Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Tsy rariny kosa e!
Aller à la page: 12Suivante
Page: 1 sur 2
Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Tslaim
Date: 08 décembre 2016 - 14:24

Tsy hoe hampiady na ahoana fa trop loatra ilay resaka.
Manambady aho ary mipetraka an-dafy ary toa izany koa ny RAR-ko sy ny raafozako.
Fa dia tena mahagaga fa manana olana @ ity resaka lova ity daholo ny RAR-ko sy ny rafozako.
Ny iray tampo @ izy 4 ireo dia mahita tantara foronina avokoa mba tsy hazahon'ny RAR ny lovany.
Ny an'ny iray tampon'ny rafozako izany moa dia hoe "efa nahazo trano any dafy ianareo ka tsy misy anjaranareo intsony aty!"
Voasoloky,voafitaka nefa mpiray tampo.
Milaza fa kristianina nefa mpangalatra sy mpisoloky.
Mba rahoviana ilay fialonana sy ilay tia kely vao ho vita e??

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: degany
Date: 08 décembre 2016 - 15:12

Zay ko mantsy efa victime. Lova iraisana zao de tsy tahotra tsy henatra ry tsisi saina isany tany Dago nitady ny fika reetra hifirana anay aty andafy fa hoe nareo aza hono efa tafita any. Fa ngah zay no naha mafy ady anareo any leleennahh! Fa tena nirotsahanay tany ary tsy nanaiky zay raha tsy tanteraka ny didimpananana nataon ' ireo ray amandreny. Mpanararaopaty reny! Aza manaiky fa ataony fanao io. Ary aza varina eto andafy fa mba jereo ko ny tanindrazana fa tsy hoe refa misy blême vao himenomenona..

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Tslaim
Date: 08 décembre 2016 - 16:51

Efa nidinana tany mihintsy fa eeeeeee.
Misy zavatra tsy mety foana mba hi traine ny dossier sy fanaovana taratasy.
Efa nisy tany namidy mihintsy ary tao nefa ny lova mbola tsy voafindra.
Tsy kely làlana ny ratsy fa ny loza dia ny fianakaviana ihany no tena manao azy.


Noheveriko fa cas unique ny ahy fa hay misy voa koa any.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Zak..
Date: 08 décembre 2016 - 17:45

Ka zay le olana le fotopisainana mihintsy hoa no mahatonga an'io nareo rehefa afaka any an-dafy dia sady tsy mahatsiaro manohana ny taraiky fa tia tena, na ny mikolokolo ny fiarahana am maha mpihavana ary zara misy fa rehefa ny interet (anjara lova) de iny vo mahatsiaro tampoka ny aty !!!

tsy mety koa anefa ny ataony aty an-toerana satria lova iarahana ka na aiza na aiza dia manana ny anjarana fona ny any ampita

enao sady nandao ny taninao, mahazo tombony enao any am taniny hafa, tsy mandraraha ny sasany tavela mihintsy de avy eo indray enao ko mbola ifampizara am le efa taraiky aty tsilelik e !!!!! fa ra kolokoloinao ry zareo, mitazona ny fihavanana enao am'zay raha mbola misy ny fivadiana dia ekeko hoe tsy rariny

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Doda,
Date: 08 décembre 2016 - 18:43

Zak
tapetapekiss:clap:

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Tslaim
Date: 08 décembre 2016 - 19:30

Zak,

Ny lova dia samy manana ny anjarany n'aiza n'aiza aleha.
Ary azafady, fa tsy resaka fitiavan-tena na fanadinoana akory rehefa lasa an dafy. Samy mitolona @ fiainana fa tsy hiasa ho an'ireo kamo be tenda mihintsy aho.
Vady aman-janaka tsy maintsy velomina aty, hofan-trano, fianarana ankizy eo ihany koa.
Safidy ny ahy ny handehanana aty nefa tsy midika kosa izany fa tsy mahazo ny hanjara lovako aho.

Mba nanome fanampiana ny RAR-ko taloha, nandefa vola hanamboarana tamboho sy vavahady ny trano drazana any ambanivohitra. Efa ho folo taona lasa izao, mbola tsy misy birika iray mipetraka akory nefa firy volana nangataka vola foana ny tany.
Hay ny vola lany @ firevena sy nanaovana zavatra hafa . Olona diakona sy mpivavaka anefa.

Ary tsy misy manakana ny any an toerana mandea mitady ravinahitra any @ toeran-kafa mihintsy akory. Lasa asa faharoa mihintsy ity nisoloky ity ankehitriny.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Zak..
Date: 08 décembre 2016 - 20:55

Sali Doda, salama tsara daholo an , mirary soa !

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Zak..
Date: 08 décembre 2016 - 21:00

za mahafantatra bandy mipetraka any finda, fa zany tsy manadino ny fianakaviana aty am tanana, any bira ry leirony, niara nipetraka tam leirony aho fa hita hoe tena mbola misy fifankatiavana na ny eto an-toerana na ireo mila ravinahitra: mifanampy, mifakantia

azoko antoka 100% fa tsy hisy mihintsy ndray andro hoe nangalarina le aty hono ny lova ny any ivelany satria misy fifandraisana milay

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: degany
Date: 09 décembre 2016 - 09:03

Ny fifandraisana akory tsy hifanerena. Tsy hoe refa andafy de tsy maintsy hanipy any dago fa mba samy miezaka @ fiainany. Tsy voatery hoe tsy maintsy han ao vakansy any isantaona hikolokolo fifandraisana. Ny toetsaina mamitaka sy mananaraopaty no tsy mety. Afaka mifanaraka raefa misy ny teny ifampierana fa tsy mibirda fotsiny nefa zavatra tsy niharianao fa lova napetraky ny razana

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: wish
Date: 09 décembre 2016 - 09:55

Ka raha ohatry ny fomba fitenin'i degany sy Tslaim izao aloha ny fomba fitenin'ny havany de tsy mahagag raha mifamely an-trano ao e! Mpihavana ianareo ve tsy hitovy ihany ny nitaizana anareo? Zay manana havana any Andafy fa tsy mifanao izany. Tsy mifaneso hoe izy tsy miraharaha anay ka alainay ny zony, izy tsy manao hoe vendrana ianareo tsy mahita lalana ho any Andafy. Mifanaja de mety ny fiarah-monina sy voatandro ny fifankatiavana e

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: banky
Date: 09 décembre 2016 - 11:37

Za ko saika amaly oe lasitra 1 lohamboto mitovy aminy ko zao ny havani degany, le be teny ratsy imasombahoak reny, samy mpangalatra daoly na eto na any, hahahahh
Vizaka iany aloha raha avy any andafy no hiady lova e, efa be faussaire b aty, ny corruption tsy tenenina tsony. Incités ko zao le havanareo amle zeste b tsy mety lany, ndrindra eto am forum, oe tsy iverina tsony e, milay b aty andafy e, aiza no tsy hamboarindry zareo

Misy olona tsy very lova zany mipetrak andafy fa arakaraky ny fianakaviana, rehefa taranaka jiolahy mo de efa bye bye zany. Any ndray manarina

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Tsotra ny valiny
Date: 09 décembre 2016 - 12:47

Tslaim & degany>> Milamina tsara ve ny fianakaviana nipoiranareo? Tsara taiza ve? Nifanaran-tsaina tsara ve t@ mbola samy teto Mada?

Averimberina foana lay hoe ..nefa kristiana,...nefa mpivavaka. Misy tokoa misalotra ny anarana kristina nefa mpisoloky, mpangalatra. Isan'ireny ny fianakavianareo izany.

Misy fianakaviana tena krisitana matahotra an'Atra, mifanaja tsara @ resaka fizaràna lova, tsy ahitàna olana.

Alamino ny resa-pianakaviana aloha.Mety be vava loatra koa nareo angamba koh.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Doda,
Date: 09 décembre 2016 - 17:59

Tslaim,degany

Fanontaniana kely

Tamin'ny 1 volana lasa zao izahay aty ivelany nahazo vaovao atmin'ny RAR sy ny mpirahalahy/mpianadahy hoe amidin'ny tompony ny tany eo akaikin'ny fasan-drazana...dia tonga dia izahay avy aty ivelany daholo no nanao plisy plisy eo no ho eo...

Dia ho an'iza izany io tany io afaka 50 taona any raha aminareo mitsamy ?

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Doda,
Date: 09 décembre 2016 - 18:01

Zak

Mety ho ato ho ato indray raha tsy misy sampona eh !

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: degany
Date: 11 décembre 2016 - 10:36

Zafikelin ny mpirahalahy zay. Ny radrny zany mifampy cousin cousine. Mbola tsy voazara ny lova t@ fotoanadrony radr noho ny antony maro.Taty aaorina vao vita ny fizarana. Io de samy nanana ny fitaizana aza zahay. Zay kristiana fa tsy fervent chrétiens. Marihiko fa tsy ny mpandova reetra no nanao toetra ratsy. Fa nisy ny tia kely mpanararaotra de nanao micmac nivarotra tsotra zao ny ampahany @ tany anjaranay. Zany ve tsy aharombotra. Ny lova dia lova fa tsy hoe tsy eo reny de araraotina.Raha mba nifanaraka ndray hoe ampiasainay ny tany fa nareo tsy eo tsisy bleme. fitadiavana ny aty andafy fa tsy maintsy mbola hody na ho ela na ho aingana.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: hatray io eh!
Date: 11 décembre 2016 - 11:22

Ny anao ary izany mbola lova fa ny ahy dia vola hanamboarana fasandrazana no tsy hita trace fotsiny izao
izao ilay tantara, rahavavindreniko no hoe responsable @ ilay asa, dia nisy carnet mihitsy naseho ahy hoe fandoavana cotisation satria hikambanana ilay fasana ka samy mandray anjara ny taranaky ny iray tampo amin'ni mamanay, 10mianadahy ry zareo
Amin'ilay hoe mipetraka aty andafy dia mba niangavy tamiko mamanay hoe za no mandoa ny antsasakaraman'ireo mpanamboatra fasana, efa nisy devis naseho ahy koa, efa hitako koa ireo olona lazaina hoe mpanamboatra fasana(asa na tena ireny marina na fosika koa)
Dia nalefa ny vola, efa 3ans izao fa mbola tsy nisy vato iray voatsangana, tsy misy decision intsony hoe à quelle date na quel mois na quelle année ilay asa fa nanjavona fotsiny teo ilay projet nefa vola tsy hita trace, za tsy nahazo vaovao intsony, rehefa mba manontany an'i mamanay za dia valiany foana hoe mbola tsy libre ilay mpanamboatra fasana ka miandry, nefa tamin'ny fotoana nandefasako vola dia efa hoe vonona daholo na mpiasa na materiels fa mila avance fotsiny sisa dia atomboka ny asa
Nitentina 20millions ilay izy tamin'izany(3ans passés) dia za no nanome ny antsasabola, tsy ilay vola no olana fa io toetsaina gasy mamitaka io, tsy zatra mahita volabe ny gasy ka raha vao mahita dia alaina na fantatra aza fa tsy an'azy ilay vola, dia izao tsy misy resaka intsony, za koa tsy mandany andro hitady ny marina rehefa manao vacances any satria fotona fohy mba hialana sasatra ve hitadiavana lagy, za tsy manome intsony sady tsy manampy an'izan'iza intsony fa tofoka

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: oulli
Date: 11 décembre 2016 - 11:34

tsy misy resaka aty andafy sy any an-tanindrazana ny lova fa zo io ;tsy voatery hanampy ny any raha aty andafy!tsy misy fifanerena io ! izahay mianadahy,manana tany tsy takabasy araky ny fitenenana any ny ray amandreninay fahavelony indrisy maty tamin'ny herintaona neninay ,i dada maty efataona lasa koa izay ;niresaka lova ny zandriko lahy ,izy no mipetraka amin'ny tranonay any Tana ary mikarakara trano lova roa any Bira sy tany be feno paoma !izaho niteny hoe :ianao mananjanaka telo ,izay tianao atao atao fa ny angatahiko dia aza amidy ny trano ao Tana mba hivantananay telo mianaka rehefa mandalo any izahay !izaho tsy mila lova any, aty ny fiainako !
fa kosa tsy manaiky ilay hoe voatery manohana rehefa aty finda(Zak no nilaza io)voasoratra aiza izany ??? manana namana sahirana aho aty ivelany fa namidin-dry zareo ny lova avy any, nahazo ny anjarany soa aman-tsara izy , nanana trano betsaka koa ireo ray aman-dreniny tany ,nanana iraytampo sahirana iray izy ,nohon'ny lova mba nandeha koa ny fiainany ;zo io ka amiko samy manao izay tiany

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: degany
Date: 11 décembre 2016 - 13:12

Marina mintsy zany eh! Tena mankaleo le fanararaotana ny olona aty andafy. Heveriny sasany fa misy vola zaraina fotsiny aty. Sady le hoe tokiny hanome ny any dago fa aty andafy defa fisainana taloha be zany. Ny aty ko manana ny fiainany ka ze tiany na hanome na tsy hanome.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Bvolabe
Date: 11 décembre 2016 - 14:03

Tsara le sujet e
Itovizan ny betsaka
Isika génération retraite
1970/1980. Manana io olana io daholo
Aleo mody de mikarakara sur place e
Ndao ze sahy e

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: vazataratasygassy
Date: 11 décembre 2016 - 14:48

ny anay indray tsy ady lova satria tsy manana, fa ry zareo any antoerana no lasa niady be resaka vola alefako, fixe ilay montant dia efa voalaza depuis le début fa hofantrano sy JIRAMA aloha dia ambiny izay hanaovandry azy any, tsy nifanaratsaina izy mianakavy dia ady be dia farany dia zaraina mitovy ilay vola kely dia samy nijanona @ fahasahiranany satria kely ny anjaran'ny tsirairay rehefa nozaraina ilay vola, tsy mba nandinika fa nihevitra hoe hanankarena tampoka fa manana havana aty andafy manampy, za manome foana tsy tapaka, ataoko ny adidiko tsy olana amiko, fa dia izay hifanarahan'izy mianakavy any, za rahateo mandeha hotely rehefa manao vacances mba tsy ampisy ady eo amin'izy mianakavy koa, malahelo ny tena fa c'est comme ça hozy vaza, tsy mety atoro ny gasy ary vola foana no mampiady na manana na tsy manana

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: roberaducrock
Date: 11 décembre 2016 - 15:13

lisany v mbola tsy kobo fa ra mba mitondra akanjo any lisany ka tsy marka de amidin ireo @ 4 amis e
maharaka plus ny aty mintsy ary ny gasy any e Toute clé mihintsy elahy ndray no ampianariny De omeo vola oemo vola monsieur euro an

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: degany
Date: 11 décembre 2016 - 16:09

tena zany mintsy eh!! omena akanjo ry zareo de mody raisiny nefa tsy itanao eny tsony iny avy eo. de mody hoe ny fitafina aty tsy manahirana fa ny vola iany no tena tsy ilaina. mpamboly vola ve ny gasy andafy eh???

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Tsy mahagaga
Date: 11 décembre 2016 - 19:14

Tsisy excuse mihitsy ny resaka manodina lova izany!! inona no idiran'ny an-dafy sy any an-toerana @ izany?? Raha ny tompon'ny lova no nanapaka dia zavatra hafa mihitsy fa raha ny samy mpandova tena halatra izany!!

Izany no tena fisainana manambany tena sy mihevitra fa tafita rehefa any an-dafy ka afaka desheritér na tsotr'izao!!

mpisoloky ny anaran'izany!!mpamitaka ary tsy azo itokisana! tsy hitondra zareo mankaiza io fa wait and see

Rehefa ratsy dia ratsy fa izany ihany mahavoa ny gasy!!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: wish
Date: 12 décembre 2016 - 13:41

Tsy manala tsiny ny havanareo mpangalatra lova mihitsy aloha fa aza atao safo be mantsina kosa e! Izahay manana havana any Andafy fa izahay tsy mangataka ary tsy mangalatra. Izy koa mahatsiaro ny RAR indirndra indrindra satria ireo no adidy iraisana fa izahay mpiray tampo samy olon-dehibe samy tompon'andraikitra.
Fa asa na ianareo no ratsy vintana am havanareo na sao de mba mila mandini-tena koa ianareo. Le vavabe manko tsy mitondra mankaiza nefa ianareo vulnérables sady mila azy ihany am paperasse aty.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Hono oa
Date: 12 décembre 2016 - 14:50

wish<< fa mila tenenina moaramora ve ny mpangalatra hoe: somary naka lova ry zareo???

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: wish
Date: 12 décembre 2016 - 17:06

Hono oa< tsy mibidrabidra fotsiny hoe ianareo tsy tafita satria tsy lasa any Andafy nefa kay malahelo rehefa mibidrabidra koa ny sasany

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 12 décembre 2016 - 20:19

Fa tsy mety lany mihitsy ity resaka : gasy an-dafy contre gasy Mada ity. (Oh: Leo havana...). Ary ny gasy an-dafy foana no manaratsy sy manambany ny gasy Mada: mpisotro toaka ê! Mpisoloky ê! Kamo ka miandry fotsiny ny mana avy any @ havana an-dafy ê! mpangalatra lova ê!...
Efa nolazaiko tao @ sujet hafa fa : samy manana ny karazana fianakaviany. Misy tokoa nt fianakaviana tontakely mampiasa ny hafetsena rehetra hisolokiana izay sendra azy: tsy ny havana an-dafy ihany fa izay rehetra tratrany na eto an-toerana aza. Ireo jiolahy sy tontakely ireo tsy eto an-toerana ihany fa na ny any andafy aza (efa tratra aho raha sendra nanao vacances tao @ région parisienne).
Tsy manome tsiny an'ilay nanokatra ny sujet aho satria misy dia misy io zavatra voalazany io, ary tratra izy ka dia marary! Saingy aza manao safobe mantsina re! Misy tokoa ny fianakaviana tsy misy olana @ fizarana lova: tsy anavahana ny eto an-toerana na ny any ivelany. Mifanaraka tsara @ fikarakarana ny lova iraisana sy ny fandoavana ny volam_panjakana...ets...
Averiko ihany: RESAKA SAMY FIANAKAVIANA IO , KARAZAN'NY MPIANAKAVY IO.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Gasyetodago
Date: 13 décembre 2016 - 09:00

Ialahisany hoa mba atovy mazava ny resak'ialahisany.
Ny fianakavian'lisany sy ny naman'lisany no misera aminareo, dia ny ny gasy eto Madagasikara foana no aratsiana.
Mitombina ihany ilay hoe ianareo any an-dafy ihany no mahazo manome jugement.
Fa raha hanaratsy anie dia ilahaisany any an-dafy koa tsy mahay miray hinba izany e!!!!fosafosa hafetsena sns.....
Mba cadreo ny cible any lisany

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: degany
Date: 13 décembre 2016 - 13:02

tsy resaka safo be mantsina aloha raha ny nosoratako. cas tao @ fianakavinay fotsiny no notantaraiko ary tsy ny rehetra tao koa no nanao toetra ratsy fa sasantsasany.inn mo no idiran ny gasy antapitrisany @zany.
marina koa ny voalaza hoe ny gasy eto andafy de tena misy ratsy toetra sy saina. kifosafosa, mifametsifetsy, mifangalabady... hany ka refa misy ny soirée gasy balmboalavo de tsy maintsy mifarana @ gidragidra matetika

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Hono oa
Date: 13 décembre 2016 - 14:14

F'angaha moa tsy resaka fangalarana lova nataon'i fianakavian'i tsilaim ny resaka eto??

dia nisy ni témoigne koa fa tsy i tslaim irery no tratran'izany fa tsy cas isolé ny azy!!

Betsaka ny cas ohatran'io na betsaka koa aza ny tsy hanaiky ny zava-misy!

Ny pays européen mihitsy, aleo ataoko hoe ny pays matanjaka économiquement dia heverin'ireo tsy mihaina ao fa moramora be ny mihaina ao!tafita izay tonga any an-dafy fa tsy mila miasa na mitady vola fa tonga dia mahazo sy tolorana!!!!

Ka noho izay fiheverany fa tafita be izay izay tonga aty europe dia midika fa manana adidy @ izay tafajanona!!tsy mitady lavitra fa izay ihany!!

Tsy mila lova intsony rehefa aty an-dafy fa rehefa misy vola sy adidy ny tavela dia ilaina indray ry zareo!! zava-misy anie izany e!

Fisainana raiki-tapisaka @ tany voazanaka rehetra izany fa tsy dago ihany! toy izany koa ny fiheveran'ny immigrants rehetra ny pays de rêve ny (ohatra oe ny mexicains te ho any usa, Ny africains te hankaty europe)

Rehefa tsy mahalala tokoa dia mihevitra fa paradisa ny tany iray, ary tous les immigrants croient qu'ils sont attendus dans les pays ou ils atterissent!!

Ny imaginaire collectif mihitsy no efa voavola arak'izay fisainana izay!

Rehefa gasy manambady vazaha izay dia midika fa hamelona ny havan'ilay gasy rehetra!izay no atao hoe tafita!!tena mampieritreritra ihany a!!!!!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 13 décembre 2016 - 15:36

Hono oa>> tena nahare témoignage tao @ RFI tokoa aho omaly fa tena tsy araky ny heverana azy ny manjo ireo migrants, réfugiés... ireo. Misy milaza hoe tsy sahy milaza @ havana any an-tanindrazana hoe tena sahirana izy (Oh: tsy mampiseho ny sarin' ny tena trano ipetrahany fa trano hafa no asehony!). Rehefa misy manontany dia hoe:"çà va". Kanefa tena sahirana izy!! Fa ny havana no mihevitra azy ho tafita, dia mitsiriritra, DIA MANGATAKA!
Normal tokoa izy raha romotra amin'ireo havana "mitady mana avy any an-dafy"!
Ka tsy haratsin-doha anie izany (na avy @ an-daniny na avy @ an-kilany): fa ny resaka mihitsy no tsy mifankahazo. Sao dia tokony manazava hatramin'ny voalohany ary ny "migrants" fa mbola tsy mitombona mihitsy, mbola eo am-pitadiavana stabilité, dia mety hahazo resaka ny havana! Fa raha vao tonga izy dia mitantara hoe: efa tojo paradisa izahay, fa ianareo tafajanona any adala daholo (miharitra ny fahantrana, ny corruption, ny insécurité), dia ho gaga ve isika raha mitady pitipitik'izany paradisa ny havany?

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Hono oa
Date: 13 décembre 2016 - 15:58

fetsy ve?? << na hanazava lavabe eo aza ianao dia efa raiki-tapisaka foana ny hoe any an-dafy dia midika paradisa!tsy misy hieritreritra izay fiainanao any fa izay ihany!!indrindra hoe manambady vazaha !aoka fotsiny! vao mahita vazaha fotsiny aza moa dia efa miova ny fihetsika!Misolelaka sy manantena vola

Ny gasy aloha mbola tsisy mamono tena ohatran'ireny immigrants africains ireny hoe te hankaty an-dafy sady lavitra loatra!!fa izany akory tsy midika hoe tonga dia tafita be izy vao tonga ka afaka mangataka izay te hangataka!!mangataka fanampiana tsindraindray koa moa manina fa ilay miandry hovelomina mihitsy no tena efa tafahoatra! misy tena tsy mi-rate mihitsy isam-bolana ohatran'ny hoe miandry ny karamany zareo

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: mamarara
Date: 14 décembre 2016 - 05:49

Isika mitsara ireo fianakavian'i Tslaim sy degany ireo, aza mitsara fa mbola tsy ritra akory ny fianakavianareo.

Ny anay ny Ray aman-dreny dia ampanetren-tena no hilazana fa olona mba notsongoin'olom-bolo, niteraka zanaka maro nifankatia. Nisy ny tafita, nisy ny antonony, nisy ny tsy tafita. Ny mampalahelo dia na nitovy aza ny fitaizana, ilay tsy tafita indrindra no nanondrana nisoloky an'ireo tafita mba tsy handova, mba ho very lolva, sns... kanjo hita ny fihetsiny.

Aoka isika tsy hitsara fa raha kristianina isika dia tadidio Kaina sy Abela, inona no antony ?

Misy foana ny mpialona na iza na iza ka amiko rariny izy 2 voalaza ireo raha mimenomenona @ havany fa tsy @ havanareo akory

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Gasyetodago
Date: 14 décembre 2016 - 09:35

Ianareo miteny fa mijaly ve tena mitovy amin'ny fiainan'ny Migrant?
Shhhhh! Miaina tsara ianareo any fa tsy toy eto Dago fotsiny, POINT.
Tsy mahantra izany ianareo!
Ianareo tsy mitady ny ho anina maraina atoandro hariva otran'ny ety.
Ny sakafo mora dia mora.
Fa ianareo kosa mitsitsy dia mitsitsy fa tsy hoe TIA TENA NA KAIDY!Mazava?
A la limite otran'ny maheno Androrosy miresaka hoe : Mijaly aho! Mijaly aho!

Rehefa tsy Paradisa any dia inona no atao any ary???

>> Tslaim
tsy enao no nokianiko fa ny sasany manao commentaire déplacé.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 14 décembre 2016 - 13:29

Hay ve ianareo mitaraina momba ny fianakavianareo manokana ê! Izay ilay tsy azoko!! Raha momba ny havanareo manokana ny resaka dia ekeko: tsy hidirako! Samy mitsara sy manaratsy ny havany eo! Tsy olana!!! Tena manohana tanteraka aho: tsy momba ny tontakely mihitsy aho!!!
Ny antony nidirako dia ilay nahitako hoe :"ny gasy any Dago". Raha tsy nasiana an'io angamba tsy nihitatra ny adi-hevitra!!!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Hono oa
Date: 14 décembre 2016 - 18:28

Gasyerodago<< fa inona no idiranao @ choix ny olona mihaina aty an-dafy?? Tsy azoko mihitsy

tena atao ihany ny tsy ihomehy @ ilay fanontaniana hoe "Rehefa tsy Paradisa any dia inona no atao any ary??? " fa taolana marina ny nify!!sao dia zazakely 14 taona aza ny sasany manao forum eto??

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 14 décembre 2016 - 18:51

Tohin'ilay document tao @ RFI tamin'ity herinandro ity (RFI Afrique 3h45 TU) momba ny migrants: misy izany sans papiers, sahirana mihitsy. Toy izao ny interview, témoignage:
"J'habite chez un copain, mais je ne sais pas s'il va me garder longtemps...Je cherche du travail, mais ce n'est pas comme chez nous où on peut quelquefois trouver un petit boulot. Ici quand j'entre sur un chantier on me regarde de travers!... le matin, je sors avec mon petit sandwich et je vais dans le parc ou dans le centre commercial où j'ai la Wifi gratuite... Ah non, je ne raconte pas à ma famille , c'est pas parce que j'ai honte; mais s'ils savent, ils vont me dire :pourquoi tu ne rentres pas?".

Africain io liteny io. Angamba vitsy ihany ny gasy toy izany, saingy mety misy nandalo t@ izany! Ka izany no mahatonga azy ho sarotiny! Fa ny gasy Mada mety tsy mahafantatra izany mihitsy! Ka eritrereto tsara aloha ny mety ho-situation' ny havanao an-dafy vao mangataka!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: mamarara
Date: 14 décembre 2016 - 19:12

Averiko ihany ny teniko tery ambony. Ianareo miseho ho marina, gasy voataiza @ fomba kristianina, ianareo mitsara olona ivelan'i Dago oreo. Tsy mbola mifarana hatreto ny taranakareo ka aza mandihy rehefa tsy mbola tafavoaka ny ala.

Matoa mitantara ny mpamorona sujet dia izay no niainany. Droit io fandovana io fa tsy faveur ka tsy anjaran'ny mpandova hafa ny mandidy ny tokony hatao @ lovan'ny olona iray. Tsy anjaranareo ny mitsara izay vola miditra any ampaosiny na RMistes izy na directeur na livreur na inona. Choix ny azy ny ho any ivelany, choix koa ny anareo ny @ fiainanareo. Rehefa mihoatra ny 18 taona ny olona iray dia manana ny choix de vie-ny izy fa tsy misy afaka mandrara ny handovany, hafa-tsy ny ray amandreny niteraka ka nanao didim-pananana ka manala ny maha-mpandova azy.

Noho izany na 50000fmg aza ny lova navelan'ny RAD ho an'ny zanany 5 dia manana droit haka ny 10000 fmg izy na any andafy aza. Lalàna io. Ary raha tsy azony io dia azony atao ny mitaky izany @ fomba rehetra

Tsy misy acte de notoriété milaza hoe ny any andafy kely kokoa ny lovany, ny eto dago misy² kokoa fa samy mpandova ireo.

Tsy cas isolé ny an'ny tompon'ny sujet fa maro ny toa azy. Mifalia ianareo raha tsy sendra izany fa izaho dia manana iraitam-po toy izany. Anjarantsika tratrany fotsiny no mi-éviter izay fisolokiana mety ataony. Raha ireo any an-dafy kosa no miala tsy ho mpandova dia zony ary afaka ataony an-tsoratra izany, sinon mitovy zo ny mpandova

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: gasyetodago
Date: 15 décembre 2016 - 12:44

>>> Hono oa

Mba mamaki tsara alohan'ny miteny, fa toa enao ilay 14 ans.
Ho an'ny olona mitaraina mipetraka any no nanoratako azy.

Dia za ry Hono oa, mpivezivezy Mada-France.
Nipetraka France + de 15 ans koa.

Za tsy hanao androrosy hiteny hoe mijaly be, satria eto Madagasikara mijaly lavitra no any France.

Ny mijanona eto Madagasikara, Tsy resaka choix fotsiny no hipetrahana eto, fa tena tsy misy solution (ho an'tsy manan-katao na tsy miketrika io an)!!

Ny hipetrahana any an-dafy indray, dia c'est un CHOIX, satria tsy tanindrazanao io na dia hoe "citoyen français".

Fa enao tsy mi-assume hoe "je vis mieux et bien I ma famille est dans le besoin", angamba tsy tia hanao voamason-jaza ANGAMBA hoa, na koa hoe tsy tinao angataka ny olona.

Parcours-nao io dia choix-nao, ca s'arrete là

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Hono oa
Date: 16 décembre 2016 - 17:24

betsaka forumiste mitantara ao @ sujet iray ao hoe choix zareo mihitsy mipetraka dago a!! choix sady tafita be ry zareo hono

Mahagaga ny fisainanao raha olona nipetraka taty ivelany foana no miteny hoe Rehefa tsy Paradisa any dia inona no atao any ary??? typique fisainana olona mbola tsy nivoaka gdago mihitsy mpiteny an'izany!Tsy tena mahay ny réalité

Rehefa tsy mijaly ohatran'ireo immigrants hono dia miadana be ka akombony ny vava!hafa indray izany a!

resaka lova nangalarina no resaka eto ka ny mpangalatra indray ve izany tokony ho avo vava??

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 16 décembre 2016 - 19:32

Tena tsy iadin-kevitra mihitsy fa misy ny mpisoloky, ny tontakely mihitsy! Marina fa betsaka ny resaka adi-lova ao @ tribunal, fa tsy mikasika ny any an-dafy fotsiny !
Misy kosa anefa ny fianakaviana tsy manana olana mihitsy. Tsy voatery manao androrosy ny gasy Mada ka hametsifetsy ny havany an-dafy daholo!

Samy manan-jo @ anjara lovany daholo, ary tsy momba ireo misoloky ny anjaran'ny hafa aho: mangalatra izany !!
Kanefa mety nanararaotra ny tsy maha eo ny mpirai-lova aminy izy. Mipetrapetraka eo ary ny taninao, dia tonga ny squatteurs ; koa mainka fa misy manana zo amin'ny ampahany!!
Tsy misy toro-hevitra hafa tsy hoe: tongava eto an-toerana, ataovy ny fizarana, soraty @ anaranao izay tokony anjaranao. Raha tsy afaka ianao, tokony hisy mandataire (dia tsy mba misy olona atokisanao kosa ve eto an-toerana?), na apetrao @ notaire.
Tsy misy afa-tsy ny fikarakaranao ny fanananao no vaha-olana. Aza manome fakam-panahy ny hafa re!!!

Raha toa kosa efa voa ianao, hitory ny mpirai-lova aminao ve ianao? Miankina aminao. Fa dia mitovy ihany ny teniko: tokony misahirana tonga eto an-toerana ianao mikarakara!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: 67haa
Date: 20 décembre 2016 - 08:47

za rangaha tena leo a ,aleoko le namako niara nisa tamiko no atokisako resaka vidy tany any dago na trano ohatra fa fianakaviana manararaotra e

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 20 décembre 2016 - 09:16

67haa<<< tena izay mihitsy : rehefa tsy misy atokisanao ny havanao, rehefa heverinao ho mpanararaotra sy mpisoloky daholo, dia aza omena fakam-panahy! Apetrao @ olon-kafa ny fandaminana ny fanananao, fa alamino!! Dia tsy misy olana intsony!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: gasyetodago
Date: 20 décembre 2016 - 09:42

Miarahaba indray

>>> Hono oa

Hoy aho hoe "milaza mijaly" kanefa mijanona ao ihany.DIa inona no Antony hitarainana??
Kozy normal be mihintsiny izany amiko.

Hoo an'ny resaka mangalatra indray mampalahelo hoe samy mpihavana mifangalatra.
Ary io tsy voatery koa hoe andafy sy dago, fa na samy any dago na samy an-dafy.

Fa ny imagenareo amin'ny famille mihintsy no lasa mampahonena.
Famille = mangalatra = manararaotra.

Ny mety, dia mila milatsaka eto dago.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Hono oa
Date: 20 décembre 2016 - 11:20

Ny resaka halatra sy fanararaotana ny havan'ny namorona sujet any dago no mampitaraina eto fa tsy ny fiainana atty an-dafy mihitsy! fiainana normale miasa fa tsy anaty paradisa akory

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 20 décembre 2016 - 15:38

misy fianakaviana tena magamenatra tokoa aloha fa miady an-trano, mifanambaka, mifanenjika!! Fa io tsy hoe" à Mada Vs any ivelany " fotsiny, fa na ny samy Mada na ny samy any ivelany. Tena misy tokoa izany!
Samy misy karazany ny fianakaviana!

gasyetodago<<< Marina mihitsy hoe dia lasa ratsy mihitsy ny image famille! Soa ihany fa mbola misy ihany ny mpirai-tampo mifampitsinjo, sy mifampahatoky!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: wish
Date: 20 décembre 2016 - 15:44

Zà koa mitovy hevitra amle tetsy ambony hoe: ohatry ny hoe gasy eto Madagasikara rehetra no miaraka soketaina hoe mpangalatra lova, mpanao Androrosy.
Samy manana ny origine any io fa aza ampitoviana am fianakavianareo ny anay a

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: analyste
Date: 21 décembre 2016 - 11:48

Aza dia mahatokitoky olona foana, eny na dia havana akaiky aza.@ izaofotoana izao

betsaka ny tia kely,miala tsiny raha mahery fiteny toy izao satria na resaka entana alefa poste aza atahorana tsy ho tonga mihitsy any.

Eviter-o au maximum ny mi-confier affaire aman'olona any dago raha azo atao; rare be misy olona mahatoky any, fa ny fiainana survie sisa no any

tsy anjarantsika aty an-dafy kosa angamba ny mamelona sy mamaha ny olana rehetra any fa an'ny mpitondra

fa raha hoe hanantena handefa vola any hanangana trano na zavatra hafa dia afoizo fa tsisy mandeha @ izay laoniny!!efa betsaka ny voa mafy

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 21 décembre 2016 - 13:11

Marina mihitsy: aza matokitoky na iza na iza : misy olona fantatro izay (havankavana), mipetraka any ivelany. Tonga aty Mada izy, mitady hisambo-bola (dia ho averiny euros any @ anadahiko any ivelany hono); any @ anadahiko indray izy tady hisambotra (dia averiny ariary aty amiko hono)! Soa ihany fa efa mailo izahay, ka izany gasy an-dafy izany...eh! eh! eh!! Samy manana ny fahasahiranany sy ny hafetseny na any na aty!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Doda,
Date: 21 décembre 2016 - 14:22

Dia miala tsiny ry zareo fa raha ny anay indray vola izany tsy ho hataonay ambonin'ny havana mihitsy ah !

Ny olana ve no tsy misy na tsy hisy !

Iza aminareo ireo no tsy efa voafitak'izay miara-miasa aminareo, amin'ny endriny maro samihafa ?.

Olona "associés" mamorona asa mitambatra satria mpinamana aza lasa sakay sy maso aty aoriana !


Mila maka bahana amin'ny fijery !!!

D'inona anefa ny olana raha voafitaky ny reniko na ny raiko na ny anabavy/rahalahiko izaho eh ...azy sy an'ny sainy izay !

Options: Répondre
Aller à la page: 12Suivante
Page: 1 sur 2


Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Can't connect to server...

Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg