Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Humour et Insolite
Aller à la page: 1234Suivante
Page: 1 sur 4
Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: TomSawyer
Date: 08 janvier 2014 - 17:41

Ny fahazazana sy fahazatovo tany ampianarana tena fotoana mba tsy matiko lolo mihitsy. Tsara loatra rehefa izao na dia ratsy aza ny fisehony tamin'izany.

Atomboko:

1. Nampianarin'ny RAR tamin'ny sekoly raitra ny tenanay. Ny RAR anefa tena sahirana fa dia ilay hanome fianarana mahomby no tanjony. Kahie Kitra sy Foot no fampiasa kanefa ao ampianarana efa irony kahie "importé" madio sy fotsy tsara ireny daholo no nampiasain'ny kil. Rehefa mizara "copie" (examen" 'test, DS,...) ilay prof de maths izay dia apetrany eo alohany daholo ilay copies, alainy tsirairay ary jereny kely 5 secondes eo. Vao tonga eo amin'ilay feuille matroka be dia ny ahy izay. Mihoraka ny kil rehetra oe elah iny !!

2. Rehefa manao EPS (gymn hoy ny sasany izay) dia samy mitondra tennis de sport daholo ny kil. Nisy bandy 2 zay samy tsy manana kiraro natao ho amin'izay dia norevenay pieds nus foana ny EPS. Nolazain'ny kil fa oe manao kiraro marque "Faladium" izahay !

Nahamenatra tamin'izany, mahafinaritra mitsiahy izany rehefa izao.

Ary ny anareo ??

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: pisam
Date: 09 janvier 2014 - 19:07

za talou raindahiny be raha hangalatra stylo. Natôko mamay dôly ze stylo tsaratsara tao ampenarana. heheehehehe

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: nenay ndray
Date: 27 janvier 2014 - 13:09

nenay ndray ts mba maazo fitaovana vaovao zany fa le protège efa napesain zoknay tam taom p ianarana teo aloha ohatra no apesaina, de otrzany koa ny boky, kitapo sns.

Dia ny namana maazo vaovao fona isan-taona, fa tsy manin moa fa ny RAD aza tsy manana ko atao aona, nilofo nianatra tsara no natao ary ts oe ts naharaka akory na dia tsy vaovao aza n fitaovana

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: lekoto savant
Date: 28 janvier 2014 - 12:08

tomsaywer , fa ela zao tafita eh de mety be diabe amin ireny nihomhy anla reny no any aoriana alavitra anla , za koa de nataon bandy fireska otranzany taloha eh , fa ny R.A.D ny tena moa tsy mba nanakatao fa na izy ireo ary mba sahirana ery na dia ny fijalianay vao oe hiditra ny mpianatra , fa zao ny tena mba tafita eh , manana na vady na zanaka na fiara na moto , ny asa moa dia miasa amin orinasa avy any ivelany ,faly ery rabofy sy rabain amizao ary dia mihomehy faoana zahay rehefa mitantara ny zavatra nahazo ana sy ny zavatra niaretanay zahay taloha fa dia mitovy tsy misy valaka amin ny anao io .

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Joe
Date: 28 janvier 2014 - 12:17

Be da be ny ahy; hiezaka ny hitadidy aho:

Le resaka kahié aloha dia tena nahitana zavatra miitsy:
Tsy mahavidy kahie 100p na 200p dia ny kahier 50p no atambatra. Amin'izay ireny kahier tsy mba fotsy ireny no taratasiny fa ilay somary matroka.

Stylo kinga, asa raha tadidinareo?, mora maty, ny Bic natao ho an'ny saranga antonony tamin'izany. ka refa manan stylo kinga defa ampy izay, fa maty miitsy ny dernière page am kahié refa mampandeha an'lé stylo refa nianjera fa tsy maintsy maty iny , na tapatapaka ny sorany.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: TomSawyer
Date: 28 janvier 2014 - 12:25

lekoto savant >> marina letsy zany ! tsy afaka ny hilaza oe tafita izaho, fa ny toerana misy ahy dia : miasa aty ivelany izaho, be pitia ny asako, asa iraisam-pirenena, mahafa-po ahy ny karamako.

Mbola hiverina any an-tanana ihany, mety hahita ireo sakaiza fahiny na ny panatsafa tamin'izany na ny namana tsy nanary.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: nenay ndray
Date: 28 janvier 2014 - 13:39

Joe>>> dia tena mitovy mitsy le oe ny cahier tsy mba le fotsy fa le papmad ngamba le matroka iny, dia maniry mitsy talou mba atao anle fotsy b le izy

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Joe
Date: 28 janvier 2014 - 16:05

Ie! ny nosintsika le kahié mba tsara, dia lafo. fa ravinala ilay kahie ratsy, fa ny kahié importé izany aloha dia tsy nandalo ny maso akory eh, efa taty aoriana be vao mba nanana cahier 100p sufren (96p no eo aminy) izay aho, tena tsaroako tsara izy io, satria tena nanao boatindrakitra miitsy aho mba ahazoako azy, dia nataoko kahié Science Nat ilay izy.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Fa
Date: 28 janvier 2014 - 18:56

Ny ahy ntena tadidko ar tsy adinko mints atramzao:Rhf andé hivoka anao récréation mo dia milahatr,ka teo ampilaharana teo nitabataba lay ankiz tao arinako ,tonga avy any le Mme Monique zay tonga dia za no no felahany mafy dia mafy,tena narary tamnzany sady menatra an le sip kel mpiara mianatr reny.t@zany za 8eme tao @notre dame de lourd tao,tsy adinko zay a!narary a!tsapako otran nis diatanana mints teo amntarehako teo!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Modymatory
Date: 29 janvier 2014 - 08:27

Manganohano lets n ranomaso refa mamaky an'itony. Tena nifofotra mihitsy n RAD tamin'izay mbol nianatra;Nenay indray aloha ny Cahier de léçon mba importé fa ny exercice kitra; fa ra bain s rabofy raha voa fianarana zany dia manao izay tratrany fa fitafiana izahay no hitako hoe tsy dia napiakanjona raha ampitahana @hafa.
Amin'izao anefa dia tonga teo @tanjona niriany zaro satria zahay mba azo lazaina hoe manana ny maha izy azy eo @ asa ary itsiriritan'ny cousin s cousine.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: EPP
Date: 29 janvier 2014 - 10:37

Ny ana indray dia ilay fanateran'i neny sakafo anay isaky ny atoandro no tena hitako henjana t@izany. Indraindray 10 mn na 15 mn alohan'ny hidirana @ apres midi iny izy vao tonga satria mbola nitady vola dia atoandro be vao nanokona sakafo dia nandeha tongotra nanatitra any am-pianarana,...Soa ihany fa mba tatita izahay @ izao ary dia hifaninanay mianadahy avy ny mampihanta an'i neny araka izay azonay hatao satria tsy toy izao izahay raha tsy i neny.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: zanynyamerika
Date: 29 janvier 2014 - 11:22

io de mboa anisan'ny sujet fialambolinay ato apesana fona mfaptatara ny lasany io
de tena marina mitsy mo io na le cahier na stylo kinga
zah ko somar anpenarina tany am fenarana somary mba raitra iany mba oe aatsara niveau.Ts de oe nanana be ny tao atanana fa mba aaizana fotsiny.tam bola kely mo ts de nivaky loha fa de nande oaz n cahier kitra sns fa refa secondaire de mba napfangarongarona ny hoe calligraphe ny lecon de le vita gasy n exo.de nila cahier TP reny de mis ftona oe ts lany ertaona le izy de atsongoloka de iny iany no miady am ertaona...ny carnet de note,le bloc note ndrabaina ts lany reny no apesaina,etezana atao otrn carnet de agraphéna
Fa ny tena nasosotra anah le bandy kely zay.Mba vo nanao sipa mo tamzany.Le kapa hoditra an aigle d'or reny tam zany vo nanomboka nisy de nividianandrabofy anreny ah .De teneninekiz fona oe kapambavy iny nefa zah ts nanana afa ts zay de tennis ray fa tennis ary mba kitro netn fianakaviana avy any ivelany de tsitsina fanaovana basket s EPS.De nis ipa zay nanao remark oe zah ts msolo kapa mitsy.Narary ny fo fa atao ahona mo fa izy manan ny ampy ko.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: lekoto savant
Date: 29 janvier 2014 - 13:14

TomSawyer <<<<sur mitsy lesy eh , mahafinaritra mitsiny mahita gasy tafita otran ialahy eh , fa mba tsara tantaraina am bandy kely zandry aty aoriana lesy reny mba hampisy moraly sy courage andry lerony eh , zao mantsy rehefa tsy manan dia tsy tafa tsony amizao .Zay maka anla foana eh

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: tenanisy
Date: 29 janvier 2014 - 16:15

mba nankany andafy ny tenanay tamzany fotoana zany !!

eny andalana mijery anlé tomobil bdb d hozy zah : ary occasion daholo ny tomobil aty !!! satri zatra mahita anlé numéro d'immatriculation tonga aty madagasikara oe refa numero vazah d "okazio" zay lay vam !!!

tao antranonlé olona nivantanana ndray d feno dvd milahatra eo am le buffet. d mbola ozy ndray zah : "ary originale daholo lay dvd ndry zareo ato !"

tena mimeh foan zah hatramzao amzany fahavotsan'ny saiko zany tam zany !! serieux e

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: TomSawyer
Date: 29 janvier 2014 - 18:10

lekoto savant >> za ko maka an'lah e! Ny ahy letsy ny olona namako hatramin'izao dia ireo "depart sac au dos" hoy ny tafika izay. Tena mahalala sady mahazaka onjam-piainana ireny, ary indrindra tena olon'ny ezaka sy mipetrapetraka : hendry, mifandefitra, mifanaja, mora mahalala olana ...

Kodiaran-tsarety tokoa moa izy ity kou !

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: mpamboli
Date: 29 janvier 2014 - 19:08

Nianatra tamin'ireo sekolim-pinoana ireo ny tena, ka dia tao foana nanomboka ny 6ème ka hatramin'ny kilasy famaranana. Dia tamin'ny 6ème, dia pataloha iray izay ihany no nananana, mainty izy io, velon-drirana. Ka nisy rovitra teo amin'ny lohalik'ilay pataloha. Fa nataon'ny ankizy hoe "varavaran-kely" ny solon'anarana tamin'izany.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: cooky
Date: 31 janvier 2014 - 15:19

ndryyyyyy nampalaelo nafinaritra reto fitantaranareo, fa ny anah ndray de cahier d music ny dadanay no netiko nianatra fa tena tsy nisy e nefa tsy maitsy anao contrôle tam zany fotona ee, mbola adinon drazoky ku am zay ny sotro refa hitondra kaly atoandro izy, pauvre de dada !!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: titi
Date: 01 février 2014 - 15:40

cooky<tapaka ny tsinaiko ato amle oe adinondrazoky ku amzay ny sotro refa itondra kaly atoandro!mapalahelo leiz sady mapme f'atao aon fa zay le fiainana tamzany e!

nenay ndray tsisy kitapo dia harona sachet karazany le 50 amzao reny no nasiana ny ftaovana tamzany (ry kitra mianakavy e). Fa ny sachet tamzany ts le manify kely otran le amzao fa somary matevina zay, mba tsaratsara qualité zany e! fa miferin'ain otran in oa refa miteny le maitresse oe sortez vos cahiers de francais ohatra na ze zvtr asainy avoaka eo satria mitabataba be le sachet dia miara-mitodika aminao daolo ny masony ankizy rehetra!te itomany mitsy mitsy mandinika anzany ndraindray nefa sady tafme iany!hihihih

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Communion
Date: 02 février 2014 - 14:40

Bonjour daholo,
Ny ahy indray tsy tany ampianarana no nitranga. Niaraka natao première communion izaho sy ilay cousin-ko. Izaho nipetraka t@ i dadabe sy Bebe, izy ireo dia tsy mba nanam-bola. Jour j-2 mbola ty misy tokotaniny ny akanjo hanaovana. Ny la veille izaho sy i bebe nandeha niangavy ny zanany faralahy mba hanome vola hividianana akanjo. Samy mitomany izahay mianaka no mangataka @ ndry zareo. Mba nanome ry zareo dia izay vao nihazakazaka nandeha teny Analakely nividy ravin-damba fa i Bebe moa mahay manjaitra. Dia niari-tory izy nanjaitra tao. Tonga ny maraina tery be ny tanan´ilay akanjo naika tsy tafiditra. Dia nandeha tany am-piangonana. Ny ankizy naka sary daholo dia izahay nandeha nody. Tsy nisy na sakafo aza tao an-trano. ilay cousin-ko mpifanolo-bodirindrina aminay nandeha nanao fety tany @ fianakavian´ny mamany. Efa tapa-bolana taty aoriana vao mba nanam-bola kely i Dadabe sy i Bebe dia niverenana nanaovana ilay akanjo t@ premièr communion dia nandeha naka sary tany @ studio. Milatsaka ny ranomaso eto am-panoratana izany. Hisaorako an´i dadabe sy i Bebe izay vitany rehetra t@ fanabeazana ahy!!!!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: yssiah
Date: 03 février 2014 - 06:11

telo izahay noniaraka natao première communion;izaho sy zandriko vavy dia cousin anay izay zanaka tokan'ny ngetroka be tamin'izany;ny akanjo sy sakafo tena nahafapo saria nitambatra mamanay sy ny anadahiny nira-nikarakara sy nandoa ny lany,iny tsy olana fary ny fianakaviana tonga vrac be toa ireny nisy mariage ireny !dia ny cadeau vola no nomen'ny havana tonga ,nisy satroka fotsy telo napetraky ny ray aman-dreny teo anolon'ny latabatra fidiarana dia izahay telo niandry ny satroka teo , misy ny anaran'ny tsirairay ilay izy! vita ny sakafo atoandro dia nandeha nanisa ny vola azony ,tamin'ny taona 1975 ilay izy an, ny ahy 18000 fmg ny an'ny zandriko vavy 19000Fmg ary ny an'ilay cousin efa zanaka mpanana nahatratra 250 000fmg!izany ny hoe ny an'ny mpanana no mbola ampiana ; naganohano nampirina ilay volako tao anaty valopy ; avy eo hoy ilay cousin anay, aza mitomany aky fa ndao atambatra dia zaraina telo fa nitsiky ho azy aho avy eo! lasa ny olona dia adino ilay izy fa nandeha nilalao baolina tany an-tokontany be izahay telo avy eo ary tsy nosoloina ilay akanjo eo an, fa bedy satria feno fotaka ilay akanjo vaovao! avy eo moa iny no nentina niangona rehefa alahady!fahatsiarovana ireny!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: lekoto savant
Date: 03 février 2014 - 12:07

communion <<< tena mampalahelo lesy le namaky ny tantaranla ,Kamboty zany ise moa tamin izany? Maherezza dholo ry zalahy fa andriamanitra tsy mba miangatra zany ah , hitany eny foana ny hatsembohan ny tavanao sy ny fikirizanao.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Communion
Date: 03 février 2014 - 13:19

Bonjour,
lekoto savant>>>>>Ie kamboty aho tamin´izany, ny dadako maty vao fito taona aho nefa tsy nitaiza ahy akory izy fony fahavelony, ny reniko nanam-bady olon-kafa dia i dadabe sy i bebe no nitaiza ahy (kanefa kosa tsy midika izany fa tsy tiako ny reniko, nanao izay vitany ihany koa izy). Indrisy manko na ny valim-babena aza tsy voavaliko t@ izy ireo, lasa aloha loatra izy ireo noho ny tsy fisiana. Na ny vola nitsaboana azy ireo aza t@ izany tsy nisy, moa izaho koa mbola tanora fanahy t@ fotoana nankarary azy ireo dia tsy nahatsapa tena hoe inona no andraikitra tokony noraisiko. Isan´andro aho tsakotsakoin´ny eritreritro ihany raha vao mitamberina ato an-tsaiko izy ireo. raha misy zavatra azoko averina eo @ fiainako dia ny nampifoha azy ireo ka hanao izay vitako aminy. Azafady fa lasa manao tora-po be loatra aho.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: TomSawyer
Date: 03 février 2014 - 18:30

yssiah >> ny an'dri kosa dia fialonana ilay nahazo volabe ftsn kosa ee! Mba ilay fo nanolotra no nojerena; sady mety ho nanome be koa anie zareo tamin'ny an'ireny olona namaly be azy ireny ee! Fa izay moa no maha tsiaro azy ka dia isaorana anao bdb nizara.

Communion >> henjana letsy izy izany. Ny hany azo atao dia mody fanina midiridiry ny eo aloha fa raha vao manao tamberina kely de efa mando ny maso. Aza milofika izany ee! mahereza !!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: zanynyamerika
Date: 03 février 2014 - 18:38

Communion:enjana zany lesy le.so iany lah fa tafita ty

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Kitapo
Date: 03 février 2014 - 23:56

Ny ahy indray dia efa classe de 8ème aho angamba t@ izay, nanao ny zipon´ny nenitoako aho fa tsy nanana akanjo nentina nianatra, somary nidoroboka izay ilay zipo. Niakatra tohatra aho, notsofin´ny rivotra ilay zipo fa niainga be nefa ilay short mille-bandes ireny no nanaovako tao anatiny. Dia menatra ny tena e!!!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Kitapo
Date: 04 février 2014 - 00:02

Dia mbola izaho ihany,
Nanana kitapo menamena izay aho, tsy haiko mihintsy izay zavatra nitranga fa efa naneno ny lakolosy fidirana. Taitra be aho nahita ny kitapo nisy zavatra nifotetaka be hoatry ny taaaayyyy miboretaka be teo @ lamosin´ilay kitapo nefa ilay izy tsy mba napetrapetrako izany mihintsy fa novimbiniko teny foana. Dia hatramin´izao tsy haiko mihintsy hoe inona ilay izy ary ahoana no nahatonga ilay izy hiforetaka teo, @ izay mivongovongo be ilay izy fa tsy hoe sendra nipetraka t@ tany ny kitapoko dia nisy maloto teo @ ilay tany dia nanaraka.
Mbola tadidiko foana hatramin´izao nefa angamba izany efa tamin´izaho 7 na 8 ans.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Akanjo may
Date: 04 février 2014 - 10:02

May ny tranonay, de may niaraka taminy tao koa ny akanjo tanaty armoire, de zay tsy de may loatra no nampanaovin'i Dada ana hande hianatra: pyjama teny ankoditro de nosaromana manteau may ny sisiny satria nagnitsy be ny andro

Gaga ny iray sekoly nahita ty pôziko, de nomendry Masera akanjo za t@ zay nisoloako

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: ioly
Date: 21 février 2014 - 11:23

Ny ahy indray tena tsaroako 20ariary fona ny gouter maraina hariva t@zany, anisany

mafimafiady izahay, tao @

ecole sainte therese antsirabe no nianatra, mofo kely je t'aime zay ny anarany dia

mahazo 5 be izao ny 20ariary, faly ery. @zao zany 20ar zany efa tsy misy vidiny

intsony.

Mapatonga saina ry reto ny fiainana ho anizay tena niaina izany hoe tena nilofo ny

RAD ary dia tafita aho izao fa tena mahazaka onjapiainana tokoa satria nahita ny

fihafiana tao @ RAD.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Joe
Date: 21 février 2014 - 11:53

Tsy matiko lolo koa izay tenisy lamba be pointure be mba kiraroko izay, tena nataon'ny mpianatra fihomehezana aho an, midoboka kely miitsy ny foko mahatsiaro izany eto.
Belapelle no hiantsoan'y ankizy aho tamin'izay.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Lebilakely
Date: 21 février 2014 - 14:00

Milay mamaky anareo ee!

Le izy tena henjana be e, tena mangotsoka ny fo vô mieritreritra le izy fotsiny. Tadidiko isaky ny fetin-tsekoly dia 10 Ar fanomen'drabaina. Ny kilalao atsapaka 20 Ar, ny kilalao hafa lafo daholo. Dia ividianana voanjo amin'ny toko ilay 10 Ar, hanina ny voanjo dia mody avy eo. Ny ankizy akama tamin'izany mividy masque Zorro, epée, misotro salsa etc.

Tadidiko nanao boatin-drakitra (tirelire) za, dia novakiana le izy dia feno 270 Ar teo de nividianako stylo 4 couleurs reny (mba notsiriritiko mafy io). Vao azo 1 semaine dia nodongian'zokinay, tsy namelany. Hay nedala nafindran-prof-ny teo akaikina sipa manja kely izay dia menatra am'le stylo manga be ftsn. Huhuhuhu !

Aleo mody imehezana fa ny marina mampidoboka fo le izy !

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: timon
Date: 22 février 2014 - 15:19

Kilasy 6ème ka hatr@ 3ème ny tenanay de tsy mba nanana kiraro zany na tenisy, kapa kyranil marron zay foana!!

Ny akanjo sy pataloha tsy miova fa reny ihany! sahirana mafy tsinn dada sy mama.
Ny kahier tsy ampy lava, sasatry ny bedy any ampianarana, sady aderaderan'ny mpampianatra mitsy ndraindray hoe kahie tsy lany taloha ny sasany no zairin'i dada atambatambatra.

Niatakatahan'ny bandy sy ny sipa, ary mahazo maso vilana sy rabirabinteny @ tompon'andraikitry ny sekoly matetika.

Tadidiko tsara, tsy maty ampoko, fa tara ny ekôlazy t@ zany, dia niangavy tany ampianarana idada hoe tsy maintsy vitako io dia atambatro ny 2 volana.

Tsy nanaiky ny tao antsekoly fa nalefany nody izahay 3 mianadahy sady nampiany hoe "aza mananika ety @ sekoly privée refa tsy vita fa any @ ceg ampianarina reo ee"!!

Nangina tsisy niteny izahay nody avy eny Mahamasina hatrany Soanierana. Tazako tsara fa latsaka ny ranomason'i dada tonga tao antrano, mamanay no nankahery mody niseho ho mafy be.

>>>> T@ Janvier teo, namonjy fivoriana aho dia mba nitondra fiara (izay tsy dia fanaoko loatra), ary nisy sipa iray kilasy fahiny nanatrika tao koa.
Fa mbola vitan'io olona io ihany ny niteny hoe "iza no patron-nao fa mba asaiko aterinao za refa vita ny fivoriana". Efa niditra any ampivoriana any izy ho'ah fa refaveo resahiko!!

Tankina nitanondrika ilay ramatoa nony nahita fa izaho no nitarika ny fivoriana!! fa za kosa tery ambony latabatra voatokana.... lasa saina sy nahatsiaro an'i dada!!! LESABOTSY hoa za zany taloha, dia mba niova kely hoe LESAMEDI ankehitrio.

Indrisy, nandao anay t@ 2013 iny moa i dada!! Mandria am-piadanana izy!!

Azafady fa lavabe ngamba, dia ialana tsiny @ ilay olona voatantara eto raha hitany ity fa sanatria tsy fanakihanana fa alahelo miserana!!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Lebilakely
Date: 22 février 2014 - 16:28

timon< tena marina mihitsy le mbola fijerin'ny olona amin'izao izay mampitovy ny toy ny fahiny.

Saingy ny tena moa efa zatra ilay mipiripirina dia tsy misehoseho be sy mampiseho réussite. Ny Mpanafika mitambasy koa mo efa tsy laitra ka dia aleo mipetrapetraka eny ihany.

Ny ahy tadidiko, niaraka ny mpiara-mianatra taloha rehetra, natao fotoana kely mihitsy. Dia nandeha ny tena fa nisy bandy akama (tanatin'ny ady mafy be koa tam'zany) tena tsy nanary izay niteny oe mba tongava letsy dia any mba miresaka kely ah !

Rehefa hody dia hoy ilay dedaka lahy, panaraby tanaty adolescence, hatramin'ny taloha :
- Mbola misy bus ve izao ? Aiza ianareo 2lahy no mody fa afaka ateriko e ! (405 ny fiarany)
- Misaotra letsy fa hitanay eo ihany ah !

Dia samy niaraka nandeha nankeny amin'ny parking, gaga nedala samy naka ny fiaranay zahay " lahy pekama hatram'zay, X8 amin'ny vidin'ny an'dedaka eo avy ny anay.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: timon
Date: 22 février 2014 - 17:16

Lebilakely>>> hihi! fa misy bandy akama taloha tany ampianarana, samy tao @ club lesabotsy ihany fa mbola lesabotsy lery hatr@ zao an!

De nalahelo za de nalaiko hanao asa tselika matetika tao ampiasana lery, fa gaaaigy beuh eee, tena za ndray no nanaovan lery fika tom et jerry matetika. Mampalahelo mitsy, ngamba vokatry ny fahasahiranana de fetsifetsy lava eny.

Hors sujet kely ray olona fa azafady eee! tsy aritra hifampizarana iny!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Taloha
Date: 22 février 2014 - 22:44

Mafy ity fahantrana ity
Izaho koa nanao communion 1 nefa ny vola tsy misy ,nindrana akanon'ny mpiaraminatra tamiko vao avy nanao aho dia ny kirarony,nafenina fa sao hitan'ny RR
Dia nomeny ankizivavy namako io vola koa izahay nividianana laoka
Ny nampalahelo ahy dia lasa nahantra ilay namako io ,nanambady lehilahy tsizarizary koa dia maty ny vadiny,malahelo azy foana aho fa tsy hitako izay fomba anampiako azy
Izaho tsy any Tanindrazana

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Zandriny
Date: 24 février 2014 - 09:52

Zay koa tena niaina tao anatin’ny tsy fanana taloha, ny zokinay no tena niafy fa tamin’ny fotoananay zandry mba efa nisy niafiana ihany.
Ny tena tadidiko ny an’ny zokinay pataloha sy lobaka, kiraro ary bà iray ihany no mba nananany, dia sasana isaky ny roa andro ny akanjo dia ny bà sasana isakalina, tadidiko tsara ilay paoziny manely ilay ba kely anakiroa, notazomina vodina fourchette efa tsy miasa intsony eo amin’ny jiron’ny lakozia isaky ny alohan’ny atory. Dia ilay pataloha efa miha vasoka hatrany tratran’ilay sasàna lava, sady tsy vitan’izany fa indraindray tsy maina ilay lamba dia mbola pasohana lena indray alohan’ny andeha ihanatra dia vao may mihavasoka.
Dia ny ahy indray, kiraro iray ihany koa no mba nananako, fa ny tena tadidiko tamin’io kiraro io dia ilay izy ohatrany derbies amin’izao ireny, fa dia iny foana no nanaovana na nianatra na nivavaka ary indrindra indrindra manao gym any ampianarana. Gaga daholo ny ankizy hoe iny ve no mba anavako satria na dia nahantra azy izahay dia tsy nikely soroka dada sy neny nampianatra tamin’ny sekoly privé.
Tena malahelo amin’izao mieritreritra an’izany fa soa ihany koa anefa fa niaina an’ireny raha tsy izany tsy mba tafita kely ohatran’izao.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Akanjo may
Date: 25 février 2014 - 11:49

ndriiiii maha ontsa kely lay tantara fahiny

fa ny anadahiko 2 lahy koa tadidiko hividianan'i Neny an'ireny casquette zairina ireny rehefa hiditra hianatra , de ozi razandry ato oe de faly ery t@ zany , fa raha zao za tsy hanao intsony

Fa tena midera lay RAD ntsika a ry reto a, todiny ihany tsika n'inona sedra be teo

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: ravaomaria
Date: 26 février 2014 - 16:07

nenandray, menatra mintsy rehefa hanao gym fa short zaitra tsena be, tsy misy poche, dia ny kapa scoubidou 1 tsy miova mihintsy fa asiana paingotra ao ambany rehefa tapaka.
Dia mitsirirtra ery mahita ny ankizy miova akanjo sy kiraro.
Fa amin'izao mba tafita, fa dia mahagaga ahy lé zanako na hividianana kiraro isankarazany aza dia kapa ihany no hanaovany, omena mofo sy confiture dia lazainy fa tsy tiany, fa simba fotsiny eo io.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: TomSawyer
Date: 27 février 2014 - 02:00

ravaomaria >> ka rehefa misy isafidianany ny zaza midrikina amin'ny tiany izy. Andramo atao tsy manana afa-tsy kapa anie izy ee, ho hitanao fa hitaky sy hidongy izao rehetra izao izy; zaro tsy omena gouter anie izy ee! Mila fandanjalanjana be ilay manome sy tsy manome! Ny dobo tsy hita tokoa no mahamanina ilomanosana e!

Ny ahy koa ny tena tsaroako ilay fandehanana tongotra lavitra be mandeha mianatra. eo amin'ny 45mn eo. Au total izany 45mn x4 satria mody ny atoandro. Zara fa manana 25mn ny atoandro isakafona dia lasa ndray. Rehefa fahavaratra iny tena kivy mila i-abandonne mihitsy am'le hafanana, hatsembohana sy orana. 3 heures isan'andro mandeha tongotra foana, ny ankizy tamin'izany nalaza vao nivoaka ny VTT misongona sady manao sali ! zahay mamokovoko handeha hamonjy iray vilia !

Kely fotsiny no tsy nijanonako nianatra, tena kivy mihitsy !kotsa lava, tsemboka lava, tsy maharaka écolage, kahie tsy misy, ny prof be vava, ny henatra mamely, grrr !

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: zatalou
Date: 27 février 2014 - 12:19

mapalaelo mitsy miertrertr anzany talo zany
za ko talo dia mba anisan tratra anzany
nis sipa zay mo d naavita nfosa t@ namany mitsy oe zah ts misolo kraro mits fa ts nanana afa ts tennis ray zay ah zay ah,t@ zay ary ah tena nanao basket be mitsy de zay no mba novidindr neny oanah fa sad oetko mkotrana io no oetna mbosy de kapa anakray zay.
de n tena napalaelo anah t@ zay sad naamenatra no naateztra anah,efa mba nanao sipa ah t@ zay fa kay ty sipa miaraka @ko ty zanaka deba be fa ts fatako t@ voloany de oz le namany oe inona hono nerahan le sipa t@ ko fa zah ts anin ts anin io.
efa taty arina,mbola samy ts tafavoka fianarana izahay 2 (niaraka elabe zahay efa ho 10 ans teo),izy nianatra tany @ univ privé,zah teny akatso.nanomboka naita rendrarendra teny izy ka tedavn aaraka ny revn piara mianatra t@ ko ah angamba fa nanomboka ny oe mila tsenaina @ fiara ko izy sns nef zahay ts nanana fiara akory fa fiara an'i tonton ako zay matetika no etko reefa oe mba mis course atao de mangala di kely mtondra anaz mtsangatsangana de lasa tamana t@ iny.
fa farany taty arina zay nsaraka iany f angamba neveriny ho ts o afaka miitsy ny faasairanako...

any izy zay

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: NENNIE
Date: 28 février 2014 - 11:59

tena tsaroana tokoa ny lasa zareo a!

ef niainanay zany cahier natambatambatra zany, ny short fanaovana gym nozaraina, anay hatram slipsy soutien aza nozairina daolo

ny mande antogotra moa tsy lazaina tsony sitrany ividianana pain paté ao am superette

ny tena mafy koa dia zahay tsy mba nanana télé dia mijery télé n'olona eo am varavarany miafina (varavarana fitaratra misy grille de protection rent lay izy)

isaorana ny tompo fa ny fandalovana tamin 'izany no nampiotra e

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: DAIKA
Date: 04 mars 2014 - 15:35

Ny anay koa tena fijaliana be tamin' ireo kahie matroka be. Tsy mba nanana izany kahier 200p zany fa ny 50p na 100p no atambatra. Tsy mba nanana trousse fa tonga de arotsaka ao anaty kahie ny stylo. Ny kitapo amin" izany kitapo tsihy dia rovitra ny zorony rehefa ela ny ela. Ny kiraro tamin' izany dia tena fijaliana fa tamin' ny primaire dia tsy mba nikiraro fa pied nu, tamin' ny secondaire vao mba nanao kiraro saingy kiranil foana no mba takatry Dada sy Neny.
Dia asa ianareo na toa ahy fa ny an' ny zanako zao dia le kahie fotsy be reny no vidiako hoa azy ary isky ny mahita kiraro mety aminy aho dia mividy saingy lanjalanjaina ihany fa sao dia lasa mampihanta azy indray.
Tena mahalatsa-dranomaso mintsy ref mieritreritra izany
Fa manao excursion hoa fa lasary novidiana teny amin' ny mpivarotra no natao loaka fa tsisy e

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Lebilakely
Date: 04 mars 2014 - 23:52

henjana be tokoa an.

Mahery ANDRIAMANITRA ee! Tena tolorany tanana ny resy ka miezaka ny miarina.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: efa teo
Date: 05 mars 2014 - 12:55

zahay koa dia tena nihafy be tamin'ny fiainana, priorité foana ny fianarana ary miezaka foana ny mamanay tsy nampihafy anay amin'ny resaka fianarana fa ny zavatra hafa no nandefitra, ny laoka atao ravimbomanga fa ny fidirana membre biblio sy ny club de langue tsy azo ajanona. dia mitovy amin'ny anareo koa e: kapa hoditra iray+kiraro fentina mivavaka iray ihany mandritra ny taona. tadidiko tsara ny niaranianatra tamin'ny zanakin mpanana tamina grandes écoles, tsy mba hiresahan'ny ankizy programa satria sady tsisy fiara no tsisy budget no tsisy fotoana loatra andehanana mivoaka alina.manao gouter ny ankizy dia manao plus plus mividy pizza de enao menatra be tsisy atao satria juste frais fotsiny no any ampaosy sady raha mba manana kely aza tsisy dikany ilay 500fmg anao miohotra amin'ny 5000fmg arotsakin'ny be sy ny maro. dia misy ankizy mba sympa ihany mba mametraka anao eny am arret bus refa avy be ny orana na avy manao travaux de groupe dia mirava alinabe fa misy ny sasany dia na ny hiray groupe aminao aza mahamenatra azy angamba? zahay tamzany efa niakanjo fripy (akanjo tota no fiantso azy tamzany) ny ankizy itondran'ny mamany na andefasan'ny zokiny ranomanitra sy fitafy avy any paris sy italie. tadidiko koa tonga ny sortie de promo dia nampitovy daholo ny ankizivavy rehetra ankoatranà satria za tsy nahavidy ilay lamba lafobe+mpanjaitra niraisana lol! vita moa ny fianarana dia ny za mipepipepy mitady asa na stage, ny ankamaroan'ny mpiaramianatra kosa coup de tel avy amin'ny dada na neny fotsiny dia efa CDI, ny sasany moa lasa any ivelany, ny sasany tsy nila niasa fa todé nitantana ny lovabe rahatrizay! zao ny ankamaroan'ireny ankizy reny ao am fbk ao mbola tsy miova samy manao étalage ny voyage nataony tany ivelany tany fa tsy atao mampialona akory fa samy manana ny anjarany ary raha miohotra amin'ny niainako taloha ny toerana misy ahy amzao dia velompisaorana ny Avo hatrany fa nomeny izay tokony mba ho sahaza ny ezaka natao!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: zaiany
Date: 05 mars 2014 - 13:16

ny stylo nampesaina stylo kinga. cahier aloalo fa 100 p d atambatra, ny protège temotra, ny kitapo cycle ray vo miova ra iova. ny kiraro sy akanjo isak noel iany vao mahazo. ny tena mba vehivavy iany fa slip sy soutien kou isantaona. zao k manjary vou ny saina k ra vo ratsy kely slip d mividy bdb.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: sipamafyady
Date: 06 mars 2014 - 13:12

bjr;
mamaky hatreny amboalohany ny temoignage nareo aho dia mbetika mihomehy mbetika te hitomany satria dia tena mitovy mihitsy ilay fiaimpiainana nolalovana tamn izany; anefa midera an'Atra @ izao fotoana satria nomeny anjara tsara ihany ary afaka mijoro ho reharehan'ny fianakaviana isika ireto.AOKA atao izay atao hanampiana ireo tratra aoriana indrindra moa fa ireo zoky sy zandry izay ao anaty n izany situation izany @ izao fotoana. Izahay ankizy dia tena niaina ny fahasahiranan'ny RR, ny fitaovampianarana tsy zarizary, ny fitafiana impry miodina satria maro2 ihany izahay; ny sakafo tena tsy ampy, izany hoe télé izany dia tsy mba nanana ka dia mipitrampitr rehefa mitantara ny film nandeha ny ankizy any ampianarana. tantara kely : "teny antsena izaho sy ilay zandriko vavy, ary nisy bandy izay efa fantatry ny lycée rehetra fa mba bogosy nanaraka anay, telo lahy ry zareo, rehfa nanaraka nandritra ny fotoana fohifohy ry zreo dia avy eo nanao demi tour sady niteny hoe "hay ilay sipa mafiady kely ary reto e!" Narary ny fo anefa nanampy anay izany hihezaka zay tratry ny herinay ho tafita, ary io dia exemple omeko ny zanako @ zao fotoana izao fa ny manana tsy manambady ny mahantra na oviana na oviana na tsara tahaka ny anjely aza ianao.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Nareo koa tss
Date: 11 mars 2014 - 19:02

Raha ny fahitako ireo olona mitantara rehetra ireo dia olona nandalo ny fahazazana tamin'ny taona 80 daholo. Fiainan'ny olona rehetra ireo tantarainareo ireo satria sarangan'olona vitsivitsy ihany no azo nolazaina fa niaina ara-dlana tamin'ireny fotoana ireny. PARADISA SOSIALISTA ireny. Nitovy avokoa ny zavatra nisy teny an-tsena ho an'ny sarambabe. Olona vitsivitsy no nanana télé, vitsivitsy no nahatakatra tennis TBS sy PALLADIUM. fan y ankamaroany dia nividy kiraro BATA na Aigle d'Or na Rainivony.Na ny kiranyl aza novidiana teny @ BATA. Ny menaka, ny vary siramamy nilaharana avokoa t@ fotoan'androny.Tena sarotra mantsy ny nampiditra entana avy any ivelany.
nony tonga ny fahalalahana ny taona 90 dia sahirana avokoa ny rehetra satria lasa nihanitobaka ny entana avy atsy La Réunion ka lasa ireny no fenitra narahana. Nisy fotoana aza moa nihomehezana mihitsy izay manao pataloha velondrirana fa hoe tambanivohitra
Ny nampiavaka ireo tarika indray nihira ireo dia nianatra avokoa ary lasa lavitra ary azo lazaina ho tafita avokoa izay nikiry.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: efa teo
Date: 12 mars 2014 - 12:34

nareo koa tss: io zavatra notataraiko io efa année 2000 ka! tsy fahasairanana andavanandro loatra ny problemanay tamzany fa izahay tsy mba nitovy tamin'ny ankizy iray kilasy taminay ohatran'i lesabotsy, ny bokiny rery no ratsy tao ampianarana.
za kosa aloha tsoriko fa tsy dia tena hoe sairana be izahay saingy ny resaka fianarana no saika teny amreny centre lehibe sy grandes écoles reny izahay no nalefan'ny ray amandreny, noho izany dia tena lesabotsy izahay tao andakilasy e!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Kôfagasy
Date: 12 mars 2014 - 13:45

Any zay raPomme mpirevy glita sy raAndry sy Mireille sy Zokely! Prom niaraka nanao cours arcade tao @EPP ampasan'Sadoda!t@2003
Tsy nisy afaka Bacc letsy fa nilaozana nanao belotte sy nifoka sigara
Mbola tadidy ireny fobo sy volo mirandrana ireny!
Ditra letsy zany hitatsika zany fa hendry hiany ny farany,nanambady hiany letsy ry zalahy

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: nyahykosa
Date: 12 mars 2014 - 14:34

Mahatsiaro ny fahiny mahita ny tantaranareo!

Ny ahy ihany koa ny rad nahantra mihitsy tamin'izany satria samy mbola mpianatra teny ankatso dia bourse sy asa an-tselika no ivelomana. Be dia be ny souvenir toy ny fitsikilovana fijerena telean'ny voisin eo amin'ny lava-drindrina sy ny kiraro kiranil mandavan-taona ary ny laoka anana tsy misy menaka isan'andro.
Na izany aza ny RAD nampianatra tamin'ny sekoly prive mba anisan'ny tsara foana ka ny hafatr'i dada isa-maraina dia hoe " ataovy tsara ny fianarana fa tsy misy mahay ohatran'ise ireo". Dia nampiarina tokoa izany ary anisan'ny namiratra foana tany andakilasy. Ny ankizy kosa aloha tsy nisy nananmbany mihitsy fa toa ni-comprendre sy nanampy aza no nataon'ny maro. Ny tena fotsiny no somary complexe ho azy satria ita be ilay tsy fitoviana.

Tadidiko izaho classe de 9eme tamin'izany. Tsy mahazo gouter izany raha tsy in2 isan-kerinandro ngamba ary vola 10ar no gouter, Tsy mahazo afa tsy clarinette na voanjo io tao ampianarana. Nisy ankizy zanaka mpanana izay niara-nianatra tamiko ka ny gouter-ny tsara be foana: mofo misy fromage sy charcuterie foana matetika, fa izy indray tsy mahazo vola. Dia amidiny 10ar aty amiko ny gouter-ny ividianany clarinette fa io no tiany. Dia faly ery ny tena fa mba mihinana ny tsy fahita! Tamin'izany no nihinanako fromage sy mortadelle voalohany ary lasa fanoanay ilay izy nandritran'ny taom-pianarana lol.

Vao haingana nihaona tam fb izahay sy io namako io ary mbola nifampahatsiahy ny taloha.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: TomSawyer
Date: 13 mars 2014 - 01:57

milay mamaky anareo e. Mankasitraka amin'ny ezaka !

Options: Répondre
Aller à la page: 1234Suivante
Page: 1 sur 4


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg