Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Tsy rariny kosa e!
Làlana eto andrenivohitra
Par: cua tsy alehany
Date: 23 janvier 2018 - 10:54

tena efa mampiteny ny moana mihitsy ilay làlana eto Antananarivo renivohitra, manontany tena mihitsy ianao indraindray hoe mbola eto amin ny renivohitry ny firenena ihany ve no misy ahy amin ity lalana ratsy dia tena ratsy ity sa aiza? fa dia tena inona fotsiny aza no ataon dry zareo ao amin ny kaominin Antananarivo renivohitra ao?

ny vola tsy toko tsy forohana tokony hiditra amin ny kitapom bolan ny kaominina azo hanamboarana tsara ireny lalana simba ireny moa izany dia omena ny Easy Park sy ny Amétis moramora foana indray 

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: solaitra
Date: 23 janvier 2018 - 11:42

cua tsy alehany>>>>

efaka miverina mianatra ianao raha mba te ahatakatra zavatra ,
tsy maharaka afa tsy ny hita maso, tsy mahamenatra akory izany miverina maiantra izany, sosk evitra tsotra ho an ireo rehetra tsy ampy solaitra

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: cua tsy alehany
Date: 23 janvier 2018 - 12:13

ilay ramatoa be iry moa izany rehefa mikabary dia tena tsy izy mihitsy fa dontovel b mankaleo be na ny mihaino ny feony fotsn aza, ilay fiteny mbola tena tsy ao mihitsy, ireny ve na hianatra hikabary sy hianatra asa mandra pahafatiny aza ahavita inona eo, hita eny foana ny maha vendranam belona azy sy ilay vadiny

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Mahay e!!
Date: 23 janvier 2018 - 13:07

solaitra<<< ao atao hoe "tsy nianatra mihitsy" aho fa ianareo no be solaitra, dia valio ary ilay hoe: INONA NO TOKONY HOTAKARINA MOMBA ITY LALAN ANTANANARIVO TENA TSY MISY FANAMBOARANA ITY?. Na t@ andron' ny revolisiona sosialista angamba mbola tsy toy izao ny lanana (t@ izany anefa efa nandeha ny vazivazy hoe andao hiompy gana eo ampovoan'ny arabe!)

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: dgagaenao
Date: 23 janvier 2018 - 13:59

Ka tsy isika teto tana indrindra mo ve no nidradradradra fa tsy azo hanina zany lalana zany e,dia io izy io,ka tsy hitako mitsy zay hiasana saina sy hitabatabana anizany,zay ahazoana ny ampidirina ambava fotsiny atao fa zay iany no ilaina,ankotrizay tsy misy azo hohanina.

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Eedreey
Date: 23 janvier 2018 - 15:18

Mahay e> mandreraka be ve manakatra hoe firy ny fiara sy ny usagers mandalo @ lalana t@ andron'ny dadabe socialiste sy izao??
Lalana namboarin-dRa8 ao anatin'ny 7taona aza @ io mbola kilaometatra mihoatra lavitry ny vitan'ny idole nareo en 30 ans.
Aza tezitra raha ataon'ny olona eto hoe ndana mianatra.

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Mahay e!!
Date: 23 janvier 2018 - 15:42

Ka dia tsy avotra intsony izany Antananarivo satria mitombo andro aman'alina ny isan'ny mponina sy ny fiara? Dia tsy misy azo hatao intsony izany? Ka raha marina (???) ary izany , angaha tsy efa fantatra izany rehefa nilatsaka ho fidiana, ka nampanantena anay Antananarivo "milamina, madio, mandroso"?

Resaka lalana eto Iarivo ity sujet ity, fa aza ovaina! Ny CUA no resaka eto! Ny fahaizan'ilay "ramatoa be io" mitantana ny tanana sy ny tsy fanatanterahany ny promesses électorales-ny no resaka eto! Any @ sujet hafa ianareo efa midradradradra!

Vakio tsara ny sujet! Iza no tsy ampy solaitra? Izao no atao hoe hors-sujet! Firy n'y note azon'izany?

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Eedreeey
Date: 23 janvier 2018 - 16:26

Mahay >fankahalana ny anao no betsaka !!

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: cua tsy alehany
Date: 23 janvier 2018 - 16:50

n aiza n aiza aloha alehanao ny mponina an drenivohitra izany dia tsy maintsy mitombo be foana isan taona, raha izay mbola mponina eto Antananarivo aloha dia tena kely loatra aza raha mihoatra ireo renivohitra hafa rehetra fa vitany madio tsara ny azy ny renivohiny, efa tena mahamanatra loatra ny zava misy eto amintsika ary tena tsy azo afenina intsony, satria ny olona natao hitantana an ilay renivohitra tsy mahay na inona na inona,

tsy vitany ny asa tokony hiandraiketany nefa dia efa maika ery ny nipetraka teo nandray ny toerany, ny hameno ny paosiny fiotsiny no nahamaikamaika azy hipetraka teo, efa zatra ny taloha loatra mantsy, hany ka tsy vitany intsony ny zavatra tokony ataony dia ny hanadio ny tanàna, manamboarana lalana... mitango vola sy ny miady aman olona isan andro izao no tena hainy, ny hofan tsena sy ny hetra alaina amin ny tsena anefa dia miakatra andro aman alina izao, ny tanin ny kaominina eto Antananarivo indray tapitra amidy amin ireo vahiny avokoa aleo aloha hajanona hatreo sao lava loatra ka tsy misy ipetrahan ny Malagasy intsony ny tany sy ireo tsena maro be lasan ny vahiny, tena mahay tokoa moa izany, mahay maka lesona tamin ny nataony teo amin ny fitondrana teo aloha,

ny pesta vokatry ny loto rehetra miparitaka io tsy lazaina intsony fa re hatraiza hatraiza, tena mahamaenatra

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Mahay e!!
Date: 23 janvier 2018 - 16:53

Izay mihitsy ny anareo fanatika itony, ianareo manompo olona iray an-jambany: tsy manaiky fanakiana mihitsy. Constat tsotra no asehon'ilay mpanokatra sujet , dia ny tsy fahampian'ny fahaizany no avalinareo! Izany ve tsy efa fankahalana ny tsy mitovy hevitra aminareo? Ratsy be ny araben'Antananarivo! Tsy voahaja ny promesses électorales! Fankahalana ve ny filazana izany? F'angaha ianareo irery no mahazo manankiana olona?
Rehefa tsy mahatafavoaka asa dia ny manaratsy ny mpanakiana no asetry! Aza adino ,tompoko, fa zon' ny mponina ny mitaky vokatra amin'ny mpitondra. Ny mamanareo no mitondra izao, dia aminy izahay no mitaky; raha olon-kafa no mitondra dia any koa izahay no mitaky!

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: ramah
Date: 23 janvier 2018 - 17:02

mba valio aloha ity ry mahay fa iza no tokony hanaboatra ny lalana eto ANTANANARIVO
, fanjakana ve sa ny CUA

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Mahay e!!
Date: 23 janvier 2018 - 17:10

F'inona aloha ny asan'ny commune? Miara-miasa @ Easypark fotsiny? sa manangana trano eo ambony trottoirs?

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: mapmeee ts
Date: 23 janvier 2018 - 19:01

Mahay e>>>>>>

ka tsy aleo ve fanatika @ olona mahavita zavatra , nahavita godorao hatr@ làlana eny antampon ny horombe, toy izay mpandrangitra sy mpandrombo fotsiny , ny lalana tsy azo hoanina eh, tsena mora eh, demokrasia eh, dia @ izao feno loka ilay lalàna, , efa azonareo hoanina @ izay , dia tokony ho faly fa tsy himenomenona kosa eh, tsy manome tsiny an i solaitra mihitsy aho fa marina ny azy, voalohany aloha dia matanjaka be ny fitondrana tohananareo, asaivo manaramaso ny vola ampidirin ny kominina eh, ny marina dia lany handoavana karaman olona an arivonyy nampidirin ny foza ny vola , tsy hiteny ny trosa tsy voaloa akory za,ary izay nandia fianarana dia mahalala ny andraikitry ny commune,ary ny fitondrana aza dia tokony hanampy ny commune , maro ny antony fa tsy ho fantatra raha baikon ny fnkahalana fotsiny, ny entretien ny routes nationales ohatra dia tsy anjaran ny commune velively, firy nefa no mandalo eto tana? mila mianatra manisa kely an, fa mba milatsaha maire @ manaraka , aretina mikiky , mampijaly ny fankahalàana sy fialonana , aretin ny tsy ampy solaitra

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Mahay e!!
Date: 23 janvier 2018 - 19:57

Tsy mahay afa-tsy mamerimberina hoe" tsy nandia fianarana...fankahalana sy fialonana...tsy ampy solaitra". Tsy i belapin akory aho ka afaka rabirabinareo, hisehonareo ho olona be solaitra sy mampidera fahaizana. Mialona ? Ny olona arriviste, tapohan-toerana na fahefana na harena no mampiasa io voam-bolana io!!

RESAKA TANANA ANTANANARIVO NO SUJET KA AZA HAVILY NY RESAKA. Any @ sujet hafa indray manasa vangy!
Andraikitry ny fanjakana ny manao lalana, aménagement, réaménagement (Oh: lalana Raseta anelanelan'ny gare sy Pochard). Ny entretien an' ny Commune. Ny routes nationales an' ny Travaux Publics. Raha nanakiana ny TP aho izao satria misy simba be ny lalana andraikiny, azoko antoka fa nitehaka ianareo ary nanisy sira aza; fa satria ny CUA no voatonona momba ny lalana IZAY ANDRAIKINY dia romotra ianareo! Iza no mankahala? F'angaha ianareo tsy azo kianina?
Lanin'ireo mpiasa marobe ny volan' ny CUA? Adray! Roahay daholo miaraka @ ireo directeurs maro be! Ka tsy efa nesorina moa ireo tsy azoazo?

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 24 janvier 2018 - 07:19

cua tsy alehany<<<< Ny kely mba fantatray tompoko dia notazonin'ny fanjakana ny vola tokony alefa any CUA hanamboarana lalana, tsy dia olana aminay loatra izany fa ny fantatray dia mila lalana tsara fotsiny izahay fa satria isaky ny mividy lasantsy izahay dia misy vola alohanay hanaovana ny fikojakojana ny lalana.

Angamba tsy hiteny intsony ny CUA tsy alehany rehefa mahita fa ny Mintp no manao ny lalana izao ary io efa hatr@ 2007 fa saingy raha lava fisainan'ny CUA tsy alehany dia 2007-2009 dia vita ara-dalana ny fikojakojana ny lalana na ny MIN TP ary no nanao azy nanomboka 2009 no tsy nandeha @ laoniny ny lalan'Antananarivo satria dia pavé no natsetsinareo izay lalana goaka ary izao indray dia manao entretien matetika ihany ianareo fa ny qualité dia zéro, omeko ohatra iray ise ilay lalana etsy @ tetezana makany Ampahibe izay simba isaky ny 3 volana ary hamboarina isaky ny 3 volana.

Ka asa iza no tsy alehany @ izany, ny lalana fantatro fa mba andron-dra8 izao dia iny St Michel sy Anosy izay naharitra aman-taonany fa ny anareo dia tena mora simba e! sa dia mody manamboatra fotsiny fa ny ampahany betsaka any ampaosy?

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: sabotage
Date: 24 janvier 2018 - 07:40

naveriny ny mpiaro azy indray anie ireto mpivarotra voretra be mifotetaka amin 'ny tany ambadikiny pavillon ery amin 'ny elo e
tsy CUA mihitsy no mametraka azy fa hiara-mahalala hoe iza

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 24 janvier 2018 - 07:52

CUA tsy alehany<<<< Izy ity tsy resaka tsy fitiavana na fanatisme fa mba jerena ilay tena zava-misy marina, mazava be izao fa ny MINTP no manamboatra ny lalana eto Tana ka asa manao ahaona ny qualité an'izany mbola omeko oh maro ianao:
- lalana Analamahitsy-Nanisana impiry amboarina nefa dia simba lava
- Iny lalana Ambatoroka iny
- Ny lalana miakatra Ambohipo tsy misy tatatra na tsetsina ny tatatra ny antony maha simba azy nefa dia tsy mitady hevitra hanatsarana ny fivohan'ny rano aloha fa dia ny hanapotapona fotsiny tsy mahagaga raha tsy misy 1 volana dia miverina simba indray ilay lalana.

Ka asa iza marina no TSY ALEHANY ETO

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: dgagaenao
Date: 24 janvier 2018 - 08:40

AVERIKO NDRAY FA TSY AZO HOHANINA OA NY LALANA ARAKA NY TAIMBAVA T@ZANY FOTOANA,KA MAHATANTESA NY VOKANY FEFA AZO HOHANINA IZY ZAO NA IZA NO TOKONY ANAMBOTRA AZY NA IZA.

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: cua tsy alehany
Date: 24 janvier 2018 - 08:46

sady maharikoriko no mahamaenatra sisa ilay tananan Antananarivo noho ireo loto mivangongo etsy sy eroa sns, indrisy! sendra ny ben ny tanana tsy mahay mitantana

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 24 janvier 2018 - 08:52

CUA TSY ALEHANY<<<< mampiomehy ahy ise, ny fako tompoko dia ny SAMVA eo ambany fitatanan'ny Ministera ny rano no miandraikitra azy, mitovy hevitra aminao aho @ fahitana fa tsy mandroso Antananariva fa saingy tsy tokony alefa @ tananan'Antananarivo irery ny tsiny fa "responsabilité partagée" io hoy ny vazaha izay.

Aza dia "fanatique" @ ny tsy fitiavana olona iray fa ahirato ny maso.

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: cua tsy alehany
Date: 24 janvier 2018 - 08:55

gasybabakoto >> izay ilay fanilihana andraikitra any amin ny hafa foana, ny fanadiovana ny tanàna rehetra koa izany dia andraso ny SAMVA sy ny olom pirenena tsirairay rehetra eo

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 24 janvier 2018 - 09:01

Ise ve tsy dia mahazo resaka loatra e! ny fanalana fako eny @ damban-jordira sy ny fanadiovana tatatra dia an'NY SAMVA ny famafana ny lalana no any CUA.

Ka inona no tsy maha "responsabilité partagée" an'izany, ny an'ise no tena fanilihana andraikitra efa hita izao fa an'ny MINTP ny resaka fanamboarana lalana eto Tana nefa dia lazaina fa ny CUA tsy alehany.

Oh somary "fanatique" loatra ise ka tsy dia mihiratra ny maso

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: hadj
Date: 24 janvier 2018 - 09:08

iza no mitantana ny FER???

tsy misy msy manala ny fako @ bac dia ny CUA no mahazo;loza....aza dia mihinana amam-bolony.....mety tsy dia solaitra koa no tsy ampy fa stylo

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: cua tsy alehany
Date: 24 janvier 2018 - 09:10

fa ny andraikitry ny kaominina izany dia mitango vola miraka amin ny Easy Park, sy ny Amétis fotsiny, ny mpiasa ao amin ny Easy Park aza moa mbola ny mpiasa ao amin ny Kaominina no ampiasainy


gasybabakoto >> Oh somary "fanatique" loatra ise ka tsy dia mihiratra ny maso

ianaomihitsy no jamba tsy mahita an ireo loto etsy sy eroa mameno ny tanàna
sady mbola marenina koa ankoatr izay, tsy mba mahay mihaino ny torohevitra sy fanakihanana ataon ny mpanolon tsaina ny ben ny Tanana tahaka an dry Lalatiana Ravololomanana miasa ao aminareo ao ihany. ny vahoaka moa dia tena efa leo

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 24 janvier 2018 - 09:18

CUA tsy alehany<<<<<Izaho tsy milaza hoe tsy manana andraikitra @ izao fahasimban'Antananarivo izao ny CUA fa anisan'ny tompo'andraikitra izy fa saingy tsy izy irery kosa.


Ireny nitady hevitra hanadiovana ny mpivarotra teny Analakely ny CUA indrisy ny mpitondra mihitsy no niaro ny mpivarotra @ alalan'ny miaramila.

Tsy jamba aho fa dia mitovy aminao mahita ny loto eto ary dia indro averiko aminao ny nosoratako io ambony io : "Ise ve tsy dia mahazo resaka loatra e! ny fanalana fako eny @ damban-jordira sy ny fanadiovana tatatra dia an'NY SAMVA ny famafana ny lalana no any CUA."

ka tsy an'ny CUA irery tompoko ny tsiny fa eo dia eo koa ny mpitondra ary ny vahoaka koa dia manana andraikitra @ izany raha tsy hiresaka afatsy ny fanariana fako @ toerana tsy natokana @ izany na ny fipipizana etsy sy eroa;

Ary ny hilazako fa fanatique @ tsy fitiavan'ise dia resaka lalana no nihatombohan'ity resaka ity no ezahana nazavaina t@ ise fa tsy ny CUA no tsy alehany @ resaka lalana eto fa ny MINTP dia navadik'ise resaka fako sy loto indray

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Eisssy e
Date: 24 janvier 2018 - 10:13

Na hanazava @ antsipiriany eo aza ianareo rehetra dia efa mitakosona mainty be feno haine ny cua sy ny anarana hoe Ra8 io olona mamaly anareo io hatrany anaty fo sy sainy

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Eisssy e
Date: 24 janvier 2018 - 10:35

antitra be tsy mahay mitantana mbola midongy hitantana firenena ihany, aiza no tsy hivarina an kady ilay firenena, ny zafikely atao tsara taiza sy ampianaro solaitra tsara fa aza dia milingilingy amin ny zavatra tsy hay lasa ny vahoaka indray no mizaka ny vokany, mahita ny tsy fahitany sy mihinana ny tsy fihinany

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: cua tsy alehany
Date: 24 janvier 2018 - 13:45

azon i gasybabakoto jerena tsara ity lahateny nataon ny filoham pirenena hajaina Rajaonarimampianina vao haingana ity raha mbola misy tsy azo ny kajikajy politika hakana ny fitondrana ny firenena indray
= = = = = = = = = = = = = = = =


SERASERA FAHA-38 NATAON'NY FILOHAM-PIRENENA HERY RAJAONARIMAMPIANINA -
MOMBA NY RENIVOHITRA

RENIVOHITR'I MADAGASIKARA ANTANANARIVO KA RARINY RAHA OMENA NY LANJA SAHAZA AZY

Raisiko ho fifaliana hatrany ny fihaonantsika eto amin’ny fotoambita. Miarahaba ny vahoaka malagasy rehetra ny tenako ary miarahaba manokana ny mponina eto Antananarivo satria hifantoka amin’ny renivohitr’i Madagasikara ny dinidinika izay entiko anio. Akaiky ahy mihintsy Antananarivo satria renivohitr’i Madagasikara ka rariny raha omena ny lanja sahaza azy izany. Teto koa moa no niainako, teto no niasako an-taonany maro, ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena dia betsaka amin’izy ireo no atao eto Antananarivo. Misy ny vita ary hotohizana ihany koa.

KAJIKAJY POLITIKA NO TANY AN-TSAIN'IREO BEN'NY TANANA NIFANDIMBY
Mampalahelo fa kajikajy politika hanonganana sy handrobahana fahefaha no tany an-tsain’ireo mpitantana ka tsy nipaka any amin’ny mponina ny asa fampandrosoana.
Adinon’ireo ben’ny tanana nifandimby indraindray ny andraikitra lehibe eo an-tsorony ary dia izao no vokany, tsy misy ny tena vina maharitra.

MIKOROSOFAHANA NY TANANA SY NY FIAINAN'NY MPONINA
Sempotra ny tanàna, mitohana ny fiarakodia, ratsy ny làlana, tsy zarizary ny fitanterana, mikorontana ihany koa ny tsena. Tsy ampy ny...

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 24 janvier 2018 - 14:05

CUA tsy alehany<<<<Ary aza hajanona @ ny kabary fotsiny fa tanteraho @ asa, mba lazao anay hoe efa nomen'ny fanjakana faobe ve ny subvention tokony omena ny commune andrenivohitra, raha tsy diso aho t@ ireny peste namaivay ireny no nangatahan'ny ben'ny tananan'Antanarivo an'io tao @ Carlton ka asa na efa naomen'ny fanjakana.

Tsy mandiso an'ireto voalazanao ireto aho fa tena marina fa saingy noho ny kajikajy politika ny mpitondra dia izao no vokany

-mitohana ny fiarakodia, ratsy ny làlana: vokatry ny aratsian'ny lalana no mahatonga an'io, ny vola natokana ho fanamboaran-dalana dia any @ FER ary dia alefany any @ TP, noho izany TP tompon'andraikitra 100%

-tsy zarizary ny fitanterana: nanome soson-kevitra mikasika ny hanatsarana fitaterana momba ny visite technique ny CUA, ny fitondra-panjakana t@ famatsiam-bola an'i Clémence RTA no nisakana izany, hatr@ izao tsy tanteraka ilay fanatsarana,

- mikorontana ihany koa ny tsena: no enjkahana ny mpivarotra amoron-dalana indrisy, fa dia ny miaramila-panjakana mihitsy no nidina antsehatra niaro ny mpivarotra.


ASA IZA NO TENA TSY ALEHANY AMINIZAO. Ireo zavatra notanisaina rehetra ireo dia zava-misy fa tsy hoe noforonina

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: sabotage
Date: 24 janvier 2018 - 15:00

gasybabakoto >
efa maro no vita fa tsy hitan ny masonao


soa aloha fa mba nisy an ireny projet presidentiel ireny mba nanao ny làlana sasany teto an drenivohitra fa raha tsy izany angamba dia tahaka ny lalana falehan ny sarety ny làlana sasany teto Antananarivo, raha tsy hilaza hafa tsy ny làlana eny Ankadimbahoaka iny aho, tena vita tsara tokoa ilay làlana saingy fikojakojana azy taty aoriana no tsy nisy hany ka efa manomboka simba sahady izao, ny mahagaga aza dia toa misy manao sabotage mitrongy mihitsy ireny lalana natao tamin ny projet presidentiel ireny. efa fomba fanaon ny kaominina satria ny zava bitan i Rajoelina aza moa na efa hita tena tsara izao aza dia ravaina ary apetraka fotsiny eo, kajikajy politika hakana ny fitondrana daholo ireny fomba ratsy maro be ireny, ny vahoaka tsy voafitak ireny fomba ratsy ireny, izy ireo o hitsara izay tena tsy alehany amin ny fifidianana ary dia hiarahantsika mahita eo amin ny fifidianana ny fitsaram bahoana, tsy i Babakoto irery akory no atao hoe vahoaka Malagasy eto

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 24 janvier 2018 - 15:04

sabotage<<< Izaho koa rise dia miandry mafy io fifidianana io hitsaran'ny vahoaka an'ireo mpanao politika ireo efa hita teo izao ny fomba fitondrany fa anajaran'ny vahaoka no mitsara fa ny mba angatahiko fotsiny dia avelao daholo hilatsaka izay te hilatsaka e! dia aza sakatsakanana ny hafa.

Ary marina ny anao fa tsy izaho babakoto irery no malagasy fa mbola betsaka ka avelao izireo no hisafidy malalaka

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Antananarivo madio
Date: 24 janvier 2018 - 15:28

izao fotsiny ry Babakoto a: Antananarivo madio no fantatray na iza na iza mitondra eo, ka rehefa tsy mahita an io ny vahoaka dia tsy maintsy miteny na nianatra izy na tsy nianatra, ny fanamboarana ny làlana dia tsy ny FER irery ihany ny tokony hikojakoja azy ireny

variana amin ny kajikajy maro isan karazany tokoa ny sasany ka tsy mahalala ny andraikitra tokony hataony intsony, atao orin asam pianakaviana indray izany ve ny fitantanana ny kaominin Antananarivo hitadiavam bola hanaovana fifidianana amin ny 2018?

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 24 janvier 2018 - 15:45

Antananarivo madio<<< araky ny voalazan'ny ministra reo dia tany tan-dalana i M:kara ka tokony ho arahiny izany, rehefa tsy alefanareo any @ CUA ny vola avy @ FER hanamboaran-dalana f alefany any @ TP dia andraikitry ny TP izany no manao azy, toy izany koa ny fako.

Sao ianareo no manao kaikajy politika hanapoteha an'Antananarivo noho ny politika ka ny andraikitra tokony ataonareo tsy vitanareo na fananina tsy vitaina afahana manasoketa ny hafa?

Resabe ny antsika eto fa tsotra fotsiny aleo ny vahaoka no hitsara @ alalan'ny fifidianana raha mahatsapanareo fa nahavita izay adidy tokony natao t@ vahoaka dia aza matahotra minoa fotsiny ihany fa dia mbola handrotsaka bulletin manga izireo.

Ny fijerinay azy mpitazana aloha dia matahotra mafy io fifidianana io ianareo ka atao daholo izay fanakatsakanana rehetra izao.

Miresaka vola hanaovana fifidianan 2018 ise fa ny malaza aloha izao dia ny 70 000 sa 100 000 euro, ireny angamba no hita porofo fa dia risoriso mety hanaovana fifidianana ny ambiny mbola hono hono jiaby.

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Antananarivo madio
Date: 24 janvier 2018 - 15:56

rehefa tsy vitanarep ny fanadiovana ny tan0na dia miala fotsiny teo sa miandry hosorohan ny vahoaka amin ny inona eo vao hiala teo?

tsy mbola nahita tanàna voretra be tahaka ity ny vahoaka hatram izay Antananarivo an Antananarivo izay ela ihany izay,

tena maharikoriko sady mahamenatra tokoa

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 24 janvier 2018 - 16:07

Fanala fako sy fanadiovana tatatra SAMVA eo amban'ny fiahian'ny MEEH aleo alavaina sao tsy hain'ise Ministére de l'Eau, de l’énergie et de l'Hydrocarbure. Ny fanadiovana ny arabe noho an'ny CUA. Ka tsotra be samy tompin'andraikitra dia aleo ny vahoaka ho ahy no hitsara.

Raha miala ny Ministrin'ny fitsarana dia izaho mihitsy ny maporisika ny Maire hametra-pialana.

Ary raha ny tsy fahavitan-javatra no resahina eto dia i Rajao no tokony nametra-pialana voalohany fa angamba raha nisy fitondrana tsy namely indrindra dia raha tsy voalohany ity dia faharoa, mifanaraha nareo sy anr hoe iza no tena tsy mamely.

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Vokatry ny coup d'état
Date: 24 janvier 2018 - 16:19

Mampatsiahy ahy an'ilay rangahy anisany raha tsy hoe voalohany nanapotika ny firenena, ary maivana aza ny hoe nanapotika fa tena nandravarava ary nanao izay tsy hivoaran’ny Malagasy hafa noho izy mianakavy, mihitsy ity miseho ho mahay sy tian'Antananarivo ity!!!dia ry ratsiraka mianakavy

Raha tsy olona toy izany ve ahavita hikotrika fanapotehina renivohitra toy izao miaraka @tgv :


- Casser les grands magasins .

- Laisser ensuite les voyous et la population des bas quartiers à entrer librement et piller ces centres commerciaux, grands magasins et ces stations Radio et Télévision.

Ireo namotika ny renivohitra ireo asaina manarina azy e!!nanakarama gros bras mihitsy ireo hanapotika ny tanana

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: dgagaenao
Date: 25 janvier 2018 - 09:04

Fa ina ny tena blem be e,ny tanàna tsy voadio sy lalana simba ve?tsotra be zany e,ny cua natao anadio moa ry fanjakana no natao amboatra,ka tsitako zay hidiran'ny hoe mialà teo sns,sa efa misy olona vonona ao anamboatra sy hanadio zao dieny zao?
Ny vidimbary miakatra,ny asa tsy misy,ny tsy fandriampahalemana tsy lazaina intsony,ny trosa babena ihany,tsy masah miteny hoe mialà iza??? refa tsy mahavita,ka lalana tsy azo hanina eran'ny tanàna no hitabatabana lava eo,ZAO NDRINDRA VAO TENA TOKONY ANAO ANTSO AVO FA TSY ILAINA NY LALANA FA TSY AZO HANINA,TONGA @TANJONA IRINA ZAO KA AKORY TAO FA ZAKAO.

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Eisssy e
Date: 25 janvier 2018 - 20:58

D gaga enao> tsy manana programme afa tsy ny mamotika, mandrava,sy ny hoe miala anie ireny milaza hoe tsy azo ho anina ny lalana ireny e!!
Ny blem an'Ireny dia haine personnelle, rancune, mamotika izay miseho mahavita dia hatreo ihany

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: mahatsiravina
Date: 26 janvier 2018 - 14:37

efa hita mivandravandra be zao fa dia tena tsy alehany tokoa ilay cua amin ny zava misy hitan ny maso, izay dinganina rehetra fofona maloto sy fako tsy azo iainana

tsy mila bacc + 10, na tantsaha mpivarotra ronono an tavy, na raneny tsy mahay kabary rehetra io, na expert, sns... akory vao hahita an izany vay an kandrina izany

voretra, maharikoriko, mahatsiravina tsy hitako intsony zay hilazana azy, zay sisa no ahatsiarovana an ilay tananan Antananarivo ankehitriny noho ny tsy fahaizan ilay ben ny tànana mitantana

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 26 janvier 2018 - 16:35

Nahitako an'Antananarivo farany madio izany dia talohan'ny 2007, vao napetraka teto ny gaboraraka dia izao no hiafarany.£

Tsy CUA irery no tompon'andraikitra fa ny fanjakana koa @ alalan'ny fanohanana ny mpivarotra amoron-dalana izay fototry ny loto sy SAMVA izay tsy mahavita ny andraikiny @ fanalana fako sy fanadiovana tatatra ary indrindra fa isika vahaoka izay efa lasa manana toe-tsaina baranahiny

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: cua tsy alehany
Date: 26 janvier 2018 - 17:08

averina foana ny hoe: SAMVA, MINTP ...
ny lalam pirenena no andraikitry ny Ministera ny manamboatra izany, ny làlana eto an drenivohitra kosa dia ny kaominina no tompon andraikitra voalohany indrindra amin izy ireny

raha ny vola miditra amin ny kaominina indray dia tena misy tokoa fa ny handaniana azy no tsy misy (...), raha tsy hilaza afa tsy ny hofan tsena sy ny vola tangosana amin ireo mpitatira fotsiny aza, na ireo mpivarotra anana kely eny amoron dalana aza dia tangosana vola isan andro, isa maraina.

na izany aza dia tsy ny "moyens" hanatanterahana ny asa no andrasan ny vahoaka aminareo mpitantana ny tanàna eto Antananarivo ireo fa ny "resultat" madio ny tanàna, izay ihany!

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: mahamenatra
Date: 26 janvier 2018 - 18:59

misy mihevitra ny mponin 'Antanarivo kely loha mihintsy eto izany

>Cua tsy alehany : dia ataovy re o, tsy Tana ihany fa Madagasikara manontolo mihintsy no mila fanadiovana, ara-tsaina aloha volohany.

Mba ahoana re ny any antranon'ireto mpitondra, ny any andakoziany??? matoa mahatanty mitondra firenena maloto tahaka izao ?

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Sabotage politique
Date: 26 janvier 2018 - 19:27

Ka inona anefa moa ny tena tsy ahavitana ny fanadiovana fa tsy ny calcul politique sy ny fanenjehan'ny mpitondra ny cua e!!! Izay ny marina

Tsy resaka fokontany iray ny fanadiovana grande ville fa Mila moyens

Jereo fotsiny ny henjika sy sabotage isan'andro atao @ izay rehetra ataon-dRa8 (resaka groupe e, orinasa akatona e, sns)

Esory aloha ry zareo ny Esprit de revanche dans le coeur et l’esprit anareo dia mety hisokatra tsara ny masonareo

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: RAGLOU
Date: 26 janvier 2018 - 20:17

Miharahaba!
Faly manenjika an'i Lalao R8 ny ekipan-dry TGV eto!Tsy misy ady hevitra madio.

Inona anefa no tena zava misy?Tsotra kely:ny tena tanjaky R8 dia ny fanampian'ny avy any ivelany(na materiels na vola),Ny zava miseho anefa dia tsy hafaka mandray ireo fanampiana ireo mihintsy izy fa sakanan'ny fanjakana(tsy maintsy mandalo ao @ministere de l'interieur,decentralisation),dia bloquéna daholo.

Tsy tokony ho faly @izany ny ekipan'ny Andry Rajoelina fa na ny commune tatanan-dry zareo aza voan'izany ihany koa(Tamatave etc...Majunga moa efa nivadika HVM ny Maire dia mba....)

Faly ery ny devoly mpitondra HVM hoe tsy mahavita zavatra ny commune nefa tsy misy afa tsy sabotage,etc...no ataondry zareo.Izany decentralisation izany moa dia nofinofy sisa.

Fehiny:tsy misy mihintsy ilay Honneteté intellectuelle ny mpanao politika gasy,
Efa ho voahozona ho ratsy saina na ministre,na president,na Prefet,na chef district,fetifetsy,Malhonnete,tsy hitako intsony no hilazana azy:

C Mesquin,petit!

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: dupont
Date: 27 janvier 2018 - 06:48

oui petit et mesquin
tsy atao hitondra firenena
Efa heno daholo ireny fanakanana rehetra mahazo ny CUA
dia izao ny vokany, iza no responsable?

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: ela nitoratorahana
Date: 28 janvier 2018 - 07:41

...Maika nandray fanjakana ialy iraika lahy taloha
(Faharoa)
Terena hilanja loha kisoa ny taxi an Antananarivo
tsy nisy nihaino ilay sioka tokana
ka mikoroso fahana ny renivohitra
hiloloha kisoa tsika rehetra raha lany eo Razokiny Be...

Tandremo rey olona,
raha izao no mitohy lafo hatr@ zaza, anabavy, reny, vady
Ambeno hatramin ny mahalehilahy e!

Toby telo, zandary vitsy sisa no miaro ny mpanjaka
Ankadilalana GSIS, fort duchesne, prefet de police


Sareraka
https://www.youtube.com/watch?v=MfPILH7-ixA

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: gasybabakoto
Date: 29 janvier 2018 - 15:32

ankoatra ny resaka fanakanana ataon ny fitondrana foibe amin ny alalan ny ; SAMVA, FER, MTP...ny kaominina dia ny vahoaka malagasy rehetra eto Antananarivo mihitsy no kamo sy voretra velona, kamo tsy miasa fa mijorojoro sy mitaingi tamboho fotsiny no anton asa atao manomboka ny maraina hatramin ny hariva ny andro, andrasany ho i Lalao Ravalomanana koa angamba no hanasa ny vilaniny sy hamafa ny tokotanin izy ireo, ny tikoho lazaina dia miainga amin ny olom pirenena tsirairay ny fanadiovana ny renivohitra fa tsy andrasana ny fitondrana fotsiny

Options: Répondre
Re: Làlana eto andrenivohitra
Par: Ex-foza
Date: 10 février 2018 - 17:18

Asan'ny ministeran'ny travaux publics ny fanamboarana lalana na eto antananarivo sy eran madagasikara. Ary ny ministera no manana budget bb kokoa noho ny an commune. Simba ny lalanasy tetezana maro eraky madagasikara. Aiza ny ministera? Manao inona?

Options: Répondre


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg