Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Humour et Insolite
Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: zesuigasy
Date: 19 février 2016 - 13:07

Sa dia tena ny ra fotsiny no zavatra ifandraisana.
Proche ny fiteny azy amin'ny teny vahiny.
Mba lazao hoe ?

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: kazanov
Date: 19 février 2016 - 14:38

YES, za sy ny zokiko lahimatoa mifanila vodirindrina fa tsy vitan'ny rà fotsiny. Bar iray iahny koa no fividiananay Pi

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: efa maty ao am-poko hatry ny ela
Date: 07 mars 2016 - 12:33

Izahay roavavy fa mifanelanelana 11000km , soa ihany ! leo mandefitra aho dia naleoko nanorimponenanana sy fiainana aty lavitra be aty efa maherin'ny 20 taona izao! izaho vavimatoa fa matindraharaha,botokely tao an-trano, ny zandriko princesse ,izay tiany sy niriny tanteraka daholo ! rehefa misy tsy fifanarahana dia izaho no bedy, lehibe tsy maintsy mandefitra, lehibe manome ohatra, vitany hatramin'ny niaraka tamin'ny olona efa niaraka tamiko nandritran'ny dimy taona ; amin'ny lafiny iray tsara ihany no naharava ilay izy , mieritreritra ny fiainako izao aho ,mampitaha, dia faly an'eritreritra! aleoko ny namana sy olompantatro toy izay izy.... nony maty ireo ray amandreny vao mody te hifandray izy fa ny foko efa tsy any intsony!

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: zahgasy
Date: 07 mars 2016 - 17:33

zesuigasy>> mba lazao oe ny anao fa aza d manokatra sujet fotsiny.
kazanov>> tsara s tohizo ary hamafiso fa zany no mahagasy antsika fa aza d mandeha lavitra loatra sao d ny vavy kou itambarana avy eo, matoky an'lisany zah.
ef maty ao ampoko hatry ny ela>> tsy gasy ianao fa ef niova tokoa, zay ny vokatry ny fandrosoana, raha gasy dia manana ny fotompisainany mahagasy azy dia ny fihavanana, jereo ange ny ataonao e, ny hafa, namanao sy ny olompantatrao aza tiavinao. mino aho fa tendo-po fotsiny zany toetranao zany fa mba tofoka kely kou ndraindray an, fa te hilaza eto fotsiny ianao fa tsy miraharaha azy fa ao amponao zao misy fahalelovana ihany, mbola ao lay rà iraisana sy ny fo malahelo fa mino koa zah fa izay elanelantany zay, sy zay fotoana tsy nifankahitana ef ela zay misy firaisampo bebe kokoa aminareo, ataoko we lainga ngamba ra tsy mifanoratra am fb nareo, na d we 1 fois par semaine.
Ny hava-tiana hono tsy iraisa-monina : zany we ireo tsy mifanerasera isan'andro no manana fifanakakaizana kokou ara-po sy mifankatia kokou noho ny ny mifankahita isanandro lava eo.
Hoy lay hira zay : ny adiadinay fahiny no manjary ahatsiarovako azy (fitiavana no tiany lazaina.
Fa ny ahy ndray zao dia mianadahy izahay no eto antananarivo, fa ny zandriko lahy any france, ny zandriko vavy any canada, ny zanako lahy any maroc fa nisy fotoana niarahanay tam nahafatesan'ny reninay na tamin'ny atao we fahoriana aza misy famiramiranana foana ny fotoana rehetra fa tafahoana ny mpianakavy na tsy dia izahay rehetra fa ny vadiny sy ny zanany avy tsy afaka dia nisy fifaliana taminay 4 mianadahy. mety nisy ny tsy fifanarahana fa tsy mahakosoka ny fihavanana maha iray ray, iray reny, iray rà, samy gasy. ranomasompifaliana no nifandaozana teny ivato, akory atao fa zay lay fitadiavana.
an'i zesuigasy zao, zah ndray mba miteny zao : Mba lazao hoe ry zesuigasy ?

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: efa maty ao ampoko hatry ny ela
Date: 08 mars 2016 - 13:14

aza mitsaratsara fa tsy mahalala ahy ianao ary tsy fantatro! fihavanana hoe ? gasy hoe ? angaamba ianao efa antimbelona fa tsy mi existe intsony izany !tsy mitaraina aho na irery aty lavitra aty aza , nhatsara ny faripianako, nilamina kokoa ny saiko!tsy mifangataka izahay ary raha te hifandray misy hafa nohon'ny Facebook fa tsy izay ilay izy! tsy izay koa ilay sujet! tsy tia miaina miaraka amin'ny havan aho , aleoko namana point barre!

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: ifaliana
Date: 09 mars 2016 - 12:52

za vhv, ny ahy na lavitra géographiquement aza aho d akaiky am-po @ anadahiko sy ny rahavaviko. Tiako ry zareo, fa tsy mba afaka mifankahita matetika. Fa dia fety be foana koa refa tafahoana. Za anefa dia mitovy @ le eo ambony io t@ zokiko vavy, izy foana no nanao raharaha tao an-trano, refa misy ady d izy foana no bedy na tsy mbola vita akory aza ny fanadihadiana...saingy za fotsiny tsy mbola niaraka t@ olona efa niaraka taminy. Nefa dia mifankatia tanteraka izahay. Teo aminay mianadahy avy tsy mbola nisy ady be zany fa reny adiady madinika t@ mbola tao @ RAD reny ihany

Zahay moa isaky ny 3ans eo no mankany dago fa ry zareo @ asany tsy maintsy misy 1 mankaty isan-taona farafakeliny, efa hafaliana lehibe!

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: fransé
Date: 09 mars 2016 - 12:54

efa maty ao ampoko hatry ny ela: io misy idiran'ny ray amandreny io satria ilay fitaizana à la base mihitsy no efa nanimba ilay fihavanana.
ny ray amandreniko zao dia io fampitahana lava io no fomba nitaizany anay, izahay samy izahay dia ampitahaina, izahay sy ny zanak'olona mitovy aminay dia ampifampitahana. izy mihevitra hoe amin'izay ianao miezaka mihoatra ny hafa fa indraindray ilay iay mahatonga fialonana sy fifampialonana.
io zandrinao io zao efa nampihantain'ny ray amandreninareo hatrizay dia heveriny fa izy irery ihany no tokony ahazo izay ilainy fa ianao tokony handefitra foana sy hanome azy izay tadiaviny ohatra hoe ianao niaraka tamle bandy dia mba iny koa izy mihevitra fa tokony hoazy koa ilay siapano dimy taona io.
azoko antsiana nefa fa tsy azony akory hoe tsy mety ny fihetsika sasany nataony satria tsy nampahafantarin'ny ray amandreninao azy hoe tsy mety izany.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: out of my head
Date: 09 mars 2016 - 15:25

Izahay efatra mianadahy. Izaho vhv fa ny zandriko lahy ihany no tena akaiky be ahy. Ny zokiko lahimatoa moa manana aretina mitaiza ka lasa adidy fa ny affection @ maha-mpiray tampo honnêtement tsy dia hitako sy tsapako loatra.

Izaho sy ny anadahiko faharoa kosa dia efa am-polo taona no tsy nifankahita intsony ary zara raha mifanerasera (mijanona @ appel bref ihany!). Ny tena marina izaho no manao ny fomba rehetra tsy hifaneraserana aminy sy ny vadiny intsony. Tsapako hoe mitady ahy izy fa izaho no tsy any intsony koa.

Fantany ary tsapany tsara fa nohon'ny nataony sy ny vadiny ihany ny antony.

Tsoriko fa izaho tsy misy na dia iray segôndra sy kely monja aza mahatsiaro azy ireo na malahelo fa au contraire tena je vis bien loin d'eux et sans leurs nouvelles.

Tsy midika tsy fitiavana izany fa tena c'est mieux ainsi ary tsy hanova an'izay mihintsy aho.

Samy manana ny fiainana nodiaviny io fa tsy hoe gasy aho dia tsy maintsy toy izao ny lalam-piainako sy ny fifandraisako @ fianakaviako. Tsy ny maha-gasy ahy no mamaritra ny fiainako.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: efa maty ao ampoko hatry ny ela
Date: 09 mars 2016 - 16:07

marina mihitsy ny tenin'fransé hoe fampitahàna, teo koa ny fiangarana ! tsoriko fa Antony tsy niterahanay afatsy tokana io zavatra iray io! isaky ny mankaty ivelany manao vacances ireo ray amandreny dia mampitaha ,eny na zavatra tsy mitovy aza ! ohatra hoe nandeha parcs d'attractions ngezabe iray niaraka daholo dia nataony hoe:vao iray volana lasa nandeha Lemur Parc ?? izahay niaraka tamin'ny rahavavinao fa nahafinaritra an! eo koa ny fomba fitaizànay ny zanakay ,amin'ny fomba gasy toy izao, averiko foana ,neny a, izaho no Malagasy, manana fomba tiany hanbeazana azy koa ny rain-janako !!! dia ny valiny tamin'izany hoe:fa ny nièce kelinao kosa aloha mahalala fomba sy mahafatifaty loatra! kamo hanao discussion lavabe aho dia adaboko any foana isaky ny misy resaka toa izany! nampisehony ny zanakay koa ohatra ny sarin'ny rahavaViko fa tsy norarahiany, , izaho mitantara ny fomba niainako tany Dago, ny alahelo anaty, ny niainako vao tonga ,ny galère tamin'ny mbola nianatra... ny fomba nataoko nanova fiainana, kôpy ny zanako !nanantena ry zareo hitantara valamaty dia hanodina ny lohanjanako fa vasoka be teo

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: fransé
Date: 09 mars 2016 - 16:29

efa maty ao ampoko hatry ny ela: fa inona moa no tsy anaovanao azy carte sur table kosa e? lasa fankahalana ao anatinao fotsiny le izy. izaho zao niresaka mazava tamin'ny reniko hoe zaho aza ampitahaina amin'iza sy iza sy ny zanak'olona iza sy iza fa za dia izaho irery tsisy mitovy amiko ary samy manana ny anjarany. niteny moa izy hoe io fampitahana io tsy maintsy misy (mandeha automatique) fa tsy hoe haratsiantoetra ary tsy fanahy iniana. fa nolazaiko azy hoe za aza anaovana fampitahana na amin'ny toetra na fihetsika na firesaka fa tsy tiako sady tsy hampiova ahy zany. elabe za nandresy lahatra anazy fa hitako fa tena mandeha automatik araka ny filazany mihitsy ilay izy manao fampitahana fa rehefa mahazo valy boribory na ankatezerana izy dia arany ihany hoe tsy faly amin'ny commentaire-ny aho.
ireo iray tampo amiko koa, misy zokiko raha vao misy zavatra kely ananan'ny hafa mihoatra ny azy dia iny rafialonana! na ny hatsarantarehy aza dia mampialona nefa fidiny hoan'iza ny te ho ratsy?. ilay ray amandreny koa etsy mbola manisy sira ihany! ry zareo kosa aloha tsy nianga-janaka loatra (misy kely ihany fa bon)
io no lazaiko hoe ny fitaizana io, izao izahay mifampitaiza mba miezaka ny mifandokandoka izay ananan'ny hafa nefa tsy ananan'ny tena sady mitaiza ireo ray amandreny koa.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: vroomparty
Date: 10 mars 2016 - 15:41

<<< efa maty ao ampoko hatry ny ela<<< lalina be loatra ilay fankahalànao ary ny fahitàko anao dia satria ianao comblée matériellement, manana izay ilaina rehetra aty andafy dia mino sy manantena fa tsy mila ny iray tam-po aminao intsony.... ekeko fa nisy fitongilanana teo am fitondran'ny ray sy reninareo, fa tsy an'i rahavavinao ireny ny fahadisoana @ izay, diso ny ray sy reny, diso izy, fa diso koa ianao mitahiry lolom-po fa tsy mifanazava!!! tadidio fa mitahiry zoridira ao am-ponao ianao @ izao fotoana izao, tsara ny mifamela, tsy voatery hisolelaka aminy ianao fa ilay avonavona sy tsy firarahiana tanteraka kosa tena tsy mety.
izaho koa vavimatoa, be ny ratsy sy ny fitaka nataon ny anadahiko sy ny rahavaviko ahy, fa za miresaka sy maneho ny alaheloko... maka lesona aho dia tsy ataoko mahazo ahy intsony @ sisa, fantatry zareo zany dia maka précaution izy @ fifandraisany amiko.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: fuir
Date: 10 mars 2016 - 21:12

Tena mba enjana ndray zan fifankahalany n'y piray tapo sasany zan k zay telo da fa tena mifandray tsar zay za s ravaviko no piady talo tam mbol ray trano fa zao Sam lebe tena mifakahazo tsar mits k aleo reto mifankati fa ref maty njay v vo ramalala eo

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: zoki-be
Date: 12 mars 2016 - 09:48

3 mianadahy izahay, le lahy tokana sady voalohany aminay
fa masiaka b taminay mirahavavy mitsy izy na mbola teo aza ny RR-nay an, de lasa nankahala azy za fa diso strict loatra taminay izy t@ mbola samy mpitovo
de nanambady mitsy zahay mirahavavy zay izy vao nanambady
fa @zao fotoana samy efa manambady aman-janaka, de le zokiko lahy ao ambony no mipetraka de zahay ato ambany, de le zokiko vavy tsy eto
fa @zao za ndray no sarotsarotiny amin'ilay anadahiko : raha vao tara² izy vao tonga dia tsy maintsy manontany za f'anga be asa be sa naninn no taraiky
mitondra fiara mantsy izy de refa tonga hariva² de zahay ao ambany no maheno anazy de zahay no mamoha vavahady idirany
de nisy fotoana efa à 19h izy mbola tsy tonga de niakatra tao @ zaobaviko za oe fa naninn izy no taraiky b ? de nanao fety de mbola tsy tonga ozy, de lasa za nidina, de mimenomenona @ le vady aman-janako za ao an-trano sady tsy mahapetraka mitsy : izao ve de mbola tsy tonga foana na de fety b oatra ny inn ary, 19h30 niakatra ndray za nanontany le zaobaviko oe efa nantsoinareo ve izy ? de aiza ono izy zao ? de ozy le zaobaviko oe efa eny an-dalana mody ono izy ka, efa zatra moa le zaobaviko @zany toetrako zany de tsy maka lagy

de nisy fotoana izy mianakavy tao ambony nande nanao vacances, fa impolo kely za miantso foana, efa tonga nareo ? nanao aoana teny an-dalana ? salama daolo ny ankizy ?

de nisy fotoana kou rizareo tsy nitondra fiara fa nande taxi-be nande namangy olona tany Ivato, de nantsoiko fa aiza nareo ? de efa ety an-dalana mody ozy, nandrasana ny andro efa maizina mbola tsy tonga iany ? de namerina niantso za fa aiza no mbola tsy tonga foana e, embouteillage b ozy rizareo eto Ambohibao, tonga rizareo vao nilamina ny saiko

de le zanako faralahy akaiky b @io zokiko lahy io, manan-janaka lahitokana koa izy, de ny zanakareo vavy ndray akaiky be anà satria za tsy niteraka vavy

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: fuir
Date: 12 mars 2016 - 12:28

Zokib <mafinaritra anie ref mifankati e nena ndray zay aty am faritra no mipetrak d ref miaktra any tana d le anadahiko no atsona hitsena ref mande taxibrousse de ref idina aty zareo d za no miatso fona oe To mbol ts tonga fona sns
Za zao mety hifindra any tana am eritaona def le anadahiko no miteny oe ao am trano vo vita eo akaikiny zay no ipetrak mafinaritra n'y fifakatiavana misotra n'y rar za nahay nitaiza anay hifakati tsar merci mama s papa

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: fransé
Date: 12 mars 2016 - 15:50

zokibe: trop be kosa zany anao zany an! soa ihany fa tsy za no zaobavinao!lol

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: Laurin
Date: 13 mars 2016 - 04:07

Mianadahy izahay.
Izaho mipetraka aty lavitra aty, fa de malahelo ny anabaviko foana aho na de tsy hita soritra aty amiko aza izany. Nanao vacance tany dago aho t@ taona lasa fa de ranomaso ny nifankahitanay sy ny nisarahanay. Rah manana olana aho aty de iz no mahafantatra izany voalohany. Zao vao tsapako ny atao hoe fisarahana sy izany hoe vitsy izany ny mpiraitampo

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: mielle
Date: 13 mars 2016 - 07:39

Mpianadahy izahay, izao vhv no zokiny. Tam mbola kely nisy hoe adiady fa zao mifankatia tsara na d ts mihaona matetika noho ny asa sy tokantrano. Rehefa marary aho no tena hitako malahelo mafy ahy ny anadahiko fa am maha lhl azy ts d mampiseho loatra hoe malahelo. Tsy dia mifanerasera b sy matetika izahay fa hitako hoe mifankahazo ampo. Za mo manambady fa izy mbola mitaritarika. Mifankahazo tamoko daholo ze sipany taloha fa mba iriko hoe mba mi se confier amiko momba ny vhv miaraka aminy izy fa d eeee. Zay fotsiny mbo alaheloko kely aminy.

Fa mi comprendre anreo ts mpiraytampo tsy mifankahazo ko aho satria ny avy am raiko d sakay sy maso sanatria mpifahavalo. Isaky ny mhaona d ts maintsy miady...mankaleo. Hany ka ts d mifanerasera firy, ny ankizy aty aoriana no miezaka mifandray fa ny sasany nandova aretina tam rar koa. Adidy sisa no hifanaovana fa ny ankoatrizay samy maka hoazy

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: zesuigasy
Date: 20 mars 2016 - 05:59

Zanaka tokana.
zoki-be >>>hihihi mba tsy sarotiny ar zn le zaobavy amzan

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: miakynytsirairay
Date: 21 mars 2016 - 08:30

Zay 3 vavy dia niaina io fampitahana io nataon'ny RAR. zahay samy zahay, dia taloha koa zahay sy zay olona mitovy taona aminay tao amin'ny fianakaviana.

Ny nampatonga anay lasa miray hina be zao dia satria niara-niaiky zahay telo vavy fa tsy nety ny nataon'ireo RAR. Niara-niaiky koa fa tsy nety ny nataon'ny tsirairay aminay telo izay ni "jouer le jeux" tamin'ny taloha.

Izao izahay miray hina be tsy hoe noho ny maha malagasy sns fa noho ny nahatongavanay tsirairay avy saina hoe inona no tsy nety natao tamin'ny mbola kely dia inona no afaka amboarina zao satria efa olon-dehibe. Ny RAR nay zao dia manao manapalaelo eo amason'izao olona rehetra zao hoe lasa ratsy toetra be ny zanany rehetra hono. Ny marina, vao mitady ampitahataha, na manambanimbany (oui, vitany mihitsy rehefa tsy mifanaraka ami'ny eirtreriny ny eritreritrao ohatra), tonga dia lazainay "directe" tsy miolakolana oe: aza atao anzany zay. dia ndraindray ny iray ihany aminay no ataony, tonga dia miantso ny anakiroa hafa izy hoe zao no nolazaini neny na i dada, tonga dia averinay resahana mazava tsara oe zahay aza atao anzany. Dia lzay firaisankina zay zany lay anaovana ranomasomboay oe ratsy toetra zahay e!

Misy miteny etsy ambony oe automatique lay izy amin'ny RAR. Dia tena itanay marina lay izy oe zay. Fa par contre mila ampahafantarina anzareo oe tsy tiana ialay izy. Ary mila averimberina matetika satria ela mihitsy vao mihena ilay frequence. Izahay tsy mino oe tsy anao anzany tsony zareo fa ny anamboaranay saina rehefa miverina lay toetra dia oe: zay no mba nampianarin'ny RAR an'azy dia zay no ataona amin'ny zanany ka adidinay zanany no miteny oe: STOP.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: never again
Date: 22 mars 2016 - 15:19

izaho koa efa roapolo taona tsy nahita ny anadahiko,tsy fantatro akory na maty na velona any Dago !nandalovako ny alahelo, ny fankahalàna ary izao efa maty ao an-tsaiko sy ao ampoko ;lavitra an'i Dago koa ny misy ahy ary tsy misy mahalala ahy NANANA mpiray tam-po aty ! fiainana mitohy !! tsy mila rohirohy na fifandraisana aminy intsony aho mandrakizay ! tsy hitako izay idiran'ny be morale amin'ny fihavanana Malagasy sy ny sisa, fitsaram-belatsihy sy fifanenjehana no hitako betsaka tany; naleoko koa nandositra lavitra! na maty aza aho ,milevina aty!

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: genddoung
Date: 22 mars 2016 - 18:24

Io tsy misy gasy sy vazaha ary arakaraka ny fifandraisana nisy hatrizay.

Zahay 4 mianadahy, vavy 3 dia lahy 1. Zà faravavy fa ny zokiko 2 vavy mpinamana be fa za tena tsy mifankaho amindry zareo sady zareo tsy tia anà za koa tsy tia andrzareo e. 32 za zao, fa depuis ataoko oe 17 ans tany angamba za mbola mifanaraka fa nisy fotoana za aloha tsoriko fa mety hisy fahadisoko fa misy koa fahadisoandrzareo e. Za vao niasa dia be vola dia tsy tena nahakaraka ny RAR dia ny RAR dia misoutenir anà be mihitsy dia raikitra ny fialonana fa zay teneniko presque eken'ireto RAR fa za nefa tsy manao zavatra ratsy fa au contraire za le migater be andrzareo resaka materialy, fa ry zokinay ilay mikaiatra be reny sy le oe zay manana ny fiananay sy tokantranonay, zahay sahirandava no voateny.

Taty aorina ry zareo mahateny ahy izay manampy oe miseho milay nefa za aza mba manampy dia tanisainy eo daholo ny alahelony oe za manao zavatra iray tao antranondray sy reniko dia zareo tsy nahavita dia za hono mitady tambiny. Ny moindre avis ako tao antrano dia efa ilainzareo ady. Za tena olona tia manampy zy mizara fa kay tena halan'ny olona ilay ampina foana.

Bon, miady tena mifaly ratsy vava mihitsy zahay taloha fa zao samy tsy mifampirahaha. Izy roa vavy dia mpinamana mifampitantara ny zavamisy fa za tsy ilazandrzareo nininona ary tsy mba izarany izay mahazo andrzareo any.

Za koa tsy maka lagy fa zay ataony any. Za manana ny tranoko ka aleoko miaina tsara ny fianako fa zay ataondrzareo any.

Ny zandriko lahy kosa no akaiky ahy ary izy dia mitaraina fa ireto zokinay ireto farak'izay masika sy kizintina indrindra moa raha mba mila fanampiana arabola ianao oziz dia mahazo rehefa mitalaho ary tsy maintsy mahazo vava, ataovy tara kely koa ny famerenana azy anie fa vava tsy vava no azo.

Ka dia io misaora zanahary raha tsara fihavanana nareo fa ny tsy tsara fihavanana amin'ny iray tampo dia misy ary io des 2 côtés no olana ka ny ahy na mety na tsia dia reveko milamina eto ny fianana e.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: ifaliana
Date: 24 mars 2016 - 16:41

Ny ahy fotsiny ry reto ny itondrako ny fiainako dia hoe tsy misy olona parfait ety an-tany ary efa nanao fahadisoana kely daholo, ary tsy iny zvt kely iny no andeha tsy itiavako olona sy anananako alahelo aminy, indrindra hoe iray tampo sy RAD izany. Ny tsara indrindra dia ny fifamelàna. Tsy mahasambatra ny manana alahelo @ olona, raha samy indifférent fotsiny indray mety tsy haninona fa hitako hoe misy manana alahelo be @ mpiray tampo aminy.Gaga be aho mamaky ny tantara eto. Ny ahy araky ny voalaza ery ambony dia akaiky am-po @ anadahiko sy ny rahavaviko aho.

Ny Rad-ko koa zao nefa manao fampitahàna otran'ilay voalaza eo ambony, t@ zahay nianatra samy nandray présalaire daholo ny 3, ny an'ny zokinay ividianany zvt ao an-trano azon'ny rehetra ampisaina,ordi, mini-chaîne (t@ zany fotoana)...; ny an'ny 1 mahangona be any @ caisse d'épargne, efa tamina millions, ny ahy tsy mba mahangona aho sady tsy mahavidy ininn tao an-trano fa ividianako akanjo sy kiraro, entiko any @ resto sns...Voakiana foana isan'andro vaky ary tsy mba nahazo rariny, vao misy resaka vola d miverina foana io resaka io na efa taty aorina be aza, ohatra fotsiny io fa betsaka ny fampitahana, kanefa dia tsy mba nananako alahelo zany zvt zany satria hitako hoe epsilon eo anatrehan'ny fitiavan'ny RAD-ko ahy, na dia teo aza ny latsa madinika dia fantako hoe tia ahy ry zareo, manana zanaka aho ankehitriny ary fantako tanteraka ny atao hoe fitiavan-janaka ary toy izany ihany koa no nitivan'izy ireo ahy ka tsy misy dikany izay latsa sy izay hadisoana kely nataony tany,tsy manisy jugement @'zay fomba nitaizany anay aho fa zay no fantany fa mety,na itako ary hoe nisy lesoka kely teny antsefantsefany teny. Nisy fotoana tena niteny mihitsy i Mamanay hoe ny ahy i anona (zokinay 1) no tena tiako ato an-trano ato, fa tena tsy nampaninona anay hafa mihitsy zany;
Eto aho zao vao maheno hoe mpiray tampo tsy mifankatia, raha mahita ny ataon'ny olona any @ fb any aho d heveriko fa zahay no tsy d mifandray, satria misy mpirahavavy mifanao teny mamy sns ao, zahay mifankatia fa samy tsy démonstratifs fa mifankatia anaty fotsiny

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: zoki-be
Date: 25 mars 2016 - 07:45

fransé sy zesuigasy >> efa zatra izy de tsy maka lagy @zany ka
zahay roa kou mifandray b oatra ny mpirahavavy, misy fotoana zahay 2 mifampitarika miantsena behoririka na mahamasina na ambodin'isotry
refa misy nouvelle recette ataonay ato ambany de manatitra ho an-drizareo zahay de rizareo koa oatra zany
fa za @zao mbola matahotra an'zay zokiko zay iany koa anefa an

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: Leo be
Date: 28 mars 2016 - 19:04

6 mianadahy izahay, zaho ny faravavy. Ny zokiko vavy matoa no isany akaiky ahy. 3@nay aty ivelany. Ny fifandraisana @ rehetra eo ho eo, mety samy sahirana @ tokantranony sy ny fiainana angamba.

Ny reniko dia ilay zokinay lahimatoa ihany no tena favori. Raha vao misy mahazo (ary misy foana) anio zokinay io dia tsy he halala ny reninay fa na tsy hinanankanina aza zahay mianakavy dia tsy maintsy manampy sy manavotra io zokinay io foana. Betsaka ny zavatra mampalahelo hiainana fa soa fa aty ambany ravi-kazo aty halavitra be aty.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: Rohy
Date: 04 septembre 2016 - 23:48

Efa maty ato am-poko hatry ny ela: tena azoko be le zavatra ao anatinao sy ny niainanao hatramin'ny fahazazana, ka nahatonga ny fonao hihidy. Misy miteny atsy ambony oe "manaova carte sur table",Tsapako koa oe misy ny olona,aleo tsy miresaka aminy akory satria borné izy ka na hanazava im-piry eo aza enao, de enao foana no diso aminy.
Fa ny ahy dia tsotra, Mivavaha mba homen'Andriamanitra fo malefaka, mba hahay hanadino ny ratsy nataon'ny ray amandreny sy ny rahavavivao. Ny ahy dia pire noho ny nahazo anao, ary mitohy hatramzao efa manambady izao,nefa Miezaka foana a manadino anzay ataony n'a mafy aza le izy,satria izay no mba Hangatahin'ny Tompo amintsika, dia ny mba Hifankatiavantsika

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: Rohy
Date: 04 septembre 2016 - 23:53

Izaho aza fony mbola kely tena efa nanomana foana oe rehefa lehibe a de hiala tsy hipetraka ato am zareo tsony satria be loatra le porofon'ny tsy fitiavana nataon'ny ray amandreny sy ilay zandry.ary noho ny tanora de tena nandalo fotoana nisy "depression" ditraditra maro isankarazany.Impiry te hamono tena. Saingy noho ny nisokatra kokoa tamin'ny Fivavahana ny saiko sy ny foko de niova ho azy.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: efa maty ato ampoko hatry ny ela
Date: 09 septembre 2016 - 18:24

Ilay resaka fihavanana amin'izy ireo azoko lazaina fa tsy ao anatin'ny programme- mpiainako intsony, tsy hitako izay hidiran'ny fivavahana amin'izany !fo malefaka dia inona no ho ho tohiny avy eo? Aleo amin'izao!fanampiny vao mihà manalavitra azy ny misy ahy amina miliara iska eto an-tany ,be no afaka hifandraisana !

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: Perso
Date: 11 septembre 2016 - 12:19

efa maty ato am-poko hatry ny ela sy france>>>> Mba curieuse kely aho amin'ilay relation anareo. Tsy haiko na mety na tsy mety ny fahitanareo ny fomba nitazaina anareo fa aona kosa zany ny fomba hitazainareo ny zanakareo? Hoe rehefa lehibe ve izany dia samy manana ny fiainany koa ny zanakareo sa miezaka manarina ilay tsy nety nitazaina anareo ianareo?

Raha izaho manokana dia 2 lahy ny zokiko ary faravavy aho. Ireo zokiko ireo dia samy any Mada ary misy 11.000km koa manelanelana ny toerana misy anay. Fa 1 mm angamba no manasaraka ny fonay. Tena mifandray be izahay, ilay lahimatoa tsy manana mail, tsisy facebook, fa mandany credit mifampiantso izahay rehefa mifampalahelo. Na manambola hanaovana vacance any an-toeran-kafa aza aho dia aleoko mody any Mada indraindray. Tena tsy foiko ireo zokiko ireo ary izy ireo koa tsy mahafoy ahy. Izahay koa manana orinasam-pianakaviana kely dia miara-miasa ao. Izaho aty mandefa ny entana ilaina moa zareo miasa sy mitantana any Mada. Tsy mbola nisy na indray mandeha aza nandrimbonan'izy ireo ny tombony tokony anjarako fa tena mazava ny kaontinay. Fa ny mety tena mampilamina anay angamba dia io zoky io foana no tena namelona anay satria mbola 12 taona aho dia efa kamboty RAD izahay. Lasa zatra nifanampy teny foana.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: tena tsy mifankahazo am-po
Date: 13 septembre 2016 - 09:26

Salut daholo ! zaho sy ny zokiko vavy matoa no mifankahazo am-po na dia tsy mitovy hevitra aza indraindray.T@ samy naha-mbola teo anay ankizy rehetra dia miaro ahy foana izy na dia tsy mety aza ny nataoko ndraindray.Ny zandriko vavy no faran'izay tsy mifankahazo am-po amiko ndrindra efa h@ fahakely.Ny antony dia izy io dia kamo manao raharaha sy fetsifetsy be ary mpandainga izy io ary h@zao fahalebiazany zao dia mbola tohizany foana izany toetrany izany.Ary ny tena loza dia nangalatra ny akanjo sns anay piray tampo aminy izy.Nifandona matetika zahay noho reo toetrany reo.nahavita trano eo akaikinay moa izy efa 1 an zao de tsy de mifankahazo mintsy zahay.Tsy manakao an-tranony aho raha tsy misy antony oh oe fiançaillen-janany sns.Tena voaisako fa 3 fois ngamba aho no mba niditra tao.Ny tena antony nampiady anay dia nangalariny ny lafaoro-ko t@ 2005 nefa tsy afaka nitory azay aho nohon'ny maha-piray tampo.Manao ahoana dia samy vita ny anay.Malaelo aho fa ny hany fiononako de ts zaho no diso iz rahateo tsy mba mahalala ny tsy mety nataony.Asa izay iafaranay refa maty ny rainay fa de mapalaelo

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: banky
Date: 13 septembre 2016 - 16:07

efa maty ato ampoko> za mi-comprendre anao fa tena fanaon'i RAD gasy mintsy io. Dia matetika ko ny lhl iangarana fa ny vhv matin-draharaha. Dia rehefa mifanditra ny ankizy dia ny zokiny no bedy nefa ilay zandry tena farak'ze mana merde. fa comble kosa ilay nampirafy.

Ny ahy zao 3 ny zanako, de rehefa migasy sy miara-maditra dia raclé génerale, zany oe samy voasazy fa tsy oe ny zokiny no disoiko. raha misy achat atao de mitovy ny montant fa tsy misy iangarana. tena maharary mintsy io mi sentir oe iangarana io, maharary

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: ZOKIKO
Date: 14 septembre 2016 - 10:27

isaorako an andriamanitra ny nanomezany ahy zoky izay mifakahazo tsara amiko. tsy lavina fa misy iany matetika ny tsy fifakazahoana fa zavatra mandalo tsy de rarahiana izany ka tsy manakana anay hifakatia tsara.

mpirahalahy izahay ary izay iany no zanak ray amandreninany. io zokiko io dia niaro ahy faona tamin bola akizy. ary ny tena zavatra tsara indrindra dia izy dia nahafoy fotoana foana nampianatra ahy ary tsy tonga ingénieur aho raha tsy izy no nanampy ahy hatramin zay. tsy ho adiniko velively izany fitiavany ahy zan. nohon nanambady izy dia nisara toerana izahay satria ny avatiana tsy hiaraha monina fa sao lasa miady. tamin ry zareo nanao trano dia niezaka nanampy az aho. ary tamin zan aho mbola tsy nanambady. nampindramiko azy daholo ny volako rehetra teo amin 120 millions fmg teo ar miampy ny volan zareo sy ny ray amandreny nanampy dia navita trano 2 étage ry zareo ary tsy mila nndra voala tamin bank d 'efa vita. noho nanambady aho dia nomen zareo vola 130 million be zao izany oe 10 million de plus nohon napindramiko azy ar nahavita trano 2 étage soa amantsaraiany koa.

ts mijanona eo aminay ny fifankatiavana fa tena itako fa miankina amin vady vadiana koa io. mifakahazo tsara mitsy izaho s n belle soeur-ko satria itany fa mifakatia izahay mpiarahalahy. n vadiko koa moa de olona tsotra be ka mifakahazo amin olona rehetra

ireto no conseiko amin zay mpiray tampo ts mifakahazo:
-raha manambady ianao de aza mifanakaiky trano
-aza atao mihoatra ny indroa isambolana ny mifamangy na manao activité iraisana
-tezaho ara tsoratra masina ny zanaka ahay ifakatia
-respecteo ny fiainan tokatranon mpiray tapoa aminao fa aza idirana raha tsy oe mila fanampiana angaba iz ireo
- aza misalasala ny mifanampy sy maneho fitiavana araka izay tratra
-hajao ny ray amandreny iza iraisana
-tiavo ny fianakavian ilay olona nanambady an mpiray tampo aminao

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: merci zoki
Date: 14 septembre 2016 - 10:29

isaorako an andriamanitra ny nanomezany ahy zoky izay mifakahazo tsara amiko. tsy lavina fa misy iany matetika ny tsy fifakazahoana fa zavatra mandalo tsy de rarahiana izany ka tsy manakana anay hifakatia tsara.

mpirahalahy izahay ary izay iany no zanak ray amandreninany. io zokiko io dia niaro ahy faona tamin bola akizy. ary ny tena zavatra tsara indrindra dia izy dia nahafoy fotoana foana nampianatra ahy ary tsy tonga ingénieur aho raha tsy izy no nanampy ahy hatramin zay. tsy ho adiniko velively izany fitiavany ahy zan. nohon nanambady izy dia nisara toerana izahay satria ny avatiana tsy hiaraha monina fa sao lasa miady. tamin ry zareo nanao trano dia niezaka nanampy az aho. ary tamin zan aho mbola tsy nanambady. nampindramiko azy daholo ny volako rehetra teo amin 120 millions fmg teo ar miampy ny volan zareo sy ny ray amandreny nanampy dia navita trano 2 étage ry zareo ary tsy mila nndra voala tamin bank d 'efa vita. noho nanambady aho dia nomen zareo vola 130 million be zao izany oe 10 million de plus nohon napindramiko azy ar nahavita trano 2 étage soa amantsaraiany koa.

ts mijanona eo aminay ny fifankatiavana fa tena itako fa miankina amin vady vadiana koa io. mifakahazo tsara mitsy izaho s n belle soeur-ko satria itany fa mifakatia izahay mpiarahalahy. n vadiko koa moa de olona tsotra be ka mifakahazo amin olona rehetra

ireto no conseiko amin zay mpiray tampo ts mifakahazo:
-raha manambady ianao de aza mifanakaiky trano
-aza atao mihoatra ny indroa isambolana ny mifamangy na manao activité iraisana
-tezaho ara tsoratra masina ny zanaka ahay ifakatia
-respecteo ny fiainan tokatranon mpiray tapoa aminao fa aza idirana raha tsy oe mila fanampiana angaba iz ireo
- aza misalasala ny mifanampy sy maneho fitiavana araka izay tratra
-hajao ny ray amandreny iza iraisana
-tiavo ny fianakavian ilay olona nanambady an mpiray tampo aminao

Options: Répondre
Fitiavana eo amin’ny mpianakavy
Par: JW
Date: 17 septembre 2016 - 08:29

Tena mahafinaritra ny hoe anisan’ny fianakaviana miray saina sy mifankatia! Efa voajanahary ny fitiavana ny mpianakavy, ary stôrge matetika no teny grika ilazana azy. Miezaka ho tia ny mpianakaviny ny Kristianina. Nilaza anefa i Paoly fa “TSY HO TIA NY MPIANAKAVINY” ny olona AMIN NY ANDRO FARANY.—2 Tim. 3:1, 3.

Mampalahelo fa izany no hita eo anivon’ny fianakaviana maro. Betsaka ny vehivavy manala zaza, maro ny olona tsy miraharaha ny ray aman-dreniny be taona, ary mitombo haingana be ny fisaraham-panambadiana. Inona no anton’izany? Satria tsy tia ny mpianakaviny izy ireo.

Milaza koa ny Baiboly fa “MAMITAKA mihoatra noho ny zava-drehetra NY FO.” (Jer. 17:9) Mahakasika ny fo sy ny fihetseham-po ny fitiavana ny mpianakavy. Marihina anefa fa agape no teny nampiasain’i Paoly mba hilazana ny fitiavana tokony hasehon’ny lehilahy amin’ny vadiny. Nampitoviny amin’ny fitiavan’i Kristy ny fiangonana izy io. (Efes. 5:28, 29) Mifanaraka amin’ny toro lalana nomen’i Jehovah, Ilay namorona ny fianakaviana, koa izy io.

Inona àry no hataontsika raha tena tia ny mpianakavintsika isika? Hikarakara ny ray aman-drenintsika be taona, ary hanao ny andraikitsika amin’ny zanatsika. Hananatra am-pitiavana ny zanatsika koa isika, rehefa ilaina izany. Tsy hobaikoin’ny fo fotsiny isika, satria mety hahatonga antsika hilefitra loatra amin’ny ankizy izany.—Efes. 6:1-4.

Options: Répondre
“Andro mahory”
Par: JW
Date: 17 septembre 2016 - 08:44

Efa nilaza ny apostoly Paoly fa ‘tsy hanam-pitiavana’ ny olona amin’ny androntsika. (2 Timoty 3:1-5) Ilay teny grika nadika hoe ‘fitiavana’ eto dia mifandray akaiky amin’ilay teny milaza ny fitiavana voajanahary eo amin’ny mpianakavy. Tena tsy manana an’io fitiavana io tokoa ny olona ankehitriny. Mahalana koa vao mifaneho fitiavana ny mpianakavy, na dia misy aza izy io.

Maro ny ray aman-dreny tsy mahay maneho ny fitiavany ny zanany. Tsy nanjakan’ny fitiavana ny fianakavian’ny sasany tamin’izy mbola ankizy, ka mety tsy ho takany fa hahasambatra sy hahafinaritra kokoa ny fiainana, raha mifaneho fitiavana ny mpianakavy. Izany no toa nanjo an’i Tohru tamin’ny fahazazany. Variana niasa foana ny rainy, ary alina be vao nody. Zara raha niresaka tamin’i Tohru izy, ary nasiaka rehefa mba niresaka taminy. Niasa koa ny reniny, ka tsy dia niaraka taminy loatra, fa ny tele no mpitaiza azy. Tsy nifampiresaka na nifanao teny fiderana ny tao an-tranony.

Manakana ny fanehoana fitiavana koa ny kolontsaina. Ohatra: Tsy araka ny kolontsain’ny lehilahy sasany any Amerika Latinina ny maneho fitiavana ny vadiny. Tsy fomban’ny lehilahy any amin’ny tany tatsinanana sy afrikanina maro koa ny manao teny na fihetsika maneho fitiavana ny vadiny. Hafahafa aminy ny miteny amin’ny vady aman-janany hoe “tiako ianao.” Afaka maka fianarana avy amin’ilay fifandraisana naharitra ela teo amin’ilay fianakaviana voalohany anefa isika.

Options: Répondre
Re: “Andro mahory”
Par: JW
Date: 17 septembre 2016 - 08:52

Fanampiana ho anao

Ahoana raha tsy nanjakan’ny fitiavana ny tokantrano nahabe anao? Mbola afaka mianatra maneho fitiavana ihany ianao. Ny zavatra tokony hatao voalohany dia ny manaiky fa tsy tena hainao ny maneho fitiavana ary miaiky fa tokony hovana izany. Manampy be dia be amin’izany ny Baiboly. Azo oharina amin’ny fitaratra izy io. Hitantsika ny kilemantsika, rehefa ampitahaintsika amin’ireo fampianaran’ny Baiboly ny tenantsika. (Jakoba 1:23) Afaka manova izay fihetsika tsy mety rehetra isika, mba hifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly. (Efesiana 4:20-24; Filipiana 4:8, 9) Mila manao izany foana isika, ary tsy ho “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.”—Galatiana 6:9.

Sarotra amin’ny sasany ny maneho fitiavana, noho ny fitaizana azony, na ny kolontsainy. Hita tamin’ny fikarohana natao vao haingana anefa fa azo resena izany. Nilaza ny Dr. Daniel Goleman, mpitsabo aretin-tsaina, fa ‘azo ovana na dia ireo fahazarana efa raiki-tampisaka nianarana tamin’ny fahazazana aza.’ Efa 1 900 taona lasa ny Baiboly no nilaza fa azo ovana koa na dia ireo zavatra lalim-paka ao am-po aza, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra. Hoy ny fampirisihan’ny Baiboly antsika: ‘Ario ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary tafio ny toetra vaovao.’—Kolosiana 3:9, 10.

Rehefa hita ilay zava-manahirana, dia azon’ny mpianakavy ampifanarahina amin’izany ny fianaram-pianakaviany. Nahoana, ohatra, raha karohina izay lazain’ny Baiboly momba ilay teny hoe “fitiavana” sy ny teny mifandray aminy? Mety hahita andinin-teny toy ity ianareo: “Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” (Jakoba 5:11) Diniho avy eo ny tantaran’i Joba ao amin’ny Baiboly, ka mifantoha amin’ny fitiavan’i Jehovah azy sy ny famindram-pony taminy. Azo inoana fa te hanahaka an’i Jehovah ianao, ka ho be fitiavana sy hamindra fo amin’ny mpianakavinao.

Tsy lavorary anefa isika, ka “tafintohina amin’ny zavatra maro”, indrindra fa amin’ny tenintsika. (Jakoba 3:2) Mety tsy hampahery ny teny lazaintsika amin’ny mpianakavintsika, indraindray. Izany no ilana vavaka sy fitokisana amin’i Jehovah. Aza kivy. “Mivavaha, ka aza mitsahatra.” (1 Tesaloniana 5:17) Hampian’i Jehovah ireo te hahatsapa ho tian’ny mpianakaviny sy te haneho fitiavana nefa misy zavatra manakana azy.

Nomen’i Jehovah antsika koa ny fiangonana kristianina, mba hanampiana antsika. Hoy i Jakoba: “Misy marary [ara-panahy] va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy.” (Jakoba 5:14) Eo tokoa ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampy ny mpianakavy tsy mahay mifaneho fitiavana. Tsy dokotera izy ireo, nefa afaka manampy amim-paharetana ny mpiray finoana aminy. Tsy milaza amin’ny olona izay tokony hataony izy ireo, fa mampahatsiahy azy kosa ny hevitr’i Jehovah, ary miara-mivavaka aminy sy mivavaka ho azy.—Salamo 119:105; Galatiana 6:1.

Na dia sarotra aminao aza ny mahatsapa ho tia sy maneho fitiavana ny mpianakavinao, dia azonao resena izany. Manome tari-dalana mahasoa antsika ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 19:7) Ho resinao ilay sakana lehibe toa mampisaraka anao sy ny mpianakavinao, raha manao an’ireto zavatra ireto ianao: miaiky fa zava-dehibe ilay raharaha, miezaka HIJERY NY TOETRA TSARAn’ny mpianakavinao, mianatra sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra, miantehitra amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka, ary mitady ny fanampian’ny anti-panahy. (1 Petera 5:7) Afaka ny ho faly toy ny lehilahy iray tany Etazonia ianao. Nampirisihina haneho fitiavana ny vadiny izy. Niezaka mafy izy ka afaka niteny tamin’ny vadiny ihany hoe “tiako ianao”, ary nahagaga azy ny fihetsik’izy io. Latsa-dranomasom-pifaliana ilay vadiny, ka niteny hoe: “Izaho koa tia anao, fa izay ianao vao niteny toy izany tao anatin’ny 25 taona.” Aza miandry ela be toy izany vao haneho ny fitiavanao ny vady aman-janakao!

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: midou77
Date: 17 septembre 2016 - 19:55

tonga indray ny gourou ni raté ny vocation, vavaka vavaka ..pffff

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: rabe zafy
Date: 13 novembre 2016 - 22:30

Salama daholo.

Raha izahay aloha dia tsy dia nifandray loatra na dia vitsy mpiray tampo aza e.
Nisy ny olana hatry ny fony kely izay ateraky ny fitaizana nataon ny ray aman dreny dia tsy nisava mandra-paha lehibe.
Samy mandeha samy mitady ary samy tsy misy manenina amin ny safidiny..
Ny mpitazana no tsemboka alohan ny tompon ady amin izao.
Araka ny filozofiako dia tsy misy olona voatery miaina ny fiainna tsy tiany io fa safidy malalaka ny an ny rehetra dia samy mizaka ny vokany eny na tsara na ratsy.
Fihatsaram-belatsihy ny fanerena olona ihavana nefa tsy misy mivonona amin izany akory.
Ny Malagasy fahiny no matahotra ny ho faty irery fa ankehitriny na ny fiandrasam-paty aza tsy misy intsony.
Raha any indray andro any ka efa samy folaka ka samy vonona ifandray dia tsy asiako olana raha tsy voahovan ny taona sy ny andro moa dia efa izay izany. Tsy misy bedy tsy misy nenina .

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: MIHAFY
Date: 27 janvier 2017 - 15:16

Mianadahy koa izahay ary tsy mifankahazo fony fahakely , manana toetra tsy manjakazaka sy kamo lahy , kamo be tenda izy , tsy mazoto mianatran be fialonana izy mazava ho azy satria tsy mitovy ny tanjona sy ny vokatry ny fisasaran'ny tsirairay

aty ivelany aho zao izy tsy miasa nefa manajanaka 3, niova be koa ny toetran'ny ray amandreny nony hoe lasa taty aho, miray tsikombakomba le zandriko sy ilay reniko , ny raiko momba dia ohatra ny saribakolin'ny ntaolo , ohatra nasiana lamba ny masony sy ny vavany fa dia izy mianaka no milalao ny baolina

7taona lasa nandefa vola be aho hoe hanganan'i neny projet amin'izay tsy mandefa vola isambolana fa izaho koa mba manana ny fiainako aty , hatramintsika mifampiresaka izao tsy nisy zavatra nitsangana na dia manontany foana aza aho hoe efa mitsangana ve? teny marary sy vazavaza ary teny anavona no azoko, milamina ny saiko fa izaho koa tsy manana vola amin'ny gony atsipy etsy sy eroa,

dada amin'io tsy mahalala ninoninona , nandeha mada izahay tamin'ny erintaona dia sahin'i neny niteny hoe efa lany daholo ilay vola fa 250 000 fmg sisa nanampiany an'ilay zandriko hono , nividianana fitaovana entiny miavoatra , sns naninona raha nitsotra fa afenina ny zava nisy , ny entako sy fananako tafajanona tany nomeny anaovan'ilay zaobaviko, poketra kiraro akanjo sns sy namidiny, nomeko volamena izy namidiny , akanjo ratsy be mahamenatra no nanaovandry zareo nitsenana anay ilay zaobavy aminio scoubidou , oufff , tsy haiko izay dikanizany , mahamenatra

miketoketoka sy manao teny anavona foana neny rehefa manontany zavatra aho, erintaona mialoha nandehananay dago nandeha vola 25 millions fmg aho hanamboarana ny trano fa lazaindry zareo fa mila hianjera ny trano sns , lainga afafy entina azahoana vola no betsaka , trano tsy ampy folo taona ve hirodana , ? tsy nisy voaloko ny tao anatiny fa juste manodidina ny trano no natao vato, endrika tsy falifaly lava no hita teny amin'ny endriki neny olona mahana matahoatra sao hanapoaka zavatra aho, miray complice be izy mianaka dia mifampiaro be sady tsy mba manazava mora fa mitratrevatreva, mampahagaga

fehiny tsy matoky ny anadahiko aho ary tsy mahatoky an'i neny intsony nefa ny projet tiako atao any betsaka, vitandry zareo ny manodina ny volako , mapifidy zavatra sahindry zareo ny mampitombo azy 10 heny , mora kely le miteny hoe lany ny vola , mamorondainga foana hoe marary rakoto sy rabe , rehefa takiana profo dia tezitra be sy manao faranteny ,

mangalatra vola entana sns fony zahay tany tsy mba faly rehefa omena zavatra fa mangarika sy hafahafa , omeo anizao sy zao nefa ianao tsy nahazo na tapikana entana kely akory , ny andry zareo efa ho valizy be 4 zaraina azy mianakavy tsy mahafaly azy , manao location vitany mampitombo , mahamenatra , mahatsiaro irery ny tenako , te hanaganjavatra fa tsy mahasahy , tsy manana havana hitokiana , ny anadahiko aza mahavita manaratsy ahy amin'ny havana rehetra mba tsy ho tia ahy

mikarakara fety aho ilay anadahiko no miantso olona ho avy nefa tsy misy volany miasa ao na ariary aza , mitovy aminizany tamin'ny mariaziko izy no manasa ny havana hoe tongava aty fa betsaka ambintsakafo dia nomeny manoatra izy no tompombola sy tompopety gaga ianao

narary naika maty aho ny 2015 taty , tsy mba nisy niantso ny havako na iray aza, efa mangana tsy nahay niteny intsony aho, nefa rehefa ry zareo any misy sahirana sy marary ianao tsy mahatsindry mandany téléphone , afapo aho fa leo azy mianakavy any , ratsy toetra manoatra ny tsy zoky na zanaka vavy aho fa toy ny olonkafa , mampalahelo

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: RAD mapme
Date: 29 janvier 2017 - 18:21

Rehefa namaky atram vôloun a dia mahita fa faute-ny RAD ny 85% amin'ny ts fifankatiavana misy eo amn mpiray tampo. Io tsis idirany fivavahana sy ny fihavanana fa toe-tsaina novolena tamn fahazazana no mibahana.
Za dia isany victime amn fitaizana diso nataon RAD, za ko mo ts de intelligent lôtra tany ampenarana ka de sahin RAD mintsy ny manabaty anao eo imason'olona.
Le raiko ara nahateny mints tamn za nitendry clavier mba manala sory² alohan mariage oe refa maty izy de anle zokiko io clavier io, ?????, tena marary tokoa ny fo mieritreritra anle izy fa bref, aleo andeh ho azy eny ny fiainana fa ts maints any amnao fôna ireny no hiantefa un jour, ohatra ny zava-mis amiko amzao, iza no nanampo oe aty amiko le zokiko reo no hindram-bola amzao?? Omeko mo fza tsmba mitahiry lolom-po zany fa manjary mitahiry fako maria,

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: nailika
Date: 30 janvier 2017 - 10:21

efa maty ato ampoko> tsy hanome tsiny anao sanatria fa tena mi-comprendre anao à 100% mihitsy , ny vadiko dia niaina zavatra toa anao , ary tsy vitan'izany fa noterena handefitra foana satria zoky , efa 36 taona izy ankehitriny fa mbola averiny foana ny fitondrana mitongilana nataon'ny RAR-niny , na izaho aza tezitra t@ ireo RAR , SAINGY izao kosa efa namela ireo iraitam-po 3 mianadahy aminy izy satria tsy avy @ ireo ny olana fa ny RAR mihitsy no tsy nahay nitaiza , na dia nisy fanararaotana aza nataon'izireo t@ izany , ny andry zareo moa dia mandra-pivoaka hanambady mihitsy ilay resaka.

Za mino fa mbola ho avy ny fotoana hiala ao ampon'ny vadiko ireo alahelo ireo , dia toa izany koa ianao ry efa maty ao am-poko

Marina ny fiainana mitohy fa hafa iany izany mifandray @ mpiraytampo izany na dia an-téléphone fotsiny aza

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: efa maty ato am-poko
Date: 02 février 2017 - 22:48

Hay mbola ato ity sujet ity laugh izao no izy ry nailika a; nandefitr aho nanampy aho fa leo dia naleoko nanapaka ilay fihavanana!tsy nilaza aho fa tsy nalahelo ary nieritreritra elaela vao nandray fanapaha-kevitra !!!mandeha kokoa ny fiainako nifanalavitra tamin'ny iray tam-po ary tsy mandainga aho fa tsy nanenina nandray io décision io! taloha elabe tao an-tsaina ialy hoe fihavanana, fandeferana fa tofoka aho ,natao ho azy ireo koa ireo fiteny ireo .B e ny azo hifandraisana eto an-tany !

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: zana
Date: 13 février 2017 - 13:25

Mianadahy iany izahay, tena mifanakaiky be, na ny vadiny aza toy ny rahavaviko iray tampo tsy nananako no andraisako azy.

Toy ny zanako naterako no fandraisako ny zanak'izy ireo.

Rehefa sahirana izy ireo dia ampiako foana raha mbola afaka ataoko izany , malahelo ary aho raha sendra tsy afaka mamonjy azy ireo amin'ny tena ilainy fa ampahany ihany.

Na ny havana aza hampiako foana raha mbola misy azoko atao, maika ve fa ny iray tampo amiko, tiako daolo ny havako na ireo tsy mahefa ny trosany ary.Na ireo tia fosafosa aza, tsy ahoako izany, za tsy mba sosotra, tsy maka lagy hoy isika.

Mandalo izao fiainana izao ka aleo ahitana fifaliana sy fiadanam-po,

Ny fitahiana sy fanambinana dia avy amin tOMPO, samy ho salama sy ambinina anie isika hitsinjo ireo havantsika sahirana ireo.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: Nandefitra
Date: 18 janvier 2018 - 20:34

MIHAFY>>Tena mampalahelo b zany toe-tsain'ny reninao sy ny anadahinao izany .Tena olona tsy misy saina mihintsy. Zah lhl, ary 3 mianadahy zahay eto France.Nisy fotoana zah tena tsy norahirahian'ireo anabaviko ireo, aman-taonany maro an,nefa zah mba tia mafy an-dry zareo na dia tsy ampisehoako loatra ary zany.Manana havana izahay eto,cousins,cousines,fatena tsy mifampiditra an-trano,hita fa tena mialona ry zareo,satria azo lazaina fa izahay no tonga voalohany teto France,ary ny sasany moa namoaka vava mihintsy nony mba tonga teto fa hoe hifampitady @ zay hono...midika fa efa lonilony hatrany Dago.Mafy anie ny fiainana eto an-tanin'olona eto e,ary tena tsy tsapan'ireo havana tsy tia ireo mihintsy izany.Tsy misy tsara ohatr'izany hoe miray hina izany ny samy mpihavana aty an-tanin'olona aty.Saingy indrisy....hoy foana mamanay hoe...fihavanan'Andriana hono ohatr'izany....bref.D iverenako kely ilay momba ireo anabaviko.Ngamb samy noketoketohan'ny nenina tany izy roa vavy d @ izao manomboka miditra ao amiko.Zah ko tsy nanisy olana,sady faly zah fa tsy asehoko mihintsy.Nanontany ny vadiko foana zah hoe fa inona kay ny fahadisoako eee.Tena ilaina ny firaisan-kina @ samy mpiray tampo fa tsy misy mahavita tena irery zany.Indrindra rhf tsapanao fa manomboka mihamahazo taona ianao fa tena hitanao fa ilainao mihintsy i razoky sy razandry.Marina eee.Mifankatiava ry zareo fa fohy anie ty fiainana ty e.Izay Euros kely mba miditra isam-bolana iny v no handravana fihavanana.

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: efa maty am-poko hatry ny ela
Date: 24 janvier 2018 - 22:02

mandalo ny fiainana , izay mihitsy fa ny ahy ny fiainako tsy laniako andro amin'izay iray tam-po tsy tia ahy !mandroso kokoa ny fiainako sy ny vady ama-janako tsy mieritreritra azy ireo!

Options: Répondre
Re: Ianareo ve mba akaiky amin'ny mpiray tampo aminareo ?
Par: Mifampiafaafa
Date: 15 février 2018 - 11:39

Bnjr. Izahay 3 mianadah d za no farany. N zokiko vavy izay zokiko 10 taona mifandray tsara amiko b. Fa n zokiko lahy kosa tena tsy ba miresaka amiki zany mits, 8 taona no elanelanay. Izy ts mba mahazo anontanina nininona zan mitsy fa vo ba mantani azy d kizitina b izy mamaly, mitrerotrerona b refa miresaka , tena mapataotra b mitsy. N vadiny sy ny zanany ary ny havambadiny (valiny) anefa ts ba ataony anzany fa zahay 2 vavy iray tampo aminy ts tiny mits. Aminio izy mpampianatra eny @ ambaratonga faharoa, fa ny toetrany otrinreny biby rombotra reny fona. Tena mapalaelo mits kanefa izy ko ts ba azo tenenina zany, ts azo ahitsy fa ze tiny iany no ataony. D mijanona amzao zay ko.
Vehivavy no manoratra.

Options: Répondre


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg