Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Avis de recherche
Aller à la page: Précédent12345Suivante
Page: 3 sur 5
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 10 août 2016 - 15:21

**** Ny mahagaga dia andini-teny metimety aminy vitsivitsy no hoentin'ny fivavahana sasany ataony fototra iorenana'ny finoany nefa misy verset maro be ao anaty baiboly

resaka anniversaire, rà , anaran'Andriamanitra, ..., faminaniana...fandaminana,...

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 10 août 2016 - 16:01

Iza amin'ireto fandikana baiboly ireto no marina

(Protestanta)

Genesisy 5:1-2 Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;

lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.

--> Adama hono no anaran'ny olona noforonan'Andriamanitra?

------------------

(Katolika)

Jenezy 5:1-2
Ity no boky misy ny tantaran'i Adama. Tamin'ny naharian'Andriamanitra ny olombelona dia nataony manahaka an'Andriamanitra izy.

Lahy sy vavy no nahariany azy; ary notsofiny rano izy, ary nomeny anarana hoe Olombelona, tamin'ny nahariany azy.

--> Olombelona hono no anaran'ny olona noforonan'Andriamanitra?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 10 août 2016 - 17:59

Hafatra ho an'iza te hianatra baiboly

Ny atao hoe mianatra baiboly dia mianatra ny finoan'ilay mpampianatra

Raha katolika ny mpampianatra dia finoana katolika no ianaranao
Raha protestanta ny mpampianatra dia finoana protestanta no ianaranao
Raha advantista ny mpampianatra dia finoana advantista no ianaranao

Ary raha vavolombelon'i Jehovah no mpampianatra?

Efa misy boky ianarana. Vakianao ilay boky dia misy fanontaniana sy valiny ao.
Lazaina teny mamy ianao.

-> Milaza ny vavolombelon'i Jehovah fa manao ny fomba amam-panaon'ny kristianina voalohany. Nga nampamakiana boky ny olona fa tsy baiboly raha ilaina izany?

Rehefa mandroso amin'ny fianarana vavolombelon'i Jehovah ianao dia lasa te hamaky boky navoakany foana.

-> Misy milaza fa efa manomboka tratran'ny manipulation mentale raha vao mitranga izany zavatra izany


Mandroso ihany ianao dia asaina atao batisa. Lasa vavolombelon'i Jehovah izany ianao izao. Tsy maintsy ekenao ny boky avaokan'ny vavolombelon'i Jehovah.


-> Raha efa vita batisa ianao taloha, dia tsy izy intsony iny batisa iny. Mila atao batisa vavolombelon'i Jehovah ianao izany hoe lasa mpitory!

Efa vita batisa izao ianao. Tandremo tsara àry ny miala tsy ho vavolombelon'i Jehovah.


Nandeha ny volana ny taona, lasa tsy vavolombelon'i Jehovah intsony ianao

-> Ny namanao rehatra vavolombelon'i Jehovah dia lasa tsy namanao intsony.
Atao fay rano mihitsy ianao. Na ny miarahaba anao aza tsy ataony.

Tsarovy fa taloha ianao notambatambazana tamin'ny teny mamy sns. Tsy ampitahoriny afo be ianao fa fandroahana no ampitahorina anao izany hoe esorina ao anaty fikambanana raha...

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 11 août 2016 - 14:59

Genesisy 4:3
Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;


Genesisy 4:4
fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny;

Genesisy 4:8
Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.

Genesisy 4:15
Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.


> i Kaina namono olona hono narovan'Andriamanitra fa i Abela nankasitrahan'Andriamanitra indray no tsy narovany ?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Maha-Dinika
Date: 12 août 2016 - 10:13

Tena mandinika toakoa ianao ry mandinika! saingy mandinika de façon charnelle.

Ny tsy ampy aminao dia ilay etat d'esprit nolazaiko tany @ post teo aloha izany hoe ilay vision spirituelle.


Efa mba nosaintsaininao ve ohatra ny voalza ao @ Genesisy 8:20 mihoatra iamin'izay voalaza ao Genesisy 7:8 ka mety hahafahanao manatsoaka hevitra hoe @ lafiny inona no lazaina fa maloto na madio ny biby iray t@ andron'i NOa?

Izay ilay hoe tsy tokony ohatra ny famakiana roman no tokony anaovantsika ilay famakiana ny Baiboly.

Ary tena hita koa fa tena manana heriny lehibe aminao ireo sites milaza fa anti secte ireo ka tena tianao ny mizara izay ambarany.

Tiako anefa ny milaza aminao fa tsy objectif izy ireny ka tsy ny tena zava-misy no ambarany fa ny fomba fahitany zavatra fotsiny ihany.

Options: Répondre
Mitandrema amin’ny famitahan’ny mpivadi-pinoana
Par: JW
Date: 12 août 2016 - 14:06

Efa hatry ny ela i Satana no nampiasa ny mpivadi-pinoana, mba hamitahana ny mpanompon’Andriamanitra. (Matio 13:36-39) Mety hihambo ho manompo an’i Jehovah sy mino ny Baiboly izy ireo, nefa tsy manaiky ny fandaminany eto an-tany. Misy aza miverina indray amin’ireo fampianarana manala baraka an’Andriamanitra, sy avy amin’i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso eran-tany. (Apokalypsy 17:5; 2 Petera 2:19-22) Nasain’Andriamanitra nampiasa teny mahery ireo mpanoratra ny Baiboly, mba hanalana sarona ny fanaon’ireny mpivadi-pinoana ireny sy ny antony hanaovany izany.

Inona no tanjon’izy ireo? Mandà ny finoana ny ankamaroan’izy ireo, dia ilay finoana izay nety ho efa noheveriny ho marina taloha. Tsy vitan’izany anefa fa mitaona olona hanaraka azy koa izy ireo. Tsy miezaka mitady olon-kafa hataony mpianany izy, fa mitady ‘hitaona ny mpianatra [izany hoe ny mpianatr’i Kristy] hanaraka azy.’ (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Nilaza izao fampitandremana maika izao momba ny mpampianatra sandoka ny apostoly Paoly: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny.” (Kolosianina 2:8) Moa ve izany tsy mahalaza tsara ny zavatra iezahan’ny mpivadi-pinoana hatao? Toy ny mpaka an-keriny izy ireo. Ny olona tsy manampo na inona na inona no alain’ny mpaka an-keriny sy sarahiny amin’ny fianakaviany. Toy izany no ataon’ny mpivadi-pinoana, satria izay matoky azy eo anivon’ny fiangonana no hararaotiny sy tadiaviny hoentina lavitra ny andian’ondry.

Ahoana no fomba fiasan’ny mpivadi-pinoana mba hanatratrarany ny tanjony? Matetika no amboamboariny ny filazany ny zava-misy, na misy marina kely ny zavatra lazainy, na mandainga mihitsy izy. Fantatr’i Jesosy fa hisy olona ‘hamorona lainga’ isan-karazany mba hamelezana ny mpanara-dia azy. (Matio 5:11) Milaza zavatra tsy marina ireo fahavalo ratsy fanahy ireo, mba hamitahana ny olona. Nampitandrina ny apostoly Petera fa hisy mpivadi-pinoana hampiasa “teny mamitaka”, hampiely “fampianarana mamitaka” ary ‘hanolana ny Soratra Masina’, mba hanatratrarany ny tanjony. (2 Petera 2:3, 13; 3:16) Mampalahelo fa mahavita ‘mandrava ny finoan’ny sasany’ izy ireo.—2 Timoty 2:18.

Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitaka? Mila manaraka ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra isika. Izao no voalaza ao: ‘Araho maso ireo mahatonga fisaratsarahana sy mampisy toe-javatra manafintohina, fa mifanohitra amin’ny fampianarana efa noraisinareo izany. Halaviro ireny.’ (Romanina 16:17) ‘Manalavitra azy ireny’ isika, rehefa mandà ny fomba fiheviny, na ampitainy am-bava izany, na amin’ny boky, na ao amin’ny INTERNET. Nahoana isika no manao izany? Voalohany, dia satria ny Tenin’Andriamanitra no mandidy antsika hanao izany, ary matoky isika fa miahy izay hahasoa antsika foana i Jehovah.—Isaia 48:17, 18.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 16 août 2016 - 11:52

Maha-Dinika


--------------------
Hoy ianao :

Tiako anefa ny milaza aminao fa tsy objectif izy ireny ka tsy ny tena zava-misy no ambarany fa ny fomba fahitany zavatra fotsiny ihany.
------------------


2 Timoty 3:16:

Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,


--> manaiky ve ianao fa Avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra ny baiboly ?


Nefa mba maneho hevitra koa i Paoly

1 Korintiana 7:12:

Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.

--> Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 16 août 2016 - 13:37

> JW

Averiko valina tsirairay izay voalazanao tary aloha tary.

Vavolombelon'i Jehovah = VJ

1) Ahoana no anavahana ny fivavahana marina amin’ny fivavahan-diso? Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny?

-> Tsy miavaka amin'ny olon-drehetra ny VJ fa mitovy ihany izy ireo. Betsaka ny manafina ny fahotany fa matahotra ny horoahina.
Misy site internet manaraka akaiky ny VJ ka voaresaka ao ny raharaha ara-pitsarana, sns...
Tsarovy koa fa malaza amin'ny raharaha pedophilie ny VJ. Mody mampianatra nefa manababo ny zaza amam-behivavy!

2) Mampianatra an’izay lazain’ny Baiboly ny fivavahana marina, fa tsy mampianatra hevitr’olombelona?

-> Matoa miovaova ny fampianarana dia mahatsapa fa diso ka mila hahitsy. Miovaova foana nefa ny fampianarana omen'ny VJ.
Ny fampianarana omen'Andriamanitra dia tokony tsy miova na aiza na aiza toerana aleha na na inona na inona vanim-pitoana.
Rehefa mifanaraka amin'ny fampianarany ny teny ao anaty baiboly dia asongadina be!
Rehefa mitsipika ny fampianarany ny teny dia tsy lazaina mihitsy. (Deotoronomia 18:22)

3) Manampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra ny fivavahana marina. Ampianariny hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra.
-> Milaza ny VJ fa ao anaty kitapo iray ny fivavahana rehetra ankoatra ny VJ nefa maro amin'izy ireny no mampiasa ny anaran'Andriamanitra hoe Jehovah.
Maninona raha ovaina anarana hafa fa tsy Jehovah no ampiasaina.

Araka ny fitsipi-pitetenena hebreo anefa dia tsy ho Jehovah mihitsy ny fandikana ny anaran'Andriamanitra tsy azo tononina YHWH.
Mety àry ve ny miantso ny anaran'Andriamanitra amin'ny fomba diso.
Fanampin'izay dia tsy hita ao amin'ny Testameta Vaovao ny anarana hoe YHWH, kanefa dia novan'ny VJ ho Jehovah ny teny (Tompo,...) sasany ao amin'ny
Testameta Vaovao ka lasa manova ny heviny!!

4) Ampianarin’ny fivavahana marina fa i Jesosy Kristy no nasain’Andriamanitra namonjy antsika.

->Fa ny VJ koa mampianatra fa mpanalalana ho an'olom-bitsy miisa 144000 ihany i Jesosy fa tsy ho an'ny olona rehetra!

5) Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no antenain’ny fivavahana marina hoe hamaha ny olana mahazo ny olombelona.
-> Ny mpino rehetra kosa dia manantena fiainana mandrakizay daholo.


6) Mampirisika ny olona hifankatia ny fivavahana marina
-> Ekena, fa raha VJ ianao no niala n'inona n'inona antony dia efa hifanao sakay sy maso ianao sy ny VJ rehetra mahalala anao.
Taminao tany amin'ny babylona lehibe nefa notambatambaziny hoe avy aty aminay!!!

7) Tsy misy mpitondra fivavahana karamaina ao amin’ny fivavahana marina. Tsy misy olona omena anaram-boninahitra miavaka be koa ao.

-> Fa ireny any amin'ny betela ireny nga tsy efa naman'ny mikarama. Mipetraka ao anaty trano manara-penitra, sns,...
Ny College Central nga tsy efa anaram-boninahitra?...


8) Tsy manao politika mihitsy ny fivavahana marina.
-> Dia maninona nefa no tratran'ny olona niaraka tamin'ny ONU nandritra ny 10 taona. Nefa lazaina fa ny ONU no handrava ny fivavahana rehetra ka
ny fivavahana VJ sisa no tavela amin'ny farany?
Rehetra tratra moa izy dia niala haingana oatran'ny tsy teo.


9) Iainana mihitsy ny fivavahana marina, fa tsy fombafomba na fahazarana fotsiny.
-> Fa aiza no misy finoana, no tsy mampirisika fa tokony iainana ny baiboly?
Mbola averiko hoe betsaka no manafina ny fahotany ny VJ satria matahotra ny ho voaroaka!


10) Vitsy ny olona manaraka ny fivavahana marina.
-> Iza izao no betsaka ny fiangonana Apokalipsy sa ny VJ maneran-tany?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 16 août 2016 - 13:54

JW >


Araka ny fijerin'ny mpanotra baiboly dia fisaka ny tany. Tamin'izany mbola tsy nandroso ny siansa. Noenjehin'ny katolika aza taloha ny mpahay siansa nilaza fa boribory(sphere) ny tany satria mandiso ny baiboly.



Daniela 4:8:
Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.

--> Raha tsy fisaka ve ny tany ho hita eny an-danitra eny ny faran'ny tany rehetra?


Matio 4:8:Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,

--> Tsy ho hita eny ambony tendrombohitra avo dia avo mihitsy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao raha tsy fisaka ny tany


Apokalypsy 1:7:Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.

--> Hoy ny fampianarana iray izay hoe, raha any Australie ve i Jesosy no tonga dia hahita azy koa ny olona any France. Fantatsika fa boribory (sphere) ny tany noho izany dia ara-panoharana io


Sao dia fisaka kosa ny fahitan'ny olona nanoratra ny baiboly ny tany? sa ahona hoy ianao?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: tena marina ara-bakiteny ?
Date: 16 août 2016 - 18:22

hoy i <<Maha-Dinika>>

"Matoa...maro no mahita soa ary indrindra fahasambarana @ fanarahana ny toromarika sy fitsipika ao anaty Baiboly dia mazava ho azy fa mbola valable amin'izao 2016 izao sy ny @ ho avy ihany koa ary izay indrindra no tena anisan'ny mampihavaka ny Baiboly @ boky hafa."

-araky ny hevitsika , mba mety "...mahita soa ary indrindra fahasambarana @ fanarahana ny toromarika sy fitsipika ao " anatin'ny finoany sy ny boki-pinoany ary ny fivavahany koa ve ireo olona amina miliara koa , izay manaraka foto-pinona hafa (hindouisme,shintoiisme,bouddhisme...) sa dia mijaly fadiranovana satria tsy mba mahalala izay voalaza ao anatin'ny baiboly ?
-tena manaraka sy mampihatra ny fitsipika rehetra volaza ao tokoa ve izy ireny sa ny sasantsasany ihany ?

"Ny @ hoe fampiharana ara-bakiteny indray dia tsy voatery satria mila jerena ihany koa ny contexte, ny vanim-potoana, ny antony sns mahakasika ny fiorenan'ilay fanambarana."

Raha toa ka tena tenin'Andriamanitra tokoa izy ireny , nahoana no mila "...contexte, ny vanim-potoana, ny antony sns..." nanambarany an'izy ireny ? Tsy tokony efa fantany tamin'izany ve -raha tena Izy tokoa no nanoratra na nampanoratra ny baiboly fa mety ny "...ny contexte, ny vanim-potoana..." dia hiova tsy tahakan'izay nisy tamin'ny andron-dry Mosesy , Josoa ,Davida ...?
Raha tena miankina amin'ny "...ny contexte, ny vanim-potoana..." ny fahamarinan'ilay toromarika dia inona no maha samihafa azy amin'ny toromarika na anatra noforon'ny olombelona nisaina sy nadinika ny fiaraha-monina ?

"Rehefa tonga amin'ny fahitana izay voalaza ao @ fomba ara-panahy (manana vsion spirituelle des choses) ny olona iray...vao tena hahatakatra izay voambara ao."

Iza no afaka hitsara sy ahalala fa nanana "...fahitana...@ fomba ara-panahy (manana vsion spirituelle des choses) ny olona iray " eo aminn'y famakiana izay voalaza ao anatin'io baiboly io ?

Ianao manokana manambara izay voalaza eo ambony ireo ve dia anisan'ireo "... mahatakatra ilay fahalalàna voaraikitra ao ...satria manana toe-tsaina amam--panahy mifanaraka @ izay takin'Andriamanitra aminy ny olona iray mba ahafahan'ny Fanahy masina miasa sy mamolavola azy @izany.?

ohatra iray na roa no mba tiako ho velabelarinao ny "...fahitana ara-panahy sy niasan'ny Fanahy Masina " ny mahakasika :

-ny tsy fanajana ny andro Sabata
<<...nahita lehilahy ankiray nangona kitay hazo amin'ny andro Sabata (tsy voalaza ao na asabotsy io na alahady); ary izay nahita azy ...di nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra .
Ary hoy YHWH tamin'i Mosesy : hatao maty tokoa izany lehilahy izany ; hitora-bato azy eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra ...ka nitora-bato azy dia maty izy...>>

--ny fomba tokony atao momban'ny zaza maditra
<<Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohotra ka tsy mety mihaino ny feon'ny rainy , na ny foen'ny reniny ka tsy zakany anarina , dia ho samborina ...izy ka ho entiny amin'ny loholona amin'ny tànany ...dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tànany ; ka dia ho fongarinao ...ny fanao ratsy >>

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mba manana esprit critique klé!
Date: 16 août 2016 - 18:36

tsy tokony mba hijery ve isika Malagasy hoe :
-hoviana marina no nosoratana ireo baiboly ireo ?
-iza no nanoratra azy ?
-inona no antony (contextes politique,religieux,international...) nanoratana azy

ity resaka hoe "tenin'Andriamanitra , nosoratan'Andriamanitra ity mantsy amiko dia tena mampihesona fotsiny ka tsy mba hahanantsika Malagasy esprit critique mihitsy,hany ka hanjakan'ny sectes aman-mpolony maro fotsiny i Mdagasikara

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Maha-Dinika
Date: 17 août 2016 - 10:11

Ho ezahina atao fohy.

Tsy ny malagasy ihany ry mba manana esprit critique klé! no tokony ahafantatra ny valin'ireo fanontanianao ireo fa ny olombelona manerantany mihitsy.

Ny fianarana ny Baiboly anefa no ahitana ny valiny.

tena marina ara-bakiteny ? >>

Izao an!
Ny fivavahana kristiana no fantatro tsara sy iainako (tsy midika izany fa tsy manana notion momba ireo fivavahana hafa aho) ary mahita aho fa ny fari-pitsika (moralité) izay takin'Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly dia tena ambony lavitra no izay misy.
Na i Gandhi (izay fantatrao ny fivavahany) aza niaiky fa raha mampiahatra ny fitsipika noresahin'i Jesosy tamin'ny tori-teny teo an-tendrobohitra ny firenena anglisy sy ny fireneny dia tsy ho nisy akory ny disadisa tamin'izy ireo.

Ary marina izany satria ohatra fotsiny hoe inona no mety hitranga raha manaraka izay voalaza ao amin'ny Matio 7:12 ny olombelona tsirairay?
Misy fahasamihafana amin'izay fitenin'ny olona mahazatra izay voala ao ary tena mampiova zavatra be izany.

Momba ilay fanananana vision spirituelle des choses dia rehefa tonga amin'ny stade izay voaresaka ao amin'ny Hebreo 5:11-14 isika no anisan'ny fomba hanana azy io.

Izay no mahatonga ny fahasamihafana eo amin'ny fahatakarana izao voalaza ao amin'ny Baiboly.

Na ny fahitanao an'ireo andinin-teny ireo sy ny fahatakarako azy aza dia mety ho samihafa.

Ahoana ary no ahafantarana fa ny fahatakarako no izy fa tsy ny anao na koa ny mifamadika amin'izany?

Hita amin'izay voalaza aao amin'io Hebreo 5 io ny valiny.

Ka noho ny fahasamihafana ilay fahatakarana dia aleo ny fotoana no hamaly ireo fanontanianao ireo ary izaho mino fa ho azonao ny valiny araka ny tokony ho izy.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Maha-Dinika
Date: 17 août 2016 - 10:45

mandinika!>>

Miresaka momba ny adama ianao etsy ambony:

Olana ara fandikan-teny ve no izy sa ilay Baiboly mihitsy no lazaina fa diso?

Samy marina ireo voalaza ireo fa mila manao fikarohana kely fotsiny ianao dia ahafantatra hoe nahoana tokoa.

Momba ilay I Korontian 7:12 par rapport amin'ny 2 Timoty 3:16 indray dia ny andininy 40 no ahitanao ny valiny.

Ireo fanamarihanao sasany ireo dia mitory ny tsy fananao ilay vision spirituelle des choses.
Nefa mino aho fa afaka ny hanana izany ianao.

Ohatra raha miteny ny Daniela 4: 8 hoe "faran'ny tany", midika ve izany fa lazain'ny Baiboly fa fisaka izy io?

Ny fahitanao izay voambara no milaza azy ho fisaka fa raha mandinika keky fotsiny ianao dia tsy izay no tiana ambara eo.

Raha takatry ny Katolika izay voalaza ao amin'ny Isaia 40:22 dia tsy tokony ho nanenjika izay nilaza fa boribory ny tany izy ireo.

Dia toa izany koa ny fahatakaranao ny Apokalypsy 1:7.

Ka izany raha ny fahakarantsika amin'izao fotsiny no entina hitsarana zavatra iray dia mazava ho azy fa tsy ho tsara sy araka ny tokony ho izy ilay vokatra avy eo.

Miresaka tamin'i JW inao hoe misy site manaraka akaiky ny VJ ary mino tanteraka aho fa ex VJ izany.

Matoa izy tsy VJ intsony dia nana olana tao izy izay. Dia mazava ho azy fa tsy ho objective intsony ny fanamabarany momba ny VJ.

Ny hoe resaka pédophilie sns indray dia tadido fa olombelona tsy lavorary izy ireny.
Tadidio fa natimn'ny taonjato voalohany aza dia misy karazan'olona toa ireny lasa kristiana araka ny voalaza ao @ 1 Korontiana 6:9-10.
Mety efa nanao fihezahana be izy niala tamin'izany ary mety manao rechute aty aoriana.
Dia midika ve izany fa ilay fikambanana misy azy no tsy mety?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 17 août 2016 - 11:37

> Maha-Dinika

Firifiry avy ny biby nampidirin'i Noa tao anaty sambo-fiara?
Averiko ihany ilay olana, ngamba tsy mazava tsara


Genesisy 6:19:Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.

--> Tsipiho tsara ilay hoe zava-manan'aina rehetra


Genesisy 7:9:dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.

--> niditra tsiroaroa tao anaty sambo fiara ny biby fa tsy tsifitofito ?
--> Adino ve ny nanoratra tsifitofito?


Genesisy 8:20
Ary Noa dia nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara.

--> Nangalana natao fanatitra ho dorona ny biby madio (tamin'ilay fitofito)
--> Ahoana no nafataran'i Noa hoe itsy no biby madio iroa ny biby maloto

Genesisy 1:31:Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.

---> Fa nga tsy tsara daholo izay nataon'Andriamanitra no hoe misy maloto sy madio indray?


---------------------
Levitikosy 11:46-47

Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany,

mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.

-> Io no antony hanavahana ny maloto sy ny madio, izay tsy nolazaina tamin'ny andron''i Noa fa tamin'ny andron'i Mosesy


====>
Araka fandinihin'ny manampahaizana ara-baiboly dia nosoratan'olona maro ny genesisy fa tsy olona iray ihany. Ilay milaza ny biby madio sy biby maloto ao amin'ny genesisy io dia nampiana taty aoriana

Introduction à l'Ancien Testament de Thomas Römer (Auteur), Jean-Daniel Macchi (Auteur), Christophe Nihan (Auteur), Collectif (Auteur)

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 17 août 2016 - 12:27

Mikasika an'ilay esprit critique noresahinareo, dia manaiky koa aho fa ilaina izany, indrindra fa aty amin'ny firenena andalam-pandrosoana aty

Ny antony dia, ny firenena matanjaka dia manana loharanom-pahalalana maro be ; ny boky sy ny internet. Ny olona mikarokaro dia tsy ho voasasa loha izany


Aty amintsika dia zara fa misy ireny. Ny boky izay lafo ,ny site internet misy fa an'ny finoana isan-karazany izay natao hiarovana ny finoany. Ny vahoaka koa tsy hanokana vola hividianana boky na hijerena internet fa mino izay lazaina aminy.


Any amin'ny firenena mandroso dia tsy mitombo firy ny isan'ny mpino fa mihena aza ny mpiditra am-piangonana satria betsaka ny mi-critique ny fivavahana any

Aty amin'ny firenena mahantra no misy fitombona satria aty dia mora sasany atidoha ny olona, tsy manana loharanom-pahalalana firy ka izay resahana amin'ny dia ekeny daholo smiling smiley

ohatra : Misy fivavahana vao tsy ela kory no niforina, 2 taona, dia efa manana mpivavaka 4 arivo sahady. tsy mampiasa boky na internet izy fa radio no fanaovan'ny publicité

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 17 août 2016 - 12:45

>Maha-dinika

Manahoana ny tany : sphere sa plate?

Rehefa dihinina tsara ny baiboly dia cercle fa tsy sphere ny tany.

Daniela 4:8:Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.

-> Ny fanatsoahan-kevitra eto dia avo be ilay hazo dia hita n'aiza n'aiza avy ety an-tany ilay hazo

Avereno jerena koa ny matio 4:8

==> Amin'ny mpanoratra baiboly izany dia fisaka ny tany.


-------------------------------------------

Nijanona ny masoandro sy volana

Josoa 10:12:Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna* eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina]

Josoa 10:13:Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona* koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara** va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. [*Heb. mangina][**Jasara = Ilay mahitsy]

==> Amin'ny mpanoratra baiboly dia ny masoandro no mihodiny amin'ny tany izay mifanohitra amin'ny zava-misy

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 17 août 2016 - 12:49

....fanitsiana...

Rehefa dihinina tsara ny baiboly dia cercle plate fa tsy sphere ny tany.

Betsaka ny verset milaza fa toin'ny cercle ny tany....

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Maha-Dinika
Date: 17 août 2016 - 17:50

mandinika!>> Maika loatra ny fanatsoaha-kevitra ataonao nefa tsy ampy ny éléments eo ampelantananao.

Moa tena misy heriny lehibe aminao koa ny vokatra lazain'ireo milaza fa mpahay Baiboly nefa tsy manaiky izay voalaza ao.

Maro amin'ireo fanontaniana napetrakao ireo no efa nanomezana fanazavana ny momba azy toa ny resaka masoandro t@ andron'i Gideona sns...

Inona no manambara fa Matio 4:8 dia mitory hoe fisaka ny tany?

Io izany mitovy amin'ilay resaka Adama nambaranao ihany.

Raha manao fikarohana kely fotsiny ianao dia sphère no resahin'io Isaia 40:22 io.

Ary mbola misy versets hafa aza manamara fa mihantona amin'ny tsy misy ny tany.

Taminy fomba ahoana ny nahafantarany izany nefa tsy mbola nisy olombelona nandeha teny amin'ny espace akory?

Momba ilay biby maloto sns dia tsy tokony hipetraka akory ny fanontaniana raha takatsika ny fikasan'Andriamanitra momba an'ny olombelona sy ny tany.

Mila ianarana ny Baiboly ary mila manaiky volavolain'ny Fanahy masina vao ho tonga amin'ilay stade voalazan'ny Hebreo 5: 11-14 dia amin'izay fotoana izay hahay manavaka ny antonanton'izany zavatra rehetra izany isika.

Iza no afaka hanazava ito:

Raha nisy boky angamba teto an-tany nisedra mafy sy nanana fahavalo matanjaka toa an-dry mandinika! te hamongotra azy dia tsy nisy hafa tsy ny baiboly nefa nahoana ary mbola hita sy feno mandraka ankehitriny ary mampiova izy io?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 18 août 2016 - 11:41

> Maha-Dinika

*** Traduction du Monde Nouveau des Saintes Écritures = TMN ***

Tsy hoe maika fa izay mihitsy ilay izy. Fisaka ny tany ary voalaza koa fa boribory (cercle).

Na ny mpandinika baiboly maro aza dia milaza izany. Fisaka ny tany raha araka ny mpanoratra baiboly.



Matio 4:8:Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,

--> Noentina teny ambony tendrombohitra avo be i Jesosy? Fa hanao inona ? Hijery ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.

Raha boribory ve ny tany ho hita amin'ny toerana iray faran'izay avo ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao?

----------------------------------

Misy karazan'ny roa ny boribory : cercle (2 dimensions) sy sphere (3 dimensions).

Ny vola izao dia sokajiana ho cercle!
Ny paoma sy ny voasary dia sphere!

Ny teny hebreo ** chuwg ** no midika cercle.
Ny teny hebreo ** dûr ** kosa midika sphere.

Ohabolana : 8:26-28 (TNM)
26 Mbola tsy nanao ny tany izy tamin’izany, na ny tanety na ny baingan-tany voalohany tamin’ny tany lonaka.
27 Efa teo aho rehefa nanao ny lanitra izy. Tamin’izy nandidy ny hisian’ny faribolana manodidina ny rano lalina,

-> faribolana = cercle

Isaia 22:18 (TNM)
Tsy maintsy hahorongorony mafy ianao, ka hataony toy ny baolina hatsipy eny an-tany malalaka. Koa any ianao no ho faty, ary any ny kalesim-boninahitrao no ho fahafaham-baraka ho an’ny ankohonan’ny tomponao

-> baolina = sphere

Isaia 40:22 (TNM)
Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity, ary toy ny valala ny mponina amin’ny tany. Izy no mamelatra ny lanitra toy ny lamba manify, sy mamelatra azy toy ny tranolay fonenana

-> Ny boribory eto dia tsy sphere fa cercle. Ny teny hebreo ampiasina eto dia chuwg (2 dimensions)

-> Raha toin'ny sphere ny tany, nahoana no tsy ilay teny hebreo ** dûr ** (3 dimensions ) no nampiasaina?


=> Izany no midika fa nosoratana araka ny fahalalan'ny olona nisy tamin'izany ny baiboly.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 18 août 2016 - 13:56

Maro ny filazana ao amin'ny baiboly no tsy mifanaraka amin'ny siansa

Vao manomboka ny baiboly (Genesisy 1) dia tsy mifanaraka ara-tsiansa ny voalaza ao!

1)
Ny filahazan'ny zavatra noforonan'Andriamanitra ao amin'ny Genesisy

-> Ny tany, ny hazavana, ny ranomasina, ny zava-maniry, ny kintana sy ny volana, ny biby, ny olona

Raha ara-tsiansa dia tokony ho izao
-> ny kintana, ny tany, ny volana, ny ranomasina ny zava-maniry ny biby ny olona


2)
Levitikosy 11:13:
Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
Levitikosy 11:19:sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
-> Vorono hono ny ramanavy

3)
Deotoronomia 14:7:Nefa amin'izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;
-> Mandinika hono ny bitro

4)
Levitikosy 11:20:Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
-> Manana tongotra 4 hono ny insectes

5)
Levitikosy 14
-> Fitsaboana taloha!

6)
Matio 2:9:Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely.

-> Everin'ny mpanoratra baiboly fa mitovy amin'ny ampoule ny kintana ka afaka mitari-dalana! Mijanona eo amin' ilay misy an'ilay zaza hono ny kintana?

-> Ny masoandro izao no kintana akaiky indrindra amin'ny tany


7)....

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Maha-Dinika
Date: 18 août 2016 - 18:04

mandinika!

Maha-Dinika izay nambaranao tokoa aho ary mahita fa ny fahazoanao ny voasoratra ao anaty Baiboly no entinao hitsarana ilay izay.

Tsy voatery araka ny fahitanao azy no koa ny fahitan'ireo olona nalainao ny fikaroany anefa no izy (izay tsy zava-baovao fa resaka efa nandeha hatriny ela ary efa nahitana fanazavana izay tsy voatery ho eken'ny rehetra).

Satria nahona?

Satria tsy ilay tanjona tianao ho tratrarina amin'ilay resaka no tanjon'ilay nanao fanambarana rehefa nampita izany izy. Izay dia efa mampivoana ilay fomba fijery.
Koa rehefa tsy mifanaraka amin'ny fomba fijerin'ilay nanambara ny fijerintsika dia mazava ho azy fa hivaona ny fahazoantsika izay tiana ambara.

Ohatra:

Momba ilay matio 4:8 ohatra dia raha toa ny fahitanao azy tokoa ny fomba fijery dia mampanontany tena ny hoe ahoana marina moa no fomba nahitan'ny mason'i Jesosy teny amin'ilay tendombohitra avo be ny "mbamin'ny voninahiny"?

Mino aho fa ho azonao no tiako ambara amin'io.

Samihafa ry mandinika! ny teny hebreo hitantsika momba ny Isaia 40:22.
Koa io moa izany rehefa tiana ho porofoina hoe boribory fisaka no izy dia izay no entina.

Misy fitenenana koa ao anaty Baiboly hoe "quatre coins de la terre" dia hilaza koa isika fa lazain'ny Baiboly ho carré ny tany.

Dia izay no ahitana hoe vision spirituelle des choses ve no antsika sa vision matérialiste des choses.

Koa ho ani'reto farany dia ho sarotra amin'izy ireo ny ho tonga @ ilay stade izay nambaran'ny Hebreo 5: 11-14.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 18 août 2016 - 18:40

Matio 4:8 ?

Andao hojerena miaraka

Matio 4:5-7 (TNM)

5 Ary nitondra azy nankany amin’ny tanàna masina avy eo ny Devoly, ka nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly,

-> Noentina teny an-tampon'ny tempoly i Jesosy

6 ary niteny taminy hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any. Fa voasoratra hoe: ‘Homeny baiko hitsinjo anao ny anjeliny, ka hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin’ny vato mihitsy ny tongotrao.’”

-> Mianjèra avy eny ambony eny raha zanak’Andriamanitra ianao hoy ny devoly taminy

7 Dia hoy i Jesosy taminy: “Voasoratra koa anefa hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah Andriamanitrao.’”

---------------------------
Matio 4:8-9 (TNM)

8Avy eo indray ny Devoly dia nitondra azy nankeo amin’ny tendrombohitra avo dia avo. Nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.

-> Noentina teny ambony tendrombohitra avo be indray izy avy eo mba HIJERY ny fanjaka rehetra eto amin'izao tontolo izao

9 Dia hoy izy taminy: “Homeko anao ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.”


----------------------------
w01 15/10 5-6 (Boky avaokan'ny VJ)

** Ilay mpitondra miafin’ity tontolo ity **

Lazain’ny Baiboly fa natolotr’i Satana an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny”, raha niankohoka indray mandeha teo anatrehany izy. (Matio 4:8-10) Raha tsorina, dia natolotra an’i Jesosy ny fitondrana an’ity tontolo ity, saingy araka ny fepetra notakin’i Devoly. Tsy resin’izany fakam-panahy izany i Jesosy. Tena fakam-panahy ve anefa ilay izy? Tena afaka nanolotra izany zavatra goavam-be izany tokoa ve i Satana? Eny, satria i Jesosy mihitsy no niantso ny Devoly hoe “andrianan’izao tontolo izao”, ary nilaza azy ho “andriamanitr’izao tontolo izao” ny apostoly Paoly.—Jaona 14:30; 2 Korintiana 4:4; Efesiana 6:12.

----------------------------
Isaia 40:22 (TNM)
Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity, ary toy ny valala ny mponina amin’ny tany. Izy no mamelatra ny lanitra toy ny lamba manify, sy mamelatra azy toy ny tranolay fonenana

Isaia 40:22 (Protestanta)
Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina ety dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;


Izaia 40:22 (Katolika)
Izy no manerinerina eo ambonin'ny andohalambon'ny tany;
ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany;
izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly,
sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.


=> Raha globe terrestre no tian'i Isaia 40:22 lazaina; maninona no tsy tonga dia nosoloin'ny VJ ho globe terrestre fa nataony hoe boribory ilay teny ao anatin'ny baiboliny? Amin'izay tena mora vakiana tokoa ny baibolin'i VJ? => Sahy hanolo sa tsy sahy?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ô ry reto a !
Date: 20 août 2016 - 11:07

tô lasa resaka be lay hoe sphere ny tany na plat araky ny baiboly

ngaha nareo efa nahita résultats scientifiques nomen'ny baiboly ka afaka nanaovana applications ?
ny résultats nomen'ny fikarohana scientifiques sy techniques ary technologiques no nanome izany applications izany :
ohatr
thermodynamique sy machine à vapeur
chimie biologie sy ny vaccin na ny medicaments
physique sy ny zavatra rehetra ampiasaitsika isan'andro : portable , TV , ordinateur ...
astrophysique sy ny fahalalana mahakasika ny lanitra sy ny tany ..

ny boki-pinona ia zay te hino zay vôlaza ao dia affaires-ny izany : 6000 taona fotsiny no nisian'ny tany ? izany no vokatry ny kajy nataon'ireo mpino nalaina avy ao amin'izay voalaza ao anaty baiboly
amina milliards d'années kosa rehefa ny taonany raha ny analyse scientiques no ampesaina ary efa nisy olombelona teto tahakatsika teto 200 000 taona lasa izay

sphère ve ny tany ?
Efa ho 2 200 taona mahery izao no naporofoin'i Ératosthène (filozofy , astronome , mathematicien...grika) ny nampiasainy ny maha boribory (=spherique) ny tany(efa fantatr'ireo filozofy grika izany -Platon , Aristote, ecole pythagoricienne..taloha vers -500) ary tsy vitan'izany fa efa vao mesurer-ny halavan'ny manodididna ny tany ka nahitany fa 39 000 km izany (ary 40 000km izy amin'izao fotôna izao!)

mbola tsy nisy fahalalana nisongadina notsoahina avy ao anaty baiboly ka nafahana nahafantatra ny misy eto amin'izao tontolo izao (ary tsy izany no but-n'ireo nanoratra ny baiboly tamin'izany sady tsy nanana fahaizana mahakasika an'izany ry zalahy satria tsy nanao ...FIKAROHANA fa izay hitan'ny masony no lazainy : ohatra ny masoandro mihetsika sy mandeha eny an-danitra ka nafahan'i Josoa nampihanto an'izany mouvemment du soleil izany mba hamonoana ireo fahavalo...ny hanajana sy hitiavan'ny zanak'Israely an'i YHWH no but-ndry zareo )

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: fa inona indray ...
Date: 21 août 2016 - 09:21

...izany tany niforona vao 6000 taona izany ?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 22 août 2016 - 09:41

> ô ry reto a !

Ka misy milaza fa ny baiboly hono dia mifanaraka amin'ny siansa. Tsy soratan'olombelona fa an'Andriamanitra?

Nefa raha jerena hatramin'ny genesisy ka hatramin'ny apokalypsy dia betsaka ny erreurs scientifiques sy historiques ao.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinila!
Date: 22 août 2016 - 09:58

Babela?

Genesisy 11:4:Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.

-> Hanao tilikambo mahatakatra ny lanitra hono ry zareo? Fa sao hiely manera-tany?
-> Tsy te hiteny ve io verset io hoe atao repere ilay tilikambo ka hita manera-tany?


Genesisy 11:5:Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.

-> Nidina mihitsy hono Andriamanitra hijery an'ilay famoronana tilikambo ---> Fa nga tsy mahalala ny zavatra rehetra indray Izy?

-> Matahotra ve Andriamanitra fa sao dia tonga any an-danitra ny olombelona?

Genesisy 11:6:Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.

-> Niteny tamin'ny fiteny iray hono ny olona tamin'izany?

Genesisy 11:7:Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.

-> Hidina daholo hono ry zareo samy Andriamanitra hanorokoro ny fitenin'olombelona?

Genesisy 11:8:Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.

-> Rehefa lasa samy hafa fiteny hono ny olombelona dia tsy vita ilay tilikambo

Genesisy 11:9:Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.

------------------------------------------------


===> Matio 4:8, Daniel 4:8, Apokalypsy 1:7, Genesisy 11: 4 dia milaza fa hita amin'ny toerana faran'izay ambony ny faran'ny tany.

==> Ny sphere tsy manana farany fa raha cercle koa dia manana farany.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 22 août 2016 - 10:15

...fanitsiana...



===> Matio 4:8, Daniel 4:8, Apokalypsy 1:7, Genesisy 11: 4 dia milaza fa hita amin'ny toerana faran'izay avo ny faran'ny tany.

==> Ny sphere tsy manana farany fa raha cercle koa dia manana farany.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 22 août 2016 - 11:51

ahoana koa izany 6000 taona izany!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Maha-Dinika
Date: 22 août 2016 - 18:21

mandinika!>> hoy ianao "Matio 4:8-9 (TNM)

8Avy eo indray ny Devoly dia nitondra azy nankeo amin’ny tendrombohitra avo dia avo. Nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.

-> Noentina teny ambony tendrombohitra avo be indray izy avy eo mba HIJERY ny fanjaka rehetra eto amin'izao tontolo izao"

Dia ny fanontaniako tsy novalianao hoe:

Afaka nahita "ny voninahitr’ireny fanjakana ireny." teny amin'ilay tendrombohitra avo be ve i Jesosy?

Tsy aiko raha hainao ny fototry ny fanontaniako momba io.

Manaraka izany, mombailay Isaia 40:22 dia nambaako anao fa samihafa ilay teny hebreo hitantsika.

Fa raha mijery ny horizon ianao, misy farany ve sa tsy misy farany?

Fa ny fahitako azy satria fomba fijery materialista ny anao dia ilay hoe "Tenin'Andriamanitra" mihitsy no tsy azonao.

Ary hita tokoa izany amin'ny fifangaroan-javatra izay hita amin'ny fanamarihana nataonao.

Ka na hanazava inona eto ata aho momba izay pitsopisony dia ho toan'ny mireska amin'ny moana sy marenina satria tsy hifankahazo mihitsy ny resaka.

Ohatra miresaka ny apokalypsy 1:7 ianao mba hanaporofoina fa fisaka ny tany araka ny filazan'ny Baiboly azy nefa mba hitanao ve ny teny hoe: "ireo nandefona azy"?

Aiza no misy azy ankehitriny?

Dia ahona no fomba ahitany maso indray nefa izy ireo aza efa maty?

Mitovy ihany anefa ny valin'ireo fanotaniaina ireo sy ilay noresahiko momba an'ny Matio 4:8.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: fomba fijery materialista
Date: 22 août 2016 - 20:33

iza ilay tendrombohitra avo dia avo nisy tany amin'ny toerana niainan'dry Jesôsy ka nafahan'ny Satana nanondro azy ny fanjakana rehetra misy eto an-tany ?
tsy ireo fanjakana nisy tany Palestina fotsiny izany fa na ny tany Asia na ny tany Amerika latina na ny tany Europe na Afrika izany ...dia hitany daholo ireo firenena ireo sy ny voninahiny !

eny na amin'izao fotoana izao aza ve (izay misy fitaovana ary fomba kokoa ) dia mety hisy toerana avo dia avo (tendrombohitra)ahitana an'izany tokoa ve ?

raha ohatra i Jesosy ka nanana fijery tsy takatry ny saintsika,inona izany no antony nitondra azy eny an-tampon'ny tendrombohitra avo dia avo ?
na niara-nikatona tao an-trano aza ange izany Izy sy Satana dia ...hitany -tamin'ny alalan'ny fahagagana sy ny "masom-panahiny" daholo izay fanjakana sy ny voninahiny rehetra nisy e!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 23 août 2016 - 11:55

> Maha-Dinika

1)
------------
Hoy ianao

Afaka nahita "ny voninahitr’ireny fanjakana ireny." teny amin'ilay tendrombohitra avo be ve i Jesosy?
------------

Nga tsy izay mihitsy no notondrana an'i Jesosy tany an-tampon'ny tendrombohitra mba halain'i Satana fanahy izy dia nampijereny Azy ny fanjakana rehetra nisy naneran-tany.

Hitany daholo ny fanjakana nisy teto an-tany na tany amerika na afrika na asia na eropa na ostralia!

Raha niankohaka tamin'i Satana i Jesosy dia nomena azy ny fitondrana izao tontolo izao


=> raha ohatra i Jesosy ka nanana fijery tsy takatry ny saintsika,inona izany no antony nitondra azy eny an-tampon'ny tendrombohitra avo dia avo ?
na niara-nikatona tao an-trano aza ange izany Izy sy Satana dia ...hitany -tamin'ny alalan'ny fahagagana sy ny "masom-panahiny" daholo izay fanjakana sy ny voninahiny rehetra nisy e! (Hoy "fomba fijery materialista" )

=> Raha nahafantatra ny mpanoratra baiboly hoe spherique ny tany dia tsy hitombona mihitsy io Matio 4:8 io,


2)
-----------------
Hoy ianao

Manaraka izany, mombailay Isaia 40:22 dia nambaako anao fa samihafa ilay teny hebreo hitantsika.
-----------------

Isaia 40:22 (TNM)
Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity, ary toy ny valala ny mponina amin’ny tany. Izy no mamelatra ny lanitra toy ny lamba manify, sy mamelatra azy toy ny tranolay fonenana

Ny vola sy ny voasary ve tsy samy boribory

=> Maro be ny verset ao anaty baiboly milazalaza mikasika ny tany. Fa nahoana no raisina sens littéral io Isaia 40:22 io? satria ve hoe mifanaraka amin'ny science?

Vakio hatramin'ny farany anie ny Isaia 40:22, sens littéra sa symbolique?

=> Fa maninona hoa no tsy tonga dia no soloina hoe globe terrestre ilay boribory ao amin'ny Isaia 40:22 fa notazomina boribory raha izay no tian' Isaia lazaina ao amin'ny baibolin'ny VJ?

3)
----
Hoy ianao

Fa raha mijery ny horizon ianao, misy farany ve sa tsy misy farany?

------

Tsy horizon no tiako ambara fa ny faran'ny tany. Ny fomba fijerin'ny baiboly.

Daniela 4:8:Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.

-> faran'ny tany rehetra

Jeremia 16:19:Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan'ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.

-> faran'ny tany

=> Ny sphere ve misy farany ?

4)
-----
Hoy ianao

ianao mba hanaporofoina fa fisaka ny tany araka ny filazan'ny Baiboly azy nefa mba hitanao ve ny teny hoe: "ireo nandefona azy"?

---------

Apokalypsy 1:7:
Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.

-> Ho avy Eny amin'ny rahona i Jesosy; toerana avo dia avo; ka mahita azy ny mason'olombelona rehetra na aiza na aiza toerana misy azy.

=> Raha sherique ny tany dia tsy hitombona io filazana io ?


-> Ny nandefona azy koa ve hahita azy?

=> Mety misy finoana , mino fa hitsanga ilay nandefona azy dia hahita azy!!!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 23 août 2016 - 11:56

> Maha-Dinika

1)
------------
Hoy ianao

Afaka nahita "ny voninahitr’ireny fanjakana ireny." teny amin'ilay tendrombohitra avo be ve i Jesosy?
------------

Nga tsy izay mihitsy no notondrana an'i Jesosy tany an-tampon'ny tendrombohitra mba halain'i Satana fanahy izy dia nampijereny Azy ny fanjakana rehetra nisy naneran-tany.

Hitany daholo ny fanjakana nisy teto an-tany na tany amerika na afrika na asia na eropa na ostralia!

Raha niankohaka tamin'i Satana i Jesosy dia nomena azy ny fitondrana izao tontolo izao


=> raha ohatra i Jesosy ka nanana fijery tsy takatry ny saintsika,inona izany no antony nitondra azy eny an-tampon'ny tendrombohitra avo dia avo ?
na niara-nikatona tao an-trano aza ange izany Izy sy Satana dia ...hitany -tamin'ny alalan'ny fahagagana sy ny "masom-panahiny" daholo izay fanjakana sy ny voninahiny rehetra nisy e! (Hoy "fomba fijery materialista" )

=> Raha nahafantatra ny mpanoratra baiboly hoe spherique ny tany dia tsy hitombona mihitsy io Matio 4:8 io,


2)
-----------------
Hoy ianao

Manaraka izany, mombailay Isaia 40:22 dia nambaako anao fa samihafa ilay teny hebreo hitantsika.
-----------------

Isaia 40:22 (TNM)
Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity, ary toy ny valala ny mponina amin’ny tany. Izy no mamelatra ny lanitra toy ny lamba manify, sy mamelatra azy toy ny tranolay fonenana

Ny vola sy ny voasary ve tsy samy boribory

=> Maro be ny verset ao anaty baiboly milazalaza mikasika ny tany. Fa nahoana no raisina sens littéral io Isaia 40:22 io? satria ve hoe mifanaraka amin'ny science?

Vakio hatramin'ny farany anie ny Isaia 40:22, sens littéra sa symbolique?

=> Fa maninona hoa no tsy tonga dia no soloina hoe globe terrestre ilay boribory ao amin'ny Isaia 40:22 fa notazomina boribory raha izay no tian' Isaia lazaina ao amin'ny baibolin'ny VJ?

3)
----
Hoy ianao

Fa raha mijery ny horizon ianao, misy farany ve sa tsy misy farany?

------

Tsy horizon no tiako ambara fa ny faran'ny tany. Ny fomba fijerin'ny baiboly.

Daniela 4:8:Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.

-> faran'ny tany rehetra

Jeremia 16:19:Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan'ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.

-> faran'ny tany

=> Ny sphere ve misy farany ?

4)
-----
Hoy ianao

ianao mba hanaporofoina fa fisaka ny tany araka ny filazan'ny Baiboly azy nefa mba hitanao ve ny teny hoe: "ireo nandefona azy"?

---------

Apokalypsy 1:7:
Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.

-> Ho avy Eny amin'ny rahona i Jesosy; toerana avo dia avo; ka mahita azy ny mason'olombelona rehetra na aiza na aiza toerana misy azy.

=> Raha sherique ny tany dia tsy hitombona io filazana io ?


-> Ny nandefona azy koa ve hahita azy?

=> Mety misy finoana , mino fa hitsanga amin'ny maty ilay nandefona azy dia hahita azy!!!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Resaka hafa
Date: 23 août 2016 - 15:40

Fa inona kay no mahavonjy araka ny finoanareo e ?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ka izay ange ry ....
Date: 23 août 2016 - 17:20

...mandinika ilay izy e!

-raha fijery materialista nenao dia tsy possible ilay hoe spherique ny tany kanefa dia ahita Azy daholo ny maso rehetra ety an-tany (sphérique) ; ny points diametralement opposés dia tsy mitovy ny avo indrindra hitany ; raha eo ambonin'ny rahona avo amin'ny toerana A i Jesoa no tonga dia tsy tsy possible eo ambon'ny rahona avon'ny point B , diammetralement opposé

-fa raha kosa fijery spirituelle , nilatsahan'ny FANAHY MASINA dia ho ekenao fa sady sphère ny tany no ahita daholo ny mason'ny olombelona na aiza na aiza ny toerana misy azy amin'io fotoana io

fehiny :
-minoa fotsiny ihany na inona na inona voalaza ao ; izay no fanambarana fa nilatsahan'ny FANAHY MASINA sy nijery SPIRITUELLEMENT ianao

-ny fijery materialista dia ...fahavalon'ny finoana => izany matetika no nanenjehan' ny finoana ny fampiasana ny saina sy ny raison hatrany amboalohany ( aza mihinana ny hazo fahapanfantarana ny tsara sy ny ratsy = ny fahalalana )
nohenjehina foana ny rijan-kevitra izay nety nanozongozona ny finoana : heliocentrisme Copernic / Galilée;évolution-ny Darwin / fotoana (amina miliara) niforonan'ny tany , masoandro , ny nisian'ny olombelona ...)

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ny mpandinika sy ny mpamakafaka
Date: 24 août 2016 - 14:15

...baiboly ara-tsiansa dia mitady ny valinn'y fanontaniana tahak'itony:

-hoviana no nosoratana io baiboly io ?
-iza avy ireo olona na vondron'olona nanoratra azy ?
-inona no zava-nitranga teo amin'ny firenena na teo amin'ny foko mizara ilay finoana (isaraely , joda ) ary ny zava-niseho teo amin'iraisam-pirenena (assyria , babylona , persa ...) tamin'ny fotoana nanoratana azy ireny ?

-inona no tena zava-nisy ara-tantara ary inona kosa ny fomba fahitan'ireo mpanoratra an'izany amin'ny alalan'ny finoana (fanasazian'i YHWH, fahafaliany na fankasitrahany ny hetsiky ny vahoakany ...)

misy ny sasantsasany amin'izy ireo efa nahitam-baliny , ny hafa dia mbola tsy fantatra

isika dia efa afaka mi-google raha te ahita ny voka-pikarohana mahakasika an'izany

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Maha-Dinika
Date: 24 août 2016 - 17:48

mandinika>> Tena tsy azanona mihitsy ny fototry ny fanontaniako.

Koa satria ny fijery materialista dia ny au 1er degré ihany no hitany (araka ny zavatra vakiana eto) dia mazava ho azy fa au 1er degré koa ny tsoakevitra entiny.

Tsy te hiditra lalina be amin'ilay izy intsony aho satria averiko ihany fa samihafa tsinona ny fahatakaran-kavatra ka lasa diniky ny samy moana sy marenina eto fotsiny.

Fa ho hoy aho ry mandinika! raha sitrakao dia valio ampahatsorana ity fanontaniako ity:

ianao io ve moa efa nahavaky ny Baiboly hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany?

ka izay ange ry .... > Ilay izy akory tsy hoe minoa fotsiny ihany izany fa ny zavatra iray iray ve rehefa tsy mbola ahiatana fanazavàna dia lazaina fa diso?

Maro ny fanambarana ao anaty Baiboly tsy voazava amin'ny fomba fisainana materialista ary tsy midika akory izany fa hoe diso ilay izy.

Ary ireo pitson-javatra nataoko fanamarihana tamin'ny mandinika! etsy ambony ireo dia milaza fa tsy nohoverin'ireo (mety ho fanahininy) milaza fa mpandinika ny Baiboly ny contexte an'ilay fanambarana satria raha noheveriny izy ireny dia tsy hisy akory ireo tsoa-kevitra navoakany ireo.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 24 août 2016 - 18:07

> ...mandinika ilay izy e!

Ny matory, ny jamba, ny biby, ny any anaty trano,... sns,...koa ve mahita Azy, tsy izay no tiako resahina satria izany dia miankina amin'ny finoanan'olona tsirairay

-> Ny tiako lazaina dia hoe amin'ny mpanotra baiboly dia TSY spherique ny tany ?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ny mpandinika sy ny mpamakafaka
Date: 24 août 2016 - 18:37

"...zavatra iray iray ve rehefa tsy mbola ahiatana fanazavàna dia lazaina fa diso?"

<<Ry masoandro , mijanona eo ambonin'i Gibeona , ary ianao kosa ry volana , any an-dohasahan'i Aialona
Dia nijanona ny masoandro , ary nijanona koa ny volana ...>>

Diso satria satria :
-sady tsy ny masoandro no mihetsika fa ny tany no mihodina manodididna azy (ary io no nifikiran'ny fitondran'ny fivavahana kristiana ka nanamelohany an-dry Galilée , Copernic)
-raha tsy mihetsika ny iray amin'ireo dia ...midaboka mianjera nohon'ny lalàn'ny fifampisintonan-kerin'ny vaingana

<<Ahinjiro eo ambony ranomasina ny tànanao,ka saraho ny rano ...dia mandia tany maina ny zanak'Israely ...ahinjiro eo ambon'ny ranomasina ny tànanao mba hikaton'ny rano amin'ny Egyptiana>>

rehefa voamarina sy voaporofo tokoa io ry Maha-Dinika dia ...fa raha kosa hoe mila filatsahan'ny fanahy masina na koa mila "vision na lecture spirituelle" dia mbola mijanona ho finoanoampoana izany , tahakan'ny finoanoampoana rehetra feno eto an-tany!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 24 août 2016 - 18:39

> Maha-Dinika

Ka ianao tsinona mandray ny baiboly ho tsy misy diso, no tenin'Andriamanitra ka mazava ho azy fa terena hifanaraka amin'ny fieritreretanao ny baiboly!

Raha VJ ianao dia mazava ho azy fa milaza izay voasoratra ao anaty ny bokiny fotsiny.

Jereo tsara anie ny fampianarany mikasika ny anniversaire e,

Misy olona 2 hono nankalaza anniversaire dia nisy maty foana dia tsy azo atao hono ny anniversaire !!!

-> Dia mba ataovy toy izay koa ny baiboly rehetra fa tsy izay metimety amin'azy ihany.


--------------------
Ito anefa no tokony tsakotsakoin'ny VJ rehetra mandalondalo eto

Ohabolana 18:13:
Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.

-> Ianarana any ampiangonana sy any anaty boky ny mamaly ny fanontanian'ny olona nefa raha ny baiboly no jerena dia ny Fanahy Masina no manampy hahavaly ny fanontaniana fa tsy hoe ianarana tsirairay -- > Oatran'ny robot an'ny watchtower!!


--------------------




Hoy ianao :

ianao io ve moa efa nahavaky ny Baiboly hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany?

--> Tsia, fa ny internet sy ny boky tsy adino



Hoy ianao :

Tsy te hiditra lalina be amin'ilay izy intsony aho satria averiko ihany fa samihafa tsinona ny fahatakaran-kavatra ka lasa diniky ny samy moana sy marenina eto fotsiny.

--> Ka hazavao ny hevitrao handinihana azy tsara mety tsy takatro izay hevitra lalina tianao ambara


=> Fa nisy fanontaniako koa any ambony any tsy novalianao an!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 24 août 2016 - 18:44

ny mpandinika sy ny mpamakafaka :

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 24 août 2016 - 18:46

> ny mpandinika sy ny mpamakafaka

Mety amiko io fanazavanao io

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 24 août 2016 - 18:49

...



-> Tokony hoe ny tany no mijanona fa tsy ny masoandro, Nihevitra ny mpanoratra baiboly fa ny masoandro no mihodina amin'ny tany ,-> Nefa fantantsika izao fa ny tany no mihodina amin'ny masoandro

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: !
Date: 24 août 2016 - 19:37

Hay ve tahaka izao izany mianatra baiboly izany e !

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 25 août 2016 - 13:28

> !

ie fa tsy hanaovana :

- Lavage de cerveau
- Endoctrinement
- Manipulation mentale

ny mpianatra

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 25 août 2016 - 13:45

Fa maninona moa raha hoentina amin'ny lafi-ratsiny indray ny fianarana baiboly fa tsy amin'ny lafi-tsarany foana

Ohatra :

--------
Eksodosy 15:3:
Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.

-> Mpiady mahery i Jehovah

--------

Amosa 3:6:

Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?

->Iza no nahatonga ny loza ao an-tanàna ?

--------

Isaia 45:7:

Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy
mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.

-> Jehovah koa ny mahatonga ny loza?

......

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: !
Date: 25 août 2016 - 17:53

mandinika! > hihihi ... variana mandinika ny soratra (forme) izany ianareo ka tsy adino ny Teny (fond) a !
Mazotoa ao ary e !

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 25 août 2016 - 18:25

~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~
Tsetsatsetsa tsy aritra amin'ireo olona tsy manaiky fampidiran'drà
~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~


Genesisy 9:3:Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
Genesisy 9:4:Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.

Rà = Aina
=> Azo atao ny mamono biby fa ny ràny kosa TSY AZO HOHANINA

Genesisy 9:6:Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.
Rà = Aina

=> Tsy AZO ATAO NY MAMONO OLONA satria ny MAMONO OLONA = MANDATSAKA RAN'OLONA
--------------------------------
Asan'ny Apostoly 15:29:

dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana;
raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.

Rà = Aina
Raha mamono biby dia TSY AZO HOHANINA ny ràny fa averina amin'Andriamanitra
Tsy azo atao koa ny mamono olona satria Mamono olona = mandatsa-drà

=> Ny ain'olona sy ain'ny dia midika ho rà

-------------------------------

Tsy azo atao ny mihinana rà nohon'ny famonoana biby

===> Misy maty ve rehefa mampidi-drà na hoe mifarana hatreo ny AINA raha manome rà ho an'olona?
===> Rehefa milaza ny baiboly hoe mifady rà; ny dikan'izay dia NISY AINA NAFOY TAO?
===> Ny FAMPIDIRAN-DRA VE = MAMONO OLONA ?
-------------------------------------


Jaona 15:13:Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

AINA = RA
=> Araka ny baiboly dia afaka atao ny manome aina mba hamonjena olona => (AINA = RA)

-------------------------------------
1 Jaona 3:16:
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika;
ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.

=> Tahaka an'i Jesosy, ny kristianina dia afaka manome ny ainy hamonjena olona ( AINA = RA)

=> Azo atao àry ve ny mampiditra rà mba hamonjena olona?

~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~
Jaona 6:55:Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 25 août 2016 - 18:31

> !

ok ok

Options: Répondre
Mino An’i Jesosy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
Par: JW
Date: 26 août 2016 - 08:55

RESADRESAKA MAHALIANA

Mino An’i Jesosy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
Toy izao ny resadresaka fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny olona. Aoka hatao hoe mandalo any an-tranon’ny olona iray atao hoe Liva ny Vavolombelona iray atao hoe Ranto.



ZAVA-DEHIBE NY FINOANA AN’I JESOSY

Ranto: Manahoana i Liva. Faly aho mahita anao indray.

Liva: Izaho koa toraka izany.

Ranto: Nitondrako Mifohaza! sy Tilikambo Fiambenana farany ianao. Mino aho fa tena ho tianao ny lahatsoratra ato.

Liva: Misaotra betsaka. Soa ihany ianao nandalo, fa misy zavatra tiako hanontaniana.

Ranto: Hay! Inona izany?

Liva: Izaho moa ilay nomenao gazety iny, dia noresahiko tamin’ny mpiara-miasa amiko iray izay hoe tena mahaliana be ilay izy. Nilaza anefa izy hoe tsy tokony hamaky an’ireny, hono, aho satria tsy mino an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah. Marina ve izany? Nolazaiko taminy fa hanontaniako anao izany raha vao mihaona isika.

Ranto: Faly aho fa nanontany ahy ianao. Tsara kokoa mantsy raha ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy no anontaniana ny zavatra inoany.

Liva: Marina izany.

Ranto: Fa izao: Tena mino an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitanay hoe tena ilaina izany raha te ho voavonjy.

Liva: Izaho koa aloha nieritreritra hoe mino an’i Jesosy ianareo e. Fa rehefa notenenin’ilay mpiara-miasa aminay aho hoe tsy mino azy ianareo, dia mba tiako ho fantatra raha marina izany na tsia. Toa mbola tsy niresaka an’izany mihitsy isika.

Ranto: Misy andinin-teny maromaro manasongadina fa tena ilaina ny mino an’i Jesosy. Fampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireto rehefa mitory. Andraso fa hasehoko anao vetivety.

Liva: Eny àry e.

Ranto: Aleo ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 14:6 mihitsy no anombohantsika azy. Anisan’ny resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’ny apostoliny anankiray izy io. Izao no voalaza eo: “Hoy i Jesosy: ‘Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.’ ” Fomba iray ihany no ahafahantsika manatona ny Ray, araka io andininy io. Inona ilay izy?

Liva: Amin’ny alalan’i Jesosy.

Ranto: Izay mihitsy. Tena mino an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha araka ny fahafantaranao azy, tokony hatao amin’ny anaran’iza moa ny vavaka ataontsika?

Liva: Amin’ny anaran’i Jesosy.

Ranto: Izay tokoa. Voamarikao angamba fa isaky ny mivavaka aho dia miteny foana hoe ‘amin’ny anaran’i Jesosy.’ Dia hoatr’izany daholo no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Liva: Hay?

Ranto: Ny Jaona 3:16 no hojerentsika manaraka. Tena miavaka io andininy io, ka misy milaza fa io no mamintina ny Filazantsara. Raha ohatra mantsy ka atambatra ao anatina andinin-teny iray ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany teto an-tany, dia io andinin-teny io no tena mety. Asa raha tianao ny hamaky azy io?

Liva: Tsy maninona. “Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

Ranto: Misaotra anao. Mino aho fa tsy vaovao aminao io andininy io.

Liva: Ie. Efa imbetsaka aho no naheno an’io tany am-piangonanay.

Ranto: Tena be mpahalala izy io. Resahin’i Jesosy eo fa noho ny fitiavan’Andriamanitra dia afaka mahazo fiainana mandrakizay ny olombelona. Inona anefa no fepetra?

Liva: Mila maneho finoana.

Ranto: Ie. Finoana an’i Jesosy Kristy, ilay Zanany lahitokana. Miresaka an’izany indrindra ny pejy faharoa amin’ity gazety nentiko ho anao ity. Resahina eo fa anisan’ny zava-kendren’ny Tilikambo Fiambenana ny hoe mampirisika ny olona mba “hino an’i Jesosy Kristy, izay efa Mpanjakan’io Fanjakana io izao. Nahafoy ny ainy mantsy izy mba hahazoantsika fiainana mandrakizay.”

Liva: Mazava be izany. Hay ny gazetinareo mihitsy no manaporofo fa mino an’i Jesosy ianareo!

Ranto: Izany mihitsy.

Liva: Maninona àry ny olona no milaza fa tsy mino azy ianareo?

Ranto: Betsaka aloha ny antony mahatonga ny olona miteny an’izany e! Misy mamerina izay tenenin’ny olona fotsiny, na ny mpitondra fivavahana no niteny an’azy an’izany.

Liva: Ary sao dia ilay ianareo antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah fa tsy hoe Vavolombelon’i Jesosy?

Ranto: Angamba.

Liva: Fa maninona anefa ianareo no miresaka be momba an’i Jehovah e?

‘EFA NAMPAHAFANTARIKO NY ANARANAO’

Ranto: Misy antony be dia be. Mino, ohatra, izahay fa zava-dehibe ny hampiasana an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, satria na i Jesosy Zanany aza nampiasa azy io. Misy vavaka nataon’i Jesosy tamin’ny Rainy ato amin’ny Jaona 17:26. Aleo hodinihintsika. Mba azonao vakina ve?

Liva: Eny àry. “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.”

Ranto: Misaotra anao. I Jesosy mihitsy no niteny eo fa efa nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra izy. Araka ny hevitrao, nahoana izy no nanao an’izany?

Liva: Marina raha fantatro.

Tena ilaina ny maneho finoana an’i Jesosy mba hahazoana famonjena
Ranto: Aleo àry isika hijery andinin-teny hafa, ohatra hoe ny Asan’ny Apostoly 2:21. Hoy izy eo: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” Koa raha mila miantso ny anaran’i Jehovah ny olona mba ho voavonjy, tsy ho fantatr’i Jesosy ve izany?

Liva: Tsy maintsy ho fantany ka.

Ranto: Tena tian’i Jesosy hahafantatra sy hampiasa ny anaran’Andriamanitra àry ny mpanara-dia azy. Fantany mantsy fa ho voavonjy izy ireo raha manao an’izany. Izany koa no anisan’ny tena mahatonga anay hiresaka betsaka momba an’i Jehovah. Zava-dehibe aminay ny mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra sy ny manampy ny olona hiantso azy io.

Liva: Kanefa na tsy mahalala ny anaran’Andriamanitra sy tsy mampiasa azy io aza ange ny olona, dia fantany ihany izay ivavahany e.

Ranto: Mety ho marina izany. Saingy nolazainy tamintsika ny anarany, amin’izay mba mora amintsika ny mifandray aminy.

Liva: Inona no tianao holazaina?

Ranto: Eritrereto àry izao: Tsy voatery ho nahafantatra ny anaran’i Mosesy isika. Azo natao fotsiny hoe ilay lehilahy nampisaraka ny Ranomasina Mena izy, na hoe ilay lehilahy nandray ny Didy Folo. Hoatr’izany koa i Noa. Azo nantsoina fotsiny izy hoe ilay lehilahy nanamboatra sambofiara, mba hamonjena ny ankohonany sy ny biby. Na i Jesosy Kristy aza azo noresahina fotsiny hoe ilay lehilahy tonga avy tany an-danitra ary maty noho ny fahotantsika. Sa tsy izany?

Liva: Marina izany.

Ranto: Nampahafantarin’Andriamanitra antsika anefa ny anaran’ireo olona ireo, amin’izay isika matoky hoe tena nisy ilay tantara. Ny fahafantarantsika ny anaran’i Mosesy sy Noa ary Jesosy fotsiny dia efa mahatonga antsika hino hoe efa niaina teto an-tany izy ireo, na dia tsy nahita azy aza isika.

Liva: Mbola tsy nieritreritra an’izany indray aho. Fa hoatran’ny mitombina aloha ilay izy e!

Ranto: Izany koa no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hampiasa ny anaran’Andriamanitra foana. Miezaka manampy ny olona hanao toy izany koa izahay, satria tianay hino izy ireo hoe tena misy i Jehovah Andriamanitra ary afaka mifandray akaiky aminy izy ireo. Na izany aza, dia zava-dehibe aminay koa ny anjara asan’i Jesosy. Raha tsy izy mantsy izahay tsy ho voavonjy. Aleo isika hamaky andinin-teny iray farany.

Liva: Tsy maninona.

Ranto: Efa namaky ny Jaona 14:6 isika teo. Nolazain’i Jesosy ao fa izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana.” Andao hojerentsika izay nolazainy ao amin’ny Jaona 14:1. Asa raha tianao ny hamaky ny tapany farany amin’io andininy io!


Liva: Izao no voalaza eo: “Minoa an’Andriamanitra ary minoa koa ahy.”

Ranto: Misaotra anao. Tena manam-pinoana ve ny olona iray, raha ny iray amin’i Jehovah sy Jesosy ihany no inoany?

Liva: An, an, an. Nilaza i Jesosy hoe mila mino azy roa.

Ranto: Izay mihitsy. Tsy ampy anefa ny miteny fotsiny hoe ‘mino an’Andriamanitra sy Jesosy aho.’ Mila aseho eo amin’ny fiainana mihitsy izany.

Liva: Izany tokoa.

Ranto: Ahoana anefa no hampisehoan’ny olona iray hoe tena mino an’Andriamanitra sy Jesosy izy? Aleo hovaliantsika amin’ny manaraka izany.*

Liva: Tsy maninona.

Misy fanontaniana manitikitika ny sainao ve? Misy tianao ho fantatra ve momba izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanaon’izy ireo? Aza misalasala àry manontany an’izay Vavolombelona mihaona aminao. Ho faly izy hamaly anao.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 26 août 2016 - 09:23

~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~
Tsetsatsetsa tsy aritra amin'ireo olona tsy manaiky fampidiran'drà
~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~


Genesisy 9:3:Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
Genesisy 9:4:Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.

Rà = Aina
=> Azo atao ny mamono biby fa ny ràny kosa TSY AZO HOHANINA

Genesisy 9:6:Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.
Rà = Aina

=> Tsy AZO ATAO NY MAMONO OLONA satria ny MAMONO OLONA = MANDATSAKA RAN'OLONA
--------------------------------
Asan'ny Apostoly 15:29:

dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana;
raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.

Rà = Aina
Raha mamono biby dia TSY AZO HOHANINA ny ràny fa averina amin'Andriamanitra
Tsy azo atao koa ny mamono olona satria Mamono olona = mandatsa-drà

=> Ny ain'olona sy ain'ny dia midika ho rà

-------------------------------

Tsy azo atao ny mihinana rà nohon'ny famonoana biby

===> Misy maty ve rehefa mampidi-drà na hoe mifarana hatreo ny AINA raha manome rà ho an'olona?
===> Rehefa milaza ny baiboly hoe mifady rà; ny dikan'izay dia NISY AINA NAFOY TAO?
===> Ny FAMPIDIRAN-DRA VE = MAMONO OLONA ?
-------------------------------------


Jaona 15:13:Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

AINA = RA
=> Araka ny baiboly dia afaka atao ny manome aina mba hamonjena olona => (AINA = RA)

-------------------------------------
1 Jaona 3:16:
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika;
ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.

=> Tahaka an'i Jesosy, ny kristianina dia afaka manome ny ainy hamonjena olona ( AINA = RA)

=> Azo atao àry ve ny mampiditra rà mba hamonjena olona?

~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~
Jaona 6:55:Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~

Options: Répondre
Aller à la page: Précédent12345Suivante
Page: 3 sur 5


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg