamorona anarana vinany b fotsn d taraiky daholo ny kil)

Efa mandé manko zao ny 3G+ izay tena manaraka tsara ny norme HSDPA d t anenjika an'iny ndray zao r zalà d 4G a 4G...

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: za mpiasa gulfsat
Date: 20 mai 2010 - 13:04

Manao ahoana ny moovnaute namana !!

Jomaka>>

manontany ianao hoe manaraka norma ve ilay 4G atolotray sa tsia.

Eto amin'ny forum an'i mooov isika dia tsy hanao dokam-barotra aho fa fintiniko fohy ny fandehan'ilay 4G.
Tsoriko kosa anefa fa izay ho lazaiko eto dia marina tanteraka ary asakansantsika na ahatoky ahy na tsia.

1- tsy misy hifandraisany amin'ny 3G+ mihintsy na dia kely aza.

2- Ny 3G+ dia natokana ho an'ny finday tany am-boalohany.. izany hoe, tohin'ilay 1G, 2G avy eo 3G. natao hifampiantsoana ireo teknolojia ireo tamin'ny namoronana azy fa avy eo dia nitarina amin'ny famiasany ni Internet. izany hoe option ny Internet fa tsy fonction. ary izany no mahatpnga ny offre 4G rehetra ho limitées. potika ny reseau raha manandrana manao illimité ireo.

3- ny 4G kosa dia natokana ho an'ni DATA fa ny télephonie indray no en option.
izahay izany raha toa ka miteny hoe illimité, dia ... illimité izay!!!

4- mety betsaka isika no manontany tena hoe manao ahoana ny débit amin'ny 4G... azo atao tsara, ary efa nandramanay ny manosika izy io ambony dia ambony. théoriquement, tafakatra hatrany amin'ny 100mbps ny débit 4G.
ny nandramanay izao tamin'ilay modem 4G amidy izao io dia 15Mbps. tsisy ho kianina!!!

5- hamaranako azy, mbola tsy mahaenika an'Antananarivo tanteraka ny réseau 4G amin'izao fotoana izao fa eoa m-panitarana azy izahay. izay efa mahazo kosa aloha hatreto dia afaka miditra eto amin'ny forum angamba milaza ny heviny dia ho itantsika.
hatramin'ny faran'ny volana jiona dia ezahina ny ahaenika ny renivohitra... ary hatramin'ny faran'ny taona kosa no ho rakotra ny renivohim-paritany eto amintsika.

izay ary fa dia araka ny nanombohako azy tetsy ambony dia anjarantsika na ahatoky ahy na tsia.

Misaotra ny moovnaute namana.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: za mpiasa gulfsat
Date: 20 mai 2010 - 13:07

notsaraintsika angamba ilay point n°2: izany no mahatonga ny offres 3G...

miala tsiny

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: Mpianatra.
Date: 20 mai 2010 - 23:01

Fanontaniana tsotra ny ahy ity ho an'i mpampiasa gulfsat io:
Nisy fotoana tadidiko hoe nofoanana ny freenet ary dia namporisihina hampiasa freedsl (ilay modem kely wimax fotsifotsy iny) ny mpanjifa
Firy taona no nandefasana ny Freedsl nefa toa tsy mbola nihoatra ny faritra telo (Antananarivo renivohitra, mahajanga, iza moa ilay fahatelo Nosy be ve moa) ny vaoarakotra.
Raha vao mila débit tsaratsara ny mpanjifa dia amporisihina hampiasa ilay Wimax (antenne carré) tsy afaka mamindrafindra

Dia hiditra ity ny 4G, faritra firy indray no hasiana an'izy io?

Ilay andalany faha-4 dia mampaha lasa saina koa, milaza ianao fa "ny nandramanay izao tamin'ilay modem 4G amidy izao io dia 15Mbps. tsisy ho kianina!!!"
eo anelanelan'ny mpanjifa sy provider ve io sa sortie internationale? raha mbola 128 kBps mantsy ohatra no hozaraina nefa 15 MBps ny local, tsy hitako ze anavahana azy @ iretsy bas-débit fahiny

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: za mpiasa blueline
Date: 21 mai 2010 - 15:37

asa raha toa ka itantsika ireny bts, pylône... fampifandraisana apetraka eran'ny tanàna ireny amin'izao fotoana izao.

ezaka sy fanamdy lehibe mihintsy no ao ambadik'izy ireny.

ny tsara ho fantatsika kosa anefa dia toy ny réseau rehetra ihany io, ary tsy tokony hisy handaingana. rahefa tsy voarakotra ny toerana misy anao dia tsy mahazo ianao. somary tsy afam-po i Mpianatra amin'ilay hoe omena ilay antenne.

tsoriko kosa anefa fa ty misy fitaka amin'izany na dia kely aza satria ny ahazahoanao connexion mandeha tsra no iarahantsika mitady koa raha tsy mahazo ary ve ianao amin'ny service iray tsy ho soloinay izay mety aminao kosa? raha toa anefa tsy tianao io, tsy hifanerena tsy akory.

raha toa ary ka mboka tsy mahazo ihany iana amin'io, mbola homenay Vsat indray ho afa-po.

varotra no atao ka raha toa ka misy izay tokony ho mety aminao kosa ary ve ato amin'ny Blueline dia ho asainay handeha fotsiny amin'izao ianao?

Momba ny 4G indray dia ankoatra ny renivohitra dia ezaka ko ny handrakofana an'Antsirabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, Toliara. mbola ho ita eo ihany koa ny toeran-kafa.

fa araka ilay efa namafisiko taloha dia tsy ho izao ankehitriny izao akory izany dia ho tanteraka.

ny farany dia sortie internationale no noresahako mikasiak ilay test tetsy ambony. ary hamafisiko fa ny mampiavaka ny 4è génération dia natokana ho an'ny DATA io ary tsy tokony hanana ahiahy isika mpanjifa mikasika ny saturation.

izay fa misaotra an'i Mpianatra.

Mazotoa daholo.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: ééé
Date: 21 mai 2010 - 17:01

ééé dé hivadika BL izany ato ato!
ho tapitra mantsy ny contrat ao @ ovy; raha tsy hoe hisy réplique mafy après mondial ataon'ny ovy.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: xxxxxxxxxxxxxxx
Date: 23 mai 2010 - 23:43

misaotra betsaka amin'ny info rehetra.

ary inona marina azafady ny olana amin'ny site web i BL ?
izaho te ahafantatra tsara ny offre sy ny prix ary ny contrat nareo .

ilay izy izany mbola ilay hoe tsy misy débit minimum anareo iny intsony sa efa nasiana taloha manko mbola nanana iris homa aho dia voalaza ao amin'ny contrat dia ho tsy misy bw minimum izany fa 0 à XXXkbps .

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: xxxxxxxxxxxxxxx
Date: 23 mai 2010 - 23:46

saika adinokoa ahoana ny plan adressage ?
mahazo IP public ve ? dia misy filtre Voip ve ?
ahoana koa ny up sy down ?

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: za mpiasa blueline
Date: 25 mai 2010 - 09:47

xxxxxxxxxxxxxxxx>>

>>"ary inona marina ny olana amin'ny site BLL?"

Tsy olana no ilazako azy fa fandaminana, izany hoe, mbola eo am-piketrehana izay tena ho endriny vaovao izahay satria tsy maintsy mba atao hanara-prnitra amin'izay izy io. izany hoe, satria betsaka koa ny olona no mangataka ny mise à jour dia ho asianay izay infos pratiques mikasika ny offres vaovao rehetra ao ato ho ato aloha.

>>"saika adinokoa ahoana ny plan adressage ?"

ilaina io.

>>"mahazo IP public ve ? dia misy filtre Voip ve ?"

IP public OK (DHCP) ; Voip, optionnelle.

>>"ahoana koa ny up sy down ?"

Modulaire; bande passante: 512kbps à 4Méga à tester.

merci.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: ralay 2007
Date: 25 mai 2010 - 10:10

Otran'ny tsy dia convaincu loatra aho amin'ilay lazain'i "za mpiasa blueline". Jereo kely anie ity lien ity e :

fr.wikipedia.org/wiki/4G

Sa ve isika malagasy izany no tena milay indrindra eto ambonin'ny tany ka lasa alohan'ny rehetra ? suicidesuicide

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: Jarod
Date: 25 mai 2010 - 10:27

dé alefan'ny BL eto @ moov daolo ny secrets-ny zany mdr
enga anie ka tsy ho toy ny zava-baovao rehetra no-blabla-tiavana teto hatrizay indray ny anareo e smiling smiley

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: xxxxxxxxxxxxxxx
Date: 25 mai 2010 - 12:01

za mpiasa blueline > misy document misy offres nareo ve ? na brochure version electronique rah mbola tsy vita ilay site ?

alefaso eto ny lien azafdy

merci

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: za mpiasa blueline
Date: 25 mai 2010 - 12:11

Ralay>> "tsy dia convaincu loatra aho amin'ilay lazain'i "za mpiasa blueline".

afaka mandalo any amin'ny blueline ianao dia ho itanao raha toa kaizy marina ily wimax mobile amidy ao na tsia raha toa ianao tsy dia convaincu.
fanahy iniana n fampidirana ny 4G eto madagasikara ary tokony isika malagasy ho faly amin'izany satria anisan'ny voalohany eto ambonnin'ny tany afaka mapiasa azy io.

jarod>> "dé alefan'ny BL eto @ moov daolo ny secrets-ny"

tsy misy secrets ireo fa raha toa ka manontany ianao rahefa hividy zavatra dia anisan'ny lazaina anao ihany koa ireo. izay clients blueline rehetra izany dia mahafantatra ireo daholo.

mahereza daholo misafidy fa mihazakazaka ity raharaha teknolojia ity e!

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: moi3
Date: 25 mai 2010 - 12:21

iiiié!
sady tena tia technologie ilay ministre TIC vaovao ka ho ita eo ny adiny!

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: oiza
Date: 25 mai 2010 - 15:01

Raha mipetraka eny ambanin'Angavokely ve zah dia poinsa fa mahazo an-dry zalah @ le 4G???
any manko milamina tsara, afaka manangana zavatra bedabe.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: bottleneck
Date: 25 mai 2010 - 15:17

ny zavatra efa hita fotsiny hatreto amin'ireo FAI ireo dia ny clients vaovao hatsofoka ihany nefa ny bande passante internationale efa kenda. sa io angamba ilay antsoiny hoe "modulaire", effet de "bottleneck" sous-entendu ...?

>>> za mpiasa blueline
Efa LION ve no mitondra ilay offre 4G sa mbola satellite?

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: ralay 2007
Date: 26 mai 2010 - 08:56

za mpiasa blueline>>>> nareo angamba commercial dia izay no anamboaranareo ny sainay eto fa raha ny offre omen'ny FAI rehetra eto aloha hatramizao dia tsy mahafapo e, afatsy ny an'ny Orange angamba fa nefa leizy tsy mbola à la portée ny particulier fa efa nahita aho mantsy fa tena milay ny andry zareo.
Ty triple play misy télé ity koa mantsy no mahagaga oe aiza ho aiza amin'ny licence n'ny FAI no mety hanaovana azy satria raha azo atao io créneau io ve tsy mba efa nanao transmission de données koa ry Parabole sy Canalsat Mada ? Sa aona ?

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: Ticoumis
Date: 26 mai 2010 - 09:00

Fa inona aby le chaine TV azo @ io e ?

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: killkely
Date: 26 mai 2010 - 09:19

ny tena mahavariana ahy @ ity tantara ity dia ilay pub atao etsy sy eroa. atramin'ny forum moov aza asiana.

dia ao @ site blueline tsy misy resaka mihitsy ny offre??????

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: Mpianatra.
Date: 26 mai 2010 - 11:59

Milay ny triple play ka
Mahazo télé izay mbola tsy fantatra ny lisitra raha tsy @ Jolay
Mahazo internet izay tsy fantatra ny loharany na avy eny @ satellite na avy eny @ LION
Mahazo téléphone izay mbola tsy ho fantatra ny tarif vers autre opérateur

Mahazo facture isambolana na mandeha tsara ny service na tsy mandeha
Mahazo engagement 12 à 24 mois tsy an-kiala

Tsara ny 4G blueline!
Efa ataony hay tsianjery tsara ny pub @ radio

C'est national !

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: Mopera
Date: 26 mai 2010 - 14:04

>Par: Ticoumis
>Date: 26 mai 2010 - 09:00

>Fa inona aby le chaine TV azo @ io e ?

Misitery io zanako . Ny isany fotsiny no efa fantatra . Fa ianao zanako efa mahazo mandoa rakitra (manao abonnement) sahady .

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: killkely
Date: 26 mai 2010 - 14:29

aza matahotra, vidio fotsiny ihany!mortderire

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: kikiou
Date: 26 mai 2010 - 15:07

Bonjour daolo,

Samy manana ny heviya fa zao no hevitro araka ny hitako,

efa manana antaonany freedsl aho , fa tsapako misy évolution be ny débit sy ny qualité ny connexion tato ho ato.


Ary izay aloha de marina, tena marina, ny DHCP fotsiny no misy pbm indraindray, fa raha ny qualité ny connexion de afaka mifampitaha @ hafa tsara au même prix.

za mpiasa blueline > Fa zao anefa firy tokoa moa ny débit an'ilay freedsl iny e,

sao de efa matanjaka noho le 4G - 512 théorique le izy, mila an'izay information izay mba ahafahana mifindra @ le 4g

@ le triple play : le TV fe efa nandramanareo fa sur fa tsy misaccade le télé ?


exemple tsotra ity :

@ 4g 512 : mandeha en continue ve ny youtube ohatra @ 12 alina ???


Iza no afaka mamaly

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: kikiou
Date: 26 mai 2010 - 15:10

Résumé : mahafapo aloha @ zao le freedsl.

asa ahoana le 4G sao de mbola tsy stable le izy @ zao ka tokony mbola hiandry aloha
sa ahoana ny hevitrareo.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: ralay 2007
Date: 26 mai 2010 - 15:26

Kikiou>>> Aiza ho aiza no misy anareo fa ny ahy tena otran'ny tsy mahafapo aako ny débit ny freedsl. Za ety manakambahiny no mipetraka fa tena mampiteny ny moana ndraindray

Mpianatra>> tena marina ny anareo fa tena ndraindray anie ka tena publicité mensongère fotsiny leizy e. Ny ankizy kely marina no efa mahay tsianjery anle pub oe c'est illimité....

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: kikiou
Date: 26 mai 2010 - 15:34

ralay 2007 > Za ety mahazo soamanadrariny


ary le qualité feno na latsaka bara 1 le signal

ny testko de zao


raha mijery video youtube de tsy de taptapaka loatra (zany hoe tapaka ihany)

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: ralay 2007
Date: 26 mai 2010 - 18:30

Kikiou>> Ny ahy aza ny signal sy ny réseau feno daholo fa tena mi ram be le connexion e. Asa raha hanao ahoana ihany marina ity Triple play

Fa misy namako manao amle Huawei (CDMA) fa otran'ny mba mety iany fa le crédit no tena tsy laitra hoy lery fa tena minono be mihintsy

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: freedslllll
Date: 27 mai 2010 - 00:58

mandeha ihany lay freedsl tsy haiko tsara ny debit fa manomboka à minuit tonga de tsapa fa manao download automatique ngamba ry zalah ao, mety manao maj mirror.malagasy.com iny fa tena miram ...
sa miara mifoha amin'ny minuit ny kil manana freedsl looollll

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: killkely
Date: 27 mai 2010 - 08:42

question: aiza avy izao ny ville misy couverture freedsl atramin'izao?

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: freedslllll
Date: 27 mai 2010 - 11:42

ka efa hoe tsy afaka manome information mihintsy ry BL satria bedy
bedy raha manao maj ny site web
bedy raha manome brochure en ligne

izany hoe tu achetes et tu te demerdes ...

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: Z8
Date: 28 mai 2010 - 11:20

za mpiasa bleuline >>> Mbola tsy arako tsara ny mikasika ny source anareo ao @Bleuline, fa ny ahy aloha dia ny hany ilaiko hoe, connexion qualité tsara, tsy mampanongo-bolo.
Avy ao amin'ny Orange ve ny fibre-optique ampiasainareo sa avy any amin'ny Telma? Ireo mantsy no fantatro fa manana.
Ary faharoa, efa operationel ve sa mbola miandry ohatran'ny Moov ihany koa?

Merci amin'ny info.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: hic!
Date: 28 mai 2010 - 12:27

Z8 >>>

tsy mampanongo-bolo fotsiny fa sady lasa fotsy daholo rehefa mety ho volo !

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: kokoloha
Date: 28 mai 2010 - 13:15

io zany na 4G na 3G+ na point G ny ilain pokona de connexion mandeha foana sy mba arak zay debit nitenenina , le illimité tena illimitée tokoa fa tsi otran le hoe illimité 30min ny sasany na illimité fa voafetra iany ny donnée telechargé!

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: za mpiasa bluelina
Date: 28 mai 2010 - 14:37

marina aloha fa bobaka ny pub eto amin'ny tanàna e! lalànan'ny fivoarana sy ny tsena hanjakan'ny fifaninanana io.

tsy hivarotra no ho ataoko eto fa ny azo lazaina mikasika ny produit dia metimety kokoa raha toa isika miantso mivantana na manantona ny foibe mandra-panamboarana'ilay site e!

marina ko ny voalazan'i kokoloha hoe ny ilain'ny pokona dia connexion mandeha foana sy zay mba débit araka izay nifanarahana.
manantona hoy aho any amin'ny birao. mino aho fa ny tanjon'ireo izay mivarotra rehetra dia ny hanome fahafaham-po ny mpajifany.

mba misy dikany koa ny hoe 4ème génération fa tsy kitoatoa kosa.

farany, fibre iza no ampiasaina? Lion aloha atreto, ary efa mandeha ve sa mbola miandry toy ny an'ny sasany? efa mandeha re tompoko ô!

dia misaotra antsika indray fa miverina rahefa afaka e! apetraho foana ny fanontaniana fa aza misalasala.

fa ny tena tsara di aizay efa mampiasa no tokony mba hiditra eto hilaza izay anazy any.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: za mpiasa blueline
Date: 28 mai 2010 - 14:37

marina aloha fa bobaka ny pub eto amin'ny tanàna e! lalànan'ny fivoarana sy ny tsena hanjakan'ny fifaninanana io.

tsy hivarotra no ho ataoko eto fa ny azo lazaina mikasika ny produit dia metimety kokoa raha toa isika miantso mivantana na manantona ny foibe mandra-panamboarana'ilay site e!

marina ko ny voalazan'i kokoloha hoe ny ilain'ny pokona dia connexion mandeha foana sy zay mba débit araka izay nifanarahana.
manantona hoy aho any amin'ny birao. mino aho fa ny tanjon'ireo izay mivarotra rehetra dia ny hanome fahafaham-po ny mpajifany.

mba misy dikany koa ny hoe 4ème génération fa tsy kitoatoa kosa.

farany, fibre iza no ampiasaina? Lion aloha atreto, ary efa mandeha ve sa mbola miandry toy ny an'ny sasany? efa mandeha re tompoko ô!

dia misaotra antsika indray fa miverina rahefa afaka e! apetraho foana ny fanontaniana fa aza misalasala.

fa ny tena tsara di aizay efa mampiasa no tokony mba hiditra eto hilaza izay anazy any.

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: mampiasa 4G
Date: 02 juin 2010 - 16:04

za mampiasa 4G fa mahita oe tapatapaka zany foana le izy. Tsy haiko problème DnS ve sa inn no mahatonga azy manao foana oue "impossible de trouver le serveur à distant". Mba afaka azavainao v d innn no solution?

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: proxy
Date: 02 juin 2010 - 16:52

jereo ato cbe.visolve.com sode misy proxy ndray ao de iny no tsy mamely

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: Tinarivo
Date: 02 juin 2010 - 17:08

Mba te-hanandrana an'ity 4G ity aho sao misy afaka mampindrana na dia ora vitsy fotsiny aza . Afaka manao déplacement mankany aminao aho sady afaka mitondra ordi portable . Na misy sarany aza tsy maninona . tinar490 at gmail.com

Options: Répondre
Re: Milay ve ty triple play an'i Blueline ty?
Par: midnight
Date: 03 juin 2010 - 18:35

freedslllll>> "mandeha ihany lay freedsl tsy haiko tsara ny debit fa manomboka à minuit tonga de tsapa fa manao download automatique ngamba ry zalah ao, mety manao maj mirror.malagasy.com iny fa tena miram ...
sa miara mifoha amin'ny minuit ny kil manana freedsl looollll"

miara mifoha @ minuit ny kil, en tout cas za lo anisany

Options: Répondre
Aller à la page: 12345Suivante
Page: 1 sur 5


Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum

à FRANCE PHOTOS TIA antananarivo cours emploi facebook femme film gasy gmail google gratuit horoscope hotel jeux mada madagascar mail malagasy malgache offre pazzapa photo sobika sobika.com video yahoo yahoo.fr

Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
· relevant de la diffamation et de l'injure,
· de nature pornographique,
· invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
· incitant aux crimes et délits,
· incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
· faisant l'apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l'humanité; la négation de crimes contre l'humanité.

Règles de base :
· Respectez l'organisation des thèmes proposés.
· Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l'éparpillement des discussions.
· Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
· N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
· Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. DTS, jouant uniquement un rôle d'hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

DTS respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi.
Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foanana na tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo.
Misy ny forum ahafahanao mampita hevitra amin’ny modérateur, na mampandre raha misy hafatra heverinao fa tsy tokony haseho. Azonao atao ihany koa ny mandefa e-mail amin’ny
moderateur@dts.mg

©