Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Tsy rariny kosa e!
toetra aty an-dafy
Par: te halala
Date: 18 mai 2017 - 17:28

Mety hoe tsy fahazarako angamba ny tena marina sa hoe izaho no tena sarotiny?

Manana namana kely izay ilay zanako 6taona, nifindra toerana lavitra ry zareo satria nisaraka izy mivady , fa kosa ilay zanako tia an'ilay namany vavy kely 6taona koa, samy volana mai izy roa no teraka ary tsy nifankafoy tany antsekoly , tena nalaika narary ilay zanako vao naheno hoe nifindra lavitra

Ny mahagaga mba noraisinay ho toy ny namana ireo mpivady sy ilay zanany , sanatria anefa raha mba nilazany izahay fa hifindra , nanahirana ahy ny nanamboatra ny sain'ilay zanako, na tsia hilaza izay marina aza satria tokantrano tsy ahaka , mba niteny fotsiny hoe hifindra trano izahay, ny maitresse no nanontanianay hoe nankaiza no tsy mbola tonga dia izy no niteny hoe nifindra ry zareo , ohatra izay olona heverinay fa mba atao namana ohatra hafahafa daholo hany ka tsy dia mba manana namana firy izahay , na gasy na vazaha saika manao toetra ohatr'izay daholo

Izaho foana no maka vaovao avy any , dia ohatra ny gaga aho, sanatria hoe ry zareo no miantso ahy na mba maka vaovao, anniversairen'ilay zanany dia izahay nihevitra fa mbola any amin'ny misy andry zareo ry zareo dia ilay zanako malahelo dia nividy akanjo kely anankiroa aho dia ny iray an-janako dia ny iray ho an'ilay namany , sady nisy carte kely nosoratany moa, tena hoe natao surprise , gaga be aho tamin'ny alahady nandefa sms ilay madama vazaha hoe eto amin'ny vilazinareo izahay , kay izany ilay rangahy nijanona teto amin'ny vilazy fa izy mianaka nandeha nisitaka, dia hoe nisy carte d'invitation ho an'ilay zanako fa invité ny alarobia , tsy azoko mihintsy ilay fandehany , izaho tsy te hanome cadeau fanindroany nefany , ry zareo efa tapabolana no tonga tety aminay , vao omaly henoko tamin'ny vadiko fa hipetraka tanteraka eto indray ry zareo,

ny nahasosotra kely ahy dia tsy mba nilaza akory izy hoe voarainy ilay colis kely nalefa , raha ny marina tsy nanantena andry zareo ho avy aty intsony izahay fa natao surprise amin'ny hoe maha namana anjanako, raha mba namaly moa izy ? efa indroa nanontany fa tsy niteny , omaly vao hoe tsara be ilay akanjo fa misaotra,

ohatra tsy tiako loatra ny mahita olona tsy mba mahay mankasitraka rehefa omenjavatra , nefa mba tena surprise tsara ary tsy nampoiziny mihintsy ilay izy,

taloha, izahay foana no manasa andry zareo, izahay tsy mba asainy misakafo any mihintsy , tsy azoko, menatra ve sa matahotra sa maninona? tena namana ve no hilazana izany sa tsia? misisika be hakaty aminay nefa izahay tsy mba asainy mankany , gasy sy vazaha dia manao ohatr'io daholo, lasa tsy te hifandray firy aman'olona aho ,

inona no mampisisika ny hafa handeha aty aminay? tsy azoko, misy indray mpiara miasa amiko dia hoe misy cadeau omeko anao any, hoy izy fa aleo rehefa mankany aminareo aho entiko, nefa izy mihaona amiko isanandro, fa maninona raha omena ahy avy hatrany?

dia misy koa rehefa manome cadeau anay dia fatin-javatra tsy misy dikany nefa rehefa izahay no manome mba hita hoe zavatra miasa sy ilain'ilay olona omena azy , , ohatra hoe crème amin'ny teny tsy fantatra, tsy hay izay ao anatiny,nounours kely; bitro be volony be nefa efa fantany fa tsy mahazaka an'ireny aho sy ilay zanako, ny sasany indray raha anniversaire ohatra dia tsy manome cadeau , nefa mba nanaovana ihany tamin'ny azy , rehefa tsy hita izay omena tsy aleo atao valopy? raha ankizy aloha afaka ahitana kilalao mifanaraka ihany fa olondehibe ve dia ohatra kilalaonjaza no omena azy? tsy haiko aloha fa ohatra tsy mety amiko

dia ao indray ny sasany fianakaviana maro anaka ,fito ry zareo, dia 20 euros ve no omenao nefa tsy miantoka na sakafo na inona? ohatra mahamenatra ahy ilay izy fa tsy haiko na izany no fanao? izahay 3 mianaka ka raha invité dia mba 35 euros raha kely fa araka ilay fifandraisana aminilay olona ,nisy voisine nay izay zao invité tamin'ny mariazy izahay , apéro tao antrano fa tsy invité restaurant akory, fa 50 euros no nomenay azy fa avy eo niavonavona be ry zareo, dia mahalasa saina ahy hoe fa nisy tsy nety angaha ny nataoko nefa izaho ohatra mahatsapa ihany hoe mba nanao ny nety ?,

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Flagship
Date: 18 mai 2017 - 17:36

lavalôtra

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Halo
Date: 19 mai 2017 - 07:04

Te halala havana raha misy patsa izany ataovy indray mandeha tsy miverina izany hoe fitia mifamaly rehefa manasa ianao dia tokony mba ho valiny izay no fahalalapomba bref aza Tia olona tsy miraika aminao izany fa lany andro eo ianao ,tena hitako ho Tia fiavanana ianao nefa aza mi insiste intsony fa refa miavona aminao dia hiavony koa

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Rabilabila
Date: 19 mai 2017 - 07:23

Io tsy toetran'olona any an-dafy irery ny fahitako azy fa ny olona en general. ianao no mieritreritra hoe namana dia miantso, manao izay mety fa tsy misy valiny. Rehefa mifandray aman'olona, namana na tsia, aza miandry retour fa mety ho tapaka lalan-dra ny farany

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Daccord
Date: 19 mai 2017 - 10:04

Miombon kevitra 100 isanjato aminao aho, aza miandry n'innn n'innn aman'olona fa atovy fotsiny zay tiana atao, rehefa mamaky ny zavatra soratan'ny tompon'ny sujet dia saiky valiany amin'ny antsipiriany daholo ny zavatra andrasany en retour any amin'ilay olona anaovany zavatra. Feno fahadisoam-panantenana ny fiainana raha izany, izaho koa taloha nanao tahaka izany fa efa taty aoriana aho vao nahatsapa hoe sady mamatotra ny tenako aho no mamatotr'olona, samy miaina tsy mifaneritery izao ve ka hifamatopatotra amina sarintsarina fahalalam-pomba sy fiaina eto;

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Flo
Date: 19 mai 2017 - 16:52

Gaga ihany aho ! Izaho koa mipetraka eto Frantsa fa tsy misy olana ny fifandraisana @ namana sy manodidina na gasy na frantsay. Manama namana ny zanako (frantsay). Tsy misy olana mihitsy ny anniversaires (fantatra fa kely fidiram-bola kokoa ny iray, dia efa fantatra fa arak'izay ny cadeau!). Tsy misy olana koa ny sorties: izay RAD manana sortie dia miantso ny hafa (cinéma, cirque, manao vélo, mandeha week end kely...); Samy manao izay vitany (hatramin'ny hoe : marary tampoka ny nounou-n'ny ankizy iray, ka iza re no afaka maka azy?). Tsy misy mitana comptabilité hoe: Sao dia izaho no mikarakara na manome be kokoa?
Tôy izany koa rehefa manao vacances any an-Tanana ; sy rehefa misy tonga aty aminay. Tsy manontany tena aho hoe: firy ariary no laniny taminay, ka firy euros no ho laniako aminy? Entina an-kitsi_po sy am-pitiavana daholo ny fifandraisana rehetra!
Fa izao aloha ê! Talohan'ny nandehanako nianatra sy niasa taty, t@ mbola nipetraka t@ RAD zatra nifanerasera @ havana sy manodidina izahay: ny RAD-ko angamba anisan'ny voalohany nanao co-voiturage. Mifanaraka ny samy voisins mifandamina @ fakana sy fanaterana mpianatra. Fitaizana izany io ê!

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Ravonjison
Date: 19 mai 2017 - 17:42

Manahoana a,

tapaho avy hatrany ny fifandraisana amin´ireo olona ireo dia mitadiava namana hafa...Iaanao indray no harary fo eo, aleo milamina tsotra.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Lohavaky
Date: 19 mai 2017 - 20:09

Izao atao an-tsaina , so atao levenam-bola , izay vita dia vita .

Efa mahatsapa izany ianao eto fa ireo olona anaovanao soa eto dia tsy miraika aminareo koa noho izany dia avadiho ny pejy . Mipetraha any an-trano dia izay mahasoa anareo mianakavy atao . Ny ahy de izany mihintsy , ny ankohonako aloha . Raha misy manao amiko dia valiako iny fa raha tsisy , tsy hivadika loha amin'izany mihintsy aho . Ny olona koa ange retsy tsy te hiharoharo aminao izany e, manana ny Antony izy : mety ara-bola , ara-potoana......satria ohatra ahy tsy izaho mihintsy no hiantso olona hisakafo ao an-trano na handeha ho any fa raha sendra masaka izy no mandalo dia manasa aho hijanonany dia izay eo iarahana mihininana .

Izaho aloha resaka hoe hitady namana izany , tsy ho any anaty trano mihintsy , fa rehefa misy ny fotoana dia mba mety hoe resto na picnic fa tsy mifampidipiditra be izany , tsy manana fotoana amin'izany aho raha ny fiainanay mianankavy manokana : asa, ménage ao an-trano , ny activités n'ny ankizy : manatitra sy maka pffffff! tsy hitady raharaha aho .

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: te halala
Date: 19 mai 2017 - 20:24

Misaotra anareo namly

ny filazana ve hoe voaray ny carte na cadeau dia ho sarotra? mba fahalalampomba ilay izy amiko

amiko , nanao premier pas amin'ny olona foana aho mba hitazomana fifandraisana , rehefa mihaona ange izahay ohatra hoe tena namana nefa any ambadika kay tsy namany ny fiheverany anay ,ry zareo kay mifanasa any ambadika any, mifanome service, maka ny zanaky ny hafa sns, misy Rad MATY NA HAVANA NA OLANA ? TSY MBA MAHAZO VAOVAO , lasa nanenina aho nifampiresaka tamindry zareo , hafa saina, mody tsara ety ivelany ka poakaty be ny ao anatiny,

mba nihindrana olona aho haka ny zanako indray mandeha fa nandà sy ohatra hafahafa tsy te helingelenina izany ry zareo nefa taloha mifampiresaka be , ny hafa nefa rehefa mangataka service ohatra mba manao foana aho,

voisin indray , inona no hiavonana aminay tampoka teo? nefa izahay aza nanome cadeau be tamin'ny mariaziny? tsy izahay ve no tokony ho tezitra hoe tsy nasaina niaraka tamin'ny rehetra tany amin'ny sakafo?

nisy voisin kely izay mpiara mianatra aminjanako, dia niteny tamin'ny Rad io zaza io aho hoe raha misy tsy fahafahanareo dia afaka entinay ny zanakareo sady iray kilasy ,nisy anniversaire copain kely dia samy niala ny tranony dia samy nandeha tany amin'ilay toerana, nifanao aloha sy aoriana teo, nefa afaka nifanaraka hoe izahay manatitra dia ry zareo maka ohatra , tsy nampaninona anay na izahay daholo aza no maka sy manatitra, efa premier pas izay , fa nihafahafa be izy mivady avy eo, inona re no mahadiso ahy ? ohatra hoe adala ve ny fiheverany ahy , sa hoe tsy tokony hifandray amindry zareo izahay tsy haiko e

izaho izany mievitra hoe namana dia tena namana tokoa, kay namana masirasira, lasa tsy mazoto manasanasa olona aho, mba tsy izahay foana kosa no hanasa olona e, finamanana no tadiavina tsy voatery ho sakafo be akory fa izay eo no hanina fa tsy mba misy manasa izahay , dikany tsy te ho namanay ry zareo, asa raciste sa ahoana?

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Izao atao
Date: 19 mai 2017 - 21:22

Aza mila sitraka amin’ny olona na miandry valim-pitia izany fa tena diso fanantenana foana raha manao toy izany ry te ahalala.
Ny toetran'olombelona dia tsy misy tonga lafatra, Iezaho hatrany izay hananana fitiavana ny hafa fa kosa aza mety baikon'ny fihetseham-po be loatra foana fa mandratra izany

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: mieritrereta
Date: 19 mai 2017 - 21:41

Te-halala> salama ranambavy!Ny ahy indray tompoko dia raha resaka voisin sy ny namana izany dia ny namana mpiara-miasa aloa no évité-ko voaloahany indrindra naha gasy io naha vazaha nefany izahay miresaka tsara rehefa tafahoana,ny antony dia tsotra fontsiny ranambavy ,jereo anie ny comportement-nao vis-à vis ry zareo voalazanao ireo ê ! de ton côté izy ireo tsy mahay miaina (normal ianao no milaza azy) ary ry zareo ve mba mety inona ny filazany anao ???? ka eo indrindra isika ,tsy maintsy misy tsininy daholo rehefa mifanerasera tsy misy olona parfait ka amiko ny tena tsara dia rehefa te hifanerasera aminy voisin ,samy ny ankizy ,etc ny tsara indrindra hoy aho dia terrain neutre no tsara amiko raha te hilalao ny ankizy dia samy mi-deplace ny RAD roa tonta mandeha any izay toerana tiany ireo ankizy dia rehefa vita ny zavatra natao dia samy mody , aza de mijery ny fiainan'olona loatra rê!! ny anao ataovy izay hatsara azy,surtout resaka voisin ,elao lavitra fa mody manomboka aminy relation ny ankizy nefa raha vao mandaha indray mandeha ianao dia mihomana fa efa lasa lefy izay ilay fierahana ary ny loza mety ilay fitsikerana mihitatra be eo aminy ireo voisin hafa ,ka mitandrema ranambavy ô!

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: ninn
Date: 19 mai 2017 - 22:28

te-halala,

Matetika mpitranga ny situation ôtran'zao.

Ny mahazatra antsika gasy aloha dia raha vao mifandray indroa na intelo dia mifampandroso any an-trano. Mety amintsika io satria efa samy niaina an'zany hatrany @ RAD taloha. Fa ny gasy rehefa nita ranomasina dia indraindray koa lasan'ny rano izay fomba izay (aleo atao hoe matetika aza). Ny fotoana tsy misy loatra no tena marina eh !

Ary ny vazaha indray tsy mankasitraka an'io ; tsy fanaony loatra. Raha minamana aminao izy, dia na mifanasa any amin'ny restau, na toerana publique (mpiara-maka mpianatra, mpiara-miasa...)...... Dia mijanona eny ihany ny fifandraisana. Tsy dia tia mihoatra an'ireo zareo. Mifanasa restau izany aza koa samy mandoa ny azy. Ny antsika ilay mifanasa any an-trano no tiantsika. Sa tsy izay ?

Samy voisins de palier aza am-bolana maro vao fantatra ny taréan'ny sasany !

Ka ny efa vita aza asiana nenina. Tsy hoe nanao ratsy ianao fa ny fomba no tsy mitovy.

Raha izaho no teo amin'ny toeranao dia tsy tohizana intsony ny teo aloha.
Tsy misy namana hafa azo alaina ilay zaza ? Fa raha tena tsy misy aloha dia voatery ihany miverina kely ianao satria ny ankizy tsy tsara tapaka tampoka izany.

Ny amin'ny sisa zarina ny ankizy/

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Tsy hitako mihitsy
Date: 19 mai 2017 - 23:16

Ny fiainana efa sarotra zao na aiza na aiza, tsy voatery ny vola miditra ihany no mahasarotra ny fiainana fa ny rythme mihitsy, ny fahasalamana, ny pression etsy sy eroa...
Tsy misy te hivaky loha amin izay entretien inter voisins zany tsony.
Hafa ny taloha tany am 10 ans tany. Mifanafitra sakafo am vilia ny iray palier na mifampiantrano miresaka mifanpindrana matos sns... Zao efa fotoantsarotra, mahavita dia mionona faza ny olona no andrasana hanao toa anao. Miandry valiny dia aza manao fa tsisy hivaky loha hifaninana izany eo. Samy mitady izay hakany aina rehefa misy ny fotoana malalaka da tsy nde hitady raharaha hiantso an iza eo .

Sssh misy olona mandroso mihemotra tsss...

Ny fahaiza miaina tsy voatery hiandrasana ny hafa. Ataovy zay heverinao fa hahatsapan ny olona fa mahavita enao raha izay no ohatrany tianao haseho e !

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Lohavaky
Date: 20 mai 2017 - 11:08

Aty Europe no misy anao fa tsy any Dago koa mandiniha ny zavatra nataonao dia aza iverenana intsony .Di jereo koa ny valiny rehetra nataon'ny olona Bonjour dia samy vita , mamaly izy tsara , tsy mamaly izy tsara .

Tsy azonao terena ny olona na dia lazainao aza hoe moindre politesse , tsy manome rariny azy aho fa izay no tiany aseho . Tsy te hiaroharo aminao izy . Tsy tsapanao ve izany ???Mety tsy tiany ianao ilay mi-tenter hiditra amin'ny fiainany. Izaho dia manana voisins maro, fa ny ankizy tsy dia miaraka satria samy manana ny activités -ny daholo , fa rehefa sendra 2 rare be izany hoe tafaraka eo en-tokotany izany . Samy manana ny tokotaniny izahay na tsy misy fefy aza , dia samy milalao any aminy avy .

Miala tsiny aho raha miteny fa collant be ilay fihetsikao ka izay no mahatonga ireo fihetsika ireo . Tsy aleo ve mipetraka amin'izao e,ny ao an-trano atao tsara .

Izaho aloha dia tsy mba mampiditra olona firy ao an-trano izany e, ho tonga izao ny été , dia eny amin'ny salon de jardin no mandray olona , Basta .

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: te halala
Date: 20 mai 2017 - 18:11

Misaotra anareo namaly fa hisy hisainana lalina tokoa

tsy misy olona hianteherana aloha hoe haka ny zanako e, nisy voisin zay zao nihindrana moule taty amiko , dia nomeko, fa afaka tapabolana vao naverina ilay izy koa tsy nilaiko maika, fa rehefa naveriny ilay izy niavona be izy , izay foana manko ilay mahavariana ahy hoe tsy nisy ratsy nataoko fa miova tampoka ilay olona avy eo, mihafahafa sns,

olona noheveriko hatao parrain sy marraine an-janako ny efatra amin'ireo olona mampitaraina ahy satria noheveriko fa tena namana, ohatra tsy marina ilay fomba fijery hoe tsy te hifanasa ny vazaha , amindry zareo samy zareo mifanasa tokoa ary ireo namana fantatro izay iraisanay , fa izahay ihany no tsy asainy ka,

matahotra aho sao tsy mba hanana namana ny zanako ohatra tsy dia misy ankizy miaraka milalao manko izy eto an-tanana nefa ny sasany miaraka dia lasa manao clan clan ny ankizy eto

rehefa fête des voisins moa dia mitsivalambalana ratsy fijery be ry zareo, ilay zavatra ataoko anefa tsy hoe ratsy laviatra noho ny vitandry zareo fa mba azo lazaina ho tsara sy mahafinariatra ihany , lasa tsy mazoto intsony aho

ohatra hoe mitady mherimpitia angaha no hilazako ny tenako s, nefa hitako tsy miady aty dia aleo hadaboka, maro mihintsy ny vazaha aty akaikinay no rehefa te hiarahaba dia mamaly rehefa te hiresaka dia miresaka, ohatra tsy zatra an'izay moa ny tena

sarotra aminay ny mitady namana vazaha na gasy

ny zanako efa tiako hatao tiako hatao batisa nefa tsy mety mahita atao parrain sy marraine, somary diso fanantenana kely ihany , havambadiko tsy tiako satria tsy dia mahalala loatra an'izany andraikitra maha parrain sy marraine izany

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: ravonjison
Date: 20 mai 2017 - 20:15

Manahoana a, mba hitondra ny analyse koa aho an.
Izaho aloha mahita fa matetika diso foana no intrepreter-tsika gasy ny fihetsiky ny vazaha, satria miheritreritra isika fa isika ihany no tena mahay miaina sy mahalala fomba.
Ny tenako dia miaina aty andafy , eo amin´ny fiarahahamonina vazaha, fa raha ny hitako dia diso tanteraka ilay filazantsika hoe : tsy mifampiditra an-trano , tsy tia namana, tsy mifanerasera, tsy tia fihavanana ...sns tsy haiko intsony.
Ny mifanohitra amin´izay no hitako, tena fifampiditra antranio ireo, mitono hena foana,mifanampy, mandany andro miresaka fotsiny rehefa weekend, fa kosa namana efa voafantina sy ela no mifanao an´izany. Ny tenako dia anisan´ny miaraka amin´ireo foana.
Ka eo izany ilay olana: mbola tsy ao anatin´ny namana voafidy i Te Halala dia tsy mampiraika azy ireo, na koa mampiahiahy azy ireo mihitsy aza satria otran´ny mitady hiraikitra loatra.
Izaho koa misy vazaha betsaka mitady hinamana be amiko fa tena mihataka aho satria hitako hoe mbola fohy loatra ilay fotoana nifampikasohana.

Ka na ianao manapaka hatrany ilay fifandraisana, na ianao miandry elaela dia tsy misissika loatra fa mampiahiahy azy ireo fotsiny.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: te halala
Date: 20 mai 2017 - 22:40

ravonjison<<<<< misaotra anao namaly , tena ilaiko mihintsy izay fijoroana vavolombelona hitanao izay, tsy dia manana namana maro aho manko ka tsy hitako hoe iza no mba hanazava amiko ny tena zava misy dia lasa mandray izay zava midona amiko fotsiny aho,

ka izay mihintsy ilay olako, satria tao anatina association nisy ahy no nahafantarako ireo vazaha maromaro ireo, dia izaho nievitra fa hoe noraisindry zareo ho anisan''ireo namana , misy anniversaire dia mirongatra mankany daholo, , kay ry zareo rehetra mifanasa barbec isaky ny été , na week end aza dia mihaona na hifandombera , misy fotoana hiaonana matetika ry zareo, dia ohatra lasa saina aho hoe fagah izaho tsy anisanireo namana? nanao anniversaireseko aho tamin'ny herintaona, saiky nasaiko ry zareo , ary tonga ampifaliana daholo miramirana be , nanoratra tanaty boky volamena, dia tsapako hoe nankasitrany ilay fisiako sy ilay natao , vao vita anefa ilay fety , betsaka ny niavona be, mangarika , sns, mandefa firariantsoa aho ny taona vaovao , zara raha nisy namaly raha namaly aza efa tara , tsy nazava tamiko,

mety izay marina angamba no fitsarandry zareo ahy hoe miraikitra toy ny dinta ? izaho nefa tsy mahatsapa an'izay , izaho ary tsy mankany amindry zareo akory sady tsy dia mangataka service ,

raha ny hevitr'i ravonjison izany dia ahoana no tena tokony hataoko sy ny fihetsika ataoko?, mampihaihay amin'inona moa aho? mety hangalatra ve sa mety haninona raha ny fahazahoanao azy? ry zareo aza no tokony ho menatra raha ny marina , ny ahy fanasana dia tena fanasana toy ny mariazy mihintsy hoy ry zareo zay , sady à volonté , ampanetrentena no hilazako izany? ka sao dia izay fombako manao zavatra be izay koa no mety tsy zakandry zareo? ry zareo manko raha mankalaza anniversaire matetika dia ships sy zavatra kely dia toaka no betsaka, izaho nefa nanofa salle? eritreritra ny ahy fa tsy haiko

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: ravonjison
Date: 20 mai 2017 - 23:05

...tsy haiko aloha hoe: oviana no nanomboka nifanerasera ianareo e? Satria misy fotoana mahamaska azy vao mipetraka tsara ny finamanana.Satria raha ny fahazoako azy , araka ny voasoratrao eto , dia mbola mijery ry zareo hoe : iza marina moa ianaao.Tsy misy eritreritra maloto izany avy any aminy ( hangalatra sns...) , fa juste hoe mila fotoana fotsiny ireo.

Ny tokony ho ataao izany: miandry elalela fotsiny.
Amiko aloha tsy mampaninona ahy mihitsy ilay fombanao, tiako mihitsy raha mifanerasera amiko ny olona sasany ( sasany hoa aho), fa kosa tsy ny rehetra fa ny sasany ihany no ekeko sy fidiako....Toy izany koa no ataon´ireo vazaha ireo.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Life is beautiful
Date: 21 mai 2017 - 04:38

Na any Mada na aty ivelany dia mitovy daholo fa aza hiasana saina. Izay mahasambatra anao no ataovy laharampahamehana. Rehefa nahatsapa ianao fa tsy nanao ratsy dia izay no zavadehibe.

Marina daholo ny voalaza ao ambony hoe aza miandry valiny satria samy manana ny kolontsainy ny firenena rehetra. Ny antsika ary moa manana ny fiteny hoe : ho valiana RAHA mahatsiaro. Izany hoe mety tsy ho tadidy akory aza ny soa nataonao.

Fehiny: 'Ne laisse pas le monde changer ton sourire, mais laisse ton sourire changer le monde'.

Mahereza!!!!

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Lohavaky
Date: 21 mai 2017 - 13:13

ka ilay fihetsikao mitady hanao collant araka ny voalazako io no efa tsapan-dry zareo . Ianao mihevitra fa mety daholo ny ataonao ireo , tsy matériels ihany ny fiainana na hoe mi-rendre service fa mba manàna réserve ihany f'aza naïve . Miala tsiny aho raha apetrako amin'izay catégorie naïve izay ianao .Ny toetranao na mety ny fomba firesakao koa mety tsy tsapanao fa somary mampatahotra satria ny fihetsikao tsara fa mety any amin'ilay approche-nao no tsy tiany , mety hoe ny ao an-tsainao foana dia hoe mitady fitia aman'olona , tonga dia ihatahan'ny olona ianao raha mbola tohizanao izay , fa aleo mipetraka tsara ao an-trano miaraka amin'ny vady aman-janaka . Ny ankizy koa maninona raha entinareo amin'ireny activités ,centre aéré ireny e... amin'izay tsy mila namana fa avelao ho tonga ho azy f'aza ampidirina ao an-dohany hoe misy malaise amin'ny voisins . Asa aloha fa mandiniha ihany satria mihevitra foana ianao hatreto fa ny anao no marina kanefa ilay réalité tsy manaiky ny ataonao . Tsy azoko mihintsy aloha ilay hoe mitady namana : izahay dia tsy mitady fa mifandray rehefa te hifandray amin'ny manodidina , rehefa mifanena dia miresaka .....tsy atao be an-tsaina mihintsy hoe ataoko izao ity dia hifankatia aminay ....ny anao mantsy ohatr'izay raha lazaina direct ny tianao atao , ka tsy mety izany . Averiko fa tsy any Dago enao fa aty Europe. Eny fa na any Dago aza dia izany koa .

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: te halala
Date: 21 mai 2017 - 16:51

Mahafinaritra ahy rehefa mahita olona mahay manazava amiko toa anareo eto misaotra indrindra

amin'ny fomba ahoana moa izany no ahafantarandry zareo ny tena momba ahy? tsy hoe isanandro koa nge ilay fihaonana ao anaty association e, efa 6 taona no nifaneraseranay tao ,

ny tranoko saiky hitandry zareo, nandeha tany mada aho nandefa mail ho andry zareo, misy sasantsasany nandefasako carte ,

mifankahalala facebook koa, dia indraindray misy commentaire kely ataoko dia supprimer ilay olona tsy azoko, nefa tsy manaratsy na manompa,

aleo izany miandry izay hahalalany ahy marina , mety efa tsy hiraika intsony indray aho amin'izay angamba

tao zao nisy narary dia namangy teny amin'ny hopitaly aho, hitako faly fa nony nivoaka ny hopitaly izy dia niavonany aho, gaga fotsiny ny tena e, fa hajanoko tanteraka ny maha izaho ahy , na tsy natiorako aza zay ,

taloha aho rehefa mahavokatra be, mizara voankazo na legioma amin'ny voisin, , ohatra hafahafa be ry zareo avy eo, aminizao aho , aleoko lo toy izay ankavana,

hiezaka hanao bonjour dia miala satria hitako tsy mety amin'ny fombandry zareo izany ilay izy , be fitiavana aho fa tsy hoe mpanefoefo akory ,

ny voisin sasany izao rehefa te hiarahaba dia miarahaba , tsy hay mihintsy izay ao an-dohany, nilan'ny ankizy ady ny zanako nony tonga avy any mada , kay izany betsaka tamin'ireto zanaky ny voisin no mbola tsy nitaingina avion , tsy noheritreretiko ho sakana sy hiteraka olana teo amin'ny samy ankizy ilay izy , marina fa nijanona 4bolana tany izahay, misy voisin tezitezitra be nahita anay niverina sady niteny hoe kay ve nareo nijanona ela e? nefa olona tsy dia nifanerasera firy akory , tsy azoko ka, nofefena indray ny tanàna dia nisy voisin niteny hoe fa maninona no fefena fa raha avela aminizao? manjary tsy afaka maka baolina hono ny ankizy rehefa lasa aty aminay ny baolindry zareo, mahagaga an

mitondra ny zanako any amin'ny centre aéré mihintsy aho, fa tsy isanandro kosa no andehanako any aloha, rehefa alarobia zao na week end na rehefa avy mianatra hariva izy mba mila milalao kely , dia eto an-tanàna ihany, rehefa vakansy alefako centre aéré foana, mandrapaha vakans anay

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: tss
Date: 21 mai 2017 - 16:53

Enao ve vahiny an-tanin'olona dia ianao indray no manao fanasana na manao boky volamena, na ze fombafomba eritreretinao, fanambanina ny tompn-tany izany. Tsarovy fa ianao foana no tokony asaina rehefa an-tanin'olona, dia ianao no tokony miandry izay fomban'ny eo an-toerana sy manaraka, tsy tokony ampiseho ny anao ianao raha tsy efa sokirina hoe mba ataovy aminay hoe ny fanaonareo avy any @ misy anareo any, dikan'zay par defaut tsy tokony tonga dia hihevitra bienvenu avy @ tompon-toerana enao, zay no fanajàna ny tompon-tany.

Fa ianao no iza no mihevi-tena ho manampitiavana sy mpanao soa an-tanin'olona, vahiny ianao. Mba eritrereto hoe misy vahiny tonga ao an-tokatranonao (na aiza eto an-tany) dia tonga dia sady misosososoka ilay vahiny no izy indray no mamelatra sakafo avy any dia miteny ny tompon-trano manao hoe mipetrapetraha manasa hinana, na tsara sy raitra tahakan'inona aza no entin'ilay vahiny dia tsy fanajàna izany.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Flo
Date: 21 mai 2017 - 17:30

Hita mihitsy ianao fa be fitiavana ary mba te-hana-namana. Enti-pitiavana ary tena hifanerasera @ manodidina. Fa samy manana ny toetrany sy ny mazatra azy ny olon-drehetra. Mila phase d'observation ny fifaneraserana na aiza na aiza. Eritrereto hoe mipetraka @ quartier iray banlieue tena ianao. Efa misy tokan-trano vitsivitsy ianareo efa nipetraka ela tao, nifanerasera, misy fahazarana...dia ity misy olona vaovao tonga, manantona, miantso, mamangy, tia miresaka...indrindra raha olona tsy tena mitovy @ tena. Ahoana no mety ho réaction-Nao?
Prenez un peu de recul. Laissez faire le temps. Aza maika loatra. Tohizo ny tsikitsiky sy ny kopa-tanana kely rehefa mifankahita. Ho hitanao fa izy indray no hanantona.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: stop
Date: 21 mai 2017 - 18:32

te halala>>>>

ny ankamaroatsika gasy dia manana fomba fijery mivelatra fa dia tery kely, tsy mahita afatsy ny eo ambany orona ihany , misy namana ratsy ao dago, dia tantaraina @ forum, dia ratsy toetra ny gasy ao dago, misy namana ratsy any andafy , dia tantaraina , dia izao indray ny toetra any andafy, izao toetsina izao efa mba tokony hialana , MIREFAREFA LAVA ,BRK

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: stop
Date: 21 mai 2017 - 18:34

ERRATA!!!

dia tsy manana

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Sahondra
Date: 21 mai 2017 - 20:00

Mba hiteny kely :

Ny fahitako ilay tantaranao dia ianao izany tsy vitan'ny hoe manome fahafaham-po tanteraka, sy BdB nefa ny setrin'izany dia négatifs daholo mihitsy avy amin'ny manodidina rehetra.

- hay zareo mifanasa barbec lava izao -----> izaho tsy lazainy :
- anaovako fety zareo -----> dia avona no valiny ;
- ny commentaires ataoko amin'ny Facebook -----> fafan'ny sasany ;
- ny zanako nitaingina avion -----> iadivan'ny zanaky ny sasanyt ;
- ny voisins rehefa tai-hiarahaba dia miarahaba ---->rehefa tsy te, dia tsy manao ;
- ny marary novangiako tany amin'ny hopitaly ----> niavonany aho avy eo ;
- miarahaba tratry ny taona aho----> zara raha nisy namaly ;
- maty havana ny sasany -----> izahay tsy mba lazainy :

...... sns......

Ohatry ny ankininao be loatra amin'ny manodidina ny fiainanao. Tsy hoe akory ao anatin'ny association iray ianao, dia hanana fotoana na fo anomezana fahaham-po arak'izay heverinao fa mety daholo ireo olona ireo.

Amiko manokana aloha dia nahatsiarovako ny nandehanako tamin'ny maison d'hôtes iray izay ianao (spéciale ilay remarque dia lazaiko).
Nilaza ilay tompon-trano fa efa nandalo tany Madagasikara. Dia niresaka kely an'izay passage-ny izay izahay. Inona hoy aho no fahatsiarovana nentinao avy tany ?
------>>> Collants be ny malagasy hoy izy. Menatra kely ihany ny tena na dia tsy ny tena mivantana aza mazava loatra.

Ka tsy afa-miala amin'io ianao, raha namaky aho.

Ianao mety hihevitra fa tsy izay. Fa izay ! Mba manàna fotoana, diniho akaiky amin'ny antsipirihiny koa indrindra indrindra ny toetranao sy ny vadinao !

Ataovy tsy maintsy hanova anao ny resaka eto, mba hampahatsara kokoa ny fiainanao.


Tsy dia misy firy (torohevitra vaovao) holazaiko intsony fa efa voalaza daholo ka manjary manalava resaka fotsiny. Ny tenin'i ""Lohavaky"" farany io no hitako tokony diniho fa tsara ho arahina.

Mirary soa ! Mirary fiovam-piainana vaovao mahafinaritra ho anao, manàna faharetana fa inoako fa ahay ianao !

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: huhu
Date: 23 mai 2017 - 09:37

Mba tiako mihitsy raha collants zany tokoa ny gasy aty mada aty, za zao mitady namana hifanosona hanamboatra ilay tatatra ety @ tanàna fa tsisy mi-colle amiko zany fa miparitaka mitsôka daolo.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: eto dago
Date: 23 mai 2017 - 18:56

huhu>>>
Eto dago indray dia ireo matahotra fokontany ihany no mandeha manadio tatatra sy tanàna , fady ho andry zareo madio akanjo sy metimety fivelomana io,ny mpiasany no mety alefany indraindray, ary ny eto dia tonga fofona sy tezitra rehefa kianina, ireto ihany no zavatra mba tiany ho lazainao, ny gasy hoa mahay, ny gasy hoa tia karokaroka, ny gasy hoa miray hina, ny gasy hoa hafa ihany , patati patata... ny ahy ny fantatro dia ny gasy io fahaefatra avy any @ gisitra io

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Aoka re!
Date: 23 mai 2017 - 19:27

eto dago<<< aoviana ianao no nanadio tatatra farany izao?

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Aza kivy
Date: 24 mai 2017 - 07:44

Te ahalala> tena mifanohitra be @ voisinages nay indray izany anao izany, asa na izaho no tsy zatra mifanosona @ olona loatra fa ny ahy ny voisins no hitako collants be na gasy na vazaha.ary tena manisy limites mihitsy aho, satria efa izay toetrako.Ny zanako anefa dia invités foana fa Izaho tena rare vao mamaly invitation izany.tsy voatery ho voavaly daholo tsinona ry te halala izay ataon'ny olona. Tsy ianao irery no naman'izy ireo fa marary FO ny farany.
Raha fitantaranao koa hoe maka salle sns, dia MBA simple @ manaraka e, ny tena vahiny ka sao dia lazain-dry zareo hoe manao étalages.
Ny mahavoa anao dia miandry valiny loatra foana. Rehefa manome @ FO dia ataovy ampy izay.Tsy olanao izay retour any rehefa namafy soa.
Rehefa Misy olana dia tadidiko fa @ iny tena hita ny tena namana.Ny ankoatr'izay détails daholo fa MBA cool e.
Raha tsy miasa nanao dia mitadiava activités hafa afaka ataonao,fa hi s'épanouir kokoa.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Tsy hitako mihitsy
Date: 24 mai 2017 - 15:50

Ny marina dia tena arakaraky ny olona io. Tsy gasy tsy vazaha fa samy manana toetra hitovizany daholo.
Misy na gasy na vazaha tia mandondona ao aminao mitady fanampiana mody entina hanombohana resaka ohatrany hoe lakile ny local poubelle na mindrana ventouse na wc na mindrana hanondraka ny fleurs mandritra ny absence de vacances...
Na miera fa hanao fety ka hisy tabatzba ao aminy sns...
Fa eo no mifampijery e, hoe hifampinamana sa hifzmpitsapa raha mitovy longueur d onde ?

Na miray lalana maraina sy hariva dia miresaka ny journée ny fiainana ny asa sns...

Fa amiko tsy voatery ho lasa mpinamana be hifampitakosina zany fa natao catalyseur hanalana lay routine fotsiny.
Mba manome loko hafa ny fiaraha monina fa tsy voatery coller coller zany e.

Mandreraka be zany am farany ka ohatrany olona tsisy atao am farany.

Tsy mba mahafinaritra ve hoe mifampiresaka kely 5 à 10 mn eo alatrano dia zay dia atao ampy e ?

Ohatrany hoe miditra forum kely 10-15 mn refa vizaka fa tsy hoe hijanona eto tontolo andro.
Sady misy ihomezana no misy info ratsy iany

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: PSP
Date: 24 mai 2017 - 16:35

Ary nareo mipetraka any andafy any kay mahalala fomba daholo a !!

sa ve refa lasa any dia miova ny fisainana fa refa eto to mitovy am olondrehetra ihany ???

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: eto dago
Date: 24 mai 2017 - 18:13

Aoka re>>>>
misy famafana lalana isambolana ety aminay, tsy ho tononiko eto ny tanàna, fa izaho dia tsy ilay anisan ny matahotra fokontany velively, mety tsy hino ianao raha holazaiko eto ny amiko fa izao fotsiny , tsy maintsy misy, na iray aminay mivady , na ny ankizy alefa miaraka @ fokonolona , manana mpanampy antrano sy gardien izahay fa ilaiko @ ny fitaizako ny zanako ilay izy, izahay efa nipetraka ela tany norvege, ny any dia ireo tsy miaraka manao zavatra eo @ village no menatra , ny eto hafa kely

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: fanjatina
Date: 25 mai 2017 - 11:05

Toetra aty andafy moa ny sujet eto. Mipetraka aty France aho, ary ialako tsiny mialoha fa tsy voavakiko daholo ireo post teo aloha

Raha izay voisins, na collègues izany tsy fampiditra antrano. Bonjour, bonjour. Vous allez bien ? oui merci et vous ? Vita kabary

Indraindray mantsy rehefa tsara resaka any ampiasana sy eo @ parc dia hoe tu viens chez moi, ou je viens chez toi. NON TOMPOKO. Misy ny cafés, misy ny restaurant azo aleha tsara

NY TOKATRANO tsy ilaina asiana parasites (tsy terme péjoratif akory io)

Izaho sy ny ankohonako ihany no ao antranoko. Ny havana moa mandeha ho azy iny tsy azo fidiana, fa raha namana kosa AZO FIDIANA tsara. Mitovy feeling aminay mianakavy, lasa namanay. Tsy mitovy feeling ? Eny @ parc na café mifandray

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Tsy hitako mihitsy
Date: 25 mai 2017 - 15:57

Io koa rehefa teren ny zava misy dia mifandray ho azy ny mpifanolobodirindrina e.
Misy ny mifanampy am fanaterana mpianatra ohatra. Misy ny mifanampy hoe mba raiso ao aminao kely ny ankizy fa tara aho ohatra.
Fa tsy voatery hoe andao hiaraka hisakafo any aminay na any aminareo.

Taloha tsaroako nisy nouveaux voisins izahay dia nandona izy ni se presenter hoe izahay indray no mipetraka eto akaikinareo.
Rassurant lay izy no fahalalam pomba satria enao efa zatra lay teo aloha.

Fa tsy ny rehetra no manao an izay aloha an.

Ka na dago na frantsa ataoko fa ny toetean ny olona dia toetrany foana fa tsy hisy olona hiova tampoka zany eo.

Ny manahirana ny olona koa raha mijanona amin ny fombanao enao tsy te hifandray firy dia toa heverin ny sasany ho miavonavona.

Io moa dia efa tsikerain ny gasy mihitsy e ! Rehega tsy mitakosinkosina mifampiditra antrano aminy dia tsy maintsy hoe ratsy loha miavona enao izay.

Sarotra ilay miaina na izany aza fa dia aleo mijanona amin izay efa fomva mahazatra ihany...
Ny olona tsinona tsy maintsy hitsikera koa tsy voa double ve raha sady hiova toetra tsy mahazatra no ho voatsikera

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: te halala
Date: 29 mai 2017 - 03:30

Misaotra anareo nanoro sy nanazava

indraindray mahatsiaro irery ihany dia miherim-pitia kanefa moa toa ahitana angano indray izy ty , mamaky ny voasoratra rehetra aho dia misy ho sainina tsara , kay zany raha izaho nanao fety ka naka salle dia mety ho noheverindry zareo fa manindry na mihebohebo, nefa dia nataoko tamin'ny fo, hitako eo ny hataoko amin'ny manaraka, na samy gasy aza moa mety tsy hitovy saina sy fijery koa maika fa vazaha?

ny voisin nay misy tsy mamaly na arabaina aza an, misy mifankahiata eny am-pianarana dia vitany mihintsy ny mandingana anao fa ilay olona eo akaikinao no arabainy sy horohany fa ianao tsy jerevany akory , tsy hoe miandry horok aho akory fa mba juste hoe bonjour dia ampy , fa tena nodinganina tsotrizao dia mahagaga ilay olona nefa mba olona ao anatin'ny fanabezana ihany no miasa ilay madama

asa na ahoana no fomba fijerinareo fa hisy fête des voisins izahay volana juin ity fa tsy mazoto mandeha aho, mety ahoana ny réaction dry zareo voisin hoe tsy handeha aho, nefa ilay vadiko tsy mahazo aina rehefa tsy mandeha aho, taloha aho nandeha foana , misy voisin izao vao indroa nandeha ohatra tsy misy manontany na miresaka ka asa izaho raha hisy hikritika na tsia , mety ho faly koa angamba ny sasany hoe tsy ho avy aho,

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: Lohavaky
Date: 29 mai 2017 - 14:12

Aty an-tanin'olona no misy anao ka amboary ny saina f'aza mijabajabaka. Izaho dia tsy mba mivadika atidoha amin'izay ataon'ny olona anay na dia face-à face aza , ny ao an-tsaiko dia hoe , "izaho ngaha moa nangataka tany aminy sa ananany trosa " . Zava-misy mihintsy io fakàna mpianatra io , tonga avy any dia ianao efa tonga aloha eo anoloana , miresaka amin'izay tafaraka eo, tonga ny sasany avy any sady misalovana, mandingana , misongona (satria , ny mampianatra no mamoaka tsi-1-1 ny mpianatra ho an'izay RAR efa tonga eo), dia hoy aho anakam-po tamin'zany hoe , lany henatra tsisy valeur!!! tsy miarahaba ,tsy manao azafady ....marikoriko mihintsy e. Fa mifampijery fotsiny ny rehetra dia efa izay izany .
Fêtes de voisins , inona koa raha tsy atrehana koa izany e!! izahay dia tsy mandany andro amin'izany , eo mody mifanorokoroka eo mifankahita (voatery mantsy) , miaraka mampiakatra vera eo , kanefa ny ampitso , tsy fantatro ianao , inona koa no andehanana amin'izany ??! N

Tena tsorina aminao fa ianao mihintsy no mitady problema ho an'ny tenanao: ianao ihany d'efa mahita mialoha araka ny vinavinanao hoe " asa izaho raha hisy hikritika na tsia , mety ho faly koa angamba ny sasany hoe tsy ho avy aho,", harary fo ianao raha tohizanao ny manao imagination ny ho fihetsiky ny olona amin'izay rehetra ataonao , mila manatona psychologue ianao fa misy tsy mety . Sa ve ianao , efa victime na harcèlement ??? na ilay izy tsy misy fa eritreritrao daholo fotsiny .

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: crizz
Date: 01 juin 2017 - 13:00

Izaho mahita fa raha vao misy hoe "misisika" na "mpisisika", dia Tavaratra, na Mainty ireny, na ny mitovy aminy

saahoana ?

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: pmb
Date: 01 juin 2017 - 17:40

Ka tsy misy vazah maka mpianatra zany koa aloha, rah tsy hoe 1/100 angaha.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: pmb
Date: 01 juin 2017 - 17:47

zah tsy mbola nandeh fête des voisins mihitsy na indray mandeh aza (+ 10 ans).
On s'en fout de ces @#$%& !
Izaho na sendra tafajanona an-trano aza, minia mivoaka aho ny andro tontolo. Ilay principe no tsy tiako fa tsy ny olona akory. Fa mandeha tsara ny fiainana na tsisy an'io aza.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: pmb
Date: 01 juin 2017 - 18:01

On s'en fout de ces c o nn e r i e s !


te-halala,

ary mba ahoana ary ny hevitry ny vadinao amin'izany mamaky ny lohanao rehetra izany ?

Mitovy fijery an'ilay situation nareo sa plutôt cool izy ka mankahery anao ?


Raha ny faminaniako aloha dia toa tsy mitovy aminao izy, dia izay koa angamba no nahatonga anao nitodika tamin'ny forum.

Efa nanoratra tany aloha tany aho teto fa tsy tadidiko ilay pseudo...lol dia nanova no haingana.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: te halala
Date: 04 juin 2017 - 20:19

pmb<<< tena betsaka ny vazaha mpaka mpianatra ka, ny tena mahatonga miasa saina manko dia ny hoe tsy manana nizaniza ny tena ka sao dia ireo voisin ireo no mba hanavoatra , resaka aretina giravy na ohatra izany fa tsy ry zareo akory no hantenaiko hamelona anay na haka ny zanako sns, hitako tsy izay moa ry zareo dia naleoko mipirina be amin'izao ary efa niteny tamin'ny vadiko aho fa tsy handeha ,

ilay vadiko koa rehefa misy fety na havany na voisin na invitation ireny dia ohatra matahoatra manao TSIA izany , tsy mba ireny olona miala ilany fa ny azy dia hoe nasaina tsy manana programa sika dia ENY izay ny valiny

na any amin'ny havany na olonkafa matetika aho tsy te handeha satria misy fomba fanaondry zareo tsy mety amiko dia nefa izy sorena malahelo rehefa tsy mandeha aho, matahoatra sao hanontanian'olona hoe nankaiza ny vadinao, ny hafa nefa rehefa tsy mandeha ohatra tsy misy mpanontany be koa maninona rehefa izaho no hadikadinina be?

resaka iny aloha tsy mitovy fijery izahay mivady , tsy mankahery izany izy ,rehefa any amin'ny havany izy no tena mandreraka satria bosinin'ny havany dia lasa milaza tsy hanontaniana , tena lazainy hoe tsy te handeha aho,


tsy manana saina hanova azy aho aloha , mifankatia tsinona izahay afaka hiafina ihany raha resaka fanasana sy fifadraisana amin'ny mpiramonina , aminay tsy misy olana

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: charissa Luther
Date: 11 février 2018 - 12:13

Salama.
Efa nolavina ve ny fampindramam-bola avy amin'ny orinasa Loan hosoka, Mila vola maimaim-poana ve ianao handoavana ny volanao, Tsy mila antoka ny fampindramam-bola, mitady hitady ventim-bola ve ianao? bola manokana, fampindramam-bola trano, fampindramam-bola, fanofana mpianatra, trosa fanamafisana ny trosa, venture capital, sns. ... dia nanokatra fisokajiana ara-bola ara-bola ho an'ny orinasa sy ny olon-tsotra amin'ny vidiny mahaliana sy ny sandan'ny 2%. raha te haka vola maika ve ianao? Azafady, miangavy anareo amin'ny alàlan'ny mailaka: (charissaluther767@gmail.com) amin'ny WhatsApp 004915214185076 ary mahazo ny saranao androany.

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: jims
Date: 12 février 2018 - 07:38

lava lotra de lasa kamo za ny mamaky azy !!!!

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: za ndray
Date: 12 février 2018 - 21:37

Ny vazaha vavy aty aminay dia miavonavona be amiko satria taratara amiko ny vadin-dry zareo. Sao dia toy io no mahazo anao. Jalousie io matetika

Options: Répondre
Re: toetra aty an-dafy
Par: doujali
Date: 13 février 2018 - 11:34

te halala >>>> Tena tsy miaina amin'ny fiainanao ianao fa mijaly be.

Mpitsikera loatra no mahavoa anao, tia fosafosa, mpijery ny fiainan'ny hafa ka matahotra mafy ny hotsikeraina, matahotra mafy ny ho voafosafosa, matahotra mafy ny hojeren'ny olona ny fiainanao ka miafina.

Tsotra dia tsotra, ianao ihany no manana ny vaha-olana, fadio ny mitsikera olona, fadio ny mifosafosa, fadio ny mijery ny fiainan'ny hafa dia ho hitanao fa hanana hery ianao tsy hiraharaha izay tsikera, tsy hiraharaha izay fosafosan'ny ilona, tsy hirahaha ny vavan'ny olona, tsy hiraharaha ny fijeren'ny hafa.
Fanga ny olona no mamelona anao no hatahotra azy, ny fianakavian'ny vadinao no mamelona anareo no tsy maintsy eo ko ianao rehefa miinviter ry zareo.

Options: Répondre


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg