Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Avis de recherche
Aller à la page: Précédent12345Suivante
Page: 4 sur 5
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 26 août 2016 - 09:25

> Mino an'i Jesosy ve ny VJ

-> Tsia

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 26 août 2016 - 09:40

Ny VJ dia mirehareha mampiasa ny anaran'Andriamanitra hoe Jehovah, nefa io anarana io dia tsy hita ao amin'ny baiboly tany amboalohany. Ny anaran'Andriamanitra fantantra dia YHWH.

Milaza ny VJ fa ilaina amin'ny famonjena ny manonona ny anaran'Andriamanitra hoe Jehovah!
Ny "J" nefa dia tsy fiteny amin'ny teny hebreo noho izany tsy ho JEHOVAH mihitsy ny anaran'Andriamanitra!

=> Mitovy amin'ny hoe RABE sy RAKOTO ihany => Samy tsy izy

==> Ilaizana ve ny manonona ny anaran'Andriamanitra?

Options: Répondre
Misy Zavatra Mifanohitra ve ao Amin’ny Baiboly?
Par: JW
Date: 26 août 2016 - 09:51

Misy Zavatra Mifanohitra ve ao Amin’ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

Tsia. Mifanaraka tsara daholo izay voalaza ao. Marina fa misy andinin-teny mety hahatonga ny olona hieritreritra hoe misy zavatra mifanohitra ao amin’ny Baiboly. Raha mampihatra ny iray na ny maromaro amin’ireto soso-kevitra ireto anefa isika, dia ho azontsika tsara ireny andinin-teny ireny ary ho hitantsika hoe tsy mifanohitra:

Jereo ny teny manodidina. Hoatran’ny mifanohitra ny zavatra soratan’ny mpanoratra iray raha tsy ampifandraisina amin’ny teny manodidina azy.
Mipetraha eo amin’ny toeran’ny mpanoratra. Mety ho samy marina ny fitantaran’ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga iray, nefa tsy hitovy tanteraka ny teny holazainy na ny tsipiriany hotantarainy.
Diniho ny tsipiriany ara-tantara sy ny fomba amam-panaon’ny olona tamin’izany.
Fantaro hoe milaza zavatra ara-bakiteny ilay izy sa an’ohatra.
Tadidio fa misy zavatra sasany tsy nataon’ny olona iray mivantana, nefa lazaina ihany hoe nataony. *
Mampiasà fandikan-tenin’ny Baiboly marina tsara.
Aza terena hifanaraka amin’ny hevi-diso ampianarin’ny fivavahana ny zavatra lazain’ny Baiboly.
Asehon’ireto ohatra ireto ny fomba ampiharana an’ireo soso-kevitra ireo.

Soso-kevitra 1: Jereo ny teny manodidina

Raha efa nitsahatra tamin’ny andro fahafito Andriamanitra, nahoana izy no lazaina hoe mbola manohy miasa foana? Milaza tokoa ny Genesisy hoe “nanomboka nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony [Andriamanitra] tamin’ny andro fahafito.” (Genesisy 2:2-4) Hita amin’ny teny manodidina fa ny asa famoronana mifandray amin’ny tany no tiana horesahina amin’izany. Tsy manohitra an’izany ilay tenin’i Jesosy hoe “tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny” Andriamanitra, satria asa hafa ataon’Andriamanitra no tiany hambara. (Jaona 5:17) Anisan’ny asany koa ny hoe nampanoratra ny Baiboly, manome tari-dalana ny olombelona, ary mikarakara azy ireo.—Salamo 20:6; 105:5; 2 Petera 1:21.

Soso-kevitra 2 sy 3: Mipetraha eo amin’ny toeran’ny mpanoratra ary diniho ny tsipiriany ara-tantara

I Jesosy manasitrana an’ilay jamba
Taiza i Jesosy no nanasitrana an’ilay lehilahy jamba? Milaza ny bokin’i Lioka fa nanasitrana lehilahy iray jamba i Jesosy, “raha nanakaiky an’i Jeriko.” Milaza kosa ilay tantara mifanitsy amin’io ao amin’ny bokin’i Matio hoe nanasitrana jamba roa lahy i Jesosy, “rehefa nivoaka avy tao Jeriko.” (Lioka 18:35-43; Matio 20:29-34) Mifameno ny fitantaran’ireo mpanoratra ireo, raha ny marina, fa samy nanana ny fomba fahitany an’izay nitranga fotsiny izy ireo. Nanome tsipiriany kokoa i Matio rehefa nilaza fa roa ireo jamba. I Lioka indray nanasongadina an’ilay jamba niresahan’i Jesosy. Ary nahoana no tsy mitovy ilay toerana noresahin’izy ireo? Hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa nisy Jeriko roa tamin’izany, ary iray kilaometatra sy sasany ny elanelan’izy ireo: Ny iray efa nisy hatramin’izay ary ny iray vao naorin’ny Romanina. Mety ho teo anelanelan’ireo tanàna ireo i Jesosy no nanao an’ilay fahagagana.

Soso-kevitra 4: Fantaro hoe milaza zavatra ara-bakiteny ilay izy sa an’ohatra

Ho potika ve ny tany? Milaza ny Mpitoriteny 1:4 fa ‘maharitra mandrakizay ny tany.’ Amin’ny olona sasany dia mifanohitra amin’ity andinin-teny ity izany: “Hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.” (2 Petera 3:10, Fandikan-teny Protestanta) Misy dikany ara-bakiteny sy an’ohatra anefa ny hoe “tany” ao amin’ny Baiboly. Sady manondro ny planeta iainantsika izy io no manondro ny olona mipetraka eo aminy. (Genesisy 1:1; 11:1) Ny “fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra” no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘hodorana ny tany.’—2 Petera 3:7.

Soso-kevitra 5: Tadidio fa misy zavatra sasany tsy nataon’ny olona iray mivantana, nefa lazaina ihany hoe nataony

Iza no nampahafantatra ny fangatahan’ilay manamboninahitra tamin’i Jesosy, tao Kapernaomy? Milaza ny Matio 8:5, 6 fa ilay manamboninahitra mihitsy no nanatona an’i Jesosy. Ny Lioka 7:3 kosa milaza fa naniraka anti-panahin’ny Jiosy izy mba hilaza izany tamin’i Jesosy. Tsy mifanohitra anefa ireo, raha ny marina. Ilay manamboninahitra no nanao an’ilay fangatahana, fa naniraka anti-panahy hisolo tena azy izy hiresaka tamin’i Jesosy.

Soso-kevitra 6: Mampiasà fandikan-tenin’ny Baiboly marina tsara

Manota daholo ve isika? Milaza ny Baiboly fa nandova ota avy tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, isika rehetra. (Romanina 5:12) Toa mifanohitra amin’izany ny voalazan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, satria lazainy fa “tsy manota” na “tsy mba manota” ny olona tsara. (1 Jaona 3:6, Prot., Fandikan-teny Katolika) Raha ny teny nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany no jerena, dia amin’ny endriny milaza ny ankehitriny ilay matoanteny grika hoe “manota” ao amin’ny 1 Jaona 3:6. Milaza fanaovan-javatra mitohy io endriny io matetika. Tsy mitovy ny hoe fahotana nolovana, izay tsy azo ialana, sy ny fahazarana mandika ny lalàn’Andriamanitra, izay atao fanahy iniana. Lasa mazava kokoa àry io hevitra toa mifanohitra io rehefa nadika hoe “tsy zatra manota” ao amin’ny fandikan-teny hafa.—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Soso-kevitra 7: Aza terena hifanaraka amin’ny hevi-diso ampianarin’ny fivavahana ny zavatra lazain’ny Baiboly

Ambany noho Andriamanitra ve i Jesosy sa mitovy aminy? Hoatran’ny mifanohitra ny tenin’i Jesosy hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”, sy ilay hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 10:30; 14:28) Ahoana no tokony handraisana an’ireo andininy ireo? Aza terena izy ireo hifanaraka amin’ilay fampianarana tsy ara-baiboly hoe telo izay iray Andriamanitra. Fantaro kosa hoe inona marina no lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy Jesosy. Lazain’ny Baiboly hoe i Jehovah no Rain’i Jesosy sady Andriamaniny. Midika izany fa na i Jesosy aza dia mivavaka amin’i Jehovah. (Matio 4:10; Marka 15:34; Jaona 17:3; 20:17; 2 Korintianina 1:3) Ambany noho Andriamanitra àry i Jesosy.

Rehefa dinihina ny teny manodidina an’ilay tenin’i Jesosy hoe “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”, dia ny fikasany sy ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra Rainy no tiany holazaina amin’ilay hoe “iray ihany.” Hoy izy avy eo: “Ny Ray dia tafaray amiko, ary izaho tafaray amin’ny Ray.” (Jaona 10:38) Mitovy koa ny fikasan’i Jesosy sy ny fikasan’ny mpanara-dia azy, satria nivavaka tamin’Andriamanitra momba azy ireo izy hoe: “Efa nomeko azy ireo koa ilay voninahitra nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika koa izy ireo. Izaho tafaray aminy ary ianao tafaray amiko.”—Jaona 17:22, 23.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: JW
Date: 26 août 2016 - 09:53

Misy Zavatra Mifanohitra ve ao Amin’ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

Tsia. Mifanaraka tsara daholo izay voalaza ao. Marina fa misy andinin-teny mety hahatonga ny olona hieritreritra hoe misy zavatra mifanohitra ao amin’ny Baiboly. Raha mampihatra ny iray na ny maromaro amin’ireto soso-kevitra ireto anefa isika, dia ho azontsika tsara ireny andinin-teny ireny ary ho hitantsika hoe tsy mifanohitra:

Jereo ny teny manodidina. Hoatran’ny mifanohitra ny zavatra soratan’ny mpanoratra iray raha tsy ampifandraisina amin’ny teny manodidina azy.
Mipetraha eo amin’ny toeran’ny mpanoratra. Mety ho samy marina ny fitantaran’ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga iray, nefa tsy hitovy tanteraka ny teny holazainy na ny tsipiriany hotantarainy.
Diniho ny tsipiriany ara-tantara sy ny fomba amam-panaon’ny olona tamin’izany.
Fantaro hoe milaza zavatra ara-bakiteny ilay izy sa an’ohatra.
Tadidio fa misy zavatra sasany tsy nataon’ny olona iray mivantana, nefa lazaina ihany hoe nataony. *
Mampiasà fandikan-tenin’ny Baiboly marina tsara.
Aza terena hifanaraka amin’ny hevi-diso ampianarin’ny fivavahana ny zavatra lazain’ny Baiboly.
Asehon’ireto ohatra ireto ny fomba ampiharana an’ireo soso-kevitra ireo.

Soso-kevitra 1: Jereo ny teny manodidina

Raha efa nitsahatra tamin’ny andro fahafito Andriamanitra, nahoana izy no lazaina hoe mbola manohy miasa foana? Milaza tokoa ny Genesisy hoe “nanomboka nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony [Andriamanitra] tamin’ny andro fahafito.” (Genesisy 2:2-4) Hita amin’ny teny manodidina fa ny asa famoronana mifandray amin’ny tany no tiana horesahina amin’izany. Tsy manohitra an’izany ilay tenin’i Jesosy hoe “tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny” Andriamanitra, satria asa hafa ataon’Andriamanitra no tiany hambara. (Jaona 5:17) Anisan’ny asany koa ny hoe nampanoratra ny Baiboly, manome tari-dalana ny olombelona, ary mikarakara azy ireo.—Salamo 20:6; 105:5; 2 Petera 1:21.

Soso-kevitra 2 sy 3: Mipetraha eo amin’ny toeran’ny mpanoratra ary diniho ny tsipiriany ara-tantara

I Jesosy manasitrana an’ilay jamba
Taiza i Jesosy no nanasitrana an’ilay lehilahy jamba? Milaza ny bokin’i Lioka fa nanasitrana lehilahy iray jamba i Jesosy, “raha nanakaiky an’i Jeriko.” Milaza kosa ilay tantara mifanitsy amin’io ao amin’ny bokin’i Matio hoe nanasitrana jamba roa lahy i Jesosy, “rehefa nivoaka avy tao Jeriko.” (Lioka 18:35-43; Matio 20:29-34) Mifameno ny fitantaran’ireo mpanoratra ireo, raha ny marina, fa samy nanana ny fomba fahitany an’izay nitranga fotsiny izy ireo. Nanome tsipiriany kokoa i Matio rehefa nilaza fa roa ireo jamba. I Lioka indray nanasongadina an’ilay jamba niresahan’i Jesosy. Ary nahoana no tsy mitovy ilay toerana noresahin’izy ireo? Hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa nisy Jeriko roa tamin’izany, ary iray kilaometatra sy sasany ny elanelan’izy ireo: Ny iray efa nisy hatramin’izay ary ny iray vao naorin’ny Romanina. Mety ho teo anelanelan’ireo tanàna ireo i Jesosy no nanao an’ilay fahagagana.

Soso-kevitra 4: Fantaro hoe milaza zavatra ara-bakiteny ilay izy sa an’ohatra

Ho potika ve ny tany? Milaza ny Mpitoriteny 1:4 fa ‘maharitra mandrakizay ny tany.’ Amin’ny olona sasany dia mifanohitra amin’ity andinin-teny ity izany: “Hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.” (2 Petera 3:10, Fandikan-teny Protestanta) Misy dikany ara-bakiteny sy an’ohatra anefa ny hoe “tany” ao amin’ny Baiboly. Sady manondro ny planeta iainantsika izy io no manondro ny olona mipetraka eo aminy. (Genesisy 1:1; 11:1) Ny “fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra” no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘hodorana ny tany.’—2 Petera 3:7.

Soso-kevitra 5: Tadidio fa misy zavatra sasany tsy nataon’ny olona iray mivantana, nefa lazaina ihany hoe nataony

Iza no nampahafantatra ny fangatahan’ilay manamboninahitra tamin’i Jesosy, tao Kapernaomy? Milaza ny Matio 8:5, 6 fa ilay manamboninahitra mihitsy no nanatona an’i Jesosy. Ny Lioka 7:3 kosa milaza fa naniraka anti-panahin’ny Jiosy izy mba hilaza izany tamin’i Jesosy. Tsy mifanohitra anefa ireo, raha ny marina. Ilay manamboninahitra no nanao an’ilay fangatahana, fa naniraka anti-panahy hisolo tena azy izy hiresaka tamin’i Jesosy.

Soso-kevitra 6: Mampiasà fandikan-tenin’ny Baiboly marina tsara

Manota daholo ve isika? Milaza ny Baiboly fa nandova ota avy tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, isika rehetra. (Romanina 5:12) Toa mifanohitra amin’izany ny voalazan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, satria lazainy fa “tsy manota” na “tsy mba manota” ny olona tsara. (1 Jaona 3:6, Prot., Fandikan-teny Katolika) Raha ny teny nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany no jerena, dia amin’ny endriny milaza ny ankehitriny ilay matoanteny grika hoe “manota” ao amin’ny 1 Jaona 3:6. Milaza fanaovan-javatra mitohy io endriny io matetika. Tsy mitovy ny hoe fahotana nolovana, izay tsy azo ialana, sy ny fahazarana mandika ny lalàn’Andriamanitra, izay atao fanahy iniana. Lasa mazava kokoa àry io hevitra toa mifanohitra io rehefa nadika hoe “tsy zatra manota” ao amin’ny fandikan-teny hafa.—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Soso-kevitra 7: Aza terena hifanaraka amin’ny hevi-diso ampianarin’ny fivavahana ny zavatra lazain’ny Baiboly

Ambany noho Andriamanitra ve i Jesosy sa mitovy aminy? Hoatran’ny mifanohitra ny tenin’i Jesosy hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”, sy ilay hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 10:30; 14:28) Ahoana no tokony handraisana an’ireo andininy ireo? Aza terena izy ireo hifanaraka amin’ilay fampianarana tsy ara-baiboly hoe telo izay iray Andriamanitra. Fantaro kosa hoe inona marina no lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy Jesosy. Lazain’ny Baiboly hoe i Jehovah no Rain’i Jesosy sady Andriamaniny. Midika izany fa na i Jesosy aza dia mivavaka amin’i Jehovah. (Matio 4:10; Marka 15:34; Jaona 17:3; 20:17; 2 Korintianina 1:3) Ambany noho Andriamanitra àry i Jesosy.

Rehefa dinihina ny teny manodidina an’ilay tenin’i Jesosy hoe “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”, dia ny fikasany sy ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra Rainy no tiany holazaina amin’ilay hoe “iray ihany.” Hoy izy avy eo: “Ny Ray dia tafaray amiko, ary izaho tafaray amin’ny Ray.” (Jaona 10:38) Mitovy koa ny fikasan’i Jesosy sy ny fikasan’ny mpanara-dia azy, satria nivavaka tamin’Andriamanitra momba azy ireo izy hoe: “Efa nomeko azy ireo koa ilay voninahitra nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika koa izy ireo. Izaho tafaray aminy ary ianao tafaray amiko.”—Jaona 17:22, 23.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 26 août 2016 - 10:16

> JW


Iza no Andriamanitr'i Tomasy

Jaona 20:28: Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!

=> Amin'i Tomasy dia Andriamanitra i Jesosy! , nefa ny VJ dia milaza fa i Jehovah ihany no Andriamanitra!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 26 août 2016 - 10:35

> JW

Tsy mifanahitra ve ny baiboly ?


---------------------------------------------------------------------------------------------------------
Ny Olona sy ny biby : ===> Iza no nisy taloha ny olona sa ny biby?

Genesisy 1:25:Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
Genesisy 1:26:Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
Genesisy 1:27:Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.

-> Noforonan'Andriamanitra aloha ny biby izay vao ny olona


Genesisy 2:18:Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
Genesisy 2:19:Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany.

-> Noforonan'Andriamanitra aloha ny olona izay vao ny biby




---------------------------------------------------------------------------------------------------------

Ny hazo fihinam-boa : ==> Azo ihinanana daholo ve ny hazo fihinam-boa?

Genesisy 1:29:Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.

=> Eny

Genesisy 2:17:fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.

=> Tsia

.....

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 26 août 2016 - 11:38

Tsy mifanohitra hoe?

Eo amin'ny resaka isa :

Nomery 25:9:Ary izay maty tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.

> 24 000

1 Korintiana 10:8:Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.

> 23 000

==> Raha Andriamanitra no nampanoratra ny baiboly, maninona tsy mitovy ny isa Omeny?

Sa mitovitovy ny 23 000 sy ny 24 000

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Rayan
Date: 26 août 2016 - 14:03

harimino, ao @ FFKM no misy anao tsar rehef manana eteta hianatra baiboly izany, mazava hoazy ny toro hevitra omeko anao de izao manana raiamandreny ara-mpanahy ianao izay nitaiza anao ao ampiangonanareo de izy hantonina mino a fa tsy handa an zany izy.rehefa tena itanao hoe azonao tsar ny fahalalanao eo @ io toerana mis anao io eo indray enao vo afaka misafidy handinika sy mampitah any @toerana haf de ho itanao eo ny tena marina satria ny fitombona ara-panahy tsy 1 andro fa fotoana lava ary ny revalation azonao t@ fampianarana t@ toerana 1 tsy hitov @ toerana 1 haf fa nomena fahafahana ny zanak'Atr hahay hamantatra ny tsar s ny ratsy araka ny teny baiboly hoy jesosy t@ fariseo hainareo ny maminavina ny ho mety toetr ny andro ko ahoana no tsy hahafantaranareo fa avy @ Atr ny zavatra iray de avy eo izy niteny hoe ny voany no hahalalana ny azo. ka na iza mahay mampianatra na iza tsy mahay rehefa miteny ny soratra masina hoe ny mpijangajanga tsy hiditra any @ fanjakan'Atr de fantatrao fa izay no marina

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ny mpandinika sy ny mpamakafaka
Date: 26 août 2016 - 16:47

1.mandinika!

I JW dia nanome ny heviny sy izay noheveriny hoe porofo fa mino an'i Jesosy Kristy ny Vavolombelon'i Jehovah (izay tsoriko fa tsy dia mahafa po ahy tanteraka akory)

fa ianao kosa nanoratra fotsiny hoe :
"> Mino an'i Jesosy ve ny VJ -> Tsia "

angamba heveriko fa mila porofo sy famelabelarana bebe koa izany fanambarany izany

2.JW
Ny voalazan'ireo mpanoratra :

Lioka
<<ary raha jesosy NANAKAIKY an' i Jeriko , dia indro JAMBA ANANKIRAY nipetraka amoron-dàlana ...ry Jesosy ...mamindrà fo AMIKO ...inona moa no TIANAO hataoko AMINAO ...ny mba hampiratinao ny MASOKO.... dia hoy Jesosy taminy :mahirata ny MASONAO ...>>

Matio
<<ary raha NIALA tao Jeriko izy ,dia nisy vahoaka betsaka nananraka an'i Jesosy . Ary INDREO nisy jamba ROA LAHY nipetraka amorondàlana ...mamindrà fo AMINAY ry Tompo ô ...inona no TIANAREO hataoko AMINAREO ...ampihirato ny MASONAY ...>>

Mahagaga no ilazana fa "...Mifameno ny fitantaran’ireo mpanoratra ireo , raha ny marina, fa samy nanana ny fomba fahitany an’izay nitranga fotsiny izy ireo"

Zavatra roa no misongadina eo :
-Ho an'i Lioka dia eny am-pandehanana HO ANY Jeriko i Jesosy no nahita ny jamba ; ho an'i Matio kosa dia rehefa AVY NIALA TANY Jeriko izy no nifanena tamin'i jamba

-Ho an'i Lioka dia jamba IRAY no nositran'i Jesoa raha ho any Jeriko izy; fa ho an'i Matio kosa dia jamba ROA no nositrany

Tsy mifameno ireo fa fitantarana tranga iray (fanasitranana jamba ) mifanipaka na ny marimarina kokoa dia TSY MITOVY na SAMIHAFA

Inona no mety nahatonga an'izany ?
ny lalam-pikarohana mety ahitana an'izany dia ;

-olona nanatrika an'ilay tranga (fanasitranana ny jamba) tokoa ve no nanoratra ? sa fametrahana an-tsoratra kosa am-polo taona taty aoriana , amin'ny teny grika , ny tantara am-bava novoizina teo anivon'ireo vondrona samihafa nanaradia an'i Jesosy ?

-firy taona taty aoriana no voatana an-tsoratra izany tranga izany ?

fanamarihana farany

1. ny fisian'ny Jeriko roa

"Ary nahoana no tsy mitovy ilay toerana noresahin’izy ireo? Hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa nisy Jeriko roa tamin’izany, ary iray kilaometatra sy sasany ny elanelan’izy ireo: Ny iray efa nisy hatramin’izay ary ny iray vao naorin’ny Romanina. Mety ho teo anelanelan’ireo tanàna ireo i Jesosy no nanao an’ilay fahagagana."

Ny tànanan'i Jeriko tamin'ny andron'i Jesosy dia iray ihany izay natsangan'ireo mpanjaka nifanesy niandalana (nohatsaraina , nalebiazina , nohamafisina...) nanomboka tamin'i Cyrus II (-559) ka hatrami'ny Hyrcan I (-134) sy Heroda
Ny teo akaikiny (1.5 km avy eo) dia ireo "rindrina sisa tavela" tsy misy olona nonina intsony efa aman-jato taona maro (Tell-es-Sultan) izay niforona ...9 000 taona talohan'ny fanisana taona iraisana ary efa rava taon-jataona maro talohan'ny fotoana noheverina fa niain'i Jesosy

=> tànana iray ihany no resahin'i Lioka sy Matio ; ny tsy fifandrifin'ny tantaran-dry zareo amin'ny an-tsipirihany dia nohon'ny fotoana samihafa nanoratana azy ary indrindra tsy olona nanatry maso no nanoratra sady nosoratana am-polo-taona taty aoriana (taona 80-90) ny tranga tantaraina

raha ny hevitro manokana dia tsy zava-dehibe ny tsy fitovian'ireo tantara ireo ary ankoatr'izany dia zavatra iray ihany no nokendren'ireo mpanoratra : hanaparitaka an-tsoratra amin'ny teny grika izay nanjaka tamin'izany fotoana izany (tahakan'ny Malagasy nihezaka nanoratra tamin'ny tenin'ny mpanajanatany eny na hatrami'izao aza!) ny tantara sy ny fampianaran'i Jesoany

Mety misy tsy fitovizana manan-danja kokoa angamba ao anaty baiboly ao fa resaka hafa indray izany

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinka!
Date: 26 août 2016 - 17:14

Mino an'i Jesosy ve ny VJ ?


Misy fomba fijery maromaro ny hoe mino an'i Jesosy
- Mino fa tena nisy Izy
- Mino fa zanak'Andriamanitra Izy
- Mino fa Andriamanitra Izy
..

1) Ny an'ny VJ, ny hoe mino an'i Jesosy dia mandray an'i Jesosy ho zanak'Andriamanitra fa tsy an'Andriamanitra. Fa tsy azo atao kosa ny mivavaka amin'i Jesosy!

-> Mino an'i Jesosy ny VJ eto raha io fomba fijery io no ampiharina (1)

2) Ny an'ny kristianina hafa kosa dia ny hoe mino an'i Jesosy dia mandray an'i Jesosy ho zanak'Andriamanitra no sady Andriamanitra, azo ivavahana.
-> Tsy mino an'i Jesosy ny VJ eto raha ny fomba fijery faha-roa (2) no resahina

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandinika!
Date: 26 août 2016 - 17:31

Mifanohitra sa tsia?


Resaka fahagagana

Marka 9:39:
Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.


-> Tahakan'ny hoe raha manao fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy dia eken'i Jesosy

Matio 7:22:
Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy]

Matio 7:23:Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.

-> Tsy eken'i Jesosy ny mpanao fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy?

==> Marka 9:39 # Matio 7:22 ?


------------------------------------------------------------

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ô re olona e!
Date: 26 août 2016 - 19:30

de iza hono zany no tena kristiana ? de iza no manapaka hoe ity na iry no tena izy ?
sa rapport de force le izy de izay natanjaka na notohan'ny pouvoir politique(empereur romain) tamin'izany fotoana no hevitra na dogme nandresy ?

Options: Répondre
Tena nentin’i Satana teny amin’ny tempoly tokoa ve i Jesosy rehefa nalainy fanahy?
Par: JW
Date: 27 août 2016 - 08:10

Tena nentin’i Satana teny amin’ny tempoly tokoa ve i Jesosy rehefa nalainy fanahy?

Raha tsorina, dia tsy tena fantatsika raha nijoro teo amin’ny tempoly tokoa i Jesosy, na tao amin’ny fahitana fotsiny no nankanesany teo. Samy noresahin’ny gazetintsika ireo hevitra roa ireo.

Diniho aloha izay lazain’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Matio: “Ary nitondra azy [Jesosy] nankany amin’ny tanàna masina avy eo ny Devoly, ka nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly.” (Mat. 4:5) Toy izao koa no nitantaran’i Lioka an’ilay izy: “Nitondra azy nankany Jerosalema ny Devoly, ka nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly.”—Lioka 4:9.

Nohazavain’ny gazetintsika taloha fa mety ho tsy nentina ara-bakiteny nankany Jerosalema i Jesosy. Nilaza toy izao, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1961: “Toa tsy voatery horaisina ara-bakiteny daholo izay voalaza fa nitranga tamin’i Jesosy, tamin’izy nalaina fanahy tany an-tany efitra. Tsy misy mihitsy tendrombohitra avo be ahafahana mahita ‘ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.’ TSY TOKONY HO ARA BAKITENY àry ilay hoe nentin’i Satana ‘nankany amin’ny tanàna masina’ i Jesosy, ary napetrany ‘teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly.’ Fakam-panahy foana anefa ilay izy, na ahoana na ahoana.” Ny Tilikambo Fiambenana tat&#7923; aoriana kosa nanazava fa ho namono tena i Kristy, raha nanao an’izay nasain’i Satana nataony. Toa midika izany fa tena teo amin’ny toerana avo izy.

Misy Baiboly milaza fa nitsangana teo an-tampon’ny tempoly i Jesosy. Milaza anefa ny olona sasany fa tsy nahazo nanao izany izy satria tsy Levita, ka mety ho tao amin’ny FAHITANA no ‘nitondrana’ azy nankany amin’ny tempoly. Toy izany no nitranga tamin’i Ezekiela mpaminany, ela be talohan’izay.—Ezek. 8:3, 7-10; 11:1, 24; 37:1, 2.

Raha fahitana fotsiny anefa io fakam-panahy io, dia mipoitra ireto fanontaniana ireto:

Tena nalaim-panahy hitsambikina avy teny amin’ny tempoly ve i Jesosy?
Raha ara-bakiteny ilay hoe nasaina nanova ny vato ho mofo sy nasaina niankohoka teo anatrehan’i Satana izy, tsy tokony ho ara-bakiteny koa ve ilay izy nasaina nitsambikina avy teny amin’ny tempoly?
Raha tena nitsangana teo an-tampon’ny tempoly kosa i Jesosy, dia mipoitra ireto fanontaniana ireto:

Nandika ny Lalàna ve izy satria nitsangana teo an-tampon’ny toerana masina?
Ahoana no nandehanany avy tany an-tany efitra nankany Jerosalema?
Andeha isika handinika fanazavana fanampiny mety hahavaly an’ireo fanontaniana roa ireo.

Voalohany, manazava ilay manam-pahaizana atao hoe D. Carson fa “angamba ilazana an’ilay toerana manontolo mihitsy fa tsy ny toerana masina fotsiny”, ilay teny grika hoe hierôn, izay nadikan’i Matio sy Lioka hoe “tempoly.” Tsy voatery ho nitsangana teo an-tampon’ny toerana masina àry i Jesosy. Nety ho TEO AMIN NY zorony atsimoatsinanan’ny faritry ny tempoly kosa izy. Tokotokony ho 137 metatra avy teo no nisy ny Lohasahan’i Kidrona ter&#7923; ambany. Marin-tampona sady nisy arofanina ny tampon’ilay trano avo indrindra teo atsimoatsinanana. Nilaza i Josèphe mpahay tantara fahiny fa avo be ilay izy ka “ho fanina” izay nijoro teo raha nijery ter&#7923; ambany. Ho nahazo nitsangana teo i Jesosy na tsy Levita aza, ary tsy ho niteraka korontana izany.

Faharoa, ahoana no nitondrana an’i Jesosy avy tany an-tany efitra nankany amin’ny tempoly? Tsy haintsika ny tena marina. Fohy ihany mantsy ilay fitantarana, ka tsy resahiny hoe naharitra hafiriana ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy, na hoe taiza ho aiza tany an-tany efitra izy. Mety ho nandeha an-tongotra niverina tao Jerosalema izy, na dia elaela aza izy vao ho tonga. Tsy milaza koa ilay fitantarana hoe tany an-tany efitra foana izy nandritra ny fotoana nakana fanahy azy. Lazainy fotsiny fa nentina nankany Jerosalema izy.





Ary ahoana ilay hoe naseho an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao”? TSY HITANY ARA BAKITENY IREO, satria tsy misy tendrombohitra ahafahana mitazana azy rehetra. Mety ho nampiasa karazana FAHITANA àry i Satana teo, hoatran’ny olona mampiasa efijery sy fitaovana fandefasana filma mba hampisehoana sarina faritra samihafa eto an-tany. Tena nasainy ‘niankohoka teo anatrehany’ anefa i Jesosy, na dia atao aza hoe nampiasa fahitana izy. (Mat. 4:8, 9) Azo inoana àry fa tena nasainy nitsambikina avy teo amin’ny mandan’ny tempoly koa i Jesosy, ary maty izy raha nanao izany. Tsy ho tena nisy vokany ratsy toy izany ilay fakam-panahy, raha toa ka nampiasa fahitana fotsiny i Satana.

Tsy afaka manizingizina àry isika hoe inona no tena nitranga, araka ny efa voalaza teny am-piandohana. Mety ho marina ilay hoe nankany Jerosalema i Jesosy, ary nitsangana teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly. Azo antoka anefa fa tena nisy ireo fakam-panahy ireo, ary hentitra i Jesosy namaly ny Devoly.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: sendra1
Date: 29 août 2016 - 16:05

Ny tena hitako mampiavaka ny TJ na ny VJ dia ny tsy finoany an Jesosy ho Andriamanitra azo hivavahana, ny akoatra izay dia azo leferina ihany, fa ny hoe Jesosy tsy azo hivavahana dia tena zava-doza, tsy azo ekena, raha mijery ny Epistily voalohany nosoratan'i Jaona isika 1Jaona 5:20 dia izao ny ao: 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. (Araka ny fandikan'ny TJ azy dia hoe Andriamanitra Ray no resahana eto kanefa raha mijery ny andininy faha 12 dia Jesosy Tompo no resahana fa Izy no manana Fiainana mandrakizay)

1 jaona 5:12 Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.


dia mipetraka ny fanontaniana hoe ahoana ny hoe manana ny hoe mino?


Ny hoe mino angamba no ho jerevantsika voalohany, araka ny famaritana ao @ Hebreo dia ny hoe fahatokiana ny @ zavatra antenaina, ary raha mijery ihany koa isika ny @ ireo tantara voasoratra, andeha haka ohatra ao @ Lioka 17:11-19 oh; toy ny hoe: 11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'iSamaria sy Galilia.
12 Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. 13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. 14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. 15 Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery 16 sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. 17 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? Fa aiza ny sivy? 18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? 19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.

any @ andininy faha 19 Jesosy no miteny hoe ny fioanao no efa nahavonjy anao: dia azo fantarina izany hoe inona ilay finoana, ilay finoana izany raha fintinina ilay tantara dia toy izao:
1 boka folo lahy nitady famindra-po, nitalaho, nitady famonjena,
2 boka folo lahy nahatoky ny tenin'i Jesosy dia lasa niseho t@ Mpisorona, nanatanteraka ny baikon'i Jesosy, satria nahatoky ny tenin'i Jesosy
3 Tonga sitrana,

NY FINOANAO NO EFA NAHAVONJY ANAO, "mitalaho famonjena, mahatoky an'Jesosy, manantanteraka ny baikony" izay izAny ilay hoe finoana. tsy miova Izy araka ny heb 13:8-9a " Jesosy Krisy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. 9 Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa hianareo." Azo antenaina sy hianteherana hahazoana famonjena Izy,

Ny tena tanjon'ny Krisitanina dia ny fiainana mandrakizay, ary izany ihany koa moa ny teny manao hoe araka ny Jaona 3:16 nomeny ny Zanany lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino ny Zanany Lahy tokana fa mba hanana fiainana mandrakizay" Izay mino ny Zanaka no manana fiainana fa izay tsy mino ny Zanaka dia ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra ao aminy.


Ny hoe manana an Jesosy dia ireo olona manana fanambarana ao anatiny fa ao aminy ny Tompo Jesosy, ireo olona ireo dia mino Azy, miantehitra aminy, mahatoky Azy;

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Historika
Date: 30 août 2016 - 13:03

Mahafinaritra ilay ady hevitra...

Ny fianarana Baiboly dia mizara roa:

1) Araka ny tantara, amin'ny saina tsy miangatra (objectif)... toa an'i Mandinika! izay isaorako fa dia maro ny zavatra azo notsoahana tamin'ny resany... Zany hoe raisina toy ny boky rehetra ny Baiboly ka dinihina ny tantarany, ny firafiny, etc... amin'ny fijery tsy mitanila

2) Théolojia, izay fomba ahafataran'ny be sy ny maro izany hoe mianatra Baiboly. Zany hoe tonga dia ekena avy hatrany fa tenin'Andriamanitra ny Baiboly ka ny famakafakana azy no atao hoe mianatra baiboly... ka io koa araka ny finoana misy anao no ampianarana azy.

Amiko manokana dia afaka ampiarahana ireo fijery ireo... Ny olana matetika dia ny mpino tsy manana esprit critique intsony fa izay fahamarianana nolovaina tamin'ireo ray amandreny, na fiangonanana, na pasitera no tonga dia ekeny... Izany no mahatonga ny olona ho voasasa ny lohany any amin'ireny fiangonana maro ireny...

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: savony OMO
Date: 01 septembre 2016 - 20:22

ka raha mba voasasa amin'ny vovo-tsavony OMO ka maninona ? lasa madio tsy misy pentina !

fanontaniana kidaladala :

-hita matetika ao amin'i Marka , Matio , Lioka ve ny hoe : i Jesoa dia Andriamanitra ?
-aiza no tena ahitana ny maha Andriamanitra an'i Jesoa ao anaty ny baiboly ?

mitovy ve ny fotoana nanoratana an'izy ireny ?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ie , mitovy
Date: 03 septembre 2016 - 13:41

ie,mitovy ny fotôna nanoratana ny testamenta vôlohany <=> fony fahavelony

olo niaraka aminy isan'andro , mpianany no maka nôty = manao journal quotidien de avy eo manoratra baiboly
ol vavolombel sy nahita maso reo ka!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: zista mjery
Date: 04 novembre 2016 - 11:19

Io marna i RBNIR fa manao pub indray a, anjono 1/10 aty, feno anao ny forum rangah ty a

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: mandehana mba mikaroka
Date: 06 novembre 2016 - 16:03

"olo niaraka aminy isan'andro , mpianany no maka nôty = manao journal quotidien de avy eo manoratra baiboly ol vavolombel sy nahita maso reo ka!"

mandehana mba mandeha mijery ny voka-pikarohana misy amin'izao fotoana izao , voka-pikarohana izay avoakan'ny centres d'études bibliques et théologiques era-tany

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: sceptique.bible
Date: 08 novembre 2016 - 10:32

savony OMO :

ireto ohatra vitsivitsy te hilaza fa Andriamanitra i Jesosy

Matio 12:8 Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona

Jaona 8:58 Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.

Jaona 20:28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!


Kolosiana 1:16 izy no nanao izao rehetra izao na ny hita na ny tsy hita...

Options: Répondre
Andriamanitra ve i Jesosy?
Par: JW
Date: 13 novembre 2016 - 08:33

Resadresaka Mahaliana: Andriamanitra ve i Jesosy?

Toy izao ny resadresaka fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny olona. Aoka hatao hoe Nathalie no anaran’ilay Vavolombelona, ary Sarah ilay olona iresahany.

Ianareo, hono, tsy mino an’i Jesosy?
Sarah: Tsy mino an’i Jesosy, hono, ianareo Vavolombelon’i Jehovah? Izany no nolazain’ny pasiteranay.

Nathalie: Tena mino an’i Jesosy izahay ka! Raha tsy mino azy ange isika tsy ho voavonjy e!

Sarah: Izaho koa aloha mino an’izany e!

Nathalie: Hay? Mitovy izany isika. Nathalie aloha no anarako e! Ary ny anao?

Sarah: Sarah. Faly mahafantatra anao.

Nathalie: Izaho koa torak’izany. Fa, angamba ianao izao mieritreritra hoe maninona àry izany ny olona no milaza fa tsy mino an’i Jesosy izahay.

Sarah: Eny ho’ah! Fa maninona tokoa?

Nathalie: Na dia tena mino an’i Jesosy aza mantsy izahay, dia tsy mino an’izay rehetra lazain’ny olona momba azy.

Sarah: Ohatra hoe inona?

Nathalie: Misy izao miteny hoe olona tsara fanahy fotsiny i Jesosy, dia tsy ekenay izany.

Sarah: Izaho koa aloha tsy manaiky an’izany e!

Nathalie: Hay koa ve ianao mieritreritra an’izany e? Fa tsy ekenay koa raha vao zavatra mifanohitra amin’izay lazain’i Jesosy.

Sarah: Tsy azoko izany.

Nathalie: Be dia be ny fivavahana mampianatra hoe i Jesosy no Andriamanitra. Izany koa angamba no nampianarina anao e?

Sarah: Ie, izany no tenin’ny pasiteranay.

Nathalie: Tsy ekenao ve anefa fa raha tena te hahalala an’i Jesosy isika, dia mila mandinika an’izay nolazainy momba azy?

Sarah: Marina aloha izany e!

Inona no nolazain’i Jesosy?

Nathalie: Andao ange hojerentsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:38 e! “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” Hoatran’ny hafahafa io andinin-teny io raha i Jesosy ihany no Andriamanitra.

Sarah: Fa ahoana?

Nathalie: Jereo tsara fa niteny i Jesosy eo hoe tsy ny hanao ny sitrapony no antony nidinany tet&#7923;.

Sarah: Ie. Fa hanao ny sitrapon’ilay naniraka azy.

Nathalie: Raha i Jesosy ihany anefa no Andriamanitra, dia iza izany no naniraka azy hanket&#7923; an-tany? Fa maninona izy no tsy niteny hoe mba hanao ny sitrapony no nidinany avy any an-danitra, fa hoe mba hanao ny sitrapon’ilay naniraka azy?

Sarah: Azoko ny tianao holazaina. Kanefa tsy maharesy lahatra ahy raha io andinin-teny iray io fotsiny.

Nathalie: Jereo koa àry ity nolazain’i Jesosy ato amin’ny Jaona 7:16 ity e. Hoatr’izany koa no lazainy ato. Tsy maninona raha vakinao?

Sarah: Tsy maninona ka! “Hoy ny navalin’i Jesosy azy: ‘Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.’ ”

Nathalie: Misaotra anao. Araka io andininy io, izay tao an-tsain’i Jesosy fotsiny ve no nampianariny?

Sarah: An an an, ny fampianaran’ilay naniraka azy ka!

Nathalie: Marina izany! Dia iza àry izany no naniraka an’i Jesosy? Iza no nampianatra azy ny zavatra nampianariny? Tsy tokony ho lehibe noho izy ve izany ilay naniraka azy? Lehibe noho ny irahina foana mantsy ny mpaniraka.

Sarah: Marina izany! Tena izay aho vao nahita an’io andinin-teny io an!

Nathalie: Jereo koa ange ny tenin’i Jesosy ato amin’ny Jaona 14:28 e! Hoe: “Efa renareo fa nilaza taminareo aho hoe: Handeha aho, ary hiverina eo aminareo indray. Raha tia ahy ianareo, dia ho ravoravo satria handeha ho any amin’ny Ray aho, fa ny Ray dia lehibe noho izaho.” Araka io andinin-teny io, ahoana no fiheveran’i Jesosy ny tenany raha ampitahaina amin’Andriamanitra?

Sarah: Nilaza izy hoe ny Ray mbola lehibe noho izy, izany hoe noheveriny ho ambony noho izy izany Andriamanitra.

Nathalie: Izay mihitsy. Dia jereo koa ange ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany ato amin’ny Matio 28:18 e! Hoe: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et&#7923; an-tany.” Nilaza ve i Jesosy eo fa efa nanana ny fahefana rehetra foana izy hatramin’izay?

Sarah: Nomena azy ilay izy ka!

Nathalie: Raha i Jesosy ihany àry no Andriamanitra, nahoana moa izy no mbola homena fahefana indray? Dia iza no nanome azy an’izany?

Sarah: Hoatran’ny mampieritreritra tokoa izany an!

Iza no noresahiny?

Nathalie: Ity koa misy andinin-teny hafa. Ato amin’ny Lioka 3:21, 22. Mitantara ny zava-nitranga tamin’i Jesosy natao batisa izy ity. Tsy maninona raha vakinao indray?

Sarah: “Rehefa natao batisa daholo ny olona rehetra, dia natao batisa koa i Jesosy. Ary nisokatra ny lanitra raha mbola nivavaka izy. Dia nidina nankeo amboniny ny fanahy masina izay niendrika voromailala, ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.’ ”

Nathalie: Hitanao eo ve hoe inona no nataon’i Jesosy tamin’izy natao batisa?

Sarah: Nivavaka?

Nathalie: Ie. Ka raha i Jesosy ihany no Andriamanitra, tamin’iza izany izy no nivavaka?

Sarah: Izy tokoa ve moa dia hivavaka amin’ny tenany ihany? Andraso fa horesahiko amin’ny pasiteranay izany.

Nathalie: Jereo koa fa lazainy eo hoe nisy feo avy tany an-danitra tamin’izy niakatra avy ao anaty rano. Inona no nolazain’ilay izy?

Sarah: Hoe Zanany malalany i Jesosy sady tena sitrany.

Nathalie: Ie, marina izany. Ka raha i Jesosy ihany no Andriamanitra, dia iza izany no niteny an’ireo?

Sarah: Tena mbola tsy tao an-tsaiko indray izany.

Nahoana no hoe “Ray” sy “Zanaka”?

Nathalie: Fa izao koa! Hitantsika teo fa niantso an’Andriamanitra hoe Rainy i Jesosy. Dia rehefa vita batisa indray izy, dia nisy feo avy tany an-danitra niteny hoe Zanany i Jesosy. I Jesosy mihitsy aza no nilaza hoe Zanak’Andriamanitra izy. Raha te hanaporofo anefa ianao fa mitovy fahefana ny olona roa, dia ohatra momba ny ray sy zanaka ve no horaisinao?

Sarah: An an an.

Nathalie: Fa mety hoe inona?

Sarah: Mety hoe mpirahalahy?

Nathalie: Ie. Kambana mihitsy aza angamba. I Jesosy anefa eo niantso an’Andriamanitra hoe Ray, ary izy hoe Zanaka. Inona izany no tiany holazaina araka ny hevitrao?

Sarah: Te hiteny izy hoe efa lehibe kokoa noho izy sady manana fahefana be kokoa noho izy Andriamanitra.

Nathalie: Izay mihitsy. Isika izao teo niresaka hoe matoa mitovy ny olona roa, dia mety ho mpirahalahy ry zareo na kambana. Ka raha mitovy i Jesosy sy Andriamanitra, tsy ho nilaza ve i Jesosy hoe kambana na mpirahalahy ry zareo? Tsy tokony hoe ohatra mazava kokoa noho izany aza ve no nampiasainy? Izy aza mantsy antsoina hoe Mpampianatra Lehibe.

Sarah: Izay aloha e!

Nathalie: Tsy mitovy izany izy ireo matoa i Jesosy niantso an’Andriamanitra hoe “Ray” fa izy “Zanaka.”

Sarah: Marina izany!

Inona no nolazain’ny mpanara-dia an’i Jesosy fahiny?

Nathalie: Misy zavatra tiako horesahina aminao ity alohan’ny handehanako, raha mbola manam-potoana kely ianao.

Sarah: Alefaso e! Tsy maninona.

Nathalie: Raha i Jesosy ihany no Andriamanitra, dia azo antoka fa nilaza an’izany ny mpianany. Sa ahoana?

Sarah: Tokony aloha e!

Nathalie: Tsy misy an’izany mihitsy anefa ao amin’ny Baiboly. Mifanohitra amin’izany aza no nolazain’i Paoly, mpanara-dia an’i Jesosy. Nitantara an’izay nitranga izy, rehefa tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy. Niteny izy ao amin’ny Filipianina 2:9 hoe: “Izany indrindra koa no antony nanandratan’Andriamanitra azy [izany hoe i Jesosy] ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra.” Inona no nataon’Andriamanitra tamin’i Jesosy, araka ny voalaza eo?

Sarah: Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa izy.

Nathalie: Andeha àry atao hoe nitovy Andriamanitra sy Jesosy talohan’izy maty. Dia nasandratr’Andriamanitra ho ambony kokoa izy rehefa tafatsangana. Tsy ho lasa ambony noho Andriamanitra ve izany izy? Aiza anefa no hisy olona ambony noho Andriamanitra?

Sarah: Tsy hisy mihitsy aloha izany e!

Nathalie: Ie. Raha izay porofo rehetra izay àry no jerena, dia mampianatra ve izany ny Baiboly hoe Andriamanitra i Jesosy?

Sarah: Dia tsy izay izany, fa hoe Zanak’Andriamanitra izy.

Nathalie: Izay mihitsy. Fa na izany aza, dia tena mino sy manaja be an’i Jesosy izahay Vavolombelon’i Jehovah. Mino izahay hoe raha tsy maty izy dia tsy ho voavonjy ny olona tsy mivadika.

Sarah: Izaho koa mino an’izany.

Nathalie: Tianao ho fantatra ve anefa hoe inona no tokony hataontsika raha tena mankasitraka ny sorona nataon’i Jesosy ho antsika isika?*

Sarah: Ie, mahaliana ahy mihitsy izany.

Nathalie: Afaka miverina at&#7923; aho amin’ny heriny hoatr’izao, dia resahintsika izay. Mety aminao ve?

Sarah: Ie! Tongava fa ato foana aho.

Nathalie: Hay, misaotra betsaka fa amin’ny heriny izany! Veloma an!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: sceptique.bible!
Date: 16 novembre 2016 - 09:44

Andriamanitra ve i Jesosy?

Jaona 1:1

Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

Deotoronomia 32:39 (NM)

Ary tsy misy andriamanitra hafa miaraka amiko

----------------

Raha tsy Andriamanitra i Jesosy, dia iza no nanao an'izao tontolo izao satria tsy misy andriamanitra hafa miaraka amiko hoy Jehovah? (Deotoronomia 32:39)

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Skeptic!
Date: 21 novembre 2016 - 10:27

Milaza ny baiboly fa anisan'ny nanao ny famoronana an'izao tontolo izao i Jesosy (Jaona 1:6-10; Kolosiana 1:16) Mikaza koa anefa i Jehovah fa Izy irery ihany no nanao ny tany sy lanitra Isaia 44:24 Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany; Andriamanitra ve i Jesosy confused smiley

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: skepitc!
Date: 21 novembre 2016 - 10:30

Milaza ny baiboly fa anisan'ny nanao ny famoronana an'izao tontolo izao i Jesosy (Jaona 1:6-10; Kolosiana 1:16)

Mikaza koa anefa i Jehovah fa Izy irery ihany no nanao ny tany sy lanitra


Isaia 44:24

Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;

Andriamanitra ve i Jesosy confused smiley

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: F'inona ty
Date: 24 novembre 2016 - 14:36

Tsy misy manana ny marina ry JW à !Ny fiangonana rehetra dia samy misy marina ary samy misy diso. Ny mitompo teny fatratra sy ny mihambo ho ny azy irery no marina fa rehefa tsy azy dia diso dia secta 100%. Fandementsaina raha toa ka ny hiangonana dia hianarana hiady hevitra lava reny ny @'ny fotompinoana.
Manamaivana ny fanantonana an'Atra fa tsy manavesatra. Rehefa mamaky ty toko sy andininy sy fanazvana lava reny ty nefa za dia tena tsapako ho entamavesatra be zany vesaran'ny olombelona nofo sy rà @ fanantonana an'Atra izany!!!!Lozanareo Fariseo hoy izy!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Fantanina
Date: 24 novembre 2016 - 15:17

Mba te hanontany za hoe le mpitondra fivavahana amin'ny fiangonana zandriny reny ve nianatra baiboly taiza sa hoe formation zareo samy ao ihany dia lasa pasitera avy eo sa aona ? Dia rehefa inona no lasa apostoly na ohatran'izany ? Satria ny fjkm ohatra zao dia mianatra 5 taona eny am faculté theologie mo ? sa ao daholo iany mianatra zareo f avy eo samy manangana ny azy ?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: skeptic!
Date: 07 février 2017 - 11:09

Mino an'i Jesosy ve ny vavolombelon'i Jehovah (VJ)?

1) Amin'ny kristianina (mpino ny trinité), ny atao hoe mino an'i Jesosy dia manaiky an'i Jesosy ho Andriamanitra. Tsy misy anefa andriamanitra maro fa iray ihany.( Deotoronomia 6:4)

Noho izany i Jehovah sy i Jesosy dia iray ihany!
Samy CREATEUR ...

2) Ny VJ dia tsy manaiky an'i Jesosy ho Andriamanitra. i Jehovah ihany no Andriamanitra tokana. i Jesosy dia noforonina.

Izany hoe Andriamanitra = CREATEUR ; Jesosy = CREATURE

------------------------------------------

Iza no marina?


question Iza no nanao ny lanitra sy ny tany na izao tontolo izao?

= > Andriamanitra irery ihany no nanao ny lanitra sy ny tany araka ny Testamenta Taloha


Isaia 44:24 ... Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;

Isaia 48:13 Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin'ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.

Deotoronomia 32:39 Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. (Tsy misy andriamanitra miaraka Amiko!)

....

=> Ny Testamenta Vaovao anefa milaza fa i Jesosy koa nanao ny asa famoronana (Kolosiana 1:16,...)



OLANA : Mifanipaka toin'ny atsimo sy avaratra ny baiboly satria ao amin'ny Testamenta Taloha dia milaza i Jehovah fa izy IRERY ihany no nanao ny asa famoronana, sady tsy nisy andriamanitra hafa niaraka Taminy nefa ny ao amin'ny Testamenta Vaovao dia milaza ny mpanoratra baiboly fa i Jesosy koa nanao ny asa famoronana?



VAHAOLANA :

1) Mpino ny trinité :

Tsy mifanipaka ny baiboly fa mifameno. i Jehovah = CREATEUR ,i Jesosy = CREATEUR ; iray ihany izy ireo. -- > Voavaly ny fanontaniana

2) Ny VJ : ????

------------------------------------------

question VAvaka

1) Mpino ny trinité :

Olana : Ho anay VJ dia manompo sampy ny mpino ny trinité satria i Jesosy dia noforonan'Andriamanitra nefa ivavahanareo? Aminay dia i Jesosy = CREATURE;

Vahaona : Tsy manompo sampy izahy satria i Jesosy dia Andriamanitra -- > Voavaly ny fanontaniana

2) VJ

Olana : Aminay mpino ny trinité dia ianareo VJ no manompo sampy. Rehefa mivavaka ianareo dia isaoranareo aloha i Jehovah = CREATEUR dia avy eo farananareo amin'ny anaran'i Jesosy CREATURE ny vavaka. Ny theologie anareo ihany no amalinay anareo!

Andriamanitra dia saro mpiaro tsy mila mpanelanela rehefa mivavaka Aminy

--- > Salamo 145:18 Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

Vahaolana :???

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Kristianina
Date: 07 février 2017 - 16:15

JW>>> Tsy de te hiady hevitra be aminao izaho fa ito tenin'Andriamanitra io no omeko anao ; tiako ianao mba ho voavonjy ka raiso raha mety aminao .
Mba vakio ny baiboly tena izy

I JAONA 4:1-3 "Ry malala ,aza mino ny fanahy rehetra ,fa izahao toetra ny fanahy,na avy amin'Andriamanitra ireny ,na tsia satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao , Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra :Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo JESOSY KRISTY no avy amin'Andriamanitra ;ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i JESOSY dia TSY MBA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA ;ary izany no fanahin'ny ANTIKRISTY ,izay renaore fa ho avy ,sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy"

Mbola manana fotoana hiovana enao ;fa manandrama an'i Jesosy dia afaka @ fatorana ianao ; mirary soa

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: sariakabe
Date: 09 février 2017 - 11:14

Ny An'i TJ dia nataony nanaraka ny dogmeny ny teny ao anatin'ny Baiboly ,tsy ny dika teny (traduction) fa ny heviny mihitsy no novany hanaraka ny an'io dogme io.

Ary betsaka izany ao anatiny Baiboly ary moa tsy izany ve no antony ka anisany handrarana ny Mpino TJ tsy hiditra any @ hafa (ao ihany koa ny filazany fa fiangonana tsy izy ireny fa mpanompo sampy ka tsy azo atao mihitsy ny miditra any) .

Ary rehefa mampianatra ny TJ ka mitety ny tranonao dia ataovy eo koa ny Baibolinao fa aza mionina fotsiny ny azy satria mila fampianarana koa ry zareo fa tsy hoe tsy ampiditra an'uireny ao an-tranoko aho :fahadisoana izany

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: rvnirina
Date: 13 février 2017 - 17:48

Miarahaba anao, tsy Safif no iray fa ny SEFALA : Sekoly Fanomanana Laika - ny SAFIF manko ilazana ny sampana Fifohazana -
3 taona no faharetan'ny SEFALA, ny 2 taona voalohany ianao dia mivoaka ho mpitoriteny, mahazo karatra ara-dàlana, ny faha 3 taona kosa dia mivoaka ho katekista. Fanadinana vokoa no ahafahana amin'izany - afaka manohy STELE ianao rehefa avy eo : SEKOLY THEOLOJIKA HO AN'NY LAIKA - 3 taona ihany koa no faharetany.

Mahafinaritra ny mianatra ny tenin'Andriamanitra, ka mirary anao ahita soa amin'izany.

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: VISIONNEUSE
Date: 03 mars 2017 - 01:23

Izaho aloha dia kristianina fa raha hoe hampiditra ireny mpitoriteny any an-tranoko dia miala tsiny aho , tsy ao intsony aho. Aiza koa "hiara-mivavak isika " , miondrika manakipy maso ,sendra nahiratro ny masoko : ny iray dia hita fa manao tsianjery ny vavany , ny iray mierikerika mijery ny zavatra rehetra eran'ny trano ,..... tsy misy fijanonany ny vavany rehefa miteny , atao tsianjery izay rehetra lazaina ,tsy misy haimpanahy mihintsy , ny TJ moa dia mivarotra dépliants sy boky kanefa ireny tokony gratuits , izay no zava-misy sy nampahafantarina any amin'ny foibe , zaraina ireny fa tsy hakana vola na avadika vola satria fitoriana ny filazan-tsara . Tsy misy miasa ara-dalàna fa asaina mitety tranon'olona . Hoy aho hoe mbola misy clientèle ihany ve ireny pratique ireny ???? asakasak'izay miesona koh !! Niverina taty aoriana fa nisisika ny hiditra fa tsy navelanay mihintsy , ary teo no nahagaga anay satria tena natosiny mihintsy ny vavahady idirany hono fa tonga dia nolazaiko hoe , raha hitory marina ny tenin'Andriamanitra ve ianareo dia manao hery setra aty an-tranon'olona, hitako hoy aho ny foibe naniraka anareo ka dia ho avy any izahay hilaza ny fombanareo ,nihemotra sady niteny hoe , aoka re madama f'aza taterina any izao . Lasa mandeha any hoy izahay !!! Devoly !!faucheuse. Ary io versets anaty baiboly io dia atao tsianjery ny kirakiraina tsy hita hoe ahoana no handraisana azy . Fianarana baiboly inona ary izany !!!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ffkm
Date: 09 mars 2017 - 16:36

salama, fanontaniana mba lasa manitikitika ny saina. Ny tena ao @ FFKM, fa tena tsy maita andàlan-teny ao @ Soratra masina momba ny Alahady. Nanao fandalinana kely dia naita fa ny emperora Constantin no nandidy nanafoana ny andro fitsaharana izay ny Sabata ho lasa ny Alahady ho hankalazàna ny andron'ny masoandro (sunday), izay io lovaitsika hatramin'izao io. Fanontaniana : Ny lalàn'olombelona (constantin) zany zao no harahintsika fa tsy ny lalàn'Andriamanitra momba ny andro fitsaharana? mety v zany? misaotra

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: DEFORMEE
Date: 13 mars 2017 - 15:22

Ary tena DEFORMEE izany vsion an'i VISIONNAUSE izany an!

Mba mila manana honnêteté intellectuelle ihany koa indraindray fa tsy mijanona ho VISIONNEUSE fotsiny ihany an!

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: biblosy
Date: 13 mars 2017 - 18:19

Mba te hametraka fanontaniana satria betsaka ny mafana fo ato.

Inona no tena tanjony le olona handeha hianatra baiboly ? Hampitombo ny finoany ve ? Sa kosa fanitarana fotsiny ny fahalalana ?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Ho an_i ffkm
Date: 15 mars 2017 - 13:14

ffkm >> Mijery ihany tokoa ianao izany fa tsy mahita a !!
Andro inona kay no nitsanganan'ny Tompo t@ maty e ?
Andro inona kay no nivorian'ny mpianatra ka nisehoan'ny Tompo t@ ?
Andro inona kay no nilatsahan'ny Fanahy Masina t@ mpianatra (pentekosta) ?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: sektera
Date: 15 mars 2017 - 17:40

Ao anatiny herinandro misy andro fito.
Ny iray tsy hiasana ary koa natokana ho an'Andriamanitra.

Mampiatra an'izay daholo na jiosy, sekta na koa ffkm ka inona ny olana sy hanaovana debat lava be tsis farany eto ???????????????

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Valiny
Date: 30 mai 2017 - 16:02

Hoy Jesosy :

"Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary IRENY NO MANAMBARA AHY [Jesosy]." (Jaona 5:39)

Ny fianarana ny Baiboly am-panetren-tena sy fahavononana hiaino dia mitondra amin'ny fahafantarana bebe kokoa ny momba an'i Jesosy... ary hamaly ny fanontaniana maro izay napetraka teto.

Aoka ny Fanahy Masina no hanampy hamaly ny fanontaniana fa tsy ny herin'ny fahaizana toko sy andininy fotsiny.

Samy hotahiany

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: skeptic!
Date: 02 juin 2017 - 10:55

jw : mba diniho kely hoe ito

2 Tantara 6:30 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona,)


2 Tantara 6:30 (TNM)
dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao, ary mamelà heloka ka valio araka ny lalany avy ny tsirairay, satria ianao mahalala ny ao am-pony, fa ianao irery ihany no mahalala tsara ny ao am-pon’ny zanak’olombelona

-> i Jehovah irery no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona

Lioka 9:47 Ary Jesosy nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;

-> Ny baiboly ihany anefa no milaza fa i Jesosy koa mahalala ny fisainan'ny fo

Fanampiny smiling smiley

Apokalypsy 2:23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.

Iza no miteny eto? Tsy i Jesosy ve? -> Izaho no mandinika ny voa sy ny fo

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Anisah
Date: 15 septembre 2017 - 08:20

Ho ahy aloha dia hoe: ekena aloha fa tsy misy fotopinoana ao amin'ny Baiboly fa saingy ilaina ny manana an'izany satria ilaina ny miditra ampiangonana mba hanamafisanao ny finoanao
Ka na mivavaka sabotsy na alahady dia mitovy ihany raha toa ka mivavaka amin'Andriamanitra sy Jesoa Kristy lay fivavahana ka noho izany dia tsara kokoa ny mijanona amin'izay nanazarana anao, rehefa protestanta dia protestanta na katoliaka dia katoliaka fa manimba ny aimpanahy anao ny mivadimbadika. sady amin'izao samy miteny ny azy ho marina daholo ireo karazana antoko fivavahana misy ankehitriny izao fa mila mahay madinika tsara ianao mba tsy ho voafitaka

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Anisah
Date: 15 septembre 2017 - 08:26

Ho an'i ffkm:

andro voalohany amin'ny herinandro no nitsaganan'i Tompo tamin'ny maty... vakio tsara ny Baiboly dia voavaly daholo ny fanontanianao

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Anisah
Date: 15 septembre 2017 - 08:34

ffkm: Tsy mamaky baiboly tsara angamba ianao na tsy ampy ny fandalinanao Azy fa misy andinin-tsoratra Masina mihintsy milaza ny andro alahady na koa hoe"andro voalohany amin'ny herinandro", diniho tsara aloha. Ataovy recherche amin'ny téléphone misy Baiboly

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: beho_ri_ri_ka
Date: 18 septembre 2017 - 11:49

biblosy <<<< tsy nisy namaly ianao ry biblosy fa dia tolorako izay fantatro,

mba te ahay ny toko sy andininy no ianarany ny baiboly
ho entiny hiadin-kevitra sy handreseny lahatra

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: Anjara
Date: 22 septembre 2017 - 14:57

Mandray anjara kely fa mahaliana ahy ity sujet ity

1: soratra masina sa baiboly, maninona no atao hoe soratra masina kanefa dia olon-tsotra toa antsika ny nanoratra ny akapobeny
2: misy hitako hoe zavatra tsy d misy idiranan'ny atao hoe mivavaka loatra ny sasany voasoratra ao (azafady ra diso ny teniko) oh tononkiran'ny salomon to taratasy ho an'ny malalalny no betsaka , fa mahaliana ahy kosa ny ohabolana feno fananarana
3:fa maninona no tsy mahazo mihinana kisoa ao @ testameta taloha fa lasa mahazo mihinana rehefa ao @testameta vao2
4:tena tsy azoko ilay hoe Jesoa nanao sorona ny tenany t@ fahotantsika, tsy mila mibebaka intsony v zany?sa mahazo matoky fa handova ny fanjakan'ny lanitra na dia b fahotana aza?
5:fa nahoana moa no Jesoa no lazaina hoe zanak'Andriamanitra? Ary Adama izany inona? satria io no olombelona nataon'Andriamanitra voalohany
6:Ny Kristianina v mivavaka @Jesoa sa @ Andriamanitra, ilay Nahary sa ilay nohariana

Marob ny manitikitika ny saiko fa ireo aloha no apetrako
Mirary soa avy

Options: Répondre
tsy misy intsony ny fanasitranana mahagaga
Par: tsy misy intsony ny fanasitranana
Date: 24 septembre 2017 - 13:39

Nohazavain’i Paoly fa hitsahatra ireny fahaizana mahagaga ireny, rehefa tsy ilaina intsony. “Na misy aza ny fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ny fitenenana amin’ny fiteny hafa, dia hitsahatra izany, ary na misy aza ny fahalalana, dia hofoanana izany. Fa ampahany ihany ny fahalalantsika, ary ampahany ihany ny faminaniana ambarantsika, fa rehefa tonga izay feno, dia hofoanana izany ampahany izany.”—1 Korintianina 13:8-10.

Tsy milaza ve ny Marka 16:17, 18 fa ny fahaiza-manasitrana no amantarana ny mpino?

Mar. 16:17, 18, Prot.: “Izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.”

Ahitana an’ireo andininy ireo ny Baiboly sora-tanana sy ny dikanteny sasany tamin’ny taonjato fahadimy sy fahenina. Tsy hita ao amin’ireo sora-tanana grika tranainy kokoa anefa izy ireo, toy ny Sora-tanana Sinaiticus sy Vaticanus No. 1209 tamin’ny taonjato fahefatra. Nilaza toy izao tao amin’ny boky iray nivoaka tamin’ny 1881, ny Pr. B. Westcott, manam-pahaizana momba ny Baiboly sora-tanana: “Tsy ao amin’ny fitantarana tany am-boalohany ireo andininy ... ireo, FA NAMPIANA.” Hoy koa i Jérôme, mpandika Baiboly, tamin’ny taonjato fahadimy: “Saika ny kôdeksa grika rehetra no tsy ahitana an’ireo andininy ireo.” (Ireo Andininy Roa Ambin’ny Folo Farany ao Amin’ny Filazantsaran’i Marka, anglisy, Londres 1871, J. Burgon, p. 53) Hoy koa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967): “Samy hafa tanteraka amin’ny voambolana sy ny fomba fanoratra ao amin’ilay Filazantsara io tapany io [ny andininy faha-9-20], ka sarotra inoana hoe i Marka no nanoratra azy.” (Boky Faha-9, p. 240) Tsy misy filazana mihitsy hoe nisotro poizina na nandray menarana ny Kristianina voalohany, mba hanaporofoana fa mpino izy ireo.


Mitovy ve ny fanasitranana mahagaga ankehitriny sy izay nataon’i Jesosy sy ny mpianany?

Vola aloa: “Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia. Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Mat. 10:8) (Maimaim-poana ve ny fanasitranana mahagaga atao ankehitriny?)

Olona sitrana: “Nitady hikasika azy [an’i Jesosy] ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.” (Lioka 6:19) “Nentin’ny olona teny an-dalambe mihitsy aza ny marary ka napetrany teny, teo ambony farafara kely sy fandriana. Amin’izay mantsy dia mba azon’ny alok’i Petera, fara faharatsiny, ny sasany amin’izy ireo, rehefa mandalo izy. Ary nisy olona maro be tonga foana avy tamin’ireo tanàna manodidina an’i Jerosalema. Nitondra ny marary sy ny nampahorin’ny fanahy maloto izy ireo, ary sitrana daholo izy rehetra.” (Asa. 5:15, 16) (Sitrana daholo ve ankehitriny ireo mankany amin’ny mpanao fanasitranana na toerana fanasinana?)

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: skeptic!
Date: 25 septembre 2017 - 10:45

tsy misy intsony ny fanasitranana :

io marka 16:17-18 io dia azo vakiana tsara ao amin'ny baibolin'ny jw na ao amin'ny site internet-ny

1)
question raha tsy tenin'Andriamanitra io marka 16:17-18 , maninona no mbola tao ao ? (lazaina fa masina ny baiboly)

Salamo 12:6 Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.

-> tsy madio ny baiboly raha misy teny tsy avy amin'Andriamanitra

2) raha avy amin'Andriamanitra indray io marka 16:17-18 io dia tsy naha-tanteraka io fahaizana mahagaga io ny jw

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ffkm
Date: 25 septembre 2017 - 10:48

Anissa << Misaotra indrindra tam famalianao, saingy miala tsiny fa tena nitady tokoa aho fa tena tsy nahita oe ny andro alahady no tokony hitsaharana sy hivavàhana araka ny lalàn'Andriamanitra fa tsy ny lalàn'olombelona. Miangavy anao aho mba hanome verset eto mba hojerevako, dia misaotra mialoha tompoko. Fantatro tsara tokoa fa ny andro voalohany ny nitsangana'Jesosy t@ maty, ny nisehoany t@ mpianany, sns ka, fa midika v zany oe io andro io no tokony hotandremana?

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: tsisy intsony fahagagana
Date: 26 septembre 2017 - 07:31

skeptic!>>
Mar. 16:17, 18, Prot.: “Izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.”


tena hita mazava tokoa fa natsofoka tao amin ny Baiboly io andinin teny io, mba hamitahana ireo olona marobe te hanan karena tampoka sy ireo manana olana amin ny fahasalamana sns

raha mitombona io ka tsy nasofoka teo, afaka manaporofo ve ireo pasitera sy izay mino an io andinin teny io, afaka manaporofo izy amin ny fihinana poizina dia hita eo ny vokany, afaka mandeha eny afovoan ny arabe ihany koa na misy fiara mirimorimo mafy aza... sao hanao tahaka an ilay pasitera tatsy Afrika nanandrana nandeha teny ambonin ny rano tahaka ny nataon i Jesosy ka maty nohanin ny voay rehefa nilentika iny

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: skeptic!
Date: 12 octobre 2017 - 14:45

tsisy intsony fahagagana :

koa maninona no azo vakiana tsara ao amin'ny baibolin'ny temoin io andiniteny io nefa lazainy hoe nampiana

-> izany hoe tsy madio izany ilay baiboly

Na izany na tsy izany hoy i Jesosy

Jaona 15:16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.

-> mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.

Marka 11:23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
Marka 11:24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.

...sns..


Tsy efa karazana fahagagana ve izany hoe Jesosy mamaly vavaka izany smiling smiley

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: arakaraka
Date: 07 novembre 2017 - 11:43

ffkm > ny kristianisma dia efa taty @ nilatsahan'ny Fanahy Masina (pentekostra) vao nisy Izany hoe raha tsy nitsangana t@ maty Jesoa tsy nisy ny antsoina hoe Kristiana !

Options: Répondre
Re: FIANARANA BAIBOLY
Par: ffkm
Date: 05 décembre 2017 - 14:59

arakaraka << misaotra am valinteny fa mba afaka fakafakainao v tompoko azafady fa tsy dia azoko loatra ilay hifandraisany @ resaka sabata sy alahady?

Options: Répondre
Aller à la page: Précédent12345Suivante
Page: 4 sur 5


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg