Bienvenue dans le Forum de Moov.mg.

Ce forum est un lieu convivial d'échange.
Avant de commencer à utiliser le Forum de Moov, vous devez prendre connaissance et accepter les présentes Conditions d'Utilisation du Forum

Responsabilités :
Moov n'est pas responsable du contenu des forums (les messages). Nous ne garantissons ni l'exactitude, ni la véracité, ni la valeur officielle d'aucun message.
Les messages sont la propriété de leurs auteurs. Ils expriment une opinion de leurs auteurs, pas nécessairement celle de Moov.

Tous messages contrevenant aux règles d'utilisation du site, à la loi, ou à tout autre code de conduite, n'engage que la responsabilité de leurs auteurs.

N'importe quel utilisateur qui estime qu'un message envoyé est répréhensible est encouragé à nous contacter immédiatement par email.

Autres règles à respecter :
- Les propos tenus sur ce forum sont l'expression de la pensée de leurs auteurs respectifs. Le site Moov ne peut être tenu pour responsable et ne peut garantir l'exactitude des propos présentés par des utilisateurs.
- Les propos injurieux, racistes, xénophobes, antisémites, haineux et tout autre intolérance ou discrimination sont interdits sur ce forum.
- En toutes circonstances, restez courtois, et faites preuve de bienséance et de politesse envers les autres utilisateurs du forum.
- Pas de style SMS, pas de texte trop voyant
- N'écrivez pas TOUT EN MAJUSCULES, votre message paraîtra agressif, et on aura moins envie de répondre à votre message avec gentillesse.
- Ne publiez votre message que dans une seule rubrique. Ne postez pas plusieurs fois le même message.
- Ne vous inscrivez pas plusieurs fois ou n'utilisez pas plusieurs pseudos.
- Interdiction de reprendre des messages publiés par d'autres utilisateurs sur le forum pour les publier sur d'autres forums ou d'autres supports.
- Ne pas mettre ses coordonnées dans le message (adresse mail, n° téléphone, adresse postale...)
- Ne pas utiliser une adresse mail en tant que pseudo
- Ne pas publier de messages à caractères publicitaires

- Le modérateur est susceptible de supprimer ou modifier toute contribution qui ne serait pas en relation avec le thème de discussion abordé, la ligne éditoriale du site, ou qui serait contraire à la loi. Il n'est pas tenu de se justifier.

- Le modérateur se réserve le droit de modifier le titre d'une discussion pour des raisons de lisibilité.

- Dans le cas d'une faute grave, des sanctions pourront être prises à l'encontre de l'utilisateur, pouvant conduire par exemple à une exclusion momentanée ou définitive du forum, sans préjuger d'éventuelles poursuites judiciaires.

- Les utilisateurs du forum s'engagent à respecter cette charte. Cette charte pourra être modifiée ultérieurement si l'administrateur du site le juge utile.

- Moov ne véhicule aucune opinion, ne possède ni n'exprime aucune vue politique ou religieuse.

Le Modérateur

STRICTEMENT INTERDIT AUX MINEURS
VOUS DEVEZ ETRE MAJEUR DANS VOTRE PAYS POUR CONSULTER CETTE PARTIE DU SITE

 
Cette partie du site est réservée à un public majeur et averti. Elle contient des textes qui peuvent être choquantes pour certaines sensibilités.
Je certifie sur l'honneur :

 

• être majeur selon la loi en vigueur dans mon pays.
• que les lois de mon état ou mon pays m'autorisent à accéder à ce site
• je déclare n'être choqué par aucun type de sexualité et m'interdit de poursuivre la société éditrice de toute action judiciaire.

Je m'engage sur l'honneur à :

 

• ne pas faire état de l'existence de ce serveur et à ne pas en diffuser le contenu à des mineurs.
• utiliser tous les moyens permettant d'empêcher l'accès de ce serveur à tout mineur.
• assumer ma responsabilité, si un mineur accède à ce serveur à cause de négligences de ma part :
                - absence de protection de l'ordinateur personnel,
                - absence de logiciel de censure,
 • assumer ma responsabilité si une ou plusieurs de mes présentes déclarations sont inexactes.

étant majeur, en cliquant sur accepter, vous vous engagez à respecter ces conditions

logo Moov
           Nocomment
Fitiavana
ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: madio
Date: 02 juillet 2017 - 20:30

Miarahaba harivariva e.
Araka ilay sujet dia mba zarao hoe inona ny zavatra nankarary fo indrindra efa niainanao hoe?
zah ohatra, niaraka tamin'zay bandy zay, tena tiako izy satria matotra, hendry, kay izy ty efa hanambady d herinandro vitsy talohan'mariaziny aho nifirany maina be, amin'io tsy izy akory no nahalalako hoe hanambady izy. fa tena tampoka loatra ka tena narary an. sady izy olona ita matetika satria ray tanàna tamzany fa avy eo zareo nifindra monina. nifanena izahay tam erintaona fa mbola somary teztra ny tena na d tantara efa tany am efataona tany aza izany.
fa hiomehezana sisa amzao fa d tena narary mihitsy aloha ny fo tamzany e.

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: bonaika
Date: 02 juillet 2017 - 22:07

16 ans au total niarahana ( sipa + mariage ), tratrako nampirafy tamin'ny lehilahy hafa ny vadiko. Narary, tena narary satria za tsy nanao an' izay fa nanaja azy :D

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: ndriii
Date: 19 septembre 2017 - 10:39

be dia be tsy hita ho tanisaina. Tsy hita akory ny anombohana azy! aleo hiverenana ehefa misy ny aingampanahy hitantara .

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Njoun.
Date: 19 septembre 2017 - 11:04

gratte fache Vehivavy tsy vanouna fache suicide

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: sexeman
Date: 20 septembre 2017 - 08:46

Ny ahy indray dia ilay sipako mihitsy no tonga nangataka fisarahana tamiko. Ny tena namparary ny foko moa ilay bande akama mpiara misotro aminay no naka azy. Narary aho tamin'izany fa nahatsara azy nanana sipa hafa aho ka nanalefaka ilay izy.

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: sipa voadona
Date: 20 septembre 2017 - 15:21

Nanao sipa voalohany, lasan'ny meilleure amie
Nanao sipa faharoa lasan'ny cousine

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: vetalah
Date: 20 septembre 2017 - 20:29

Sipa voadona
Ntsooooooo aza manary toky retsy a ,mbola eto aho ka omeo indice fotsiny dia mihaoana isika .
Hataontska levona daholo izay manadala an dry .

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Ialy
Date: 20 septembre 2017 - 20:53

Mbola tao anaty ny ftiavana azy tateraka aho no nangataka fisarahana izy fa tsy Méry intsony hono ny iarahanay ny Antony tsy de mazava, aveo tsita tsony izy na ny telefona aza tsy bandé intsony.

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: trandraka
Date: 21 septembre 2017 - 10:00

laly,

Kay..... Henjana be izany nahazo anao izany.... Fa dia naninona tampoka teo hono lery??

Tsy ianao ihany ve ilay nanoratra atsy amin'ny sujet ambadika atsy miresaka "tsatoka"?

Tena tsatok'antsy kosa zany ehhhhhhhhh.....

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: leityé
Date: 21 septembre 2017 - 14:25

Njoun<<< mba tantarao le vehivavy tsy vanouna oe

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Sahala
Date: 04 octobre 2017 - 20:03

Vehivavi zah no manoratra, efa mikorontana teo am 3 volana teo angamba ni tokatranonai, nandeh nanao formation tani Tana zah no mahare antso avi am zandrinai izao niandri trano fa nonotanterin vadiko tao daholo ni entana tsara rehetr, amboari ni fo hoi ni zandrinai fa foana ni trano, refa tonga aho dia niezaka tsi nitomani na de hitako fa tena nandratra ni foko izani......4 taona tati aoriana tonga tao antranoko ilay vadiko fa menatra tanteraka Sadi niherikerika mihitsi ( tanteraka ni tanjoko hoe hataoko menatra ianao miditra ni tranoko indrai andro ani)

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: jlambut...
Date: 04 octobre 2017 - 20:37

de ahoana ny tohin ny tantaranareo ry "sahala"? ...mahaliana....

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Larissa
Date: 05 octobre 2017 - 17:23

Asa raha samy efa naheno ilay hiran'i Dian'hay ho tsaroanao iny ny mpy forum ato fa dia toy ny tantaram-piainako mihitsy no tantarainy.
Nanana olon-tiana aho, izy no voalohany niaraka tamiko ary efa teny @ lycée izahay no nanomboka niaraka, niara niezaka, niara nitady, niara niary, efa ho 8 taona niarahana fa tao anatin'ny 2 volana no nahitany vehivavy hafa, nametrahany zaza tany ary nampiakarany an'io olona io ho vady, tena nangidy ny fiainako t@ izany, nanao dépression grave mihitsy moa zah avy eo, very hatramin'ny asako, tafarina tsikelikely teny ihany aho ary nahita asa tena tsara, fa tsy nanao sipa intsony aho raha tsy taona marobe taty aoriana fa tena sarotra ny nanasitrana ilay fery tao amiko tao, sy namerina fitokisana t@ lehilahy izay naka vady ahy avy eo, efa saika tara vady aho t@ taonako saingy mbola notsinjovin'ny tompo ihany dia nahazo vady tsara sy zanaka.
Any izao ilay olona anmitaka ahy io niteraka dimy hono izy, tena tsizarizary ny fiainany, miezaka ny mamela azy aho sao dia no mba hampiarina ny fiainany

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: bien00
Date: 06 octobre 2017 - 14:32

nena ndray ry reto de nisy bandy niaraka tamiko zay, ef nanao sipa talohany aho fa izy no niaraka natory tamiko voalohany, izy no namaky ny boky voalohany, de afaka 1 mois et demi taorian'ny niarahanay namaky ny boky de nisy zazah nipetraka, de ref tsy niverina ny règleko de nandeha nanao test tany @dokotera niaraka izahay 2 de ozy ny dokotera we bevohoka enao, de notereny ah hitsindrona hanalana ilay zaza, fa za tsy nety hatr@farany de nanomboka teo izy de tsitako tsony fa ny siosio enoko de we kay hono izy io efa manambady ef niteraka 2 de zany no natonga anazy nteny we oesorina ny zanako, de zao maty daholo ny zanany mianadahy, afak 2 taona taty aorina de itako tao anaty fb izy de nangatak fifonana tamiko, de aiza hono ny zanany fa izy zao na de ray aza tsy manana, de navaliko anazy we ny zanakao ef novonoinao fa tsisy anao intsony aty, marihiko fa za ko ef nanambady taorianle tsy nihaonanay intsony sady ny zanako tian'ny vadiko tsara, mifankahazo ampo be aza izy mianaka, de hadisoako ve ny tsy manome an'ilay zaza na de we hojereny fotsn aza?

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Mandiniha
Date: 07 octobre 2017 - 08:20

Rehefa natao ny fandinihana dia ilay "resa-pitiavana" no mahabe fahoriana ny rehetra... Tsy ny fitiavana (: autre définition) nefa no fositra, fa ny tsy tena fahafantàrana Azy io no betsaka.

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Sahala
Date: 07 octobre 2017 - 16:28

Jlambut: efa vita tam avril teo aki ni divorce nany a! Divorce no nataoni fomba hihaonana amiko fa menatra izi ari saika tafaverina mitsi zai satria nifanerasera matetika, fa zah nanaiki mora ni divorce nataoni de vita hoazi, meti be amiko koa le izi...

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: ezaka
Date: 09 octobre 2017 - 08:21

Mbola tsy misy tsy niaina ratram-po izany angamba fa ny mahagaga amin'ilay tantara rehetra dia ilay tohiny avy eo. Izay voadona rehetra dia mahita ny tohiny ratsy amin'ny fiainan'ilay olona nisaraka taminy daholo.

Tsy mba misy mihitsy angaha hoe tena narary ahy ny nisarahany fa jerevako ny fiainany amin'izao dia lasa miaraka amin'olona manja be izy, lasa milamina be ny fiainany....

Izay hahatsara ny fiainanareo ry zareo atao fa avelao any izany olona nandratra anareo a. Matoa mahita an'izay tohin'ny fiainany any dia mbola misy fitiavana kely iany ao.
"Le contraire de l'amour ce n'est pas la haine mais l'indifference"

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: pretty girl
Date: 23 octobre 2017 - 15:14

mbola amoureuse tsara iny no niantso ny zandrin'dralehilahy hoe lasa any andafy izy de afaka 4taona vao miverina, andraiiiii

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: manjab
Date: 24 octobre 2017 - 11:13

Ny ahy tsy aiko ze anombohana azy
Fa marina loatra le oe rhf misy olona nandona anao tany de efa tafasaraka nareo d aza mirara ze fiainany any intsony ary aza rarahina akory ny momba azy

Nanambady za ary za d nanantena oe fitiavana b sy madio no iarahanay
Nisy ny fifamalina kely teny Nisy ny tsy fifankazaona kely teny Fa ny nakarary mafy ny foko de ay izy mampiresaka vhv hafa any Manadala vhv hafa any ary mi flirt vhv hafa any

Bref kamo b za na itantara ny detail sy ny hafa aza

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: miourah
Date: 24 octobre 2017 - 14:47

ity ahy ity asa na ratrampo na embona ny fahiny fotsiny. tam za 15ans tany no tara mafy ery tamin'izay ankizy lahy izay. izy koa tara tamiko ary mampiseho fihetsika hoe tia ahy fa tsy nitsotra mihintsy. tsy nisy na bisou iray aza taminay. ary izy milaza any amin'ny namany rehetra hoe miaraka izahay nefa il n'y a jamais rien eu. nifandefa ttsy foana tamin'izany.miaraka amin'ny "je ne t"oublierai jamais" fa tsy nisy n'inon'inona mihintsy dia farany moa izahay tsy niresaka intsony. Faran'ny 3ème izy niaraka tamina sipa manjakely izay. dia nitantara tamiko daholo ndray ny namany, nanao hoe miaraka amin'i anona anie izy e. izaho koa moa, asa naninona angaha, fa tsy ni démentir hoe izahay angaha moa miaraka akory. nandeha teny ny fotoana fa tsy nety hadinoko izy. aman-taonany maro aho dia hantée tanteraka tamin'io ankizy lahy io. efa teny amin'ny université ary aho mbola midoboka mafy be ny foko rehefa sendra mifanena na mahita azy eny andalana. taty aoriana, naman'ny cousine-ko no lasa vadiny, mitovy be amin'ilay sipa manja kely niaraka taminy tamin'izahay 15-16ans. hoy aho anakampo hoe ireny mihintsy zany no tena goût-ny (satria tsy mitovy hendrika amiko mihintsy ilay ankizy vavy anakiroa ireo) Izao zareo efa niteraka, mipetraka any andafy any izy efa-mianaka. Ny ahy koa nitohy ny fiainana. Manambady aho. Mananjanaka. Milamina ny tokantranoko ary tiako ny vadiko. fa ilay ankizy lahy io tsy mety hadinoko. tsy hoe mbola tia azy aho fa ny fiainana koa moa hafahafa, naman'ny cousine-ko ny vadiny dia lasa harako ny fiainany,fantatro ny fb-ny, fantatro ny asany sns. Ity vao tena je ne t'oublierai jamais araka ny pisitily taloha hahahaha

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: mba mahita
Date: 25 octobre 2017 - 12:26

na dia loz toko ary ry pretty girl d tena torany hehy ahy mamaky fomba filazanao azy marina a!

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Dondrona
Date: 25 octobre 2017 - 13:15

Miourah
Misy zava miafina nataony taminao ,fa mety tsy fantatrao oh ;nosorany ranomasom bato ianao ka hitomany ra hilaozany ,na koa nomeny lela tsaonboraka ka hanary lamba rehfa tsy mahita azy .

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: ADIBEUH
Date: 25 octobre 2017 - 14:31

tena ratsy b kou zany fisainan'i Dondrona zany a!ento amin'ny saina tsara e!fa firy taona alou Dondrona e! misaina talou beuuuuuuuuu

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: miourah
Date: 25 octobre 2017 - 18:19

hahahaha aza milaza loza ry Dondrona a (ilay pseudo anareo koa manahirana) tsy bola nitomany tamin'izany bandy izany kosa aho aloha e sady tsy mbola nanary lamba hahahaha matsiaro ny fitia faha zaza fotsiny e

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: nounous
Date: 23 novembre 2017 - 18:36

ny ahy farany teo mpiara-miasa amiko, olona mahafinaritra, tsy niheritreritra n'inoninona aho (na izy koa ary ngamba), nefa lasa tsy foiko, tsy nisy n'inoninona nitranga teo @nay, fa nila niova asa mihitsy adinoiko azy satria mampanembona azy daholo ze atao rehetra tao
mbola ho sarotra ny hanadino fa miandry vavaka dia mirary soa ho azy

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: BandyTaraiky
Date: 03 janvier 2018 - 14:17

Sambany aho niditra teto.

Lhl no manoratra, Izao ny tantara niainako,

Volana vitsivitsy talohan’ny raharahany no niseho ny tantara, efa vita ny fanomanana rht, espace, fanaterana invitation ny famille roa, ny akanjo mariage, ny pitsopitsony rehetra, sns……… Ny olana dia izao : misy cousine-ko miasa amin’ny Hôtel lehibe ireny ary tsy fantatr’ilay ho vadiko izy saingy fantatr’ilay cousine-ko satria hitany miaraka izahay matetika ary izy ambony bus, izahay mandeha amin’ny fiarako, dia tsy nisy présentation. Niteny tamiko io cousine-ko io hoe mila miresaka amiko fa malahelo ahy dia nanaiky aho. Izao hoy izy, mba tsy hijalian’ialahy amin’ny tokatrano any aoriana dia hitako fa tsy mendrika an’ialahy iny olona ho vadian’ialahy iny. Fa ahoana ho aho sady taitra aho?....Izaho hoy izy : Réceptionniste ao @ Hôtel……aho, mpakao aminay miaraka @ olona otran’izao izy, ary manao reservation mialoha ka tonga dia fantatro, ka raha mila porofo ialahy dia antsoiko rehefa manao famandrihana ao aminay izy, dia ok hoy aho. Nodiako tsy fantatra ilay zavatra ataony na dia tena tezitra sy malahelo mafy aza aho, ary te hanao vengeance be. Inona tokoa no niseho, niantso ahy ilay cousine-ko afaka herinandro taorinan’ny nihaonanay mianadahy, izaho efa nitondra olona haka sary dia huissier sy police hanao témoignage rehefa nohazavaiko azy ny fikasanay. Nijanona 20mn tao izy dia nodondona izahay…Inona hoy ianao, fa dia tena niboridana tanteraka ilay lhl slipy no teny ankodiny. Niezaka nandamina ahy ramatoa, saingy efa tapakevitra aho, ny hampiseho ny sariny sy ilay lhl @ fianakaviana satria dia porofo tsy azo lavina no azo ary dia tapakevitra hanafoana ny famandrihana, ny soratra ary nampilaza ny fianakaviana rehetra ny @ fanafoanana ny fikasanay. Tezitra tamiko tokoa ny anadahiny ary saika hanenjan-tsandry tamiko ary rehefa nasehoko azy ny porofo dia nangina izy, ary nanambitamby sy nandadilady. Izaho anefa efa tapakevitra ny hisaraka na dia nanao ny haiko tsy ho zvt aza hamitana ny fikasanay. Ny ray aman-dreniko koa tonga dia niteny tamiko hoe aoka satria lahitokana aho. Ramatoa moa hialako tsiny fa hoatran’ny mitapy saingy tsy anjarako ny manasitrana azy fa an’ny fianakaviany sy ilay lhl niaraka taminy. Tsoriko ampanetretena fa tena nanaja aho, ary tsy nanana eritreritra afatsy ny fanatontosana ny raharahanay saingy……. Vita ny aminay na dia somary afabaraka aza aho niteny t@ ireo fianakaviana sy havana ary namana fa najanona ny fikasanay.

Hialako tsiny fa tena lavabe saingy izay no niainako.

Mankasitraka anareo namaky.

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Sahala
Date: 04 janvier 2018 - 07:27

BandyTaraiky> courage fa mbola hahita ny anjaranao ianao, tsy mandiso ny fanampahakevitrao zah raha namaky hatramin'ny farany, ampetraho eo ampelatanan'andriamanitra ny ho avy fa tsy mora na izany ny nahazo anao an!

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Anonymus
Date: 04 janvier 2018 - 11:40

Ny ahy dia miavaka fa tsy tantaram-pitiavana an'olon droa no nankarary ny foko indrindra fa dia ny raiko. Ary hatramin'ny andro nahafatesany dia tsy nahalala na inona na inona aho fa rehefa maty izy vao nitsikafona daholo ny marina rehetra.

Roa vavy izahay no zanak'i Dada sy Neny (araka ny fahalalako azy moa izany). Efa voadiniko teny ihany fa rehefa andro fety dia toa misy fotoana milaza fa mission na tsy fantatro fa tsy eo i Dada indraindray.
I Neny moa no maty voalohany ka rehefa maty izy dia nandeha ny didim-panana dia nizara roa ny fananan'izy mivady. Ny antsasany lasanay roa vavy zanaka moa ny antsasany an'i Dada. Amin'ny maha ray azy anefa dia mbola izy daholo no nitantana ny rehetra.

2 taona no nahafatesan'i Neny dia maty koa i Dada. Ary teny am-pandevenana dia zahay roa vavy ihany izany no zanaka "officiel". Rehefa nanao acte de notoriete anefa dia 5 zahay no lasa ho mpandova hono. Sahala amin'ny nilatsaham-baratra izahay roa vavy hoe fa iza ireto olona 3 hafa.
Niezaka nandeha tribonaly ihany moa fa resy zahay roa vavy ka dia nizara 5 izany ny fananan'i Dada. Tsy ilay fanana ihany no olana taminay fa dia asa raha fantatr'i Neny ny fisian'ireo olona ireo fa ilay zokiny indridra tamin'izy ireo dia eo anelanelanay roa vavy ny taonany. Ary ilay roa kosa zandriko roa taona sy dimy taona.

Ankoatra ny fizaram-panana moa dia mbola nanan'olona trosa millions maromaro koa kay io dadanay io fa nisoloky. Indrisy fa dia tsy nisy nanome iretsy zaza teny amin'ny sisiny fa zahay roa vavy no nandoa ny trosan'i Dada.

Ny Malagasy moa tsy miady amin'ny maty fa mbola malahelo ihany ny tena mandinika an'izany na dia efa manana tokan-trano aty aoriana aza. Moa dia tsy hainay hatramin'izao hoe fantatr'i Neny ve izany tantara rehetra izany fa tsy niteny taminay izy? Ny havana koa moa tsy misy miteny moa zahay roa koa menatra na hanontany aza.

Milamina ny tokantranonay roa vavy sy ny vadinay avy fa indraindray mbola lasa koa ny saina hoe sao dia manao toy izany koa ireto vady ireto. Tsy firesaka matetika koa moa izany amin'ny vady fa sao dia ho leo koa izy ny farany. Hany ka mangina sy miezaka manadino sisa.

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: mahery vaika ?
Date: 08 janvier 2018 - 07:27

Masiaka be ny fitiavako rehefa tia aho. Bandy aho io an.

Nianatra teny @ Université aho dia tarak be t@ sipa iray izay. Mifankahazo tsara izahay, mifanerasera matetika. Izahay mpinamana mankany an-tranony matetika rehefa misy grève mpampianatra na greve politique mampikatso ny fianarana. Nisy fotoana tongavako alahady hariva tao an-tranony, efa t@ 6h30 hariva angamba iny dia niresaka teo an-tokontaniny teo izahay. Dia nambarako azy ny fitiavako azy efa hatry ny ela, depuis nahitako azy. Saika nitomany izy nandà ny fangatahako azy hiaraka amiko. Noteneniny fa tsy mety ny hiarahanay sns....nanomboka teo tena tsy nisy reko intsony izay noteneniny fa toa fanina aho. farany aho lasa niala ary saika tsy tafody tany an-tranoko akory.

2 andro taty aoriana nifanena t@ bandy mpiara-mianatra iray izay ary io bandy io no niteny tamiko hoe "aza miresaka amin'i (ilay sipa) intsony ialahy fa za no sipany @ izao, fantatro ny resak'lisany t@ alahady hariva, etc..."; tena mbola kapoka mavaivay faharoa tamiko io satria io bandy io dia namana niombonanay ihany.

T@ izay fotoana izay aho vao sendra an'izany hoe motivation zéro handeha hianatra nefa tsy maintsy handeha satria te-hahazo diplôme sady mba te-hahazo sipa na vady tsara koa, ilay sipa sy ilay bandy anefa hifanena amiko foana ary mitovy classe amiko sady miray groupe @ travaux dirigés.

Tsy naharitra fin d'année universitaire dia tsy hita intsony izy 2, hay nifindra école privée malaza tao Tanà rizareo.

Marihako fa manana namana sipa izay mba confidente-ko aho t@ io ary io sipa io irery no nahafantatra ahy hoe tena taraiky be t@ ilay sipa ary izy aza no namporisika ahy hamboraka fitiavana tany @ le sipa. Izy koa no nahafantatra ny refus nataon'ilay sipa ary nahafantatra voalohany ny fiarahan'ilay sipa sy ilay bandy io satria mpinamana be koa izy 2 vavy.

Depuis dia io confidente io nahafantarako ny tantaram-piainan'ilay sipa sy ilay bandy. indray andro io confidente io niteny tamiko hoe ao an-tranonao ve enao rahampitso maraina fa ho any izahay (ankizy mpinamana vitsy² ny resaka eto) dia oui hoy aho, zarako koa aza mba misy namana mamangy mba tsy haratra fo irery ao an-trano.

Tonga ny ampitso maraina, iny izy (ilay confidente) sy ilay sipa nahatara ahy no tonga tao, nampandrosoina izy roa, somary hafahafa ilay sipa nahatara ahy nefa za koa tena sadaikatra satria efa faniriako ny handray azy tao amiko irery raha niaraka izahay kanefa izahay tsy niaraka dia tonga tao izy.

Niresaka fianarana teo izahay 3 mba hanadinoako ny momba an'ilay sipa, kanjo ilay confidente-ko no nanapaka ny resaka hoe "enao ve afaka mampindrana vola anay roa ? eo @ 250 na 300 mille fmg ?

Taitra be aho sady nanontany hoe hatao inona izany vola be izany ? (taona 1990-1998 ny tantara no nitranga)

namaly izy hoe "bevoka i (ilay sipa) dia hoesorina ilay zaza fa i (ilay bandy) tsy mety manala an'ilay izy fa hoe aleo hotazonina fa hivady zareo

Kapoka fahatelo tamiko io fa tonga dia nahavita namaly aho hoe "tsy complice-nareo @ famonoana olona aho fa miala tsiny"

hitako kepoka izy 2 vavy ary ilay sipa bevohoka no tena hitako menatra tanteraka, asa ve nieritreritra hoe satria mbola tara taminy aho dia hitady nahanome ilay vola.

Nanomboka teo dia tsy nifanena intsony izahay fa ilay confidente hatrany no mampahafantatra ahy izay fiainany any ambadika any; taona maro taty aoriana dia reko hoe nisaraka rizareo ary ilay sipa no niala. izaho efa nanana sipa hafa niaraka tamiko. Somary te-hikôty azy aho nefa dégoûté koa en meme temps nefa nidera ny décision-ny satria io bandy niaraka taminy io dia tena nampijaly azy : le lendemain naneken'ilay sipa hiaraka taminy hono no ni-forcer-ny an'ilay sipa hanao aminy fa raha tsy izany dia hisarahany dia halainy baraka dia nanaiky ilay sipa; isan'andro tsy maintsy manao hafa-tsy @ periode misy règles; tsy manao kapoty mihitsy ary alefan'lery any foana ny sperme; rehefa any an-tranon'lery @ apres-midi le sipa de tsy mety aterin'lery mody fa avelany @ izao, rehefa te-hody dia mandeha irery fa rehefa tsy mody dia mazava ho azy mijanona ao dia manao isan'alina, etc...

Taty aoriana reko fa niaraka t@ bandy hafa ilay sipa ary nivady dia lasa nifindra france ary niteraka 2. Efa nionona @ izay ny foko, nanambady aho, niteraka izahay, efa nanomboka niha-lehibe ny ankizy.

Indray andro, efa taty @ 2012 nanana olana teo @ fiainako aho ary sendra nandehandeha nanary dia teny antaninarenina, nahita an'ilay sipa, miaraka @ zanany voalohany, ny vadiny ary ny mamany, niditra tao @ pharmacie metropole. Saika tsy nino hoe izy anie ity. Tsy sahy niditra tao aho fa niditra tao @ paositra niandry izay hivoahany, ôtrany nisy pincement kely izany tao @ foko. Ny nahafahako nino hoe izy dia noho ilay mamany izay fantatro tsara ny endriny hatr@ izay ary izy anefa vavy tokana.

Nivoaka avy tao izy 4 mianaka, ilay vadiny sy ny zanany nandeha mialoha, izy nifanao veloma t@ mamany dia nanaraka ny vady aman-janany à 3 m teo afara ary namonjy ny fiara nitondra an-dry zareo tery @ zaridaina hidina @ totobato antaninarenina.

Iny aho nivoaka haingana nanaraka moramora tsy nieritreritra hiresaka aminy fa mba hankafy ny fahitako azy. Asa na manan apressentiment izy fa niherika izy nony kelikely ary tonga dia taty amiko ny masony no nitopy ary avy dia nitsiky be izy sady nijanona niandry ahy. Niaraka nanohy làlana izahay mandrapahatonga teny @ fiara dia nataony ny présentation t@ vadiny sy ny zanany. Ny ampitson'io rizareo no hiverina france raha ny filazany fa raha miverina @ manaraka dia hiezaka hihaona @ namana mpiara-mpianatra fahiny izay mbola tratra antso.

Niezaka niantso an'ilay confidente-ko aho nilaza io vaovao io ary na ilay confidente aza kay tsy nifanena taminy akory t@ io fotoana nandalovany io.
Herintaona taorian'io iloay confidente no nilaza tamiko hoe marary ilay sipa any france any ary aretina tsy mamela mahazo, fa dia manao traitement be. Noteneniko ilay confidente mba hampita ny hafatro any hoe "courage fa mitondra anao am-bavaka"; tafita ny hafatra. Nnifindra aty ivelany koa izahay avy eo ary vao tonga taty izahay no reko fa maty noho ilay aretina ilay sipa. Tena mbola narary ny foko ary nitomany kely mihitsy aho naheno izay vaovao izay. Nanontany ahy ny vadiko dia notantaraiko hoe izay no sipa tena nahatara be ahy fony teny ankatso fa nalahelo aho t@ parcours-ny, eny hatr@ niarahany t@ ilay vadiny tao aza izy kay tena nijaly ary antony nampihombo ny aretiny izany.

Ilay confidente-ko no niteny hoe "raha mba niaraka taminao (tamiko) angamba izy mety hafa ny fandehan'ny tantara satria izaho hono tia vady, manaja vady, etc..."

Izay ilay hoe tsy anjara saingy mbola mampisy pincement au coeur rehefa miverina mieritreritra ny lasa

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Radama III
Date: 20 janvier 2018 - 06:25

Tsy mivady ofisialy izahay na dia efa 11 taona aza izao no niarahana. Niteraka roa izahay. Matetika mivoaka any ivelany izy (ramatoa) satria any daholo no miasa ny iray tampo aminy. Rehefa toy izany dia mifanoratra sy mifandefa sary @ reseau social no ataonay. Ny sary voalohany nalefany dia sary nanao foulard, ny fanazavana nentiny dia hoe somary mangatsiaka ka nanao an'io. Nandefa sary hafa izy ny apitso tsy nanao ilay foulard (herinandro taorian'ny niaingany) tsy nanao foulard izy niara naka sary tamin'ireo iray tampo aminy. Nalebiaziko ilay sariny ary dia suçon be no tsikaritra teo @ tendany. Rehefa nanotaniako izy dia niodikodina ny valiny. Niaiky anefa izy fa tena suçon io. Tsitako izay atao.

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Tagal
Date: 20 janvier 2018 - 16:21

Radama> Aza misalasala fa hijaly amin'izany ianao. Dieny tsy mbola tafiditra dia mivilia lalana sao dia maratra sy mamoy fo. Efa nandalo teo aho...
.
Ity ny ahy ny ratram-poko tadidiko foana. Tsy farany akory fa ity isan'ny nankarary ahy ihany koa.
.

Sipako voalohany... Bandy no manoratra.
Vao nifindra nonina tao akaikinay ilay sipa ary vao nahita azy aho dia potika... Tsy haiko na ahoana na ahoana ny fomba nikôtiako azy fa ny sur fotsiny dia niaraka sy nifankatia izahay.... Tena tiako izy satria tena sipako voalohany.... Tena tiako tamin’ny foko...
Indray andro tsy tonga ny règle-ny ary nikoropaka izahay.... Ahoana ity ? Inona ny atao ? Dia tapa-kevitra fa hoe aleo aloha hoesorina ary lasa aho nakany amin’ny zokiko lahy tany M... nangataka vola. Nasainlery nanampy azy hivarotra aloha aho ary nijanona herin’andro mahery kely vao nomeny ilay vola ka lasa nandeha niverina tany Tanà
Vao tonga aho dia akory ny hagagako fa efa afaka ilay izy ary fanafody lafobe daholo no teo aminy moa ordonnance ana clinique iray ngedabe no teo.
Nanontany azy aho hoe taiza no nahitanao vola dia dokotera iza no nanao an’io ? Hoy fotsiny izy hoe nanana tahiry tany amin’ny caisse d’epargne aho ary izay no nalaiko fa noheveriko fa nandositra ianao ! Nahatoky ny tena satria tia na dia nanana doute ihany aza.
Niaraka iray taona sy tapany mahery kely teo izahay no sendra nifanena tamina bandy iray aho, bandy tsy fantako nitady ny tranony ary tena sendra izaho no nanontanian’ilay bandy :
- Azafady anie r’ise ! Mba aiza kay ny tranon’i L. azafady ?
- Fa iza moa ianao ?
- Tsy izany fa izaho dia mpamilin’ilay olon-tiany fa nifanao fotoana ry zareo nefa ela loatra izy ka nirahiny aho haka azy aty !
- Olon-tiany ? Sao dia diso ianao ? Izaho mantsy no miaraka aminy !
Gaga ilay bandy sady tsy nahateny... Noteneniko ilay mpamily hoe andana ho’aho teneno izany olona izany hoe ao ny fofom-badiny ary tsy mahazo mivoaka izy.
Lasa aho nakany an-tranon’ilay sipa ary notentaraiko azy ny zavatra nisy sady nihezaka aho no tony. Hoy izy hoe : “T. , fa maninona ianao no manao izany ? Sa ianao mahavita ny zavatra vitany amiko sy aminay mianakavy ? Hainao moa fa manampy ahy be dia be izany olona izany an ? Izy no tena miantoka ny fiainako sns....”
Gina ahoa ry tsy nahateny, hoy fotsiny aho hoe “L. Tiako ianao fa aza ampijaliana aho.”
Valy boraingina no azoko hoe aleo isika misaraka fa raha izaho mitohy dia hanimba ny fiainako ianao ! ... Nalahelo mafy aho ary tena kivy... Nojereko izy dia nanganohano aho.
Noraisany ny findainy dia niantso izy hoe andraso fa ho avy aho.... Lasa izy ary nanaraka azy tato afara aho, hitako soa aman-tsara ny niakarany tao anatin’ilay fiara dia niondrika aho sady lasa nody no nalahelo mafy....
Rehefa hariva ny andro dia niverina tao aminy aho ary nitsotra taminy fa tiako loatra izy ary vonona aho ny mbola hiaraka aminy ary mahazo miaraka amin’ilay lehilahy izy (Rangahy efa manambady ilay lehilahy a)... Nanaiky izy dia niaraka indray izahay... Rehefa tsy mahita azy aho dia manamboatra saina hoe lasa any am’le Rangahy izy izany...
Tantarany ahy avokoa izay ataondry zareo rehetra, ny sangisangy sy ny hoe nisy bandy nikôty izy dia tezitra be ilay Rangahy ka hoy ilay bandy hoe ary saro-piaro be Dadanareo sns.... Bof... Mody mihomehy miaraka aminy aho nefa amin’io ny ratram-poko nanaikitra mafy ahy ! Tia mantsy dia nanaiky ....
Dia toa izay foana nandritra ny 1 volana mahery... Farany tapa-kevitra aho ny hisaraka ary nihezaka be sy nisento lalina aho no niteny taminy fa mafy loatra ny manjo ahy ary raha izao no mitohy dia harary aho fa aleo misaraka; Tsy nety izy nefa hoy aho hoe izay no mampety ny fiainantsika tsirairay ho’aho... Samy manana ny lalany fa ampy izay ratram-poko izay ! Dia lasa aho nody ary nihezaka ny tsy nitady azy intsony !
Herin’andro vitsvitsy taty aoriana dia notongavany tany an-tranonay aho; nifona tamiko izy ary nitsotra fa tena tsapany izao fa izaho ihany no tena tiany ary nilaza izy fa efa nisaraka tamin’ilay Rangahy vadin’olona ary hiaraka amiko irery ihany amin’izay ! Ny tena moa tia dia nanaiky ary nametraka condition fa tsy mila mahita ilay Rangahy intsony ary tsy mila ampirafesina sns fa tonga dia misaraka raha toa ka mbola misy ! Nanaiky izy ary niverina niaraka sy toa nifankatia be izahay !
Rehefa izay dia nomen’ny RAD –ny trano ry zareo hipetrahany koa dia lasa nifindra monina tany lavitra ahy tany.
Indray andro izy nahita asa ary niteny tamiko fa hanaokatra filiale any Majunga ry zareo koa mety ho any koa izy hanokatra izay fotsiny dia mody ! Tsy nety aho ary noteneniko izy hoe tsy mila fa ianao angaha associée sa tompon’andraikitra voalohany ao no hoe tsy maintsy mandeha ? Misafidy ianao na mandeha dia misaraka isika na mijanona eto dia mitohy ny fiarahana rehetra ! Nanaiky dia nijanona izany ! Ouf...
Volana vitsvitsy taty aoriana dia handeha hanao mariage tany Matasoa ny zoky lahiny ary niteny tamiko izy fa handeha any une semaine alohany mariage hikarakara ny any antoerana sy handraisana ny vahiny sns.. Ary mbola namafisin’ilay zaobaviny taty amiko ihany koa izay. Inona moa hoy aho ny olana amin’izany fa rehefa tonga ihany koa ve ny andro hanambadianao tsy mba hanampy anao ny anadahinao ?
Dia lasa izy nakany Mantasoa nanomana ilay mariazy ...
Ny sabotsy andron’ilay mariazy dia niresaka tamiko ny cousine-nay hoe nisy nahita tany Majunga hono ny olon-tiako ary niaraka tamin’izany Rangahy efa lehibe izany... Nitselatra ny ambavafoko nefa mody nitsiky aho sady niteny hoe tsy sipako intsony iny ka ! Sipako taloha ... Sady malahelo ihany...
Lahady hariva, ny ampitson’ilay mariazy izy dia tonga dia nivantana tany aminay ary mody nanontaniako hoe nanao ahoana ny mariazy ? Nahafinaritra hoy izy sady be olona ! Nojereko tsara izy sady noteneniko hoe fa angaha tany Majunga moa ilay mariazy ? An ? Andana ianao mody any fa leo anao aho ! Ampy izay ! Nifona sy nitalaho izy ary niangavy ny hijanona any amiko ny alin’iny fa malahelo ahy hono... Nekeko ny fangatahany ary dia tsy nety aho raha tsy nanao firaisana ara-nofo mandrapahareraka ahy tanteraka .....
Vao niposaka ny andro dia nasaiko niakanjo ary noroasiko hody ... Tsy nety dia mody noteneniko hoe maika hivoaka andeha hianatra aho fa rahariva ... Lasa nefa aho nividy billet ary nakany Tamatave ny harivan’iny ihany, nataoko izany mba hanadinoako azy tanteraka ... Tany aho ary ni-insiste izy niantso sy nifona ary nitalaho ny amin’ny fiarahanay ... Mahaiza miandry rehefa tia hoy aho fa mbola manao vacances aho izao aloha ...
Afaka iray volana sy tapany teo, niverina Antananarivo aho ary niantso azy isaky ny te hanao firaisana sisa... Tsy nanana fitiavana azy intsony aho fa fankahalana tanteraka ....
Indray alahady izahay nifanao fotoana ny hiaraka haka chambre izahay ary niala tao antrano maraina mihintsy aho io lahady io noho izany... Sendra teo ampiandrasana taxibe mamonjy azy aho no naneno ny lakolosim-pangonana ... Nojereko tsara izany ary lasa aho nivavaka ka nifona tamin’Andriamanitra ny amin’ny haratsiandohako sy ny ditrako rehetra ary ihany koa nangataka hery mba hanadinoako azy tanteraka ary olon-tiana mendrika ny fitiavako....
Nivoaka avy eo aho dia ohatra ny nahazo hery vaovao izany.....
Tsy nihaona taminy intsony aho nanomboka teo ary nanova laharana finday tanteraka ... Izy koa tsy sahy nakany amiko intsony satria henon’ny fianakaviana rehetra ny adalany tany Majunga ....

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: KAY LEUH
Date: 22 janvier 2018 - 06:32

Tantara Roman daholo ny ato ...


NY ahy mavesatra amiko fa dondrona ...


Niaraka t@ sipa iray aho, izy moa mbola mianatra any ivelany, efa niteny izy hoe aleo tsy miaraka fa mankarary fo ... za niinsiste fa tiako izy, zay vao otran hoe amoureux... dia niaraka ... bisou fa tsiss sexe t@ zany ... dia lany vola credit, skype sns rehetra, efa antapitrisany isambolany @ communication, izaho moa efa nopresenter-ny tao antrano ... dia mba mandalova any, dia misy fotoana mandalo ... manana zandry vavy izy ... mitovy na tarehy na toetra ry zareo, mbola 16 ans nefa, fa rehefa mba mandalo any aho dia ôtran amporisihan' lay rainy foana io zandriny io miaraka amiko mivoaka, mba ento izy miantsena sns, lasa nifankahazo be izahay, fitiavana madio, samy mahatsapa fa mifankatia fa zanak'Andriamanitra, tsy nisy sahy nanao dingana, fa dia mifampiantso, miaramisakafo aminy @ atoandro rehefa any ampianarana, miaraka foana izahay ... nody ny zokony taty aoriana dia nivady ... tsy vitako lay hoe hisaraka @ zokiny dia ny zandriny no ho vadiana ... zao hanambady lay zandriny ... rehefa @ mariazinao mantsy azy, za hanangatanana ... za no tian'ilay vehivavy, zay ndrindra hoy izy tsy hanaovako mariaziko eto, sady ataoko mangigina ... zay tia adala ... isaky mahita azy aho dia .... dondrona ...

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: vehivavy mizaka
Date: 23 janvier 2018 - 15:43

Ny LAINGA nolazain'ny vadiko ahy fa manan-janaka any ivelany izy.

Izao no anton'izany lainga izany. Nanitsakitsaka ahy t@ mpiara-miasa taminay ny vadiko. Nanao tetika maty paika kay izy ireto oe: raha misy ny fahatratrarana dia lazaina fa manampy an'ilay vadiko @ fikarakarana ity "zaza ivelany" ity ramatoakely; izay marihiko fa fantatry ny vadiko fa zavatra tsy zakako indrindra; Ka hitarika ny fisarahanay.

Indrisy anefa fa tsy nahomby ny tetika. Satria tsy nipetraka t@ zao ny tena fa mba niara niasa t@ olona hitady renseignements.... Ary voaporofo fa tsy zanany ilay zaza.....

Namela ny vadiko aho, satria olombelona mba solofaka, fa nametraka fepetra kosa anefa ny tenako fa raha miverina ny fanitsakitsahana dia zay no vita.

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: balita33
Date: 24 janvier 2018 - 07:15

Niaraka nandritra ny 7 taona izahay sy ilay sipa. tsy tantaraiko ny antony fa niafina izahay niaraka. avy eo hoy izy hoe leo be izaho miafina a mila mahita hevitra isika. Izaho tsy nanam-po fa dia hitako nazava be hoe mila mivady izany. nangonina ny karama kely nividianana peratra dia avy eo nanao fangatahana en mariage comme dans les films..any @ resto, mandohalika etc...kanjo tsy nahazo valiny teo no ho eo (comme dans les films). Teo dia efa nadraingiraingy mafy fa lehilahy ny tena dia tsy sahy nitomany. tapa-bolana taty aoriana fantatro fa nanana olona hafa izy ary izay no anton'ilay tsy nanekeny. Nisaraka moa izahay ary rehefa nohadihadiana dia tsy nanana anton'asa sy ho avy mazava no nampatahotra azy. Mafy tena mafy, niala ny tanana, nivoaka an'i Madagasikara (isaorako ny lanitra) mihitsy aho hanadinoana ny fahavoazako.

Taty aoriana, nisaraka zareo fa tsy naka vady azy ilay lehilahy. Niaraka t@ olona hafa maromaro izy fa tsy tafanambady mihitsy nefa ilay farany nahabevoka azy ary notazominy ny zaza.

Izaho moa niezaka nilofotra niasa fa mafy izay tsy tian'olona satria tsy manana; nadinoiko tanteraka mihitsy ny resaka vehivavy. Tsy nanapaka tanteraka ny fifandraisana taminy satria mety mbola tia tany anatiko tany angamba. nony niteraka izy tsy nanam-bola na ho entina eny @ hopitaly aza. izaho no azony nisarangotina. Naharary ilay hoe ny hafa no nametraka dia izaho no niala vola fa nataoko an-tsaina hoe tsy hadisoan'ilay zaza izany. hoy ny namako sasany hoe mbola tena voany foana aho na dia efa lavitra sy nisaraka aza. izaho kosa manao hoe asa? voany sa tsy voany tsy mampaninona ahy? tsy manotany tena akory aho hoe mbola tia sa tsia 10 taona aty aoriana ary tsy mandalo ny saiko akory ny hieritreritra hiverina aminy na dia hitako manenina aza izy fa tsy miteny.
Ny zavatra fantatro dia sitrana aho! tonga saina fotsiny hoe nahoana no narary mafy t@ olona tsy tia? sa ve hoe izany rehefa mbola tanora 4 taona? marary @ tsy misy dikany? tsy haiko

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: gina38
Date: 24 janvier 2018 - 12:14

manao ahoana daholo ianareo
ny ahy ratrapo mafynahazo ahy dia nanabady efa6ans dia tsy ady tsy inona fa dia nosarahany fa lazainy fa tsy tiany tsony hono nefa efa bevohoka 7mois fa lasa iz noraofiny daholo entany rht niezaka nanotany hoe inona antony fa tsy nisy valiny e dia nanaiky moa fa tsy afaka itazona azy fa mafy zany ka tsy nanome vola izy na hanomanan iterahan sns ary,fa otrany manofy ratsy zany ianao misaina lay izy efa 3mois zay fa mbola mafy mizaka azy

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Efa taloha zany
Date: 13 février 2018 - 15:13

Ny ahy indray:

Bandy n°1 (sipako): "Tsy maintsy ampirafesiko amin'io vehivavy io ianao fa ianao tsy manam-bola nefa izy mahavita ny fiainako".

Bandy n°2 (Saika sipako fa tsy raikitra noho ity): "Misy vehivavy zay any. Tsy maintsy miaraka amin'io vehivavy io aho fa Tsy afaka miaraka aminao aho na dia tiako aza ianao fa ianao tsy manam-bola nefa izy mahavita ny fiainako".

Ilay faha-2 no tena nandratra fo.

Fa saingy efa taloha be daholo zany. Hitako daholo ry zareo zao fa sure aho fa nanenenany ny teniny mahita ahy ankehitriny. Tsy lehilahy akory no nampandroso ny fiainako fa ny fitozoako tamin'ny fianarana ihany.

Aza atositosika ny ondry botry e

Options: Répondre
Re: ratram-po narary indrindra nahazo anao??
Par: Maholy
Date: 20 février 2018 - 17:00

Ny ahy dia ny nisarahako tam 1er amour ko,sy ilay docteur sipako zay,tena mafy tamiko an!

Options: Répondre


Pour créer un sujet ou répondre à un sujet, veuillez vous authentifier (ou créer un compte) avec une adresse email valide
Votre Nom: 
Votre Email: 
Sujet: 
Mesure anti-SPAM :
Recopiez le code que vous voyez dans le champ ci-dessous.
        
Vous êtes ici : Accueil > Forum


Modération du Forum
Le modérateur veille à modifier, à supprimer ou à ne pas publier les messages qui vont à l’encontre de la loi et de la bienséance selon la culture malgache.

Sont proscrits les propos :
• relevant de la diffamation et de l’injure,
• de nature pornographique,
• invitant les mineurs à commettre des actes illicites ou dangereux,
• incitant aux crimes et délits,
• incitant à la discrimination, à la haine ou à la violence, notamment raciales,
• faisant l’apologie de certains crimes, notamment meurtres, viols, crimes de guerre et crimes contre l’humanité; la négation de crimes contre l’humanité.

Règles de base :
• Respectez l’organisation des thèmes proposés.
• Ne postez pas le même sujet dans plusieurs rubriques pour éviter l’éparpillement des discussions.
• Evitez le langage SMS. Nous sommes sur un forum, aérez votre texte et utilisez la ponctuation.
• N’abusez pas des majuscules, ne criez pas, la courtoisie est de rigueur.
• Il est interdit de faire de la publicité pour des produits ou services.
• Il est strictement interdit de divulguer des informations s personnelles : Noms, numéro de téléphone, adresse complète, adresse mail, adresses de messageries, liens profil facebook, etc ...

Responsabilité des auteurs des messages :
Les messages postés dans ce forum restent sous la responsabilité de leurs auteurs. Ces derniers restent propriétaires de leurs publications. TGN, jouant uniquement un rôle d’hébergeur, décline toute responsabilité sur le contenu des messages postés sur le forum. Les participants adoptant un comportement pénalement répréhensible se verront bannis du forum.

TGN respecte la liberté d’expression. Elle invite les internautes à respecter les règles élémentaires de politesse et à ne pas enfreindre la loi. Vous pouvez émettre des suggestions ou avertir d’un message que vous jugez douteux dans le «forum Modérateur». Sinon envoyez un mail à moderateur@dts.mg

Ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra dia iangaviana ianareo internautes hanaja ny fahalalam-pomba, ny lalàna ary indrindra ny fahendrena maha-malagasy. Ho ovana, ho foananana tsy hapoitra akory ny hafatra tsy manaja ireo fepetra ireo. Misy ny adiresy mailaka moderateur@dts.mg ahafahanao mampita hevitra amin'ny modérateur, namampandre raha misyhafatra heverinao fa tsy tokony haseho.

Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg