Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Problèmes conjugaux
Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 03 juillet 2017 - 09:13

Miarahaba antsika rehetra,

Izaho dia lhl, manana toerana ambony amin'ny orinasa iasako. Maty vady aho ary maty vady koa ilay olona miaraka amiko, mitovy taona izahay ary mitovy taona koa ny zanakay. Tsy mbola mitokan-trano izahay fa samy manana ny azy. Izy koa miasa ary azo lazaina fa manana ny maha-izy azy.Ny zanakay efa mifankahalala tsara ary ny zanakovavy dia tena manaja azy na fihetsika na fiteny.Talohan'ny hiarahanay dia efa nifampiresaka tsara izahay hoe tsy hivady fa hifanohana sy hifampikarakara dia tena nanaiky izy, mba ho fanomezam-boninahitry ilay vady efa samy maty, fa anao izay hanatafita ny ankizy ary atao mitovy ny fitondrana azy.
Izao ne ny olana :
Saropiaro lotra izy ary tsy mi-comprendre hoe mitondra olona aho, ary misy fotoana mivory matetika, ary miantso azy alohan'ny hivoriko, ary ataoko silencieux daholo ny foneko rehetra. Miantso lava anefa izy ka refa tsy raisiko dia tonga aty ampesanako mintsy mangataka fanazavana, ary sms tsy hifankahitana no azoko. Manahirana ahy amin'ny mpiaramiasa izany. Efa hazavaiko azy fa tsy mety ny ataonao, dia manaiky izy ary mifona, nefa dia miverina indray amin'ny manaraka, ary misy fotoana ary izy mahakasitanana ahy, fa tsy mbola nanatsotra tanana tamim-behivavy aho. Soritako ary marihiko fa tena nanaja azy aho, ary tena manaja ary tsy mbola nieritreritra mintsy hoe hanitsaka azy, satria mananjanaka vavy aho, ny azy roalahy.Tiko izy tena tiko, saingy tena tsy hitako intsony hoe inona ny fomba ataoko. Raha sendra mba miaraka izahay ka misy vehivavy sendra mijery ahy fa tsy hitako akory dia ilany vaniny aho ary vandravandrany ilay olona. Samy mpivavaka anefa izahay.
Mba ampio ahy rey olona a! fa mahita hoe tena mijaly, ary mahita fa tena loza ho an'izay manana azy ny Hasarotampiaro tafahoatra.

Mankasitraka izay mamaly.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: ???
Date: 03 juillet 2017 - 12:41

Asaivo mandeha psy izany fa olona déséquilibrée tsy manana maîtrise de soi,asaivo feheziny aloha ny tenany tsy hikasitanana anao na inona antony na inona,vao miditra @ lalindalina,

Ny hasarotam-piaro koa,dia ny tsy fahatokisana olona na tsy fahatokisan-tena,azo tsaboina koa izany asaivo mandeha @ spécialiste @ izany koa izy ,misy ireny coach de développement personnel ireny ohatra,

fa raha izao aza tsy miray trano izany no ataony ka raha toa ka hitan'ny zanakao izany dia ahoana?

Ampio izy hi gérer ireo lazainao ireo ,mila manantona professionnel fa efa mazava izany fa tsy vitany dia ireo no hanampinao azy

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 03 juillet 2017 - 14:02

Misaotra anao amin'ny torohevitra, fa dia ho ataoko izay.

Mankasitraka.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Torohevitra ho anao
Date: 03 juillet 2017 - 19:31

Mety Tsy MBA mi rassurer azy mihitsy ianao @ tena fitiavanao azy na @ teny na fihetsika. Mila porofo foana ny vhv ka raha mijery vhv hafa foana ianao rehefa miaraka aminy nefa sady tsy mba manambitamby na manao teny mamy dia mipoaka foana ny sarom-bilany.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Radiry
Date: 03 juillet 2017 - 20:19

Mamay be izany toerana misy an'ise izany ,fa hamboary mora ihany .Marina ny tenin'ny namana esty ambony hoe manatona psy ,mety ho tsy fidin'ny azy koa izany satria efa nidonam pahoriana mafy izy ,mba miresaha koa amin'ny mpitandrina na pretra ianareo miaraka ,fa be ny toro hevitra avy amlin'ireny ,ary ity farany moa somary vazivazy ihany nefa hiankinan java maro dia ny rs ,mba tondraho matetika fa sao dia any ko no olana ,mila mandona tsara ise fa sao dia tsy mahazo fafiny izy .

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: psy
Date: 04 juillet 2017 - 10:06

nareo izany tsy iray trano, ka ahenao ny fifandraisana aminy, tonga dia asio ordre na baiko tsy afahany manelingelina anao, ohatra resaka telephone dia mangalà puce hafa mihitsy hatokanao ho anareo roa irery,fa aza afangaro amin'ny numéro ampiasainao andavan'andro, ary aza resahana aminy ny mikasika ny asanao sy izay ataonao, rehefa miantso izy dia teneno tsotra hoe mbola occupé enao ary ny asa no prioritaire fa tsy izy, dia hitanao eo ny vokany

aza ampiarahana mihitsy ny asa sy ny vie privée fa tena dangereux io, manimba zavatra betsaka, aza presenter-na azy daholo ny collègues de travail-nao, raha misy sekretera manelanelana anao sy ny biraonao dia omeo ordre ilay sekretera tsy hampiditra azy ao amin'ny biraonao raha tsy efa rendez-vous fa ho avy izy,hidio la clef ny bureau mba tsy tonga dia hidirany hisehosehoany fa izy no mandidy, aza mi rendre compte aminy ny asanao izany, zavatra resahana rehefa mihaona nareo fa aza asina discussion asa na fivoriana

raha za aloha no eo amin'ny toeranao dia haiko tsara ny mitondra azy eh, enao tsotra anatrehany dia lasa izy indray no mitondra anao, manaova masiaka une fois indray mba ampiova azy

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 04 juillet 2017 - 14:36

Miarahaba anareo rehetra,

Tena marina daholo izay voalazanareo fa tsotra loatra angamba aho, ary misy hakako torohevitra.Tena tsy azoko aminy koa ary tena mahagaga ahy aminy mantsy dia hoe "Inona no tokony hahasaropiaro azy?". Isan-kariva aho dia alainy aty ampiasana, dia misakafo kely, dia avy eo izy hateriko mody...Tena efa nanaovako masika izy ary efa noteneniko mafy, ary efa noteneniko ihany koa hoe, raha mbola miverina ny toy izay dia misaraka isika, dia araky ny teniko tery ambony hoe nifona, ary ranomaso be tena manadala no hitako. Izaho indray no natahotra satria spasmophile izy ka natahorako hikaikona. Efa lazaiko azy foana fa ny saina mandinika no mibaiko ny fo fa tsy ny fo sendaotra no hibaiko ny saina fa mety hahavitanao zavatra tsy ampoizina fa e e e! Tena mila manantona Psy faran'izay maika mintsy angamba, ka raha mba misy mahafantatra tena mahay dia alefaso eto ny anarany sy ny adresse, ary téléphone-ny azafady. Antenaiko fa tsy dia ho sarotiny amin'izany ny eto amin'ny Forum, fa fifanampiana no ilaina.

Mankasitraka indrindra tompoko. Hoan'izay mbola manana torohevitra dia alefaso fa tena ikaiko izany.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Spasmophobe
Date: 05 juillet 2017 - 19:19

Raha ny fijeriko azy dia tsy mahatoky tena io vehivavy io , ary tsy mahatoky n'iza n'iza satria nahatsiaro abandonnée ;tsy fantatrao mantsy ny fiainany niaraka t@ vadiny fa de hoe maty moa izany ilay olona . Raha olona 2 anaka izany ve sady miasa manana ny toerany dia tokony anana toetran'ankizy 18 ans ??? miala tsiny aho.

Apetraho ny règles ny fiarahanareo , satria tsy mpivady ianareo , sy tsy en concubinage dia aleo asiana fetrany ny fanehoana fihetsika mamasoka .

Lazao azy tsotra hoe mbola tinao ve ny anohizana ny fiarahana sa ahoana .

Atsaharo ny miresaka asa sy ny vie -nareo mianaka manokana aminy , satria izay no antony tiany isehoana amin'ny manodidina anao fa hainy ianao , kanefa adalana ny azy . Tsy tompony no miseho ho tompony eto dia ridicule na ianao na izy !!

Tsy objet ianao fa olona ka tsy izy no mi guider ny fiainanareo hatreto.Tsy misy compte rendu atao aminy mihintsy ny tsy maha afaka anao mamaly azy raha olona anatin'ny asa ianao . Lazaiko anao fa manempotra ny olona ohatr'izany , ka raha mbola tinao ny anohy dia ataovy mazava ny zavatra rehetra , fa raha tsy te hanohy moa ianao fa efa leo dia ovay daholo ny numéro dia ataovy miasa tsara ny sécurité ao am-piasana

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: eisy e!!
Date: 05 juillet 2017 - 21:37

toa mitady hi-manipulé anao ho lasa "colonie"-any ianao angamba no tena tanjony.
ka izay tiany anaovana anao rehetra no tiany arahinao: ohatr'ireny toutou kely ireny.
tsy afa-mihetsika intsony fa na mitondra fiara aza dia ny maso midiridiry mijery eo aloha sisa.
--> mila mandeha psy marina ilay ramatoa

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 06 juillet 2017 - 07:09

Tena feno fankasitrahana anareo tsy ankanavaka ny tenako,

Marina daholo izay nolazainareo, ary tena misy hisainako. Ny sécurité no efa nafarako mafy, ary ny secrétaire-ko, fa nizaniza mitady aho dia sur rendez-vous, ary raha tsy mahazo halalana amiko tsy afaka miditra.

Misaotra anareo indrindra Tompoko.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Si traka
Date: 09 juillet 2017 - 14:22

Ralefitra<<< mba misy fanontaniana kely ireto ,asa na avy @ izay:
Vao maty vao haingana angaha ny vadiny ,ary ny anao ?
Efa ela angaha ianareo no niaraka?
Mbola zaza ny zanakareo sa efa miasa daholo?
Tsy manana mpiray tam po angaha izy ? MBA hananatra azy sa Vavin tokana?

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: souitika
Date: 10 juillet 2017 - 19:37

Ialana ny mety @ olona otran'izany fa olona marary saina. Jalousie maladive no mahazo azyàry sahirana @ olona toy izany ianao. Lay hoe mikainkona Izy sns . Ny vadiny maty azazakany ka zay fisarahana ve hahafaty azy. Lasa enfer ny fiainana miaraka @ olona toy ireny.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: kopatanana
Date: 12 juillet 2017 - 10:48

Ralefitra < grave be zany mahazo anao izany, ny hananana olon-tiana rehefa amin'ny toerana misy antsika toizao dia tena hiadanana, izay ihany. Raha itondra olana sy fijaliana dia ialao.

Mitovy situation aminareo za manoratra, fa tena sambatra izany vehivavy izany miaraka aminao ary tokony hiezaka ho mendrika izany fitiavanao izany.

Raha mba za hono no teo amin'ny toerany dia avo ny lanitra fa tsy takatro e!

Mahereza Ralefitra a! aleo ny asako no ataoko tsara, dia sady hivavaka aho oe mba hifanena aminao amin'iny lalana iny.kiss

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 13 juillet 2017 - 07:35

Miarahaba ary manaja antsika rehetra,

Izao vao afaka mamaly noho ny adidy sy ny asa,

Hamaly ny teninao Si traka,

Efa ho 8ans teo angamba ny vadiny no maty ary ny ahy 5ans izay, 3ans1/2 no niarahanay.

Tamin'ny voalaohany hoy aho dia nifametraka izahay fa tsy hivady mba ho voninahitry ny maty ary dia nifanaiky, fa hifanohana amin'ny fiainana ka tsy misy atao zanaky kala hafa ny ankizy fa atao mitovy ny fitondrana azy. Ny azy roalahy ny zanany ary efa miasa daholo, ny ahy mianadahy koa, ka ny lahy no zokiny, ary samy manana efa miasa daholo. Hiara-hamahalala moa fa ny zanaka lahy dia tsy dia tia miditra loatra amin'ny fiainako, ary miteny aza izy hoe izay mahasoa an'i Dada atao e!. Ny zanako vavy dia tena manaja azy amin'ny rehetraretra. Manana mpiray tampo tokoa izy saingy lehilahy daholo fa vavitokana izy, toa ahy koa lahy tokana.

Nanantona Psy tokoa izahay tamin'ny herinandro, ary vao niteny aho hoe ho any amin'ny Psy, dia hoy izy (Fa maninona aho no ho entina any??? Tsotra ny navaliko hoe raha mbola tianao ny hahatsara sy hitohizan'ny fiarahantsika dia aleo isika mba maka mpanoro hevitra sy mpananatra). Be dia be tokoa ny zavatra azonay tao ary nahatonga saina azy tanteraka, ary hatramizao izy dia efa hitako manao ezaka be hiala amin'ny hasarotampioarony, sy ilay miantsoantso lava, sy ilay masika. Mbola manana RDV amin'io Psy io izahay amin'ny Samedi dia ho hita eo ny tohiny.

Mankasitraka anareo tamin'ny torohevitra rehetra ary maneho fisaorana feno.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: ZA ZANY
Date: 24 juillet 2017 - 10:07

Miarahaba tompoko,
Fa maninona raha mivady fa tsy miaraka fotsiny ? Tsy izay ve no tena fahendrena ? Ilay miaraka fotsiny amin'izao mantsy ohatry ny tsy dia mifanome voninahitra , na ho anareo na ho an'ny ankizy !
Asa aloha fa fijeriko manokana izay !
Ny maty iny efa tsy naman'ny velona intsony .

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 24 juillet 2017 - 10:49

Miarahaba anao ZA ZANY,

Araky ny efa nifanarahanay tamin'ny voalohany raha novakianao tsara ilay izy dia izao no nosoratako ery ambony indrindra

"efa nifampiresaka tsara izahay hoe tsy hivady fa hifanohana sy hifampikarakara dia tena nanaiky izy, mba ho fanomezam-boninahitry ilay vady efa samy maty", ary tsy misy hatao tombo sy hala ny fitaizana ny ankizy.

Manaraka izay koa, raha hivady izahay dia tsy azo intsony ny retraite avy amin'ny vadinay tsirairay avy, nefa iny raha ny ahy manokana dia versé-ko any amin'ny compte ny zanako, ary fantany tsara izany ary nanaiky izy.

Angamba mety nahavaly ny soskevitrao ny nolazaiko.

Mankasitraka topmpoko.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: ZA ZANY
Date: 24 juillet 2017 - 14:36

Misaotra fa voaray ny valinteninao ! Amin'ny maha-kristiana ahy no nanomezako ilay toro-hevitra ka!
Mirary soa e! Mivavaka ho anareo roa sy ny ankizy , mahereza !

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: TSSS
Date: 24 juillet 2017 - 15:27

Ralefitra<<< raha kristianina ianao de tsara fatatra dia ny tokatrano maso dia ts ankasiatrahan Andriamanitra ary ny MATY TS MILA VONINAHITRA. fa efa maty no isarahana no natao promesse teo anatrehan Andriamanitra tamin mariazy. itondra solution be io raha mivady ianareo. akoatran zay ko dia ny vehivavy amin maha vehivavy azy dia mila rassurena foana na dia 24h/24h aza. lehilahy no manoratra

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: vehivavy
Date: 24 juillet 2017 - 16:33

raha azoko tsara dia resaka retraite zany no tsy hivadianareo, nefa azoko tsara ny place-n-ilay vhv satria ianao tsy vita in aminy normal izy raha saro-piaro, tsy tena latsa-paka ilay fitiavana fa mihazohazo, otran'ny hoe toa mbola samy tia ny vadinareo avy nareo, otrany hoe mety afak hitia olona ivelany hafa koa anefa, mila safidy ny fiainana ramose a! na havia na havanana fa tsy eo ampovoany eo fotsiny tsita hoe ahoana, ka tsy aleo mpikarakara zaza sy ianao no alaina de vita? resaka RS manaraka eny fotsiny!

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 25 juillet 2017 - 09:01

Misaotra an'ny Vehivavy sy TSSS

Efa tany amboalohany anie izahay dia efa nifanaiky e! Ny zanany mintsy koa no tsy manaiky ny hanambadiany intsony. Tsoriko aloha fa izaho dia tsy mba genre an'ilay olona mpamitaka, ary ny teny nifanekena dia hajaiko satria izay no hahafantarana fa matotra ny olona iray.

Manaraka izay, hoe mila rassurena ny fitiavan'ikay Vhv, manaiky aho ary tena manao izay tokoa na amin'ny teny mamy na tambitamby, zavatra hafa koa, ary tsy ny Vhv iany fa isika Lhl koa. Tsy sanatria hoe ny hasarotampiaro no hilazana fa tena tia ianao, fa na fihetsika na fiteny ary indrindra raha mpivavaka ianao, dia tokony hadio fo lalandava. Tsy tongalafatra sanatria raha miteny izany fa mety izay fahatsorako loatra izay ve no heritreretiny ho ataoko amin'olon-kafa ka tena mahasaropiaro azy???????? Tsy misaina ny hampirafy aho amin'ny taonako izao, saingy sarotra ny mandresy lahatra olona saropiaro satria ny fony no mibaiko ny sainy ka zay ao antsainy tafavoakany daholo.

Misaotra anareo Tompoko.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 08 août 2017 - 11:10

Miarahaba antsika rehetra nanolotsaina,

Mankasitraka anareo rehetra izay namaly ny antsoko aho, fa be tokoa ny torohevitrareo izay narahiko toy ny Psy, nanambitamby, nanome fitiavana , sns.....saingy tsy afaka hiova mintsy liay olona miaraka amiko, fa vao avy manantona psy, dia tena tsampanao hoe niova saingy tsy izay no hiainako après fa mitohy indray ilay hasarotapioaro ary vao maika mihoatra noho ny teo aloha.

Tapakevitra aho ny hisaraka aminy satria, mafy kokoa ho an'izay hianjadian'ny hasarotampiaro tafahoatra no hiainan'ilay olona saropiaro, rehefa avy niresaka tamin-jananko vavy aho ary izy koa dia mahatsapa izay hasarotampiaro izay, saingy na izany aza izy tsy niteny hoe misaraha, fa izay mahasoa an'i Dada atao. Izaho koa mahatsapa fa tsy mety amin'ny fahasalamako ilay zavatra hiainako, fa ilay fomba hitenenako azy no mampiasa ny saiko ary olako.

Mankasitra amin'ny torohevitrareo.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: kopatanana
Date: 08 août 2017 - 11:24

Mety amiko ianao ralefitra a! le fiainana tsy misy mifamatopatotra dia hita fa mampilamina kokoa, ny fifampatokisana dia ampy.

Milamina tsara any amin'ny asany avy, dia mba mihaona matetika e!mitovy cas aminao aho fa tsy oe zaza vao omaly akory, mba efa manan ny zanako koa.

Fa te hiaina filaminana sy fiadanana.
smiling smiley

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 08 août 2017 - 12:52

Kopatanana>>>>>>>Misaotra anao, Kopatanana koa ho anao.

Ny olako aloha izao arak'io voalazako ambony io hoe " Ahoana no fomba hilazako amiko fa tsy afaka hiaraka aminy intsony aho ", satria tsampako fa mety hahavita zavatra tsy ampoizina amiko izy. Ny fiasanako efa hitany, ny zanako moa efa niteny hoe izay mahasoa an'i Dada atao, etsy andaniny spasmophile ilay olona, nefa indrisy tsy afaka ny hiova fa baikon'ny fony ny sainy. Tena manahirantsaina e!

Misaotra anareo.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: @@@
Date: 09 août 2017 - 10:48

Ralefitra
Ny olona spasmophile dia mitaintain-dava ary tsy matoky tena ka izay ny fototry ny olanareo
Na vadinao ara-dalana aza izy dia hanao io toetran'io foana. Raha izaho ny @ toeranao, raha ita fa hisy fianyraikany @ fahasalamanao dia aleho misitaka aloha. Rehefa tafita indray ny zanakao vavy vao mampakatra raha mbola mila namana maharitra.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 10 août 2017 - 09:35

Miarahaba anareo ary misaotra amin'ny tolokevitra, ny hevitry ny maro tokoa no mahataka-davitra,

Marina ny anao ry @@@, tena mino izany aho fa sarotra aminy tokoa ny hiova. Ny zanako dia efa presque tafita na ny lahy na ny vavy, na fianarana na asa, saingy mbola tsy misy manambady izy dahy. Tena mihevitra ny hisitaka mihintsy aho haka rivotra kely, ary tsy hiteny aminy mihintsy.

Ny tena olako hoy aho aminareo ny hilazako aminy hoe tsy mety intsony ny fiarahantsika fa aleo misaraka, satria tena fijaliana ho ahy ilay hasarotampiarony diso tafahoatra, amin'ny zavatra tsy ataoko sy saininy, marihiko fa tena nanaja azy aho ary tsy nieritreritra ny hamitaka, na hanitsaka hatramin'izao. Misy tokoa mantsy ny karazan'olona mety hieritreritra hoe na manao, na tsia, voahoso-potaka foana ka aleo manao. Tsy genre-ko izay. Amiko aloha izao dia ny hoe (ahona ny hamahako ilay olana amin'izao fotoana izao), satria efa nataoko daholo izay nety fa tena mahakivy ahy.

Ny mampanahy aho anefa dia mety hahavita scandale izy na tsy haiko.....Marihiko ihany koa fa efa tsy afaka miditra ato ampiasanako intsony izy, satria efa nomeko baiko ny gardien sy ny secrétaire-ko, saingy andrasany eo ambody fiara aho vao mirava.

Izay no mba tena hangatahiko aminareo hoe, ahoana ny fomba hitenenako azy? inona no holazaiko aminy?

Misaotra anareo tompoko amin'ny torohevitra.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: bonaika
Date: 10 août 2017 - 12:10

Tonga dia saraho fotsiny ralefitra a, aza raisina intsony ny appel ( afaka bloquer na, aza valiana intsony SMS ny, dia raha tonga ao ampiasana izy dia raha misy issue hafa dia any mivoaka, Na tonga dia ignorer o fotsiny dia alaivo ny fiara dia mandehana.

Sa nareo mitsy no tena efa potika sy love amin' lay madama?

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Tsiarofoana
Date: 10 août 2017 - 13:25

Miarahaba,

Amiko raha amin'ny toeranao, ny mandeha mission maharitra hatramin'ny herinandro no tsara. Atao fanahiniana ny tsy miteny aminy raha tsy efa any (et encore !). Tsy ho mora ve ny milaza ny antony toy ny hoe tampoka... Hampatezitra azy io ary mety ho izy indray aza no hanatsofoka fisarahana... dia vita ho azy. Efa ny hisaraka no tanjona, dia ataoko izay ahatrarana an'izay !

Rehefa tsy izay, tsy mbola ho afaka handeha vacances ve ianao izao... Dia ohatr'izay ihany, mitovitovy ny itondrana azy, tsy miteny.

Rehefa hisaraka ihany aloha, raha izaho, tsy hijery izay maha-spasmophile azy intsony aho fa ny fiharetako hatramin'izay indray izao no mampiasa ny saiko ary ilaiko fanafana.

Hatrizay nitsinjo azy ianao, dia mba anjaranao indray izao no mitsinjo ny tenanao rehefa tsy mba nieritreritra an'izany izy hatrizay fa nanjaka irery fotsiny.

Izay ilay hoe, manam-potoana ny zava-drehetra ary valim-pidinana fiakarana !

Mirary soa !

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 10 août 2017 - 15:51

Misaotra anao aho ry Bonaika.

-Marina tokoa fa efa blokeko ny numéro-any ary ataoko liste noire pendant ny heures de travail manontolo mba tsy hisian'ny fanelingelenana. Marihiko fa tsy misy issue afatsy tokana ny ivoahana ny toeram-piasana ary ny fiara eo amin'ny parking no tsy maintsy apetraka, donc rehefa mivoaka aho ka haka ny fiara dia efa mijoro miandry ahy eo amin'ny varavarana gauche ny fiara izy.Izany hoe raha ignoreko izy mety ho gaga daholo na ny Sécu na ireo mpiasa miara-mivoaka amiko. Tsy hoe love be aminy aho akory matoa tapakevitra ny hisaraka aminy, fa sanatria hisy scandale eo imason'olona no tsy mety amiko.

-Ho an'ny Tsiarofoana efa tapakevitra mihintsy aho ny tsy hiteny aminy satria ato ato aho no handeha, ary efa nafarako ny zanako hoe raha mitady ahy eo i.......dia tsory fa nanao vacance izy raha mitady ahy.

Nisy hevitra iray nitsiry tato andohako koa ity ka asa raha mety, fa mba ilaiko ny hevitrareo. Ho antsoiko ilay Psy dia teneniko azy mialoha ilay olako ireo, ary entiko any izy, dia ny Psy no miteny aminy hoe samy mila maka saina nareo aloha fa tsy mety aminareo ny mihaona isan'andro dia à partiran'izay no handaozako azy tanteraka sa........


Misaotra amin'ny torohevitra Tompoko.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Masony
Date: 10 août 2017 - 20:13

Ralefitra ,inona Ary ity? Miaraka ianareo maymay ,manao face à face hoe tiako ianao ,rehefa hisaraka ,mitsaoka Toy ny lâche ,mialan tsiny ,Raha direct,fa raiso ny adidy ,
Olon dehibe ianao ,Ary lehilahy ,teneno fotsiny izy hoe hisaraka aminao aho nohon'ny antony ...Raha Tsy sahy moa ianao dia ,rehefa Tonga any @ ilay toerana hanaovanao vacance ,ianao dia antsoy izy Ary teneno hoe hisaraka aminao aho ...Ka aza mitady ahy intsony ,
Fa Tsy mety izany mitsaoka mihenahena izany ,fa vao maika hanaovany scandal eo ianao ,Tsy solution izany fa Tsy misy hafatry ny miteny mazava ihany .( na spasmophile izy ,na bè fo ...,mety sosotra izy eo fa hi comprendre ihany rehefa mandeha ny andro sy ny volana)
Ary farany ,tazomy ny decisión anao ,rehefa misaraka dia misaraka fa Tsy hanaovany ranomaso bé ...indray dia manaiky ,Ka hiverina hitaraina eto indray.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Tsiarofoana
Date: 10 août 2017 - 22:12

Ny fijeriko an'ity cas ity indray kosa aloha ry Masony dia raisiko ho tsy lâcheté mihitsy ny hoe tsy hiteny amin'ilay ramatoa raha mandeha. Izay fantany fa mety indray na hiantso izy any am-pandehanana na tsia. Ny fipetrak'ilay tantara hitantsika eto manko dia azo lazaina fa an-taonany izy NANJAKA TANTERAKA tamin-dRalefitra.

Négatif tamin-dRalefitra ny vitany teo aloha (toetra tsy zaka), dia vokatr'izany no voatery mitranga amin'izao fotoana. Aiza ianao dia hanjaka irery lava izao manoloana "ny tsy miteny" ?
Izay no ilàna fahendrena amin'ny fahaiza-miaina fa tsy hoe hitady aretina, ka eo indray vao hitady mpitsabo.
Raha matotra teo amin'ny fiaraha-miaina izao izy, na ny nandeha psy aza tsy nilaina.

Négatif + Négatif(provocation fisarahana) = Positif... samy vita !

Fisarahana no tanjona. Ary mino aho fa tsy hoe fisarahana noheverina tao anatin'ny herinandro fa am-bolana marobe.

Hiova Ratafita izany Ralefitra raha tafiditra ny bôl ?

Tafità soa !

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: olona efa matotra
Date: 11 août 2017 - 00:29

Ralefitra ,
Sao dia ny fisarahana aminy aloha no tena olana mipetraka e !
Ataovy mazava carte sur table fotsiny ny règles du jeu satria raha resaka hasarotam-piaro no tena fond du problème ,tokony hisy resaka thérapie sans empoisonner ta vie ,le travail etc...mila mi respiré avec confiance foana .?
-Réglé-o aloha izay problème izay fa aza afangaro @ resaka fisarahana raha tena mbola tianao izy .Ilay olana anie resaka étouffement fusionnel mety suite t@ nahafatesan'ny vadiny .?L'essentiel izany raha tsy mampirafy izy torak'izay koa ianao .Lay resaka spasmophilie mila manao cure magnésium magne B6 matetika satria 80% ny vehivavy gasy voan'io daholo .?
Bon courage !Dia ento amim-bavaka !

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 11 août 2017 - 10:40

Miarahaba an'ny Masony,Tsiarofoana ary olona efa matotra, ianareo rehetra.

Marina daholo ny voalazanareo, am Lundi aho no hande conge pour 21jrs. Rahariva aho mino fa tsy maintsy tonga haka ahy aty ampiasana izy, de ho profiteko amizay ny hitenenako azy hoe "Aoka izay fa tena reraka aho" satria tsy hahitako fiainana milamina ny fiarahiko aminao, sns.....Tsy hifamaly aminy sanatria fa efa voaomako ny zavatra holazaiko, ary tsy hiverina hiaraka aminy intsony aho. Tsy hiteny aminy mintsy aho hoe congé, satria demain matin za no hiainga pour Mjga.

Misaotra tamin'ny torohevitra izay tena nahasoa, satria ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona.

Mankasitraka indrindra tompoko.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 18 août 2017 - 11:38

Miarahaba antsika rehetra,

Enfin, oufff, je suis libre na dia tena sahirana kely aza niteny taminy. Maka aina sy maka rivotra kely aloha.

Merci à vous tous.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: question
Date: 18 août 2017 - 14:18

so d i Rose ny anaran'le vadinao?gratte

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Maisnonmaisnon
Date: 18 août 2017 - 14:28

question>>> tsy rose izany e, rose anie tsy saropiaro satria efa garanti fa esclave ny vadiny e humcowboy

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Tinah
Date: 18 août 2017 - 14:46

Ralefitra >> ahoana ny fomba nitenenanao anazy finalement?

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: maty vady koa
Date: 21 août 2017 - 17:01

zaho efa maty vady efa ela ihany koa fa mbola tanora sao mety amin'i ralefitra?

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 22 août 2017 - 11:07

Miarahaba anareo rehetra,

Mialatsiny aminareo raha izao vao mamaly fa mba maka rivotra kely e!

Tinah>>>>>Manontany ianao hoe nanao ahoana ny nialako taminy.Tena nitrotro ambavaka aho, ary tena nivavaka tokoa ary dia fahagagana ho ahy tokoa fa nanaiky izy rehefa nitenenako hoe mety amintsika ny misaraka. Ny antony dia mi-souffrir avokoa na izaho na ianao, ary tsy mahasoa ny zanatsika any aoriana ny fihetsika tsy voahevitra sy teny ampo noho ny hasarotampiaronao ka mety hanimba na hampisaraka azy ireo ka samy haka ny ankolafiny ny ankizy. Nanaiky izy fa tsy mety tokoa izany, saingy sarotra ho azy hono ny hamehy ny tenany ka ny sitrako dia ekeny. Nitsodrano azy aho ary izy koa toa izay, tsy nitomany mintsy izy.Nataoko liste noire ny fone rehetra vao vitako izay mba tsy hisian'ny fanelingelenana satria fotoana hakana saina handinihina ny ho avy no tokony ho sainina aty ampialan-tsasatra.

maty vady koa sy kopatanana>>>>>Hatramin'izao aloha dia mila mandinika ny ho aviko sy ny zanako aho, ary tsy mbola eo ampisainana izany. Ny any aorina mbola tsy fantatra.

Mankasitraka anareo amin'ny foko manontolo aho noho ny torohevitrareo.
Misaotra tompoko.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: rose la vierge
Date: 22 août 2017 - 17:09

mitovy be @ vadiko mihitsy tena

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 23 août 2017 - 07:55

Miarahaba antsika,

Fanamarihana kely, Tsy rose no Anaran'ilay olona niaraka tamiko fa tena mifanipaka be, saingy aoka mba hisy fanajana ry rose la vierge. Sosokevitra sy fifanampiana no hilaina eto. Tahin'A/tra ianao.

Mankasitraka indrindra.

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: ROSE LA DABALOKA
Date: 24 août 2017 - 07:49

hihihi rose la vierge. mortderire

Options: Répondre
Re: Mila vahaolana amintsika fa saropiaro lotra ilay miaraka amiko.
Par: Ralefitra
Date: 12 septembre 2017 - 16:06

GREG OWEN et HELEN BENJAMIN>>>>>>>>>TSY MANANA OLANA ARA-BOLA AHO, ARY TSY HISAMBOTRA NA HITROSA NA AMIN'IZA NA AMIN'IZA;

Misaotra Tompoko.

Options: Répondre


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg