Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Humour et Insolite
Aller à la page: 12Suivante
Page: 1 sur 2
Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Aloka
Date: 22 décembre 2015 - 08:18

Voatendry hiandry ilay trano avy nanaovana lanonana mandra-maraina ny namako roalahy rehefa vita ny fety. Nony efa hatory anefa ny alina dia injany hono fa misy toa feon-kiraron'olona tsy fantatra miha manatona azy ireo. Ilay efitrano koa moa malalaka be ka dia manakoako ilay feon-kiraro, toa kirarom-behivavy. Ny trano anefa mihidy tanteraka, ary tsy nisy olona tao afatsy izy roalahy irery. Nitsangana izy roalahy nandrehitra jiro, tsy nisy ninoninona, ary nitsahatra ny feon-kiraro. Niverina natory indray ary vao tafatsofoka anaty lamba dia izany indray ilay feon-kiraro miha manantona hatrany. Vao mitsangana anefa izy roalahy dia tsy misy ninoninona indray. Niezaka nitabataba teo izy roalahy mba handroahana ilay zavatra dia niverina tao am-pandriana indray. 30 segondra anaty lamba dia injany indray. Dia ohatr'izay foana mandra-maraina. Tsy andry izay hamparaina ny andro hoy izy ireo fa tena nampivarahontsana ilay zavatra.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: MoneyBOJO
Date: 22 décembre 2015 - 15:35

Ny ahy ngamba tsy paranormal fa zavatra inexplicable. Misy numéro tsy fantatra mandefa vola orange money ho ahy efa im-betsaka, antsoina anefa ireo numero ireo dia messagerie foana atramzao. Tsy nisy olona nitonona ho nandefa vola ho ahy mihintsy anefa ka dia tena gaga aho. Efa im-betsaka hoy aho. Ka dia misaotra re ry olotsy fantatra.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: rakitra
Date: 23 décembre 2015 - 12:54

MoneyBOJO < anjely zany, manaova raki-pisaorana.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: afon'angatra
Date: 23 décembre 2015 - 18:14

tany amin'ny 2007 tany nifindra trano ry zokinay dia nanatitra entana. tao anjanahary ilay izy ary lalana elakela-trano. ny camion nitondra zany tsy afaka nakany dia navelany tamina tany malalaka izay tsy tena akaiky be fa tsy lavitra ny cimetière anjanahary io. tany amin'ny 23h tany ilay ora. dia nifandimbindimby teo izany, misy mitaona entana dia misy mijanona miandry. nisy fotoana izaho (vhv) sy ny zandriko vavy irery no teo dia matazana afo izahay, afo vao manomboka hirehitra ireny, somary mitsilopilopy à 10m anao eo. izahay zany sady miresaka ihany no matsikaritra hoe mirehitra dia maty ilay jiro. nisy fotoana aho efa saika nakeny nijery akaiky fa tsy haiko izay tsy nandehanako teny. Andriamanitra tsy tia ratsy angamba. Dia nony tonga teo ny sasany dia noteneninay hoe misy afo etsy (kay zareo efa tonga dia kopy hoe afon'angatra) dia nisy bandy nalefa nijery teny dia hoe tsy misy afo zany eo. Nefa vao izahay sy zandrinay no teo dia mirehitra ilay izy. Ny maraina izahay nandalo teo, tsy nisy afo, tsy nisy lavenona dia izay zareo vao niteny hoe afon'angatra ireny. Teo aho vao nivarahontsana lol

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: fahitana
Date: 27 décembre 2015 - 01:30

Teo anoloan'ny Stade couvert Avaratr'i Mahamasina. Vers 23H30. Entre St Joseph sy Ste Famille . Misy Rond point.
Nody alina aho tamin'izay ka tsy maintsy nandalo teo satria avy any Analakely hody ary akaikin'ny palais de sport.Dia nandalo St Michel Amparibe, La sainte , Saint Jo.

Misy sipa jeune tsara tarehy (manao jupe robe, mitsingevana mivezivezy eo ampovoan'ilay rond point).

Hitako lavitra ilay sipa ka nanaratsisiny aho.
Tazako ihany koa nisy couple avy nanatitra voiture tao @ garage Sainte famille nahita ilay scène (ry zareo toa hiakatra any Amparibe iny ka hi-croiser amiko.

Dia samy nisalasala izaho sy ilay couple hoe hanohy ny dia sa tsia.

Ilay sipa_Mitsingevana mievaeva toa mitady hanantona anay rehefa samy mandroso izahay.

Dia mandroso mihemotra eo ilay kala hafahafa.
Farany samy tafavoaka ihany satria tsy hitan'ilay sipa mitsingevana izay hosamborina: Samy nandositra namonjy ny lalany nanao tongotra an-katoka daholo na ilay couple na izaho.
Mbola manontany tena aho hoe : Nentin-javatra ve ilay sipa sa matoutou?

Nisy sipa manjakelyn'i Mahamasina atsimo iray izay mantsy maty accident de voiture teo @io toerana (année 1980, 1985)io ka maty sur le coup teo. Mety hoe matoutou anazy ve?

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Accident
Date: 02 mai 2016 - 08:37

Mahalasa saina ihany ireny accident namoizana ain'olona marobe nitranga andro iray ireny (29 avril). Raha ny tontolo ara-panahy no jerena dia tsy fifandrifin-javatra ireny.
Asakasak'isika anefa.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: TenWords
Date: 05 mai 2016 - 13:35

Accident >>> Mandalo ny anjelin'ny fahafatesana mijery izay tsy manana ny marika voasoratra eo amin'ny handrina, ka mandroso ny fijinjany

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: gagabe
Date: 13 mai 2016 - 13:40

tenwords a azonao hazavaina ve io resakao eo ambony mikasika ny anjelin'ny fahafatesana io

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Hono oa
Date: 19 mai 2016 - 20:51

Ten words> inona izany fahotan ireny zazakely ireny???

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: arba
Date: 04 juin 2016 - 17:17

Ity d niainana ary saika nahalasa adala mihintsy aza angamba,
1998, niasa tany Fort Dauphin zahay, andro 9 juin, nisy rivotra be zay nanimba zavatra maro sy namoizana ain'olona mihintsy, nisy iray t@ mpiasa notapahan'ny tôle ny lohany, maty tsy tra-drano, nalevina, herin'andro taty aoriana, hitanay miasa soamantsara ao @ chantier ranamana, ankona sy saika tapaka lalan-drà za nahita anazy, nisy koa taty aorianan'zay tovovavy maty nanala zaza, isan'ny nanatrika ny fatiny za ary isan'ny nande nandevina azy koa, alakamisy hariva no nandevenana azy, zoma alina zahay hande boite dia nisotrosotro t@ bar iray akaikin'ny boite de nuit no iny tonga lay tovovavy, ny nahagaga dia tsy ny akanjo nanaovany izy nalevina no nanaovany fa lay akanjo fitondrany any @ boite mihintsy, isan'ny mahay ROCK be izy ary za anisan'ny partenaire ny matetika, nande ny rock tao @ boite tao dia nosotominy za handihy hiaraka aminy, tsy nahazo aina mihintsy za t@zany, vita ny rock dia nanaraka avy hatrany nyu slow, zahay iany no niara nandihy, nazavainy tamiko teno ho MILAEHY izy,
Mora tantaraina fa nanhirana ny niaina t@zay cas zany,
Ny aza tojo fotsiny e! D izay mbola tsy tojo ka hitantarana dia minoa avy hatrany fa betsaka ny zavatra tsy mampino eto ambonin'ny tany

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Fort dofaka
Date: 05 juin 2016 - 18:51

arba > inona no dikany milaehy ???

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: kirarokely
Date: 24 juin 2016 - 14:13

mila hena

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: poizim_boalavo_
Date: 27 juillet 2016 - 15:02

Ny ahy ndray de zao : t@ sabotsy alina 19h50 za nihinana poizim-boalavo , le boribory kely menamena ireny , sachet anakiray manontolo noaniko nampiarahako t@ rano sy limonade bonbon_anglais. Nony lany daholo le poizina de naka fandrina za. Avy eo naheno otran'ny rivotra mangatsika nitsoka avy eo ankaviako za , nefa ny varavaran-kely mihidy be tsisy idiran'ny rivotra mintsy. Ary dia zao mbola velona zao tsy misy takaitra ! de gaga za ! nefa sachet anakiray manontolo no noaniko !

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Bizoouoo
Date: 12 octobre 2016 - 13:06

Tsy manakiana ny tenenin'ny arba aho ,fa ny mahagaga ahy ,tokony halaza éran tany ny gasy ,hoe misy olona efa maty nefa vélona indray ,na Ny cnn,cbs,...aza mety hakaty ,ka maninona no tsy mba misy mpiasan'ny télé n'a gasy na vazaha maka sary ,manpitovy ny ADN ,ilay maty ,sy Ny velona ...,fa toa ré foana hoe lolo vokatra ,nefa toa tsy misy porofo mivantana.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: ATY FARADO
Date: 12 octobre 2016 - 14:03

Bizoouoo > Tongava aty Farado ianao fa ho hahita foana ianao ary ho lasa adala mintsy angamba ,fahamenarana ho an'ny fianakavina aty izany anefa tena misy ny TANOSY TATSIMO no mivokatra io ary koa ny RATY karazana TANDROY ny fiteny azy no mivokatra ny zava-misy rehefa maty ireo olona ireo dia efa hainy fianakaviany fa mivokatra ka rehfa tonga ny aliny nandevenana azy dia mandondona ao aminy varavarany havany akaiky izy ary ireo efa mahafantatra dia manisy vary manta @ lovia sy vary masaka dia raha mihinana vary manta izy dia efa biby izay dia raha mihinana vary masaka izy dia olombelona iany dia alefandry zareo any Majunga na tamatave na Diego matetika tadidio fa efa miparitaka izy izao satria maro manerana ny nosy fa tsy eto iany satria izay mivokatra eto dia alefany havany mandositra manao fiainana vao2 dia miteraka dia raha vehivavy ny zanak'ilay mivokatra dia mitohy hatrany izany fivokarana izany fa raha lehilahy dia mamaky fasana sisa

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Bizoouoo
Date: 13 octobre 2016 - 07:34

ATY FARADO < misaotra @ infos ,toa manpatahotra koa ialahy izany ,@ ilay hoe "...efa miparitaka izy izao satria maro manerana ny nosy..."

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: nasolo2
Date: 03 février 2017 - 10:20

upupupup

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Eljojah
Date: 03 février 2017 - 13:18

Ny olona iray hono hofaty dia misy fanahin'ireo olona akaiky azy indrindra efa nialoha lalana tendrena mba hitsena azy sy itarika ny fanahiny. Misy anefa ireo olona maty tampoka izay tsy voaomana mialoha ny mpitsena azy ka tavela na very eo ilay fanahy ary mitady famonjena amin'izay afaka mihaino sy mahita azy (toy ireny zaza very ireny). Asa mety izay angamba no antony?

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: conseil
Date: 03 février 2017 - 15:24

Ireny zavatra ireny dia tena misy tokoa.

Fa misy hevitra roa ireto atoroko raha sendra zavatra otran'reny:

raha tsy mehery setra na tsy migafigafy ilay izy, dia samy mande amin'ny lalany.

Fa raha trano no tena fantatra hoe "hanté", ka mila vaniny ilay matotoa, dia vovoka dynamite no atao. Rarahana vovoka dynamite sy souffre eran'ny trano. Dia rehefa amin'ny fotoana hoe heno izy fa avy, dia tselarana amin briqué amzay ilay souffre sy ilay poudre dynamite.

Entité tena misy ny avelo. Fa raha masika izy dia izay vao azo ampiasaina io zavatra natoroko io. Fa raha tsy masika izy dia mivavaka ho azy, dia mahita ny lalana tokony alehany izy.

Misy tena mampalahelo izy ireny satria latsaka an'elanelany ka tsy mahita izay lalana tokony hizorany.

Tena mbola misy zavatra mampiraiki-po azy mafy eto an-tany nefa ilay nofo efa maty tampoka dia izay no mahatonga ny fanahiny mivezivezy tsy mahita fitoniana mihitsy.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: conseil
Date: 03 février 2017 - 15:29

Ny lolo vokatra indray dia izao:

Tany aloha be tany dia nisy ady nahery vaika tokoa. Nisy Foko resy hatrany fa nitady hevitra. Dia izao no nataony: na nisy maty aza ireo miaramila, dia vao mikasika tany ilay razana dia lasa velona indray. Fanafody tena mahery tokoa no nampiasaina ka nahavitana an'zany.

Ny mampalahelo dia maty an'ady koa ilay olona nitana ny "fanafody" hany fa izay maty tafatsangana dia tsy mety maty tanteraka intsony.

dia io izy mitohy hatramin'izao io.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: mirehitra
Date: 03 février 2017 - 19:25

conseil>>> Hazavao kely misy2 ilay hoe vovoka dynamite sy souffre, ka tsy mirehitra ve ny trano amin'izany sa ahoana? Aiza no ahitana vovoka dynamite, ny souffre hita eny ihany? Sérieux ve ny resakao

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: zendana
Date: 08 février 2017 - 11:09

Za zany tam zany natory tany am dadabe sy bebenay, d alina ny andro, tampoka avy teo, nisy matoatoa henoko nangetotra be tao am couloir, maimbo!!
etoile

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: lillie
Date: 08 février 2017 - 15:38

Marina ny lazain'i conseil io, karazana ozona ilay izy
ary any @ faritra misy anzareo any antsimo vao misy maty dia tonga dia omanina ny entankeliny oentiny satria vao mipeka ny tany ny tongony dia tonga omena azy ny entany dia lasa izy manao fiainana vavao fa tsy mahazo manoy ny fiainany teo aloha ary faritra majunga / toamasina ireo no falehany, raha sendra mahita antandroy @ faritra iny dia efa mailo, kanefa aloha dia mitobaka araka ny tenin'ny hafa mintsy iz zao an! tsy ho mampitaotra fa milaza ny zava misy, misy milaza fa ny amantarana azy dia izy somary malany ( maimbo faty) zany HONO fa za mbola tsy nahare ilay fofona

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: rako
Date: 09 février 2017 - 08:42

Mampatahotra daholo lé resaka, nefa aho liana koa. Up!

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: taotra
Date: 09 février 2017 - 13:46

Nefa matetika ataon'ny olona gardien le tandroy miakatra aty Tanà ireny.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: tsy azoko
Date: 09 février 2017 - 15:05

lillie: Misakafo ara-dalana ve zareo sa miova ny sakafo haniny, de miverina na afaka manambady ve, miresaka tsara ve, de raha maty indray izy de ahoana, sa impiry maty vao maty

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: mahaliana
Date: 13 février 2017 - 20:02

Mahaliana fa tohizo ny témoignages ô

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: AMPIAKARO
Date: 24 février 2017 - 18:52

up

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: jorery
Date: 11 mars 2017 - 14:01

Ny ahy indray nanao vacances tany Mahajanga,dia nadeha nanjono niaraka t@ tompontany ,poritra tampoka teny andalana dia nadeha lobolobo nip*py,za tsy nahafantatra fa ilay tompontany no tonga dia niteny ,fa teo @ toerana fady hono ,ka ilay izy tsy fanahiniana dia tsy niteny ry zareo fa nandeha nanjono ihany

Nahazo trondro be dia be aho fa ny nahagaga dia tsisy t@ ilay vavan'ilay trondro no tratran'ny lelam-pitana fa ny rambony daholo no niraikitra ny lelampitana dia azo daholo ilay trondro,zay aho vao nanjono trondro voajono avy any @ rambony

Paranormal ve izany sa tsia?fa ilay trondro aloha nendasina sy nandrahoana tsara beuh!

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: holazaikovesatsia
Date: 14 mars 2017 - 22:36

Ny ahy indray dia presque isan-kerinandro tato anatin'ny 13 ans izay dia misy paranormal foana ary tsy zavatra iray fa zavatra maromaro karazana.

Omeko ohatra iray mateti-pitranga ianareo : rehefa hatory aho dia mahatsiaro mi-décolle amin'ny vatako, izany hoe ny vatako matory sady immobile fa izaho mifoha tsara sady afaka mihetsika. Rehefa io zavatra io no miseho dia tsy automatique ilay izy fa misy partie taraiky farany foana. Ohatra hoe ny tongoko no mbola tsy midécolle, na ohatra hoe ny valahana no mbola tsy midécolle. Obligé izany aho manao fihetsika mafimafy hampidécolle azy rehetra. Ohatra hoe tsy mdécolle ny tongoko dia manao rotation eo aloha aho mandra-pidécolle azy rehetra. Mahakamo manko raha toa ka hijanona eo mandritry ny alina : ny vatanao matory, ianao hitsingevana eo kanefa tsy afaka manao ninoninona satria voatazon'ny tongotra ohatra na voatazon'ny valahana. Rehefa libéré aho, izany hoe ndécolle daholo ka tsy misy mitazona, dia afaka mandehandeha ao an-trano (na maty aza ny jiro dia mahita foana toy ny hoe andro atoandro). Afaka mivoaka ny trano koa aho ary vetivety kely dia tonga any amin'izay toerana tiako andehanana. Ohatra hoe miainga eo mahamasina aho mankany andraharo dia tsy ampy iray minitra dia tonga any. NY nivoaka an'i Madagasikara mbola tsy nandramako sao tsy tafaverina eo ko loza... Matetika aho rehefa midécolle otranzay dia misy biby na otrn devoly kely manadala sy mampitahotra. Dia roasiko ami'ny anaran'i Jesoa dia resy (izaho katolika fa vokatr'ilay mahita vidéos youtube an'ny fiangonana zandriny dia lasa mahay mandroaka fanahy ratsy).

Tafiditra ao anatin'ny titre an'ilay sujet moa ny hoe "ange gardien" ka hotantaraiko koa ny zavatra niainako tsy indray tsy indroa.

Izaho rehefa mivavaka dia tena manao monologue lavabe mihitsy. Toy ireny vazaha any @ psy ireny, mitsotra eo ambony canapé dia avoaka daholo izay ao am-po. Adiny iray na roa ny toy izany, ary matetika dia miafara amin'ny ranomaso foana. Ny tiako ahatongavana dia hoe mi-considérer ny tenako ho manana relation intime amin'A/tra aho fa tsy hoe finoana sy fomba fotsiny. Matetika aho rehefa mametra-panontaniana amin'A/tra alohan'ny hatory dia andefasany "olona" mamaly an'iny anaty nofy. Toy izao ny fisehon'izany :

- Alohan'ny hatory : mivavaka sy mangataka valiny.
- Matory.
- Manonofy ohatra hoe ndrepande zay za t@ 2012 ngamba izy zay, narary vavony tsy sitran'ny malox, dia nanonofy hoe nisy bandikely 20 ans eo ho eo naka ahy ary nitondra ahy @ toerana iray, hoy izy tamiko hoe "avia ianao ry Njaka fa nahazo audience amin'ny patron" dia nentiny teny @ tany malalaka filalaovan'ny ankizy baolina, dia io izy hoy ilay bandikely, dia miandry tour ianao fa mbola misy olona miresaka aminy. Tena nisy olona niresaka taminy tokoa, izy mibaiko dia olona vitsivitsy mandray an-tsoratra. Toy ny hoe réunion de staff zany raha @ fiainantsika efa moderne e! D'ailleurs ilay patron manao aube fotsy sy pataloha etrgal mainty, ary ny staff manao lobaka fotsy tsy misitrika sy pataloh tergal mainty. Samy kapa hoditra sy scoubidou ary footlose daholo no nanaovan'izy rehetra fa tsy misy mikiraro. Rehefa vita ilay réunion de staff dia afaka anndroso aho. Ilay gardien-ko tsy afaka nandroso fa izaho irery (sady izy tena manaja be sy matahotra an'ilay patron fa izaho no somary sahisahy satria tsy au courant hoe iza marina ary ity patron ity). Dia rehefa tonga teo akaikin'ilay patron aho dia automatique nandohalika. Tsy haiko hoe ahoana fa nandohalika sy niondrika fotsiny. Niezaka nitsangana aho fa tsy nety. Niezaka nitraka koa aho fa tsy nety. Nihomehy ilay patron sady niteny hoe : "fa maninona ianao ry Mahery no tsy sahy mijery ahy?" dia hoy aho hoe "efa miezaka mitraka aho tompoko fa tsy mety" dia hoy izy hoe "andramo ihany fa tsy isanandro anie ianao ry Tolotra no hanana occasion hijerena ny tarehiko e!" sady nihomehy izy. Dia niezaka nitraka indray aho fa tsy nety e... Toy ny hoe naturel be ilay mandohalika sy miondrika eo anatrehan'ilay patron. Dia nihomehy indray ilay patron ary namoaka gourde misy rano, toy ireny gourde vert armé anaty film commando na any @ désert ireny. Nasainy nisotro aho, dia nisotro, dia nandoa. Notsapainy kely aho dia avy eo nasainy niverina nisotro, dia nisotro, dia nandoa. Taitra aho teo. Tsy nisy veloma. Mando ny ondana (kay tena nandoa aho fa tsy nofy). Dia sitrana koa ilay aretim-bavoniko.

Tsy vao indray aho no sendra an'io patron io tanaty nofy fa efa inefatra. A chaque fois za mandohalika automatiquement, tsy misy adivarotra fa mandohalika sy miondrika foana, na miezaka hitraka sy hitsangana aza. Ny akanjon'io rangahy io tsy miova fa aube fotsy sy tergal mainty ary kapa hoditra foana. Ny akanjon'ireo mpiasan'i patron sy ny akanjon'ilay bandikely maka ahy sy mitondra ahy any @izay toerana misy an'ilay patron koa tsy miova fa chemise fotsy tsy misisika ary pataloha tergal mainty sy scoubidou na footlose foana.

Tsy te-hanome conclusion aho fa "angamba" no hataoko : io angamba no Jesoa? dia ireo angamba ny anjeliny? dia ilay bandikely angamba no ange gardien-ko?

Resaka akanjo... efa nentin'io bandikely io tanaty efitra mainty be izay aho. Nofy io an! Dia hoe maty hono aho dia miandry ao @io efitra io zahay roalahy. Otrn oe salle d'attente any @ dokotera ilay izy fa maizina be. Ilay bandikely stressé be. Izaho relax tsara sady tongatonga saina hoe "maty hono za! dain tsy mampino!"

Dia nisy varavarana nisokatra dia nivoaka avy any ilay rangahibe otrn dadabenoely : lava volombava, mitondra bokibe sy lakile ngezabe, ary manao aube fotsy sy pataloha tergal mainty ary kapa cuir. Dia nitsangana ilay bandikely (izy manko teo aloha nipetraka hendry tsara tamle salle d'attente fa izaho no nitsanga curieux nandinika ny rindrina otrn hoe ireny zaza entina any @ dokotera ireny). Dia nitsangana ilay gardien rehefa niditra ingahibe. Hoy ingahibe : "hay efa ato ianareo roalahy? mbola touriste nareo androany fa mbola tsy définitif ity fandalovanareo eto amiko ity, ndana ary manao tourisme dia bon voyage e!" Dia alsa ilay dadabe nivoaka dia nakatony ilay varavarana. Dia tsy maizina intsony tao fa nazava. Dia tsy haiko fa annomboka nihira ilay gardien : "e sambatra, sy tretrika, reo oloan ao an-danitra..." za tsy nihira fa gara feo (complexé) fa za nijery anazy fotsiny. Plus izy nihira plus za te-hihira. Dia nanomboka nihetsika izy nandihy sady nihira. Plus izy nihira sy nandihy, plus za tenté hanaraka an'ilay rythme. Vao nanomboka nihira sy nandihy niaraka taminy za dia nanjavona ny rindrina, dia nanjavona koa ilay bandikely gardien, dia za rery sisa no teo. Tsy zareo ihany no nanjavona fa izao tontolo izao mihitsy. Dia otrn oe nilona tanaty hafaliana izany aho. Sarotra be ny manazava anazy fa eritrereto hoe anaty ranomasina ianao, saingy tsy rano ny manodidina anao fa hafaliana... otrn oe mifoka miafina aho raha mitantara an'ilay izy kanefa izaho tena mbola tsy nifoka rongony izany mihitsy na indray mandeha aza teo @ fiainako. Elabe za tao anatin'io ranomasina io. Minimum ngamba adiny dimy. Rehefa tafafoha indray za dia nisy feo niteny tamiko (henon'ny sofiko) nanao hoe "aza mitsangana fa mandohaliha eo @ fandrinanao dia aza mitraka, aza curieux hijery izay zava-miseho, miondreha fa tonga hitsodrano anao zahay. Dia nandohalika teo ambony fandriana aho, tsy sahy nitraka, fa fantatro fotsiny hoe nisy olona maromaro nanao an'ilay aube blanche, nilahatra nametra-tanana tamiko, ataoko hoe nanomboka t@ 6h maraina hatramin'ny 14h après-midi. Izany hoe tsy nofy intsony io fa tena izy. Saingy ilay hafaliana kosa vao maika nitombo, izany hoe adiny dimy minimum ny alina ary niampy an'io adiny valo io ny atoandro. Vizana be za tamzay, tena mamizana ilay "hafaliana" hafahafa.

Inona koa ny ao anaty titre ao?

Devoly sy matoatoa.

Aleo amin'ny manaraka aho miverina mitantara izay niainako momba an'ireo raha tsy supprimé ity sujet ity fa alina ny andro, aleo misakafo sy matory fa efa hidécolle indray refaveo.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: saka
Date: 20 mars 2017 - 13:02

holazaikovesatsia < miandry ny tohiny ry namana a!

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: ???
Date: 20 mars 2017 - 21:45

humhumhumhumhumetoileetoileetoileetoileetoileetoilehumhumhumhumhum

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: para
Date: 02 avril 2017 - 16:15

nandeha tongotra za teny andravoahangy d nony kelikely otran nahatsapa zvtr haf2 zany d nitodika tampoka za kay efa nisy bandy ray nanaraka tao aoriana. tena mpanendaka ty oa.
Avy eo za tonga d naka taxi. Nanontaniako e sofera d hoe ie be mpanendaka @ ty lalana ty.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: axept
Date: 02 avril 2017 - 21:15

miandry ny tohiny

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: tsytsara
Date: 03 avril 2017 - 09:24

Tsy tsara mhitsy mitantara zavatra paranormal, na nofy io na réalité, indrindra ka hoe tsisy objectif @tsara hoan'reo izay hitantaranao azy.

Hoanareo izay sahy mitantara dia mihomana fa miverina @nao ny zavatra hafafinao, tsy maitsy hojinjainao izay hafafinao. Ka eritrereto lalina tsara aloha alohan'ny hitantara enao.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: holazaikovesatsia
Date: 04 avril 2017 - 18:33

Resaka devoly indray.

1- Nisy fotoana aho sorena tamin'Andriamanitra (mbola bandikely tsy ampy taona tamzany) dia nanao farateny hoe "izaho tsy hivavaka intsony fa otrn tsy misy vokany izy zany!" Ny alin'io dia taitra aho fa nisy feo toy ny tora-bato tamin'ny varavarakely fitaratra akaikin'ny fandriana natorizako (tsy misy rideau). Tena tsy mino ianareo raha lazaiko ny zavatra hitako teo fa diavolana angamba tamzay dia nazava be : osy mainty lava tandroka sy manao cape mainty (cape toy ny an'ireny superhéros @ film ireny saingy mainty be) ary mitsingevana satria izaho natory tao @ 1er étage. Niezaka mafy ilay osy nikapoka ny fitaratro tamin'ny tongony (sabot), ary indraindray ny tandrony no akapony eo. Maka bahana indray izy (mitsingevana) dia manidina ary midona mafy be amin'ny fitaratra. Fa tsy nety vaky ilay fitaratra. Izaho torakovitra sady niantsoantso oe "Jesoa ô, Jesoa ô!!!" Dia nipoitra tery an-joron-trano ilay bandikely efa voatantarako etsy ambony, izy koa natahotra nahita an'ilay osy, tsy sahy nanatona ahy akory aza izy satria ny fandrinako teo akaikin'ny varavarankely. Hoy fotsiny izy nikiakiaka : "Tonony ilay vavaka tsianjery! Tonony ilay vavaka tsianjery!" Dia nanomboka nanao rainay any an-danitra aho, vomaika romotra ilay osy, ary lasa nandeha (phrase telo fotsiny angamba no voatonoko dia efa lasa nitsoaka ilay osy). Nanjavona koa ilay bandikely, izaho nitsangana haingana nampirehitra jiro.

2- Fotoana hafa indray, mbola nanao farateny koa aho hoe tsy hivavaka intsony (mbola bandikely tsy ampy taona koa aho tamin'io). Ny alin'io dia nisy hery nibata ahy ary tonga tamin'ny toerana iray : alaala kely, farihy misy voahirana, tetezana kely, tranohazo maromaro misy arendrina mihantokantona. Lahiantitra sinoa no niandry ahy teo, toy ireny maître arts martiaux ireny, efa somary antitrantitra. Calme be izy. Teo amin'ny tetezana iray izahay no niresaka, sady mitehina amin'ilay tetezana no mijery ny voahirana anaty rano. Hoy izy tamiko : "Henoko hoe tsy hivavaka intsony hono ianao. Maninona raha miova camp? Raha miala @ fivavahanao tokoa ianao ka miaraka amiko (devoly) dia misy an'ity promesse ity ataoko aminao (dia nanao promesse teo izy)". Calme be izy niresaka tamiko, izaho koa calme be namaly azy hoe "non". Dia tafaverina hoazy tao @ efitra fatoriako aho.

3- Ny tena moa mbola tanora, dia mba tia revy toy ny tanora rehetra, miampy ny ditraditra isan-karazany (sipasipa, labiera indray na indroa isam-bolana, fa marihiko kosa aloha fa izaho tsy mba nikitika ary tsy hikitika rongony mihitsy an, sao dia misy mihevitra hoe mifoka miafina eo). Tao anatin'ny période tena nampaditra ahy aho no niseho ny tantara. Nofy indray alahady no niantombohany. Nanonofy aho hoe teo an-tokontanim-piangonanay (katolika). Dia nifatotra tamin'ny planche hono aho. Nisy devoly kely maromaro tetsy akaiky tetsy. Ny sasany mandrangitra antsy, ny sasany mikopaka afo, ny sasany manadio sabatra, ny sasany mampangotraka rano, etc. Dia nisy devoly iray somary lehibe kokoa noho ireo efa voalazako. Karazany hoe izy izany no sefon'iretsy devoly kely iretsy. Izaho amin'io mifatotra amina planche incliné 45 degrés. Nandinika be ahy ilay sefon'ny devoly sady niteny karazan-javatra toy ny hoe : "aiza re no hanombohantsika azy e? ny hodiny ve no hesorina amzay maharitra tsara ny douleur? sa tonga dia trobarana amin'ny vy mahamay? sa fantsihana?" za amin'io efa an-tenda ny aiko, tahotra tsy tahotra.... dia hoy ilay sefon'ny devoly nibaiko an'iretsy namany : "ento aty ary ilay vy mahamay e!" Saika latsaka ny t**ko!!! Fa nisy lehilahy nipoitra tampoka. Ny akanjony efa fantatrareo ihany : lobaka fotsy, pataloha tergal mainty, kapa. Vao nahita azy ireo devoly dia nitsoaka sady nimenomenona hoe "fa inona koa no ataon'io Michel io aty e? sabotage kosa ranga zao a!" Dia novahan'ilay lehilahy (Michel) ny fatorako, ary hoy izy tamiko : "hitanao tsara izao? izao no hanjo anao rehefa maty raha toa ka mbola manohy ny ditranao ianao! tokony ho tapitra afaka herinandro ny ainao, efa tokony ho faty ianao, accident de voiture no efa voasoratra hoe hahafaty anao, fa mbola mila anao izahay... ka izao ny hataontsika : ny aina mikoriana ato anatiko no ampindramiko anao, dia mbola afaka manohy miriaria ety an-tany ihany aloha ianao, tandremo kosa nefa fa ana io aina io fa tsy anao, noho izany aza laniana amin'ny ditra, fais-en bon usage!" (ny zavatra voalazany teto dia toy ny hoe samy manana crédit ny olona ka efa lany ny crédit-ko dia ampindraminy ahy ny crédit-ny). Tonga saina aho avy eo hoe "hay ve nofy e!!!" Dia hoy ilay Michel : "Ekeko hoe nofy izao, fa hisy zavatra hiseho atsy ho atsy, dia ho hitanao eo fa na nofy aza ity dia valable foana" Herinandro taorian'io nofy io, nanana entretien d'embauche aho, dia nindrana tomobil avec chauffeur t@ dadako aho handehanako amle entretien fa maraina be ilay izy (7h) kanefa lavitra be (adiny roa raha mandeha bus izay manalavi-dalana fa tsy direct). Alatsinainy ilay entretien. Alahady hariva aho mitaingin-tamboho miaraka amin'ilay bandy namako, mijerijery mpandalo. Dia tonga teo ilay chauffeur sady nifona mafy : "Tena azafady fa tara aho!" Gaga be izahay roalahy hoe tara ahoana? "Fa angaha tsy androany @ 6h ny fotoanantsika?" Vomay zahay gaga be hoe aiza koa no hisy olona hanao entretien d'embauche alahady alina. Kay voan'ny tazo ilay chauffeur dia nanao auto-médication dia niteraka hallucinations oanazy ilay fanafody dia noheveriny hoe alatsinainy maraina ny andro kanefa mbola alahady hariva. "za manko gaga hoe hafahafa be ny pôzin'ny olona eny andalana, misy zavatra tsy logique be dia be hitako nanomboka tamza nihinana anle fanafody, tena aleo ianareo mitady chauffeur hafa fa sao miteraka accident eo!" Dia naka congé tapabolana ilay chauffeur. Ilay bandy namako no tonga saina voalohany nibitsibitsika tamiko : "io ary ilay accident notenenin'i Michel tamla! Saika maty elah raha tsy hita dieny mialoha hoe manao hallucinations ilay chauffeur"


4) Nisaraka tamin'ny vatako ny ambiroako, dia nisy hery nitondra ahy teo amin'ny sampanan-dalana iray eto antananarivo (trois chemins, tsy holazaiko hoe aiza ilay sampanana). Dia tazako teo ny ambiroan'olona manankarena sy manan-kaja marobe, ireny olona miseho télé ireny ny sasany, tsy holazaiko koa hoe iza na iza fa tsy mety ny mamoaka secret-n'olona. Samy mijoro mielanelana dimy-folo metatra ireo olona ireo, tsy misy miteny. Dia nisy alika iray nivezivezy nitety an'ireo olona ireo. Manketsy amin'i Rakoto izy dia mandoa tsinay, alain'i rakoto iny tsinain'ilay alika iny dia tsakoiny sy ateliny. Manketsy amin'i Rasoa indray ilay alika dia mandoa ny tsinainy. Alain'i Rasoa indray iny dia tsakoiny sy ateliny. Nankeo amiko izy dia nandoa. Nihanahana be za... nihanahana be koa ilay alika... Dia niteny izy avy eo : "Hay ve ianao mbola zazavao e! Aleo hazavaiko anao : rehefa mandoa aho dia oaninao iny dia lasa manankarena sy manan-kaja toa an'ireo olona ireo koa ianao, dia miverimberina matetika eto ianao rehefa lefy ny herin'ilay zavatra nohaninao". Dia nanontany azy aho : "dia ahoana raha tsy mihinana an'io naloanao io aho?" Dia hoy ny navaliny : "na mahay sy miketrika taknin ary ianao ka tsy miditra anatin'ity lalao ity dia tsy ho lasa lavitra mihitsy! Ireo olona rehetra ireo samy nanana talenta sy nahay daholo fa mila mihinana an'io vao tafavoaka! Matoa ianao nisy nitondra teto dia manana potentiel izay ianao, fa tsy hitondra anao naiza naiza mihitsy izay potentiel anananao raha mandà contrat amiko ianao". Hay ve oa!... Dia ozizy ndray le alika : "Eny e, mbola tanora ianao dia mbola be principes... antsoy fotsiny aho rehefa vonona!" Dia lasa izy nandoa teny an-tongotr'olon-kafa. Izaho tafaverina tao an-trano.


Izay indray aloha ny androany, resaka bibilava telo loha indray ny amin'ny manaraka (tsy nofy fa tena hitako sy niresaka tamiko). Amin'ny manaraka ary e... Raha mbola velon'aina satria mino mihitsy aho fa misy olona concerné mahita an'ity message ity dia manomboka mi-alerter any ho any hoe mitady hamoaka secret ilay zalahy ty.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Aventurier2
Date: 05 avril 2017 - 15:36

Saod tokony ampihaonina daholo nareo rehetra hiadi-hevitra: Fabiola, Kohen, Tsara Tsara, Mahiol, sns...

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: andoni
Date: 05 avril 2017 - 19:12

@holazaikovesatsia, tena liana ary tena variana mihitsy aho mamaky ny tantaranao, toy ireny mijery film ireny! lol, miandry ny tantara hafa
sinon, sao mba misy fomba ahafahana mifandray aminao? raha tsy mety tsy maninona

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: pendo
Date: 05 avril 2017 - 20:59

izaho izany ilay "préférée" an'i bébéanay tamin'ny zafikeliny tamin'ny mbola kely satria ilay miafy foana tsy tia miady rehefa ampijalian'ny zafikely sasany rehefa any aminy.Narovany foana aho sady ohatra niangarany izany foana tamin'ny mbola kely.. .
Efa maty efa elabe izy ,dia indray andro aho nanofy azy nandritra ny andro maromaro,nefa izaho tsy mbola nanofy azy izany tao aoriana ny izy maty (efa 8 ans)); Nanofy aho hoe miara matory aminy matetika dia manao calins be foana izahay nefa izy en état de décomposition be,tsy rehako misy fofona akory anefa izy na dia kely aza.Na koa antsoiny indraindray hiaraka aminy.Notantaraiko tamin'ny reniko moa izany dia hoy izy hoe aza mety miaraka aminy.
Indray andro ary aho nanofy hoe nodomina automobilina fotsifotsy ,nanao vol plané be mihitsy ,dia avy izy nanantona aho sady ny rassurer-ana hoe aza matahotra fa izaho eto fa tsy maninona akory ianao.Izaho voadona de plein fouet , heure de pointe be taomobilina mandeha mafy tamin'izany fotoana,izaho nanao vol plané , ,tsaroako ohatra ny ela be izany vao niatota tany ananty antsana aho.Tena tsy naninona mihitsy toko aho,égratinures kely fotsiny ,nefa hoy ianareo ny blouson nanaovako nipitika anefa midy an-tsasany ny fermeture ka itanareo amin'izany ny choc.
Dia ilay nofiko rehetra no niseho sy tanteraka : toerana,taomobilina fotsifotsy, nandositra ilay chauffeur......

Fantatro izy fa miahy ahy foana ,fa izy izany no ataoko hoe ANGE GARDIEN -kokisskiss

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: miary88
Date: 07 avril 2017 - 00:32

Anisan'ny notezaiana tao anatin'ny finoana aho satria neny mpiandry!
Tanana mbola atao oe maizina raha iny Bongolava INY na partie TSIROANOMANDIDY RA RESAKA ody gasy ary mbola betsaka ary fantatra mihitsy ary hoe i Rakotp mitaiza olona na i Rasoa mivoka alina na koe hoe mpamosavy SNS .....

TOERANA IRAY AMIN'NY FARITRA Bongolava iny no misy anay atramzao ,matetika ahitana zavatra hafahafa ny eo amianay!! anisan'ny tranga iray ty hotantaraiko ity ary tena itako maso;

Nisy olona narary teo antanana ;sendra vacance aho ka nidina tamin'izay..
Tonga ireo olona nandondona tao antrano satria mifankalala daholo ny mpiray tanana ary efa fantatry ny olona hoe Mpianndry Neny moa sady filohan'ny fifohazana eo amin'ilay commune misy anay ao ampiangonana!
Nifampiresaka teo hoe marary NIvo ao ka tonga zahay mba hifampidinika amin'i totoa fa mila nareo,,nifampiresaka teo ka andeha ilaza ny Mpiandry namany neny ka ho tonga any avy eo!!lasa neny nampandre ireo mpiandry ary amin'ny 5ORA ARIVA NO FOTOANA atongavana any!!

ANDEHA IARAKA amiko nga enao ouzy neny?eny oa
Niomana dia lasa avy eo,
rehefa miasa ny mpiandry dia atao dinika daholo aloha ny vady amanjanakl'ilay olona marary ka rehefa vita vao manomboka ny fotoam_pivavahana ,nandeha ny fotoana ,toriteny ,,,ilay marary amin'io efa tsy matsiaro tena intsony fa efa mararay tanteraka ,,mivanitika ,mena maso midiridiry ,miteny ratsy sns;;;otrzay ilay fitrangan'ilay aretina ...

TONGA amin'izay ny fotoana fandrooana devoly fa tsy natazona azy ny lehilahy teo amin,ny 12 teo fa tena matanjaka no mamono ,,fa teo za dia tonga saina hoe mahay zavatra ny gasy ary mavita zavatra..olona kely zany ramatoa zany nefa dia zany no hery tao aminy!!!

Niasa teo ny mpiandry ary Neny moa manana fanomezam_pahasoavana amle mampiresaka devoly izay sy azo ataon'ny MPIANDRY tsony amin'izao fotoana fa oe ndraindray mandainga ilay devoly miresaka;;nefa tsapako sy itako satria za teo fa tena matahotra fadiranovana ny devoly vao maheno oe JESOA !tsy hoe toriteny na fandresen_dahatra fa zavatra itako mamso fa vo maheno io anarana io dia mirifatra mila tsy mahatazona azy ny 12 LAHY sady miteny oe andeha izahay fa aza ampijaliana!!ary amin'iny fotoana iny no tena itazomana azy fa ndraindray entinle devoly miaraka aminy mitsy ilay vatan'ilay olona tsy mahatsiaro tena!!


Teo akaikin'i Neny aho ka izy manana fanomezampahasoavana mampiresaka devoly!
Mety hisy manontany oe otrany ahoana ilay fanomezampahasoavana???TSY DIA AIKO LOTRA NY MANAZAVA AZY FA misy Mpiandry sasany oatra manontany mampiresaka devoly fa tsy mamaly ilay devoly ao anatinil'ilay olona!

ka nanontaniana amin'izay ilay devoly !! ilay olona marary amin'io tsy matsiaro tena!!ra tokony ho izy dia seccret ilay zavatra resahana nefa moa zavatra hita maso ilay izy oe misy ny devoly ary ain'ny malagasy no manao azy dia tantaraina tsy ampiabahambana fa anjarantsika fotsiny no mandinika oe manaon zany!!

za teo akaikin'ny neny,ary mitangorona amin'ilay mararay eo ny mpiandry ,efa nipetraka tsy natanjaka be intsony fa efa lefilefy illay devoly ao anatiny fa otrany oe miandry alefa sisa !

Henoko ny resaka ka izay amin'izay no votoantony;

neny:iza nareo ao anatin'i Nivo io amin'ny anaran'i Jesoa
nivo: sady miova tanteraka ilay feo,,taitra be za satria feo an'olona efa enoko ilay feo
neny:iza nareo oa amin'ny anaran'i JESOSY!
nivo mamaly sady amin'ilay feo hafa tanteraka :mamakoba.

iza ilay mamakoba ouzy nareo???RAMATOA MPIVAROTRA KOBA OTRAN'ILAY koban'ny talata ireny eo amin'ilay commune misy anay moa sady mpivavaka mafana fo ao ampiangonanay!!efa malaza eo antanana iany izy oe mpamosavy fa oe fitaizana finoana ilaay izy dia otrany oe resaka mandeha amin'ny sofina fotsiny!

zay ilay oe tsy misy tandroka ny ratsy ary tena mahay ilay gasy !! atramin'ny feo avokan'i vavan'i Nivo koa dia mivadika lasa feo an'i mamakoba!

Neny:fa inonna no antony idiranareo ao anatin'io mpanompon'Andriamanitra io,
Nivo mamaly amle feo an'i mamakoba otrany miresaka hoe: miseo miavonavona eto antanana moa sady tsy mba mividy ny kobako zany mitsy dia mba sendra nividy koba tamiko tonga dia tratrako;;

Neny:aona no nanaovanareo azy amin'ny anaran'i Jesoa?? GAGA NY TENA FA DIA MIRESAKA SY MIBARADAKA OTRANRENY OLONA MIFANAZAVA IRENY MOA OTRANY HOE MIHAINO TANTARA SY MIJERY FILM OE TENA Reel ve zao fa tena reel ny zavatra tantaraiko

Nivo sady mbola feo an'i mmamakoba mamaly oe: nividy koba tamiko dia ande hamafa antsy iny za no nasiko rora kely ny tanako dia nakasiko tamin'ny antsy avy eo,tsitany ilay izy fa variana izy!!

loza zany ,torakovitra ampitoerana za! no mieritreritra oe mila mitandrina sy mivavaka foana zany reny mividy zavatra fa ny devoly tsy tery lalana moa mavita mamono ao anatin'ny fotoana fohy ary saika hovonoiny mihitsy iNivo ra ny fitantaran'ilay devolin'i mamakoba ka mba mitandreama iany re olona refa mividy koba any talata a!!

Neny:ka iala nareo sa tsy iala amin'ny anaran'i JESOA
Nivo: iala zahay fa mahery ny Jesosinareo e!!sady nitsangana i Nivo no mihazakazaka ampitorana eo fa oe ande zany ny devolin'ny mamakoba!

Neny:mandeha ary nareo amin'ny anaran'ny Jesoa sady miaramanndroaka amzay ny mpiandry reetra

Nivo sady mihazakazaka ampitoerana NO MBOLA Feon'i mamakoba iany no miteny oe laasa zahay ry tsy hiverina intsiny!

ty no tene naharesy lahatra ahy no nampihomehy ahy;;

Neny : aiz nareo zao

Nivo mbola saron'i devolin'ny mamakoba mamaly oe :eto amin'ny garde ouzy ,izay lalana andalovana akany amle tranon'i mamakoba,,otrany oe mapme le izy fa tena nisy

Neny:malakilaky nareo amin'ny anaran'i Jesosy e::

Nivo miha_mihazakazaka mafy eo ampitoeraana no miteny oe eto amin'ny dadanaivo ,,,izay mbola lalana makany amin'ilay mamakoba koa,,,miha mande mafy iany i NIVO izay mbola tsy ao anatin'ny fahaatsiarovantena no miteny oe eto ambonin'ny tranon'ny ra_ANDRE ,izay trano efa akaiky ny tranony

Farany :tonga ouz Nivo;;; Natsiaro saina Nivo no nivverina ny feony NITENY OE FA NANINONA ZA!sady reraka taanteraka,


Hafatra :MAHAY ZAVATRA NY GASY ARY AINY NY MAMONO ANAO AO ANATIN4NY SENGODRA VITSY FA NY FANAFODINY DIA ANTSOY JESOA !

tantara tena nisy ary hitako maso fa tsy angano akory

misaotra antsika namaky atramin'ny farany

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: meva
Date: 08 avril 2017 - 16:52

miary88 >> tena miaiky tateraka za,tena misy io zavatr aton'gasy io,efa betsak ny olona fatatro hoe voa na dia bola ts tena nahita maso otranao ary ah,fa tena mila mailo be.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: masimbava
Date: 10 avril 2017 - 16:59

sady mampihomehy ilay mamakoba, soa ihany fa fahavalo efa resy ny devoly

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: UP
Date: 20 avril 2017 - 09:40

miandry ny tohiny o!!!

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: gaga enao
Date: 20 avril 2017 - 10:39

holazaikovesatsia <<< Mafinaritr ny mamaky ny zvtr tantarainao, izaho ts hiteny oe mino sa tsia fa ity misy fanontanian kely mba tiako apetraka @nao. t@ témoignagenao t@ 14 mars 2017 - 22:36 d le momban le patron oe nanome rano anao t@enao narary navony: T@ voalohany ilay "ange gardien-nao" niantsoa anao Njaka, d aveo le patron niantso anao oe Mahery d aveo Tolotra. D eo no ts azoko oe iza zan ny tena anaranao?

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: xani
Date: 21 avril 2017 - 14:18

mahay mitantara b i "holazaikovesatsia" , d mahaliana
foana na marina na ts marina,
za moa tia mamaky tantara rahateo,
mahay mitantara izy aloha rah ts d zavamisy io

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Aventurier2
Date: 21 avril 2017 - 14:52

Temoignage kely no entiko momba ilay foko any atsimo. Tanàna iray manontolo mihitsy izy io ary zarain'ny arabe ho roa fa foko iray ihany ary ny ery ampita tsy maka vady ny aty andaniny satria "ozona" no fandraisany azy.

Satria ireo mponina ety andaniny dia mitsangana rehefa maty, omanina mialoha ny entana izay tiana hoentiny rehefa mitsangana izy ary matetika dia alina no andalovany ao antrano maka ny enta-kely dia lasa miova fonenana satria tsy raisin'ny fianakaviana intsony. Sarotra amiko ny hanonona ilay toerana fa misy kily (na madiro) ngeza be zay ao ary efa misy silisily (rojo-vy) miantona eo, ka izay fianakaviana tapa-kevitra ny hanapitra ny fiainan'ilay maty tsy hitohy intsony dia manantona ny razana eo amin'io kily io.

Izany hoe rehefa misy maty dia avy hatrany dia fatorana hiantona eo ka avela hihitsana tsikelikely @ tany ny nofony mba tsy ahafahany mipongatra intsony!
Tsy voatery any @ faritra ihany no iparitahan'izy ireny ao Tanà dia feno, tsipihako manokana ny boîte de nuit. Mandalova matetika ao @ Indra izay liana!

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: Aventurier2
Date: 21 avril 2017 - 14:58

Ny tena moa tia aventure ka mba mizara ny tranga efa niainana na nandalovana. Mbola tsy fantatrareo ve ny momba an'i Jeanine ao Port-Bergé?

Aoka mba hiditra eto izay efa nahita azy sy mahalala ny tantarany alohany izaraiko izay mba efa niainako.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: tantely
Date: 21 avril 2017 - 16:06

Dia ireny faty mihantona ireny izany ilay tangoronan'ny tantely dia ny tantely avy @ilay faritra hono tsy dia tsara satria mihinana faty.

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: saka
Date: 03 mai 2017 - 11:07

aiza o! tohizo indray ary e!

Options: Répondre
Re: Ireo zavatra "paranormale" efa niainanareo na itanareo . Mety ho : anjely na Ange Gardien, devoly, matoatoa, mpamosavy, lolo-vokatra... na tranga hafahafa tsy voazava.
Par: inon marina
Date: 03 mai 2017 - 13:35

efa maty efa o 24taona izao ny mamako,
t@ fahatanorana nanao adalana d tongavany ary nokarakarainy toy ireny zaza kely ireny
nis peratra nomeny ahy t@izy ho faty nalain'ny havako 1zay io ary nanaovany, andro vitsy2 taty aoriana anefa d nomeny ahy sady niten'izy oe ts maka2 an'iny tson yzay fa anao iny fa bedin'ny tompony , taty aoriana rehefa nanambady anefa aho d nanaovan' l vadiko l izy fa ts naninon mihints izy
t@ zanako voalohany d niseho tany @l olona nitaiza ahy izy nitrotro zaza sady niarahab, ny ampitso terak vavy aho
t@ zanako manarak indray d miseho eo amiko izy miarak @zaza ary ny ampitso d terak, d otrzany fona,t@ zanalo lahy rehetra
rehefa marary indray ilay zandriko d mitoto vary any ambanivohitr izy ary manirak olona hijery azy io, d'efa lasa tena fantatrn olon oe marary indray izany l zandriko

ts mety mazava amiko ny anton'ireo satria ny maty tsy naman'ny velona intsony, ra atao oe asan devoly ireo ny devoly v d hikarakara iasa saina aminao marary zany?

Options: Répondre
Aller à la page: 12Suivante
Page: 1 sur 2


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg