Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Humour et Insolite
Aller à la page: Précédent1234Suivante
Page: 3 sur 4
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: sendratsaroana
Date: 19 mai 2015 - 16:02

mamaky ny post nareo za dia mba mahatsiaro ny ahy koa é

t@ za classe de 3è adala foot b any ka simba daholo zé kiraro novidiana dia tezitra ny RAD ary nosaziana oe ts mahazo tennis tsuny enao fa io kiraro fentina mivavaka io anaovana, fa pdt année scolaire ray d tena iny foana, sady oetina mivavaka no entina mianatra no entina manao foot fa lé talon avo b eo @ 4 na 5 cm iny tena lany mits, ary anaovany sipa mpiara mianatra remarque mits oe ra mocassin
Classe de seconde ndray, nénay ny RAD tsy d niraharaha t@ resaka akanjo sy kiraro fa plutôt tany @ resaka fitaovam-pianarana, any ka zara raha nanana akanjo, nisy fotoana ary nahazo tshirt coca-cola zay misy loko telo karazany fa dia reo foana no presque ampivadibadiana ka d nanalany kil, nanomboka teo d nanangona 200 ar isan'andro eo mba ividianana akanjo sy kiraro ary tadidiko mits nividy air max t@ bandy mpiaramianatra zanaka deba zay fa vola roanjato sy diman-jato bdb no nomeko anléry d tapaka ny tsinainy
fa @zao kosa aloha dia tsapako nitondra lesona b o ahy léizy

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: The Rock
Date: 20 mai 2015 - 10:41

Ny maîtresse-nay t@ T1 dia tsy tia maizina ahy, matetika voasazy foana aho nefa tsy dia fantatro loatra ny antony. Mirava @ 11h 30, dia indray andro voasazy aho ka voahidy tao an-dakilasy, tsy navoakany tao raha tsy t@ 12h 30.
Fahiny tao @ Sainte Jeanne d'Arc (Mahajanga) izany.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 20 mai 2015 - 14:30

The Rock>>> Ha!! kay ma laolo 'ty koa nianatra tao @ ste jeanned'arc, ny zandriko no nianatra tao,

"Jao sy Mboty izany" no bokin'lisany tao raha tsy diso aho. hahahaha! dia méthode bocher. Ny anay tany amin'ny EPP: Niry sy Nary, Talaky mandeha, Isambilo, Fary Mamy...

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: skankin
Date: 20 mai 2015 - 16:48

Ianareo angaha tsy nisy nampiasa Bescherelle, Ratsimba valo mianaka ?

Mahafinaritra ny mamaky ny Lesabotsy'ny tsirairay, eny fa na dia misy ny mampahonena, izay moa no maha-Lesabotsy azy.

Ny ahy , tsy vitako ny mitantara azy fa dia mafy noho ny mafy ary ho maro no tsy hino.

Tafita ankehitriny ary tsy mena-mitsangana eo anivon'ny mpiara-monina.

Ny hany zavatra mi-manquer saingy tsy (n/h)anenenana satria voatery, dia ny tsy nahafahana niasa any an-Tanindrazana satria asa tsy misy any no atao. Na izany na tsy izany , asa ho an'ny olombelona eran-tany.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: mpandalo12
Date: 20 mai 2015 - 17:19

mahatsiaroe
nena ny tadidiko de za manan tennis fotsifotsy izay dia hoy ny mpiaramianatra oe aleoko tsy mis toy izay tennis tonga ts nety nanao ilay tennis intsony ary tena nalahelo mafy tany am reny sekoly misiona ireny moa no mba nampianarin ny rad e d zara rah nahaloa ekolazy fa ny ankoatrizay dioa zero fa am zao za rah vao mis miteny an zany ny zanako d itondrako v8 b mints (mdr)

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: The Rock
Date: 20 mai 2015 - 17:58

J¤e<<< Eoah, zao nianatra tao, fa iz tam zan T5 farany. Bokeo, nanao concours tam Notre Dame fa ts afaka. Hainao kamy tohiny: CEG Charles Renel.
Tsôntsoko zao nande tam renel fa nanomboka teo nibôka jiaby lapoasy tam fiainanay! Saika ts nahaloa écolage teo sad afa-baraka.

St Jeanne d'Arc zao ty efa mis jusq terminale. Ts adinok salle de classe-nay tam T3 zay satria marikitra làlana bokeo Mme Jacky masiaka be. Lol

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Lionking
Date: 21 mai 2015 - 13:48

Salama daholo
Nahita ity sujet ity aho dia mahatadidy ny lasa. Affecter tany Antsiranana izahay t@ taona 1994 dia nianatra teny @ collège FJ_K_M Taniketsa. Ny tena nampalahelo ahy dia ity fanavakavan'ny prof (fransçais_Anglais)nay, tsy hoe tsy mahay loatra ny olana fa tena sahirana be izahay rehefa tonga tany satria tsy mba directeur ny dadanay fa ireny adjoint technique ireny nefa ny mamanay tsy miasa fa mikarakara tokatrano. Ny cahier moa dia ireny kitra ireny no mba zakan'ny tsena. Ary na mpiara mianatra aminao moa dia manaraby daholo ankoatrin'ny izay tena namanao. Kivy tanteraka zaho t@zany ka tena ni-abandon kely mihitsy efa ho 1mois et demi zay vao au courant ny dadanay. fa tena mandratra fo be rehefa tratrinny fanavakavahana ny fanarabiana ataon'ny mpampianatra io.
Dia nafindra ecole moa zah dia tany @ CEG no nanao ary somary nahafinaritra be daholo ny namana tao satria toa tsy dia nisy fanavakavahana loatra ary tena niverina nazoto nianatra be zaho, dia afaka BEPC soamantsara dia nanao teny @ tecnique dia afaka BACC ny 2001 dia nanohy teny @ université. Efa teny @ Université zah 1er sy 2ème anné mbola nanao kiraro kiranil JERK satria somary be fotaka ny eny @ université hoan'izay mahalala an'Anstiranana.
Dia rehefa vita ny ingeniorat dia niverina teto Iarivo amizay zaho dia niasa
Fa rehefa mahantra ny RAD dia rehefa misy ny fivoriam-pianakaviana dia izahay sy ilay anabaviko izay nanao teny ankatso no tena mahazo teny mahery satria ny zandry ny dadanay somary tafa2. fa indray mandeha izay zaho namaly ny tantine-nay dia izay no nanavan'ny fianakaviana aho teny mahery farany.
Zah moa tsy hoe tafita fa vao 33ans zah dia mba manana automobile fa ty mba ireny lux TOYOTA V8 na V6 ireny akory aza fa tsotsotra ihany, mbola tsy manana trano koa fa vao tokotany kely 1000m2 izay vao azo dia mbola miketrika izay atao.
Zah zao efa manambady dia manajanaka lahy kely.

Nisy fotoana ary zaho nieritreritra hoe rehefa sendra mandalo any Antsiranana zaho ka hitako ilay maitresse dia ho domiko @ fiara fa rehefa nandinika aho, aleo tsy manao izany na dia mandratra fo be aza ny nataony fa tsy ankasitrahan'ilay Nahary.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Lionking
Date: 21 mai 2015 - 14:04

Fa ny tena nampalahelo ahy indrindra dia vao niasa kely 3 Volana ahy dai maty ny Dadanay ny 21 Aout 2009, dia iray volana tsy hanaovako mariage efa vita daholo ny dossier invitation sy ny rehetra sady efa voazara ny invitation dia maty ny 26 Mai 2013 ny Mamanay nefa ny ny Mariage atao ny 29 Juin 2013.

Rehefa mihaino iny hiran'ny Ainga fianiko tantaraiko dia somary lasalasa ny fisainako.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: tomSawyer
Date: 21 mai 2015 - 21:10

Mahereza daholo ee !

Mankasitraka ny fizaranareo ny nanainteina kely tany an-tsekoly tsirairay avy tany e !

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: mba tohizany ko
Date: 23 mai 2015 - 00:52

bonjour daholo e,


tena sady malahelo no faly mijery ny zavatra voasoratra ato. ny zavatra voamariko fotsiny aloha de olona nianatra teto antananarivo daholo no miresaka.

Nena indray tany ambanivohitra tanà no nipetraka izahay, ny sekoly nianarana de an'Fanjakana (EPP, CEG, LYCEE, ANKATSO) na de betsaka ary ny privée tany.

tany @ EPP tsy de nisy tantaraina fa hotrany mba nitovy saranga ihany izay zany oe samy cahier kitra daholo le misy sarina bol foot reny e!!de ny kiraro nande jante fa nanala CEPE vo mba nahazo kapa jesosy (kapa oditra vita tanana fa tsy aigle d'or).ny kitapo t@ zany le LESABOTSY reny mintsy, le vita @ rofia e!, de ra vo avy be le orana de lena dol le cahier. ny stylo de le kinga..ny zavatra remarkeko fotsiny t@zany de ze manamanana de reven'ny mpampianatra fona fa zany oe vitsy2 ry zareo no niaraka taminay. ny zvatra tena tsaroko de le tablier ko beige tsy niova mintsy T1 - T5, ef tsy omby tsony fa mba ngeza mbola tsy maintsy hanaovana ihany satry tsy manana e!! i neny t@ zany mpiasan'ol, manasa lamba.
tany @ CEG de mbol hotran'izay ihany tablier iray zay otrany malabary mo ny tablier nay t@ zany dde natw mama lava be nena otrany reny avy natw didipotra reny, de iny fona hatramin'ny 3e, nanalan-kil fa tsy rarahako.4e - 5e vo mba nisy zvtr nisongadina tao @nay mba nanana radio, mba nahazo akanjo tsy indraindray.
izay tsy mba nahazo an'zany gouter zany mintsy, ny tena marina tsy misy e!!!
nitady hevitra teny i neninay zay mba hitadivana asa hafa mba hampianarana an'tena sad ef ho afak BEPC. de nifindra taty tanà, de nivarobarotra teny de izay nianatra t@ lycee, teo no tena fahorina hitako.mamanay lasa tafidtra nampianatra privee fa nikarama vary masaka proprement dite, refa mba mandray vola faran'ny volana de tonga de mividy vary betsaka de tsitsina. mifoa maraina be mahandro vary de fonosana de lasa mianatra de miverina avy any tsy misy loka fa ron-dasopy na 200ar no hohaninay (3). matetika ar mo tena sady tsy misy vary no tsy nisy loka. ny tena mba efa lycee ihany, mba jerijeren'ny sipa sy mba mijerijery anle mitovitovy amin tena fa wen be ra vo le mba manankatao reny no resahana.ny zvtr nanampinay an'i mamanay de refa mba vacance de mitady asa kely, manoeuvre, battlage ... de mifanampy @ vary sy loka.afaka bac ihany.
vo hihiditra eny @ université de fahorina ny mitady anle 60000fmg hatao selection de dossier, le 100000fmg anle AGRO sy poly mo zany defa tsy azo nidirana noho ny tsy fananambola. nindrana vola tany @ totohanay de naverina tsikelikely ny azy. ny bourse de tsy maintsy atw sakafo ra misy zavtr ilaina ao ampenarana de foromporonina eny le izy. ohatra trousse à dissection de manambotra eny e!!
vita ihany ny DEA fa mbola tsy hitako ihany ze tena marina, nanampakevitra ny tsy hanoy tsony za fa hitady vola amzay mba hanampiko an'i mamanay sy ny zandriko de nomen'ANDRIAMANITRA asa tsara sady tiko fa tsy de oe mikarama be an!!!!amzao vo haingana, zao za mba hihezaka hanangona sy hanarina zay mba tsy vitan'i mamanay hatramin'izay.
lava be fa tena mbola lava sy mafy le tao anelanelany tao de zay no namintinako azy.

misaotra betsaka anle sipako bedebe nanome kaly ana tany @ lycee sy universite reny e!!!mety fantany zao za!!!


mazoto daholo e!!!!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 22 octobre 2015 - 11:36

up

Tantara tsy azo hadinoina.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: yahoo
Date: 22 octobre 2015 - 14:08

Tena mampitamberina ny fahazazako mihintsy mamaky ilay zavatra tantarainareo. Za vehivavy , ny RAD tena anisan'ny sahirana ,zahay koa anefa 9 no iray tampo. Tsy mba nanana kitapo aho nianatra tany amin'ny EPP fa harona sachet no hoentina nianatra , misy fotoana nampanaovina piscine daholo ny mpianatra , za tsy mba nanana maillot zany fa de kilotin'dehilahy zairin'ny mamanay tanana ao antrano no hanaovana nefa ny tena vehivavy , nihomezan'ny ankizy , menatra enao nefa izay no zavamisy, ny kahier zara raha mba nanana, ny gouté zany raha tsy mangahazo de vomadilo.
Ankehitriny ny tena 32 ans ary misaotra an'Atra fa ny fitiavany de mba tsy latsadanja amin'ny hafa, cadre amin'ny société matanjaka aho , ny vadiko rahateo vahiny koa.
Fa ny zaza ankehitriny tsy mahazaka ny zavatra nianantsika taloha , mafy tena mafy

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 22 octobre 2015 - 14:34

Misaotra antsika rehetra izay mizara traikefa ato eh, manome hery sy fatokisantena ny tsirairay avokoa ny mamaky izany eto fa tsy fanetserana na fitadiavana fangorahana sanatria.

mankahery sy mankalaza eh!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Tsynahatsapa/na dia nijaly aza !
Date: 25 octobre 2015 - 20:28

Gagaah mahita ny fijalian-TSINAREO !
.
Izahay indray koa dia tena azo lazaina fa tena nijaly. Mbola vao 1 an izaho dia maty ny reninay. 5 mianadahy izahay. Tsy nanam-bady nefa ny rainay raha tsy feno 7 taona nianatra aho.
Fa tsy mba nahatsiaro nijaly izany tamin'izany fotoana, na dia kely aza.
Classe de 7e vao nahita kapa nefa ny tongotra. Ny ankizy saika nanana daholo, fa tena tsy niditra tao an-tsiko hoe nijaly izany ny tena.

Ny renikelinay aza toa tsara fanahy raha ny fitadidiako.

Na dia izaho aza dia gaga amin'ny tantaranay amin'ilay hoe tsy nahalala hoe nijaly izany tamin'ireny fotoana niainanay ireny.

Amin'izao fotoana vao mieritreritra an'ireny fotoana ireny. Fa raha mamaky anareo aho, dia mety tena nifararemotra ianareo.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Tsynahatsapa/na dia nijaly aza
Date: 25 octobre 2015 - 20:29

FIJALIANTSAINAREO azafady !

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 26 octobre 2015 - 09:11

Tsynahatsapa/na dia nijaly aza >> MITENY HOAZY ANIE NA DIA NY PSEUDO ampiasainao aza e!

Samy tsy misy nahatsapa ho nijaly avokoa ireo manoratra ireo, fa aty aoriana rehefa nahita ny ezaka vita vao mahatsiaro fa niaritra sy niady mafy t@ fiainana kay ny tsirairay avy, indrindra rehefa manao ny ezaka izay hampifaliana ny taranaka mba tsy handalo toy izay efa niainana.

Ny zanaky ny tsirairay amin'ireo manoratra ireo izao dia raha kely angamba ny Goûter... (aleo tsy holazaina), fa izaho izay manoratra eto dia SaHy milaza aminao fa efa nampitondrain'ny raiamandreniko goûter "KARAOTY MANTA" raha mofo sy dibera misy Confitures ny an'ny iray dabilio amin'ny tena, na tiana na tsy tiana nisy fiantraikany t@ tontolo manodidina sy izany, naharary izany, nahazoana petak'anarana namapahamenatra izany.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: raks
Date: 26 octobre 2015 - 15:39

zahay tamin'ny nianatra teny amin'ny epp tsy mba nahazo goutté dia mikarama manao enti-mody an'izay ankizy tsy nahavita ka matahotra ho voasazy, iny av eo no miantoka ny goutté, milay e

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: eny oa eee
Date: 27 octobre 2015 - 00:05

natsiro be ny varinapango sy siramamy na sira

natsiro ny tsikonina ovy endasina

ifonana ny halatra akoho sy halatra voatabia hazo

narary ny tongotra vakivakin'ny kiranill

soa fa nisy mpivarotra mangazo masaka am vilany fa ra tsy zany noana be tsy mihinankanina ndraindray!

nilay be ny jiro kapoaka sy tsipopoka vita am bougies qary ny arendrina vita gasy tonga de gasy gasy mamy tsara! tsy mahovoka ny hamaminy sy hatsarany mintsy le vita sinoa! tsy maty ao am po e

kilalao milay le manosika pneu na manosika taroby

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: The Rock
Date: 27 octobre 2015 - 10:45

Tsy nahatsiaro nijaly t@ izany fotoana izany, tsy nahatsiaro menatra ihany koa!
Mahavita manao pieds nus rehefa mandeha mianatra (6e, 5e).

Mitoraka mokonazy eo @ gendarme akaiky ny bonnet dia avy eo mandositra fa matahotra enjehin'ny gendarme.
Ny fahiniko, mamiko loatra na dia tsy zary2 aza.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 27 octobre 2015 - 10:55

na tsy nahavidy goûter aza dia tsy diso anjara t@ nahary tokoa aloha raha ny Mabôto'ny Majunga @ voankazo e! (tamin'izany), ny boy koa torahana fotsiny dia efa mihinana, miara mifandrombaka ao anaty boy iray ny tanan'ny tsy manana sy ny manana e! (Taminay koa aloha dia tsy dia nisy firy ny fanavakavahana, satria tsy nialona ny manana miitsy izahay).
Tsy niady t@ zanaky ny manana izany izahay, tsy nanambany anay koa ny zanaky ny mpanana fa mahafinaritra azy aza ny miara milalao aminay. raha tsy ny zanaky ny mpanana tsy mba nilalao tôbil mandeha pile izahay,

the rock>< milay lesy io tanàna io ah, hadino ny tsy fananana rehefa Heure creuse, miara mandeha mijibôro eny @ bôro.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Akohokely
Date: 27 octobre 2015 - 19:36

Tsy haiko ny am'zao fotoana, fa :

tamin'izahay primaire dia misy atao hoe "Vokatra" foana rehefa fin d'année scolaire. Samy mitondra izay fantany fa mety sy tsara ny ankizy rehetra(avy amin'ny ray aman-dreny).

Ny ahy indray taona akoho no nentiko. Asa na tsy nisy tao aminay na ahoana tsy tsaroako intsony, (8 taona teo eo aho tamin'izay) fa ohatran'ny kely ilay akohoko.

Vao hitan'ny ankizilahy tao am-pianarana ilay izy, dia tonga dia nahazo surnom "akohokelin-dRa...." ny tena. Ny rehetra moa saika mifankahalala daholo satria tanàna kely no nisy anay. Tena nalahelo be ery ny tena satria dia tena ny anaran'ny Ray aman-drenin'ny tena no voatsiratsira nandritra ny fotoana elaela ihany ! niampy henatra.

Giravy an !

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: sand
Date: 27 octobre 2015 - 19:44

Tsy nanao maternelle.

Pemière journée de classe en 12e, tonga dia natory am-pianarana. Nihomehezan'ny iray kilasy, hitako sy henoko, satria notondrahan'ilay mpampianatra rano ny lohako.
'zany aloha dia tsy adino na rahoviana na rahoviana !

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: kahie kitra
Date: 29 octobre 2015 - 15:13

tena isan'ny sujet mahafinaritra ahy mihintsy ity, isan'ny tena tsy nanana ny tena fahiny (tsy nanao kiraro izany nianatra, zara raha miakanjo, kahie 1 no hanaovana lesona be dia be...)
ny nahafinaritra ny mitadidy azy dia ny kilalao tamin'izany, fihinanan sifotra, fanosehana pneu na beka,baolina sachet,halatra voankazo, tsy mba nanana télé izahay tamin'izany fa miborisy tranon'olona na manasa tongotra vao mahazo mijery télé.
tsy dia manana aho amin'izao nefa efa tena lavitra an'izany rehetra izany, ny olana dia lasa mampihanta zanaka loatra

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 29 octobre 2015 - 15:32

Marina miitsy izany , izahay koa niborosy tranon'olona mba hijerena télé, am'zay télé noir et blanc ratsy kely, raha hoarina amin'ilay mba jereko zao. hihih!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: The Rock
Date: 30 octobre 2015 - 11:10

Otran mitovy2 izany daholo letsy ny fahiny raha izany ry J¤e.
Ny anay indray2 avy eo ambaravarakelin'olona no mijery dia mangasihasy rehefa akatony ny trano.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: lux
Date: 30 octobre 2015 - 16:05

slu daol,
tena mitovy dahol ny tantarantsik an!
ny ana ndray de zao 7 mianada zay no zanaky ny RAD, tena mafy miits zany taloh zany, le kahie alou itovizany daholo e, sy le kitapo tsihy reny. Reef maty ny dadanay de tena hita miits ny fahabangana tao antrano satri ny karama drabofy tsy ampy miits, mis an zany reef avy mianatra dia tsapaina ny vilany ra mafana fa misy kaly ao zay, fa ra vao mangatsik de ef mampionona tena, rah misy dia ovy 4 isan'ol no eo ambony vily. iny no atao tontolo andro. Reef fa mba mangatak am fianakanvina dia hoy ry zareo hoe sao de tsy tafaverinareo ny trosa fa aoka iany, nitady fika zaay 5 lahy ( 5lah, 2 vavy izaay) lasa mitsipona aluminium eran antananarivo ( sarona taoka taloha ireny, de le boit-na dantifiris ireny ko) dia amidy am kilao eny anosibe fa mahazo 100 ar izaay dia omena an'i mama hividianana vary sy laoka, na le garaba-na letsy ireny dia atao tahona masikita dia amidy eny am mpivarotra masikita izay lalovana. fa reef ela ny ela tsy naharitra lay zokinay lahimatoa fa nijanona tsy nianatra nef tokony hanala bac de nahita asa. dia iz no nisolo an dada t@ fihaina anay 6 zandry ( any enao zay ry zoky ef mandry ampiandanana) dia hoy iz hoe tsy maints tafitako ny zandriko reetr fa tafita t@ fianarana dahol kos alou izaay 6. ary tsy adinonay miits izy sy dadanay an

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: ndriiiii
Date: 01 novembre 2015 - 18:27

lux>

ndrii

mampalahelo sady mafinaritra ny tantaranao, dia lasa sahady koa ilay zoky mba tokony ho novaliambabena

Zahay indray mba nanana kely ihany fa saingy zaho vhv; tsy dia nivakiandry mamanay loha noho ireo zandriko 2, ilay vavy 1 moa d le katsetsoka reny, tsy mba nanana boky aho tany ampianarana, ny ankizy nampiasa a toi de parler, vao miteny aho ao antrano hoe ny ankizy manana boky d ilay zandrinay vavy no mitsetsoka hoe "manin raha miteny hoe hividiano boky" ny RAD tsy niasa saina, hany ka naleoko nangina foana, rehefa misy porte ouverte ilay maka buletin mitondra RAD ireny dia tsy mba niteny tao antrano aho, zaho irery no nandeha, fa ny nahagaga dia tsy mba bedin ny mpampianatra aho.
Nony tonga teny amin ny lycéé analakely 1994 io d ilay mitondra sakafo d anandrano na 20ar no vidiako rehefa mirava hariva d iny no laokako ampitso, ny an zandry anefa namoronan ny olona ny tsy nisy. tena niady irery aho, nanao examen gym bepc tamin izay ay moa ilay tsy dia mivoaka ny trano ireny , tsy mahita hoe aiza akory ity mahamasina, fa dia nentiko ny convocation, tsy niteny n inon inona a, tonga teny amin ny fakana bus, io misy ankizivavy tao amin ny ceg miaraka amin ny vhv 1 D lhl 1 zokiny angamba, miandry bus koa, andeha hanao gym angamba ity hoy aho, lasa koa aho niditra bus, d narahako, tonga tany mahamasina ihany aho, saingy d scoubidou indray moa no mba nanana, tsy maintsy nalana, tsy mba nisy nitazona ny entankely rehefa nihazakazaka fa niangaviana olona, tsy dia hoe tafita b tamin ny fianarana fa mba tafita kely ihany noho ireo zandriko 2; zaho no manampy ireo RAD zao iz dahy tsy misy miasa, dia ahatsiarovako ilay tononkalo hoe
.... N'inon'inona midona
Mijoroa ho vononkiady
Moa tsy mahamafy ve
Ny hetraketraka mianjady ?

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: zaiany
Date: 02 novembre 2015 - 16:07

manganohano ny ranomaso mahatsiaro ny fahazazana; ny anisan'ny tsy adinoko dia ity : rehefa krisimasy ilay 24 decembra iny moa dia any amin'ny bebe sy dadabe avokoa ny fianakaviana rehetra.
tonga ny ariva dia samy nametraka kiraro teo ampototry ny hazo noely avokoa ny ankizy rehetra; dia mba lasa koa ny tena nametraka.
akory ny agagako ny maraina fa ny kiraroko irery no to tsy mba nisy kilalao otran'ny ankizy rehetra. za moa tsy sahy nanontany ny RAD fa de gina tsy nahateny sy nalahelo teo fotsiny. isaorana an'Atra anefa fa mba azo lazaina hoe milamina ny zanako fa tsy mitovy tamin'ny niainako tamin'izaho mbola kely

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Julf
Date: 17 novembre 2015 - 14:52

Tena mahatsiaro ny fahiny sady mihomehy mamaky ireo tantaranareo ireo. Marihina fa zanak'olona sahirana aho.

Sekoly katolika Ambohimirary (Tamin'ny andron'i Madame Dary):garabola aho tamin'izany anisan'ny ankizy mpanary stylo foana ka tsy nahita hevitra intsony Mme sy mamanay dia nasiana stylo nijanona tany ampianarana dia rehefa hanao devoir vao alaina dia averina indray rehefa vita, any antrano koa asiana iray fanaovana devoir à la maison. Mbola very ihany ka nasaina niambozonana indray kanjo nitsonika tamin'ny aron'ankanjo.

EPP Nanisana, vehivavy aho fa gaga ianareo raha ireto zavatra nataoko angamba tokony ho lahy kely aho. Vao 11è t@ fotoan'andro aho dia mitsoaka mody foana raha vao manao recreation, avelako any ampianarana ny kitapo dia sahy miampita amin'ny arabe mody aho, mbola tsy betsaka koa moa ny fiara tamin'izany dia tsy matahotra. Rehefa tonga any an-trano anefa dia aterin'i mama miverina mianatra ihany sady voakapoka, mifokofoko mitomany nefa tsy maintsy aterina, vao tonga indray ny 2è recreation dia mitsoaka mody dia tsy aterina intsony fa ny ankizy eny an-tanàna no mitondra ny kitapo mody. Nony lehibebe indray avy hanaovana jeu de point na jeu de faritany dia hanaovana fusé ilay cahier 32pages ireny tsy maharitra firy andro akory.

CEG Nanisana
Izahay tsy mba nanao kapa izany nandeha nianatra raha tsy efa teny amin'ny CEG fa pied nus foana, teny vao mba nahazo kapa tsotsotra ireny, manavy ohatra vao manao kiraro misy bà mandeha mianatra. Mbola mivarotra mangahazo masaka vao mandeha mianatra ny hariva, dia nisy bandy izay niara-nianatra taminay dia sendra nandalo teny an-tanànanay nahita ahy dia nony tonga tany ampianarana dia nolazainy tamin'ny ankizy tao ampianarana dia norakorahin'ny ankizy aho hoe : mpivaro-mangahazo ê .... tena mafy tamiko io fa dia efa izay moa ny zava-nisy dia manganohano eo fotsiny ny maso.

Lycée Jules Ferry
Classe de 1è aho nandika hira : femme liberée dia tratra ka nanao punition 100fois hoe tsy handika hira ato ampianarana intsony aho.
Ny tena tsaroako tao dia 1mois avant bac izahay iray kilasy (TA2 années scolaire 1987/1988) tsy nahazo nanao français raha tsy mitondra RAR satria nigafy prof. Dia tena tsy nisy nitondra é, Mme lava ranjanana be izay ilay izy nipetraka teo Betongolo fa vadina miaramila, "Balafomanga" no nataonay anarany, raha misy niaraka tamiko tao dia mahatadidy izany. Rehefa zoma hariva dia mamaky bande desinés "Bobel, edition tsileondriaka" ry play sy ny tariny ê, izahay mipetraka any amin'ny banc fond, dia tratran'ny prof malagasy (Mr Pierre Kely) dia mihomehy fotsiny izy fa rehefa manao DS dia faiziny tsara mihintsy.

Ankatso
Tena mafy satria efa zatra tononina ny leçon ka teny tsy toa izany dia somary sahirana ihany fa isaorana an'A/tra fa mba naharaka ihany;

Rehefa mahita ireny namana nandrabiraby taloha ireny indrindra tany amin'ny CEG dia mahatsiaro ny fangirifiriana tamin'izany fa mahatsiaro tafita kosa mihoatra aminy satria mba tafita ihany ny tena.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Julf
Date: 17 novembre 2015 - 15:08

Hadinoko fa tamin'izahay 2nd teny amin'ny lycée dia ny mpianatra avy any amin'ny ENS Ampefiloha no prof de gym, dia nampihomehy be izahay iray kilasy fa vendrana be daholo, hi hi hi
Any Ankatso no manao gym rehefa zoma hariva, dia tsy mbola nisy nandeha tany ankatso izany tamin'ny fotoan'andro dia hoy ilay prof hoe "tsenaiko eo amin'ny terminus bus ianareo fa aza mihetsika eo ary". Dia inona no nitranga hoy ianareo? Taty Analakely teo anoloan'ny Hotel Plaza amin'izao fotoana izao io ny arrêt n'ny bus 18 tamin'izany dia teo daholo izahay no niandry ilay prof, hay terminus bus any ankatso no niandrasan'ilay prof anay. Nony tonga ny Lundi dia nankany Faravohitra izy dia nantsoina izahay hoe taiza ianareo dia nolazainay araka izay ilay zava-nisy tsy bedy izahay fa fihomehezana no nataon'ny rehetra.
Raha nisy namana nahatsiaro io dia mihomehy irery angamba.
Ary ilay mahandro vomanga na mangahazo ao an-tranon'i Eliette rehefa heure creuse ry ny namana isany ah, ilay manenjika escalier roulant ao amin'ny Prisunic efa fantatr'ireo vendeurs ao amin'ny grande surface mihintsy.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Julf konko
Date: 18 novembre 2015 - 12:34

Redoublante Terminale D ny tena t@izany. Sady tsy hay ny matière Histo-Géo, ny prof nandreraka be fa nampatory (Mme Virginie raha misy mahatadidy), ny tena rahateo efa ni-double.
Hiditra t@ 08h maraina hanao Histo-Géo, dia nanakevitra hoe hingitrika, roa vavy zahay.Dia nandeha t@ 07h50 teo, nankany @ iny làlana Mangarivotra iny, misy lalankely zay aoriana kelin'ny Annexe J.Ferry. Vao tafiditra tao @ lay lalan-kely oa fa nifanena t@lay Prof mihitsy."Ho aiza reto? nga tsy hianatra? Ndao fa sao tara an", hoy ilay prof. Dia mody niala sirika fotsiny zahay roa hoe "nisy zavatra latsaka teto dia niverina nitady izany zahay kah".
Betsaka ny souvenirs tany am-pianarana e!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: mpingitrika
Date: 18 novembre 2015 - 15:36

Zà efa 1ère année t@ Univ privée zay mbola ningitrika Anglais fôna, ka ilay prof efa prof-nay tany @ lycée ihany d efa fantatro tsara fa masiaka velona d kamo a!

Efa 2 volana ngamba zay vao nibôsy anglais!!!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: J¤e
Date: 24 novembre 2015 - 09:56

Fanao tami'ny fahazazana ilay hoe "misy Gônda!", ny "tapiaka tsy azo raisina!", tany antrano aloha dia nanao izany ny mpirai-tampo.

Tany ampianarana kosa dia tsy misy niombona tamin'ny tena hanaovana izany fa inona no ho tapiahany sy hataony misy gônda eo! hihih!

>>>Misy Gônda:
Raha toa ka manana zavatra hoanina(goûter) ka tsy miteny hoe "tsisy gônda tsisy cri!" ka tratran'ny "misy gônda elah!" dia tsy maintsy mizara iny zavatra hoanina iny izay tratra mihinana. Mila miombona an'io fifanarahana io ny mpinamana, tsy misy pouce io fa mila miteny fotsiny.

>>>Tapiaka tsy azo raisina:
Rehefa variana eo ampihinana iny dia mety hisy hikapoka tampoka ny sakafo eny antanana, ka latsaka dia tsy azo raisina intsony fa dia lasan'ilay nanao tapiaka, mangaina miitsy refa tratran'izay, indrindra raha hoe mbola vao kely fotsiny no nohanina. Mila miombona an'io fifanarahana io ny mpinamana, tsy misy pouce io ary mankery hatrany raha mbola misy azo hanina eny antananao.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: mac
Date: 31 décembre 2015 - 20:07

Nianatra tao am Ste Therese Ilanivato anosipatrana izahay tam taona 85 tany ho any mianadahy izahay no nianatra tao sahirana mafy ny rad satria atetika no rano fotsn no sotroina de lasa mianatr, reefa tonga amzay le fandroahana izay ny fotoana fandroahana ecolage de ts miandry tononina ny anaranay mianadahfa tonga de mitsangana oazy mivoaka ary lasa fahazarana le iz no farany ka nisy fotoana zay nody fa we ts nahaloa ecolge kay efa nisyfotoana efa voaloha de gaga ny neninay we fa nanin no nody? Kay efa naloa zany le ecolage fa efa ztra loatr

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: rabezafy
Date: 16 janvier 2016 - 03:21

salama daholo,

Tamin'ny taona 1986 no niseho ny tantara. Nanao SN tamin'ny CEG tsy dia lavitra ny renivohitra
ny tena. Mbola ilay tenue salopette sy chemisette ireny no nanaovana. Journee des ecoles
tamin'izay dia betsaka ny activite tao ampianarana ka sendra nila nanala ilay tennis aza aho:
gravy be fa ilay bas efa misy goaka ny lohany dia aforitra fotsiny ao ambany ao ha ha
ny nanala vita mora ihany fa rehefa hamerina azy no tena olana fa mety hisy ahita ilay accordeon
aforitra be ao anaty kiraro..
hany hery dia nanaovana tsy nisy bas ny kiraro nody... tadidiko foana mandrak'izao ha ha
nanafatra fara mandimby mihitsy amin'izao hoe aza manao kinaga amin'ny sous vetement fa tsy
fantatra mihitsy izay mety hanjo.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: akaman'i lesabotsy
Date: 19 janvier 2016 - 19:21

Za ndray taloha ny namako le akizy sahirana reny daholo,zay tsy hoe mpanana be fa mba nanana ny ampy ihany. T@ mbola kely refa atoandro manao la sièste ny ao antrano de ampidiriko tsimoramora ao @ salon ny namako le tsy mañana télé t@ zany mijery redifusion @ atoandro anle série t@ ma-tv reny (luz clarita, marimar, V). Tezitra be mamany fa maloto be fona ny trano refa après-midi.
T@ zany ko ny ankizy namako matsaka daolo nefa ny paompy milahatra be, za @ io maika hilalao de omeko rano eo @ bassin anay ry zareo, tratran'ny mamanay de bedy ndray hoe fa rano tsy andoavam-bola nga izy io no zarazaraina @ mahantra?
Nahafinaritra ahy ery t@ zany le miaraka manambotra kilalao @ ny ankizy tsy mba mañana. Tsy lalaoviko mintsy ny kilalao vidian'ny RDR fa le manambotra iany no tena tiko (kalesa, jiro kapoka, baolina sachet, joueur..)
Ndrii mamiko ny fahazazako

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: mahery4444
Date: 06 février 2016 - 20:02

qqqq

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: mahery4444
Date: 06 février 2016 - 20:18

Za ndray, taona 96-2000 ; nianatra teny amin CEG Analamahitsy, kiranil fona no

nanovana na kapa tapatapaka satry mande tongotra fona, mba nana ihan RAD f d zaho

mits tsy mety anao kiraro f maibo tongotra be lol, dia tongotr fona Anjanahary -

analamahitsy any antsonjombe, mba mahazo 50 ar atao frais refa farapara volana iny

, fa aleo atao dite 10ar+mofogasy 2 lol ...teny ami lycee dray teny Nanisana,

tratrany crise 2001 iny tsy nianatr mitsy f passe 1 er oazy lol, ny tena mu d tsy

leo mingitrika fona miarak amin kapa, d pieds nue refa EPS Tsy menatra zany , tsis

mandrara e, f za kusa anisan le mba moyenn fona ao ampianarana, tonga teny akatso

nanao medecine 2005 io a, mba jerijerin sipa snoob reny ex lycee francaisn petid

nid, esca sns..faly ery.zaho mo tsy ary nanana sipa zany ...mefa tsy sahy nijabaka

mitsy satria na phne aza tsy misy, ny sipa nefe efa niarak amin tactil ny sasany ...

.mba tena nafinaritra ana sy natafita na fotsiny dia ny Tany ampiangonana..teny

behorirka zay n niangona d olona manakatao daholo akabehazany tao , d miara

milalao , sy miara lehibe amin zanakiny mpanana ntsisy manavakavaka zany , mahazo

kilalao avyany andafy refa noel faly ery; ary tao ku no mba nahaizana teny

frantsay zany...misaotra an andriamanitra

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: bonobos
Date: 05 mars 2016 - 20:03

up

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: elfili
Date: 06 mai 2016 - 14:49

ndriiii ontsa ny foko fa mitamberina ato antsaiko daholo ny fahiny mamaky..
mbola azo lazaina hoe efa generation taty ahoriana aho satria annee 89 za no teraka fa saingy tena niaina lesabotsy bdb ihany koa
vao omaly aho no nitantara tam vady aman janako.. misy caprice kely ataon ilay zaza mampatsiaro
ny tenant mo faravavy tamin'ny taloha dia izay tsy antonona an zoky dia diabiasako(ny an zokiko lahy io na nyn

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: elfili
Date: 06 mai 2016 - 15:29

... na ny an zokiko lahy io na ny an zokiko vavy)
Misy tena efa reraka dia izay no Misy dia iainana amina'izay
Oh:gourde-ny zokiko vavy namiasain zokiko lahy avieo nampiasaio... iomehezaan ankizy satry efa kikakika b ilay izy

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: elfili
Date: 06 mai 2016 - 15:31

teo ihany koa i dada sy i neny mo aviany ambanivohitra nila ravinahatra teto andrenivohitra dia nivarotra no fivelomany ... izahay mba niezaka izireo ny mba nampianatra anay tany amin'ny prive

i papa maka anay 3 mianadahy amin ny bicyclette izahay 2 vavy nanamboaran papa cage kely tao aoriana teo am porte baguage nasiany ilay sarina herivelona tamin ozany mba hanatsarany ny endriny izokiko lahy eo aloha somary lavotra moa ny fodiana ka dia isanandro izay devoir tsy maintsy ataony...nisy fotoana nianjera izahay i zokiko lahy voatana fa zahay roa vavy nipitika tery mbola nahazo tsiny ihany mo lery tamzany fa zany fa zao vao mahatsapa hoe nohon arerahany ireny...izay mpiara mianatra nahita tamin izany nanaraby hoe accidente ny 4*4nay sns
misy fotoana ihany koa miteny hoe motondra papier chemise cartoner hono dia androvotan papa sofina boritra dia bedy b any ampianarana sns....
rehefa lehibebe indray...misi fotoana ihany koa simba ny kapa dia ilay kapa foutlouzy fitondran neny no anaovana efa rabirabian'ny ankizy any ampianarana no vokapoka tonga ao antrano
...izahay moa nanofa trano tamzany dia misy mpanofa trano manambany e zahay mantsy rehefa alarobia sy week end dia haninkotrana fona ny sakafo dia iny ifosainy anay mpinambomanga mahantra sns...mbola tsaroako tenin neny tamin izany hoe raha mihinambomanga mareo tsy ho lasa vomanga ankory atidoanareo fa mieza mianara tsara ampikombona vavan olona... nefa na nihinambomanga sy mavomavo aza izahay mba azo lazaina hoe tsy mitsanga menatra ireo ray aman-dreninay manana anay ho rehareha iretsy panaraby moa aleo tsy manenjika fa ela lasa saingy mifankaita eny vomaika vesaran fialonan ndray aza ngamba ko...

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: elfili
Date: 06 mai 2016 - 15:54

tsaroana ihany koa rehefa vacances omen i neny vola dia maka pokatsaka sy voanjo sy voamadilo ary votsinefy eny nosy b zahay amidy mandritran grande vacances anampiana ny ray aman-ndreny amin'ny fitaovana amin'ny fidirana manaraka sns... mahazo tombony eo am 200 ar eo zay isanandro ndraindray aza 500 ar indroa maka entana rehefa mba mandeha ny tsena

misi koa malaza b ny kolera dia mividy mofokatsaka neny maraina ataonay goute dia mifanena ao ambanin'ny tohatra fona izahay moanadahy manao iraimbava b ilay mofo rehefa recreation fanatra nefa mba t anao goute e hi3 ( otran mbola tadidiko ika mihintsy mitelina ilay izy aingana sao misi ankizy mahita)

bdb fa tena misaotra an papa sy neny fa raha tsy izireo tsy ohatran ozao e mivavaka sy mamaly babena no atao amin izao na dia tsy manaiky haka aina aza i neny fa misisika mitaiza ny zafikeliny
ny mahafinaritra dia mbola mahita azireo toa miha tanora na dia teo aza izany fikirizana izany ohatran niverin zaza ndray aza miara mijery spectacle tsekatra kiaka lolo sy ny tariny ambondrona faran teo hahahaaaa a l'age de 60 latsaka keli daholo zareo an
misaotra ny Tompo nanome papa sy neny mamy b ohatran zareo ho lava andro hiainana anie izireo
mirarisoa ho antsika mifampizara lesabotsintsika eto e
(pimaso ho an zoky lahy sy zoky vavy raha hitany ity aza vanitika sao manao balom eo :p )

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: mampitomany
Date: 09 mai 2016 - 16:29

tena mampanganohano mintsy mamaky any tony e saingy izay le fiainana,tsika zao tany @ EPP no lehibe de niaritra anreo rht reo,zao nef mba anisan azo lazain afak noh ireo nianatra t@ sekoly tsar t@zan tsik reo mpanakora t@zan,fiainana reny e ts manana anjara @ hoavy nef zan,ny zanaka aty aorina kosa aloh ezahako mafy e!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: za koa an
Date: 25 mai 2016 - 15:52

ny anay koa dia tena niharihary mitsy le saranga tsy mitovy tany ampianarana, zahay 5 mianadahy, dia mifandimby isantaona ny mahazo kitapo vaovao, isaky ny 5ans zany vao mba misolo.Ny cahier le kitra maizina be ireny, ny tablier sy akanjo ary kiraro isan-taona vao misolo. d mandeha tongotra lavitra b in 4 isan'andro koa, ny ankizy alain'ny 4X4 na mandeha taxi be, za na avy orana aza dia mandeha tongotra eny ihany sady tsy mba nanana impermeable sy elo zany fa rehefa fahavaratra dia lena foana dia ampisotroin'i dadanay dité mamay rehefa tonga any atrano.
Santionany fotsiny ireo fa nampalahelo e, fa dia azo lazaina fa tafita soamatsara daholo nefa zahay ankehitriny; tsy manome tsiny an'i dada satria henjana koa ny nahazo azy, mbola kely daholo zahay dia efa maty neny, niady irery izy, misaotra betsaka azy

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: zazavao
Date: 02 juillet 2016 - 17:50

ndryyy ry reto a,mampanganohano kely mamaky ny fiainanareo taloha,mitatara an'reo vita mora ery zao fa niaina an'reo mafy de mafy
za ndray mo za 'zany bola zaza vao haingan tsy dia niaina fihafiana mafy be ohatran'izany fa tao anatin classe mitovitovy am rehetra foana fa mipao-tsatroka ho anareo 'za,sady otran manampahendrena be dahol zany nareo aaaaaa,hihi,mirary soa daholo e

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: The Rock
Date: 13 juillet 2016 - 12:58

J¤e<<<Tsy hitondra ny ankizy hoany Janga ve? Ohatra ny manana pro hoany izahay @ éclipse hoavy io an!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: The Rock
Date: 13 juillet 2016 - 13:11

Vacances ny mpianatra dia tsaroana ny taloha nanao biriky: nisy mpanambola nipetraka teo akaikinay dia manarama ankizy izay mazoto hanao biriky izy satria manamboatra trano. Dia mba lasa ny tena izay tsy mahay izay tena fanamboarana fa miaraka @ be sy ny maro, mifoha @ 4ora 30 maraina ka tsy miala eo raha tsy efa @ 3 tolakandro, ny lamosina no tena marary. Be kenokenona be ny fanaovana azy mandrapahazoana an'ilay rihitra. Rehefa afaka 5 andro teo dia nanomboka zatra, isakerinandro ny karama eo @ 1 500 ar eo ho eo.

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: KIRIKU
Date: 26 juillet 2016 - 16:05

tiako ilay rubrique, mampatsiahy ny fahiny,

izahay mbola kely dia kamboty ray, fa teny @ CEG no tena nisy zavatra sad nampalaeholo no nahatsikaiky ko nefa, izahay mo sahirana dia tenisy lamba kely reny mba takatra mamay refa rentré ary iny mandrapatapitry ny taompianarany, tam classe de sixième tao antanimbarinandriana tami'izay, eny antenatenaniny taompianaran eny, ilay tenis lamba sady efa gôka le lohany mifanandrify @ akibe tomgotra iny, dia efa gôka koa ny faladiany ao amin'ny voditongotra, voahiraka manakeny amin'ny tableau na refa mamafa tableau dia refa mitsinga iny dia sokirin zalà le ao am voditongotra (hihihi) fa menatra be an, nen zalà amin'io ny kiraron' le piston reny daholo fa reny no nalaza tamzany! avy eo itanle tantin nay zay oe efa ratsy le kiraro dia nanafarany kiraro avy tamin'ny zanany tany andafy dia nahazo tsara sady tena model unique le izy tsy nis nanana mintsy niezaka nitad zala fa tsy nahita mihintsy faran de nis niteny lao vidiko 600 000f ty kitronlà ty, mazava oazy fa tsy nomena!!! nande ny fotoana, izahay mbola sahirana fôana classe de troisim ndray, dia cartable otran le fitondran mpampianatra reny ny kitako, fa atao sipa fiomezana indray oe iny raprof, otran tsy napaninona ahy le izy satry izaho nahay ka saika mampianatra ny ankamaroan'ny ankizy tao ampianarana, nefa haiko fa tsy izaho mampianatra no nazahoako ilay surnom fa ilay kitapo, nandeha ny fotoana dia tafiakatra teny @ LTP ampasampito, teny indray efa mba nahay niasa refa misy fotoana malalaka dia mba lasa anisan'ireo nanana fitaovana tsara sy tsy mahamenanatra, fa refa atoandro mirava am 12 miditra amin'ny 1 dia miazakazaka mody teny faravohitra, fa nisy bandy 1 zanaka deba zay tao ampianarana dia nisy fotoan za le handeha hoby iny dia antsoiny dia omeny 1000ar na 2000ar de oe ty ty omeko anlà fa miasa kokoamlà ty no aty amiko, sady faly tamzany no tonga sainy oe jiolamboto be reny ko ve mba manana toetsaina otran zany.
amin'izao moa tsy mbola tena tafita fa na ny fianarana aza mbola manohy, fiara ratsy kely 1 zay no mba hanaterana mpianatra, trano iray mbola tsy vita atram farany! ny aza indray efa nahazo tsara fa narary dia navotsotra ary manomana ny tsaratsara koko indray zao!

Options: Répondre
Re: Ny Lesabotsy nataonareo : Fahatsiarovana ny tany an-tsekoly fahiny.
Par: Tom Sawyer
Date: 17 octobre 2016 - 13:57

up

Options: Répondre
Aller à la page: Précédent1234Suivante
Page: 3 sur 4


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg