Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Humour et Insolite
Aller à la page: Précédent1234Suivante
Page: 2 sur 4
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: lasaaiza
Date: 25 mars 2014 - 07:48

ary lasa aiza ny tohin'ity resaka ity? efa nisy commentaires maromaro tato, nisy niresaka hoe nanenjika kapa goaka lasan'ny orana dia nisy mpianatr'izany Renel mahajanga izany? Maninona no nofafan'ny modo? dia miaiky aho an

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Lyianage,
Date: 25 mars 2014 - 16:47

lasa aiza e, ny coms vao teo koa zao lasa aiza?????

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Vaoniasataloha
Date: 27 mars 2014 - 12:57

Mhafinaritra marina ny mitantara na dia mafy aza ny niainana azy fahiny an.
Tadidiko mihitsy ny izay mbola mamboly be manararaotra hoe vacance, taombaovao ny andro, ny hiravana avy mivavaka no ela dia lasa manararaotra mamboly, tna ambanivohitra io satria raha vao tapitra ny fiala-tsasatra dia handeha hamonjy ny renivohitra hianatar indray.
Nisy fotoana aza moa dia voatery napakatra ny mpiantoka tany am-pianarana mihitsy , fa nanapaka tsy nianatra nanomboka alakamisy ka hatramin'ny alatsinainy hariva fa nadeha nanampy ny mamanay nanetsa. (efa maty dada t@zay ).
Tany @ lycée zany moa dia aoka fotsiny ny henatar @ilay tenisy lamba BATA ( 11 900fmg ) ny vidiny t@zany efa naharitar ho 2 taonaa io tenisy io. nefa iny foana isan'andro.
Efa taona faharoa teny an-katso vao mba afaka nilahatra tsara t@ ankizy @zay satria nanana asa an-tselika mba azo lazaina tsara karama. Misy nanampiana an'i neny mihitsy aza ny ambimbava t@izany.
Fehiny dia izay mihoitra tsy maintsy tafita, fa mila miharitra kosa anefa

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: 11900fmg
Date: 27 mars 2014 - 14:57

ilay patoga rose misy faladihany rose ve io resahan'i Vaoniasataloha io? nanana an'io koa mantsy izahay dia io 11.900fmg io dia mbola tadidiko hatramizao hihihi

izahay koa avy any ambanivohitra dia mody rehefa vacances. dia indray taona nahazo monopoly avy amin'ny dadatoanay avy any an-dafy izahay dia faly ery nitondra an'ilay izy nody satria mba zava-baovao teo an-tanana. izahay dimy mianaka mandeha tongotra sur 12km eo vao tonga any amin'ilay tanana. ndriiiii mba mamiko toy ny tantely ilay vohitra keliko izay <3

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: 11900fmg
Date: 27 mars 2014 - 14:58

"ilay patoga rose misy faladihany mainty" no tiako lazaina eo ambony

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Vaoniasataloha
Date: 27 mars 2014 - 16:04

Hihihi, non! bleu marine ilay izy, fa ny faladihany mainty, malefaka tsara kosa aloha ilay izy e!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: DAIKA
Date: 08 avril 2014 - 12:39

Nareo koa tss >> tena marina ny voalazan' ise rehetra

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: patogli
Date: 08 avril 2014 - 14:16

sady mihomehy no malaelo mieritreritra le patôga ee ! dray dray dray, hafaliana anie zany nahazo azy zany ee! ôtrany oe mandeha Jet privé zany za andeha hianatra tamin'izany nahazo azy !

toraka torana

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Joe
Date: 08 avril 2014 - 17:25

Io resaka kiraro io tokoa aloha dia bête noire ny génération-tsika tokoa e!
ankoatry ny hoe krismasy vao mety mahazo kiraro "raha ahazo",
dia ny tany aminay(mahajanga), ny défilé no chance mety ahazoana kiraro, tenis lamba kely izay, hafaliana ny mahazo azy, maty sasa miitsy raha vao maloto kely. refa vita ny défilé dia tsy esorina aloha fa mba tenaina kely, na dia mafana be ery aza ny andro.

Tenis kely fotsy izay ilay izy, misy bandes roa rouge et verte. Tany mahajanga moa t@ izany isan'ny manao défilé koa ny mpianatra. Nalaza nahay défilé indrindra t@ izany ny mpiantry ny ecole Rue BRICE (RIBRISY no fiteninay azy tam'zany), izahay moa ex Charles RENEL.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: kirao
Date: 09 avril 2014 - 10:17

yé tena lafo vao nahazo kiraro tam zany tsy ohatran'ny amizao fa dia nokojaina sy notiavina kosa aloha izay nananana e tadidiko izahay niakatra avy any ambanivohitra dia kiranil manga izay no kiraroko. ilay izy pôzina mocassin fa plastique ilay matière. Bleu ciel izay ilay izy ndriiiiii tsy toy izao aho raha tsy nisy ireny fotoana ireny. fierté ery tam zany hoe mahantra nefa mahay

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Lyianage,
Date: 09 avril 2014 - 11:21

za koa tsy mba maazo kiraro foana zany fa ngambany in -1 isantaona
de rehefa mandeha mianatra de kapa hoditra zay foana, tadidiko mirandrarandrana zay ny tampony,
de ny volo tsy mba nahita shampoo zany tany antanana fa sasana @ savony

De ny nampiome ary nandalo Tananarivo zahay , tonga de krizy be tamiko ny anadahiko oe Lyianage tsy mba otran'ireny ankizy mandalo ireny, les jeunes filles @ io miaraka @ tenue de ville raitra , za mijery an'ny zareo miaraka @ volo mitaly 2

tsy quoi fiainana daolo zany

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: soafi
Date: 13 avril 2014 - 03:06

Tany amin ny taona 83-82 tany izahay telodahy hianatra tao amin ny soafianatra tsiazotafo.mama niasa tao amin ny jirama antsahavola. Teny betongolo izahay no nipetraka.
Mifoha amin ny 6 maraina dia amin ny 7 tsy maintsy miainga'izahay 4 mianaka handeha tongotra hanao betongolo tsiazotafo manatitra anay vao miasa eny antsahavola.

Izao aho 3 ny orinasako. Mbola vao hiteraka.


Tsy adinoko i soafianatra.

Saotra zanahary

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: soafi
Date: 13 avril 2014 - 03:12

Tamin izany mbola'nilahatra vary, menaka ary siramamy rehefa tsy mianatra. Rabaina tatsambo dia indroa isan taona no hita.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Joe
Date: 14 avril 2014 - 12:14

nampiasa fera charbon izahay faha kely, ary izaho tena mbola kely dia efa mpanao raharaha ohatry ny lehibe rehetra, 7taona monja dia efa mifampizara raharaha izahay, na izany aza misy manampy ihany aho, fa nisy fotoana nipasoahako izay lobaka kely tena tsy foiko izay, nilatsahan'ny vain'afo ilay izy, ka may, tomany ery aho tami'izay, mbola tsaroako h@ izao ny fiketoky ny foko t@ izany, fa fahatsirovana mamy no hiainako iany ankehitriny a.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: TomSawyer
Date: 14 avril 2014 - 12:42

Tadidiko koa ny ahy tamin'ny 5éme, natao tamin'ny taratasy nalaina tamina ambina kahie tsy lany taloha ny devoir fa ny kahie nisy natao lesona ihany. dia avy eo atambatra zairina reny taratasy reny de iny no manome kahie exercice hanaovana revision rehefa examen. Tamin'izay tsy vitako fa tena tsy haiko ny atsasaky ilay devoir nentina nody,dia hoy ilay prof sady manongo ny sofiko : Ny an'lety sady tsy vitan'ny tsy misy kahie fa sady tsy ataony koa ny devoir.

Sady naharary no nahamenatra ! Nisy fotoana izaho nody kely tany Mada, ary hitako tao Antsirabe ilay prof nandeha tongotra anatin'ny arabe saingy amin'ny sisiny. Tena ho domiko mihitsy, fa rafotsy no nanaitra sy nikoropaka dia nialana indray.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: talaky-mandeha
Date: 14 avril 2014 - 14:11

TomSawyer: aza manao an'izany se fa anisan'ny nampiezaka anie ny esoeson'ny sasany taloha e na ny namana izany na ny prof ny teny naharary taloha ho nahtonga tena niezak'e.

ny anay ny fahantrana taloha sady niampy ny fisotroan-toaka an'i dadanay. sady namono an'i neninay izy no mikapoka anay amin'ny fehi-kibo pour un oui ou pour un non. neninay no tena niady aha-tafita anay. ny karaman'i dadanay misy fotoana lasa any izy dia mirevy sns 10 andro izy vao mody, efa lany ny karama iray volana fa savony no entiny avy any hanasana ny lambany. Ny akanjon'i neninay indray avy eo no amidy hinanana sakafo. samy valiana babena izy mivady satria raha tsy nahantra sy zanaka mamo lava koa izahay tsy toy izao. Misy dikany daholo ny zavatra rehetra e zà indraindray mitady ho tia an'i neninay plus que dadanay nefa ssssshhh aleo ny lasa omban'ny lasa

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Lyianage,
Date: 14 avril 2014 - 14:41

Joe > zahay koa napiasa fera charbon taloha, fa mba nisy foire zany taty aminay de nividianan'I Neny bakiraro kely menamena zay za, de faly be de nalaiko ty izy fa ande hivavaka zany t@ zay de nopasohako , tonga de nitsetsatsetsa de vitaaaaaaaaa
nalaelo be za t@ zay

fa ny tena avantage-ko de nanana RAD nifanampy foana na de tena henjana ary no natrehan'izy mivady t@ zany

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Vaoniasataloha
Date: 18 avril 2014 - 16:34

Mitovitovy taona daholo angamba isika rehetra eto, saika mitovy avokoa ilay olana tamin'izany.
Ny paika tsy hahalasa ny taranaka any aorina lesabotsy intsony izao no tena mila apetraka haingana.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: malahelo1
Date: 24 avril 2014 - 01:04

nena indray r'ireto ny tena tsaroako taloha tany am-pianarana za tsy mba tiany ankizy mihitsy tany am-pianarana fa ilay esoesoiny ankizy ireny foana tadidiko aza za T2 tt@izany nakapokapoky ny ankizy t@ny rindrina foana ny lohako rehefa recreation de T5 mbola nitohy ilay fampijaliana ataony ankizy ahy tsaroako mandrakizay ireny fa rehefa sahirana tokoa de tsy mba raharahiany olona e, dia taty aoriana nianatra t@ireny universite prive ireny de tsaroako de mbola nisy nanohy ihany le izy de gaga izao hoe fa dia naninona ary ho a za ry andriamanitra de tsy mba tiany ankizy mihitsy tany am-pianarana do hoy izy ilay namako iray izay hoe fa maninona ary ndry no tsy tiany ankizy ho namana mihitsy nefa anie indry mba tsara fanahy @olona e, de h@izao za r'ireto mba maniry ny hanana namana izany fa tsy mba mety manana namana izany za, mangidy tokoa kay rehefa tsy tianny olona a manontany tena za hoe za ve nisy namosavy sa ahoana fa de variana izao fa tsy mba manana namana firy tena tia ahy izany za. indrisy samy manana ny probleme marina ny ol0na e

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: TomSawyer
Date: 24 avril 2014 - 15:34

malahelo1 >> Mbola tsy sendra ny namana tsara ianao izany fa namana ratsy ka manilika.

Par: malahelo1
Date: 24 avril 2014 - 01:04

... hoy izy ilay namako iray izay hoe fa maninona ary ndry no tsy tiany ankizy ho namana mihitsy nefa anie indry mba tsara fanahy @olona e,

=> Tsy efa midika ihany ve izany fa manana namana ndri ?? fa ireo tianao ho namana no tsy mety minamana aminao ??

Na izany aza, courage be mitsy ee !

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: ikalapeta
Date: 26 avril 2014 - 12:39

Tena samy manana ny tantarany avy ny rehetra , mamaky aho mbetika za mihomehy , mbetika aho malahelo fa tena misy mitovy ny niainako , izaho aho tsy hoe tafita akory fa malahelo ireo namako izay mba mihezaka ho tafita nefa mbola ao anatiny ady sarotra dia ireny no hamena tosika mba omena asa , fa tena mafy izany niaina tao anatiny tsy fisina izany.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: ja
Date: 26 avril 2014 - 20:25

Malaelo mitsy taloha e.tsy mba nanana stylo miloko de mindranq ao aoriana na eo akaiky.Voaroaka ao apenarana fa tsy naloa ecolage na 4000ar n'y ray amandreny.nefa dia n'y ecolage zanako 3 taona dia 100.000ar.dia lasa saina oe ndriii.nahantra Zay taloha fa mbola tsy Tena oe tafita iany koa nefa fa miaina tsaratsara kokoa.ny gouter ta misy 20 na 50.ny zanako motondra gouter 3000ar.ndrii.ny vadiko zanaka manana dia tantaraiko anzany dia tsy mini mitsy oe niaina anzany ne ty za.kapa skopidou asina paingotra,zanako manao kiraro na 50.000ar.talo tsy manana télé fa simba le noir et blanc nefa dia manana télé led 32 pouces.mande tongotra lavitra efa mba manana fiara Clio.Mianara mafy e.zay mba afatro ho any tanora zandriny

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: malahelo1
Date: 27 avril 2014 - 21:32

TomSawyer>Misaotra mankahery e miezaka tsy ho kivy fa ny fiainana mandeha eny ihany,namana anankiray de iray izay ihany no mba namako tsy mba manana afa tsy izay izao, raha tsy eo intsony izany io namana iray de very tanteraka za.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: bonobos
Date: 05 mai 2014 - 17:46

up

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Joe
Date: 15 mai 2014 - 14:28

Ny adidas vitrine: kiranyl le fotsy transparent ireny, nitondra ireny nianatra aho, hatry ny fahakely hatramin'ny 2e année! tsaroako tsara. menamenatra t@ izany, fa izao REHAREHAKO ny mifampizara amintsika izany eto.

MILAY TSIKA EEE!!!!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Ilay mahantra
Date: 04 juin 2014 - 20:53

betsaka izay fahantrana niainako izay,ny mhagaga ahy dia misy mihevitra fahahantra foana ny tena mandrakizay,tiako ny fahantrako satria ampinga nentiko nihotry

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: baonara
Date: 16 juillet 2014 - 10:05

Za ref miteny mpampianatra hoe nde mody ref tsy ianatra, ka na tsy izaho aza no itenenany an'zan de tonga d raofiko ny entako d tonga za d lasa mody. Tao @ LMA ao tao fanaovako an'zan

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: namanle sabotsy
Date: 16 juillet 2014 - 12:14

up
merci nareo @tantara, tena mampalahelo sy mahatonga saina...soa iany fa kodiaran-tsarety ny fiainana sady misy sy miasa Atra, isaorana koa reo RDR

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 08 août 2014 - 19:38

KAHIE:

isan'ny tena fahoriana ny fividianana fitaovana hatry ny taloha ka hatramin'izao, sangy ny ho marihinna eto dia ilay lesabotsy niainana tamin'izany:

T@ izany dia tsy nisy afatsy papmad no azo hidirana, ary ny kahie "ravinala" no ilay ratsy kalitao ka ireny ihany no mba takatry ny rad, mitsiriitra ery mba te hanana ilay "Ny Nosintsika" mba tsara kalitao saingy na ilay ravinala novidiana aza dia tsy takatra ny 200p fa tsy maintsy manambatra 50p efatra, na 100p roa vao manana 200p. Nifaninanay mihitsy taloha izay mahay manambatra kahie tsara indrindra.

"sufren" no kahie import nisy teto tamin'izany fotoana, milahatra @ calligraph sy tariny amin'izao fotoana izao.

Tsaroako tsara t@ izaho 6è nifindra 5è, fa nandritra ny vacances aho dia nanagombola fa tsy maintsy mahazao kahie sufren 100p(96p no soratra aminy fa tsy toy ny an'ny papmad rehefa 100p dia 100p no soratra eo) aho amin'ny fidirana, ka dia tanerako tokoa izy io ary hafaliana nyahy , nataoko kahie "sciences naturelles"(na koa hoe; ZAVABOAHARY t@ izany.

@ izao fotoana izao ny ankizy handaniana hatrany amin'ny 200.000ar ny iray amin'ny fitaovana, efa misy lisitra tsy azo hidivirana, nyy exigence qualité manginy fotsiny. FA VITATSIKA EEEE! MILAY TSIKA EEEE!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: lesab
Date: 09 août 2014 - 08:13

Tena marina mihintsy fa anisan'ny tena nampihotra hihezaka hianatra sy ho tafita ny fananana ireny fitaovana tsy D zarizary ireny.Mahita koa aho we ny ankizy @zao fotoana zatra tolorana ny haute qualité fôna ka tsy mahatsapa fa sarotra sy lafo vidy izy ireny hany ka tsiraitsirainy dôly na ny fitaizana azony,na ny fahaizana omena azy,na ianao izay mifofotra mampianatra azy ary ilay fitaovana izay efa nanahirana ny nahitana azy.

Izaho d'efa nahatsiaro tsara fa efa nitondra ny fitaovam-pianarana rehetra t@ sachet céllophane fiantsenana @zao ireny (ho solon'ny kitapo).Avy eo lasa ireny kitapo tsihy mifanarona ireny ilay izy rehefa mba nisondrotra kilasy.
Ny kahie tsy lany t@ taompianarana teo aloha no zairina sitrany ahay mahavita kahie 1 na roa(efa hitany).
Kapa kiranil 1=année scolaire 1

D mahita io an'i Joe eo ambony io zah D matsiaro ko fa ny ahy koa rehefa tafiditra teny ambaratonga faharoa dia ny kahie science no mba ezahina ho tsara indrindra sy hikipiana ho vidiana lafo na ny fonony aza mba atao protège plastique fa ny rehetra mbola gazety.

D zay sy izay no efa niainako ary tsapako fa nitondra soa ho ahy ilay izy.Ary hezahiko mba apatsiahivina ny ankizy aty aoriana.Eny fa na dia efa misy ny tsara sy haute qualité rehetra izao aza eny an-tsena dia tsara apahafantarina ny ankizy fa tsy voatery ny tsara sy ny lafo no mahatafita.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Mioratiana
Date: 13 août 2014 - 15:59

Ny ahy t@ classe de 8è efa 20 taona lasa izay.

Nampiomanina fa @ dernier jour de classe manao grand ménage dia samy nasaina nitondra ny fitaovana daholo. Ny répartition, ny sasany labozia ahosotra @ ciment alohan'ny hikosena borosy azy, ny sasany borosy, ny sasany kofafa sns.

Mitondra kofafa ny anjarako.

Nony tonga tany an-trano, ilay kofafanay kay efa ratsy be. Ireny kofafa bozaka ireny ilay izy fa efa rimbina sy tapatapaka ny ahitra @ ilay izy dia zara raha mamafa.
Niangavy mafy t@ Neny aho hoe andao mba hividy kofafa fa menatra be aho hitondra an'io. tena tsaroako niady varotra elabe mihitsy. Tsy nanmbola anefa Neny ka tsy afaka nanao inona akory. nefa ange 20 ariary na ariary folo t@ izany dia nahazo.

Tsy maintsy noetina tany am-pianarana ihany ny kofafa bozaka efa ratsy be satria sao dia tsy misy zavatra hatao ka mahakamo.

Vao tonga tany am-pianarana anefa dia hozy Madama, Tsaroako mihitsy, atao inona iny kofafa kabone iny, avoahay tany iny fa maharikoriko.

Loza! menatra ery.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: TomSawyer
Date: 16 août 2014 - 18:56

mioratiana >> henjana be koa zany kah ! Naleoko indray aza le natao oe : manao kiraro faladium ihany kah.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: fanjava
Date: 19 août 2014 - 17:23

Lhl no manoratra

Sady tafmé no malahelo mamaky ireo tanatara retraretra satria maro be tamin'ireo no efa niainako, ho fintiniko satria efa voalaza ao ambony daholo nycas :
- manao kapa scoubidou refa mande mianatra (maternelle ka hatram classe de 1ère). Asiana file de fer ao ambany rehefa tapaka
- tsisy volan-gouter zany. Refa récréation de mangataka gouter am mpiaramianatra (efa nahazo surnom mits mo tam zany hoe "parasyte")
- mande tongotra 4 fois 30 min isan'andro
- ndraindray tsy misy sakafo ny amin'ny alina fa dia thé sy mofo no mba atao sakafo (tomany ny tena tamin'izany hoe tena henjana koa ty fainana ity)
- refa tonga tany amin'ny lycée, tsy nahazaka sipa mihitsy satria bandy tsy dia alehany loatra amin'ny resaka swag ny tena (tsis vola eh!!!)
- nahazaka sipa ihany ny farany satria 1er de la classe foana ny tena (maty lolo ihany ny sipa hoe ahaona ko ty bandy tsy alehany ty nefa mahay be). Fa sipa somary opportuniste ihany mo fa tsy manin, zara aza mba nahapezy ary tena fière be tokoa amlay nahazaka sipa satria zanaka deba zareo (manala ahy am fimehezana rabaina hoe mba henjana ko zany sipanareo zany, ahahhaha! Tsy izany mantsy fa aterina chauffeur any aminay mihitsy ilay sipa ny mercredi après-midi refa tsy mianatra, dia alaina avy eo). Somary complexé ihany ny bandy tami'ny voalohany satria misy décalage be ny niveau de vie-nay

Roa lahy mpiakama izahay mitovy cas. Bôsista be daholo zahay mitsam ireo (tena tiandrabaina be satria tsy voasatika am rendredran'ny bandy akama sasany)

Major de promtion tam bac izaho (2ème place ilay akamako). Nahazo bourse nande nianatra taty ivelany.
Nanana akama zanaka deba be izay za, mahitahita be ilay bandy io. Tian'io bandy io ny toetraka bôsista dia ozy lery hoe "Misy place iray pour une bourse d'étude mande en france ozy lery ato amiko. Ela ozy lery mba efa nahazo fa mitadiava ela bandy bôsista hain'ela any dia lazao amiko fa amboriko ny dossier n'lery". Faly be za naheno an'zay dia nolazaiko lay bandy acolitaiko tany ampenarana hoe : ôh ry baina, misy place bourse iray disponible amzao fa andao ela presenter-ko an'i X fa efa presque sur fa ho lasan'la io. Nahazo bourse koa lery. Dia samy tafita izahay mitsam. Samy manana andraikitra amin'orinasa ety ivelany. Tsy mifankafoy izahay mitsam, tena ohatry ny mpirahalahy mihitsy.

Nande teny ny fainana, lasa zaka daholo ny sipa tsy zaka taloha (azafady raha hors sujet kely fa tsy aritra ny tsy hitantara). Mime be foana zahay mitsam refa tena miresaka ny parcours-nay sy ny adalana madinidika tamin'ny fahatanorana.

Fehiny : tena henjana be ilay tsy nanana ny ampy fa raha tsy nisy an'ireny angamaba dia tsy mba tafita ohatr'izao. Tellement henjana loatra ny faianana dia ni-revolte tami'ny resaka fianarana izaho. Mbola 9 ans aho tamin'izay dia efa nilaza hoe "izaho tsimaintsy ho deba indray andro any ary ny fianarana ihany ny lalana tokana atongavako aminizany"

Vita tompoko. Azafady raha lava loatra

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Takampa
Date: 05 septembre 2014 - 19:37

Six daolo e!

Tena maro tsika no mitovy ka liana be aho namaky an'le post reetra.... toy izao ny ahy.

Avy any ambanivohitra zahay no nalefa nianatra taty tana ka dia tsis kata, ny tena, ny niveau ambany raha oharina @ akiz.... Dia ihomehezan'ny akiz matetika we tambawaks, takampa... ny pataloha fetina mianatra velondrirana zaitra atsena, tennis bata le be molotra bleu marine reny no mba nanana, mande gente refa EPS.

Na dia nahay tany ambanivohitra dia tena isan'ny gidany tao amin'ny lycée taty tana fa ambany niveau de français, ambany niveau matière scientifik... tena taraik... Afaka Bacc ihany nefa dia samy lasa tany @ filière ny.

raha vao afaka bacc aho dia niteny hoe " codamné à réussir aho" ka dia nanao zay nampety ny bosy.

Vao vita ny fianarana, ny akiz naita stage daolo za tena taraiky... naita ihany ny farany fa any anaty alan'ny Toamasina 6 volana ts miverina.

Ataoko ty oa fa za na vola hanaovana mémoire ary tsis. de nidirana... Sady afaka nanaovana mémoire lay asa no mba nahazo vola kely koa.

Avy eo itan'ny lay deba fa sérieux ny tena ka dia voaray hiasa tao amin'ny projet... dia nitazona poste maromaro ary koa afka nianatra tany ampita: afrika, Amérika.

Isaorako Andriamanitra fa manana asa tsara aho izao ary afaka manampy ny ankohonanako.

Dia gaga reo mpiara mianatra taloha maita ny tena @ zao mitondra 4*4, de miteny we tadidinao ve zao le .... tadidiko wa sady za ts miova zany fa le takampa fôna.

Maka atsika za e! (y)

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: tsintso
Date: 06 septembre 2014 - 16:19

mafy mints ange refa mieritreritra le ts fananan ny ray aman dreny taloha zany e, marina indrindra refa avy mianatra ka tratran y orana!!!fa tena kotsa hatrany atapondoha ka hatrany ampaladia!!! dia antongotra etsy andaniny, zara raha misy siramamy hanaovana dité ref tonga any antrano refa lenan ny orana,
na mamangy havana zany ny tena de mamangy ka havana fa ts de tena hoe bienvenue lotra zany fa amle ts fananana daholo, fa otran ny hoe hangataka zany ianao refa mamangy azireo
kiraro iray atao mandava taona,refa mba manome akanjo anao ny havana de tena hita hoe akanjo efa tsis ilana azy, misotra ny Tompo ny tena fa mba nahita asa hivelomana ihany, ary efa aty ivelany koa ankehitriny , deraiko ny Tompo fa ts mba nanao tsinontsinona ny mavomavo

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Talou marina
Date: 22 janvier 2015 - 10:21

Handray anjara ihany ny farany kah.

Nampianarin`ny RAD tamina sekolim-pinoana mba tsaratsara ihany ny tena. Ny RAD anefa sahirankirana ihany. Tena mahatsiaro an`io kahie kitra sy foot io mihitsy.
Ny fitafiana tsy lazaina intsony. Kyranyl no fividin`i Dada tamin`izany. Rehefa ho vizana izay izy io dia tapaka ilay lohany ery anoloana ery, dia mandeha mikasoka tany ny ratsan-tongotra rehetra. Tsy mahazo vaovao anefa raha tsy efa fandraisam-bola ry zareo, dia indraindray lisy herinandro 1 na roa miteha-tany eny ny loha-tongotra e. Mba somary sangany ny tena tamin`ny fahaizana, dia tsy dia sahy manarabiraby ny ankizy, fa hita ihany hoe mihomehy any anatiny any.

Tsaroako fa saika zanak`olona ambony tamin`ny fitondrana tamin`izany, na zanaka mpandraharaha manana ny ampy ny ankamaroan`ny iray kilasy. Ireny dia mivondrovondrona anaty groupes tsy azonao hidirana mihitsy, fa izy samy izy no mifampi-organiser fetifety sy izao karazana sorties sy gouters rehatra izao, dia avy eo mifampitantara rehefa mihaona any an-dakilasy. Ndryy!! mampifendrofendro e.

Vao herinandro vitsivitsy izay no nifanenako tamina ankizy niara-nianatra tamiko (anisan`ireo tsy azo natonina fahiny). Elaela mihitsy vao tsaroany hoe iza tokoa moa? Sady "fier" kely ny tena fa mitovy laharana zao e. Misy amin`ny namany taloha aza toa ohatry ny eny an-dranjon`ny tena na eny am-paladia an.
Kodiaran-tsarety ny fiainana e.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: manganohano
Date: 10 février 2015 - 16:31

tena tsy ho voanatatarako eto ny ahy hoaho fa mitomany eto za fa tena mafy sy mangidy bbbb wain b am mpiaramiasa eto mijery ny anareo za dia nefa tena mila hilatska ny ranomasoko azafady e tena tsy vitako e

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: imahatsiaro
Date: 11 février 2015 - 15:32

izaho raha mahita ity lohahevitra ity dia tsy naharitra raha tsy mandray anjara.tena marina tokoa fa ny gégeration 1980 no tena niaina an'izany fahasahiranana izany .tsaroako ny ezaka nataon'i dada sy neny na dia teo aza ny tsy fananandry zareo .tadidiko tsy nanana tele dia mipitrapitra fotsiny rehefa mitantara ireo zanaky ny manan-katao ,tao koa fitaovam-pianarana izay tsapa fa niezaka be dada sy neny vao mba nahazo fitaovana mba tsy tena ratsy .tao koa tsaroako tsara nanambotra mofosakay sy jus d'orange i neny aterina amidy dia rabaina manatitra azy any @ lay mpivarotra izay mbola mandeha tongotra izy mankany dia amin'iny no hangalanan'i neny atao gouter avy mianatra .gouter hariva varinampango.Ny niainana an'ireny no nanana fisainana tsy mety kivy .

pao-tsakotra ho an'i Dada sy Neny sy ny Dada sy Nenintsika rehetra ato

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: akama
Date: 13 février 2015 - 15:23

Tena mahatsiaro ny taloha ry reto mahita ny tantaranareo an! dia tena iraisana mihintsy manganohano aho mamaky ilay izy.

tsy dia ho tantaraiko eto ny fa mitovy amin'ny anareo rehetra fa nahavita ry reto dada sy nenintsika ah!

ny hany lazaiko anareo fotsiny dia tantaraiko amin'izy telodahy zanako ilay izy de lazainy fa mandainga sy mamorona aho.
ilay faravavy ary moa dia mahavita mihintsy hoe tantarao ndray hoe dada le mahantra fa mahaliana be....

ndrisy ry zanako tsy niainanareo mihintsy tokoa mantsy......

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: manontany oa
Date: 16 février 2015 - 17:23

fanjava <<< ahona tsara oe no nahazoana an'le 4x4 ; mbola tsy nanao député ve aloha?

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: voanio
Date: 21 février 2015 - 19:49

Mandavan-taona dia akanjo 3 no ampifandimbiasana sy akanjo mafana anakiroa !!! Sasana amin'ny alina dia raha vao malamalana ny ampitso tonga dia hamainina amin'ny fer charbon !!!Complexé satria tsy mitovy @ireo zanaky ny mpanankarena mpiara-mianatra , hafa ny anaovana maraina , hafa ny anaovana hariva . Mandeha tongotra mianatra sy mody; ry zareo aterina sy alaina alain'ny chauffeur na efa mangalatra mitondra tamin'izany dia eo akaiky ny chauffeur .Eo amin'ny buvette moa dia aleo lasa daholo ry zareo zay vao mividy !!

T@ izany ny boum nalaza isaky ny Week -end any an-tranon'ny mpiara-mianatra fa ny tena tsy mba invité izany mihitsy fa ny akony no henonao rehefa tafiditra ao am-pianarana ny alatsinainy ,azy mianankavy ny vava !!! ny tena mihaino .
Fa nierina ny taona fa nivoaka ny réglements fa manao uniforme daholo : manche longue. Fa nisento aho satria afaka ny ahiahin'ny RAR , nisy fotoana aho mantsy mba nangataka hoe mba tsara raha mba ividianana , tsy afaka anefa ry zareo , izahy maro , faly aho satria voasarona ao anaty uniforme ny akanjo anaovako , tsy complexé intsony aho fa dia nifaninana t@ fianarana no natao . Mampitsiky fotsiny sisa ny mieritreritra izany .

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: vetaveta
Date: 23 février 2015 - 14:23

Efa notantaraiko tao amin'ilay topic taloha hoe "nahantra t@ mbola kely" ny tantarako fa efa voafafa ilay sujet dia tsy aritro mamaky anareo rehatra aho fa misy averiko kely ho fandraisana anjara.

1an et 5 mois hono aho no nentin'i neny niala tao amle bain fa nanmpijaly azy lôtra lery. Dia i neny irery no nitaiza nahalehibe ahy ary dia tsy nisy izay sedra tsy nolalovanay mianaka... nisy ankizy tany am-pianarana nidaroka ahy fôna fony kely tao amin'ilay sekoly lehibe nampianaran'i neny ahy ary farany dia tsy nety nandeha nianatra tany intsony aho fa tsy lahy tsy vavy nanesoneso ahy daholo satria tsy mba nisolo kapa mihintsy sady fakan'ny ankizy menaka ny filazandry zareo ahy tamin'izany.

Fa ny ho tantaraiko anio dia ny trano nipetrahanay sy neny dia tsy mba omby nijoroako akory tao anatiny satria aho lava nahia izay taloha ary vao miditra ao an-trano izany dia eo ambony seza na eo ambony fandriana fôna... T@ taona 1994 anefa dia navôkan'ny olona teo an-tokotany daholo ny fanaka kelinay mianaka (tsy ny anay irery fa izahay iray tanàna tranokely 3) fa hoe misy tompony io tany io fa nanaovan'ilay tompon-tranonay tamin'izany trano tsy ara dalàna hono... Dia ny entana izany navela teo an-tokotany teo fa izahay mianaka nadeha nipetraka tany amin'ny zandrin'i neninay.
Tena tia ahy io tantine-ko fa ilay dadatoako vadiny kosa dia olona tena masiaka. I neny moa izany no nnao ny raharaha rehetra tao amin-dry zareo alohan'ny andehanan'ny rehetra ny maraina ary indray andro dia tsy aiko lôtra na inona na inona no nasain'ilay dadatoa nataon'i neny fa tonga lery mbôla tsy vita ilay izy fa mbôla tsy nahita vavan'olona ôtran'izany aho nanaovan lery an'i neny.
Tsy nipetraka ela tao moa izahay fa erinandro ihany satria tena manambanimbany olona lôtra i dadatoa ary dia nifindra trano izahay. Zao ra dadatoa magataka vola amiko ny ataony raharaha fa tsy an-asa intsony lery mo ry ra-cousin zanany koa tsy misy manam-bola ôtranà de aty fôna ledala no mangataka na sigara ho fohany arany. heveriny fa adinoko ve ny nanaovany anay... Namela azy tanteraka aho fa tsy namoha izany... I neny arany moa efa 1an mahery izany no maty ary tadidiko fa na naharary azy arany ny nanaovana anay dia tsy mba nanangana ady t@ dry zareo mihintsy izy rahefa tafita aho taty aoriana.

Nafindran'i neny teny amin'ny CEG aho no nianatra ary dia niezaka mafy hatrany... nikotrana be koa aho fa ny bandy tany indray dia nandray tsara sy nilay. Lasa komany be aho taona vitsivitsy taty aoriana ary indray andro, tsy tadidiko, t@ 2 taona angamba izay dia sendra nandeha taxi aho dia gaga fa ilay bandy mpilako ahy taloha no ni-sôfera. Taitra be lery sady sahala amin'ny natahotra izany nahita ahy dia nolazaiko hoe za ve lesy de amono anlah fa aleo ny taloha ho any... itako tena tsy azony ny ainy satria niaraka t@ vadiko aho ary notantaraiko ny vadiko hoe io bandy io mpamijaly ahy t@ mbôla kely. De ozizy ny vadiko mantsy an lery hoe:"ra zao ngamba enao no men'i vetaveta ndrepandé toD maty mitsitra ery" lol.

Lava lôtra ty fa azafady.

Zay?

De bôns fôna e!
Hi hi hi!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: rondelle
Date: 23 avril 2015 - 16:27

ts maints nandray anjara ihan satria d ritra mints n ranomaso mamaky eto, ty zvtr tantaraik eto ty ts oe ny pire ndrindra tamn niainako fa ny ambiny efa zary notatarainareo teo avokoa, ity mo no tadidk zao : tam 1997 za no afaka bac , efa voalazanareo reo ambony reo dôly ny galère natongavana tamnio tanjona ray io , fa tadidk bandy tena namako b no tonga tao antrano no tonga ni-annoncer tao antrano oe afaka elah, nandondona tao antrano lery vao maraina , izahay mikaly maraina, tsis bàbà tamzan fa vomanga no nadrahoan rabofy tamnio , ny kil eo am salon entre guillemet daholo mikaly za kusa mamaha ilay tele antitra b an rabain fa simba ts misy ho jerena, efa 3è a tam zan d efa nianatra electronique ka maba nahay nikitikitika kely ankoatry ny enseignement général. tonga le bandy akam d niditra , sadaikatra b mo ny tena ny trano sad mikorotana feno hodibomanga no maizina satria sady tapaka ku ny jiro fa ts voalo tsun efa ho tapabolana. afaka elah ozu lery tonga d faly b rabofy saingy faly tapany satria ranjokinay ts afaka fa niara nanal zay mitsam. niteny le bandy akama oe andao lesy iaraka fa misy exposition mikasika ny fianarana arina bac eny am cite ambatonakanga sady mba mandendé, d nijery ana rabofy satria na frais bus ary ts mis , farany mo niteny ihan iz oe ento aty le trousse ku ry fa mety mis majinika ao atambatra sao ampy ihan, nisaina le rondelle 10 ar 20 ar , d ampy 100ar ny frais tam zan ra ts diso a, d oe andana ary miomana fa miandry le namanao. d lasa zay mitsam d niditra betax d nadoa frais ary , voadona ny tanako nanolotra le rondelle bdb d latsaka tany ivelany le vola , le miparitaka sad le lasa lavitra b satria otran kodiarana reny nefa ny fiara mande , nidina a niezaka nitsipina nefa ts azoko d ouz le bandy akama oe avelao any lesy d ouz a oe ts manana afats iny aho ka ts maints alaiko fa mandehan ela d tratrako any, avy lesy ozu lery fa aloako ny frais an la a!!! sad menatra aho no faly satria ny olona rehetra nahita , mis mitsetra mis miomehy . tena mafy niaina anio ry zareo a nefa zao mo zany ny zanako vao jardin d'enfant d efa fiara mande mianatra fa mafy b tamk io fahatsiarovana io . miala tsin ra lava loatra e

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Ex Renel
Date: 09 mai 2015 - 15:20

Salama daholo!

Joe>

Charles Renel Majunga 1977/1981. Tennis Bata fotsy (5000fmg) zay no mba azoko ary dimy taona de io foana no nanaovana défilé mandalo ny Hotel de ville, miaraka @lay ankanjo fotsy sy short manga. Fa nanaikitra be tsisy ohatrazany fa mba menatra ny tena de miaritra mamay...

Ny ahy ny tsy adinoko mitsy de tsy mba nanao slip zany de rovitra ary ty pataloha ka hitan le sipa zanaka snob tao ampianarana ny tsy tokony ho hita, fa mandrapialako tao de henatra tsy nahajery olona satria nofosain le sipa t@ namany rehetra. Tsy hadinako nenty!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 11 mai 2015 - 12:29

Ex Renel> milay e! zaho 1978-1985 no nianatra tao.

Tao no nanaovana izany mandohalika, jaboady mandry, seza rivotra, marche canard, rehefa bedy. (indraindray asaina atao eo ampovoan'ny terrain fanaovambaolina, sady mahamay no menatr'olona), ny marche canard ampiarahiny ao amin'ny préau (fanaovana basket), ataon'ny olona fihomehezana. Efa tratran'ny "mamafa kaboné" koa an!

Oay! ny kapoka amin'ny règle manginy fotsiny, ilay règle lavalava carré 30cm ireny, nisy ny vita t@ vy, dia nisy t@ hazo, dray! dray! dray! ny mpampianatra sasany mikapoka @ tanana mivelatra , ny sasany ny vohontanana, ny sasany asainy akombona ny rantsana dimy dia eo no kapohiny.
Iray Tadidiko t@ T5, misy mpanoratra mitabataba dia rehefa mirava milahatra alohan'ny hody ho kapohina, hum! miandry faraparany vao miroso fa indraindray tapaka ilay règle raha hazo.

Sadiques ny mpampianatra taloha an!

FIAINANA DAHOLO IZANY E!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: The Rock
Date: 18 mai 2015 - 12:44

Misy adino, kitapo sandrify no nentina nianatra d otran nahatsiaro menatra refa tonga 3e satri efa mba lebebe d ts noentina tsony fa tonga d cahier tsitsinina fotsiny amzao.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 18 mai 2015 - 16:07

The rock>>> Oay lé! ex Rénél marna élah, (teny bary tsy mba kadiso)

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: The Rock
Date: 18 mai 2015 - 17:26

J¤e<<<Mety fantatro tsara zan elàh io, na fantatra tarehy!

Ngah elàh tsy mba anisany niondana préau, de manao smatch be amle baol spônjy (lol), baol tennis e!
Tsy pause, tsy recréation fa tonga d eny fôna. Mazoto miala aloh any am tanàna fa mbola hiskety eo am préau.

Tam le nandoalika tam Gracieuse, taty ambanindriana ny salle de classe de marokoroko be ny ciment andoalihana!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 19 mai 2015 - 10:12

The rock>

Mpiondana préau miitsy a, Azo lazaina ho berceau d'alphabétisation ho ahy raha i CEG Charles Rénél, tao no nitiavana basket ihany koa, Tao @ "Préau malama" ilay fanaovana fanenjika sy korisarisa. Tena tsy afaka ato ambavako lletsy ny tsiron'n'ilay rano amin'ny Paompy fitangoronana rehefa hiditra aorian'ny récréation (avy reraky ny fanenjika na bôl), tena heno miitsy ny tsirony a! Nisy baobab nidaraboka izay tary ambadiky ny salle 11-12 angamba raha tsy diso ny fitadidiako, eo amboniny no fanaovana AYampS (izay no fiantso azy t@ izany) teo ko no nianarana bélote. (nostalgie)

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: The Rock
Date: 19 mai 2015 - 11:56

J¤e<<<Marina izany (eto tsika d mifanetsetra eto lol), tena manembona lets ny tena. Nanao vacances tany zahay mianakavy kely tam 2012, d najanoko teo ambavahady Charles Renel efa ho 10mn, d gaga ny vadiaman-janaka oe fa inn no ataotsika eto?
Tato Dada no nianatra fahiny oa. Le madiro be fipetrahana aty am devanture efa misy tamboho d ts mety ipetrahana tsony, mbola ao le baobab 2 ngeza b somary midaboka le ary am salle 11 s 12.

ps: afaka mahazo ny mail-là v?

Options: Répondre
Aller à la page: Précédent1234Suivante
Page: 2 sur 4


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg