Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Travail et étude
Aller à la page: 12Suivante
Page: 1 sur 2
Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Lord Johnson
Date: 18 janvier 2017 - 15:51

Salama,

Ilay business resahako tsy ilay resaka hoe bizina araky ny fihevitry ny sasany fa tena business arak'izay amin'ny teny anglisy mihintsy. Izany hoe resaka entrepreunariat ara-dalàna.

Marina isika fa miteny hoe tsy misy azo atao mihintsy eto, nefa raha mandinika dia jereo ny sinoa sy karana tonga eto mahavita business tafa foana. Ka nahoana isika malagasy no tsy mba manao koa fa lasa hitady asa foana izay tsy mora.

Marina fa hisy hiteny izao hoe izaho ve manana idée tsara dia ho ataoko eto. Tsy diso aloha fa sao kosa dia tsy vitanao dia mba zarazarao.

Hizara an'izay hevitro aho:

1- Resaka sakafo aloha mandeha foana raha tena atao matotra: restauration, gargotte, sns. Mbola maro no azo atao eto sady ny olona mihinana foana. Jereo i Chef Mbinina raha tsy tafa be.

2- Resaka fiompiana, poulet de chair, pondeuse izay tsy fantako tsara intsony aloha raha mbola tena mandeha na tsia. Omby raha misy toerana lehibe, fa eo koa fiompiana trondro izay hitako tsy mbola be mpanao raha hoarina amin'ny besoins.

3- Resaka collecte sy exportation produits locaux tena tsara be koa fa mila mahita mpandray, ohatra hoe: poivre, girofle, tsaramaso, ...

4- Resaka patisserie, tsy aiko tsara hoe mbola mande be ve

5- Resaka service de nettoyage lamba low cost izao hotran'ny tsy dia misy.

6-

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: hilou
Date: 18 janvier 2017 - 18:45

6- ny famoahana vokatra koa tena mandeha be mihintsy fa discrets be matetika ny olona manao an'ireny. na vary na katsaka na zavatra hafa.

7- Resaka mobile money. Raha mahita toerana be olona dia tena mandeha be io. mazava ho azy, na inona na inona business atao dia mila mi assurer ny resaka sécurité foana

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Lord Johnson
Date: 19 janvier 2017 - 07:40

8- Manangana antokom-pivavahana. Manomboka miroaroa saina ny malagasy ka mora ampidirina @ resaka finoana. Mila mahay mandresy lahatra azy handrotsaka rakitra sy ampahafolon-karena fotsiny.

9- Mi-spons fitondrana dia ny takalony mahazo marchés publiques sady maro no be marges.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: WinTV
Date: 19 janvier 2017 - 08:46

Lord Johnson>>>> risque be ilay N°9 satria rehefa miongana ry zalahy dia ataon'izay mpitondra vaovao manifatiny ianao. Jereo ireo mpitondra taloha samborina sns. Fa ny mety dia mahazo marché dia miala avy eo rehefa mitady hilentika ny sambo.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Doda,
Date: 19 janvier 2017 - 22:18

Ra Lord

Ho tohizana kely ary ilay resakao...raha tebna te hanao zavatra

3 - Raisiko ny fiompiana trondro

Lafiny famokarana :

Iza no hiompy ny trondro sy hikarakara ny fahitra.

Mila mamorona dobo lehibe artifisialy izany ianao : izany hoe mila manana tany tsy dia lavitra rano , mila manamboatra "canalisation" hitanterana ny rano raha sendra main-tany...raha tsy tiana ho ritra vetivety ny dobo.

Mila manomana sakafo maharitra ho an'ireo trondro ompiana , mandrapahalehibe azy ireo.

Mila manomana fitanterana toy ny kamiô mitahiry hatsiaka hitazonana ny "chaîne de froid" , raha tsy izany dia masiso ny trondro ka tsy hisy hividy rehefa tonga any amin'ny shoprite sns...

Lafiny varotra :

Mila manantona ireo mpividy ambogadiny mamelabelatra aminy ny famokarana tianao hatao...ny antoka homenao azy fa tsy ho tapaka trondro avy any aminao ny "étalage" misy ao aminy.
Mila manome toky azy, amin'ny asa fa tsy amin'ny vava ihany koa ianao, fa tsara sy tsy mankarary ny kalitaon'ny trondro ammidinao...azonao atao ohatra ny mampiseho azy ny karazan-tsakafo omenao ny trondronao.
Mila manome toky azy ianao fa tsy hisy "rupture d'approvisionnement" amin'ireo trondro , ka sao dia izy indray no sahirana mivarotra zavatra tsy misy...

Lafiny masonkarena sy tombom-barotra
Mila mamisavisa ianao hoe ohatrinona ny totalin'ny mason-karenanao rehefa atambatra ireo rehetra ireo, ka zarazaraina amin'ny haben'ny trondro inoanao fa ho vokarinao maharitra
...izay no hamaritanao izay vidiny tokony hivarotanao ny trondronao

...mila ampitahainao amin'ny vidin'ny trondro efa misy eo antsena ny vidiny tokony hivarotanao ny anao...

...Mbola maro ny mety hadinoko, fa rehefa voafehinao ireo ohatra vitsivitsy ireo dia...welcome to the real business !

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Lord Johnson
Date: 20 janvier 2017 - 14:20

Salama,

Misy mangalatra pseudo, fa tsy izaho ilay manome hevitra resaka antokom-pivavahana sy spons fitondrana io.


@ Doda, marina ny anao fa izany mila jerena daholo. Ny tena marina io resaka fiompiana trondro io dia efa hitako misy sinoa manao an'io any amin'iny faritra atsinanana iny dia exportena ny anazy avy eo. Fa izany hoe hatreo ihany no zavatra fantako mazava hoazy ny anazy efa misy mpandray any ivelany.

Ny zavatra fantako aloha raha misy fond betsaka ihany no zavatra azo atao izany hoe misy risque koa nefa mety handeha be koa. Eo no sarotra eto satria enao raha hihindrana vola hi-financena projet, be loatra ny intérêt nefa ny risque ambony ka any ka vitsy no sahy miroboka amin'ny resaka fandraharana.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Doda,
Date: 20 janvier 2017 - 20:18

Lord,

Ka izay indrindra no manamarina ny zavatra lazaiko.

Izy anie alohan'ny hitrandraka ny trondronao dia efa eo ny mpiara-manao afera aminy any chine na toeran-kafa efa vonona handray ny vokatra.

Ny sambo mpitondra koa ny azy efa sambo voatokana mitahiry hatsiaka, na azo asiana ranomasina kely rehefa mitady ho maina

Ny mpiasa efa eny antsambo no mandrasa sy mikarakara ny trondro

Afaka manondrana be dia be izy raha miohatra aminao, noho izany dia azony atao ny mivarotra azy amin'ny vidiny tsy hahafaty antoka azy.


Izay ny fanazavàna ara-teknika sy ekonomika ny mampandeha ny aferany !

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Doda,
Date: 20 janvier 2017 - 20:21

Ilay resaka hoe mila vola dia marina...saingy tsy ampy !

Tsy ny vola ihany no ilaina fa ny fahaiza-mitantana izay eo ampelan-tanana ihany koa.

Rehefa mirafitra tsara ny tetik'asa tiana hatao dia matetika mora ahitàna famatsiana.

Raha ianao tompony indray no tsy matoky izay hataonao, banky iza no handeha haka risika amin'izany...raha tsy hoe ny zana-bola angaha no hataony mihoampampana.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: tsivika
Date: 26 janvier 2017 - 12:45

10 - photographe pro ko mande amin zao
11 - location drone
12 - salle de jeux (play station)
13 - cyber game(jeux en ligne) fa mila connexion matanjaka fibre mazava ho azy
14 - Resaka seminaire developpement personnel zao tsy misy manao mitsy nefa ny ankabeazany tsika mila an zany mitsy , izay efa ataon reo fiangonana sasatsasany, resaka developpement personnel fotsiny no ao d mody arahina tenin A/tra...

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Bowling
Date: 26 janvier 2017 - 12:52

Misy bowling ve any dago?

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: tsivika
Date: 26 janvier 2017 - 13:13

tsaiko ndray ra misy an zany aty na tsia

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: soso
Date: 26 janvier 2017 - 13:37

Betsaka ny azo atao fa ny tena izy koa dia mila miataka ny renivohitra, amin'ireny faritra betsaka manorina trano vaovao ireny dia mila manao étude de marché tsara.

raha lavitra ny renivohitra izao dia mbola mety tsara ireto

- atelier réparation ordi, tél, appareil photo,sns...
- cyber
- miompy kisoa dia ianao ihany no mivarotra ny hena, izany hoe manana tsenakely
- ny akoho gasy koa mety, dia atao manaram-penitra tsara ireo fiompiana ireo dia mila manao formation mihitsy momban'ny aretina.

- raha misy fond tsara dia salle de sport, crèche , garderie

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: soso
Date: 26 janvier 2017 - 13:43

ny bowling asa na efa misy eto na tsia fa na misy aza mety tsy mbola maro

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Vonisoa
Date: 26 janvier 2017 - 13:58

MANDEHA DAHOLO NY ASA REHEFA HIKIRIZANA O!
Na izany aza, sehatr'asa hanananao minimum de connaissance hidirana fa manjary miankina aman'olona fotsiny ianao dia izy reo indray no voky e. Mila mivonona aloha hoe perte am voalohany satria betsaka ny erreur ataonao, fa rehefa avy eo, hanananao ny traikefa dia tsy maintsy tafa ianao!

Ny hitako tsy ampy am gasy dia ny professionnalisme, vao tafa kely dia mihena ny qualité, tsy manaja clients, etc...
Bon courage o

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Idealy
Date: 26 janvier 2017 - 16:33

Salama oo.

Tena liana ko ny tenanay @ lay resaka eto.

aiza izao no misy formation ilay poule pondeuse zay mahalala?

merci

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Bowling
Date: 26 janvier 2017 - 16:38

Vonisoa> zah kosa tsy d acc @lay oe mande daolo ny asa refa hikirizana. Misy mande 5,6ans dia avy eo hitanao oe nikatona ohatra lay orinasa, mety ho resto, hotel, taxibrousse...
Ny hitako olana any mantsy dia ra ohatra aho zao hanokatra zavatra iray, afaka 5ans feno manao io erany tanana. Raha ohatra ndray zavatra mba avo lenta no hatao dia mety hahomby tsara. Raha zaho mantsy hanagan javatra any zao dia aleko tonga dia manao zavatra somary sarotra halai tahaka. Raha ohatra aho zao nefa hanokatra bowling possible vitany gasy ihany mamorona matériels vinaninany eo dia ho feno ndray koa ny tanana, nefa ny tena nanao investissement be.
Manahirana

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Exportation
Date: 27 janvier 2017 - 07:28

Mba omeo sopapa amina resaka exportation ndray oe. Inona no mbola mandeha aminzao?

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Trondro
Date: 27 janvier 2017 - 07:30

Firy eo ny habe anle dobo vao mety rentable?

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: courage
Date: 27 janvier 2017 - 14:47

Idealy > ao @ Maison des Petits Elevages (MPE) eny Nanisans misy mampanao formation resaka fiompiana rehetra

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: soso
Date: 27 janvier 2017 - 15:52

Hoan'izay rehetra liana amin'ny fiompiana dia manatona io lazain'i courage io, marihiko fotsiny fa ilay MPE dia (Malagasy professionnel de l’élevage) manana site internet ry zareo.

Ny fiompiana dia tena mbola malalaka ny tsena eto amintsika sady tsy mila manao risoriso sns,..fa mila atao matotra tsara dia tsy maimay tonga dia atao be isa fa ampitomboina miandalana rehefa tena zatra tsara.


Exportation < asa izao raha mbola mandeha ny epice, huile essentiel, art malagasy, efa betsaka ilay manao, dia mila jerena koa ilay problème amin'ny douane izay tena manararaotra be mihitsy.


Bowling < ie ny malagasy efa malaza io mangalatahaka io fa raha ny bowling ny fahitako azy tsy ilay halatahaka no probleme, fa ny rentabilité satria tena mila investissement be dia tsy maintsy asiana cafeteria kely.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: TSY SAHY
Date: 27 janvier 2017 - 16:32

Ny asa aloha zany rehefa ilofosana tavafoaka foana enao, fa raha olona tsy zatra miary pery de hoperte foana


satria tena à chaque defaite est un nouveau defi et solution raha resaka fitadiavana

Fa matetika koa ny olona mitetika koa be profit rehefa hanao zavatra de raha vao kely2 tombony de ajanona de mitady fitadiavambola hafa ndray nefa raha resaka fitadiavana de miainga am zay foana

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Ho an i soso
Date: 27 janvier 2017 - 21:35

Resaka douane: ka amin ny voalohany v d tena gravy ny douane raha entana kely tsy groupage no atao sa tratrany foana?

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Lord Johnsson
Date: 27 janvier 2017 - 22:26

Salama,

Ilay izy aloha mazava hoazy fa tsy mora ny manomboka manao fandraharana izany, tena sarotra tokoa raha tsy izany ve hisy hiasa intsony any amin'ny ministère sy orinasa kely karama sy manararaotra na ataoko hoe manandevo olona ireny.

Faharoa mazava hoazy koa fa mila tena hilofosana foana, ary mila alefa tsikelikely fa raha alefa indray mandeha be fampiasana vola be indray mandeha misy risque be mihintsy.

@courage , merci amin'ilay soupape MPE, ary resaka importation sy famohahana entana douane ve misy formation an'io hoe tonga dia pratique mifanaraka amin'ny tena zava-misy eto?


@Bowling, efa nisy nanao Bowling teo analakely raha tsy diso aho fa avy eo ilay izy maty fa tsy nande.


Anisan'ny tena ilaina koa dia ny fananana hevitra vaovao

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Bowling
Date: 27 janvier 2017 - 22:52

Ny ah iny aloha mba hevitra sendra mandalo fa tsy oe lasa zao dia zao akory,raha ao analakely normal iany ngamba raha nikantona satria ny kil zany dia ny mponiny tana renivohitra mpivoboaka, limité zany ny kil. Raha manokatra zavatra otrireny amiko ny tsara dia miala ny renivohitra, tonga ny fiara, malalaka tsara, sécurisant

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Radezy
Date: 28 janvier 2017 - 15:22

Ary ny resaka mandrafitra ve mbola interessant amin'izao?

Ary ny resaka fiompiana landy dia manao lamba landy koa ve mbola interessant an'izay mahalala?

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: curieuxbee
Date: 28 janvier 2017 - 21:28

Fanamboarana zezika amin'ny fiompiana kankana (lombricompost)

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: diso
Date: 29 janvier 2017 - 16:19

Bonjour!

Otrany itako hoe somary diso le fomba itondrana ilay fandinihina momba ny asa mandeha!

Maninona raha atomboka toy izao ny fanontaniana:

"Inona ny filàna manahirana na sarotra vao itanan'ny mpanijfa?"

Afaka apetrakao @ tenanao ilay fanontaniana na apetraka @ olon-kafa dia iny no itondra any @ orinasa tokony haorina.

Miainga @ BESOIN n'ny mpanjifa no tokony anorenana orinasa!

Ohatra: be loatra ny embouteillage eto Tanà ka mety ahaliana ny mpiasa birao ny TAXI MOTO!

Ndao ary, alefaso ny soso-kevitra!

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: immobilier
Date: 30 janvier 2017 - 09:40

Radezy > ny resaka rafitra hazo aloha tsy tafa intsony e! efa miha-lafo ny hazo sady sarotra hita ny hazo tena tsara ,ny fitrandrahana hazo eto Dago mihitsy no miha-sarotra, izany hoe asa tsy dia haharitra intsony izy io , ny efa ao anatiny ary zao tena mivoka sepotra satria ny mpanjifa tsy sahy lafo intsony fa voasarik'ireto entana vita sinoa ireto ( fanaka ao an-tokantrano+ ny varavarana vit a@ alu sns...)

Diso>izaho koe efa nieritreritra io taxi-moto io , fa mila amanao étude de rentabilité+faisabilité tsara

Ny ahy zao ny resaka manao trano dia hampanofaina no tena masaka ao an-dohako an! tena mila volabe nefa tena sure à 100% fa tsy hisy fati-antoka zany, sady iny mipetraka eo foana ho lovan'ny taranaka , izany hoe tsy vetivety dia hiverina ny maso-karena fa izy kosa dia mitombo valeur isan-taona

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Koly
Date: 30 janvier 2017 - 11:31

Salama,

Mahafinaritra ity Topic ity.

Za de mba te ampiasa vola fa tsy mbola haiko tsara we inona no azao atao. Aty Toamasina no misy aho.
Aôna ny fanaovana an'ireo fanafarana fiara avy any corrée ireny. Mba te hanandrana ah fa tsy mbola mahay tsara ny procedure. Mba mila soso-kevitra ho an'izay efa mba mahafantatra.
Efa nanao recherche t@internet aho karazana site sy Societé mpivarotra,de rehefa ny achat.....(de mahazo ny papier sy ny tariny arak'ilay voaloaza ny condition de vente ao).
De mety ho 3semaines hono no livré fa efa payé avant ny frais. de saika noeritreretiko raha tonga ilay entana dia hanatona transit za hikarakara ny frais de douane sy ny pitsopitsony satria mbola tsy manana traik'efa @zay. Atokisana ve ireny transit ireny. (efa nanotany ihany za fa miandry ilay taratasy original nanaovana achat hono de iny no ilaina.
Mety ho rentable ve?
De aona ny fahitanareo an'ilay demarche-ko?
Tokony hanokatra Société kely ve za de enregistrena @contruibution sa atao privé aloha ny fanafarana ilay entana ho jerena azy? mbola tsy mahay procedure mahakasika ilay manokatra Société.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: tango
Date: 30 janvier 2017 - 11:34

Agro-business, izany hoe fambolena
Na vary, na hazo fihinamboa(voan-kazo), na légume azo tehirizina. le voan-kazo mety elahela fa reefa ts de tena hoe mila fikarakarana be mandavataona anefa reefa vokatra de manomboka mioty mandava-taona amnzai.

PROBLEMATIQUE: 1.Fitadiavana client mpandray, 2. Mila toerana malalaka sy adapté amnle fambolena atao, mila mba tena atao manaraka ny fenitra

AVANTAGE: afaka tehirizina ny vary sy ny legume(tsaramaso, voanjobory sns) noho izany afaka avoaka amn fotoana ts mampisy azy (manatsara ny vidiny),

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Zen
Date: 31 janvier 2017 - 08:38

Za zao ry zareo tena manana idée tsara be fa fotoana sy vola entina miasa no olana.

Ny tena mo mpiasa madinika de tsy maintsy miasa isan'andro fa rah tsy zany tsy mihinana.

Resaka vente produit numérique any ivelany leizy, fa afaka gérer na tsara avy eto Dago daholo.

Eo amin'ilay tournage n'le zavatra sy ny mi créer site web tena attractive tsara ary ny lancement no olana satria tsisy hery sy fotoana fa valaka vao hariva ny andro.

Leizy ko nefa tsy de mila fonds be fa 15 millions ariary eo eo dia mahavita azy.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: soso
Date: 02 février 2017 - 17:55

Ny ahy izao fiompiana akoho gasy no tiako atao, dia izahay ihany no mamboly ny katsaka ho sakafony mba tsy hahabe ny dépense.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: katry lava
Date: 06 février 2017 - 16:18

Tena vola haingana koa ny toaka sy sigara, rongony, fa mila manana ekipa solida be sao misy mijabaka be resaka.
Izany hoe raha rongony, dia mila mahay mampiditra azy amin'ny sigara, dia inyno amidy antsinjarany. Asiana mot de passe izay mitady sigara môly, ihavahany amin'ny sigara tena izy.
Vola haingana be ireo sady mihodina vetivety. Ianao indray no tsy maharaka.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Jiro
Date: 07 février 2017 - 09:48

Ny ahy ndray dia resaka manamboatra fitaovana mamokatra herinaratra tsy mijanona tsy mila baterie tsy mila masoandro. Mahazaka ampoule 20w*3,

Aparitaka any ambanivohitra, ny olna dia ny fotoana sy fitaovana iaingana anaovana azy.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: boisson
Date: 07 février 2017 - 10:04

Manao grossiste boisson hygiénique na alcoolisé, mety fona io fa mety mila fond mavesabestra sy toerana stratejika tsara mety mila fiara koa . tonga dia any amin'ny distributeur na ny orinasa no maka entana. Mila manao taratasy normetsara

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: lb
Date: 08 février 2017 - 18:28

Besoin maharitra an'ny mpanjifa aloha ny tena tsara jerena (besoin par rapport @ toerana, ny fahefa mividy, ...)
Dia arakarak'io no hamaritana ny zvtr atao, izay takatry ny volanao.

Misy zvtr bdb mbola azo atao eto Mada, indrindra ao @ lafiny fambolena sy fiompiana : ohatra miompy trondro any ampefy (mampiasa cage anaty rano, efa misy maromaro manao an'io). Mamboly poivre rouge (efa misy manao fa tena tsy ampy ny vokatra), miompy zvtr efa ho lany taranaka : trondro fakana caviar (efa misy any Mantasoa fa tsy mbola maharaka), amalona, raha mety ompiana ny sobakaka d azo ketrehina koa

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: manoa11
Date: 20 février 2017 - 14:23

Koly>>>> efa ela mihitsy zahay no nanao etude hoatran'io anao io, nijery net sns fa mila manana transit tsara aloha indrindra ianao any Toamasina betsaka be any.

ny ahy entana saika hoe entina @ conteneur fa mbola tsy tafavoaka foana satria ilay resaka douane sns lafo loatra mihitsy. ny ahy indray entana avy any Chine na japon no saika alaina. Fa zahay indray tonga dia ho any mihitsy.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: zandry-kely
Date: 20 février 2017 - 18:42

salama,

ito andramana so de mahasoa
https://www.jevouslike.com/rejoignez_nous?referer=148724677768

matoa daholo

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: rangotra
Date: 23 février 2017 - 19:05

ts mis hevitra vaovao mints ato fa de zavatra ef nataon ol ef il y a 30ans passer dol no mbola averina... ef depasser dol

anao fiompina na varotra na exportation sy importation zany ef ts kle tsony,,, aza adino fa tsi amanjatony fef amnarivony ny ol miliadera eto gasikara ka tsis dikany miints ny anapoteandrzareo ze zavatra ataonao ra zavatra itany fa mande le izy.... 1 taona iany nenao de tsis kill pividy tsony....

tsis afatsy ny asa saina iany no ts mis mavita mipirater nef vola haingana be...

nena zao alika robot(tsy laitram bala kanefa mis ny fonction rehetra ze ilaina) piambina tanàna no nataoko,efa vita ny conception sy ny une partie @ realisation, afaka volana vitsivitsy de amok prototype sad anaovana demos,,, vinavinaina amidy 12 milion ariary ny 1.

tsy maintsy anao publi-reportage am tele iany za de amizay oitanareo ny detail rehetra mahakasika azy .

mazoto mapiasa saina o!!!

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Jessica
Date: 24 février 2017 - 11:32

@ Rangotra

Marina daholo ny voalazanao, fa le resaka alika robot kosa tonga dia lasa tsy crédible. Sa blague? sa hotran'ny mijery film loatra ise izany!

Raha mahavita alika robot ve tsy mbola misy zavatra hafa vitanao alohan'izany ilaina kokoa eto Madagasikara?

Besoin mi-asa eto ve izany alika robot izany?
Vidiny 12 millions d'ariary? firy taona ny durée de vie?

Aleoko mividy berger allemand race pure dressé tsara tena fiable, sy fidèle, ary manaikitra tsara, mbola mahazo 10 io vola io farafahakeliny.

Ka inona, aleoko manana berger allemand 10 miambina tanàna toy izay robot iray.

Amiko raha manana capacité manambatra robot alika miambina tanàna izany dia chapeau fa jereo hoe inona no ilaina kokoa sy afaka amidy fa amiko aloha commercialement tsy viable izany robot alika miambina tanàna izany.

Robot mamboly vary atao ohatra, izany zao ilaina eto. Robot manetsa sy mijinja vary

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: NJ
Date: 27 février 2017 - 11:23

hhaha koratsy dessin animé izy ity koa

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Hay
Date: 27 février 2017 - 15:37

Marina ny voalazan'i Jessica fa lay izy ange tsy hoe zay rehetra tonga ao an-tsaina dia mety daholo fa mba jerena hoe mety amintsika eto Madagasikara aloha ve? Raha alika robot izany, mety misy firenena tonga dia liana avy hatrany ny olona ao, fa raha ny eto, manao ahoana.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: rangotra
Date: 27 février 2017 - 17:29

jessica,,,,,etc >>oui oui,,, normal le reaktion nareo satri vaovao am sofina na maso no aeno na aita oe bandy gasy no aavita anizany,, ary zay miints no ho problem satri na ny fanjakana zay tokon anampy ana ary de tsy ino ko de mety iteny oe entana tsy azo amidy eto io.zay no tonga de ianticiper-ko ny mass media.

ny fianarana nianarana,,ny experiens profecionnel ary ny kuriositer tsy akijanona no ahaizana anizany,,,,programmation en tmp reel+inteligens artificiel+automat+micro informatik+elektronik+langag à bas niveau.....etc



jessica >>iopy alika tena iz ozy enao de teo indrind no niainga ny hevitra....betsaka ne ny ol niopy alika fa vitan ny panafika iany e (voapozina le alika,, voatifitra le alika, sns)
Ity alika robot ty tsis ninin azonao ialana amny .


robot mamboly vary na mijinja vary: ef vitan vaza ef ela be zan,,, il suffi oe manafatra any andafy enao de maazo,,, zay mihintsy le fomba fijeriko hoe on n invente pas la machine à vapeur. mandany ftona be zany sad ts mis dikany akor.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: beIapin
Date: 28 février 2017 - 09:29

rangotra << ahona indray raha trondro robot mirehitra jiro hisintonana trondron-dranomasina ?
- tsy ilaina sambo na arato na gazoil mila volabe intsony !!!!
>> hanaraka tsimoramora an'ilay robot ny trondro bdb hiditra anaty vovo !!!

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Rak990123
Date: 22 juillet 2017 - 11:53

manaona daoly,

Ary ra oatra oe projet b tax (sub urbaine) oatra.

inona ny lafony tsara sy ny lafony ratsy?

Misaotra betsaka

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: caprice
Date: 25 juillet 2017 - 10:05

any @ resaka fambolena sy fiompiana no hitako lalana.
Izahay manao fa tena sarotra anefa. Tsy maintsy arahinao daholo ity retraretra ty fa vao tsy ao -damosin'ny mpiasa ianao dia efa kitoatoa ny asa raha manao aza izy. Ny investissement tena be dia be. Raha miara-miasa @ tantsaha manodidina ianao dia tsy misy manaiky izay lazainao fa ny azy ihany.
Rehefa mihangeza ny tany dia tsy maintsy motorisé ny asa fa raha tsy izany lany fotoana.
Raha lehibe ny dobo (ary tsy maintsy atao lehibe) dia mila moto-pompe.
Ny resaka masomboly tena lafo rehefa betsaka ny quantité.
Tena mila kiry sy fandavan-tena.
Ilaina koa ny mitady financement fa plus betsaka ny investissement plus betsaka ny vola miditra nefa io finanement io no tena sarotra.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Hayizy
Date: 25 juillet 2017 - 11:03

Manao ahoana daholo isika ato,

15- Manao terrain de foot manara-penitra eny ambanivohitra, io baolina kitra io dia tena mahaliana ny ankamaroan'ny tanora eny ambanuvohitra.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: priscah
Date: 25 juillet 2017 - 13:21

éééééé zay manana ihany no manana eto @tsika eh.


zahay zao dia restaurant , sady traiteur mpanao sakafo , mba namaly appel d'offre resaka cantine reny dia tsy voaray satria mila manara-penitra daholo ny fitaovana sy ny lakozia ampesaina

refa novaloriséna nefa ny havitanilé izy dia milion maro² dia tapka eo ny business zany ko , aiza no hanana million maro² fa dia ry zareo manana ihany no manana mahazo marché

dia otrizay foana ny hitako problème eto @tsika , tsy mba hahazo marché zany ry kely vola sy ny tsy mahafantatra olona dia mijanona ho kely vola eo foana eh.

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: Anjara
Date: 25 juillet 2017 - 14:09

salama daholo
tsy voatery hoe izao no malaza d ataoko na hoe izao no nataon dranona d ho atao fa ra tiana hande ny business amiko dia miankina=
1-amin'ny tsirairay, misy olona mahay tsara any @lafiny fiompiana misy any @ lafiny hafa
2-amin'ny toerana ihany koa ambanivohitra, andrenivohitra
3-amin'ny "public cible ihany koa" tanora v no betsaka s ankizy sa, sns......
4-amin'ny eo ampelatanana

Options: Répondre
Re: Fizarazarana idée business mety handeha na mbola mandeha eto Mada
Par: ouinon
Date: 31 juillet 2017 - 12:52

Zen>Bjr,mba t hahafantatra lalindalina momba ilay projet-nao aho,sa efa nontanterahinao ilay izy?Raha izay mba manao ahoana ny tohiny?raha tsy izay mba azonao velabelarina v?

Options: Répondre
Aller à la page: 12Suivante
Page: 1 sur 2


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg