Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Avis de recherche
Aller à la page: Précédent123Suivante
Page: 2 sur 3
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 24 février 2016 - 18:20

Ah! Te voilà enfin ex-tatsambo-ela-nandrasana!

Misaotra betsaka tamin'ilay hira fa tena izy mihitsy ilay izy, dia misaotra koa amin'ilay tonon'ilay ilay lakana kely. Angamba ho hita ao amin'ny youtube ilay izy indray andro any,grâce à ex-tatsambo!Fa iza kay no mihira an'io lakana kely io?

Mba tsiditsidio ihany moa ny tranon-kalantsika na dia tsy manam-potoana firy aza ianao e! Hafa ihany anie rehefa ato i ex-tatsambo e! Marina any izany!

Manao ahoana ny fitaizana zafikely? Ny rahavaviko hanana anankiroa kely amin'ny mars sy juin izao: vavy kely ilay @ volana mars ary lahy kely ny @ volana juin! Efa manana zafikely lahy kely roa koa izy. Hita tretrika mihitsy izy mivady e. I ticket de qui mbola tsy misy zafikely dia lasa mampihanta be azy roa lahy kely aloha no ataony!

Mbola mamerina ny fisaorana ô.
A+

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Mr John B
Date: 26 février 2016 - 13:07

- Ticket de quai:aiza ho aiza moa ilay tranonareo?akaikin'ny hotel de thermes ve?efa handeha hody manko

- exTatsambo:mba mila fanaovana ;conversion film atao anaty CD na clé USB raha mbola norme foana nareo,merci d'avance!!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 26 février 2016 - 13:41

Manakory aby,

Mr John B > efa novaliako t@ 15 février teo ny fanontanianao.Dia hangiana indray ve izahay fa hilaozanao?

Misy fanontaniana manitikitika an'i Ticket de quai kely ity raha tsy mahadiso: "ex-iza" tao amin'ny forum taloha kay ianao?
Sao dia mba fantatr'i Bako mpitsongo-dia hono ianao????

Soava dia ô dia aza hadino ny tranonkalantsika ô.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Mr John B
Date: 27 février 2016 - 11:08

-Ticket de quai:tsy mpikatroka aho ka fa mpijery anareo;tsy misy atao zao dia mba nirotsaka ary hody tsy ho ela,any Bira no fandehanako ary eo ampitan'ny BNI,hotel Hasina,miova be Bira an,avenue mandeha Gare iny no misy ny Score,eo amin'ny intersection avy any ranomafana iny misy trano vaovao mbola tsy vita fa misy terrasse,karana no tompony ny fahitako azy,Sabotsy tsy hifankahitana,maloto be lay ranomaimbo,Andraikiba potika daholo ny trano taloha,etc...bye,bye.
- exTatsambo:alefaso ihany fa any Madà aho mijery azy.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 08 mars 2016 - 17:50

Faly miarahaba tratry ny 8 mars daholo!

Mangiana be ny sehatra, fa lasa aiza daholo, no rindrina sisa mijoro?

Mr John B > tsy haiko raha mbola manaraka anay ianao any Dago, fa jereo anie ity site ity "terres et civilisations Antsirabe", dia cliquer-ho ilay hoe "province de Tananarive, Madagascar", dia ho hitanao ao ilay trano nisy anay taloha.Ilay sary misy an'ny Fiangonana Loteranina no misy azy. Lasa misy trano ny manodidina azy, fa taloha namalalaka be ilay toerana. Io ilay trano miloko fotsy misy terrasse nihainan'i Ticket de quai taloha, trano feno fahatsiarovana be.Veloma any hoe.

Eugénie,Ratiney, 1959-1966, ex-tatsambo, Xiste sy ny rehetra, aiza ianareo?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 08 mars 2016 - 21:42

MIARAHABA NY VIAVY REHETRA TSY ANKANAVAKA

Tena afabaraka mihitsy fa saika adino ; soa ihany fa nisy an'i Ticket de quai nampatsiahy ; koa arabaina manokana ianareo ry Ticket de quai , Eugénie ...ianareo ange no tena izy e ("la femme est l'avenir de l'homme" hoy ilay poety iray izay na dia mbola ny "bandin'ny bahut" foana aza no mitondra ny baolina era-tany hatramin'izao aloha,hany ka adi-saritaka lava no misy)

Oadray kosa ity Ticket de quai!Dia Mr John B irery ihany no natoron'ny adiresy kanefa dia mba nojereko antsokosoko ilay izy ; akory ny fahagagako fa kay tranon'ilay sipa nahatara ahy taloha fa tena tsy nety zakako mandrak'ity ny androany ; atao ahoana fa izay no ...lahatra
Tena manja toka ilay toerana ary tena mifono fahatsiarovana be tokoa angamba sady mahatazana tsara ny "thermes" ; nitondra ny mamanay niotra sy nandro tao aho nandritry ny taoana maro (58-64);mbola henoko hatramin'izao ny fofon'ilay rano mafana rehefa akoriana ao anaty "baignoire" dia avy eo lmasa misotro ranovisy
Ilay sary akia angamvba mbola tena sarotra raha tsy hoe manana tranokala ny "lycée d'Antsirabe" afahako mandefa azy

ex-tatsambo
salama va ? mbola misy hira iray hafa koa miresaka an'io lakana kely io ; Célestine sy Eugène Razafiarison no nihira azy ary Gilbert Ramiharison no namorona azy
ity fotsiny aloha no tononiny tadididko
"raha toa lakana kely
aza mba sahisahy"
mazava ho azy fa tsy dia reviko loatra ilay "moral"-n'ilay tonon-kira

izay aloha no masaka androan e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 08 mars 2016 - 23:30

1959-1966 > Io trano io an, ray aman-drenina-prof tao @ lycée no tompony. Tsy tadidiko ny anaran'ilay prof fa misy anaram-bositra fiantsoan'ny mpianatra azy izay fa tsy hataoko eto kosa ka!Aïe, aïe, aïe, somary potika kely tamin'ny zanany lahy aho dia ilay zanany koa potika kely tamiko, saingy, saingy, saingy...rehefa nahatazana ny namako ankizy vavy iray manja kely noho i Ticket de quai izy dia tsy nitazana ahy intsony teo am-baravakely! Ah! ces garçons!
Soa fa nifindra tany Tana izahay avy eo, dia mba maivana ny "déception" Mbola tadidiko ny anaran'ilay zatovo mandrakandroany! Tsy nisy n'inon'inona fa mifampitazana fotsiny eny @ terrasse na eny am-baravarakely rehefa tonga misakafo ao amin'ny ray be-ny izy, izay nipetraka teo alohan'io trano nisy anay io!

Izaho dia abonnée tao an-dranomafana tao: manao sauna, massage, douche sous-marine, bain de boue sy ny sisa.Dia nasain'ilay mpitsabo misotro rano visy maraina atoandro hariva fa tsy vitako ilay izy e!


Manokafa blog ary moa ianao e, dia any no hahitana ilay sary.Izaho koa tsy manana Facebook, par choix et par conviction.

ex-tatsambo > Ity indray misy hira anontaniako anao satria mino foana aho fa hainao ilay izy. Misy ny hoe "aza miteniteny, jereo io volana io, fa isika mbola eny tsy ho ela fantatra akory". Tsy mahita ilay izy ao amin'ny youtube aho e, ka mba ampio ry se a.

Sans transition: tadidinareo rehetra ve ilay réclame an'ny kodak hoe "sary indray mipika".

Izay indray ary aloha fa dia soava ny alina aby


Soava ny alina daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Eugénie
Date: 12 mars 2016 - 10:38

Misaotra anareo zahay viavy tamin'ny 8 Mars;mbola manantena foana eto sao mandalo eto ianao ry APJ.
Bon WE daholo.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 13 mars 2016 - 13:52

Manakory daholo isika :
- miresaka fetin'ny vehivavy ianareo fa tamin'ny 75 angamba izy io no nanomboka ,ny zavatra tadidiko dia Rasoabakobako no tena niresaka be an'io tamin'ny radio!!!
1959-1966:niresaka Tody sy ny Tsiny moa isika ka asa raha tadidin'lah ilay prof de Philo Coguel,vehivavy ary nifindra JulF avy eo;zay moa mbola bandy kely tamireny;izy miara-mody @ kilasimandry JulF @ 22h iny angamba ary miresaka an'i Ndrema sy ny T sy ny T amireo kilasimandry ireo;zay tavela aty farany moa dia tsy amelanay fa matin'ny adroadro;tsara tamizany an,tena tsara!
ary misy nahatadidy an'i Melo ve?surveillant fantatro voalohany!!!(toa efa RIP)

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 13 mars 2016 - 20:28

salama ny ambanilanitra ?
tsy nety tafiditra tao amin'ilay pejy faha 2 aho ry zalahy koa dia eto aloha no manoratra

arabaina manokana letsy ialahy ry Xiste fa efa elaela izay tsy hita ;tadidiko tsara mihitsy i Goguel,mpampianatra filozofia io ( i Bressan moa tamin'izany koa no mpampianatra an'io taranja io)ary fantatro mihitsy ary ny toerana nipetrahany (tao Ambondrona);somary gaga izahay niditra tao aminy satria efitra kely izay no nisy azy ary boky no nameno ny trano ;teo izahay vao tonga saina fa mifanaraka tsara amin'ny filozofiam-piainany ny misy azy -asa na tadidin'ialahy ny fomba fiakanjony sy ny bikabikany iray manontolo (tena nifanohitra be tamin'ny fisehon'ivelan-dry madama Carissan na ry ramose Granger izay matetika manao "noeud papillon" na koa ry Bressan izay nipetraka "tamin'appart" manjabe teo amin'ny araben'ny Fahaleovantena iny)

tsy tena azoko letsy ilay resak'ialahy hoe "...miaraka amin'i T sy ny T..."

ary mba tadidin'ialahy isany ve lety ilay mandeha mianatra milomano tany Ambohibao ? aiza letsy ka nanokanana kamiao manokana mihitsy isika nandehanana tany (mbola nanana fiara ny "bahut" tamin'izany an!) ary ilay toera-pilomanosana dia tena mbola nilay be;
aleo dia tsorina fa tena mba "priviligiés"isika tamin'ireny raha oharina amin'ny misy ireo zanaka amam-para taty aoriana ; tsy nisy zava nahahory na mpampianatra na fitaovana na koa ...ny "ambiance"

izay aloha sao dia lava loatra ka tezitra eo ry Ticket de quai sy ry Eugénie
veloma he he ra-miaramila
veloma he he raha ho any Ambila

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 13 mars 2016 - 20:30

dia izao indray vao tafiditra koa tsy novako intsony ilay ...tantara-pahatsiarovana (soa ihany fa efa no"copier-coller-ko"mialoha rehefa tsy tafiditra tany ambolohany

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 14 mars 2016 - 07:10

1955-1966=vaky vava aho lesy mamaky ny tantaranlahy,sao dia i Ticket de quai io bokaka tsy nety zakanlahy tany Antsirabe,le monde est petit!!Ilay T sy T =ny Tody sy ny Tsiny a;raha ny fijeriko an'i Coguel tamizay dia hody tao @ JulF ,asa na à titre exceptionnel fa alina be ny andro na ahoana,dia miady hevitra an'io Tsiny sy ny Tody amin'ireo bokakan'ny JulF ireo izy ary miresaka an'i Ndrema koa,zao no nolazainy,katsaka,voanjobory!!Ny anay moa dia ny hisafo ny tarehin'izay tratra aty afara no nataonay.
Tadidiko lesy io nanao piscine io,séance iray fotsiny no mba nataonay dia avy eo hoe"PLEIN AIR "ianareo fa tsy piscine;izany no tsy nahaizako nilomamo.Maro moa ny bandy tao no mahay milomamo dia manaraka andry zalahy aho ,ary miara mijery an'ireo vazaha vavy blonde manao bain de soleil amoron'ny piscine,mapme tamizany.
Ialahy koa moa niresaka belotte teo @ Cathedrale ,nivoaka télé izy io ary ilay sinoa kely Interne mpandray taxibrosy eny Ampasapito isaka ny WE avy any Manjakandriana no isany tratra tamin'ilay DOC ary hitan'ny RADny,ry zareo zany manakatao donc nanana TV izay mbola luxe tamizany,dia hoe bedy lery,niomehezana tamizany.
Veloma vetivety ndray e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 14 mars 2016 - 14:53

Salama daholo,

Xiste > tsy izaho mihitsy ilay nahatara an'i 1959-1966 ka! Asa angaha iza izy izay!
I Rasoabakobako dia anisan'ny olona nandrotsirotsy ny fahazazako. mahafinaritra ahy ery ilay feony.

Handeha hisitaka kely aloha hikarakara an'i Neniko izay.Sarotra ny mitaiza Antitra raolona, indrindra moa fa ny tena koa efa toy azy.

Mandrapanoratra indray.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 17 mars 2016 - 11:39

sarotra be ry zareo ny miditra Moov ,sahirana mihitsy ka mahakamo an
Ticket de quai zao mbola sahirana,ratiney mbola mitaiza zafikely,59-66 mbola mandinika fa sao TDQ ilay bokaka san a,i,i,i!!!

Mividiana less sambos eo @ dakoma dia milamina fa aza marary andoha,zah aloha haka bus eto ambodivoandelaka fa mbola lavipodiana,any Besarety ...

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 17 mars 2016 - 19:00

akory jiaby

ô lety ry Xiste a!
tena tsy maintsy efa nifanerasera mihintsy isika roalahy
-tany amin'ny konferansa nataon'i Ndrema aloha (T & T araky ny fanambaran'ialahy azy - misaotra aloha tamin'ilay fanazavana e)
-ity indray teny Mahamasina nandritry ny "plein air";izaho koa ange lety ka tsy naharitra loatra tany Ambohibao e ;asa na i Bellelumière na i Jalabert no nanala ahy tao ; angamba herinandro na volana vitsy dia lasa nanao an'io "plein air" io koa aho
vokany :
tsy nahay nilomano koa hatramin'izao (soa ihany fa tsy eto ry Eugénie sy ry Ticket de quai fa angamba ataon'izy roa fanalana andro eto hoe "kay ianareo tena vato alatsaka" ary izany angamba no tsy nahazakanareo anay mihitsy)

ary angamba tena ho gaga ialahy fa tsy mbola rakatro ihany koa ny hevitra na zavatra fonosin'ity TDQ-n'ialahy ity
ka asa na ireo sambos maroben'i Dakoma (izay tsoriko fa tena natsiro tokoa) no nahatonga ahy ho donto velona tahak'izao na ilay fahaterana no nanakana ny saina tsy ho kinga tahakan'ny taloha intsony ; misitery!

etsy andaniny kosa letsy aloha dia mbola vitako diha tongotra "po tahak'izay" raha ny avy eo Ambodivona mankany Besarety ary raha sendra misy jiolahy manenjika aza dia mety teo ry zalahy no raisina ...ah!ah!ah!

raha sendra mamaky an'ity i Ticket de quai dia mba valio kely aho hoe : ahoana moa no ahafantaran-dry fa "...tsy indry mihitsy ilay nahatara an'i 1959-1966 "?
ny ahy mantsy dia izay sipa hitako rehetra,indrindra moa fa ny tao Antsirabe sy Ambatobevanja dia ...naha potipotika ahy daholo

mandra-piresaka vetivety ry zalahy sy zavavy namana rehetra

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 21 mars 2016 - 18:35

Lasa fiomehezana ty raharaha ty ry 59-66 a!!!
Hiverenako kely aloha ilay isika privilégiés;io Bahut anie lety ka le plus grand Lycée de l'OI e,taloha ry Raymond Barre aza nanao terminale tao kno!
Ry zareo pencu no tena pivil koa satria entina camion ,sao angamba mitsoaka,waouh!elah angah tsy mba nianatra tery ambony misy salle de dessin,manitra lesy ny sakafo ry pencu isany an,sakafo vazaha,ny mofo dakan'ny alika fotsiny dia anaovandry zalahy boulette(tadidinlah ve io),hitifirana ny fehin'ireo vehivavy vazah manao gym de 7h-8h!!!
Ity koa privil faharoa;raha nanao histo-géo tao @ salle de fête io elah,pratique,cinéma mijery ny fiodin'ny tany,volana ary masoandro etc..dia tena niray classe isika!
Salle de dessin koa moa tsy hoatrany nisy latabatra inclinée ?
Salle de sciences TP na labo tonga dia carrelage fotsy be,salle de physique,chimie moa tsy lazaina fa tena labo manara-penitra tamizany;amin'ny Midi no mandre ny fofon'ny H2S,fofonjavatra re zao e,i,i,i!hainelah?
Privilège farany:nisy Maths sup tao sa Maths Spé?de tao koa less nisy karana malaza fa tena nahay Maths sy ny sisa hono dia vaky vava ireo profs fa azo omena any nedala ny Bacc,goavana izany,tsy tadidiko ny anarany.
Miverina amin'ny natation amizay aho:tena i Bellelumière mihitsy angamba no teny,tsy fantatro tsara moa nedala io dia hoy aho,tena tsy ahay natation aho amin'ilay prof ty kinanjo raikitra ny hoe tsy manao ntsony nareo kanefa ny RAD mba efa nividy maillot de bain.Dia Plein air isaka ny alarobia hariva?
Dia hatramizao lesy de vato alatsaka,dia ho toran'ny hehy ry zavavy ato.
Dia tsy haiko izay fikafikanareo sy TDQ fa ny fahitako azy dia izy mihitsy ilay bokaka e,nony tratra izy dia TSY ZAH ZANY,mampme be an;ka ataovy fotsiny izay hifampinamana e,samy efa manana ny taola-tehezana ,zay no anjara,mifampitél fotsiny,angamba tsy misy ho sarotiny.Sady toa ao koa i Maman.
De mampamangy hono hoe,hoy Xiste malaza,tena mifankalala isika an!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 28 mars 2016 - 21:45

salama daholo ny ambanilanitra ?izay no faniriana

feno 70 taona androany ny bandy ry zalahy sy zavavy mpiara-mahatsiaro ny fahatorana eto ka niriako mba hozaraina aminareo tapaka sy namana fahiny izany vanin'andro izany ;toa ohatry ny omaly ireo zava-niseho 56 taona lasa izay : ny bokaka manjakelin'Ambatobevanja sy Maria Manjaka ary ireo zazavavin'i JUles'F mpifoka sigara tao antoko-tanim-piangonan'ny Faravohitra , ny sambosan'ilay Komoriana , Walter sy Bonaffé ary ry Carissan..., ny fofon-tsakafon'ny demi-panco ary indrindra indrindra ny "reboisement" tany Ambatomirahavavy.Mbola misy amin'ireo namako iray kilasy tamiko no hitako sary eny amin'ny "facebook" (tahakan-dry Mbazafy Solo-mitrotro zafikely- , Jeannot Rambal...,Yves Andria...)

Ny raharahanay sy TDQ kosa ange leretsy ka sangisangy zaritenany e!natao analana azy ; angamba 0,00000000...1 ny vinavinam-panampoizana mety ny fahankalalanay

Nianatra teny ambony teny tokoa ry lery izahay (6°-3° hafa tsy ny "cours d'allemand"-ny Walter sy ny mozikan'i Norbert Raharisoa ihany no teny ambany);mbola nandeha nitsidika an'ireo efitra fianarana tao aho tamin'ny 2004 (niaraka tamin'ny zanako vavy 9 taona) ary tena ohatry ny nahita an-dry Harel na Ratiney (maths) na koa ry madama Boyer (anglais) na Gonthier (français) na ireo bandy namako vahiny nantsoina hoe Said Omar (5°-4°nipetraka tery ambanin'ny hôpitaly GIRARD ET ROBIC) sy Brensinger Richard (4°-3° , nipetraka tery Ambatomainty ary mbola hitako mihira ao amin'ny YOUTUBE nedala io hatramin'izao)

soa mandry daholo e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 29 mars 2016 - 15:11

Azafady fa nisy diso: ORL no tiako nosoratana fa tsy ORl.
Tatsambo a, miandry ny valin'ny fanontaniakoa foana aho an!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 30 mars 2016 - 10:17

Miarahaba anareo rehetra ny tenako,miarahaba tratry ny Pâques koa ary miarahaba an'i zokibe 59-66 amizao faha70 taona izao,tena zokibe marina fa zaho mbola miandry kely ary raha izany dia tena tsy niray classe mihitsy isika;raha ny tsikarotro dia nandalo tao amin'i Carissan daholo an!
Veloma vetivety!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 30 mars 2016 - 11:55

Salama daholo,

mandalo vetivety fa misy zavatra tsy azoko ato! Omaly aho nanoratra teto niarahaba an'i 1959-1966 tratry ny faha 70 taonany, dia izao tsy hitako ato izao indray ilay soratro! Anefa tena lasa mihitsy!
Ilay resaka ORL dia ny hoe sao dia mba misy ORL ato hitsabo an'i Neny fa toa mangitikitika azy foana hono ny tendany, tsy hahitany sy hahitan'ny rehetra tory. Efa nahita mpitsabo ihany, saingy mbola mitohy foana ilay izy.

Tsy mba nanao copier-coller aho ka dia very daholo izay voasoratra!

Xiste > Miarahaba antsika rehetra tratry ny Paka koa. Misy fanontaniana kely ity avy @ Bako mpitsongo: iza tao amin'ny forum taloha kay ny pseudo-nao? Mitovitovy fomba fanoratra an'ny "ankizy" iray tao mantsy ianao.

1959-1966 > Joyeux Anniversaire! Dia ho tratry ny maro mifandimby ô!
Dia tohizin-tsika foana foana ny sangisangy zarin-tenany ato sy ny fitantaraina ny taloha ho lova ho an'ny zanaka sy zandry mamaky ity tranon-kala ity.

Dia izay indray aloha ny androany fa asa raha ho lasa indray ity na ho voafafa.

Bonne journée daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 30 mars 2016 - 22:00

salama daholo ny akama

misaotra antsika rehetra niarahaba sy nanome tsodrano e! na ny hafa koa aza dia isaorana koa satria tsy voatery eto ireo akama hafa amin'izao fotoana

"za koa mbô gaga" ry Ticket de quai, hoy ny fitenin'ny bandy ankehitriny ; tena novakiko tokoa ny fiarahaban-dry tamin'ny 28 marsa io ; ary tenanihaiky mihintsy aho satria toa tadidin-dry hatramin'ny hoe Amerikana ilay Brensinger ary nentiko nihinana mofo akondro sy mofo gasy tery amin'ny Tsiamialona (teo akaikin'ny Sept Prix no nisy azy fa saingy toerana efa nanjavona efa hatrin'ny ela ka tsy nety fantatro izay niafarany)
matetika eto amin'ity serasera ity dia misy FAMAFANA tahak'izany ary tsy fantatra ny antony (ny tenako manokana dia misedra an'izany kanefa tsy mandika na iray aza ny fepetra asainy arahina)
nihevitra ny hamaly an'iny lahatsoratrao iny aho kanefa nangataka andro dia lasza ...nanjavona ilay izy

izaho ange letsy efa nahalala ry Xiste fa tsy niray kilasy akory isika e! fa na izany aza tsy nifanalavitra ny nianarantsika tao satria samy nanatrika an'ilay TSINY sy ny TODY-n'Itompokolahy Andriamanjato , samy nandeha teny Ambohibao ary samy ...ah!ah!ah!...nahiliky ry zalahy tery Mahamasina ny alarobia : mety ho zandriko taona vitsivitsy ihany ialahy na izany aza fa tsy mampiova na inona na inona izany eo amin'ny fanehoana ny tsiahintsika tao amin'ny bahut ; raha tadidin'ialahy dia efa tany amboalohan aho no nanome ny kilasy nisy ahy sy ny taona nifandrify tamin'izay sy ny anaran'ireo mpampianatra sasantsasany tadidiko

izay indray aloha ny vomanga sy saonjo masaka androany fa soamandry daholo e

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket dequai
Date: 31 mars 2016 - 15:00

Salama daholo,

1959-1966 > ay hitanao ihany ilay izy, izaho efa kivy be hoe mbola hamerina hanoratra ilay voasoratra teo aloha!
Mamy be ve ny gâteau d'anniversaire, dia nasiana labozia isan'ny taona ve sajuste bougie symbolique fotsiny. Ny ahy dia symbolique fotsiny fa tsy hahatsoka firy intsony aho, sady hampian'ny namako isany hoe "mahereza mitsoka labozia ary".

Izaho eto hampamakiana ny resadresantsika t@ forum teo aloha, dia sady manimanina no toran'ny hehy amin'ny resaka isan-karazany tao! Ianao sy i tatsambo no tena nampiomehy tao.
Raha mamaky an'ity ianao ry tatsambo dia ahoana tsara hoe ny momba an'ny mpitsok'ovy ny Vakinankaratra??? Hihihi!
Andraso fa handramako hatao copier-coller raha mety dia halefako tsikelikely ato ilay izy indray andro. Tena tsara hatao boky mihitsy satria "sujets variés" be ilay izy!Archives ho an'i Bahut des années 60.

Soava tsarà daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 31 mars 2016 - 15:04

Mbola hampiako kely ilay resaka: tsy ho archives ho an'i BAHUT des années 60 ihany fa ho an'i BAHUT fahiny sy ankehitriny.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Xiste
Date: 01 avril 2016 - 10:56

1959-1966:ity koa leroa misy indice kely a,basketteur aho.Manala azy moa ny eto ka hatramin'izao dia tsy mbola mahita sambosa tsara noho ny an'ilay dakoma aho,efa mba nitety faritra ihany.
TDQ:hoy zahay any atsimo,ny ataonao atao fa aza ny lelako no tsetsafinao toy ny baonbao e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 01 avril 2016 - 11:12

Miarahaba finaritra,

Xiste > Tsy haiko raha volaninao io ndaty e. Fa maninona moa raha valiana fotsiny hoe tsy ianao ilay "ankizy" noeritreretiko? Ianao kosa e!

Oviana hono i tatsambo izay vao hiverina ato? Mety hifankahazo resaka tsara izy sy i Xiste! Moa akory?

1959-1966 > ça va?
Ratiney tsy niverina intsony ianao an. i Mr John B; asa raha mbola manaraka ato ihany?

Bon week-end daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 05 avril 2016 - 12:45

akory aby ?
tsary nisy mpanoratra betsaka tato ato ; nankaiza ry Mr John B ? ry Eugénie ? ry ex-tatsambo ? ry Ratiney ?...ary ry Rapineur sy ry Weinachten ? mbola mahatsiahy anareo ange izahay e!
ireto sisa no akanga nisy nanamborana : Xiste , Ticket de quai (tena mendri-piderana mihitsy eo amin'ny fanetsiketsehana an'ity tranokalantsika )...sy ny tenako

marina tokoa ny lazan'ialahy ry Xiste : tena tsara tokoa ny sambosa an'io Komoriana io (ny mba mety hitako nanakaiky ny tsiron'ny sambosany angamba dia ny an'i Abdalawad tany Toamasina miaraka amin'ny "sorbet-coco-ny" , eo amin'ny kion-dàlana bvd Joffre no nisy azy tamin'izany)
etsy andaniny letsy dia tsy nahatadidy nahafantatra mpanao basket mihitsy aho (izaho mantsy tsy mba nanao sy nankafy fanatanjahatena-ankoatr'izay voatery natao tao am-pianarana ; bandy iray kilasy tamiko tamin'ny 5° na 4°izay ihany no tadidiko fa nanao "sport" manokana , Solo Raj...no anarany , nanao "judo" lery ary indrisy fa toa efa nodimandry izy efa taona vitsivitsy izay.Nisy anankiray izay koa nanao "judo" sy "rallye" ; any Frantsa any lery ary Goul...René no anarany ; tamin'izany fotoana no nahitako azy ireo ary tsy nifankahita intsony izahay taty aoriana

somary endrika hafa no nisehon'ilay faha-70 taonako ry Ticket de quai ; nividy koba avy any Talata Volonondry ny zanako faravavy dia notsoahiny ilay manodidina tsy dia misy tsirony ka nosoloiny "crème anglaise";tsiron-javatra izany ry zalahy sy zavavy saingy tsy nisy toerana nasiana labozy ; ary henomby ritra ("zébu" io an! fa tsy ...charolais akory ) miaraka amin'ny lasary voatabia ary lasary karaoty no laoka + sakay ary vary mena ; ny hany sakafo avy any ivelany dia "foie gras" avy eo ... Behenjy sy divay mena avy any Bourgogne (Nuit St Georges 98);tsoriko aminareo fa hanim-pitoloha tokoa no nataony ary nahafa-po ahy tokoa ;"dommage " ry reto fa tsy afaka hifety ...faha-70 taona indroa eto amin'ny fiaianana -rehefa faha 80-raha mbola afaka manoratra eto amin'ny "clavier" sy raha mbola...ah!ah!ah!... velona dia mety efa lasopy sisa no ho azo hanina !

eo am-piandrasana an'izany ry zalahy sy zavavy dia maniry soa sy fahasalamana lalandava ho antsika rehetra e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: un ancien du lycée Galliéni
Date: 08 avril 2016 - 18:01

J'étais aussi dans ce bahut dans les années 60 , du temps où il s'appelait encore lycée Galliéni;je trouve bien dommage que son nom ait été changé car ce bonhomme,bien que représentant la France colonisatrice,avait fait un boulot monstre pour la mise en place des infrastructures de base que ce soit dans le domaine de la santé, de l'éducation ou des transports (pratiquement inexistants à son arrivée à la fin du XIX°)
Je me permets de citer ici un seul exemple :

Le chemin de fer de Tamatave
Gallieni lança enfin le projet gigantesque, compte tenu des grandes difficultés de climat et de relief qu’il fallait vaincre, pour le mener à bien, d’une ligne de chemin de fer entre le port de Tamatave et la capitale.
« A la vérité, la construction du chemin de fer de la côte est de Madagascar était une des entreprises parmi les plus difficiles qu’il fût possible de rencontrer aux colonies du fait du climat, de l’orographie et de la constitution géologique des régions qu’il fallait traverser ; aussi Gallieni, pour épargner les cent premiers kilomètres qu’il était à la rigueur possible de remplacer provisoirement par un transport par eau sur le canal des Pangalanes, fit - il d’abord étudier le tracé de Brickaville à Tananarive, puis en entreprendre la construction.
Le premier tronçon de 102 kilomètres a été inauguré le 1er novembre 1904, et livré le lendemain à l’exploitation publique. » (EM/p,29)
La construction de la ligne ne fut achevée qu’en 1913>>
Avant cela le transport se faisait avec des filanjana pour couvrir les 370km qui séparaient les deux villes!

En moins de dix ans il a construit la première ligne de chemin de fer de Madagascar alors que 56 ans d'indépendance n'ont pas permis de créer 1km de plus .Pire,les différents régimes qui ont pris le relais ont fini par mettre les quatre lignes existantes à genoux (sauf peut-être la ligne Fianarantsoa-Manakara) à tel point qu'il a fallu vendre et ceder à une compagnie étrangère la gestion de l'ancienne ligne TCE.

J'ai demandé à ma femme qui est d'origine malagasy de me traduire l'essentiel des échanges que vous faites ici et que je trouve très sympathiques et cordiaux;malheureusement je n'écris pas votre belle langue car je n'ai séjourné à Mada que 4 ans avec mes parents.
Bonne continuation

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket dequai
Date: 08 avril 2016 - 19:27

Bonjour tout le monde,

Et bienvenu à un ancien du lycée Galliéni. Comme je ne suis pas une ancienne de ce lycée, mais juste une copinaute dans ce forum, je vous confie à nos chers bahutiens comme Ratiney, 1959-1966, Mr John B,ex-tatsambo et Xiste (même si ces deux derniers ne sont pas des années 60). Et nos amitiés à votre sympathique femme qui continuera de vous traduire nos échanges ici.

1959-1966, Ratiney, Mr John B > misy vahiny isika ary mety ho niray promotion taminareo izy.Nitombo iray indray ny isan'ny namana izany. Tsy sahy manao commentaire ny nosoratany aho satria tsy mpianatr'i Galliéni, ka dia anareo no hamaly azy.

1959-1966> matsiro be izany sakafo izany !Raha mbola misy ambiny ny koba dia mba tsarovy izaho e!
Aza mieritreritra ny 10 taona manaraka izany, fa ho tonga ho azy io! I Neniko anie ka 80 taona (handray 81 taona @ faran'ny taona) fa mbola maharaka tsara amin'ny lamaody noho ny zanany vavy, asiany an'izany manao manteau rouge-mandreraka-be-an'i-vinanto lahiny izany! Hihihi! Mazoto omana tsara koa izy! Mbola manjaitra, mihira (fa efa mivalam-peo kosa!),

Bon week-end daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 19 avril 2016 - 16:28

Oadray ; ary nankaiza daholo ? raha tsy nisy an'i Ticket de quai teto dia tena lasa tanana haolo ny tranokalatsika !
Anontanio hoe raha hain'ny mamanareo ireto hira ireto ry Ticket de quai (raha tadidiny ohatra ny namorona azy na koa ireo nihira azy) :

Tsy malagasy
izany feon-kira izany
kaneha be mpitia
sy mpankasitraka ihany
ekeko tsotra izao
fa samy manana ny tinay
kanefa na izany aza
ny any tena aza hariana...

oui devant Dieu devant les hommes
oui pour l'amour que tu me donnes
et pour qu'un jour je te pardonne
si malgré toi tu m'abandonnes...

veloma ry Paris
fa roso izao ny dia
toerana nahitan-tsoa
tsy ho hadinoina koa
ho gaga angaha ianao
raha toa ka hifandao...

ary hono hoa ry Ticket de quai ? tsy mba niaraka taminay angaha ilay vinantolahin'i mamanareo ? sa tany ampitan-dranomasina ianreo vao nifankalala ? sao mantsy mba bandy namanaya ihany lery e!iza no mahalala ?

salut à toi ô visiteur d'un jour
peut-être etions-nous assis,le temps d'une ou deux années scolaires
sur le même banc ou faisions nousla queue une fois par semaine
pour avaler,du côté du préau la nivaquine sous le regard soupçonneux d'un Xiste
on ne le saura jamais

dia mba miandry vaovao sy "sovenira" avy amin'ireo tapaka sy namana nihara nirevy tao amin'ny bahut ny bandy e

soava tsara daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 25 avril 2016 - 18:53

Salama aby,

mangiana dia mangiana izy izany! Izaho anefa tsy maintimolaly ka tsy afaka hizara ny fahiny tamin'io Sekoly io miaraka aminareo, fa kosa an, raha resaka fahatsiarovana ny taona 60-70 dia ho avy foana aho!

1969-1966 > mbola tsy afaka niresaka t@ mama aho , moa tsy dia voako loatra ny miresaka aminy fa mila miteny mafy be! Ny any fantatro dia hainy tsara ary haiko koa fony kely io "oui devant Dieu" io. Mampahatsiaro ahy ny mariazin'ny anadahin'i mama io hira io (ouverture de leur bal).

Taty ampita daholo no nifankahita tamin'ny vinanton'i mama izahay mirahavavy. Tsy mpianatr'i Bahut ry zareo ka.

Mba hainao ve ity hiran'i Surfs ity: "Ton souvenir".Tsy dia be mpahalala loatra ilay izy. Namoaka boky i Rocky Rabaraona, mitondra ny titre hoe " l'Aventure des Surfs" Edition l'Harmattan.
Souvenirs, souvenirs...

Izay indray ary aloha ny androany eo ampiandrasana anareo rehetra.

Soava ny alina daholo.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 25 avril 2016 - 18:57

1959-1966 > azafady fa diso be ilay pseudo-nao! Efa tsy ao intsony e! Désolée.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 25 avril 2016 - 19:01

Misy tsy ampy kely momba an'ilay hoe "tsy voako loatra ny miresaka amin'i mama" Ny miresaka an-téléphone aminy no tsy voako ka.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 27 avril 2016 - 13:40

salama ny ambany lanitra iray manontolo
aiza ô ? toa mangingina leretsy izahay sy Ticket de quai a!mba vanginvangio fa lasa milalao vovoka irery eo izahay mitsam an!
ary inona no hira mba tena nohenohin-dry ry Ticket de quai tamin'izany fotoana ? ary io hoe Ticket de quai io ary ve tsy "titre" hira koa ?
izaho aloha dia tena mba tia Surfs tokoa eny na hatramin'izao aza dia mbola mijery an-dry zareo amin'ny youtube aho indraindray : "à présent tu peux t'en aller" , "t'en vas pas comme ça" ..(mbola tsy nahita an-dry zareo ireo mivantana aho aho) , fa io "Ton souvenir".io dia mbola tsy fantatro indray

bye bye

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 27 avril 2016 - 17:14

Salama daholo,

Dia i 1959-1966 sy izaho tokoa sisa no manafana ity tranokalantsika! Manantena aho fa ho avy tsy hoe ela amin'izay ianareo rehetra an.

Ticket de quai dia titre an'ny hiran'i Annie Philipe.Nataoko an'io ny pseudo-ko tamin'izao niditra tamin'ilay forum-nareo efa-taona lasa izay. Namaly an'i tatsambo aho tamin'izay hoe " i Annie Philipe no nihira an'i Ticket de quai fa tsy mpihira hafa".Dia nataoko pseudo-ko ilay izy avy eo.

Jereo ao @ youtube ilay "Ton souvenir" an'i les Surfs fa misy an'io ao.
les Surfs no anisan'ny mpihira nandrotsirotsy ny fahazazako.
Nifanena t@ Monique aho t@ 14 juillet 1987, dia tonga dia nanantona azy aho no sady niteny hoe "nandrotsirotsy ny fahazazako ianareo 6 mianadahy" dia novaliany hoe "tena mbola kely kosa izany indry tamin'izany an". Sympathique be izany raha olombelona, nofenoiko bisous ny tarehiny. Nihira teo amin'ilay place de la Contrescarpe, tsy lavitry ny Panthéon izy tamin'io andro io. J'étais aux anges!

A+

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 06 mai 2016 - 16:23

salama jiaby ô
tonga indray ity ny zoma magnifique ka aiza dahôly isika e ? efa ala ela lesy tsy nahare vaovao avy aty aminareo rehetra
izaho sy Ticket de quai dia mbola miandry ny tanana tsy ho haolo eto ry zalahy sy zavavy kijijan'ny Bahut fahiny ( kijija = bokaka = sipa ...ary voambolana tany amin'ny taon-jato faha...19 tany ho any izy io satria ny bebeanay no nampianatra anay an'io)

Ticket de quai ah : mbola tsy afaka nihaino an'i Annie Philipe (izay tena mbola tsy fantatro mihitsy hatramin'izao na ny fisiany aza) sy ny "Ton souvenir"-ny Surfs aho akia hatramin'izao ; amin'ity faran'ny herinanadro ity aho vao tena mba hampiasa indray ny solosaina sy ny YOUTUBE-ny fa tao ho ao aho tena repotry ny zavatra hafa mihitsy ny bandy e!

manaova zoma mahafinaritra daholo ary mba tsididitsidio ihany ny akama lesy ry mpianatry ry Carissan mban-dry Dubief sy ry Anxionnat(fizika) ary Rabesahala (dessin)

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: ANNIE RAFILIPO
Date: 11 mai 2016 - 16:01

Akory aby

izaho ihany ity ry Ticket de quai fa aza taitra e!tena tsy nety hitako ilay Surfs fa i Annie Philippe kosa dia tonga dia azoko ary kay hira efa fantatro tokoa ilay izy fa saingy adinoko fotsiny ; ilay "décor" no somary nahagaga ahy fa tena western be ilay izy ary ny tena "surprise " be dia ...samy teraka tamin'ny 46 izahay "roy" ; ny sariny tao amin'ilay "vidéo" moa dia tahaka ahy fony mbola tanora : tara tamin'olona lava volo ...

asa na "za" sy ianao sisa no tavela eto amin'ity " Ticket de quai " ity

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: rgagax
Date: 11 mai 2016 - 23:49

zaho ndray dia 1966 ahy no nanomboka tao. 6em6
Petit prof de francais, Harel prof de math, histoire lay prof maty (rabenja) ngamba miralahy, izy. jean labera ny prof de gym, nisy prof vevavy iny katrinify atao hoe rainizanamanga ???,
Tamin izany ny fiandrasana ny tablier beige sipan ambatobevanja i Bija no tena nahavariana e!
Ny namana tadidiko etoana zao, dia i Fidy (ramanantsoa), i charles !!, labassy, mety ho tadidiko eto iany ny anaran ny sasany ngamba.. amin manaraka.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 12 mai 2016 - 11:11

Salama aby,

rgagax > tonga soa ô ary manantena foana ny fiverenan'ny maintimolaly rehetra, hiara hitafa aminao. Izaho mpandalo fa tsy maintimolaly.

ANNIE RAFILIPO: Hihihi! mampiomehy ahy mihitsy ianao ry 1959-1966! Tsy ratsy e fa tohizo e.

Ao amin'ny youtube ilay hira tsy hitanao io, ary tonga dia izy no mipoitra raha manao fitadiavana ao @ youtube ianao.
Tara t@ olona lava volo hoe ianao? Ny rahavaviko lava volo taloha dia izy foana no nanaitra anareo tamin'izany andro izany! Fa kosa an...rehefa mandinika tsara ianareo dia hoe "i-Ticket-de-quai mateza dinihina"Tena leo mihitsy aho mahare io remarque io satria tsy ny tanora ihany no reko miteny an'io fa ny fianakaviana koa! Mandreraka be ilay fampitahiana.
Nijery ny site an'i Sekolinareo aho fa tsy nahita sary mifanojo amin'ny fotoana nisy an'i Rafilipo tao, saingy ny anarany ihany no hitako.

Bonne journée aby



Veloma finaritra indray

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: ex-tatsambo
Date: 12 mai 2016 - 17:25

Miarahaba anareo rehetra.

Tsy hoe fahalainana ny hitafa fa nolazoin'ny aretina nanomboka volana desambra hany ka na ny hikirakira ny clavier aza dia marary ny felatanana sy ny rantsana.

Moa ny miditra eto @ moov dia tena mandreraka sy manahirana (asa ny anareo).

Tsy manadino e !

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 12 mai 2016 - 17:45

Salut toi! Ela be tokoa izay fa misaotra mahatsiaro ô!
Raha resaka articulation ny mahazo anao dia mba handramo kely anie ny produits de phytothérapie ity: harpagophytum (ampoules na gélules) sy Basidol (gélules) fa tena tsara mihitsy.

Dia sitràna soa aman-tsara ô.

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: za kosa...
Date: 12 mai 2016 - 18:44

...efa hatrany Ambila sy Flacourt tsika ry rgagax no efa mifanenjika dia zao indray eto amin'ny Galliéni saingy zao vô hitako fa tsy tafaraka isika na de hoe nisy an-Rabeso sy ny feu de camp nerahana aza ; raha zany @ 66 zany dia i papy jeannot mpanao gazety no 6° tamizany ; fa za koa moa nahazo an'i harel ; iza moa no tsy mpianatry nedala io ka tsy vôtifitra lacraie raha vô mi-sommeil kely
ary mety ao @ lahaute ao ihany ange zany nareo no mipetraka e?

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 22 mai 2016 - 17:32

akory lahaly

samy mpankany Ambila izany isika ry za kosa...Iza moa letsy no tsy efa nanao vakansy tany ? eny na dia indray mandeha fotsiny aza ! ny fotona marina no mety tsy mitovy

Ary sao dia ity Ticket de quai tia aza ilay nantsoina taloha hoe"Bako mpitsongo dia" ?
Aiza ka tonga dia tena rakany fa kay i 1959-1966 ihany no ...ANNIE RAFILIPO ! tena mazana toi an! ( io koa no fiten'ny anabaviko taloha -lamôdy io "toi" io tamin'izany ; "toi" kia aloha , manahôna "toi" ...)

tsikitsiky kely manokana hoa n'i ex-tatsambo:
aza asiana "harpagophytum (ampoules na gélules) sy Basidol (gélules)" izany kanjony , fa poti-drora in-telo no ataovy dia fonosy lamba soga ...ah!ah!ah!...dia akipio ny maso sady mieritreritra an'ireo bandy nitazana an-dry rehefa nirava avy tao Ambatobevanja...dia mirary fahasitranana aingana an-dry izahay rehetra (= olona 2 na 3 no akanga sisa nanamborana eto hatreto aloha hatramin'izao kanefa tsy kivy e)

rgagax
tonga soa eto e!
Izaho koa letsy mpiantry Harel tany amin'ny 6°dia avy eo Ratiney(pôpô no nintsonin-dry zalahy azy tamin'izany) ary Dubois sy madama Jolly no mpapianatra marika ahy hatramin'ny 3°
Tadidiko tsara no nahafaty an'ireo Rabenja mirahalahy ireo (HG sy marika) tany amin'ny 67-68 tany ho any : nanadio ny tananàny tany Mahitsy tany izy ireo dia avy eo nodorany ireo fako avy vao nangoniny ; kinanjo angamba nisy bala afomanga tao ambanin'ny tany (nasitriky ny miaramila frantsay fony ry zareo nanafika an'i Madagasikara tamin'ny faraparan'ny taon-jato faha XIX)dia nipoaka tamin'izy roalahy
Ilay Rainizanamanga indray aloha dia tena ...tgsy fantatro

mandrapiahona daholo e

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 23 mai 2016 - 12:58

Miarahaba antsika rehetra,

za kosa > tonga soa ô. Ay ve efa classe de 6ème i "Papy" Jeannot t@ 1966. Toa mahita azy milalao kalesy aho mamaky ny post-nao: sorena ery izy rehefa bahananay ankizy vavy ny lalana hizorany @ ilay kalesy!

1959-1966 > Ianao kosa e, oups i "toi" kosa no tiako holazaina! Aiza kosa dia hoe ankizy vavy i ex-tatsambo! Hihihi!Bahutien koa izy ka.
Toa misy hira miresaka any Ambila raha tsy diso aho?

ex-tatsambo > any @ post ambony any, misy hafatra napetrak'i Mr John B ho anao raha mandalo ato ianao. Efa niverina any Dago izy t@ février teo.

Bonne semaine daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 24 mai 2016 - 19:07

SALAMA JIABY

ex-tatsambo

tena mba afa-baraka ny tenako
miala tsiny , miala fondro letsy a!(ny "tsiny" dia efa fantatro hatrin'ny ela ny dikany ,fa ity "fondro" ity dia tena mbola zava-miafina amiko ny nihaviany sy ny dikany)
soa ihany fa nisy an'i Ticket de quai-izay tena mbola matsilo no sady mbola manana ny 100%-ny selan-kozatatitra-ka nampatsiahy ny tenako -izay indrisy fa efa tena "wayne" be mihitsy ny fihazakazaky ny Alzheimer-fa kay isika samy bandy tao amin'ny "bahut"
ny tena marina dia nafangaroko tamin'ny tantaran'i Eugenie ilay resaka fijerijerena ireo zazavavin'i Bija
tsy hatao fanindroany intsony ny tahakan'ireny e!

ka inona indray izao no kôzin'i "toi" hatramin'ny omaly ry Ticket de quai?
asa na ity ilay hira na tsia :
"veloma eh eh ramiaramila
veloma eh eh raha hoany Ambila"
misy sipa izay fantatro nianatra tao amin'ny St Joseph-n'Antsirabe , dia avy eo izy lasa nianatra pharmacie tany Montpellier tany,ary zanak'olona mpanana tao avaratsena Sabotsy tao izy io ; tany amin'ny taona 70 tany ho any koa izy no tao Antsirabe ; lasa nijanona pharmacienne ao Paris ao izao no fahafantarako azy ; ka asa ianareo na nifankalala na tsia

izay aloha ny masaka androany koa dia soava tsarà daholo e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 24 mai 2016 - 19:22

1959-1966> azoazoako an-tsaina io sipa resahin'i "toi" io.Niara-nianatra izahay tao @ classe de 7ème sy 6ème tao @ Masera, izaho tsy nianatra tao @ St Jo fa efa tany Tana avy eo. Tsy nisy "occasion" nifankahitanay mihitsy taty ampita mandrakandroany, fa ny namana hafa no nahafantarako hoe aty ampita koa izy.Mety tsy tadidiny intsony aho!

Bonne soirée daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 31 mai 2016 - 18:42

akory jiaby ? ino vaovao ?
f'angaha akia nareo ry Ticket de quai dia tena niova be mihitsy ka tsy ho fantatr'ireo akama taloha tany Antsirabe intsony a ?
izaho izao nifanena tamin'ny bandy niray kilasy tamiko tamin'ny kilasy faha 8 (CE2) teo Ankaditapaka Ankadifotsy ; nifampijery izay mirahalahy , somary nifampisiky dia tonga dia nifankalala kanefa efa ho ...30 taona tsy nifankahita!(indrisy fa efa nondaosin'ny fahafatesana i lery taty aoriana )
eny ie : misy ihany ny olona izay tena niova endrika , indrindra fa ny viavy satria betsaka ny mety fanamboarana :tao-volo , manja-maso , ...fa ny bandy kosa dia somary nijanona ...vendrambendrana eny ihany

ka rahoviana hoa i "toi" no ho tonga aty an-tanindrazana e ? hasehoko an'i "toi" sy ny fianakavian-dry daholo ny toeram-pahazazako (<=> ny manodididna ny "bahut" satria saika teo daholo ny fianaranay ...) satria tena mbola nijanona tsy nisy fiovany ireo elakelan-trano manerana ny fokontaninay,hany ka azo anaovana "fitsidiham-paritany" tena milay be ary ny tenako izao dia mety ho lasa "guide touristique" mihitsy ( tsy mahay tenim-pirenena fito tahakan'Itompokolahy Andriamanjato Richard izay nipetraka tsy lavitra ny tranonay fa kosa afaka mibadabada fara faharatsiny teny telo )

oadray :toa lasa lava loatra izy izany ry Ticket de quai koa dia veloma soava tsara daholo indray e

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: place aux jeunes
Date: 01 juin 2016 - 15:16

tsy aleo ndray ve ry bagne sy bôf mba zahay jeunes taty aorina no manoratra eto fa nareo tô mihodikodina fotsiny sisa ;2 na 3 nareo sisa no mikôzy eto
aiza dahôly isika tamindry prov rakotoson andriambala na koa nahazo an-dry tata jean marie HG sy marjean MATH ?
mba alefaso kosa ndray ny revy tsika
alefa lisean'andohalo zao no ady eto

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: Ticket de quai
Date: 01 juin 2016 - 20:14

Salut les jeunes et les moins jeunes,

place aux jeunes > tonga soa ô, dia alefaso ary ny resakareo mba ho hitan'ireto zoky ny fahininareo na ny ankehitrininareo.

1959-1966 > ka mbola 12-13 taona anie izahay no nifankahita farany ry "toi" e! Izao efa manan-janaka lehibe! Ny endrika aloha mbola eny any na dia izany aza.

Misaotra amin'ny fanasàna fa ho lazaiko ato rehefa hikasa ho avy izahay. Dia ho entiko mijery an'i sekolin-dry Masera Antsirabe sy ESCA koa ianareo mianakavy.

bonne soirée daholo

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 10 juin 2016 - 16:07

akory aby ô
zoma indray aky ity ny andro ry Ticket de quai dia mahatsiarotsiaro e!zoma "magnifique" hoy ny bandy
ka inona ny vaovao ry "toi" ? milama tsara daholo ? mandry fehizay ny tanana aty aminareo eny na dia tsy mba misy zoma "magnifique" aza an

ary aiza ary ireto ianareo zanaka amam-para nilaza fa hitsidika eto e ? miandry izahay , misokatra foana ny varavarana ; io Tata Jean Marie resahinareo dia efa lasa nodimandry tamin'ny herintaona ; namako akaiky izy io fony izahay mpianatra teny Ankatso ; samy mpikambana tao amin'ny FAEM (Fédération des associations des étudiants de Madagascar) izahay tamin'izany , izy moa tao amin'ny "Faculté des lettres"; torak'izany koa i Marjean,prezidan'ny AES (association des étudiants en sciences-tena mbola teny frantsay daholo no nampiasaina tamin'izany) tany amin'ny taona 1970 tany ho any

ny prôgany androany hariva dia
"apéro dinatoire" : rhum arrangé/rano-mboakazo vita nanahary;sambôsa (indrisy fa tsy ny an'ilay Dakoma-tsika intsony akory) ,kanefa na dia izany aza dia milay be koa ; composé(ho an'izay tsy mahatadidy dia mifangaro ao daholo ny betiravy,tsaramaso,ovy , pitipoa,salady,pâty,totokena...) sy sakay;dia vary amin"'anana sy sôsisy rehefa madiva haraina ny ...alina

soasoa any daholo e!

Options: Répondre
Re: BAHUT des ANNEES 60
Par: 1959-1966
Date: 26 juin 2016 - 10:29

Mbola izaho ihany leretsy a!
Dia miarahaba antsika rehetra tsy ankanavaka tratry ny 26 jona 2016 e!Samy mbola ho tratry ny taona maro mitsingeringerina indray ary hifanatitra amin'ny vady/zanaka/zahihafy...daholo

Aza adino ry Ticket de quai ny mampanao harendrina sy ny tsikonikonina ny kilonga ; asa na mbola manana vilany tanimanga sy fatapera ianareo hanaovany an'izany

1959-1966 izay mbola tsy manadino na iza na iza na dia efa ...hum hum ...aza

Options: Répondre
Aller à la page: Précédent123Suivante
Page: 2 sur 3


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg