Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Travail et étude
Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Bandy Akama
Date: 17 août 2017 - 15:54

Arak'io loha-teny io dia heveriko fa mila miady hevitra isika mandini-tena, ny tokony hatao fa tsy mandeha amin'ny izy intsony isika Malagasy. Ngeza sy mivelatra ny loha hevitra fa ahitsy mian-dalana eny.

Ohatra mba ho fitarihana :

1-Isika Malagasy ve no ratsy toe-tsaina sa ny mpitondra no tsy izy fa efa mpitondra firy izay mba hitako izay fa dia izao foana ny bilan.

2-Mila mivavaka isika hoy ny mpivavaka! Ka tsy efa ela ve isika no nivavaka fa dia miharatsy ny fiainantsika? Sao ka tsy izay no vahaolana?

3-Ny firenena hafa dia mahay miara-miasa ny olona ao amin'ny firenena maro, mba mahay izany ve isika Malagasy?

4-Ny olona tsy miahotra mandroaka ny vahiny mpanimba ny fireneny, isika vahoaka toa matahotra vazaha (voazanaka ny saina sady mahantra loatra) ka nahoana isika no tsy mba manao toy izany

...

Marobe ny azo resahina fa ireo aloha no tonga ato ambavako ka lazaiko.


Amiko izany dia maro ny fiezahana azon'ny vahoaka atao tsy mila mpitondra fa mila fisainana : Ohatra : vahoaka mahalala madio na eny an-dalambe aza, mifanampy sy mifanohana fa samy Gasy (Tsy dia tiako loatra io teny io fa aleoko aza ilay hoe Gascarien), ...

Alefako aloha dia raha mazava ny tian-kambara dia tohizana.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Njoun.
Date: 17 août 2017 - 16:01

JAMAIS

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: FAHAIZA MIAINA
Date: 24 août 2017 - 17:16

EEE tena mamapalahelo , amiko aloha dia io ambaranao voalaohany io sy ny faharoa no tena vahaolana, porofo mazava be aloha amty forum ty dejà fa vitsy no intérréssé amzany resaka izany na fahaiza miaina na fiovana na fivavahana - raha ny hamaroany vahoaka mamonjy fivavahana isankalahady no jerena de azo lazaina oe mpivavaka daholo ny malagasy mbola tsy ao aza ny sekta milaza miracle eo no eo- conclusion tsy volonté le hivavaka fa fiandrasana confort matériel sy soulagement - faharoa raha ny fifampitsijovana samy malagasy amin'izao efa tsy misy intsony satria samy miketrika ny tombotsoakeliny daholo zay le oe tia kely tsy voatery vola ihany fa na position eo amin'ny fiaraha monina na zavatra hafa- miainga avy amin'ny zavatra madinika indrindra ny fiovana de miakatra tsikelikely

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: FAHAIZA MIAINA
Date: 24 août 2017 - 17:19

Ny sisa azo atao dia ny mapita tsikelikely eny amin'izay manodidina anao ny fahaiza- nmiaina - ny tena atao hoe mivavaka sy ny fifampitsinjovana sarotra ary tena sarotra fa ezahana atao ihany

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: namanafotsn
Date: 25 août 2017 - 09:59

Ny fahitako azy en général,dia tsy mba tao anatin'ny fanabeazana ny Malagasy na tany andakilasy na teny @fiaraha-monina mihitsy ny atao hoe "fitiavana tanindrazana",zany hoe noezahina tsy vohizina mihitsy io teny io,no sady tsy nampidirina antsain'ny Malagasy akory noho ny fitiavatenan'ny kely an'isa ka manjary sao hanimba zavatra.
Dia tohizako @resaka fivavahana,ny olona mivavaka dia tokony itoeran'ny "fitiavana sy finoana" kanefa ny zavatra hiainana eo @fiainana andavanandro,na eo anivon'ny ankohonana,na eo @ fianakavina miampaka @firenena dia ny mifanohitra @zay satria samy tia tena,miezaka ny ho azy samy rery ihany,zany hoe lavitry ny toetsaina Malagasy maro anisa zany fifanampiana,fifampitsinjovana,fandraisatanana ary fandraisana andraikitra,ka ny tena samy Malagasy ary tsy mahay mifampijery dia ho possible ve fa hahay hiara-miasa indrindra moa fa @hafa firenena?
Ary tsy mahagaga raha tsy sarotiny @fananantsika isika toy ny any @firenena hafa satria lay "fitiavana" mihitsy no tsy ao anaty ka tsy mampaninona antsika akory ny mijery ny hafa manimba ny firenentsika,en plus tsy mahay manome lanja ny maha izy antsika isika fa nozarina anome lanja mandrakariva ny vahiny "ny vazaha" ary dia nezahina araikitra @toetsaina mihitsy ny fahatahorana an'ireo ka lasa miraviravy tanana manoloana ny tsy mety ataon'izy reo.
Amiko,dia tokony anomboka any @ankohonana mihitsy ny fanarenana raha zao mihatra @firenentsika zao,mety mbola ho ela kanefa mety tsy tara raha dieny zao dia atomboka.
Eo @RAD sy zaza,ampenarina hahay mizara hahay mifanampy,ampenarina hahay hitandrina zay rehetra ananana,tezaina anatin'ny finoana "fivavahana",manaraka zay,ny fanabeazana any antsekoly dia ampenarina handalina makasika ny fitiavan-tanindrazana ny mpianatra.
Betsaka ny mbola azo ambara fa aleo ho tohizan'ny hafa ndray.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: za gasy
Date: 25 août 2017 - 12:09

ô rey olona ah,

De mbola tsy tsapanareo ihany ve fa ny fampidirana an'io christianisme io no namotika ity tanitsika ty?

Tamin'ny fomba tena Malagasy nipetraka tsara ny fankatoavana sy ny fanajana. Nipetraka tsara ny atao hoe "HASINA". Ankehitriny tsy misy fotony isika, satria very HASINA.

Na ny firenena niaingan'ny kristianisme aza nge ka olom-bitsy no kristianina zany eh. De isika Gasy indray no miseho milay te ho deraina ho kristianina.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Bandy Akama
Date: 29 août 2017 - 11:16

Ndao ary ho tanterahin-tsika amin'ny alalan'ny ATAO ireo hita fa tsy mety ireo eh! Hiezaka aho hanitsy ny ankohonako sy ny ataoko ary mihevitra fa maro no haka tahaka izany ny manodidina ahy.

Miresaka ihany aho: fa maninona isika no tsy mba mahay miara-miasa: ohatra izaho mahay manjaitra, ianao manana fivarotana, ny hafa tsy misy asa dia mitambatra manao orinasa manjaitra akanjo(TSARA ) ary ny mpanjifa MBA HIVIDY NY ZAVATRA VITA MALAGASY (Tsy dia lafo loatra ) Sa nofinofy ve izany.

Ohatra hafa : any ivelany dia mitambatra ny samy ankizy-tanora dia mikaroka ny informatika na dia any anaty garage aza no toerana ahavitany izany. Izaho mahita fa ny antsika sady TSY mitambatra no lany andro @ jeu.

Hanohizako ny resaka : dia inona koa ny hitanao fa tsy mety. Dieny tsaroako fa tsy mety: ity isika matin'ny lamaody te-hitovy @ Eropeana ity dia mahalany betsaka ny vola vahiny eto Madagasikara

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Anjara
Date: 29 août 2017 - 12:08

Hiara handini tena sy hiova::

miainga avy any antokantrano tsirairay ny fiovana, izay tena sarotra amintsika malagasy, satria samy milaza azy ho mahay madini tena sy mivaotra avokoa

tsy hoe sanatria fankahalana tanteraka tsotrizao fa misy famarinana ny an'i za gasy, ny fivavahana kristianina dia entina anapepona ny fisainan'ny malagasy fotsiny, lazaina fa manompo sampy ra vao manao zavatra kely kanefa any ampiangonana aza manao emboka manitra, fetin'ny sampa kazo, ...
d his hiteny ndray zao eto oe tsy manaiky an'Jesoa ho Andriamaniny ny gasy matoa otrizao......efa ela ny gasy no nino sy nanaja ilay Nahary izao tontolo izao

lany andro mangala tahaka fotsiny ny ataon'ny vazaha, ny toetra ny fiakanjo ny fomba fomba, satria izay hono no atao hoe fandrosoana

Hiara hiasa:: fomba fiteny fotsiny ilay atao hoe

firaisan-kina==>fa sarotra ho antsika malagasy izany satria isika dia ory hava manana, ra maty aho matesa rahavana ary ra maty rahavana matesa ny ....,

fihavanana==>ny malagasy tompoka dia mpanao havana ra misy patsa,

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: AIR
Date: 30 août 2017 - 23:13

Salama daholo. Efa mety be ilay hoe manoboka eo amin'ny manodidina azy...Kanefa... inona ary no action lehibe afaka miaraka ataontsika izay efa samy mahita eto fa be dia be no mila fanarenana?

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Bandy Akama
Date: 31 août 2017 - 11:12

Tsara ny hoe action lehibe atao miaraka fa dinihina tsara aloha ny discipline tokony ho raisina sy maharesy lahatra ny betsaka (azo demultiplier-na). Rehefa hita ny fitondran-tena dia mora ny miaraka.

Raha raisiko izao ny reska hatreto dia MILA OLONA MATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA TENA IZY ISIKA: Tena izay tokoa ve izaho sa kisarisary? Ohatra iray ihany io fa isika rehetra miara-mitady.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Bandy Akama
Date: 06 septembre 2017 - 10:32

Hevitra mba hitako kanefa atahorako tsy hisy mpanaraka : ndao ary hanao karazana fikambanana na fiarahana ka ny hany lalana mifehy dia mba ho FILAMATRA EO AMIN'ny tany sy fiaraha-monina. TSY MAHAZO MANAO POLITIKA fa mety ho lasa Groupe d'influence

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: za gasy
Date: 08 septembre 2017 - 09:59

Bandy Akama////

Otran tsy miombok'hevitra aminao ah an. Ilay hoe "HO FILAMATRA eto amin'ny tany sy ny fiarahamonina sy ilay hoe Ndao ary ho tanterahin-tsika amin'ny alalan'ny ATAO ireo hita fa tsy mety ireo eh! Hiezaka aho hanitsy ny ankohonako sy ny ataoko ary mihevitra fa maro no haka tahaka izany ny manodidina ahy".

Ho ahy dia tsotra: Ny tenako aloha no mila miova. Tsy hoe ho filamatra akory, fa ho sambatra sy mahazo aina (bien-être). Izany hoe ho filamatra zany dia mampisy pression psychologique be, tsy mampahazo aina zany.

Ankoatr'izay, izaho manokana dia tsy mila manitsy ny ankohonako izany. Ohatra velona hitan'ny vadiko sy ny zanako aho. 45 ans mbola mianatra dia mianatra ho azy ny zanako fa tsy mila tenenina. 45 ans aho manana 1 heures par jours hikotranana dia mikotrana ho azy ny zanako. Manana andraikitra ambony aho nefa mahay manaja olona dia manaja olona ho azy ny zanako.

Raha sendra mandiso izy, dia manana faharetana aho amin'ny fotoana handraisany lesona amin'ny zavatra tsy nety nataony, fa tsy mila manitsy aho (ilay degré mibedy na mikizitina no teneniko eto). Anjaran'ny fiainana izany fa tsy asako. Tsy hanana expérience personnelle mihitsy izy raha i intervenir fôna aho. Mi découvrir ny fiainana no ilainy, fa tsy manaraka ny lalana heveriko fa ahasoa azy.

Ny zavatra tsy ampy amin'ny Malagasy dia fahamoram-po, fandeferana ary fifanampiana. Sarotra anefa izany raha tsy mba efa afa-po ianao amin'ny fiainanao. Io fitsaratsarana ny hafa io no mampikorosy ny firenena.

Io fomba fivavahana kristianina io nefa dia tsy mamela anao ahita fahafaham-po ety an-tany zany fa ny any ankoatra tsy hita any ihany no sainina lava zao. Raha mba manao zavatra kely enao de lazaina fa fahotana, hany ka tsy afaka ivelatra izany mihitsy.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Bandy Akama
Date: 08 septembre 2017 - 11:24

ZA GASY > Mitovy ihany ny hevitro sy ianao sainguy tsy nety angamba ny filazako azy. Manaiky aho. Miovy ihany satria efa FILAMATRA SAHADY ireo lazainao ireo.

Ny tiako ahatongavana koa satria efa notaritinao ilay izy dia ny hoe handini-tena :

- Inona ny hitanao fa (valeurs) fahalemen-tsika Malagasy ? amiko dia ity no tena tsy zakako : Fotoan-Gasy, Raha maty aho matesa rahavana. Tsy mivoatra koa angamba...

- Inona no tena hitanao fa herin-tsika ? Mahitsy, Maranitra, Marina ohatra ihany ireo

Ireo fahitana ireo no resena sy kolokoloina dia tonga hoazy any @ tanjona isika, sa tsy izany?!!

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Bandy Akama
Date: 08 septembre 2017 - 14:03

Za Gasy > Ary ianao ve mitovy hevitra amin'ny betsaka hoe mila misaraka amin'i La Frantsa isika Gasy raha te-handroso. Izaho izao dia tena resy lahatra 100%. Orinasa Frantsay nu hiasako fa tena tsy mety eh! Hanafarako zanaka aman-jafy.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: za gasy
Date: 08 septembre 2017 - 17:16

Zah mahita hoe tsy de tena culture tsika loatra ilay mitady vola. Tena vahiny no "commerçant" voalohany teo fa isika dia nihonona tamin'ny fanomezan'ny natiora.

Gâté par la nature zany tsika e, dia lasa somary kamo sy tsy dia ty mampiasa saina loatra. Dorana ny ala de atomboka ny vary, dia vita (resaka tavy io).

Ankoatr'izay dia tena mbola tsy ao anatin'ny Malagasy loatra izany hoe "bien-être" izany. Mbola vao miana-mandeha zany eh. Betsaka ny Gasy no manana omby efa ho 50 nefa trano bongo no ipetrahana.

Ny force tsika: Efa miha maro ny Jeune no mandray andraikitra sy ti mikarokaroka.

Resaka fifandraisana amin'ny Vahiny: tontolo avo loatra tsy voafehiko de aleoko tsy resahina. Na inona na inona hevitra harosoko tsinona dia tsy hisy action afaka hataoko. Ny fahitako azy fotsiny de hoe misy zavatra afaka atao na eo na tsy eo ny vahiny.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: li
Date: 10 septembre 2017 - 20:28

mahafinaritra ny resaka eto tena mila mihoitra tokoa isika fa betsaka ny tokony hovana, toa sinoa indray izao no hitako fa manjaka raha resaka economie fa tsy vazaha sa diso aho?

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: mandinitena
Date: 22 septembre 2017 - 16:34

ny tokony holalinina sy dinihina tsara aloha dia inona no tena antony mahatonga antsika malagasy toa izao, misy antony maro voalaza ambony ireo , fa ny antony lehibe hitako dia ny tsy fandrosoan ny fampianarana @ lafiny rehetra mihitsy, dia eo koa ny halafon ny sakafo, ireo no sakana lehibe hitako @ fampandrosoana eto,
mbola maro lotra ny tsy manana CEPE akory, ary ireo mba manana indray dia tsy ao tsara akory ny niveau, ary ny kibo naona koa tsy mahavita hianatra,
ny ezaka voalohany aloha dia atao izay ahamora ny sakafo,
io dia tsy ilàna ny vahiny, fa tokony samy hiezaka hamokatra an io daholo aloha, mihena ho azy ny vidin tsakafo rehefa be ny vokatra,

exemple kely no lazaiko:
misy dokotera fantatro izay tena deraiko ny ataony, mandeha taxi be izy rehefa mba eto tana, manofa taxi rehefa mba mamonjy lanonana, miasa any mbanivohitra izy , tracteur 2 no fiarany, rehefa tsy miasa eny antsaha sy mitatitra vokatra, miaraka @ vokatry ny tantsaha manodidina, dia manao ambulance mitondra marary, raha maro ny toa azy angamba efa manova zavatra haingana,
Ny mba nataoko , any @ misy ahy , kely ihany aloha hatreto, tsy sanatria hoe hidoka tena , tsy holazaiko eto ilay toerana satria tsy hisoratena toa voatango , , vidiko ny fitaovana @ fianaran ny zanaky ny mpiasako izay vitsivitsy, fianakaviana 2 ihany , za ko mamboly, fa hazo no voleko , kesika, tanimpanjakana no voleko , mila faharetana , fa efa misy vokatra , ary mety be, manitatra tsikelikely , misy faritra amboleko katska sy mangahazo natokako ho an ny mpiasako , fa hitako hoe mba tsy noana aloha ny olona miaramiasa amiko, izay aloha no mba vitako fa mbola tsy ampy , be ny faniriana fa miezaka tsikelikely

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: lalina
Date: 24 septembre 2017 - 03:45

Tsara be le ady evitra eto,

Ra ny faitako azy ndray dia izao: efa lalim-paka loatre ny fahantrana eto @tsika izany hoe mahantra @ lafiny rehetra mihitsy ny malagasy. Dikany tsy moramora ny anavotra an'ity tanindrazantsika ty na de misy aza ny azo atao ahafahana mivoaka @zao fahantrana lalina misy antsika zao.
Amiko aloa dia ny fanjakana izay mijoro na mbola ijoro eto no toponantoka voaloany @fanavotana ny firenena @ maha fanjakana azy.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: terisaina
Date: 24 septembre 2017 - 04:07

amiko ny toetsaina no mila miova ary miala ao atokatrano:
1- tsy tia discipline ny gasy, taralava, mimenomenona lava rah vao fehezina. tsy mba manaraka izay reglement na lalana apetraka fa te hanao izay tiany foana tsy hisahirana. izay lozampifamoivoizana nahafaty olona maro inona no antony? surcharge na poids na isan'olona, camion mitondra passage, fiara tsy aradalana. de mampihomehy fa isika samy isika indray no mbola mifampiaro dia manilika ny tsiny any amin'ny mpitondra, fa ny anjara andraikitsika tsy hitatsika. ny asan'ny mpitondra dia manao lalana, fa isika vahoaka no mampihatra sy manaja ilay lalana. isika samy isika nefa no mpampiasa ilay teny hoe : tsy maninona io e, izay io avy koa, asa asarotina, aleo tsorina e, sns
mivory ny gasy na olona 5 aza dia tsy maintsy misy tara, very fotoana tokony hamokarana, mazava hoazy tara daholo manomboka amin'ny fandraisana decision hatramin'ny fanaovana asa. de aveo saromana amin'ny hoe manao zavatra tsy mora, fotoangasy, sns
2- ny kolikoly dia a double sens: misy ny mpanome ary misy koa ny mandray. isika nefa isak'izay hanao zavatra, fanontaniana voalohany: sao dia mahafantatra olona? sao dia mila mahitahita? na amin'ny fanjakana na amin'ny prive dia tsy mba mieritreritra izay lalamazava fa intervention na amin'ny zavatra faran'izay madinika indrindra aza. milahatra ohatra dia tsy vitan'ny sasany fa intervention sy mahalala olona no miasa. aiza moa isika no handroso. de rehefa voambaka sy very vola dia manome tsiny ny mpitondra, ny mpiasan'ny domaine, ny police, mpiasan'ny fitsarana nefa isika no manome vahana ireny mpanera sy mpisoloky milaza mahalala olona sy mahavita taratasy ambanin'ny tany ireny.
3- solelaka sy matikenamaso: tsy mba mijoro amin'ny rariny ny malagasy maro fa maty lolo amin'ny titre sy ny materiels. raha misy olona roa eo ka ny ray manao costume cravate, ny iray mitafy tsotra dia iny fa misolelaka amin'ilay be crvate daholo. lasa ny fihetsiketsehina ivelany no hanajana olona na olona jiolahy mpisoloky aza nefa manambola dia misolelaka ny maro. aiza moa ny malagasy no tsy hifaninana mampidera fandaniana hampisehoany ny volany sitrany mahazo haja amin'ny fiarahamonina. vola tokony hamokarana lasa hampirevena sy anaovana adidy satria raha tsy zany tsy misy hasiny.
4- ity zavatra tena tsy azoko hatramzao: ny fomba gasy efa tokony ho navela fa tsy mampandroso nefa dia tsy maintsy tohizana satria fomba na dia nandia nianatra aza ilay fianakaviana. tsy asiako details ity sao tafitohina ireo mpanaraka ilay fomba ka manahirana be.
lava ny resaka raha tohizana

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: za gasy
Date: 25 septembre 2017 - 09:00

terisaina////

tena ny zava-misy mihitsy no tantarainao. tena izay ilay revy eto Dago.

Izaho manokana aloha dia efa mba nanao zavatra maro hampandroso ny tontolo nisy ahy tamin'izany fotoana izany, tany amin 2005 à 2008 tany ho any. Nanagana ONG sy mba nanao asa sosialy, fa itako hoe mbola tsy fotoanany angamba tamin'izany, satria ilay olona ampina mihitsy no tsy mahatsapa ny anton'ilay fanampiana.

Nanomboka teo no nahatonga ahy hisaina bebe kokoa ny momba ahy, izay vao ny hafa. Raha ny ezaka natao tamin'izany efa nahazoana tôbil. Kanefa dia natao mba hoe hanampiana ny mpiara-monina.

Conclusion ko dia hoe mbola tena tsy ao an-tsain'ny Gasy izany fandrosoana izany. Porofon'izany, izao doro-tanety itantsika izao. Mety ho extrême ilay ohatra, fa mampiseho amin'ny ampahany ny mbola tsy fahatongavan-tsaina ilay izy.

Mitombona be mihitsy ilay filazana hoe ny fampianarana mihitsy no tena diso lalana. Kanefa ny tena madinika izao ve no hiseho ho be vava eo, tsy tonga de any Antanimora.

Mino aho fa mbola ho tonga ihany ny fotoana hoe tena tonga saina isika mianakavy.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Bandy Akama
Date: 25 septembre 2017 - 09:57

Salama daholo!

Misy hitovizako hevitra amin'ny voalaza teo aloha, ary misy koa ny tsy hitovizako hevitra.

Somary "récap" no ataoko satria hitako mitombina loatra (amiko). Zavatra telo tena ilaina eto Madagasikara raha ny hevitro :

1- Fampianarana : iaraha-mahalala fa ezaka lavitr'ezaka io nefa dia tena mila dinihina lalina ary TSY ANKIANDR-ANDRY fa maika.

2- Fahasalamana :

3- Fandriampahalemana. Izaho izao mahita ary tena tia ny mipetraka lavitra ny renivohitra kanefa dia tena mampatahotra ary matimaty foana raha vao miala lavitra (Tsy hoe tsara akory ny ville).

Fa raha tsy feno ireo telo voalaza ireo dia tsy hisy fandrosoana. Diniho anefa fa raha vao misy mpitondra mametraka ireo ho lohalaharana dia MISY FIRENENA MATANJAKA MANAMPY IZAY MPANOHITRA MANAO IZAY HAMPIONGANA IO MPITONDRA IO (izay moa no hilana ny democration kouh!).

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Anjara
Date: 25 septembre 2017 - 11:24

Otran'ny oe lany resaka fotsin nareo fa tsy misy mamaky ny lohahevitra akory
Bandy Akama:inona zan l tena tinao atao? efa samy mandini-tena any @dol ny rehtra, d inon ny tohiny?

ny fahitako azy d voalohany ny gasy ra resaka fa rehefa fanatontosaina ilay izy d ....

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: lalina
Date: 26 septembre 2017 - 00:03

Anajara: misotra anao

Mila manana force raha te anova zavatra ra ny eto @tsika, izany hoe tokony mivondrona izay samy mitovy fijery ka mikendry marina ny anatsara ny zava-misy eto @firenena. MIla vondron'olon-kendry i Madagascara fa izany no tsy ampy @ny.

Tsetsa2 tsy aritra no ilaza fa misy ihany ny Gasy manam-paendrena fa saingy tsy manana sehatra anamparany ny faendreny ra oharina @rireo sasany migalabona manampatra ny fahadalàny ka tsy mampahazo aina ny kely tsy mba mamindro.

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Bandy Akama
Date: 26 septembre 2017 - 08:46

Anjara> Misaotra anao amin'ireo fanontaniana ireo. Hovaliako araka ny fahitako azy. Tsy voatery ho tena marina anefa ny hevitro. Angatahiko kosa mba tsy hivily any ny resaka satria ny tanjona dia reflexion.

Inona ny tiako hatao? Samy efa mandini-tena ny olona : Marina izany kanefa raha misy izay kely hitako fa mety ho vaha-olana. Oh: Ny "religion" dia lasa fitaovana fanapotehana firenena amiko, hita izany t@ colonisation ka mandraka ankehitriny, hita koa izany @ ireo secte be dia be ireo. Raha ianao irery lazain'ny olona fa... eo ianao

Ny hivaky izany @ fiaraha-monina anefa mbola tena sarotra, INDRINDRA FA IANAO IRERY. Azonao angamba ny tiako hotenenina. Alaivo sary antsaina anie hoe hilaza @ fianakaviana aho hoe tsy mety ny religion na inona na inona, dia asa angamba ny vokany.

Ny ataoko: miezaka aho miala sy misarika ny sain'ny olona amin'ny fomba ankolaka hanaitra ny sainy @ izany. Resaka ve izany ???!!! Ary amiko dia eto no sehatra ahitako fa tsy izaho irery no mahita izany. Izaho rahateo tsy manana eritreritra hitovy amin'ny mpanao politika.


Ity sehatra ity izany dia natao hifanakalozana ny resaka momba izany, hanaparitahana hevitra tsara ka samy mampihatra ny azony aminy sy ny manodidina azy.

Tsy voatery hanao toy ny hafa politika-association fa mba misy ny azo atao (Fikambanan'ny olona hendry hoy ilay namana iray teo ambony) Ho hita eo ihany anefa fa vao mijery aloha.


Mba hitohizan'ny resaka dia ireto no mba hitako :

-Rafitra (constitution inona no mba tena mety amin-tsika)? Izaho manokana dia Fédéraliste (Marihiko fa tsy manavakavaka aho na mpanindraindra foko fa efficacité no mahamaika ahy)

-Fandriam-pahalemana : Heveriko fa ny hany vaha-olana dia atovy malalaka ny fitaova-mpiadiana fa izay no ahafahana miady amin'ny dahalo @ ville sy dahalo @ campagne".

-Inona no spécialité ntsika Malagasy (Savoir-faire) na na domaine mety ahombiazan-tsika eo anatrehan'izao tonotolo izao?

Izay fa sao lava loatra

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: li
Date: 27 septembre 2017 - 08:25

NY ataoko izao dia mizara fitafiana ho an ireo tsy ampy fivelomana eny an dalana amin izay mba hitako directe ilay action fa tsy mandalo association,izay aloha no hitako fa mety hatreto

Options: Répondre
Re: Ndao hiara-handini-tena, hiara-hiova, hiara-hiasa
Par: Bandy Akama
Date: 27 septembre 2017 - 08:25

Na dia efa lava aza ny post-ko teo aloha dia toa te-hanampy kely ihany aho.

Ity discussion ity ihany koa dia natao hijerena hoa efa mahazaka ve isika raha manao mouvement style anonymous.

Alentika any antsain-tsika foana mantsy fa "ny biby tsy misy lohany tsy mandeha" kanefa efa voaporofo ary tsy marina io raha mitovy ny cause à défendre.

Options: Répondre


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg