Actualités et Médias
Mihorohoro ny Tany sy ny ao @ny! Par:
Mpihindrana
Date: 12 janvier 2017 - 13:33 Hitako tany @ FB ary nindramiko, somary lava fa tena marina avoko zay lazainy! Mafy sy naharitra tokoa iny horohorontany tamin'ny 1ora sy 10 mn maraina teo iny. Marobe ireo Malagasy lasa narary fo tampoka tao ampandriana sy velompanontaniana. Fa inona daholo ity loza mahazo an'i Madagasikara ity? Arabakiteny dia "mihorohoro" ny tany eto Madagasikara, tsy ny vahoaka Malagasy sy ny biby sy ala ihany akory no mihorohoro fa ny tany eto Madagasikara koa. Atoa Filoha Rajaonarimampianina ô! , mihorohoro ny vahoaka isaiky ny mahita ireto sinoa mitilitily tany hovidiana na hotrandrahana ny harena ankibon'ny tany ao aminy; mihorohoro ny ala isaiky ny mahita ireo mpitevy bolabola sy andramena haondrana any Azia; mihorohoro ireo Malagasy nanajary ampolotaona maro ny tany sy efa nanorina fasandrazana eo mahita ireto Karàna milaza ho tompon'ny tany sy nahazo taratasy arampanjakana avy amin'ny sampandraharahan'ny fananantany otronin'ny foloalindahy mitambasy; mihorohoro ny trondron'Ikopa sy ny renirano maro ary ny tantsaha noho ny fihenan'ny rotsak'orana; mihorohoro ny reninjaza any ambanivolo rehetra any satria arian'ny sinoa amin'ny renirano hampiasain'ny vahoaka ny mercure avy nitrandrahana volamena ka mety hiteraka homamiadana; mihorohoro ny tompon'omby noho ny afitsoky ny dahalo izay mangalatra omby hanomezana fahafahampo ny tsena aziatika; mihorohoro ny ala arovana noho ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany; mihorohoro ny tanora malagasy maro noho ny tsy fahitana asa sy ny risoriso amin'ny fanadinampanjakàna; mihorohoro ny Malagasy maro noho ny hanoanana ; mihorohoro ny sokatra sy tanalahy sy bibindrano maro raha mahita ireo sinoa manondrana antsokosoko azy ireny any chine; mihorohoro ireo mijoro ho Malagasy manoloana ny fandorana sy fangalarana ny vakoka malagasy toa ny rova sy lapa sy satroboninahitra izay mbola "mitohy ny famotorana" ; Mihorohoro ny Malagasy tsy vakivolo raha mahita ireto sidina abakabaka tsy miato mitatitra ireto vahiny mirebareba akanjo mainty avy any Turkia sy ny forongony; mihorohoro ny tokantrano isambaravarana raha isaiky ny delestazy satria potika ny fihariana no manararaotra ao anaty aizina ny mpanao ratsy ary ireo lasanko-razana aza dia mihorohoro noho ny halatra taolampaty izay tsy mbola nisy ati-doha mikotrika izany mba voaenjiky ny fanjakàna ankehitrio. Mihorohoro i Madagasikara. Mihorohoro i Madagasikara satria voaotafady noho ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany ataon'ny vahiny izay manapotika ny tontolo iainana, noho ny fanapotehana ireo ala sarobidy izay aondrana any azia; noho ny firoboroboan'ny tsy fahamarinana ary noho ny fivarotana ny tanindrazana amin'ny vahiny. Manamafy izahay fa tena loza sy ozona hoan'ny Madagasikara ny famelàna ny vahiny hahazo tany eto Madagasikara sy hitrandraka ny harena ankibon'ny tany eto amintsika satria foin'i Andriamanitra Andriananahary hoantsika Malagasy iity nosindrazantsika ity mba hiadanan'ny Malagasy fa tsy hataon'ny vahiny sy ny Malagasy mpiray petsapetsa aminy tantely afadrakotra akory. Re: Mihorohoro ny Tany sy ny ao @ny! Par:
rahorohoro
Date: 12 janvier 2017 - 14:24 Tena nihorohoro tanteraka ny tenako tamin'ireto karazana fampihorohoroana notanisainao ireo ary marina daholo io an ny mpamosavy sis no tsy nihorohoro teto Re: Mihorohoro ny Tany sy ny ao @ny! Par:
pimasyadala
Date: 12 janvier 2017 - 14:51 Mivoaka ny trano matahotra bois rond sady main'andro mamay be, hijanona an-trano sao zeran'ny trano @ seisme, ho eny amoron-drano nef Ikopa aza ritra tsis orana, ho any @ cyber tsis courant, ho any @ resto, vary plastika, makany @ be olona voahendaka, makany @ tsis olona voaholana... aiza ny met? Re: Mihorohoro ny Tany sy ny ao @ny! Par:
Mpihindrana
Date: 12 janvier 2017 - 16:01 Mampihorohoro avokoa ny zvtr rehetra ankehitriny! Re: Mihorohoro ny Tany sy ny ao @ny! Par:
ZanaJanahary
Date: 12 janvier 2017 - 19:25 Omeo ny sinoa ihany ny tanindrazan'ny gasy fa volcan indray no hipôka s'y handoro anareo eo |
|
Modération du Forum | Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.
Sont proscrits les propos : • relevant de la diffamation et de l’injure, • de nature pornographique, • invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux, • incitant aux crimes et délits, • incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales, • faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.
Règles de base : • Respectez l’organisation des thèmes proposés. • Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions. • Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation. • N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur. • Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services. • Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...
Responsabilité des auteurs des messages : Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.
TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi.
Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg
Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.
|
|