Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Tsy rariny kosa e!
Aller à la page: Précédent123Suivante
Page: 2 sur 3
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: analyste
Date: 21 décembre 2016 - 16:27

Doda< aza avadika ho resaka vola ambonin'ny havana izany ny resaka fa tsy izany mihitsy ny resaka eto!

mampitandrina ny sasany mba tsy ho voa ny tanjona, @ izay voatandro ny fihavanana!!tsy mazava ve izany???

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Doda,
Date: 21 décembre 2016 - 19:22

Analyste,

Sao dia mba ilay analizinareo kosa no mitsikafona ?

Vakio hatrany amboalohany ny resaka rehetra dia ho hitanao mazava fa :

Malagasy mipetraka Madagasikara andaniny, Malagasy mipetraka ivelan'i Madagasikara ankilany , dia ny rohy mampiray na mampiadyazy ireo :resa-bola foana !

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: analyste
Date: 22 décembre 2016 - 00:30

Doda<<dia iza izany no tena manao vola ambonin'ny fihavanana monsieur l'expert raha ny zavatra tantarain'ilay nanokatra sujet???

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: gassi tiaraha
Date: 23 décembre 2016 - 10:14

tsy manana koa angamba izany gasin'andafy miady lova izany na resaka principe aza ilay izy, ekena fa tsy tokony hisy fanavahany na andafy na madagasikara resaka lova, fa kosa tokony mba jerena ny situation rehetra mikasika an'izany ady lova izany

Mety tsy manampy ny havany koa angamba ilay tompona sujet dia izay no nahatonga ny havany tsy nanome lova azy koa, na mety miady amin'ny havanay izy dia haratsiana ny havana tsy manana, inona no tena mampalahelo na tsy mahazo anjara lova aza izy?

za mipetraka andafy, manana trano RAD-nay, zokiko sy zandriko no mipetraka amin'ilay trano, za tsy nahazo anjara fa rehefa manao vacances dia omena coin kely hatoriana fotsiny,izay no nifanarahanay dia tsy misy ady fa milamina tsara, za tsy manampy arabola izany raha tsy hoe zavadehibe, izay ny antony tsy niadiavako lova satria zareo tsy nahavita trano, samy miasa fa fantantsika ihany ny karama gasy tsy mitovy aty andafy akory,ry zareo angamba tsy mifankahazo matoa misy ady ao

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: pfffffff
Date: 23 décembre 2016 - 11:33

gassi tiaraha << nareo koa tsy mamaky tsara akory fa tonga dia te hiteny fotsiny hoe tsy manana sy tsy tsy manampy ny havany ilay nanokatra adihevitra!!

vakio tsara ilay sujet aloha hoe :Manambady aho ary mipetraka an-dafy ary toa izany koa ny RAR-ko sy ny raafozako.
Fa dia tena mahagaga fa manana olana @ ity resaka lova ity daholo ny RAR-ko sy ny rafozako.
Ny iray tampo @ izy 4 ireo dia mahita tantara foronina avokoa mba tsy hazahon'ny RAR ny lovany.
Ny an'ny iray tampon'ny rafozako izany moa dia hoe "efa nahazo trano any dafy ianareo ka tsy misy anjaranareo intsony aty!

ilay toe-tsaina tia kely mihitsy no tsy rariny sy mampalahelo ary fitaratry ny zava-misy any dago

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 23 décembre 2016 - 12:11

Tia kely? tsy eto Mada irery, tsy any ivelany irery! Samy misy daholo!!

Efa betsaka eto ny témoignage hoe: aty@ fianakavianay tsy misy olana mihitsy! Ka arakaraky ny fianakavianao io! Rehefa mitaraina dia lazao hoe :"ny havaKO nijanona any Mada tia kely sy mpisoloky daholo!!!", dia vita ny resaka fa aza hitarina @ gasy rehetra!!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 23 décembre 2016 - 12:12

no

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: LOVAGas
Date: 23 décembre 2016 - 12:17

Ianareo mipetraka any andafy ve mbola hiady ny anjaran'ny aty Dago, ny zavatra tsikarotro koa, dia tia tena ny olona avy andafy, tiany alaina daholy izay fananana kely mba tokony zaraina, satry matoky hoe nipetraka andafy de mahay taratasy anao kolikoly hamitaka ny mpiray tampo @ny. Ianareo no tokony hanampy indray no hiady, izay kely aty. Ny zavatra remarqué-ko dia ny olona rehefa manambola de mivadika ratsy loha, otran izany koa ny toe-tsainany vazaha, izay tiany afindra aty.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: pfffffff
Date: 23 décembre 2016 - 15:33

Lovagas<< ka tsy anajaran'ny aty dago ilay nalainy e!!!sarotra be ve manakatra an'izany

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: lebota
Date: 23 décembre 2016 - 15:36

gassi tiaraha >>
LOVAGas >>

Ilay izy izany resaka principe fiainana e.
Tokony hifanarahana fotsiny hoe aleo ho anay ny anjaranareo any andafy fa mahantra na mafy ady izahay dia mba tsy tokony ho sarotiny ilay any andafy raha izay tokoa ny zava misy.

Fa tsy mety ny hoe tsy misy fifanarahana tsy misy fifampiresahana , tsy misy na inona na inona dia avy hatrany dia amidy ohatra izay tokony anjaran'ilay any andafy, na avy hatrany manamboatra trano eo amin'ny antoerana tsy azy ny sasany.

Tsy misy tsy vitan'ny fifanarahana io rehefa samy madio ny eritreritry ny rehetra.
Indrindra tsy mety raha milaza ilay aty an-toerana hoe efa mikarakara taratasy nefa hay tena karakarainy ho azy ilay izy dia rehefa tonga ny avy any andafy vao gaga eo.
Rehefa mikarakara dia tokony koa lazaina daholo ny vola lany na ny mety ho lany, izay ilay hoe mifanaraka tsara foana na mifampiresaka e!

Ny ohatra hitan'tsika manko sy matetika mitranga dia hoe mafy ady ny aty Dago.
Fa raha izao no mitranga , raha mahatratra milliard ny lova dia tokony hangina ve izany ireo any andafy. Ka io izany dia mitovy foana na be io na kely io dia mifampiresaha.

Isika malagasy manko manana izay toe-tsaina hoe mandeha ho azy io hoy ny eritreritr'isika. Hoe raha mafy ady ny aty dia tokony automatika mandefitra izany ny any andafy ka ndeha ataoko amin'izay hanaovana azy ny lova , tsy miteny tsy miresaka.

Tahaka ilay hoe mindrana fiara ohatra ilay tsy manana , any amin'ilay manana fiara efatra izy no mindrana, dia avy hatrany dia amidin'ilay nindrana ny fiara fa tsy miteny izy na tsy averiny intsony ilay fiara nindraminy fa izy aza manana fiara efatra hoy izy ka ho sarotiny ve.
DIa tahak'izay io.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: pfffffff
Date: 24 décembre 2016 - 02:44

Lebota<<<<enfin un qui a tout compris FA MISAOTRA ANAO!!!!MISY MORA MANANA loatra tokoa dia na misoloky mangala-tsonia sns miharihary izao aza izy dia heveriny ho droit-ny izany zavatra ataony izany

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: matérialiste
Date: 28 décembre 2016 - 01:05

Zahay aloa dia anisan'ny victime amin'ity resaka ity e! fa ny toetsaintsika gasy sasany dia tena olona tsy vanona ary tsy mieritreritra ny ho avy fa tia kely ;ary io resaka lova io dia tsy misy izany hoe rehefa aty andafy dia tafita ka tsy mila ny any dago ;ary teren'ny fitadiavana matoa tafapetraka eto fa mba nijaly koa anie ny tena aty vao tafita e!fa ny olona sasany any dago dia misy te hanan-karena tampoka tsy te-hisasatra fa miandry izay apetraky ny rad eo.Ary matoa ny rad tany aloha nanangona , niezaka mba hanana dia mba ho an'ny taranaka aty aoriana ary rehefa maty izy ireo dia mba ny zanaka no mandimby azy;ary napetrany ho an-janany mba ho fahatsiarovana azy ireo rehefa tsy eo intsony izy ireo.NY anay ndray tsy misy afa tsy roa ny mpiray tampo zahay aty ary ny iray any dago (samy efa manambady)toy izao ny zava-niseho: narary foana ny rad nanapy foana izahay niezaka nitsabo nandefa vola nanao izay azo hatao ary nihafy dia ilay iray tampo any no mikarakara ny @ tokony hatao nomena azy zay tadiaviny satria hoe niala t@ asany fa hikarakara ny rad satria tsy salama ireo rad dia nanokafana tsena ;nomena fiara mba hivezivezena @ fitsaboana......Ary nisy fotoana ary zahay tena tsy ampy vola satria mba nanana olana dia nilaza t@ilay ray tampo @ tena hoe tsy afaka mandefa vola zahay aloha fa tsy manana dia hoy izy raha izany aleo hamidy izay tany any ambanivohitra fa tsy ho arako ny hanaramaso izay lova avy @ dada dia nifanaiky fa hamidy ary ny vola azo hanampiana ny @ fitsaboana;kanefa na dia izany aza rehefa misy vola zahay dia nandefa foana ho andry zareo tany....taty aoriana ny aina tsy mifametra ka lasa ireo rad.Voalevina ny rad dia zao ny zava-nisy handefaso procuration hikarakarana ny lova sisa tavela (resaka tany fotsiny aloha no nandefasana io ttsy io ) nandeha ny volana vitsy taty aoriana namidiny antsokosoko ny trano ary tsy nisy fifampiherana fa ny ttsy izay avy aty amiko no natao hosoka dia namidiny ilay trano napetraky ny rad nefa ny hafatry ny rad fony fahavelony dia ny hoe tsy amidy ny trano.Amiko tsy ilay vola no problème fa ilay fisainana tsy ao amin'ny gasy intsony izany hoe FIHAVANANA fa aleony amidy vola ny FIHAVANANA .NY FIFANKATIAVANA eo @ maha mpiray tampo ary ny tena loza dia ilay vadin'ilay mpiray tampo @ tena(zaobavy)mba hanoro indray no tena mpamosavy satria dia nampidiriny tao daholo ny havana ;tsy vitan'izany fa ry zareo any zay manao hosoka sy mangalatra ary madainga indray no avo vava sy miantso an'Andriamanitra .Natao indray ary ny fandaminana mba tsy handrava ny fihavanana mba tsy hampigadra azy any am-ponja satria ny tena manan-janaka ry zareo koa manan-janaka dia nampandefa huissier tany aminy fa hoe hanome izay ho anjaranay izy inona ny zava-nisy tao ny avocat ;ny pasteur ary ny mampihomehy dia ny hoe fa maninona no misy pasteur dia hoe izao no principe anay aty dia gaga ny tena sady nanome hafatra an'i dadapasy ihany hoe fa pasteur zany miaro ny mpangalatra no manao vavolombelona eo .NY tiako lazaina dia ny any dago efa tena loha morina ny fisainana tsy mahalala ny mety hiseho sy ho vokatry ny natao ary tsy mahalala afa-tsy ny tenany tsy mahalala afa-tsy VOLA .tsy mijery ny ho avy fa tia kely daholo na hatrany amin'ny mpitsara aza fantany fa tsy mety ny nataon'ny client any dia mbola hita hoe zao ny principe nay marina fa mpisolovava ny asany dia efa hitany zao fa tsy rariny ny hataony dia hekena foana fa voavidim-bola tsy hay hoe ohatrinona ;ny pasteur moa dia manaiky izay lazain'ny iray tampo @ tena satria tampenam-bola koa ngambany fa rehefa nomena ny hafatra dia nitsaoka matanjaka ny farany satria menatra.FA zao misy ny olona ao dago dia TE HO MPANAN-KARENA TAMPOKA SADY TSY HISASATRAFA MIANDRY FOTSINY IZAY LOVA APETRAKY NY RAD NO MANAO SAKA BE ISAN'ANDRO; fa tsy haiko misy mihevitra ngamba fa aty andafy ny vola dia tangosana fotsiny satria maniry ohatran'ny anana eny an-tsaha.FA na dia hoe mipetraka aty aza izahay mbola hanapa-niriana ny hiverina any satria any tany nihaviana fa raha zao fotom-pisainana izao aloha tena mankaleo be satria tena voafitaka tanteraka izahay e!satria mpiray tampo @ tena ve no mahavita toy izao???????

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 28 décembre 2016 - 17:18

Tena mampalahelo mihitsy ny manjo anao , indrindra ny hoe :2 fotsiny ianareo no mpirai-tampo! Marina mihitsy fa tsy voatery ho mpanan-karena akory ny havana any an-dafy, ary samy manana ny fasahiranany.

Saingy ny zava-misy dia raha vao tsy eo ny tompony dia tantely afa-drakotra ny fananana. Tsy mandatsa aho akory, satria azoko tsara ny alahelonao (sy atezeranao!), fa raha vao fananana no tsy jerijerena, tena manome vahana ny sasany! Hitany ianao fa tena natoky dia.... Fa dia tsy nandalo mihitsy taty Mada izany ianao? Izay no nanararaotany!
Mahafantatra olona aho izao, mahare tantara toa ny anao, dia mametraka ny resaka fizarana sy famarotana @ notaire (miresaka @ agence immobilière mahatoky)
Ny momba ny avocat aloha tsy mahagaga: miaro ny client-ny no asany! (normal!)
Fa ny pasteur indray no mahavariana ahy! Misy manaiky manarotsarona ny ratsy Ve?

Raha izaho, dia tsy avelako amin'izao; raha mbola misy fitakiana mbola afaka atao, dia aza misalasala!

Farany, ny tranga toy izao no "manamaimbo" anay Gasy Mada! Aza atao safo be mantsina rê! Mbola misy ihany ny mikarakara sy mikolokolo ny fananan'ny havany eto Mada.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: matérialiste
Date: 28 décembre 2016 - 23:30

Nentin'ny fahatsoram-po sy fahatokisana ary fitiavana izahay satria mbola teo ny rad dia nety ny fifandraisana ,fa nony lasa izy ireo dia nivadika biby .Zahay aloa dia tena tsy afaka ny mandeha mankany satria efa lany t@ nikarakarana ireo rad sy ny nandevenana azy ireo ny tahiry kely (frais nankany) ary na ny ho any aza izao dia tena mahakivy sady mankarary saina sy fo .

NAtao daholo izao fifanarahana sy fifandaminana fa izy ndray zao no tsy hita hoe AIZA ??????? ny anjaran'ny tena nafitsony any


TSy hataoko olana ilay izy satria any indray andro ny hatao ihany no miverina ;azy sy ny conscience any zay ;efa niezaka nanavotra sy nifandamina taminy fa dia zao no fantany fa mety ;NY fahendrena dia mangina sy ny miezaka ary mibanjina ny ho avy dia ny zanaky ny tena Ary ny farany dia nampandre ny havana hiaro izay sisa tavela sy nampafantatra ny zava-nisy satria ny tena indray no voahosim-potaka nanao ratsy niaraka aminy ...


dia ny manahirana ny any koa tsy azoko mihintsy ny hoe inona no hilavana pasteur @ zany fa ny tena aza gaga....Ny mahasosotra dia ny fivavahana no hanakonana ny ratsy hatao ;Andriamanitra no antsoina sy dradradraina nefa ny atao tsy mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra ....


Izao tsy manao safo be mantsina ny gasy rehetra fa ny gasy sasany no nolazaiko :tsy miteny raha tsy VOLA ;TIA KELY ......

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: rivoozoona
Date: 30 décembre 2016 - 14:58

Nareo milaza izany fa ny fianakaviana ihany no tena mamorika. Aleo mihavana amin'ny namana. Manana havana izahay mipetraka any andafy any fa izy no fototry ny tsy havitan'ny fizarana. Nareo gasy any andafy any aza dia mieritreritra anareo hoe tena tafita raha lasa any ka mahay mieboebo symizahozaho ery any antanan'olona any, ka manao tsinotsinona sy mahay vava ery amin'ny havana aty dago aty. Izay gasy avy any mantsy dia tena hita mihintsy fa tena miseho ho anjely latsaka avy tany andanitra ka tena mirehareha fatratra. Tsy hoe mialona akory sanatria fa tena toetra hita aminareo izany ary asa ra afaka misy afaka manamarina ny teniko amintsika ireto. Raha misy lova hozaraina dia zarao ampirahalahiana raha tena mpihavana marina fa tsy any andafy any dia manepoka sy tsy miraharaha ny hafa eto antanindrazana. Tsy vitan'izany fa lazaina fa azy ny tanana rehefa avy eo. Tena misy zany an!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: diniho
Date: 04 janvier 2017 - 11:38

Zvtr 2 alo no tiko trindrina kely eto:
1-Ny mahavoa ny Gasy SASANY eto dago dia mieritreritra fa oe tafita b ny olona any andafy ka tokony hanampy fôna. Mitovy @tsika eto iany ry zareo reny, ndray2 mety ny atao, ndray2 ts mety d mandalo fahasairanana ko zareo ka ts tokony iandry b fahatany ze aviany zany zay tavela eto dagoe, indrindra mo ka oe manana vady amanjanaka izy any. Fa hafa ndray kosa alo ra oatra ka oe nanao sacrifice mits ny fianakaviana mba andefasana anao any andafy mba hahatafita anao any ka dia rariny sy hitsiny b enao ra hanampy zay tavela aty dago.
2-Ny gasy SASANY izay any andafy ndray ko anie dia miseo milay s miseo manambola b, oe ts mandalo fahasairanana izany tsonye. Izy ireo dia mampiseho @ fianakaviany aty dago fa oe manakarena s lasa vazaha ka zay no mahatonga l fianakams tavela mangataka fanampiana lavaee.
Dia ny gasy SASANY izay any andafy reefa mba maita tsmety kely ataon'ny gasy 1 eto dago dia tonga dia mitsara be fahatany fotsny oe NAREO GASY ANY DAGO ANY. Tadidio fa nareo ireo ko anie ka gasyee, na aiza tany misy anareo na aiza tany misy anareo na de tsmahay miteny gasy tsony aza nareo.

NY FISAINAN-TSIKA OLOMBELONA MITS NO EFA SIMBA.
Rehefa resaka lova zany alo dia tena sarotra be na aiza na aiza tany misy anao, na inona na inona fihavianao, na gasy ianao na vazaha na inona.Misy mihits aza mifamono @io resaka io.
Ra vô raikitra ny fizarana lova alo dia tokony hahazo anjara avokoa ny mpandova rehetra fa tsy oe zay manam-bola sy manan-karena dia ts mandova itsony.
Hafatra kely ho anareo any andafy any, io zany vô miahaka enao dia vitan'zareo ratsy saina ny afera na any andafy enao, na eto antoerana iany.
Tsy ny Gasy rehetra anefa no manao an'zany, ary ts etoo dago iany ko no aitana an'zany.
Io zany zay vo iany no mitarainae, zay ts voa mo inona no itarainany? fa saingy oe nareo no sendran'ny FIANAKAVIANA ratsy saina sy ti kely.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: matérialiste
Date: 04 janvier 2017 - 19:32

rivoozona>>>> tsy ny gasy rehetra aty an-dafy rehetra kosa e!marina fa misy olona aty tena manana ireo toetra ireo ;ireny ngamba lay antsoina hoe tafa tampoka dia manao tsinontsinona ny hafa na koa efa nanana h@ zay koa ka tsy mahafantatra afa-tsy ny tenany ihany ka tonga @ ilay fomba fiteny hoe " ny omby mahia tsy lelafin'ny namany " .Za aloa dia mahita ireny olona ireny aty satria milaza azy ho zavatra mieboebo ;mizahozaho nefa niala tany dago na fiara ray aza tsy ananany tany.... ;mitady voninahitra eny anivon'ny fiangonana sy karazana association na aty na any ......Fa isika gasy mihintsy no mila manova fisainana .Fa raha izaho no amin'ny toeranao dia karakaraiko tsara izay lova asiako preuve sy facture raha nisy vola aloa dia raha tonga avy eo lay olona aty andafy miseho mitaky dia iny dia homeko ny hafatra hoe hainareo no mitaky dia asaina mandoa ny anjarany na avela eo ny anjarany tsy karakaraina .Fa ny fijeriko ny havanao dia manao azy ho zavatra ary mampisaraka ny firaisan-kinanareo any . diniho>>> samy manana olana daholo tsika na dago na andafy fa lay fisainana mihintsy no tokony hovaina marina ny teninao .Fa za ndray tsy manaiky lay hoe nanao sacrifice ny fianakaviana nandefa taty andafy dia avy eo izy andafy ndray no manampy ny tavela any dago TSIA ohatra zao teo foana dada sy mama manampy foana satria adidin'ny zanaka izany dia maty ry zareo dia mbola hampiana foana ve zany ry zareo any dago nefa lay andafy koa mba manana ny tokantranony ????moa ve mety sy rariny izany ? ianao no hanampy azy @ ny fiainany dia avy eo izy tsy hivoatra fa hiandry manao patron be sy tsy hisasatra .Raha hoe marary mila fanampiana tsy maninona ny mananmpy fa raha resaka hafa kosa dia tsy mety .Fa ny manahirana @ tsika gasy dia ny lova sy ny vola ary ireo dia tsy mampihavana mihintsy ;raha tsy vola tsy miteny ;marina fa hozatry ny fiainana ny vola ary raha tsy misy azy tsy afaka manao ininona fa isika gasy dia tena efa jambenan'ny VOLA hany ka manaonao foana indraindray ; dia io koa tsy misy izany hoe rehefa ny lova no tsy jerena sy avela dia hataon'ny ratsy saina afera aty izay manao izany iny dia migadra mandra-pahafaty fa dago moa tany tsy misy lalàna manao afera2 n'aiza aleha na aiza aleha ;mila tolorana kely vao manao zavatra .....MAMPALAHELO NY any teniko ho anareo dia raha misy lova napetraka kajio fa raha iny no hanaovana afera dia tsarovy fa misy ny tsinin-drazana sy ny alahelon'ny velona ary mety tsy zaka any aoriana any ;ary izany ve no handravana ny FIHAVANANA????. Ary ilay fisainana tokony hovaina fa tsy hiankina @ lova na fanampiana avy @ havana andafy zany .Zahay aloa victime zao e! raha mahasoa azy sy mahatafita azy moa haninona fa raha hianjeran'ny tsiny sy hataon'ny olona tondro molotra sy mahazo ny vavan'olona sy ny loza mety hiseho no mampalahelo.....

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: diniho
Date: 05 janvier 2017 - 08:48

matérialiste>>>>>>>>>> Marina b mits ny teninao fa ny olona reefa zatra tolorana dia miandry fotsny, ts mba miezaka ny ivôtra sy itady zany mitsy fa miandry tolorana fôna.
Fa za zao maita cas 1: tena misacre b mits ny RADn'ny bandy mampianatra azy any andafy, d ny principe an'zareo d oe reefa tafa l bandy andafy io d manavotra ireo zandriny tavela. Izay tena itako oe ts mety l izy satri araka ny teninao mbl hanana tokatrano izy any aorina any ka ibanjina ny tokatranony @zay. Dia manomboka eo @zay no oraikitra ny ady satri l andafy ts afaka anampy tsony, l taraiky ko ts t ahalala.

Fa ts eto Dago iany anefa no aitana io ady lova s vola io fa na aiza na aiza eto antany. Fa io ko reefa oe ratsy zay ny fianakavianao na mikarakara sy mba mijery2 ireo lova ary enao, reefa fitahin'zareo maro an'isa s fetsy2 de ts mandova enaoeee!
Zay zao eto dago daolo, sendran'ny fianakams ratsy lo s tia kely d vô maty ireo RADnay t@ zay mbl kely d noroasin'zareo tao antanàna ary notenen'zareo fa ts mba ahazo lova zany na kely aza.De taty aorina nikasa ny hizara lova izy mianakavy dia ts nampiditra anay tao anaty fizarana. Nande nikarakara antsokosoko y taratasy rehetra tany d ts nety mits l dossier satria ts ampy ny anay. Tampidalan-kaleha zareo vô tonga nandondona tao antrano tao fa d nomeko ny pake avetrany. Miantona ao zao l lova, za mbl kamo b ikarakara ny dossier anay, sad mbl ampifilafilaiko kely alo, za no tompon'ny laklé. De miandry ny sitrapoko eo alo zareo.

Options: Répondre
Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Isa M
Date: 13 février 2017 - 14:28

Manahona topoko! vao avy namaky ny sujet nao io ro zaha dia tena tsy misy mifanalavitra tamin'izay nanaovan'ireo havako milaza fa mpivavaka daholo agny Dago ny fomba nandafosanjareo antsokosoko ny tany lovan'i Ray Amandreninay efetra mianadahy tany eh ary azo ho marihina fa samby efa tokony ho ampy ho zaraina tsirairay avy izany tany efatra lohany aby ireo izany ka amin'izao dia mbola sisa tavela tsy lafonjareo ny fahaefatra ka sendra mba nandalo tagny igny zaha ny taona 2014 dia nivoraka tamiko daholo ny resaka lafo tany telo ireo ka dia rafitra amin'izao ny ady hanoherako ny tsy mba andafosananjareo ilay fahaefatra,,,,Tena tsy ho hay mihitsy ny hiafarampiavananay amin'izao na dia mba efa nandefa volahafa matetika ho atao hoe fanampiana anjareo aza izaho tsy nisy hitanjareo izany ,,,,

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Mpiseranaa
Date: 28 avril 2017 - 02:39

Salama daholo.

Betsaka ny lesona azo tsoahina fa dia misaotra anareo nizara ny tantaranareo mikasika ny toetran'ny olona. Mbola tsy misy resaka ady lova raha mikasika ahy, fa mitandrina izany no azo atao satria ny ray amandreniko mbola velona. Ny zavatra tsapako fotsiny dia misy ny fialonana na eo @ samy mpiray tampo aza. Tena hafa mihitsy le toetsaina fa dia hiainana le izy.
Ianao manampy ny Rad sy ny ny ao antokantrano indray no lazaina fa miseho milay.Ary na zareo mpiray tapo aza dia ampiana fa tena tsy azo atokisana. Izay vola lasa any dia tsy hita ny alehany sayd tsy fantatra. Mba marary ihany ny tena @ ny vola miala aminao t@ tena mbola tany dago fa izay le hoe ny tsara vita tsy anenenana.
Ny tena marina dia mba tsy hisian'ny fandisoampanantenana dia aleo tonga dia manana ny an'ny tena.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Solution tokony ampiarina
Date: 28 avril 2017 - 08:56

Izaho aty an-dafy, marinana daholo ny fahitako ny resaka eto naha ny gasy any dago naha ny aty an-dafy isika moa marina fa tsara ny mi-évoqué ireo blem entre famille fa mila jerena koa oe inona no mety azo atao solution , ka izao indray no mba soso-kevitra atolotro eto , ny RAD-ko moa efa tena lahona aminy io resaka lova io vis-à-vis ireo havana ka tsy hiditra détail izany aho fa ny solution raisiny izy ireo par rapport izay zanaka dia izao , 5 mianadahy izahay ary izaho irery no aty an-dafy fa alohany andehanako aty dia nivory izahay mahanakavy (mbola velona daholo ireo RAD) fa dia ny solution ry zareo dia mbola fahavelony izy ireo dia tonga de zaraina ny lova ary efa misoratra any aminy Notaire ary izay tsy d'accord tonga de miteny eo no eo fa tsy misy recours intsony any aoriana raha tsy eo intsony ireo RAD , ka izay miniha mitory naha mahatsiaro voafitaka dia efa mitsangana ho vavolombelona daholo ireo ambony fa tsy mahazo rarina izany manao izany recours izany. dia tsy aiko fa de mandaitra ilay izy tsy blem mihitsiny ny partage ny lova. mifanaja tsara.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: jessy67
Date: 28 avril 2017 - 09:51

Mbola velona ny ray amandreninao no mahatonga nao miteny izany !tena mino ve ianao fa hilamina ao aoriana rehefa tsy eo intsony izy ireo ?? Nanao toa an'io ny ray amandreninay fa gidraka iany taty aoriana; azavaiko:efatra mianadahy izahay ary tlo aty ivelany, ny ray amandreninay koa taty ivelany ,maty taty daholo moa izy ireo dimy taoan lasa izay snif...zandrinay faralahy no nipetaka tamin'ny trano tany Tana ary misy roa hafa nihofa ,nisy tany ngezabe roa tsy lavitra tao koa, nanaiky izahay fa ilay trano lehibe misy rihana ho azy, izy moa efa tao ,nisy mpanofa telo , navelanay ho azy ny hofantrano fa hoe indraindray mila fanamboarana ny trano ... nivory tany nony maty ireo ry amandreny fa nitsivalana izy ,mbola azy hono ny ampahan'ny tany, amaphan'ny hofantrano amin'ny trano iray hafa ... iaho manokana tsy mivaky loha amin'ny lova any, manana ny ampy aho aty,tsy miebo fa ilay toetsaiana no mandreraka ahy;ny iray tampo amiko roa aty ivelany tena miady amin'ilay iray tavela any, ary eo am-pikarakarana ny fivarotana ny lova any ! henoko hoe ianareo any andafy,ataonareo inona izay harena kely aty ???sosotra ho naheno fa izaho kamo hifamaly ,ny zokiko iray saika nifampidaroka tamin'ilay any Dago.mampalahelo fa tsy hitako izay atao!amin'ny lafiny iray momba ireo aty iveany aho satria anjarany ilay izy, raha tian omena dia omey fa tsy hoe ianareo manana any ivelany ;tsy voatery manana daholo aty!!!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: gasyy
Date: 01 mai 2017 - 07:02

izay rehetra mampiasa ilay fiteny hoe gasy andafy sy gasy eto dago dia mampifangaro fahatany ny ratsy ataon ny havany na ny namany amin izay atao ny olona rehetra, misy ratsy sy tsara daholo fa tsy ampy solaitra no betsaka dia manao raccourci stupide, za zao aty andafy, leo ny fiarahamonina niainako tao dago no nandehanako, fialonana sns, fa za tsy miteny hoe mpialona daholo ny gasy ao dago, ny nianako no fantatro, fa za tsy namaly faty , rehefa tonga aho mba mahazo voandalana daholo, ary misy ny mahazo fanampiana sy fitsaboana, fa ny hanambaka ahy @ lovako kosa aloha dia aoka itsy, ataoko mitsako mofo gasy misy fasika

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Solombavambahoaka
Date: 01 mai 2017 - 07:22

gasyy> ngah misy mofo gasy any andafy? hihihi

Amboary ihany ny saina ho anareo lasa niondrana fa efa naman'ny namoy ny teto matoa nanao sesin-tany ny tenanareo any. fa maninona raha avela ho an'ny aty ny fananana aty? tsy maika maty antoka @ fivezivezena makaty ve ny valeur-n'ny fananana raha hamidy. de raha tsy hamidy de hatao inona eo? nefa aza ny zanakareo efa tsy miteny gasy, zay tonga aty mivoady fa tsy hiverina fa ratsy be aty, koa mbola atao inona lova? sa mba hi emmerder-na ireo havana tavela sy hametrahana aminy oe nareo no tena henjana ka tsy azo kitihina ny fananana? tssss... tsy aleo ve avela ho an'ny mahantra aty e, nareo efa tafa sady efa tsy misy dikany aminareo ny kolotsaina aty.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Eeedrey
Date: 01 mai 2017 - 07:43

Solombavambahoka>mampalahelo be ny fisainanao!! Mora manana be!tonga dia maka lovan'olona izany vao tsy eo ny tompony!!!mpangalatra ny anaran'izany

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Solombavambahoaka
Date: 01 mai 2017 - 08:52

Hofidianay any @ assemblé ny projet de loi ka, tsy hahazo ny lovany intsony ireo :

- manana nationalité hafa ankoatra'ny gasy
- mipetraka any andafy mihoatra ny 2 taona
- manaratsy2 ny gasy sy ny firenena eto @ forum moov
- mpanakarena be any andafy,


hamidy handoavana karaman'ny maitre fram sy hanadiovana arabe ary hananganana trano ho an'ny 4mi ny vidiny.

Jereo @ fo tsy mianagatra, fa mbola ataonareo inona ihany ilay lova aty e? nareo any manana ny ampy. Tout ce qui est gasy efa abatibatiana fa ratsy sy tsy memely. Mba mananà hambo e, avy de ifiro hatramin'ny lova ôtran'ny ifirananreo ny firenena

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Solombavambahoaka
Date: 01 mai 2017 - 08:53

hadino: ireo tsy mahay teny gasy sy mananjanaka tsy miteny gasy koa tsy mandova aty tsony.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: hanitra
Date: 01 mai 2017 - 09:30

ny olona manana tohen-trena ohatra anao ihany no mampahatra ny gasy tiakely tsy miheritreritra ny afa.io na mipetraka aiza rehefa Tonga ny fizarana lova dia samy mahazo.ny olona kamo sy mahatra no manana fisainana ohatra anao fa miheveran-tena tsy miheritreritra ny afa ny tena any ka lasa midongy lova mivavaka mafy mba ho faty ny ray sy reny mba angalana ny lova mampalahelo fa lomorona ny saina sady kamo.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Eeedrey
Date: 01 mai 2017 - 09:35

Tsy mahagaga raha mahantra be io firenena io raha betsaka ny mitovy fisainana@ i solombavabahoaka!!manantena Anjara lovan'olona fa tsy vononahiry @ hatsembohany.
Tena mampalahelo fa mahantra be koa ilay fisainana

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Solombavambahoaka
Date: 01 mai 2017 - 10:30

tsy maninona fa zay mahantra e,de avelao ho anay ny lovanareo mpanakarena sady mpanakarena fisainana. raha manan hambo adabohy izay tany kely iray tsivalandia aty sy trano ifampizarana @ mahantra bdb. tsy haiko oe iza no mahantra toetsaina amin'izany. ny anareo ny eo ambilia tsy lany, ny nifanapatsiany etsy ankilany mitofezaky ny hanoanana, mbola iadivana koa izay mba navelan'ny RAD.


hanakarena ve ny firenena raha mpiady lova sy tsy mitsinjo mahantra toa an'i Edrey daholo ny kil lasa niondrana any?

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Eeedrey
Date: 01 mai 2017 - 12:38

Inona no hidiran'ny hambo @ fakana Anjara lovan'olona fa tsy azoko mihitsy
Raha samy hanao an'izany daholo ve tsy aleo izany tsisy miasa intsony fa samy mifampiandry anjara lovan'olona eo daholo fotsiny e!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Solombavambahoaka
Date: 01 mai 2017 - 13:35

Eedrey> tsy manankarena ar inteligence ko tsika zany an

Milaza nareo fa milay be any andafy sady mahazo volabe, milaza ny sasany fa tsy hiverina tsony fa masay aty, milaza koa ny sasany fa ratsy be aty fa mahantra sady maloto. Milaza ny sasany fa mahatra ara-toetsaina zay sady fetsepr daôly. Ny sasany efa nanary ny maha malagasy fa naka nationalité hafa. Fehiny, tsy misy ilana azy mintsy aty aminareo.

Koa nahoana raha adaboka ny aty raha tena mafibe sy tsara toerana any andafy nareo? Zay lay tiana ahatongavana. Mazava2 ve?

za aloha mamporisika ny valala mpiandry fasana hanao ze mety e, nareo mibalady any @ champs elysés nefa ny iray ra aminareo matin'ny sous alimentation, maninona raha omena azy ny anjara lova?

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Eeedrey
Date: 01 mai 2017 - 17:17

Raha izao raisonnement nao izao no iheveranao tena fa intelligent ianao, dia tsy mahagaga ny toeran'ny firenena @ izao.
Mila mivoaka kely dago MBA mahita fiainana hafa ianao fa tsy olona mandeha eny @ champs élysées hitanao @ télé ny atao hoe fiainana aty andafy
Miandry tataka @ lovan'olona fotsiny vé tsy normale raha sous alimenté nareo e
Na ho lasanao daholo aza ny lovan'olona lasa aty andafy dia ianao zatra miandry tataka io,dia afaka fotoana fohy dia sous alimenté indray

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Eeedrey
Date: 01 mai 2017 - 17:37

Solombava>ianao izany vao misy miteny ny marina hoe maloto be Dago,feno mpisoloky, sns dia tsy ny hiezaka hiala@ izany ny atao fa manenjika sy maka ny fananan'olona miteny anao an'izany??
Tena intelligence hafa kely tokoa ka raha maheno hoe mahazo vola ny any an-dafy dia heverinao fa tsy miasa ny olona vao mahazo vola fa mitango eny an-dalana.
Tena fisainan'olona sahy misoloky sy mangalatra ny toy izany sady tsy menatra mamporisika olona hangalatra koa.

Mila mitandrina daholo ny olona akaiky anao ka tafita @ fiainana, fa tena ory hava-manana tsy milamina mihitsy ianao izany a!
Manana Hambo miasa mafy tena @ hatsembohana fa tsy Anjara lovan'olona no giazana e!tsy mitondra mankaiza izany.

Lovan'olona vé no ohaninao sy amelomana fuanakaviana e????

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Solombavambahoaka
Date: 01 mai 2017 - 18:53

Edrey> ka tsy maintsy zay no hiafaran'io fa toneo ny fo e, ohatrinona ny frais makaty ary ohatrinona ny valeut-n'ny lovanareo (sauf oe handova an'i rajabaly na i filatex), ny tribonaly aty dia mitarozaka amantaonany, tsy maintsy hi abandonne ihany nareo.

mandrapaha tonga an'izay nefa de alefanay projet de loi oe omena ny eto antoerana ny anjara lovanareo mandeha lavitra any. tsy nisasaranao ko anie ny lova e, fa ny razana taloha tany, izay tia tanindrazana (matoa tsy nandositra toa anareo).

Modia aty rehefa matahotra oe asaiko misoloky ny olona e, hehehehhh

Efa voateny teo oe anorenana trano ho an'ny 4mi ny vidin'ny lovanareo, zareo no tena mandoto manko. mariky ny fitiavanareo tanindrazana (raha mbola misy), sy ny intelligence nareo (raha misy) ny fananareo hambompo oe adaboko any rangah zay lovako a. sa ahoana? Aiza ho aiza ny lovanareo aloha e?

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Eeedrey
Date: 01 mai 2017 - 20:09

Na omena anao daholo hoa ny lovan'olona rehetra dia tsisy dikany, lany ividiananao toaka sy rongony angamb raha izao firesakao izao, ndan miasa raha te ho velona dia andraso eo i paoly fa hanoome Lova ho anao izy

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Mpiseranaa
Date: 01 mai 2017 - 22:43

@ mpiray tampo dia misy fetsifetsy foana ka izay no tiako ahatongavana hoe mila mitandrina.

>> Jessy67: Itsinjovana ilay voalazanao izay mihitsy no tiako tenenina hoe mba tsy hisian'ny fahadisoampanantenana dia aleo manana ny an'ny tena. Tsy mifampiditra

Ary matetika dia ilay fetsifetsy io dia tsy lasa lavitra fa songonan'ireo tsy nahazo lova. Efa maro ny tranga hitako. Fa ilay fetsifetsy dia mijanona @ ilay trano na tany azony iny fa ireo tsy nahazo na inona na inona dia nahavita villa 2 na 3 taty aoriana.

Solombavamanoaka> Manonofy antoandro rasolombava fa ny projet de loi teneninao dia tsy ho lany velively satria ny ankamaroan'ny mpanana any dago dia:

1) Manana double nationalité daholo ary manana lova any dago
2) Mipetraka any andafy amantaonany ny sasany noho ny antony ara-politika na resaka asa,

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: bof
Date: 02 mai 2017 - 11:52

le resaka angamba tsy tokony hivaona amin ny hoe gasin andafy sasany na gasi eto antoerana sasany, fa resaka lova eo amin ny mpiray tampo anie ilay izy , tsy hoe cousin/cousine miady lovan dadabe fa mpiray tampo ka sao kosa nareo no tsy mahay miara miaina . samy manana ny fitaizana aloha fa amiko zao raha mbola mpiray tampo mbola mitovy ray sy reny tokony hifanavotra na eo ny rad na tsy eo, any am zanaky ny mpiray tampo tsy olana ndray raha samy maka hoazy sy tia tena satria tsy niara nitaizaina.
fa ny mety amin io n aiza n aiza dieny mbola eo ny rar , dieny mbola tsy manambady d efa mifanaraka amin zay mety ho lova. ary tsy resaka vola loatra no mahatonga olana amin io fa resaka sentiment sy alahelo hoe manin nena keli, manin za tsy mahazo , manin lay ray mahazo be. fa raha vola ny kaontina zany lova trano sy tany zany fa ny lany mikarakara ny taratasin reo sy ny mikolokoko mety ho lafo nohon ny mividy hafa an. isika mantsy variana am le vola foana fa le fahasahiranana sy le alahelo ko mba jereo.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Hono oa
Date: 02 mai 2017 - 12:52

Angaha moa tsy izay tian'ny mpizara Lova no ataony fa tsy ny mpandova no mandidy azy sy manova arak'izy tiany
Inona fotsiny ny Antony anaovana didim-pananana raha izany e?!sady atao inona ny lalana

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Solombavambahoaka
Date: 02 mai 2017 - 16:13

Edrey> sao de enao no efa ataon'ny stress mitonatonana @ antidepresseur isankarazany ka . izahay solombavambahoaka no lazaina fa mandrongony? miasa zay miketraika izany fangalana ny lovanareo izany, mafy be ngeh zany asa zany e, fa ny 4mi ho heberger-na ao @ tranondrazanareo no tanjona.

Ka rehefa any lavitra any nareo de tsy hahazo anjara lova e, na lazainao fa isotro toaka a na isotra dite. tsy rehefa oe mandrevirevy ahazo lova enao de iandry anao eo izy, aza nandra wa. Ny olona eto antoerana efa miketrika sy mi exploite. Raha matahotra ho very lova dia miveziveze in5 isantaona aty. Efa tenina fa tsy ho arakao zany io.Eto aza trano ipetrahana lasan'ny karana ka maika fa ny anao? sady ngah tsy mahavelona anareo ny any moa e?

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 02 mai 2017 - 17:07

Misy ny fetsifetsy eto an-toerana; misy koa ny manantena hamantam-bonona fotsiny ny any ivelany!
Izao no heveriko fa mety ho vaha-olana ho an'ireo mbola misy zavatra afaka ho zaraina (indraindray mantsy trano tokana efa ho rava no ifandroritana eo!)
Tongava aty Mada ianareo mpandova, dia ataovy ny fikarohana sy inventaire ny fananana rehetra; dia tendreo ny iray @ eto an-toerana (na olon-kafa rehefa tsy mahatoky ny irai-tampo) aminareo ianareo) omeo mandat izy HIKARAKARA FA TSY HIVAROTRA. Io olona io tsy maintsy karamaina : mivezivezy izy, lany andro na ny milahatra domaines fotsiny aza. Asaivo manao tatitra raha vao misy démarche vitany. Rehefa vonona daholo ny dossiers rehetra dia tongava indray manao ny fizarana. Amin'izay tsy misy intsony ny milaza ny tenany ho voafitaka!

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Aza kivy
Date: 03 mai 2017 - 21:18

Fetsy vé??olona mandefa vola foana vé dia mbola misy sahy miteny hoe mamanta-bonona???efa tsy azo atokisana intsony raha olona aany dago izany! Izay no izy,tsy maintsy ny tenanano no manatrika raha misy projet fa manantena tsy misy eo.

Na ny lalana aza toa tsy ampiharina akory any fa aleo afoy izay Lova any.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: matérialiste
Date: 05 mai 2017 - 11:21

Amiko aloha tsy mety ilay zaraina ny lova nefa ny rad mbola velona e! ohatran'ny hoe manome baiko ireo rad no hafahafa izany hoe handova mbola velona izany nefa izy ireo no nisasatra sady mbola eo .Fa io fizarana io dia ny rad ihany no tokony hizara azy ary tsy terena amiko fa zay hataony ao dia tokony hanaiky ny mpiray tampo @ zay anjara nomen'i rad. Fa io na efa voazara @ ara-dalàna mbola misy ihany ny mitsivalana manao hoe fa maninona ny ahy no io fotsiny fa maninona ny an'ny sasany be dia be ? Solombavambahoaka >>> tena mirefarefa @ tany ny fisainanao ;mba diniho ihany ny fiainana fa aza dia miteniteny foana .Raha tafajanona taty ve zahay dia hoe nanao sesin-tany ny fiainanay taty .Ireo rad no nandefa taty hianatra ary niezaka izahay dia nahavita ny fianarana natao ;niezaka nitady asa hanaovana vali-babena ireo rad .Raha resaka LOVA amiko dia sarobidy indrindra na dia hoe aty aza ny tena .Matoa ry zareo nisasatra ireo dia ho an'ny zanany naterany ary tsy tokony hasiana ilay hoe any ampita efa manana ny ampy .Amiko na hazo iray aza ohatra ny anjarako dia efa mahafaly ahy misy dikany iny matoa nomeny ahy .FA lay fisainana mihintsy no efa tsy misy ,tsy miezaka,tsy te hisasatra no tia kely ,miandry omena foana aiza moa no handroso ?Ary ny tsy fanajana ny hafa io mahatonga ny fianan'ny taranaka tsy ho vanona mihintsy .Ary tsoriko aminao fa na teraka taty aza ny zanakay mahay teny gasy tsara sy mahazo teny gasy tsara .Milaza ianao etsy ambony hatao inona lay izy ? hatao fahatsiarovana ireo navelan'ny rad ho fanajana azy ireo(ny hafatra napetrany) na tsy eo intsony aza izy ireo ;ho hampafantarina ny taranaka any afara satria mba nisasatra izy ireo nanangona ireny fa tsy hoe nangalatra akory kanefa moa ny an'ny tena sendra olona tsy vanona na dia hoe mpiray tampo aza dia namidiny antsokosoko Ary tadidio fa misy ny tsinin-drazana ;ny alahelon'ny velona sy ny vavan'ny havana na ny fiarahamonina ny @ tsy fanajana , fanaovana tsinontsinona ny hafa dia hahazaka izany ve ianao ? .Ary io dia mivaly na ho ela na ho haingana ary tsoriko aminao fa tsy hitondra anao mankaiza ny fibodoana ny zavatr'olona rehefa tsy anjaran'ny tena tokony tsy kitihina na hanaovana hosoka na hamidy tsy misy fahazahoan'dalàna @ mpandova rehetra ;fa any moa zao dia samy manao zay mahafinaritra azy sy izay hahafeno ny paosy ary TIA KELY no betsaka ny lalàna mifehy toa tsy ampiharina akory ;ny fivavahana hataon'ny sasany fanafenana ny ratsy hatao ....TENA MAMPALAHELO .Ary tadidio fa ny hataonao ihany no miverina aminao raha tsy mivaly aminao dia ny taranakao ny hijinja ny nataonao avy eo . .NY any teniko :raha misy lova napetraky ny rad dia kolokoloy tsara ary mahaiza mifanaja ;refa samy manana anjarany dia anjaran'ny tsirairay no manao izay tiany hanaovany azy;na hamidiny na omen'ny mahantra na mpiray tampo aminy ihany na tazominy eo,fa ny ahy dia manaja ny tenin'ireo rad -ko aho na efa tsy eo intsony aza...... fa amiko tsy mety ilay hoe any ampita efa manana ny ampy efa be vola sns ....TSIA;fonosana iray ihany no nivoahana fa tsy resaka LOVA na VOLA no handeha hanimbana ny FIHAVANANA ,FIRAISAN-KINA @ mpiray tampo na fianakaviana .Ary lay fisainana tokony mba hovaina fa tsy mamely mihintsy no tsy mivoatra .

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: berevy
Date: 05 mai 2017 - 19:16

matérialiste> ndana lesy mody refa malahelo ilay hazo iray anjaran'lah fa tsy eo no mi delire eo a.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: matérialiste
Date: 05 mai 2017 - 20:01

berevy >>> ianao ilay olona mpanao tsinontsinona ny rad -nao ny @ zavatra nomeny anao ka tsy mahagaga fa iny dia hita amin'ny solon 'anaranao ny toetranao sy ny hoavinao .Ny fiainana tsy vita ny revirevy zany fa ngamba ny fiananao io dia velona @ halatra sy lainga sy fametsena fotsiny ...Ohatra nomeko io hazo io raha tsy azonao fa aza ambany fisainana ohatr'izany fa mampihomehy ;ary tsy ianao mihintsy koa no hamelona ahy sy ny taranako fa na hody aho na tsy hody aho fiainako io fa tsy ianao no mandindy .MAZAVA AMINAO ANGAMBA ZAY

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 05 mai 2017 - 20:26

Zarao hoy aho! dia samy mitantana ny azy. Io lova itambarana io ihany no maha-ratsy fihavanana. Raha misy hozaraina anie, moramora ihany; fa rehefa kely ahoana no atao?

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: Pffffff
Date: 08 mai 2017 - 10:18

Ianareo koa mandany andro mamaly olona miantehitra @ Anjara lovan'ny sasany.
Omeo azy koa ny eny an-koditrareo fa mety heveriny fa anjarany a!!!izay vhv hitany eny an-dalana koa mety heveriny fa vadiny sy sipany daholo

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: fetsyve?
Date: 08 mai 2017 - 12:49

Azavaiko ilay hoe:any ivelany misy manantena hamantam-bonona. Misy cousins-ko nanana tany iray kely surface (tsy afaka zaraina), kanefa tsara toerana be (= lafo vidy). Satria tsy nisy afaka nividy ho an' ny tenany dia tanana fa ho varotana. Dia eo fa teraka ny olana.
1- ilay tany mbola tsy mazava ny titre ka tsy maintsy mbola nisy démarche maromaro vao misoratra @ izy mpirai-tampo. Ilay nahazo procuration no nivezivezy, niresaka tatsy sy teroa, nandeha tany @ faritany mihitsy naka pièces sasany. Ireo teto an-toerana nahita tsara ireo démarches ireo fa ny any ivelany milaza fa mamorona,sy manasaro-javatra ("fetsifetsy mihitsy ianareo any Mada ka mikarakara avy dia mitady karama!"
2- lafo ilay tany dia hoy indray ny any ivelany hoe: alefaso ny vola , aty izahay no mila vola, sady sao dia laninareo eo. Tsy nety moa ny teto an-toerana (mila démarche indray ilay transfert satria vola misimisy ihany), dia nanokafany compte bloqué. Tezitra indray ny tany ivelany
3- Volana vitsivitsy taty aoriana, nisy nilaza t@ zareo any ivelany hoe: Mora loatra izany vidin'ny taninareo izany; nisy tany toa io novidiana sinoa lafo lavitra... Dia io indray fa hoe nangalatra ilay nivarotra!

Izahay cousins aty an-toerana tena nalahelo mihitsy satria ilay nikarakara no voahenjika; ary ilay miandry fotsiny no be vava. Asa fa mihevitra ny eto an-toerana ho mpisoloky daholo ny any ivelany! Mampalahelo!!!

Izay no mahatonga ahy hiteny hoe: zarao mihitsy, na apetrao @ agence ny fikarakarana dia tsy miady! Rehefa tsy mahatoky ny havanao dia apetrao @ izay mahatoky anao.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: berevy
Date: 08 mai 2017 - 15:41

matérialiste> hahaha, eto @ forum moov ve no mitatasika be ôtran'io? hahahahhh. Ndana mody lesy refa malahelo ny eny ankazotokana a.

Options: Répondre
Re: Resaka lova, gasy an-dafy voafitak'ireo gasy nijanona Gasikara
Par: rabe zafy
Date: 08 mai 2017 - 17:33

Salama daholo,
Na misy mpiray tampo any andafy na samy eto antoerana dia izao no hitako: rehefa misy elanelana be ny fari-piainana eo amin 'ny mpiray tampo dia mampiady foana io resaka lova io.
Misy ahatsiaro foana fa voambaka eo amin ny fizarana, ary misy ahatsiaro foana fa tena nisasatra be teo ampikarakarana ny taratasy rehetra sns..
Mba hilaminana dia mila fahononan-tena be dia be .
Io koa ange tsy dia nisasaranao na dia hoe mety ho nihafy aza ianao nandritra ny fanorenan'ny ray aman-dreny an'io e noho izany tokony hanaiky ny fandaminana ny mpandova.
Ny ray aman-dreny kosa dia tokony tsy hiangatra .

Mazotoa daholo e.

Options: Répondre
Aller à la page: Précédent123Suivante
Page: 2 sur 3


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg