Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Humour et Insolite
Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Akama
Date: 02 juin 2016 - 13:01

Mahita ankizy milalao za eto ampitan'ny trano isakafoanako zao dia mahatsiaro ny adaladalana kely natao taloha.
Ireto ary ny sasantsasany:
- fangalarana paison'olona nefa ilay izy tsy mbola masaka tsara akory fa milay e
- manao jeu de kapoaka dia lasa miafina any an-trano dia tsy mivoaka intsony
- rehefa 25 juin hariva, ny ankizy mitondra arendrina fa zahay boay kely mitondra petrole atao anaty flacon kely dia migafy mandoro ny an'ny sasany
- mangalatra tavoahangy vide anaty cageot dia averina amidy ao amin'ilay mpivarotra nangalarana iny ihany,...

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Zefa
Date: 02 juin 2016 - 19:56

Za efa nangalatra carreaux teo @ mpivaro-kenam-panjakana teo Andravoahangy tamin'ny za 15-16 taona. Mitondra pince na vy maranitra hisokirana azy. Tamin'izany mantsy rehefa manao "joueur" ka resy dia mifamaky joueur ny mpifanandrina dia mitady carreaux indray hanamboarana vaovao. Mampalahelo fa tsy hain'ny ankizy ankehitriny intsony izany kilalao izany

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: mpanisy sira
Date: 04 juin 2016 - 17:00

Ny ana ndray d ny migafy no tena hitako tamiko t@zany
- Refa manao tsikonona ny ankizy d vao mitodika zareod avy za @ sira feno sachet, ataoko ao anaty vilany kely ao zay azoko alefa ao, be sira be ny sakafon'ny ankizy avy eo, fa ny loza d nisy ankizivavy zay niara nianatra tamiko, izy hipetraka iny no nandrasako t@ stylo avy ao ambany, loza fa tafoditra tany aorina mihintsy lay stylo, bedy be za, nisy koa nangalatra chouchoute fa saika maty, za eo ampanapahana taon'ny chouchoute iny no nirodana lay tamboho teo amboniko, somary antsana zay lay toerana d lay tamboho nihoatra ny lohako izy nirodana iny no tsy nahafaty ana, raha nigorisa lay tamboho fa tsy somary niantoraka d zay no vita

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Lanto
Date: 07 juin 2016 - 09:45

za mpangalatra chocolat sy biscuit tao @ SOLOPRIX Andravoahangy taloha. Maka za dia hohaniko ao anatiny ao ihany, mody miodikodina mijery entana nefa sady mibosesika mihinana chocolat sy biscuit ihany koa dia ariana eny @ rayon ny fonony avy eo. Fa ny loza dia ity: niaraka za sy ny cousine-ko satria notantaraiko azy ilay adalana fanaoko dia mba te hanandrana izy kinanjo tratra izahay. Zahay @ io tsy mbola manana CIN akory, fa nosazian-dry zareo nanasa ny blouse fotsin'ny mpiasa teny @ boucherie sy charcuterie zahay roa vao nahazo nandeha. T@ 10h maraina teo ho izany no niseho fa efa t@ 15h tany ho any vao afaka tao. Tsy maintsy nolazaina ny tany an-trano ny zavatra nanjo anay satria efa ni-panique ny iray tanàna hoe tsy hita izahay roa

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Akama
Date: 09 juin 2016 - 15:50

Tamin'ny andron'ny 2è republique dia henjana be ny filaharana vary, amin'ny 12 alina na amin'ny 1 maraina dia efa mifoha mandeha mandahatra harona na carnet. Izay carnet tonga farany no mipetraka ambony indrindra dia iny no avadik'ilay mpivarotra rehefa tonga ny fotoana hizarana ny vary. Nisy fotoana za efa tamin'ny 5 maraina vao tonga handahatra carnet,visty olona teo t@ izay, ny eo anefa efa matevina be mihitsy (70 carnets eo ho eo), fa tonga dia natsofoko tany ampovoany tany ny carnet-ako. Fa nony nandeha ny fiantsoana anarana hizara vary dia mba afaka alohaloha ihany za t@ izay.
Fa efa nisy fotoana ihany koa tonga dia tsy hita izay nanjavonan'ny carnet rehetra, nisy nigafy tonga dia dila daholo ny teo fa sahotaka sy fifanosehana nandritra ny fizarana satria tsy nanaiky ireo very carnet raha tsy nahazo.

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: zilipin
Date: 06 juillet 2016 - 00:49

Par: Zefa
Date: 02 juin 2016 - 19:56
»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»»
Hay ve ianareo mba nanao tahaka anay koa ê...izaho indray tao amin'ny ESCA tao Antanimena ,niaraka tamin'ilay cousin-ko izay no nagalatra carreaus hanaovana Joueur...
Fa nifanenjehan'ilay gardien komoriana izay..hihihih

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: $ongomby
Date: 06 juillet 2016 - 07:28

Bedy dia nasaina natory tany an-davarangana/ Tsy niasa saina mihitsy fa dia namboarina natao milay tsara ny kidoro sy ny lamba. Nalahelo ihany ny rar ka t@ 22h00 tany dia efa notairina nasaina namonjy fandriana. Kamo be namonjy fandriana fa nilay be le teo an-davarangana. Aventure kely favy be.

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Akama
Date: 07 juillet 2016 - 14:33

Ity halatra fanaonay boay kely taloha. Mangalatra dinty bonbon tao @ Socobis Mascar Andravoahangy. Ny barika misy ireny dinty bonbon ireny dia stocké ao anelanelen'ny usine sy ny tamboho, mi-saute tamboho izahay dia sokafanay @ burin sy marteau ilay lavaka kely mandeha pas de vis iny dia atsofoka eo ny hazo lavalava, ahodinkodina mba hiraikitra tsara @ ilay hazo ilay dinty.
Rehefa tonga any an-tanàna (Anjanahary) dia ifampizarana @ ankizy rehetra eo an-tanàna izay azo. Fa izahay kosa aloha tsy manao an'izany matetika fa indray mandeha isam-bolana eo ho eo raha be indrindra.
Efa nisy ankizy avy hafa mipetraka Andravoahangy, Mahavoky, Mandialaza efa tratran'ilay komorianina gardien tao fa sahirana vao navotsotr'i lery

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: The Rock
Date: 13 juillet 2016 - 12:18

Sambany nahazo famanataran'ora dia tsy andry mihitsy izay olona mba manontany ora eny an-dàlana, hahahah (9 taona teo t@ izany).
Ny loza dia ity: adino matetika ny maka azy rehefa manasa-tànana na mandro dia maty foana ilay izy dia bedy hoe tsy mahay mitandrina.

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: issah
Date: 20 juillet 2016 - 10:49

Zah tonga de mpangala tsonian' dadanay tam zah tan am lycéé, voaroak mody ref tara de mil sonian RR fa eo ian ia de mverin eh!


tam zany ko ah nanana carnet de correspondance anaky roa de ny iray ditra de ny iray fivorian FRAM! Afaka be tamzany sad libre b!ditraditra kely eh

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Padrouga
Date: 21 juillet 2016 - 15:31

Mahafinaritra ahy ny mamaky an'ity thème ty fa ohatra ny olona iray génération amiko daholo.
Izaho indray manao an'ireny mitaingin-tamboho ireny dia rehefa mandalo irony mpivarotra voankazo miloloha sobika ireny dia angalarina ny entany.
Tamin'ireny mpivarotra kely ireny indray dia mody manontany na mividy zavatra any ambadika any dia alaina ny zvatra eo @ devant. adala an !!!
Nony efa lehibebe indray dia fenoina ho plein ny emploi du temps mba ahafahana manao basket ao @ Esca na Xavier

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: mihanta
Date: 12 août 2016 - 09:03

Ndriiiy zan ditratsika e!!!!
Ny anah ndray t@ zah 4em de iray dablio t@ ankizy maditra indrindra tao ampianarana sady efa lehibe izy, nisava devoir ny prof de malagasy de mbola tsy tonga teo @ toronay de nasiako sonian'ilay prof ny cahier-ny t@ izy nitodika tany an-kafa iny. Rehefa tonga teo @nay @ zay tonga dia ilay signature no itan'ilay prof fa tonga bedy be izy sady tsy nanaiky ilay mpampianatra no voasazy, notambazan'ilay ankizy vola sy zavatra izy de avieo lasa mpinamana be ry zareo, zah @ io mody mba gaga koa sady tsy nisy nanampo fa zah anisan'ny kely indrindra tao ampianarana. Efa nananjanaka zah vao nasahy nitantara.
Taloha koa rehefa irahina de milentika any,rehefa hody @ zay de manisy ravi-maintso ao ambany lela fa hoe tsy mahabedy,inona koa no teo bedy foana hihihihi.

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Akama
Date: 12 septembre 2016 - 16:58

Tena mitovy generation marina isika eto izany. Ity koa anisan'ny ditra nataonay (mpinamana maromaro), manodidina ny 15 sy 16 taona t@ izany. Taloha nisy ireny mpivarotra bozaka fanao kidoro ireny mandehandeha mitety fokontany. Mololo o! mololo o ! Dia arahinay avy ao aoriana dia doranay @ afokasoka ilay rouleau be iny fa midedaka vetivety, zahay @ io efa tafaporitsaka mitsoaka.
Taloha koa nisy ireny PM ireny (police municipale manao casque fotsy ireny raha tadidinareo) mandeha camion be, dia rehefa mandalo eo an-tanananay dia anaovanay ilay sioka "kely sakafo o!" fa misy manompa mihitsy ry zalahy saingy tsy afaka mijanona satria ilay camion mandeha foana.
T@ izany fotoana izany koa nalaza ny fampiasana laigomaimbo lay kosehina ambany estrade n'ny prof fa tsy misy fianarana vanona @ ilay fofona.

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: zahako
Date: 26 octobre 2016 - 17:51

ny anay ndray halatra paiso nefa le tanana misy alika be
mizara roa ny ekipa
ny sasany manadala le alika ary @ fefy ambadika sady mifamaly @ tompon trano
ny sasany mihanika tamboho maka paiso @ harona
falifaly dia omena hatrami ny rad
mahafinaritra e

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: aona ny famoronana sujet
Date: 27 octobre 2016 - 15:37

fa aona mo ry zareo ny atoa ra te amorona sujet (oatra hoe Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana,, sns reny)

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Akama
Date: 28 octobre 2016 - 14:50

Misaotra anareo mbola nanohy ilay sujet, noheveriko ho efa voafafa tany ho any izy ity.
Ilay fangalarana voankazo kosa aloha anisan'ny ditraditra tena nahafinaitra ana e. Zahay efa nahavita nandeha nangalatra voaloboka tany @ frère Soavimbahoaka, zahay anefa tany Ambohitrarahaba no nipetraka t@ izany.

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: jeni moov
Date: 01 novembre 2016 - 17:27

afs< Erii ambony érii misy hoe Option/nouveau sujet. up

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: potserina
Date: 02 novembre 2016 - 09:55

potsipotsera le sonnerie an trano olona de tonga de mitsaoka be avy eo

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: papelika
Date: 02 novembre 2016 - 12:59

àry ahona ilay izao :

matory daholo ny bandy kely manao vacances, d misy mijaikojaiko mande any andakozia maka sakay

d asina ranon-tsakay ny vavany zay matory d milela-molotra d taitra be amin'ilay main'ny sakay ilay matory

d ilay nanisy sakay mody miesona be

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: zefakely
Date: 10 novembre 2016 - 10:41

mpianatra teny@julf.heure creuse de tsy misy carte holalaovina. de misy spin mpianatr'i lycée galieni nandalo.lasa izahay mbady rrhetra efa ho 15 eo nilahatra tsirairay avy aoriany.somary nandositra le spin fa narahanay foana art n'y farany aza hitanay lokin'n'y hrhy irery izy. variana daholo ze nahita. revy
daholo izany

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: rom
Date: 11 novembre 2016 - 08:27

Tena za lety nandray anjara tamin'io filaharana io à! Fa iza elah io? Milay letsy n'y tevintsika t@ ireny à

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: tete
Date: 11 novembre 2016 - 08:37

revy mapme ko zany

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: paiso
Date: 11 novembre 2016 - 08:58

rakem ity ra tadidin'lisany. Ary ahoana indray le paisondradirektrisy nosintonina nakao @ salle 14! Tsy maty aoantsaiko mintsy le ranjondradiry no tazana de lazain-dru zalah fa solafa io mijerijery io.
Tsy adino ireny .Mba tongava refa misy le fivorin maintmolal Julf e!

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Ramanonaka
Date: 04 décembre 2016 - 11:32

Taloha nisy mpivarotra ramanonaka ireny mandalo ny tananay isan'andro dia ra vao tazana lavitra dia misy tamboho kely izay dia Tonga dia miakatra eo miandry azy dia Tonga dia maka fa ilay izy mantsy lolohaviny am plat d Faly ery mihinana an'ilay izy ka taty aoriana mety fantany hoe tsy ampy foana angamba kanjo tratrany tamin' aloka ilay tanana naka avy eo ambony tamboho fa fitsambikinana avy eny ambony tamboho otra tsy teo sady natahotra be

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: frime
Date: 05 décembre 2016 - 01:02

Handeha ho any am-piangonana fa hianatra hira sy tsianjery ny fety krismasy ny rehetra , nanao fanahy niana mihintsy mandalo amin'ilay antsana kely izay fa feno paiso ao anatiny ao . Nihanika daholo ny lehibe sy kely ,ny tena kely indrindra manangona @ satroka izay ahintsana satria dia nozongozonina mihintsy ilay vatankazo . Nisy ramatoa nanatona , mampianatra hira sy tsianjery ao am-piangonana ihany koa , ary ho any koa izy amin'io fotoana io , "o rankizy a, mba andao amin'izay fa taraiky be indray vao mody raha ilaozanareo maka paiso eo !!!" hoy izy , de hoy izahay hoe , ho avy fa 'mandehana tonga dia mandeha e! f'angaha ianao tsy haka ............nony ampisto nantsoin'ny dadanay izahay rehetra , io eny ilay ramatoa , nifanatrika taminay , hay kay an'ilay ramatoa ilay paiso rehetra fa tsy te higidragidra izy fa handeha ho any am-piangonana !!!fa bedy , bedy , bedy tsisy ohatr'izany sady noteren'ny dadanay nifona tamin'ilay ramatoa hoe tsy hanao intsony , zava-doza !!

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: The Rock
Date: 26 janvier 2017 - 17:40

Akama <<< Tena adalàna b nen'làh, ary tonga saina aho fa ny zanako zao manomboka tafiditra @le taona manao betise! Everin zalah fa tena exploit mihts le izy

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: ZA ZANY
Date: 16 mars 2017 - 16:18

Rehfa hariva maizimaizina iny dia makeny an-tsena mody manontany zavatra hovidiana sady mangalatra moknazy n'ilay mpivarotra ihany ,tonga dia raofina amin'ny tanana, maromaro no miaraka
Ilay hirahana mividy zavatra dia mba tsy ho adino ilay zavtra hovidiana, dia avermberina foana mandra-pahatonga any @ ilay mpivarotra, ohatra hoe pile wonder, pile wonder, dia izay foana mandraphatonga any @ ilay mpivarotra,hoe pile wonder , pile wonder , mampiomehy mihitsy .
Asaina manao botte de pluie rehfa handeha honatra fa avy ny orana dia menatra hanao ilay izy dia hafenina eo an-tokotany rehefa tfavoaka ny trano dia lasa ami'izao madeha mianatra dia hatsofoka indray ilay botte rehefa tonga dia oahtra y hoe nanao ihany.
Ity no tna nampiomehy , ilay tratran'ny orana avy mianatra dia te hipipy , dia alefa eny ny pipy fa hoe tsy misy mahafantatra hoe nipipy an-kilaoty , dia lenan'ny orana eny ny akanjo sady lenan'ny pipy ihany , faly ery amin'izany , hahaha!

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: hafakely
Date: 24 avril 2017 - 11:28

ny ahy ity hafakely sady mapihomehy rah tataraina
16 ans ah tamin'izay.Fombanay sady fialamboly mihitsy indray ny anay ilay manapika compteur n'ol mibanaka ety ivelany ireny.Indray andro,Avy nanafika basket tany sab-nam ah hody any alarobia dia nande tongotra avy eo analamahitsy fa tsy ampy ny frais.Nefa avy be ny orana.dia nialoka teo amina pivarotra izay no sendra nisy compteur teo satria ambany tohatra ilay nialofanay,raha izaho andeh hanapika an'ilay compteur iny mihitsy no nirefotra tampoka ilay izy.Asa na nentin'ny tahotra ah, na napitikn courant fa tonga dia nihemotra teo amin'ilay rindrina ampita ka raha tsy nisy an'ilay sipa izay dia niakapoka.dia lasa ninamana zahay dia IO sipa io moa amin'izao lasa vadiko .
hafa kely a

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: nanenjika
Date: 14 mai 2017 - 07:35

Tany Ambanivohitra t@ izany d namono akoho. Nirahana hisambotra an'ilay akoho ho vonoina aho sy cousin satria miliba eny antsaha eny ny akoho. Tafaditra tao @ilay fefikely fanahazan'i Dadamonjy(mpiray tanana) ireo vilany sy vazy tanimanga (alohan'ny handorana azy) ilay akoho. Notorahanay d ilay vazy no voa ka vaky ny iray. D hoe atao ahoana io fa bedy @ io, d tapaka ny hevtra fa ef vaky ihany ny iray fa aleo vakina daholo izy rehetra amam-polony2 d faly ery zahay mamaky azy...
D nisy fety tao @fianakavina d namono kisoa d nanenjika ilay kisoa ho vonona koa fa ohatran'ireny mihaza lambo dia ireny zahay satria nanamboatra tsolo na lefona vita @ bamboa sy hazo ary fafinaretana ho anay ery no manoraka an'iny mitsatoka eny @ vatan'ilay kisoa ary feno ratra ilay kisoa mandrampahazoana azy. Fahazazana izany!

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: errrriicc
Date: 14 mai 2017 - 15:54

- Nenay tena ditra , teny amin CEG, MANGERY eo ambony latabatra prof,

- teny ami lycee, miaraka mangetotra ny iray fianarana, nietsika ny asthme ilay prof malagasy,
napiakatra rar daholo,

- tratra miteny ratsy eo ampanovana belote proviseur kay efa ao arian ao , de vomaika tsy rarainay sady itsahanay mafy be ny tongony,

- mody mikorotona refa mathematique, tezitr le prof de oe, ze tsy hianatra ndana mivoka de lasa daholo mivoka , 1/60 ny math tan am bacc, double soa amantsara, ...

- mifapilalao sexe ao ampianarana mu tsy lazaina intsuny,

- misy tena nanao totohondry prof de gym mitsy,

- tratra mi saute tamboho sady mbola miaraka amin sigara de mbola lery ndray mbetroka le surveillant,

- ny ankizy milahatra tsara daholo ny maraina iny le bandy akama manivaka be eo ampivon tokotany eo alohany mpapianatra rehetra tsy misy tahotra mihitsy,lasa oe jonjorombona no anaran lery, io ilay JONJON malaza ato amin moov

- farany mo de norovitin proviseur daholo ny dossier anay bandy 15 teo nefa farany fanateran dossier erinandro sisa, mba nanaoro ihany nefa izy oue manova dossier vavao de aterina eny amii office du bacc de candidat libre lisany

- maty ra proviseur eritaona tat aorina. maty ko i proviseur adjoint kelikely avy teo,P.A mo no fiantso azy, Ini p.a iny p.a ozy ny akizy, tonga izy sady tztra pa pa pa peako eo lah

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: datoamzao
Date: 17 mai 2017 - 07:31

Akama< tena mba nitovy mitsy ny ditra nataotsika taloha zany an!

raha manao kajikajy zaho dia mananika ny 40 à 50 ans daholo ny olona mitatara eto aminizao 2017.

ny zava-niainana taloa taminy androny ratsiraka no tena niainana e!

zahay taloha tia mamaky ireny boky benandro sy koditra reny, de manao andiany makeo aminilay piavarotra boky, dia ny sasany mody mijery ny sasany milaiso!

dia fanaonay koa ny mangalatra carreaux; hanaovana joueur, na sceaux dia dorana ataoa anaty kapoaka!

refa arendrina da mitondra petrol dia tifirina amininy ireny arendrin ankizy reny!

ny fangalarana sonia prof sy fingitrihina moa tsy lazaina tsony e!

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: nenandray
Date: 17 mai 2017 - 10:22

Nenay indray ilay voatavon'olona efa ngezabe ireny lavahanay ataonay poakaty, ny tena nampihomehy dia tratra izahay dia mbola namaly ihany, sady mitabataba @nay ilay tompony no voafingan'ilay voatavo iray nafeninay tao anaty lobolobo.

Tsy afaka namaly intsony fa tratra ambody voatavo!!!!

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: fanazavana
Date: 23 juin 2017 - 14:03

Mbola tena zaza t@ izany 10 na 12 taona teo, niverina avy nanao baolina tany Toamasina, mandalo vao mangirandratsy teo Antsampanana, nanantona mpivarotra laodisia, nanontany in-3 tsisy namaly, nobatainay sy cousin ny laodisia 3 garaba, dedakabe nitantara avieo fa nahazo maimaimpoana norahonan'ny bandy lehibe avieo fa ho lo tsinay raha mihinana an'io eo, tsy sahy za sy cousin fa lanindry zalahy daholo ilay izy.

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Emma32
Date: 05 juillet 2017 - 10:08

Tam classe de 6ème 5ème tany mbola mpianatra esca d rehefa atoandro d mangalatra ao am conquête foana. Tao ampenarana ihany d mangalatra boky ao am bibliothèque d mody hoe marary kibo b nefa afenina ao anaty akanjo lay boky lol.

Nisy fotoana koa tam 10 ans angamba tsy tadidiko, dia misy zaoridira tsy lavitra ny tranon'i bebe anay d misy anlay 4mi reny eo d omen'i bebe anay bonbon foana rehefa mandalo izy, fa lasa koa zay nintsimpona fako sy nangataka teo nony nandalo izy fa daroka no azonay.

Izahay koa taloha mpilalao anaty tsikafona fa nisy fotoana za tratran'i tantine anay (dokotera) tonga d natao vaksiny teo no eo.

Fombanay koa ny manapotika taratasy d lokoina am gouaches reny d atao otran'ny pôzina c.a.c.a d apetraka eo ambony latabatra fihinanana, voadaroka ndray koa tamzay.

Dia farany, mandevina biby velona anaty boîte afokasoka (iny ndray tsy tena hoe bétise fa mba fahatsiarovana kely).

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: mandre
Date: 05 juillet 2017 - 12:40

Mangalatra bonbons sy siligôma tao @ Prisunic Antaninarenina taloha: ilay taty ambany, mandalo @ ilay rayon dia ankinina eo ny harona dia arotsaka ao ny azo rehetra, dia mody mitondra 1 na 2 eny @ caisse - 5fmg ny 1 t@ zany no aloha nefa ny butin efa any @ 1000fmg any - indrindra ilay chocolat misy toaka ao anatiny (20fmg ny 1) mahazo bdb fa mamomamo kely mihitsy mody (~11ans)

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: prom
Date: 07 août 2017 - 21:48

Le mikosoka laingomaimbo anaty bus n°6 mitsy no tena gravy ary tsy atao raha tsy akaiky hiala de asina rora kely;de midongy tsy mandoa frais tsotra zao ko

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: tambanivohitra
Date: 09 août 2017 - 04:47

Izahay niaina tany ambanivohitra nandritra ny fahazazana sy ny adolescence saingy nianatra . Efa 18 taona aho vao nipetraka tao Antananarivo.

Tena maro ny hadalana vita t@ izany :
- Tsy nangalatra voankazo satria feno voankazo maniry ny tampon-tanety
- Misambotra akohon'olona sendra mandalo eo an-tokontaninay : fatorana tady ny tongony ilany dia ahodinkodina toy nyh helice avy eo lacher-na dia manidina ilay akoho alohan'ny hitontonany dia avy eo mi-déambuler toy ny mamo. in-4 angamba natao an'io ilay akoho ka farany niongana ary maty. Avy eo nofonosina t@ sachet dia nalevina à 50 cm anaty tany. Mbola nofongarina indray afaka 2 semaine nojerena hoe nanao ahoana ilay decomposition
- Manana fantsakana (Puits) 20m ambanin'ny tany sy 90 cm de diamètre izahay dia milalao eo matetika izahay sady mantsaka rano ihany. Latsaka par accident tany anaty puits tany ny seau sy ny tady fisintonan-drano. Ny lehibe indrindra taminay vao 16 taona fotsiny. Tsy misy sahy midina ao anaty fantsakana fa lasa naka taretra natohitohy dia nasiana support-na pot de fleur hahafahana misintona izay ao anatiny ao. Tapaka koa ilay taretra sy ilay support-na pot de fleur. Tonga ilay namanay zokiny indrindra (16 taona) dia lasa lery nanao sikidy nanoko vato kely maromaro teo de niantso razana, tendrombohitra 12, sns...

Nanao tady taretra iray hafa indray izahay dia naka support de pot de fleur iray hafa dia nampidinina tany, nony kelikely dia nosintonina ka navesatra be, nosintoninay 5 lahy moramora ary dia tafakatra daholo indray miaraka na ilay seau, na ilay tady, na ilay taretra voalohany na ny support de pot de fleur.

Izaho sy ny zokiko 2 lahy tsy sahy nitantara io zava-nitranga io t@ papanay sy mamanay fa ireo 2 lahy hafa namanay hendratrendratra be nony nody tany @ ray aman-dreniny dia nibaradaka nitantara. Tsy niresaka t@ ray amandreninay kosa aloha ireo olona ireo fa taminay izy no niteny hoe "ataovin'lisany ihany fa mbola hahazo loza ao lisany"

- mbola izahay 5 lahy ireo koa, miaraka @ bandy mpiray tanana rehefa 25 juin alina dia mandeha kalesa @ route nationale. Misy pente izay + de 1km de long dia @ iny izahay no manao double sady misy arendrina mirehitra eny ambony kalesa.


@ izao fotoana izao izahay 5 lahy miparitaka be :
- ilay zokiny indrindra nanao sikidy lasa dokotera,
- ny rahalahiny lasa miaramila
- ny zokiko iray any frantsa any
- ny iray hafa ao Madagasikara ao
- izaho aty @ kaontinanta amerikanina aty

efa 35 taona lasa izany tantara izany

Options: Répondre
Re: Adalana , ditra, hafetsena, gafigafy ,...tamin'ny fahazazana
Par: Vony
Date: 10 novembre 2017 - 09:01

Mpianatra tao amin'ny Lycée iray izahay. Somary mitsofoka izay ny lalana mankany, ary akaikikaiky eo misy Gare Routière. Maka taxi eo amin'ny Gare Routière izahay, mody hoe haka mpianatra marary ao amin'ny Lycée fa ho aterina any amin'ny hopitaly. Dia mitaingina hatreo ambavahady, dia asaina miandry eo ilay taxi fa haka ilay mpianatra. Miditra izahay dia misaoty tamboho mivoaka avy eo. Tazaninay ery alavitra ilay taxi sasa-miandry eo. Tsy maharitra fa lasa manontany ao anatiny hoe aiza ihany ilay marary, fa tsy misy an'izany hoy ny gardien. Sosotra be lasa mirintona, izahay toran'ny hehy.

Options: Répondre


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg