Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Avis de recherche
Aller à la page: 123Suivante
Page: 1 sur 3
BAHUT des ANNEES 60
Par: Mr John B
Date: 19 janvier 2016 - 23:15

Mitady an'ireto mpanafana forum,efa ho telo na efa-taona izay:
- Ra-Pineur
- Jerika
- Ticket de quai
- tropin'Andohalo,mpivarotra mofo-sakay sy lasary karoty.
Taombaovao ny andro,2016,mandalo eto France dia mba maniry ny hitafa.
Veloma vetivety.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 21 janvier 2016 - 12:08

Ton bateau revient
Trois ans ce n'est rien
Zay zany
Zahay zao na efa soira aza mbola milalao belotte foana.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ratiney
Date: 22 janvier 2016 - 12:34

>manahoana leitsy ngahy Ra"John" a ? Lazalazao ahp kely ireo profs nampianatra sy tadidin'ialahy , mba hafantarako na niray kilasy isika na niara nianatra fotsiny tao @ bahut ?
Fanontaniana : tamin'izy roalahy , iza no Sur-gé voalohany ? Ratiney ve vao Xiste ? Sa Xiste vao Ratiney ?
> Jerk ? aiza tokoa leity nareo ? Variana mitodika any Ambatobevanja sa variana mitaiza zafikely ankehitriny ?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Mr John B
Date: 23 janvier 2016 - 13:10

Salama ianao ry ngahy Ratiney:
- vaovao tany Dago aloha no lazaiko:toa lasan'ny Inscae lesy ilay bâtiment fanaovana dessin,misy soratra hitako,ilay fanaovana pinage toa lasan'ny Ortana!
Ireto lesy no mpampanatra ahy fa tsy tadidiko intsony fa efa voan'ny Alzeimehr a:
- français:melle Matty?
- math:Joli
- anglais:Carissan
- géo:Tourtet
- sciences nat:tsy tadidiko
-etc...
Ny tropy niaraka:Jack Palance,Big=Boeing etc...,Penod,Sherrer
Zay no azo atolotra,mba nijerijery tao Ambatobevanja fa tsy nahazo lesy a,tsy bogosy no tsy play-boy

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ratiney
Date: 23 janvier 2016 - 14:26

Manahoana leitsy ialahy Ra-John a ?
>Hay ve leisy lasa ny INSCAE , ilay antsoin-tsika taloha hoe " nouveau bâtiment " . Aiko tsara io bâtiment io fa ny angle ny lavarangana mitodika any Ambatobevanja ! Mikasika ireo prof : izaho efa mpianatr'i Carissan . Tadidiko tsara ny phonétique sy ny "Look at me know" rehefa manao exemple de prononciation izy .Efa nampianarin'iJoly koa aho . Calme i nedala rehefa mampianatra . fa ny exercices omeny matetika dia sarotrarotra . 3ème mialoha ny BEPC aho no nampianarina . Ny prof Géo - Tourtet dia tsy tadidiko . Io ve ilay prof no surnommer-ntsika hoe : masciste ?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ratiney
Date: 23 janvier 2016 - 14:29

> Ra-John , ny prof de sciences tadidiko dia Mme Ratsisalovanona , Mme Hervieu , Mme Chabouis . Nisy prof-nampianatra an'ialahy ve ireo ?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Mr John B
Date: 25 janvier 2016 - 18:10

Salama ianao Ratiney:
- zao ndray vao mandalo fa mamangy ny akama rehetra lesy a!
- ny prof de sciences tadidiko kanefa tsy tadidiko tsara dia vehivavy gasy zay,Andriants...,manomboka A aloha t@ 4ème ka asa raha niaraka isika tamin'io taona io;tamizay no nahafantarako ny basalte sy vato-karangana,tena tsy avanana mihitsy lesy tamin'io taranja io ka mety izay koa no tsy nahatsiarovako azireo.Tsy misy fantatro na tsy tadidiko ireo prof lazain'lah ireo.
- Gomendy zay no prof de gym t@ 6ème
- surveillant koa ve i Ratiney,prof maintimainty,mauricien sa antillais iny!?ny tsy hadinoko tamin'iny rangahy iny dia mahafinaritra azy mihitsy ny miresaka amin'ny prof vehivavy ary tahaka manana main balladeuse zany lery.
- tadidiko aloha fa feno soratra manodidina bahut:A MORT XISTE,i,i,i!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Play-Boy années 60
Date: 27 janvier 2016 - 11:28

Nous nous amusons à l'époque,notre dévise:
- Aucune fille ne resiste au charme des play-boys.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ratiney
Date: 27 janvier 2016 - 23:05

Mba tanisao kely ary izy avy ialahisany no Play-Boy tao amin'ny bahut tamin'ny année 60 ?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 28 janvier 2016 - 11:16

Playboay=cercle fermé,metisy vazah ry lerony ,manao pataloha tsy ambony tsy ambany,izay bokaka azon'ny iray dia zaraina na hitambarana

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Eugénie
Date: 31 janvier 2016 - 11:25

Zahako nianatra tao @tobevanja,rehefa mirava à 16h10 eoeo,ianareo efa andakilasy,ny sasany banc fond laozana mikopakopaka anay dia valianay koa,mba te halala aho hoe"mba tafita ihany ve ry zalahy ireny?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: ratiney
Date: 02 février 2016 - 12:47

bonjour Eugénie ! Inona ange ny lokon'ny blouse-nao tamin'izany fotoana nikopakopanay anao izany ? Maintso sa mavokely...sns ?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Eugénie
Date: 02 février 2016 - 15:24

ratiney<<<<mavo adala ny tablieko,toa mahafinaritra anareo ery ,tsy manga ny lanitra JulF na beige manko ny anay,i,i,i,tena ianao io mihitsy ilay mpikopakopaka a;firy zao ny zafikely?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 02 février 2016 - 17:30

Manao ahoana daholo,

sendra nandalo dia nahita ny antso avo. Faly miverina ato ary mbola ampiako kely ilay antso avo: tatsambo, weinacht, 1959-1969 (raha tsy diso aho) ary indrindra indrindra ny "copinaute-ko" 60, satria izahay roa irery no "ankizy" vavy tato tamin'izany fotoana izany, "ktsay" moa no fiteny?. Izao izany efa miampy an'i Eugénie, dia vao mainka ho tsara be ny resadresantsika ato.

John B > manaova vakansy finaritra ô.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Mr John B
Date: 03 février 2016 - 12:47

Ticket de quai:
- salama ianao,faly hifampitafa eto ndray
- miandry ny ktse sasany(ktse=bokaka),années 60 io
- aiza tokoa ry weinacht sy tatsambo?

ratiney:
- namerina namaky aho lesy:Tourtet prof histo-géo dia vehivavy;raha nanao espagnol 2ème langue elah dia ity misy indice=Randrianatoandro Fidèle=Castro

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 03 février 2016 - 13:11

salut Mr John B > liana ny te handre ny resadresakin'ny mpandeha izahay.
Toa nisy fandaharana nitondra io titre io taloha raha tsy diso aho.

Eugénie sy 60 > aiza ianareo fa aza havela irery ato aho.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ratiney
Date: 03 février 2016 - 18:45

> miarahaba an'i ticket de quai , tafaverina soa-amantsara eto indray . Toamasina sa Ambila sa Moramanga Lac Alaotra sa Fianar-Manakara no tena hilain'tsika an'ilay ticket de quai hananterana na hitsenana olona ?
> Eugénie , teny amin'ny fetin'ny RASALAMA no tena nahitako anao . Nangata-maso anao aho kanefa toa ohatrin'ny somary nangarianao , dia lasa aho nandeha . Ianao variana nitazona stand niaraka tamin'ireo bokaka namanao . Hi!hi!hi! Efatra izao ny zafikely r'itony a !
Ra"John" ! Niara nianatra leitsy isika fa tsy niray kilasy a ! Izaho nanao 2ème langue allemand fa tsy espagnol ! Na izany azy fantatro tsara ilay prof de gym Goumendy . Lanceur de marteu malaza i ny adala iny !

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: ex-tatsambo
Date: 04 février 2016 - 14:05

Na dia somary tara aza dia faly miarahaba antsika mianakavy tratry ny taona 2016, mirary soa sy fahasalamana ary fahombiazana sy fanambinana ho an'ny tsirairay.

Ravo nahita ny antso avo ary tonga dia nitamberina avokoa ny sera sy tafa rehetra teto @ tranokala (3 na 4 taona lasa izay) . Nahafinaritra tokoa t@'ireny (tsy mba nisy nifanafintohana mihitsy), ny nifanàla am-panajàna no nisy.

Mandroso ny taona e ! (tsy afaka mi-redouble ahahahahah ! ! !), ny zafikely no manadala (mamy anie izany)

Mr John B ==> mbola eto France ve 'nareo ? raha eny , aiza ny ville na région. Tsy olana mihitsy ny hifanatrehana sy hitafàna raha toa ka mifanakaiky ny toerana (izaho aty @ Lorraine/Vosges)

Izay indray aloha fa hametraka ny veloma finaritra.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 04 février 2016 - 16:49

Salama daholo,


Ratiney > Misaotra amin'ny fandraisana. Mampamanimanna be ilay fanontanianao; mampahatsiaro tokoa ny fananterana na fitsenana havana/namana amin'ireny toerana ireny.


Coucou ex-tatsambo! Faly "mahita" anao indray. Dia hitondra Soa antsika rehetra anie ity taona vaovao ity.
Vaovao sy maresaka? Mamy tokoa izany manana zafikely izany, hitako amin'ny rahavaviko izay manana koa. Ny ahy mbola tsy misy e.

Play-Boy des années 60 > Même pas peur! Telo vavy anie izahay ato, mety ianao indray no handositra an!Hihihi!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Mr John B
Date: 05 février 2016 - 11:44

- Ticket de quai:tena tsy haiko zany fandaharana zany an!
- ratiney:Gommendy lesy toa tsy lanceur de poids fa basketteur,zah manko nanao basket,i Bellelumière no tadidiko lanceur de marteau;Balthazar lanceur de poids n'ny Bahut OSSUM!ela zany an!
- Tatsambo:faly miarahaba lesy a,tonga soa,bonne année,bonne santé ho antsika rehetra;tena lavitra amiko zany Vosges zany an,mety tsy hitapo isika fa misaotra efa hitodia ndray zao hamonjy an'i Dago atsy ho atsy.
- ho an'ny rehetra:saika hadinoko fa ilay place triangle kely eo anilan'ilay batiment fanaovana dessin dia lasa Placen'i Dox,ry zareo moa toa nipetraka teny Andohalo teny.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1960
Date: 06 février 2016 - 21:40

akory lahaly

tena faly tokoa afaka mitafa eto indray ; isaorana era-po era-tsaina i Mr John B nanokatra indray an'ity loha hevitra ity

oadray kosa ity Ticket de quai : aiza dia efa ho folo taona izany ny bandy no niantra tao amin'ny Bahut (1959-1969) izany hoe tsy nifindra kilasy ...in-telo be zao
ary tatidin-dry ve ilay fotoana tao amin'ny ESCA ? tena tsarapetrapetraka ny bandy kanefa efa ny tsara indrindra no efa ...narindrako kanefa ianao tsy tonga

ny ahy indray ry zalahy dia :
-i Harel no prof de math tao amin'ny 6M2 , Bellelumière no prof de gymn , madama Ravaojanahary dessin , Norbert Raharisoa ny mozika ,madama Boyer ny anglais...
-tao amin'ny 4M2 indray dia Harel ny math , Walter allemand ary madama Carissan no prof d"anglais (ilay miteny hoe :look at me now ; tena any daholo tokoa ny maso fa ilay "sivy be "mivelatra ao ambany latabatra no tena nimasoana)

izay aloha ny masaka androany fa veloma vetivety e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 06 février 2016 - 21:43

azafady fa doso ilay daty satria efa manomboka ...

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ratiney
Date: 07 février 2016 - 23:37

> "1959-1969" , miaharaba an'ialahy leitsy e ! Izaho indray kosa tao amin'ny 4ème M1 . Walter prof 2ème langue allemand , Aquistapache prof d'anglais , Melle Mathy prof de français , etc...tamin'ny 6ème aho no nahazo an'i Carissan ( prof d'anglais ) . Tadidin'ialahy ve izy rehefa manao costume bleu dia mitondra an'ilay voiture américaine ngeza be couleur bleue . Buick angamba moa izy iny . Mahafinaritra ery ny mijery azy fa miaraka tsara ireo loko ! Tao Tsaralalana leitsy izy no nipetraka!
Ary nankaiza ianareo namana sasany no tsy dia hita teto indray e ? Nitondra ireo zafikely tany ambanivohitra aho tamin'ity Week End ity ; misy connexion internet ihany ihany any na dia somary lavitra ny tanan-dehibe ary . Nijerijery anareo rehetra teto ato , kanefa tsy nisy nandalo ianareo . Alahady moa ny andro, ka ny maraina angamba ianareo variana nihaino ny émission ny Jean-Louis Rafidy " Hanao ny safidy" . Nitsidika teto indray aho ny après-midi , mbola variana mihaino ny émission " Soava dia e " indray koa angamba ianareo ! Tamin'ny hariva , mbola mihaino ny "Sangisangy zari-tenany"indray angamba ianareo ! Alina ity ny andro , efa samy any ampandriana indray angamba ianareo izao mihaino ny "Tonon-kalo sy Hira"....vetsovetso raha matsiaro....kalokaloina raha manina... ????
Eugénie , hay ve ianao ila mpikopaka anay rehefa miravy hariva e ! Dia ho alazako any amin'i "BIJA" ary ianao ! Izay moa ilay anarany ???

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 08 février 2016 - 12:07

salut la compagnie,

1959-1966 > tonga soa e! Faly be koa "mahita" anao ato indray. Miala tsiny indrindra tamin'ilay pseudo-nao diso,fa hatao ahoana moa rehefa...
Ilay resaka ESCA ve? Ianao no tsy nahandry ahy niakatra avy any Akorondrano koa!
Ato amiko daholo ny resadresatsika rehetra fahiny, dia sady miomehy aho no latsa-dranomaso mamaky ny tafa sy dinitsika rehetra tao!

Ratiney > efa misy voninkazo ve ao an-jaridainanareo? Gaga aho nahita jonquille tao an-jaridaina omaly, dia ny hazo sasany koa efa mitsimoka!Hafa kely ity ririnina ity!
Ny tolak'andro (sa folak'andro no fiteny ry tatsambo-grammairien), dia toa mahita ilay dadabeko iray aho mamaky ny nisoratanao. Toa hitako izy manakaiky ilay radio ngeza be (sy be bokotra fotsy be sy écran mirehitra rehefa alina), miandry an'ilay fitaom-pivavahana mitondra ny générique an'ilay antsa hoe" Feo mamantonalina".Tsy misy mahazo miresaka sy mitabataba intsony rehefa tonga ilay fandaharana.
Vao tamin'ity taona ity aho vao nahita ilay hira tao amin'ny youtube! Emotion intacte.
Ny sangisangy zari-tenany sy ny tonon-kalo sy hira. Aoka fotsiny! Merci pour toutes ces madeleines!

ex-tatsambo > misy hira tadiaviko-tsy-mety-hitako izay, mino aho fa hainao ilay izy. Misy hoe "ilay lakana kely..." sy ny hoe amin'ny farany "...taratasy tsotra monja no nanaovany an'izany". Tsy hitako ao amin'ny youtube mihitsy ilay izy.
Misy hira iray izay koa hoe "modimodia ravorona^, fa harivariva an-tanin'olona", tsy hitako ao.

Mr John B > mety mitondra titra hafa angamba ilay fandaharana, fa izaho no diso.
Ny tadidiko fotsiny dia misy olona avy any am-pita dia mitantara ny fianany tany.

Bonne semaine daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Eugénie
Date: 09 février 2016 - 13:24

ratiney<<<<bija la vieille fille dort dans sa petite chambre,ny kilasimandry vevavy midecouche ny samedi soir satria normalement samy mande maraina be ny dimanche mamonjy fiangonana,tsy fantany mihitsy,ry zalahy efa miandry eo ambavavahady à 21 h,i,i,i,veloma raBija,samy mody ny dimanche hariva,mody fanina daholo.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Play-Boy années 60
Date: 09 février 2016 - 18:36

Bonjour,
- Ticket de quai:avez-vous déjà visualisé Kâma-Sûtra sorti dans les années 60 à Dago?tsy misy blem io

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 09 février 2016 - 20:48

Bonsoir daholo,

Play-Boy années 60 > ma réponse est non, par contre les fresques,oui (mbola "tsara" lavitra noho ilay film angamba satria io no loharanon'ny rehetra).

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 10 février 2016 - 22:45

salama jiaby ny ktsé sy ny bandy mpiserasera eto

Ratiney
tena marina ny voalazan'ialahy ; tena buick na customline tokoa ny daban'i Carissan fa ilay ankojony kosa aloha dia somary adinoko
fa ity solon'anaran'ialahy ity ange ry lery ka prof de maths-ko tao amin'ny 5° e!popo no niatson'ny bandy azy tamin'izany (somary masiaka ihany ilay anarana satria nolazain-dry zalahy fa sahala amin'ny hyppopotame hono nedala)
sady araraotiko koa fa i Dubois no nampianatra marika anay tamin'ny 4° fa tsy Harel akory
ary tena mba dadany koa letsy izany nahafantaran'ialahy isany ny vovovon'i Carissan izany ; izaho moa teo akakikin'ny bahut teo ihany no nipetraka dia tsy nahalala izay tany ambadika tany ; rehefa tonga maraina ohatra dia misy ireo iray kilasy tamiko nilaza fa nanao totohondry tamin'ny bandin'ny kilasy hafa ry zalahy tany Ambohijatovo ; dia vanaka eo fotsiny ny tena !

Ticket de quai
akory ndriko ;ary taiza moa indry no nianatra fa tena adinoko ? Maria Manjaka ve sa Ambatobevanja sa Jules'F sa tao amin'ny Pat (Paul Minault) sa avy any amin'ny Rabearivelo no tonga nikaoty anay ? sa anisan'ireny sipa tonga tato amin'ny Galliéni nanao grec sy latin + marika ireny (série C no anarany tamin'izany)?
ary mba nankaiza ireo bokaka namana sasany teto e ?

soamandry daholo e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 11 février 2016 - 22:39

Tsara hariva daholo,

1959-1966 > tany amin'ilay nifanaovantsika fotoana aho no nianatra.Efa taty aoriana vao nisy ankizy vavy tao amin'io sekoly io.
Tsy tao Tana ihany aho no nianatra fa tany Antsirabe koa.
Dia mbola manao antso avo an'i 60 ary isika; i Eugénie nandalo afak'omaly.
Ary i tatsambo hono lasa aiza?

Soava ny alina daholo ô.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 12 février 2016 - 13:14

Souvenirs be tao leretsy:
mividy sambosan'ilay dakoma ambody voandelaka a,rehefa reraka ny Maths à Midi,manenjika fetin'ny Unesco miaraka @ bokakan'ny JulesF,mihaino ny conférencen'i Andriamanjato,Ny Tody sy ny Tsiny!!!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 12 février 2016 - 15:00

manahoana daholo ny ambanilanitra ?

Tena efa nifankahita imbetsaka lesy isika ry Xiste :
-tery amin'ilay Dakoma nivarotra sambosa aloha angamba dia mety ho isan'andro ; tena tsiron-javatra tokoa moa izany (zavatra roa no tsy adinoko :ny sambosan'i lery sy ny pôziny ary ny glace-ny Abdalahouad tany Toamasina) ;fa saingy taty aoriana nisy nitsaho hoe misy enam-boalavo ao anatin'io sambosa io dia tsy sahy nividy intsony ;sady nanomboka voatarik'ilay mpanao chocolat mafana sy mofo sy dibera tery avaratra atsinana (eo amin'ny sapanan-dàlana mankany amin'ny fiangonana avaratr'andohalo)
-fa ny tena goavana dia ity nanatrehan'ialahy an'ity konferansa nataon'i Richard Andriamanjato ity :"ny Tsiny sy ny Tody" ; tena rarakivy aho tamin'izany nihaino ny fahaizan'ny lery ...manao fandaharana amin'ny miteny frantsay !kay va re ialahy tao koa (saingy somary adinoko ny votoatin'ny nanmbarany kanefa izany no zava-dehibe)
-ny fetin'ny UNESCO indray letsy tena tsy mba fantatro tamin'izany fotoana => betsaka izany ny bokakan'ny Jules'F no tsy zakako sy azoko

Mety tsy nifanena isika ry Ticket de quai tao Antananarivo fa saingy tany Antsirabe kosa dia angamba a...
Ity indray no mety solon'anarako vaovao :1973-1976
satria nahoana hoy ianao ?
Niasa tao amin'ny lycée-n'Antsirabe aho tamin'io vanim-potoana io ary nipetraka tany atsimo antsinan'ny gara (route d'Ambositra);ka asa raha tamin'izany koa ndry no tany

izay indray aloha no sakafo-pahatsiarovana androany

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ratiney
Date: 12 février 2016 - 20:34

Miarahaba antsika rehetra mpiseraeto e!

> O ry Eugénie a , tena mba gàga aho notantarainao an'ireo kala mi-découche ny asabotsy alina rehefa matory i Bija ! Hay ve nisy an'izany e ? I "1959-1966" milaza fa nimpetraka teny Andohalo teny ; tsy anisan'ireo tary namoaka kala tao ve izany izy tamin'ireny fotoana ireny ? Ny nahafantarako an'i Bija dia hoe "masiaka" . Hay ve blouse mavo no nanaovanao tamin'izany e ?Ny anisan'ny nahafinaritra koa tamin'izany dia ny mijery anareo manao piscine ny alatsinainy tao Antsahamanitra.
> ticket de quai , efa mamony tokoa ny hazo sasany aty aminay . Indrisy anefa fa tsy aharitra ela izy ireo fa lasa mangatsiaka be sahady indray ity ny andro . Raha tianao dia ho avy izahay hanatitra anareo eny amin'ny gara amin'ny 7 maraina .( Io moa ny heure de départ ny train -TANA-AMBILA -TAMATAVE ???) . Ary tamin'ny andron'i Mr Moulin ( Proviseur ) ve ianao no nianatra tany Antsirabe ?
> 1959-1966 . Izaho koa leitsy dia efa nampianarin'i Ratiney ! Raha tadidin'ialahy dia i Carissan mpiteny hoe " Look at me now ! " Ary ny an'i Ratiney kosa dia " n'est-ce-pas ? " Lasa Vespa no nataonay surnom-ny taty aoriana .
Ny fetin'ny UNESCO leitsy dia nisinisy ihany ( boum , reboisement , etc...) i Daoud Nathoo ilay zokiny no président tamin'izany . Tamiko dia ny reboisement no tena nahafinaritra ; tany no tena mifandray tsara ireo mpianatra .
Veloma finaritra daholo indray e !

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 12 février 2016 - 21:56

Manakory aby,


1959-1966 > indrisy mantsy fa tsy nifanena mihitsy isika! Izaho 1967-1971 no tany Antsirabe ary mpianatr'i Masera.
Ny tranonay an (mamelona fahatsiarovana be ianao), akaikin'ny fiangonana Loterana, alohan'ilay lalana midina any Andranomafana iny.Hitako ao amin'ny google ilay tranonay fahiny, dia toa hitakoa izaho sy ny namako rehetra mangalatra mifoka sigara Menthola na Pink eny amin'ny terrasse, no sady mioty pamplemousse! Tany amin'ny terrasse no fanaovana "boum" miaraka amin'ny ankizy manodidina izay mpianatrin'ny Lycée na St Jo.

Ratiney > Tongava ary moa e, miandry izany izahay.
Tsy nianatra tao @ Lycée aho fa tany @ Masera, blouse manga ny anay;tsy tianay mihitsy ilay loko manga satria nataon'ny vahoaka hoe "mpianatr'i Mera mitaveravera sns"

tsara faran'ny erin'andro daholo indray

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 15 février 2016 - 11:25

Salama daholo ô!
Ireto koa fahatsiarovana:
- 1959-1966:misy teny gasy sy frantsay lesy ny Tody sy ny Tsiny raha tsy diso aho!mety niray classe isika izany an,ary niray toerana nijery an'i Ndremanjato;ny nahagaga ahy tamireny dia nisy bandy classe de 1ère na Term nanao conférence,isany ireny i Ralaidovy Samuel vao maty vao haingana,mampalahelo:ny fety Unesco lesy dia karazana concert ataon'ny mpianatra Gal sy JuleF a,misy mihira,mandihy,milalao instruments,tsy tapaka manaraka ny confn'i Ndrema aho ary koa ny Unesco;indrindra ny reboisement Ambatomirahavavy.De lasa lay hoe "repeuplement" fa tsy reboisement.
Lava loatra ,hitohy eo ihany.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1960
Date: 15 février 2016 - 12:14

Ny fiarahabana hono toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana ; koa dia miarahaba antsika rehetra indray ny tenako tratry ny androany 15 Febroary 2016

Xiste
tena malahelo tokoa letsy ny tenako ry Xiste mahare ny ny fodiamandrin'i Ralaidovy Samuel izany ; tsy nahafantatra an'izany aho raha tsy androany kanefa dia namako akakiky taloha tokoa i nedala io fony mpianatra teny Ankatso ; tsy dia nitovy hevitra izahay matetika kanefa na izany aza dia mpinamana tokoa ; efa am-polotaoanany maro aho no tsy nahita azy ;izy moa lasa niditra teo amin'ny sehatra politika ary izaho kosa nijanona olon-tsotra taty aoriana
oviana i nedala no maty ? mijery ny filazana manjo ao amin'ny Midi-Madagasikara ihany aho matetika fa tsy nahita ny nahalasanan'ny lery ; mba mety manana santionam-baovao mahakasika an'io ve ialahy ?


Ratiney
kay va re letsy ry Ratiney ny UNESCO no nikarakara an'ireny "reboisement" tany Ambatomirahavavy ireny ; tany tokoa ny tenako isan-taona ary namela fahatsiarovana goavana ho ahy manokana izy ireny : efa tsidrian-daona ery ahita ireo bokaka avy any amin'ny Jules'F sy Rabearivelo fa saingy tsy mba nitondra mody na iray aza ; ny firiarihan eny ambanivohitra , ny mozika , ny "pique-nique" ary tsy adino ny ...fambolean-kazo ; indray andro aza ange rehefa avy nody avy any Ambatomirahavavy dia nisy mpianatra 3 izay na 4 nentin'i Walter (prof d'allemand) ary nasain'ny nedala nisotro "fanta glacé" tao Analakely e!
marina tokoa ny voalazan'ialahy isany fa i Daoud Nathoo no prezidà tamin'izany (tena adinoko tanteraka ny fisian'i nedala io ary tena miaiky aho fa tena mbola lavitra an'ialahy isany ingahy ...Alzheimer; izao vao miverina tsikelikely ato an-tsaiko ny tarehiny)
i " n'est-ce-pas ? " ihany tokoa ny anaran'ilay tena Ratiney tamin'izany ; mipao-tsatroka an'ialahy aho ry leroa a!

Ticket de quai
mety tsy lavitry an'ilay "salon de thé" fihinana "glaces" teo anoloan'ny fiangonana loterana izany no misy anareo sa mety taty akakikin'ny "librairie"l loterana ? tsy tena mazava amiko ny fanazavan-dry (efa somary pôripôrina ihany ange ny bandy e!)

manaova herinandro finaritra daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 15 février 2016 - 12:19

Hitan-dry hoa fa tena efa lasa pôripôrina mihitsy ilay bandy bôgany...ha!ha!ha! taloha ;aiza ka lasa 1959-1960 indray ilay 1959-1966 tena izy !

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 15 février 2016 - 14:42

Faly miarahaba antsika rehetra indray,

Xiste > tena nahavitana "repeuplement" tokoa ve ilay fambolena hazo? Io ve no anisan'ny nahatonga an'i madagasikara hanana "démographie galopante". Asa aloha! Ny cours "éducation sexuelle" toa mbola tsy nisy tamin'izany.

1959-1966 > tsy haiko raha hainao ny quartier hoe Ambalamaditra. Io no quariter nisy anay, mora fantatra be satria izy irery no trano feno pamplemousse.
Tsy ianao irery no efa lasa...fa hatraty io e!
Ianao izany niaraka niasa tamin'i Madame Josiane Potier?

Veloma vetivety

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Mr John B
Date: 15 février 2016 - 19:08

-Ticket de quai:mande souvent Bira aho ka ho jereko io tranonareo io

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 15 février 2016 - 19:33

Mr John B > mba jerijereo ao tokoa ilay izy fa toa hoe lasa aolo hono, satria ny taranakin'ny tompon-trano toa aty ampita daholo.
Hitako ao @ google ilay izy, dia lasa misy trano eo akaikiny sy teo amin'ilay "verger" m nisy pamplemousse sy avocats ngeza be.Soa fa mbola misy eo amin'ny niveau an'ilay terrasse sy ny balcon. Dia veloma any hoe hoy i Ticket-de-quai-mmpangalatra-mifoka-sigara-any-@-terrasse.
Ay, tadidiko ilay anaran'ilay lalana: rue Pasteur, Ambalamaditra.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 15 février 2016 - 23:33

1959-1966:zah koa lesy nalahelo satria noheveriko fa brillant iny bandy iny,Midy mihitsy no nahitako an'io,fantapantako ny famille,nipetraka Andravoahangy Mahavoky ry zareo,hitako eo antokotany,mandeha miakatra Bahut etc...donc tsy niray classe isika,zahay mbola ambanimbany;nisy zandriny toubib,le plus jeune de sa classe tao @ Bahut koa,nahazo bourse Belgique,tafaverina dia tonga dia chef de service Ministère!!!zay no azoko ambara ,sinon Ottmar Meyer lesy dia nisy nahita tany @ Est de la France tany,Carissan nipetraka tao Paris mamboly anamalaho hono.
Mbola hitohy.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: tsybahut
Date: 17 février 2016 - 17:30

bahut des années 60, oatra oe 18 no niala tao @ bahut 18+56= 74 , mafinaritra raha mbola betsak ny mifankalala an, atao recensement dia manao rencotre dia antso aho fa memoriseko gratuit ny evenement

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Eugénie
Date: 17 février 2016 - 20:02

ratiney zao mety nanenina tamin'ny manadala anay amin'ny lalana trano Jean Laborde iny an,efa mila hifamadika mihitsy ny kapanay ,ny tapaka no tena natahorako tamireny dia asa fotsiny,i,i,i.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 19 février 2016 - 18:43

"guten tag"
indrisy , io sisa no mijanona tamin'ny fampianaran'i Walter nandritry ny 5 taona (miampy ny "mein vater,mein vater..." tao amin'ny ErlkÖnig-ny Goethe+Schubert)

arabaina aky indry ry Eugénie ; fantatr'indry moa fa izaho nanomboka 5° ka hatramin'ny kilasy voalohany dia isa-maraina amin'ny 7h20 dia efa tonga miankina ny tambo teo anoloan'ny tranon'i Jean Laborde mijerin'ny mpiantr'i Bija ? nisy tokoa no nahatara ahy , indrindra moa ilay nolazain-dry zalahy fa i Tiana no anarany (somary fotsifotsy botabota ary fofifohy izay izy tamin'izany) kanefa dia nantelin'ny fanadinoana taty aoriana;sao dia indry ary izy io ? asa , mety tsy ho fantatra madrakizay izany!

ô ry Ticket de quai a! tena fantatro tokoa i Josiane Poitier fa sady mpiaramiasa izahay no mpinamana (tsy dia nifandray tamin'ny Malagasy loatra izy tamin'izany -afa tsy izaho sy Itompokovavy Monique Radera ihany angamba ; samy mpampianatra H-G izy roa ireo raha tsy diso ny fitatidiako); nandeha nisakafo tany aminy aho indray mandeha na indroa ; ary nasaim-badiny tany amin'ny Cotona mihintsy ary izaho satria naniry izy ny hidirako tao (lehibe-ny "ressources humaines" ilay vadiny tamin'izany fa saingy ny fampianarana ihany no mbola nanintona ahy tamin'izany fotoana.Henoko taty aoriana fa lasa ry zareo no nitantana ilay "maison de retraite" teny amin'ny làlana mankany Antananarivo (adinoko akia ny anaran'ilay hotely sy "boîte de nuit" teo akakikiny)
Ary ianao efa nampaianarin'i ramose karl -mpampianatra marika tao amin'i St Joseph (somary botabota sy fohifohy izay izy ?
Ny mba nandanako tao mantsy , tamin'ny andronay , dia nitondra ireo mpianatra nanao volley na basket miady amin'ny mpianatra tao

Hitako ihany letsy ry Xiste ny mahakasika ny fahalasanan'ny namako Ralaidovy Samuel ("ni-googelise-ko" fotsiny ny anarany dia nafahako nahita ny filazana manjo sy lahatsoratra vitsivitsy momba azy );na izany aza dia mbola mamerina ny fisaorako an'ialahy aho nampahafantatra ahy .
HerrWeinachten no tena azo antoka fa niray kilasy tamiko kanjo moa i lery mbola tsy niverina nanoratra teto hatramin'izao ; tsy rakany angamba hoe niverina ilay .
Ny sarin'i Carissan ry zalahy dia hita tsara ao amin'ny tahirin-tsarin'ny BAHUT ary tena io sary io no mbola raiki-tapisaka ato an-dohako (nisy mpapianatra ahy hafa koa tao tahakan'i Anxionnat ohatra...)

vita ny gazeti-pahatsiarovako androany koa dia

"auf wiedersehen" daholo e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: ratiney
Date: 19 février 2016 - 21:43

> Miarahaba antsika rehetra mpanafana eto !

Eugénie ! irony kapa antsoina SCOUBIDOU irony no tianao lazaina o ! Angà adinonao fa rehefa tapaka izy ireny dia paingorana amin'ny trombone dia en avant indray ? Ary tadidinao ianareo vehivavy rehefa te ho kevoka dia tsy manidy blouse fa mba te hampiseho ny akanjo hanaovana . Indrindra ange fa irony "robe sac" irony ! Io ny tongan'ny fitenenan'i 1959-1966 , mba tonga aloha amin'ny 7.20 maraina ihany mitaingy tamboho mijery anareo , ....

> Ticket de quai ! Ohatrinona tokoa moa ny Menthola tamin'zany fotoana izany , 3 pour 10 F ve ? Ny bastos bleu mantsy no 2 pour 5 F ; ary io no mora indrindra raha tsy diso aho .Eny Andranovisy no tena mba mifoka izahay rehefa amin'ny 5 sy sasany hariva iny , miaraka amin'ny mofo anana !

> 1959-1966 , aiza kosa leitsy dia " guten tag " sisa no tavela tamin'ireo nampianarin'i Walter ? Ary ilay fitenin'tsika angà tsy tsaroan'ialahy ? ICH WEISS NICHT WAS SOL ES BEDEUTEN .... tohizo ( die Lorelei ny titre io raha tsy diso aho )
> Ra-John B , ialahy ve leitsy nanao tao ao amin'ny O.S.S.U.M ? Raha eny dia inona avy ny disciplines nataon'ialahy ? Izaho mantsy mba nanao kely tao koa ka nety tafaraka angamba ntsika !
Izay indray aloha fa dia mirary bon week end antsika rehetra !

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 23 février 2016 - 18:06

salama daholo e

"Es sehr kompliziert" ;izaho koa ange ry Ticket de quai mba manana sary tena manja e!nalaina tamin'ny 1974 (azo tao daholo rehefa mpiasa tao amin'io "lycée" io -raha sendra mahita an'io sary io any aminy ianao dia i Josiane ery an-kavanana amin'ny laharana ambony farany , izaho indray moa ilay ..."bôgôsy" ...aty amin'ny an-kavia amin'ny laharana faharoa avy aty ambany fa saingy efa manjokozoko amin'izao fotoana ka nahatonga an-dRatsimbazafy nihira hoe;
"fa sao ianao hoe ianao dia mihevitra
fa ho tanora mandrakizay
........................
ka ho lefy rahatrizay "
Dia tonga ihany tokoa akia ilay fotoana mahalefy !

"ICH WEISS NICHT WAS SOL ES BEDEUTEN";tena tsy voatohiko lety ry Ratiney a!
ary ialahy isany ve mba nanao beloty ?
izahay mantsy raha vao misy "heure creuse" dia mamonjy manao beloty eo anoloan'ny katedraly na koa amin'ny sisin-tamboha manoloanan'ny "eglise réformée"; bandy hoe Mbazafy izay (na koa hoe Bera kely -kanefa nedala no anisan'ny lava indrindra tamin'izany)no nampianatra ahy an'io dia vao nahay kely fotsiny dia tonga dia nasian-dry zalahy "ariary dimy ny pozy" ; tena borina mihintsy aho tamin'ny voalohany

tantara manaraka : fandehanana any Ambohibao mianatra milomano miaraka amin'i Jalabert

soava tsarà daholo ny akama rehetra e

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 23 février 2016 - 19:10

Salama daholo,

1959-1966 > aza manaiky ny ho manjokozoko izany fa mbola ho lava ny dia! Isika am-pototry ny sels minéraux sy vitamines sy produits de phytothérapie! Tsy hadino koa ny fandehanana an-tongotra sy ny vélo!
Liana ny te hahita izany sarinareo izany aho raha manana ianao.

A+ daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 23 février 2016 - 21:36

tsy efa lazaiko ve indry hoe "mipôripôrina" e!jereo ange :
"Es sehr kompliziert" dia adinoko, ilay verbe "être"
"Es ist sehr kompliziert";ny tena marina dia mba efa nandeha tany Bavière aho tamin'ny 1989 (Wunsiedel sy Bayreuth avy eo nankany Berlin nanatrika ny fandravana ny "mur de Berlin" ),nijery ny "Festspiele Haus-ny Wagner" sy ny tranon'i Franz Liszt izay tsy lavitra avy eo; akory ny fahagagako fa tsy nisy azoko ny resakin'ny olona ankoatry ny hoe "ein koffee , bitte" sy ny "Grüss Gott" fanaovam-beloman-dry zareo -izay tsy nianarana mihitsy taloha ,Schiller sy Goethe no ady tao tamin'izany!

ilay sary ry Ticket de quai dia ananako tokoa fa ny fomba handefasana azy kanefa manaja ny "anonymat"-tsika dia mbola mila fandinihana kely(tsy latsaka tao anatin'ny "potion magique" mbola voateraka tahakan-dry Obelix ny tenako raha ny solo-tsaina no resahina"

raha ny fitaizana tena sy vatana aloha dia mbola mba manao izay ho afaka ihany ny tena -20 taona aho izao no nijanona nifoka sigara (gauloises sans filtre ...tena marina io) -dia nitaky fanazara-tena goavana raha tsy izany angamba efa ...navadika in-droa fara faharatsiny!

soamandry daholo ô

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Eugénie
Date: 24 février 2016 - 10:59

1955-1966:tsy zaho ilay Tiana fa tena anarako mihitsy io,mba nanao amourette tamin'ny bandy bahut zay aho rehefa mandeha mianatra,miaraka foana isan'andro,nipetraka Ankadifotsy aho,mifanao fotoana eo Antaninandro dia lasa amizay;fa nony hitany aho natsaka dia tsy hita ntsony izy,henjana nareo lehilahy;sao dia mba mandalo eto manko izy dia fantany tsara;tsara ny miresaka raha samy efa mananjanaka lehibe aza.
Ticket de quai:ny loza tamin'ny kapa malaza io dia rehefa fahavaratra dia mandoto akanjo avy ao aoriana ka vao maika mety ho tapaka rehefa manisa 1,2,3 zay ny bahutiens.Loza!!!tena bouffées de chaleur vao tafavoaka.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 24 février 2016 - 12:18

Miarahaba finaritra,

Eugénie > ay tokoa moa nisy an'ilay 1,2,3 tena nahafanina! Ankehitriny iomehezana sisa!
Tantaraiko zavatra indry: niaraka tamin'ny mamanay izahay mirahavavy indray andro, dia hoy ireto ankizy lahy maro nifanena taminay hoe "lehibe ny ankizy maman a". Dia novalian'i mamanay hoe "imbéciles".Hihihi!Izahay mirahavavy amin'io tsy hita izay haleha!
Resaka kapa dia tena nandoto akanjo mihitsy ilay izy rehefa avy orana, na dia niezaka ny tsy hanainga loatra ny faladian-tongotra aza ny tena! Tadidin-dry koa ve ny kapa kyranil?

1959-1966 > ataovy moa izay mba hahitako ilay sary e. tsy hitako afa tsy ny email ny fomba hahazaona azy,sa ve misy blog an'ny bahut afaka hasianao azy?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: ex-tatsambo
Date: 24 février 2016 - 17:59

Faly miarahaba ny tsirairay.

Mbola be ny manahirana ry TdQ a ! ! ! lol

MODIMODIA RE RAVORONA (Rafidimanantsoa ao @ youtube), aiza moa no ahitanao izay tadiavinao : ilaozanao variana @ kapa V, scoubidou sy kiranyl ... pink, menthola sy bastos.

Ny tonon'ilay lakakely no tadidiko, fa ny feony tsy afaka alefa eto @ moov ny partition MDR, PTDR..

" Ilay lakana kely, miendrika sambo lay
Ilay lakana kely, kanto tokoa izy izay
Indro lasa ka tazano, fa misosasosa tokoa
Handeha hitety rano, nefa ho aiza moa????

Moa ve hitety onja, lakakely kilalao
Taratasy tsotra monja, no nanaovana azy tao."

Mandra-panoratra indray ! kiss

Options: Répondre
Aller à la page: 123Suivante
Page: 1 sur 3


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg